Aza Avela Hisy Hanimba ny Fahazarana Tsara Anananao
“Aza mety hofitahina hianareo; ny [ fifaneraserana, NW ] ratsy manimba ny [ fahazarana, NW ] tsara.” — 1 KORINTIANA 15:33.
1, 2. a) Inona no tsapan’ny apostoly Paoly tamin’ireo Kristiana tany Korinto, ary nahoana? b) Torohevitra manokana inona no hodinihintsika?
FIHETSEHAM-PO mahery toy inona moa ny fitiavan-dray aman-dreny! Izany dia manosika ny ray aman-dreny hanao sorona ny tenany ho an-janany, hampianatra sy hanoro hevitra azy ireo. Mety tsy ho ray ara-nofo i Paoly, kanefa dia nanoratra toy izao ho an’ireo Kristiana tany Korinto izy: “Fa na dia manana mpampianatra iray alina ao amin’i Kristy aza hianareo, dia tsy maro ray hianareo; fa izaho no niteraka anareo ao amin’i Kristy Jesosy tamin’ny filazantsara.” — 1 Korintiana 4:15.
2 Talohan’izay i Paoly dia nandeha tany Korinto izay nitoriany tamin’ny Jiosy sy ny Grika. Nanampy tamin’ny fiforonan’ny kongregasiona tany Korinto izy. Tao amin’ny taratasy hafa iray i Paoly dia nampitovy ny fikarakarana nataony tamin’ny an’ny reny nitaiza iray, kanefa dia toy ny ray izy ho an’ireo Korintiana. (1 Tesaloniana 2:7). Toy ny ataon’ny ray ara-nofo iray be fitiavana, i Paoly dia nananatra ireo zanany ara-panahy. Afaka mandray soa avy amin’ny torohevitry ny ray nomeny an’ireo Kristiana tany Korinto ianao: “Aza mety hofitahina hianareo; ny [fifaneraserana, NW ] ratsy manimba ny [fahazarana, NW ] tsara.” (1 Korintiana 15:33). Nahoana i Paoly no nanoratra izany ho an’ireo Korintiana? Ahoana no ahafahantsika mampihatra ilay torohevitra?
Torohevitra ho azy ireo sy ho antsika
3, 4. Inona no fantatsika momba an’i Korinto sy ny mponina tao aminy tamin’ny taonjato voalohany?
3 Tamin’ny taonjato voalohany, dia nanoratra toy izao ilay Grika manam-pahaizana manokana momba ny jeografia atao hoe Strabo: “Nantsoina hoe ‘manankarena’ i Korinto noho ny varotra tao aminy, satria izy io dia teo amin’ilay Andilan-tany (Isthme) sady tompon’ny seranan-tsambo roa, ny iray mankany Azia mivantana, ary ny iray mankany Italia; ary manamora ny fifanakalozana entam-barotra avy any amin’ireo tany roa ireo izy.” Isaky ny roa taona, dia nitarika vahoaka sesehena ho any Korinto ireo Lalao Ismika malaza.
4 Toy inona ny olona tao amin’io tanàna io izay foiben’ny fahefana ara-panjakana no sady foiben’ny fanompoam-pivavahana feno fanaranam-po tamin’ny fahafinaretan’ny nofo natao tamin’i Aphrodite? Nanazava toy izao ny profesora T. S. Evans: “Azo inoana fa sahabo ho 400 000 ny isan’ny mponina. Fitambaran’olona ambony ara-kolontsaina [izy io], saingy malalaka loatra ara-pitondran-tena, vetaveta mihitsy aza. (...) Ireo mponina grika tany Akaia dia niavaka noho ny tsy fahasasarana ara-tsaina sy noho izy ireo liam-baovao fatratra tamim-pirehetam-po. (...) Ny fitiavan-tenan’izy ireo dia afaka nampirisika fitokotokoana mora foana.”
