Mifikira Hatrany Amin’ny Teôkrasia
“Jehovah no Mpitsara antsika; Jehovah no Mpanome lalàna antsika; Jehovah no Mpanjakantsika”. — ISAIA 33:22.
1. Nahoana no mampanahy ny ankamaroan’ny olona ny resaka mahakasika fitondram-panjakana?
MAMPANAHY fatratra ny rehetra ny resaka mahakasika fitondram-panjakana. Mitondra fiadanana sy firoboroboana ara-toe-karena ny fitondram-panjakana tsara. Hoy ny Baiboly: “Ny rariny no ampandrian’ny mpanjaka ny tany”. (Ohabolana 29:4). Etsy an-danin’izany kosa, dia mitarika ho amin’ny fanaovana ny tsy rariny sy ny fandraisana kolikoly ary ny tsindry hazo lena, ny fitondram-panjakana ratsy. “Raha ny ratsy fanahy no manapaka, dia misento [ny vahoaka].” (Ohabolana 29:2). Nandritra ny tantara manontolo, dia nanandrana karazam-pitondrana maro ny olombelona, ary mampalahelo fa ‘nisento’ izy ireo mazàna noho ny tsindry hazo lena nataon’ny mpitondra. (Mpitoriteny 8:9). Hisy rafi-pitondrana hahavita hitondra fahafaham-po maharitra ho an’ny vahoakany ve?
2. Nahoana no tena mety mba hilazana ny fitondram-panjakan’ny Isiraely fahiny ny hoe “teôkrasia”?
2 Ilay mpahay tantara atao hoe Josèphe dia niresaka ny amin’ny karazam-pitondrana iray tsy manan-tsahala, fony izy nanoratra hoe: “Nanankina ny fahefana ara-politika fara tampony ho an’olon-tokana ny olona sasany, ny hafa nanankina izany tamin’ny antokon’olom-bitsy, fa ny hafa kosa nanankina izany tamin’ny vahoaka. Tsy nisy nahasarika an’[i Mosesy] mpanome lalàna antsika anefa ireny rafi-pitondrana ireny. Ny rafitra nanaovany ny lalàm-panorenany kosa anefa — raha teny foronina no ampiasaina — dia azo antsoina hoe ‘teôkrasia’, satria napetrany teo an-tanan’Andriamanitra ny fiandrianana sy ny fahefana rehetra.” (Against Apion, Boky Faharoa, pejy faha-164-165). Araka ny rakibolana iray, dia “endri-pitondrana iray tantanan’Andriamanitra” no atao hoe teôkrasia. Tsy hita ao amin’ny Baiboly io teny io, nefa mahalaza tsara ilay fitondram-panjakana nisy teo amin’ny Isiraely fahiny. Na dia nanjary nanana mpanjaka hita maso aza ireo Isiraelita, dia i Jehovah no tena mpitondra azy ireo. Hoy ny voalazan’i Isaia, mpaminany isiraelita: “Jehovah no Mpitsara antsika; Jehovah no Mpanome lalàna antsika; Jehovah no Mpanjakantsika”. — Isaia 33:22.
Inona no atao hoe tena teôkrasia?
3, 4. a) Inona no atao hoe tena teôkrasia? b) Fitahiana inona avy no hoentin’ny teôkrasia ho an’ny olombelona rehetra, amin’ny hoavy tsy ho ela?
3 Hatramin’ny namoronan’i Josèphe an’ilay teny, dia firenena maro no nolazaina fa teôkrasia. Hita fa tsy nilefitra sy nafana fo tafahoatra ary nanao tsindry hazo lena tamin-kalozana ny sasany tamin’izy ireny. Teôkrasia marina tokoa ve izy ireny? Tsia, tsy araka ilay heviny nampiasan’i Josèphe an’ilay teny. Ny olana dia satria nitarina ny hevitry ny hoe “teôkrasia”. Ny World Book Encyclopedia dia mamaritra an’io teny io ho “rafi-pitondrana izay itantanan’ny pretra iray na maromaro ny firenena, ka amin’izany dia manana fahefana eo amin’ny raharaha sivily sy ara-pivavahana ireo manao ny raharahan’ny pretra”. Tsy fitondran’ny pretra anefa ny tena teôkrasia. Raha ny tena izy, dia fanapahan’Andriamanitra izy io, fitondram-panjakana tantanan’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona an’izao rehetra izao.
