“Mba Tsy Hidiranareo Amin’ny Fakam-panahy”
“Miambena sy mivavaha hatrany mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy.”—MATIO 26:41.
TENA mafy ny nahazo an’i Jesosy Kristy, rehefa hifarana ny fiainany teto an-tany, fa tsy toy ny nanjo azy hatramin’izay. Tsy ho ela dia hosamborina izy, ka hohelohina ho faty, ary hofantsihina amin’ny hazo fijaliana. Fantany fa hisy fiantraikany amin’ny anaran’ny Rainy izay fanapahan-kevitra horaisiny sy izay zavatra hataony. Fantany koa fa hiankina amin’izany ny hoavin’ny olombelona. Inona no nataony teo anoloan’izany rehetra izany?
2 Nankany amin’ny zaridainan’i Getsemane i Jesosy, niaraka tamin’ny mpianany. Tany no toerana tiany indrindra. Nihataka kely tamin’ny mpianany izy rehefa tonga tany. Rehefa nitokana izy, dia nivavaka mafy tamin’ny Rainy, ka namboraka ny tao am-pony. Tsy indray mandeha ihany no nanaovany izany fa intelo mihitsy. Olombelona lavorary i Jesosy, nefa tsy nihevitra hoe ho vitany ny hiatrika samirery an’ilay zava-tsarotra.—Matio 26:36-44.
3 Tena mafy koa ny mahazo antsika amin’izao andro izao. Noresahintsika tany aloha fa efa miaina amin’ny andro farany isika izao. Mihamafy ny fakam-panahy sy zava-manahirana eto amin’ity tontolo ratsin’i Satana ity. Hisy fiantraikany eo amin’ny anaran’ilay Andriamanitra marina izay fanapahan-kevitra sy zavatra ataon’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra. Miankina amin’izany koa ny hahatongavantsika ao amin’ny tontolo vaovao. Tia an’i Jehovah isika, ary maniry ‘hiaritra hatramin’ny farany’, na ny faran’ny fiainantsika izany, na ny faran’ity tontolo ity. (Matio 24:13) Inona anefa no hanampy antsika hitadidy foana fa efa akaiky ny farany, ka hiambina hatrany?
4 Fantatr’i Jesosy fa hiatrika zava-tsarotra ny mpianany tamin’izany fotoana izany sy amin’izao andro izao. Nampirisika toy izao àry izy: “Miambena sy mivavaha hatrany mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy.” (Matio 26:41) Inona no hevitr’izany teny izany ho antsika ankehitriny? Inona no fakam-panahy atrehinao? Ary inona no hanampy anao ‘hiambina hatrany’?
Fakam-panahy hanao inona?
5 Miatrika fakam-panahy isika rehetra isan’andro noho ny “fandriky ny Devoly.” (2 Timoty 2:26) Mampitandrina antsika ny Baiboly fa mikendry manokana ny mpanompon’i Jehovah i Satana. (1 Petera 5:8; Apokalypsy 12:12, 17) Inona no tanjony amin’izany? Tsy voatery hoe ny hamono antsika no tadiaviny. Tsy mandresy mantsy i Satana raha maty mahatoky isika. Fantany koa fa afaka manafoana ny fahafatesana i Jehovah, amin’ny alalan’ny fananganana amin’ny maty.—Lioka 20:37, 38.
6 Ny hampivadika antsika amin’Andriamanitra kosa no tadiavin’i Satana, satria sarobidy lavitra noho ny aintsika izany. Manao izay ho afany izy mba hanaporofoana fa azony atao ny mampiala antsika amin’i Jehovah. Tena handresy i Satana raha mivadika isika, ka tsy mitory na tsy manaraka intsony ireo fitsipika kristianina! (Efesianina 6:11-13) Mamandrika antsika àry ilay “Mpaka fanahy.”—Matio 4:3.
7 Mampiasa ‘teti-dratsy’ isan-karazany i Satana. (Efesianina 6:11) Anisan’ny fandrika amelezany antsika ny fitiavan-karena, tahotra, fisalasalana, na fikatsahana fahafinaretana. Iray amin’ireo tetika tena mandaitra ampiasainy anefa ny fahakiviana. Manararaotra antsika izy, satria fantany fa mora resin’ny fakam-panahy isika rehefa mamoy fo. (Ohabolana 24:10) Rehefa tena kivy indrindra àry isika no alainy fanahy mba hiala amin’i Jehovah.—Salamo 38:8.
