Fizarana Ilay Fampiononana Omen’i Jehovah
“Miorina tsara ny fanantenanay anareo, satria fantatray fa tahaka ny iombonanareo ny fahoriana no [izaranareo, NW ] ny fampiononana koa.” — 2 KORINTIANA 1:7.
1, 2. Inona no zavatra niainan’ny maro amin’ireo izay tonga Kristiana ankehitriny?
MARO amin’ireo mpamaky Ny Tilikambo Fiambenana ankehitriny no nihalehibe tao anatin’ny tsy fahalalana ny fahamarinan’Andriamanitra. Marina angamba izany raha ny aminao. Raha izany no izy, dia tadidio hoe nanao ahoana ny fihetseham-ponao fony nanomboka nisokatra ny mason’ny fahatakaranao hevi-javatra. Ohatra, fony ianao nahatakatra voalohany hoe tsy mijaly ny maty, fa tsy mahatsiaro tena kosa izy, moa ve ianao tsy nahazo fanamaivanana? Ary fony ianao nianatra ny amin’ny fanantenan’ny maty, dia ny hoe hatsangana indray ho amin’ny fiainana ny olona an’arivo tapitrisany maro ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, moa ve ianao tsy nahazo fampiononana? — Mpitoriteny 9:5, 10; Jaona 5:28, 29.
2 Ahoana ny amin’ny fampanantenan’Andriamanitra hamarana ny faharatsiana sy hanova itỳ tany itỳ ho paradisa? Fony ianao nianatra momba izany, moa ve tsy nampionona sady nahatonga anao ho tsindrian-daona izany? Nanao ahoana ny fihetseham-ponao fony ianao nianatra voalohany ny amin’ny mety tsy hahafatesana mihitsy fa haha-tafita velona ka hidirana ao amin’izany Paradisa an-tany ho avy izany? Tsy isalasalana fa nientam-po ianao. Eny, nanjary mpandray ilay hafatra mampionona avy amin’Andriamanitra izay torin’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany ankehitriny, ianao. — Salamo 37:9-11, 29; Jaona 11:26; Apokalypsy 21:3-5.
3. Nahoana no mahita fahoriana koa ireo izay mizara amin’ny hafa ilay hafatra mampionona avy amin’Andriamanitra?
3 Kanefa, rehefa niezaka nizara tamin’ny hafa ilay hafatra ao amin’ny Baiboly ianao, dia nanjary takatrao koa fa “tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra”. (2 Tesaloniana 3:2). Angamba naneso anao ny sasany tamin’ireo namanao taloha noho ny fanehoanao finoana an’ireo fampanantenana ao amin’ny Baiboly. Nety ho niharam-panenjehana mihitsy aza ianao noho ny fanohizanao niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nety ho nihamafy ny fanoherana rehefa nanomboka nanao fiovana ianao, mba hampifanarahana ny fiainanao tamin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Nanomboka niharan’ilay fahoriana entin’i Satana sy ny tontolony hamelezana izay rehetra manaiky ny fampiononan’Andriamanitra, ianao.
4. Fihetsika samy hafa inona avy no mety hasehon’ireo olona vao liana, manoloana ny fahoriana?
4 Mampalahelo fa, araka ny nambaran’i Jesosy mialoha, ny fahoriana dia mahatonga olona sasany ho tafintohina ka hampitsahatra ny fiarahany amin’ny kongregasiona kristiana. (Matio 13:5, 6, 20, 21). Ny hafa dia miaritra fahoriana amin’ny fihazonana ny sainy hifantoka amin’ireo fampanantenana mampionona ianarany. Rehefa mandeha ny fotoana, dia manolotra ny fiainany ho an’i Jehovah izy, ary atao batisa amin’ny maha-mpianatr’i Jesosy Kristy Zanany, azy. (Matio 28:19, 20; Marka 8:34). Mazava ho azy fa tsy mitsahatra akory ny fahoriana raha vantany vao vita batisa ny Kristiana iray. Ohatra, mety ho ady mafy ho an’ny olona iray naloto fitondran-tena taloha ny fitoerana ho madio fitondran-tena hatrany. Ny hafa dia voatery miatrika fanoherana tsy an-kijanona avy amin’ireo mpianakavy tsy mpino. Na inona na inona ilay fahoriana, dia afaka mahazo antoka ny amin’izao zavatra izao, ireo rehetra manana fiainana mifanaraka amin’ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra. Amin’ny fomba tena manokana izy ireo dia hahita ny fampiononana sy ny fanampiana avy amin’Andriamanitra.