4 Amin’ny hoavy tsy ho ela, dia ho eo ambany fitantanan’ny teôkrasia ny tany manontolo, ary ho fitahiana toy inona moa izany! “Andriamanitra no hitoetra eo amin[’ny olombelona] (...). Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” (Apokalypsy 21:3, 4). Tsy misy fanapahana tantanana pretra, izay olombelona tsy lavorary, afaka ny hitondra fahasambarana toy izany. Ny fanapahan’Andriamanitra ihany no afaka manao izany. Noho izany, dia tsy miezaka hanorina teôkrasia amin’ny fanaovana politika ny Kristianina marina. Miandry amim-paharetana an’Andriamanitra kosa izy ireo mba hanorina teôkrasia maneran-tany, amin’ny fotoana mety aminy sy araka ny fombany manokana. — Daniela 2:44.
5. Aiza no iasan’ny tena teôkrasia amin’izao andro izao, ary fanontaniana inona avy no mipoitra mahakasika azy io?
5 Mandra-pahatongan’izany anefa, dia miasa tokoa ankehitriny ny tena teôkrasia. Aiza? Eo anivon’ireo izay sady manaiky an-tsitrapo ny fanapahan’Andriamanitra no mifarimbona mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Ireny olona mahatoky ireny dia nangonina ho “firenena” ara-panahy maneran-tany, ao amin’ilay ‘taniny’ ara-panahy. Tsy iza akory izy ireo fa ny sisa amin’ny “Isiraelin’Andriamanitra”, sy ireo kristianina namany maherin’ny dimy tapitrisa sy sasany. (Isaia 66:8; Galatiana 6:16). Izy ireo dia manaiky an’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka any an-danitra, izay nahazo seza fiandrianana tamin’i Jehovah Andriamanitra, ilay “Mpanjakan’ny mandrakizay”. (1 Timoty 1:17, NW; Apokalypsy 11:15). Ahoana no mahateôkratika an’io fandaminana io? Ahoana no iheveran’ireo mpikambana ao anatin’izy io ny fahefan’ny fitondram-panjakana tsy ara-pivavahana? Ho an’ireo olona mampihatra fahefana eo anivon’ilay fireneny ara-panahy, ahoana no ihazonan’izy ireny ilay foto-pitsipiky ny teôkrasia?
Fandaminana teôkratika
6. Ahoana no hetezan’ny hoe Andriamanitra no mitantana ny fandaminan’olombelona hita maso iray?
6 Ahoana no hetezan’ny hoe i Jehovah no mitantana ny fandaminan’olombelona iray, nefa any an-danitra tsy hita maso no fonenany? (Salamo 103:19). Azo atao izany, satria manaraka izao torohevitra ara-tsindrimandry izao ireo anisan’izy io: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao”. (Ohabolana 2:6; 3:5). Mamela an’Andriamanitra ho mpitondra azy izy ireo rehefa mitandrina “ny lalàn’i Kristy” sy mampihatra eo amin’ny fiainany andavanandro ireo foto-pitsipiky ny Baiboly ara-tsindrimandry. (Galatiana 6:2; 1 Korintiana 9:21; 2 Timoty 3:16; jereo ny Matio 5:22, 28, 39; 6:24, 33; 7:12, 21.) Mba hanaovana izany, dia tsy maintsy ho mpianatra ny Baiboly izy ireo. (Salamo 1:1-3). Toy ireo Berianina fahiny izay ‘tsara toe-panahy’, dia tsy manaraka olombelona izy ireo, fa manamarina hatrany ao amin’ny Baiboly ny zavatra ianarany. (Asan’ny Apostoly 17:10, 11; Salamo 119:33-36). Toy ny mpanao salamo, dia mivavaka toy izao izy ireo: “Ampianaro fahafantarana tsara sy fahalalana aho, fa matoky ny didinao aho.” — Salamo 119:66.