5. Loza inona no natrehin’ireo rahalahy tany Korinto?
5 Rehefa nandeha ny fotoana, na dia ny kongregasiona aza dia nanjary nosaratsarahin’ny sasany izay mbola nirona hitompo teny fantatra tamim-pireharehana. (1 Korintiana 1:10-31; 3:2-9). Zava-nanahirana lehibe iray ny fitenenan’ny sasany hoe: “Tsy misy fitsanganan’ny maty”. (1 Korintiana 15:12; 2 Timoty 2:16-18). Na inona na inona zavatra marina ninoan’izy ireo (na ninoany tamin’ny fomba diso), dia voatery nanitsy azy ireo i Paoly tamin’ny porofo mazava fa “efa natsangana tamin’ny maty” i Kristy. Noho izany, dia afaka natoky ny Kristiana fa hanome azy ireo “fandresena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika” Andriamanitra. (1 Korintiana 15:20, 51-57). Raha tany ny tenanao, azo inoana ve fa ho voataonan’ilay toe-tsaina tia fisaratsarahana ianao?
6. Mihatra manokana amin’iza ny torohevitr’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 15:33?
6 Teo am-panomezana porofo mafy orina fa tsy maintsy hatsangana ny maty, dia nilaza tamin’izy ireo i Paoly hoe: “Aza mety hofitahina hianareo; ny [fifaneraserana, NW ] ratsy manimba ny [fahazarana, NW ] tsara.” Ny hevi-dehibe tamin’io torohevitra io dia nahakasika ireo izay nifanerasera tamin’ny kongregasiona ka tsy nanaiky ny fampianarana momba ny fananganana amin’ny maty. Moa ve izy ireo nisalasala fotsiny ny amin’ny hevitra iray tsy azon’izy ireo? (Ampitahao amin’ny Lioka 24:38.) Tsia. Nanoratra i Paoly fa ‘nilaza ny sasany teo amin’izy ireo fa tsy misy fitsanganan’ny maty’. Koa ireo izay voarohirohy àry dia nilaza tsy firaisan-kevitra, nirona tany amin’ny fivadiham-pinoana. Takatr’i Paoly tsara fa nety ho nanimba ny fahazarana sy ny fisainana tsara nananan’ny hafa izy ireo. — Asan’ny Apostoly 20:30; 2 Petera 2:1.
7. Inona no faritra iray azontsika ampiharana ny 1 Korintiana 15:33?
7 Ahoana no ahafahantsika mampihatra ny fampitandreman’i Paoly mikasika ny fifaneraserana? Tsy te hilaza izy hoe isika dia tokony tsy hanampy olona ao amin’ny kongregasiona izay nahita fa sarotra ny nahatakatra andinin-teny iray na fampianarana iray ao amin’ny Baiboly. Marina tokoa fa ny Joda 22, 23 dia mampirisika antsika hanampy amim-pamindram-po ireo olona tso-po izay manana fisalasalana toy izany. (Jakoba 5:19, 20). Ny torohevitry ny ray nomen’i Paoly anefa, dia azo antoka fa tokony ho azo ampiharina raha misy olona tsy mitsahatra manohitra izay fantatsika fa fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly, na tsy mitsahatra milaza hevitra mampiseho fisalasalana na tsy manorina. Tokony hitandrin-tena amin’ny fifaneraserana amin’izany karazan’olona izany isika. Mazava ho azy fa, raha misy olona nanjary nivadi-pinoana tanteraka, dia tsy maintsy manao zavatra mba hiarovana ny andian’ondry ireo mpiandry ara-panahy. — 2 Timoty 2:16-18; Titosy 3:10, 11.
8. Ahoana no mety hanaovantsika zavatra amim-pahiratan-tsaina rehefa misy olona tsy manaiky fampianarana iray ao amin’ny Baiboly?