8 Mihamaro ny antony mety hahakivy antsika, arakaraka ny androsoan’ny andro farany, ary tsy vita fanefitra amin’izany isika. (Jereo ilay efajoro hoe: “Zavatra Mety Hahakivy.”) Mampihena ny herintsika ny fahakiviana, na inona na inona antony. Mety ho sarotra aminao, ohatra, ny ‘manararaotra ny fotoana’ mba hamitana ireo adidy ara-panahy, toy ny fianarana Baiboly sy fivoriana ary fitoriana, rehefa reraka ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po ianao. (Efesianina 5:15, 16) Tadidio fa ny hampiala anao amin’i Jehovah no tadiavin’ilay Mpaka fanahy. Tsy izao anefa no fotoana tokony hahavarimbariana anao, na hanadinoanao fa efa akaiky ny farany! (Lioka 21:34-36) Inona àry no hanampy anao hanohitra fakam-panahy, sy hiambina hatrany? Andeha isika handinika fomba efatra.
“Mivavaha hatrany”
9 Miantehera amin’i Jehovah amin’ny vavaka. Namela ohatra ho antsika i Jesosy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane. Inona moa no nataony rehefa tao anatin’ny adin-tsaina mafy izy? Nivavaka mafy tamin’i Jehovah izy, mba hahazoana fanampiana, ka “nanjary tahaka ny ra nitete teo amin’ny tany ny hatsembohany.” (Lioka 22:44) Tadidio fa nahalala tsara an’i Satana i Jesosy. Fony izy tany an-danitra, dia hitany avokoa ny fakam-panahy rehetra nampiasain’i Satana mba hamandrihana ireo mpanompon’Andriamanitra. Tsy nihevitra mihitsy anefa i Jesosy hoe ho resiny mora foana izay fakam-panahy rehetra hataon’i Satana eo anatrehany. Raha ny Zanak’Andriamanitra lavorary aza nila nivavaka mba hahazoana fanampiana sy tanjaka avy amin’Andriamanitra, mainka moa fa isika!—1 Petera 2:21.
10 Tsarovy koa fa rehefa nampirisika ny mpianany mba ‘hivavaka hatrany’ i Jesosy, dia nilaza hoe: “Mazoto ihany ny saina, saingy ny nofo no malemy.” (Matio 26:41) Niresaka momba an’iza moa i Jesosy teto? Azo antoka fa tsy ny tenany no nolazainy, satria olombelona lavorary izy, ka tsy nanana fahalemena. (1 Petera 2:22) Tsy toy izany anefa ny mpianany. Tsy lavorary izy ireo, sady nanana fironan-dratsy, ka nila fanampiana mba hanoherana fakam-panahy. (Romanina 7:21-24) Izany no nahatonga an’i Jesosy hampirisika ny mpianany sy ny Kristianina marina rehetra tatỳ aoriana, mba hivavaka rehefa miatrika fakam-panahy. (Matio 6:13) Mamaly ny vavaka toy izany i Jehovah. (Salamo 65:2) Misy fomba roa, fara fahakeliny, anaovany izany.
11 Voalohany, ampian’Andriamanitra isika mba hamantatra ireo fakam-panahy. Toy ny lalana maizina feno fandrika ireo fakam-panahin’i Satana. Mety ho voafandrika ianao raha tsy mahita azy ireny. Ahariharin’i Jehovah amin’ny alalan’ny Baiboly sy boky ara-baiboly anefa ireo fandrik’i Satana, mba tsy hahatonga antsika ho resin’ny fakam-panahy. Efa hatramin’ny taona maro ny bokintsika sy ireo fandaharana amin’ny fivoriambe, no nampitandrina ny amin’ireo loza toy ny tahotra olona, fitondran-tena maloto, fitiavan-karena, ary ireo fakam-panahy hafa alefan’i Satana. (Ohabolana 29:25; 1 Korintianina 10:8-11; 1 Timoty 6:9, 10) Tsy mankasitraka an’i Jehovah ve ianao noho izy mampitandrina antsika amin’ireo teti-dratsin’i Satana? (2 Korintianina 2:11) Ireny fampitandremana ireny no valin’ny vavaka ataonao mba hanoherana fakam-panahy.