7. Ambaratongam-piandraiketana inona avy no misy eo anivon’ny teôkrasia?
7 Tsy maintsy misy olona mampihatra fahefana na manome tari-dalana, ao amin’ny fandaminana rehetra. Tsy maningana amin’izany ny Vavolombelon’i Jehovah, ary ankatoavin’izy ireo ilay rafi-pahefana nosoritan’ny apostoly Paoly, manao hoe: “Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan’ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan’i Kristy.” (1 Korintiana 11:3). Lehilahy mahafeno fepetra ihany, araka izany, no manompo amin’ny mahaloholona ao anatin’ny kôngregasiôna. Ary na dia any an-danitra aza i Jesosy, “lohan’ny lehilahy rehetra”, eto an-tany dia mbola misy “sisa” amin’ny rahalahiny voahosotra ihany izay manana fanantenana ny hiara-manapaka aminy any an-danitra. (Apokalypsy 12:17; 20:6). Izy ireo no mahaforona ny “mpanompo mahatoky sy malina” izay misy mpikambana maro. Rehefa manaiky ny fiandraiketan’ilay “mpanompo” ny Kristianina, dia mampiseho fa manaiky an’i Jesosy, ka noho izany dia manaiky koa an’i Jehovah izay lohan’i Jesosy. (Matio 24:45-47, NW; 25:40). Amin’izany fomba izany no ilaminan’ny teôkrasia. “Andriamanitra tsy tompon’ny [fikorontanana, NW ], fa tompon’ny fiadanana.” — 1 Korintiana 14:33.
8. Ahoana no anohanan’ireo loholona kristianina ny foto-pitsipiky ny teôkrasia?
8 Manohana ny foto-pitsipiky ny teôkrasia ireo loholona kristianina, satria takatr’izy ireo fa tompon’andraikitra eo anatrehan’i Jehovah izy ireo ny amin’ny fomba ampiharany ilay fahefana voafetra ananany. (Hebreo 13:17). Miantehitra amin’ny fahendren’Andriamanitra, fa tsy amin’ny fahendren’ny tenany, izy ireo, rehefa mandray fanapahan-kevitra. Manaraka ny ohatr’i Jesosy izy ireo amin’izany lafiny izany. Izy no olombelona hendry indrindra hatrizay hatrizay. (Matio 12:42). Na izany aza anefa, dia nilaza toy izao tamin’ny Jiosy izy: “Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray”. (Jaona 5:19). Manana fihetsika sahala amin’ny an’i Davida Mpanjaka koa ireo loholona. Nanana fahefana lehibe teo anivon’ny teôkrasia izy. Na dia izany aza, dia naniry hanaraka ny lalan’i Jehovah izy, fa tsy ny an’ny tenany. Nivavaka toy izao izy: “Ampianaro ny làlanao aho, Jehovah ô; ary tariho amin’ny làlana marina”. — Salamo 27:11.
9. Fomba fijery voalanjalanja inona no ananan’ireo Kristianina vita fanoloran-tena, mahakasika ireo fanantenana samy hafa sy tombontsoam-panompoana samy hafa eo anivon’ny teôkrasia?
9 Nisy nisalasala hoe rariny ve raha ny lehilahy ihany no mahafeno fepetra hampihatra fahefana ao anatin’ny kôngregasiôna, na hoe rariny ve raha manantena ny ho any an-danitra ny sasany, fa ny hafa kosa manantena ny ho eto an-tany? (Salamo 37:29; Filipiana 3:20). Takatr’ireo Kristianina vita fanoloran-tena anefa fa voasoritra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ireny fandaharana ireny. Teôkratika izy ireny. Raha misy fisalasalana mahakasika azy ireny, dia mazàna izany no avy amin’ireo izay tsy mahatakatra mazava tsara ireo foto-pitsipika ara-baiboly. Fantatry ny Kristianina koa ankoatra izany fa, eo imason’i Jehovah, dia mitovy ny lehilahy sy ny vehivavy, raha ny famonjena no asian-teny. (Galatiana 3:28). Ho an’ny Kristianina marina, dia ny fanompoana an’ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao no tombontsoa ambony indrindra mety ho azo, ary faly izy ireo na inona na inona anjara asa soritan’i Jehovah ho azy ireo. (Salamo 31:23; 84:10; 1 Korintiana 12:12, 13, 18). Fanantenana tena mahatalanjona koa, ambonin’izany, ny fiainana mandrakizay, na any an-danitra izany, na ao amin’ny tany tonga paradisa.
10. a) Fihetsika tsara dia tsara inona no nasehon’i Jonatana? b) Ahoana no anehoan’ny Kristianina amin’izao andro izao fihetsika sahala amin’ny an’i Jonatana?