8 Afaka mampihatra ny tenin-dray nataon’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 15:33 koa isika mifandray amin’ireo any ivelan’ny kongregasiona izay mampandroso fampianaran-diso. Ahoana no mety hahavoatarika antsika hifanerasera amin’izy ireo? Mety hitranga izany raha toa isika tsy mahay manavaka ireo izay azo ampiana mba hianatra ny fahamarinana amin’ireo izay mampipoitra ady hevitra fotsiny mba hampandrosoana fampianaran-diso iray. Eo amin’ny asa fanambarana ataontsika, ohatra, dia mety hifanena amin’olona izay tsy manaiky ny hevitra sasany isika kanefa vonona ny hiresaka izany bebe kokoa. (Asan’ny Apostoly 17:32-34). Tsy voatery hitondra zava-manahirana raha izany fotsiny, satria isika dia manazava amim-pifaliana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly amin’izay rehetra maniry marina hahafantatra izany. Miverina mihitsy aza isika mba hanehoana porofo mampiaiky. (1 Petera 3:15). Na dia izany aza, dia mety ho tsy tena liana amin’ny fahitana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ny sasany.
9. Ahoana no tokony ho fihetsitsika eo anatrehan’ireo fihantsiana atao amin’izay inoantsika?
9 Olona maro no hiady hevitra mandritra ny ora maro, isan-kerinandro, kanefa dia tsy noho ny fitadiavan’izy ireo ny fahamarinana. Maniry fotsiny hanimba ny finoan’ny hafa izy ireo sady hampideradera izay lazainy fa fahaizany ny teny hebreo, ny teny grika na ny siansa momba ny fivoarana miandalana. Rehefa nifanehatra tamin’izy ireo ny Vavolombelona sasany dia nahatsiaro tena ho nisy nihantsy ary, ho vokatr’izany, dia nanitatra fifaneraserana izay nihodinkodina teo amin’ny zavatra inoana ara-pivavahana diso, filozofia, na fahadisoana ara-tsiansa. Tsara homarihina fa i Jesosy dia tsy namela izany hitranga tamin’ny tenany, na dia afaka nandresy aza izy tamin’ny ady hevitra nifanaovany tamin’ireo filoham-pivavahana izay nanam-pahaizana manokana momba ny teny hebreo sy ny teny grika. Rehefa nisy nihantsy i Jesosy dia namaly tamin’ny teny fohy izy, ary avy eo dia nampitodika ny sainy indray tany amin’ireo nanetry tena, dia ireo tena ondry. — Matio 22:41-46; 1 Korintiana 1:23–2:2.
10. Nahoana no mety ho an’ireo Kristiana manana ordinatera sy afaka mifandray amin’ny tabilao fametahana hafatra elektronika ny mitandrina?
10 Nanokatra lalana maro hafa ho amin’ny fifaneraserana ratsy ny ordinatera maoderina. Misy orinasam-barotra sasany mamela ireo mpanao famandrihana ao aminy hampiasa ordinatera iray sy telefaonina mba handefasana hafatra any amin’ny tabilao fametahana hafatra elektronika; amin’izany ny olona iray dia afaka mametaka eo amin’ilay tabilao, hafatra iray izay misokatra ho an’ny mpanao famandrihana rehetra. Izany dia nitarika ho amin’izay antsoina hoe ady hevitra elektronika mikasika raharaha ara-pivavahana. Mety ho voatarika ao amin’ny ady hevitra toy izany ny Kristiana iray, ary mety handany ora maro hiarahana amin’ny olona manana fisainana mivadi-pinoana izay efa mety ho voaroaka tsy ho ao amin’ny kongregasiona. Ny fitarihana ao amin’ny 2 Jaona 9-11 dia manamafy ilay torohevitry ny ray nomen’i Paoly mikasika ny fanalavirana fifaneraserana ratsy.a