12 Faharoa, manome antsika hery hanoherana fakam-panahy i Jehovah. Hoy ny Teniny: “Andriamanitra ... tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa rehefa misy fakam-panahy dia hasiany lalan-kivoahana koa.” (1 Korintianina 10:13) Raha miantehitra amin’Andriamanitra hatrany isika, dia hanampy antsika izy, ka hanana hery hanoherana ny fakam-panahy rehetra isika. Ahoana no ‘hanisiany lalan-kivoahana’ ho antsika? ‘Manome ny fanahiny masina an’izay mangataka aminy’ izy. (Lioka 11:13) Afaka manampy antsika io fanahy io mba hitadidy ireo toro lalan’ny Baiboly. Hanampy antsika ho tapa-kevitra hanao ny marina sy handray fanapahan-kevitra tsara izany. (Jaona 14:26; Jakoba 1:5, 6) Afaka manampy antsika koa izy io mba haneho ireo toetra ilaintsika rehefa miady amin’ny fironan-dratsy isika. (Galatianina 5:22, 23) Mety hampirisihin’ny fanahin’Andriamanitra mihitsy aza ireo mpiray finoana amintsika mba ‘hanampy sy hankahery’ antsika. (Kolosianina 4:11) Tsy mankasitraka an’ilay Raintsika be fitiavana ve ianao noho izy mamaly vavaka toy izany, rehefa mangataka fanampiana aminy ianao?
Tadidio fa tsy maintsy misy foana ny olana
13 Mba hahatonga antsika hiambina hatrany, dia tokony hotadidintsika fa tsy maintsy misy foana ny olana. Samy miatrika zava-tsarotra isika eo amin’ny fiainana, ka mety ho reraka indraindray. Tsy maintsy tadidintsika anefa fa tsy nampanantena mihitsy Andriamanitra hoe tsy hahita olana intsony isika eto amin’ity tontolo ity. Na dia ireo mpanompon’Andriamanitra tamin’ny andron’ny Baiboly aza dia niaritra zava-tsarotra, toy ny fanenjehana, fahantrana, fahakiviana, ary aretina.—Asan’ny Apostoly 8:1; 2 Korintianina 8:1, 2; 1 Tesalonianina 5:14; 1 Timoty 5:23.
14 Miatrika zava-tsarotra koa isika ankehitriny. Anisan’izany ny fanenjehana, olana ara-bola, fahakiviana, aretina, ary fijaliana hafa. Raha miaro antsika amin’ny loza rehetra amin’ny fomba mahagaga i Jehovah, dia mety hahatonga an’i Satana hiteny ratsy azy izany. (Ohabolana 27:11) Avelan’i Jehovah hiharan’ny fakam-panahy sy fitsapana àry ny mpanompony, ka mety ho faty mihitsy noho ny ataon’ireo mpanohitra.—Jaona 16:2.
15 Inona kosa no nampanantenain’i Jehovah? Araka ny efa hitantsika, dia nampanantena izy fa hanome hery hanoherana izay fakam-panahy rehetra tojo antsika, raha mitoky tanteraka aminy isika. (Ohabolana 3:5, 6) Mampiasa ny Teniny sy ny fanahiny ary ny fandaminany izy mba hiarovana antsika amin’ny lafiny ara-panahy, ka hananantsika fifandraisana tsara aminy foana. Mandresy mantsy isika, na dia maty aza, raha mifandray tsara amin’i Jehovah. Hamaly soa ny mpanompony mahatoky i Jehovah, ary tsy misy mahasakana izany, na dia ny fahafatesana aza. (Hebreo 11:6) Azo antoka fa homen’i Jehovah an’izay tia azy ny fitahiana hafa rehetra nampanantenainy, ao amin’ilay tontolo vaovao efa antomotra.—Salamo 145:16.
Tadidio ny antony namelan’i Jehovah ny faharatsiana hisy
16 Mba hahatonga antsika hiambina hatrany koa, dia tsy maintsy tadidintsika ireo antony namelan’i Jehovah ny faharatsiana hisy. Raha mitady ho tototry ny olana isika, ka alaim-panahy hiala amin’i Jehovah, dia tsara ny hitadidiantsika an’ilay tenin’i Satana hoe tsy manana zo hitondra i Jehovah. Nilaza koa io Mpamitaka io fa tsy tena mahafoy tena ho an’Andriamanitra ireo mpanompony, sady tsy tena mahatoky. (Joba 1:8-11; 2:3, 4) Mbola zava-dehibe kokoa noho ny aintsika ireo olana ireo sy ny fomba nandaminan’i Jehovah izany. Nahoana?
17 Nanjary maro kokoa ny olona nahita ny fahamarinana, rehefa navelan’Andriamanitra hisy aloha ny faharatsiana. Tsarovy fa nijaly i Jesosy mba hahazoantsika fiainana. (Jaona 3:16) Tsy hankasitraka an’izany ve isika? Vonona ny hiaritra kely koa ve isika mba ho maro kokoa no hahazo fiainana? Mba hahatonga antsika hiaritra hatramin’ny farany, dia tsy maintsy ekentsika fa ambony lavitra noho ny antsika ny fahendren’i Jehovah. (Isaia 55:9) Hesoriny ny faharatsiana rehefa voavaha ireo olana napoitran’i Satana, ary hitondra soa ho antsika mandrakizay izany. Izany no fomba tsara indrindra hamahana ireo olana ireo. Tsy misy tsy rariny tokoa amin’Andriamanitra!—Romanina 9:14-24.