10 Araka izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitovy amin’i Jonatana, lehilahy natahotra an’Andriamanitra, zanak’i Saoly Mpanjaka. Azo inoana fa ho nanana ny toetra nilaina hahatongavana ho mpanjaka faran’izay tsara i Jonatana. Noho ny tsy fahatokian’i Saoly anefa, dia nifidy an’i Davida i Jehovah, ho mpanjaka faharoan’ny Isiraely. Sosotra noho izany ve i Jonatana? Tsia. Nanjary mpinamana be tamin’i Davida izy ary niaro azy tamin’i Saoly mihitsy aza. (1 Samoela 18:1; 20:1-42). Mitovy amin’izany koa fa tsy mialona an’ireo manana fanantenana ny ho any an-danitra ireo manana fanantenana ny ho eto an-tany. Tsy mialona an’ireo mampihatra fahefana teôkratika ao anatin’ny kôngregasiôna koa ny Kristianina marina. ‘Manaja azy ireny indrindra amin’ny fitiavana’ kosa izy ireo, noho fankasitrahana ny asa mafy ataon’izy ireny ho an’ireo rahalahiny sy anabaviny ara-panahy. — 1 Tesaloniana 5:12, 13.
Fomba fijery teôkratika mahakasika ny fitondrana tsy ara-pivavahana
11. Inona no fiheveran’ny Kristianina manaiky ny fanapahana teôkratika, raha ny amin’ireo fahefana tsy ara-pivavahana?
11 Raha eo ambanin’ny teôkrasia, na fanapahan’Andriamanitra, ny Vavolombelon’i Jehovah, ahoana no fiheviny an’ireo mpitondra firenena? Nilaza i Jesosy fa “tsy naman’izao tontolo izao” ny mpanara-dia azy. (Jaona 17:16). Manaiky anefa ny Kristianina fa manana trosa aminy i “Kaisara”, izany hoe, ny fitondram-panjakana. Nilaza i Jesosy fa tokony ‘handoa ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara izy ireo, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra’. (Matio 22:21). Araka ny Baiboly, dia “voatendrin’Andriamanitra” ny fitondram-panjakan’olombelona. I Jehovah, ilay Loharanon’ny fahefana rehetra, dia mamela ny fitondram-panjakana hisy ary manantena azy ireny hanao soa amin’ireo eo ambany fahefany. “Mpanompon’Andriamanitra” izy ireny rehefa manao izany. Manaiky ny fitondram-panjakana ao amin’ny tany misy azy ny Kristianina, ‘noho ny feon’ny fieritreretana’. (Romana 13:1-7). Mazava ho azy fa ‘hanaiky an’Andriamanitra mihoatra noho ny olona’ ny Kristianina raha mitaky zavatra mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra ny fanjakana. — Asan’ny Apostoly 5:29.
12. Ny ohatr’iza no arahin’ny Kristianina rehefa enjehin’ny fanjakana izy ireo?
12 Ahoana rehefa enjehin’ny fanjakana ny Kristianina marina? Amin’izay izy ireo dia manaraka ny ohatr’ireo Kristianina tany am-boalohany, izay niaritra fotoam-panenjehana mafy. (Asan’ny Apostoly 8:1; 13:50). Efa nampoizina ireny fitsapam-pinoana ireny, satria efa nilaza mialoha ny hahatongavan’izany i Jesosy. (Matio 5:10-12; Marka 4:17). Na dia izany aza anefa, dia tsy namaly faty an’ireo mpanenjika azy ireo Kristianina tany am-boalohany, no sady tsy nihanalemy finoana rehefa teo ambanin’ny fanerena. Nanaraka izao ohatr’i Jesosy izao kosa izy ireo: “Raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ny Mpitsara marina”. (1 Petera 2:21-23). Eny, nandresy an’ireo fihantsian’i Satana ny foto-pitsipika kristianina. — Romana 12:21.
13. Manao ahoana ny fihetsiky ny Vavolombelon’i Jehovah, manoloana ny fanenjehana sy ny ezaka atao mba hanendrikendrehana azy ireo?
13 Marina koa izany amin’izao andro izao. Nandritra itỳ taonjato itỳ, dia nitondra fahoriana mafy ny Vavolombelon’i Jehovah, teo am-pelatanan’ireo mpitondra tsy refesi-mandidy, araka ny efa nanambaran’i Jesosy azy mialoha. (Matio 24:9, 13). Misy lainga sy fanendrikendrehana afafy any amin’ny tany sasany, ka tompo-marika amin’izany ireo olona miezaka ny hanery ny manam-pahefana hanao zavatra hanoherana ireo Kristianina tso-po ireo. Na dia eo aza anefa izany “laza ratsy” izany, dia mampiseho ny tenany ho mpanompon’Andriamanitra ny Vavolombelona, amin’ny fitondran-tena tsara dia tsara asehony. (2 Korintiana 6:4, 8). Raha mbola azo atao koa, dia entin’izy ireo any amin’ireo manam-pahefana sy eo anatrehan’ny fitsarana ao amin’ilay tany ilay raharaha, mba hampisehoana fa tsy meloka ho nanao ratsy izy ireo. Mampiasa izay fomba rehetra misy izy ireo mba hiarovana ampahibemaso ny vaovao tsara. (Filipiana 1:7). Rehefa avy nanao izay rehetra azony natao araka ny lalàna anefa izy ireo, dia apetrany eo am-pelatanan’i Jehovah ny raharaha. (Salamo 5:8-12; Ohabolana 20:22). Tsy matahotra ny hitondra fahoriana noho ny fahamarinana izy ireo, raha ilaina izany, toa an’ireo Kristianina tany am-boalohany. — 1 Petera 3:14-17; 4:12-14, 16.