Halaviro ny ho voafitaka
11. Nanolotra fahafahana inona ny tarehin-javatra ara-barotra tany Korinto?
11 Araka ny efa voalaza, dia foibe ara-barotra nisy tranom-barotra sy raharaham-barotra sesehena, i Korinto. (1 Korintiana 10:25). Maro tamin’ireo izay tonga tao amin’ireo Lalao Ismika no nipetraka tao anaty trano lay, ary nandritra ilay fisehoan-javatra dia nisy mpivarotra maro nivarotra teo amin’ny trano heva azo nobatabataina, na teo amin’ny talantalana notafoana. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 18:1-3.) Izany no nahatonga an’i Paoly hahita asa fanamboarana lay tany. Ary afaka nampiasa ny toeram-piasany mba hampandrosoana ny vaovao tsara izy. Nanoratra toy izao ny profesora J. Murphy-O’Connor: “Avy teo amin’ny fivarotana iray teo amin’ny tsena feno fanaovan-javatra (...) nankeo amin’ny arabe iray feno olona, i Paoly dia afaka niresaka, tsy tamin’ireo mpiara-miasa sy mpividy ihany, fa tamin’ilay vahoaka teny ivelany koa. Tamin’ny fotoana tsy nisian’ny asa betsaka, dia afaka nitsangana teo am-baravarana izy ary nanaka-dresaka tamin’ireo izay noheveriny fa mety hihaino (...) Sarotra ny mieritreritra hoe ilay toetrany tia nihetsiketsika sy ilay fiekena mafy tanteraka nananany dia tsy nahatonga azy ho ‘olona niavaka’ teo amin’ny manodidina, ka izany dia nisintona olona ta hahafanta-javatra, tsy ireo mpandany andro fotsiny fa ireo tena nitady fanazavana marina koa. (...) Ireo vehivavy nanambady niaraka tamin’ny mpanampy azy, izay nandre ny aminy, dia afaka nitsidika azy tamin’ny mody fahatongavana mba hividy zavatra. Tamin’ny fotoam-pihenjanana, rehefa nandrahona ny fanenjehana na ny fanorisorenana tsy an-kijanona tsotra, ireo mpino dia afaka nifankahita taminy tamin’ny naha-mpividy zavatra. Ilay trano fivarotana koa dia nahatonga azy hifandray tamin’ireo mpiasam-panjakana teo an-tanàna.”
12, 13. Amin’ny ahoana ny 1 Korintiana 15:33 no afaka mihatra amin’ny fomba mety indrindra any amin’ny toeram-piasana?
12 Tsy maintsy ho fantatr’i Paoly anefa ny mety hitomboan’ny “fifaneraserana ratsy” tany amin’ny toeram-piasana. Tokony hanao izany koa isika. Nisy heviny ny nanononan’i Paoly fihetsika iray izay nanjaka teo amin’ny sasany: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty”. (1 Korintiana 15:32). Narahiny avy hatrany izany tamin’ilay torohevitry ny ray nataony hoe: “Aza mety hofitahina hianareo; ny [fifaneraserana, NW ] ratsy manimba ny [fahazarana, NW ] tsara.” Amin’ny ahoana ny toeram-piasana sy ny fitadiavana fahafinaretana no mety hifandray amin’ny famoronana loza mety hitranga?
13 Maniry ny hisariaka amin’ireo mpiara-miasa aminy ny Kristiana, ary misy fitantarana maro mampiseho fa mety handaitra tokoa izany ho fanokafan-dalana mba hanaovana fanambarana. Ny mpiara-miasa iray anefa, dia mety handika vilana ny fisehoana ho sariaka, ho toy ny fanasana fifaneraserana mba handany fotoana mahafinaritra hiarahana. Na mety handefa fanasana izy indraindray amin’ny sakafo, na amin’ny fijanonana vetivety aorian’ny fiasana mba hisotrosotro kely, na amin’ny fialam-boly sasany amin’ny faran’ny herinandro. Mety ho toa tsara fanahy sy tsy maninona mihitsy io olona io amin’ny fisehoany, ary mety ho toa tsy misy tsininy ilay fanasana. Na dia izany aza, dia manoro hevitra antsika i Paoly hoe: “Aza mety hofitahina hianareo”.