“Manatòna an’Andriamanitra”
18 Mba hitadidiantsika foana fa efa akaiky ny farany, dia tsy maintsy manatona akaiky an’i Jehovah isika. Aza hadinoina mihitsy fa manao izay ho afany i Satana mba hanimbana ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Ataon’i Satana izay hinoantsika fa tsy ho tonga mihitsy ny farany, ary tsy ilaina ny mitory na miaina mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly. Fantatsika anefa fa “mpandainga izy sady rain’ny lainga.” (Jaona 8:44) Tsy maintsy tapa-kevitra ny ‘hanohitra ny Devoly’ isika. Tsy tokony hohamaivanintsika mihitsy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Mampirisika antsika amim-pitiavana ny Baiboly hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” (Jakoba 4:7, 8) Ahoana no hanatonanao an’i Jehovah akaiky kokoa?
19 Tena ilaina ny mivavaka sy misaintsaina. Aoka ianao hamboraka ny ao am-ponao amin’i Jehovah rehefa tena tototry ny adim-piainana. Ho mora tsapa kokoa ny valim-bavaka, raha voafaritra tsara ny zavatra angatahina. Tsy voatery hifanojo amin’izay eritreretinao ilay valim-bavaka, kanefa hanampy anao hiaritra Andriamanitra, raha ny hanome voninahitra azy sy ny tsy hivadika aminy no tena fanirianao. (1 Jaona 5:14) Hanatona azy akaiky kokoa ianao rehefa tsapanao fa mitari-dalana anao izy. Tena ilaina koa ny mamaky Baiboly, sy misaintsaina momba ny toetran’i Jehovah sy ny fomba fiheviny. Manampy anao hahalala azy bebe kokoa ny fisaintsainana toy izany, sady manohina ny fonao, ary mampitombo ny fitiavanao azy. (Salamo 19:14) Ny fitiavanao azy no tena hanampy anao hanohitra fakam-panahy, sy hiambina hatrany.—1 Jaona 5:3.
20 Zava-dehibe koa ny mifandray akaiky amin’ny mpiara-manompo raha tiantsika ny hanatona an’i Jehovah. Izay no hodinihintsika ao amin’ny fizarana farany amin’ity bokikely ity.
FANONTANIANA
• Inona no nataon’i Jesosy rehefa tena niatrika zava-tsarotra izy talohan’ny hahafatesany, ary inona no nasainy nataon’ny mpianany? (Feh. 1-4)
• Nahoana i Satana no mikendry ny mpanompon’i Jehovah, ary inona avy no fakam-panahy amelezany antsika? (Feh. 5-8)
• Mba hanoherana fakam-panahy, nahoana isika no mila mivavaka hatrany (Feh. 9-12), mitadidy fa tsy maintsy misy foana ny olana (Feh. 13-15), mitadidy ny antony namelan’Andriamanitra ny faharatsiana hisy (Feh. 16, 17), ary ‘manatona an’Andriamanitra’ (Feh. 18-20)?
[Efajoro, pejy 25]
Zavatra Mety Hahakivy
Aretina na fahanterana. Mety ho kivy isika raha tsy afaka manao betsaka kokoa amin’ny fanompoana an’Andriamanitra noho ny aretina mitaiza, na ny fandroson’ny taona.—Hebreo 6:10.
Fahadisoam-panantenana. Mety ho diso fanantenana isika rehefa tsy dia mandray ny olona itoriana.—Ohabolana 13:12.
Fahatsapana ho tsy misy vidiny. Raha niaritra fijaliana an-taonany maro ny olona iray, dia mety hino fa tsy misy tia azy, na dia i Jehovah aza.—1 Jaona 3:19, 20.
Ratram-po. Raha tafintohina mafy noho ny nataon’ny mpiara-manompo ny olona iray, dia mety hikorontan-tsaina, ka halaim-panahy tsy hivory na tsy hitory intsony.—Lioka 17:1.
Fanenjehana. Mety hanohitra, na hanenjika, na haneso anao ireo tsy mitovy finoana aminao.—2 Timoty 3:12; 2 Petera 3:3, 4.
[Sary, pejy 26]
Nampirisika antsika ‘hivavaka hatrany’ i Jesosy, mba hahazoana fanampiana hanoherana fakam-panahy