Apetraho eo amin’ny toerana voalohany ny voninahitr’Andriamanitra
14, 15. a) Inona no zava-dehibe indrindra ho an’ireo manohana ny foto-pitsipiky ny teôkrasia? b) Tamin’ny fotoana inona i Solomona no namela oha-panetren-tena tsara dia tsara mahakasika ny toeram-piandraiketany?
14 Rehefa nampianatra ny mpanara-dia azy hivavaka i Jesosy, dia ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah no zavatra voalohany notononiny. (Matio 6:9). Mifanaraka amin’izany, dia mikatsaka ny voninahitr’Andriamanitra, fa tsy ny an’ny tenany, ireo miaina eo ambanin’ny teôkrasia. (Salamo 29:1, 2). Milaza ny Baiboly fa tamin’ny taonjato voalohany, izany dia vato fahatafintohinana ho an’ny sasany izay nanda tsy hanaraka an’i Jesosy, satria “tia ny voninahitra avy amin’ny olona izy ireo”, izany hoe, tia ny homen’ny olona voninahitra. (Jaona 12:42, 43). Mitaky fanetren-tena tokoa ny fametrahana an’i Jehovah ho alohan’ny fiheveran-tena ho zavatra.
15 Naneho toe-tsaina tsara dia tsara i Solomona tamin’io lafiny io. Ampitahao amin’ny tenin’i Nebokadnezara momba ireo asa niavaka nataony ange ny tenin’i Solomona tamin’ny nitokanana ilay tempoly be voninahitra naoriny e! Nihevi-tena ho zavatra loatra i Nebokadnezara, ka nirehareha hoe: “Tsy ity va no Babylona lehibe, izay nataoko ho lapan’ny fanjakana tamin’ny haben’ny heriko mba ho voninahitry ny fahalehibiazako?” (Daniela 4:27). Mifanohitra amin’izany fa nampiseho fanetren-tena i Solomona, ka tsy mba nanasongadina ny zava-bitany. Hoy tokoa mantsy izy: “Andriamanitra va dia honina amin’ny olona etỳ an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!” (2 Tantara 6:14, 15, 18; Salamo 127:1). Tsy nanandratra ny tenany i Solomona. Fantany fa solontenan’i Jehovah fotsiny izy, ka hoy ny nosoratany: “Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka; fa ao amin’ny manetry tena no misy fahendrena.” — Ohabolana 11:2.
16. Amin’ny ahoana ireo loholona no tena loharanom-pitahiana rehefa tsy mitady ny voninahitry ny tenany?
16 Ireo loholona kristianina dia manandratra toy izany koa an’i Jehovah, fa tsy ny tenany. Manaraka izao torohevitr’i Petera izao izy ireo: “Raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen’Andriamanitra azy; mba hankalazana an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy”. (1 Petera 4:11). Nolazalazain’ny apostoly Paoly ho “asa tsara”, fa tsy toeram-boninahitra, ny “asan’ny mpitandrina” na mpiandraikitra. (1 Timoty 3:1). Voatendry mba hanompo ireo loholona, fa tsy hanjakazaka. Mpampianatra sy mpiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra izy ireo. (Asan’ny Apostoly 20:28; Jakoba 3:1). Tena fitahiana ho an’ny kôngregasiôna ny loholona manetry tena sy be fandavan-tena. (1 Petera 5:2, 3). “Omeo voninahitra izay olona tahaka izany”, ary isaory i Jehovah noho ny nanomezany loholona maro dia maro mahafeno fepetra, mba hanohana ny teôkrasia amin’izao “andro farany” izao. — Filipiana 2:29; 2 Timoty 3:1, NW.
“Aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo”
17. Amin’ny fomba ahoana avy no anahafan’ireo eo ambanin’ny teôkrasia an’Andriamanitra?
17 Nampirisika toy izao ny apostoly Paoly: “Aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala”. (Efesiana 5:1). Ireo izay manaiky ny teôkrasia dia miezaka araka izay azon’ny olombelona tsy lavorary atao mba hanahafana an’Andriamanitra. Milaza toy izao momba an’i Jehovah, ohatra, ny Baiboly: “Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy Izy.” (Deoteronomia 32:3, 4). Mba hanahafana an’Andriamanitra amin’io lafiny io, ny Kristianina dia mikatsaka fahatokiana sy fahamarinana ary fomba fijery voalanjalanja ny amin’izay atao hoe rariny. (Mika 6:8; 1 Tesaloniana 3:6; 1 Jaona 3:7). Manalavitra zavatra maro izay nanjary azo ekena eo amin’izao tontolo izao izy ireo. Anisan’izany ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny fitsiriritana ary ny fierenana. (Efesiana 5:5). Koa satria avy amin’Andriamanitra, fa tsy avy amin’olombelona, ny fari-pitsipika arahin’ireo mpanompon’i Jehovah, dia teôkratika sy madio ary mahasoa ny fandaminan’i Jehovah.
18. Inona no toetran’Andriamanitra lehibe indrindra, ary amin’ny fomba ahoana no anehoan’ny Kristianina an’io toetra io?
18 Ny fitiavana no toetran’i Jehovah Andriamanitra lehibe indrindra. “Andriamanitra dia fitiavana”, hoy ny apostoly Jaona. (1 Jaona 4:8). Fanapahan’Andriamanitra no atao hoe teôkrasia. Midika àry izany fa fanapahan’ny fitiavana, izy io. Hoy i Jesosy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35). Naneho fitiavana tamin’ny fomba niavaka ilay fandaminana teôkratika, nandritra izao andro farany sarotra izao. Nandritra ilay fifandonana nandripahana foko iray tatsy Afrika, ny Vavolombelon’i Jehovah dia naneho fitiavana tamin’ny olona rehetra, na inona na inona foko nisy azy ireny. Nifanampy ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny faritra rehetra, nandritra ilay ady tany Iogoslavia teo aloha. Nandray anjara tamin’ilay nolazaina fa fanadiovana ara-pirazanana kosa anefa ny fivavahana hafa. Raha ny Vavolombelon’i Jehovah isam-batan’olona no jerena, dia miezaka hitandrina izao torohevitr’i Paoly izao izy ireo: “Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra; ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.” — Efesiana 4:31, 32.
19. Fitahiana inona avy no azon’ireo manaiky ny teôkrasia, dieny izao sy amin’ny hoavy?
19 Mahazo fitahiana lehibe ireo manaiky ny teôkrasia. Tsara fihavanana amin’Andriamanitra sy ny Kristianina hafa izy ireo. (Hebreo 12:14; Jakoba 3:17). Manan-java-kendrena eo amin’ny fiainana izy ireo. (Mpitoriteny 12:13). Mahazo fiarovana ara-panahy sy manana fanantenana azo antoka ny amin’ny hoavy izy ireo. (Salamo 59:9). Eny tokoa, misantatra sahady ny hoavy izy ireo, dia ilay fotoana hanapahan’ny teôkrasia ny olombelona rehetra. Amin’izay fotoana izay, hoy ny Baiboly, dia “tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy; fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina”. (Isaia 11:9). Ho vanim-potoana be voninahitra tokoa re izany! Enga anie isika rehetra ka hanao izay hahazoana antoka fa hanana ny toerantsika ao amin’io Paradisa ho avy io isika, amin’ny fifikirantsika hatrany amin’ny teôkrasia, dieny ankehitriny.
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Inona no atao hoe tena teôkrasia, ary aiza no ahitana azy io amin’izao andro izao?
◻ Amin’ny fomba ahoana no aneken’ny olombelona ny fanapahana teôkratika, eo amin’ny fiainany?
◻ Amin’ny fomba ahoana avy no ikatsahan’ireo rehetra eo ambanin’ny teôkrasia ny voninahitr’Andriamanitra alohan’ny an’ny tenany?
◻ Inona avy no sasany amin’ireo toetra araka an’Andriamanitra tahafin’ireo manohana ny teôkrasia?
[Sary, pejy 17]
Nametraka ny voninahitr’Andriamanitra ho alohan’ny an’ny tenany i Solomona