14. Ahoana no nahavoafitaka ny Kristiana sasany tamin’ny alalan’ny fifaneraserana?
14 Nisy Kristiana sasany voafitaka. Nampitombo tsikelikely fihetsika malalaka nikasika ny fifaneraserana tamin’ny mpiara-miasa izy ireo. Angamba nitombo izany noho ny zavatra mahaliana iombonana eo amin’ny fanatanjahan-tena na fialam-boly. Na koa, mety ho tsara fanahy sy feno fiheverana amin’ny fomba manokana ny olona tsy kristiana iray any am-piasana, ka izany dia mitarika ho amin’ny fandaniana fotoana mitombo hatrany iarahana amin’izany olona izany, amin’ny fifidianana kokoa mihitsy aza izany fifaneraserana izany toy izay ny fifaneraserana amin’ny sasany ao amin’ny kongregasiona. Avy eo, ilay fifaneraserana dia mety hitarika ho amin’ny tsy fahatongavana amin’ny fivoriana iray monja. Mety hidika ho fodiana diso aoriana indray takariva izany, ary fanapahana ilay fahazarana mandray anjara amin’ny asa fanompoana ny marainan’iny. Izany dia mety hitondra ho amin’ny fijerena karazana filma na vidéo izay tsy ho neken’ilay Kristiana raha ny tokony ho izy. ‘Eisy, tsy hitranga amiko mihitsy izany’, hoy ny mety hoeritreretintsika. Ny ankamaroan’ireo izay voafitaka anefa dia mety ho namaly toy izany koa tamin’ny voalohany. Mila ny manontany tena isika hoe: ‘Toy inona marina ny fahatapahan-kevitro hampihatra ny torohevitr’i Paoly?’
15. Fihetsika voalanjalanja inona no tokony hananantsika amin’ny mpiara-monina amintsika?
15 Izay vao hitantsika teo mikasika ny toeram-piasana dia mihatra koa amin’ny fifaneraserantsika amin’ny mpiara-monina. Azo antoka fa nanana mpiara-monina taminy ireo Kristiana tany Korinto fahiny. Any amin’ny fiaraha-monina sasany dia ara-dalàna ny isehoana ho mpiara-monina sariaka sy tia manampy. Any amin’ny faritra ambanivohitra dia mety hifampiantehitra ny mpiara-monina noho ny toerana mitokana. Matanjaka indrindra ny fatoram-pianakaviana any amin’ny kolontsaina sasany, ka mahatonga fanasana maro hiara-misakafo. Miharihary fa zava-dehibe ny fahaiza-mandanjalanja, toy ny nasehon’i Jesosy. (Lioka 8:20, 21; Jaona 2:12). Eo amin’ny fifampiraharahantsika amin’ny mpiara-monina sy ny havana, moa ve isika mirona hanohy hanao zavatra toy ny nataontsika talohan’ny nahatongavantsika ho Kristiana? Tsy tokony handinika indray izany fifampiraharahana izany kosa ve isika izao ary hamaritra amim-pitandremana izay fetra mety?
16. Ahoana no tokony handraisana ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 13:3, 4?
16 Indray mandeha i Jesosy dia nampitovy ny teny momba ilay Fanjakana tamin’ny voa izay “voafafy teny amoron-dàlana; dia avy ny vorona ka nandany azy”. (Matio 13:3, 4, 19). Tamin’izany fotoana izany, ny tany teny amin’ny lalana dia nanjary mafy arakaraka ny nivezivezen’ny tongotra maro be nandroso sy niverina teo. Izany no izy ho an’ny olona maro. Ny fiainan’izy ireo dia feno mpiara-monina, havana, ary olon-kafa tonga sy lasa, mitana azy ireo ho sahirana. Izany dia manitsakitsaka ny tanin’ny fon’izy ireo, raha azo atao ny milaza izany, ka mahatonga azy io ho mafy tsy hamakan’ireo voan’ny fahamarinana. Mety hitombo ao amin’ny olona iray izay efa Kristiana ny tsy fandraisana toy izany.
17. Ahoana no ahafahan’ny fifaneraserana amin’ny mpiara-monina sy ny hafa hisy fiantraikany eo amintsika?
17 Ny mpiara-monina na havana sasany eo amin’izao tontolo izao dia mety ho sariaka sy hanampy, na dia mampiseho amin’ny fomba tsy miovaova aza izy ireo fa sady tsy liana amin’ny zavatra ara-panahy no tsy tia ny fahamarinana. (Marka 10:21, 22; 2 Korintiana 6:14). Ny fahatongavantsika ho Kristiana dia tsy tokony hidika hoe hanjary tsy hisariaka sy tsy ho tia ny mpiara-monina isika. Nanoro hevitra antsika i Jesosy mba haneho tena fiheverana marina ny hafa. (Lioka 10:29-37). Kanefa dia ara-tsindrimandry sy tena ilaina mitovy amin’izany koa ny torohevitr’i Paoly mikasika ny fitandremana eo amin’izay ifaneraserantsika. Rehefa mampihatra ilay torohevitra taloha isika, dia tsy tokony hanadino ilay tatỳ aoriana. Raha tsy mitadidy ireo fotopoto-pitsipika roa ireo isika, dia mety ho voa ny fahazarantsika. Manao ahoana ny fahazaranao raha mitaha amin’ny an’ireo mpiara-monina aminao na havanao eo amin’ny fanaovana ny marina sy ny fankatoavana ny lalàn’i Kaisara? Mety hieritreritra izy ireo, ohatra, fa amin’ny fotoana fandoavan-ketra, ny filazana nasiana fanakelezana ny vola miditra na ny tombom-barotra dia azo hamarinina, tena ilaina mihitsy aza raha te ho tafavoaka. Mety hiresaka amin’ny fomba mampiaiky ny amin’ny heviny izy ireo mandritra ny fiaraha-misotro kafe indraindray na mandritra ny fitsidihana vetivety iray. Ahoana no ahafahan’izany hisy fiantraikany eo amin’ny fisainanao sy ny fahazaranao manao ny marina? (Marka 12:17; Romana 12:2). “Aza mety hofitahina hianareo; ny [fifaneraserana, NW ] ratsy manimba ny [fahazarana, NW ] tsara.”
Ireo fahazaran’ny tanora koa
18. Nahoana ny 1 Korintiana 15:33 no mihatra koa amin’ny tanora?
18 Misy fiantraikany indrindra eo amin’ny tanora izay hitany sy reny. Tsy voamarikao ve ireo ankizy izay manana fihetsika sy fombafomba tena mitovy be amin’ny an’ireo ray aman-dreniny na ny iray tam-po aminy? Tsy tokony hahagaga antsika àry fa mety hiharan’ny fitaoman’ireo mpiara-milalao na mpiara-mianatra aminy betsaka ny ankizy. (Ampitahao amin’ny Matio 11:16, 17.) Raha miaraka amin’ny tanora miteny tsy misy fanajana ny ray aman-dreniny ny zanakao lahy na vavy, nahoana no mieritreritra fa tsy hisy akony eo amin’ireo zanakao izany? Ahoana raha mandre matetika tanora hafa miteny ratsy izy ireo? Ahoana raha toa ireo mitovy taona aminy any an-tsekoly na eo amin’ny manodidina ka manjary taitaitra amin’ny karazana kiraro vaovao na amin’ny lamaody vaovao eo amin’ny firavaka? Tokony hieritreritra ve isika fa ireo tanora kristiana dia tsy handairan’ny fitaomana toy izany? Nilaza ve i Paoly hoe ny 1 Korintiana 15:33 dia tsy misy fiantraikany afa-tsy amin’ny olona nahatratra taona sasany ihany?
19. Fomba fijery manao ahoana no tokony hiezahan’ireo ray aman-dreny hampidirina lalina ao an-tsain’ny zanany?
19 Raha ray na reny ianao, moa ve ianao mahatakatra io torohevitra io rehefa mampisaintsaina ny zanakao na rehefa manao fanapahan-kevitra momba azy ireo? Ny fiekenao fa tsy midika akory izany hoe olon-dratsy avokoa ny tanora hafa rehetra miaraka amin’ny zanakao eny amin’ny manodidina na any an-tsekoly, dia azo inoana fa hanampy. Ny sasany amin’izy ireny dia mety hahafinaritra sy azo ekena, toy ny sasany amin’ireo mpiara-monina sy havana ary mpiara-miasa aminao. Miezaha manampy ny zanakao hahita izany, ary hahatakatra fa mahay mandanjalanja ianao eo amin’ny fampiharanao ny torohevitry ny ray feno fahendrena nomen’i Paoly ny Korintiana. Rehefa tsikaritr’izy ireo ny fomba andanjalanjanao zavatra, izany dia afaka manampy azy ireo haka tahaka anao. — Lioka 6:40; 2 Timoty 2:22.
20. Ry tanora, zava-tsarotra inona no atrehinareo?
20 Ianao izay mbola tanora, miezaha mahatakatra ny fomba fampiharana ilay torohevitr’i Paoly, amin’ny fahafantarana fa zava-dehibe izy io ho an’ny Kristiana rehetra, na tanora na antitra. Hitaky ezaka sy fahatapahan-kevitra lehibe izany, kanefa nahoana raha mivonona ny hiatrika sy handresy ilay zava-tsarotra? Aoka ho takatrao fa tsy hoe satria fotsiny fantatrao hatramin’ny fahazazana ny sasany amin’ireny tanora hafa ireny dia hoe midika izany fa tsy afaka ny hanan-kery eo amin’ny fahazaranao izy ireo, tsy afaka hanimba ireo fahazarana izay raisinao amin’ny maha-tanora kristiana anao. — Ohabolana 2:1, 10-15.
Dingana manorina mba hiarovana ireo fahazarantsika
21. a) Mila inona isika raha ny amin’ny fifaneraserana? b) Nahoana isika no afaka mahazo antoka fa misy fifaneraserana sasany mety hampidi-doza?
21 Mila fifaneraserana isika rehetra. Tsy maintsy mailo anefa isika amin’ny hoe ireo ifaneraserantsika dia afaka manan-kery eo amintsika, ho amin’ny tsara na ho amin’ny ratsy. Marina izany tamin’i Adama sy tamin’ny olona rehetra nandritra ireo taonjato hatramin’izay. I Josafata, mpanjaka tsara tao Joda, ohatra, dia nahazo ny fankasitrahan’i Jehovah sy ny fitahiany. Rehefa avy namela ny zanany lahy hanambady ny zanakavavin’i Ahaba Mpanjaka teo amin’ny Isiraely anefa i Josafata, dia nanomboka nifanerasera tamin’i Ahaba. Io fifaneraserana ratsy io dia saika namoizan’i Josafata ny ainy. (2 Mpanjaka 8:16-18; 2 Tantara 18:1-3, 29-31). Raha manao safidy tsy mampiseho fahendrena isika mikasika ireo ifaneraserantsika, izany dia mety hampidi-doza toy izany koa.
22. Inona no tokony halatsatsika am-po, ary nahoana?
22 Aoka àry isika handatsaka am-po ilay torohevitra feno fitiavana omen’i Paoly antsika ao amin’ny 1 Korintiana 15:33. Izy ireo dia tsy teny fandrentsika matetika aoka izany fotsiny ka haintsika averina tsy an-kijery. Asehon’izy ireo taratra ny firaiketam-pon-dray nananan’i Paoly tamin’ireo rahalahiny sy anabaviny tany Korinto, ary amintsika koa, raha itarina. Ary tsy isalasalana fa izy ireo dia mirakitra torohevitra omen’ny Raintsika any an-danitra satria maniry ny hahombiazan’ny fiezahantsika izy. — 1 Korintiana 15:58.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fandrika hafa iray amin’ny tabilao fametahana hafatra toy izany ny fakam-panahy handika ao anatin’ny ordinateran’ny tena manokana, programmes na boky tsy azo alain-tahaka, tsy misy fahazoan-dalana avy amin’ireo tena tompony na ireo tena mpanoratra. Ary izany dia mifanohitra amin’ny lalàna iraisam-pirenena momba ny copyright. — Romana 13:1.
Tadidinao Ve?
◻ Noho ny antony manokana inona no nanoratan’i Paoly ny 1 Korintiana 15:33?
◻ Ahoana no ahafahantsika mampihatra ny torohevitr’i Paoly any amin’ny toeram-piasana?
◻ Fomba fijery voalanjalanja momba ny mpiara-monina inona no tokony hananantsika?
◻ Nahoana ny 1 Korintiana 15:33 no torohevitra mety indrindra ho an’ny tanora?
[Sary, pejy 17]
Nampiasa ny toeram-piasana i Paoly mba hampandrosoana ny vaovao tsara
[Sary, pejy 18]
Afaka manimba ny fahazarana kristiana anananao ny tanora hafa