“Andriamanitry ny fampiononana rehetra”
5. Niaraka tamin’ireo fisedrana maro hitan’i Paoly, inona koa no nihatra taminy?
5 Ny olona iray izay nankasitraka lalina ilay fampiononana nomen’Andriamanitra, dia ny apostoly Paoly. Taorian’ny fotoam-pisedrana manokana tany Azia sy Makedonia, dia nahita fanamaivanana lehibe izy, rehefa nandre fa noraisin’ilay kongregasiona tao Korinto tsara ilay taratasy fananarana nosoratany. Izany dia nanosika azy hanoratra ho azy ireo taratasy faharoa izay mirakitra izao teny fiderana manaraka izao: “Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny [famindram-po miharo fitiavana, NW ] sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Izay mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra”. — 2 Korintiana 1:3, 4.
6. Inona no ianarantsika avy amin’ireo tenin’i Paoly hita ao amin’ny 2 Korintiana 1:3, 4?
6 Milaza zavatra betsaka ireo teny ara-tsindrimandry ireo. Andeha hofakafakaintsika izy ireo. Rehefa naneho fiderana na fisaorana an’Andriamanitra i Paoly, na nanao fangatahana taminy tao amin’ireo taratasiny, dia mazàna isika no mahita fa ampidiriny ao koa ny fankasitrahana lalina an’i Jesosy, ilay Lohan’ny kongregasiona kristiana. (Romana 1:8; 7:25; Efesiana 1:3; Hebreo 13:20, 21). Noho izany no nanaovan’i Paoly izao teny fiderana izao ho “an’Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika”. Avy eo, sambany tao amin’ny asa sorany izy vao nampiasa anarana grika iray nadika hoe “famindram-po miharo fitiavana”. Io anarana io dia avy amin’ny teny iray ampiasaina mba hanehoana alahelo noho ny fijalian’olon-kafa. Toy izany no ilazalazan’i Paoly ny fihetseham-po feno fitiavana tsapan’Andriamanitra amin’ireo mpanompony mahatoky na iza na iza ka miaritra fahoriana — fihetseham-po feno fitiavana izay manosika an’Andriamanitra hanao zavatra amim-pamindram-po ho azy ireny. Farany, i Paoly dia nihevitra an’i Jehovah ho loharanon’io toetra faniry io, tamin’ny fiantsoana azy hoe “Rain’ny famindram-po miharo fitiavana”.
7. Nahoana no azo atao ny milaza fa “Andriamanitry ny fampiononana rehetra” i Jehovah?
7 Mitondra fanamaivanana ho an’ilay mahita fahoriana io “famindram-po miharo fitiavana” asehon’Andriamanitra io. Koa izany no mbola ilazalazan’i Paoly an’i Jehovah ho ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra” koa. Araka izany, na toy inona na toy inona fampiononana mety ho hitantsika avy amin’ny hatsaram-panahin’ireo mpiray finoana, dia i Jehovah no heverintsika ho loharanon’izany. Tsy misy tena fampiononana maharitra ka tsy avy amin’Andriamanitra. Ankoatra izany, dia izy no namorona ny olombelona tahaka ny endriny, ka nanome fahafahana antsika ho tonga mpampionona. Ary ny fanahy masin’Andriamanitra no manosika ny mpanompony haneho famindram-po miharo fitiavana amin’ireo izay mila fampiononana.
Nampiofanina mba ho mpampionona
8. Na dia tsy Andriamanitra aza no loharanon’ny fisedrana manjo antsika, inona no vokany mahasoa eo amin’ny tenantsika, mety hoentin’ny fiaretantsika fahoriana?
8 Na dia mamela ny isian’ireo fisedrana maro samihafa izay manjo an’ireo mpanompony mahatoky aza i Jehovah Andriamanitra, dia tsy ny tenany velively no loharanon’izany fisedrana izany. (Jakoba 1:13). Kanefa, ny fampiononana omeny rehefa miaritra fahoriana isika, dia afaka mampiofana antsika mba ho mora tohina kokoa amin’izay zavatra ilain’ny hafa. Inona no vokatr’izany? ‘Mba hahaizantsika mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, amin’ny fampiononana izay ampiononan’Andriamanitra antsika.’ (2 Korintiana 1:4). Araka izany, i Jehovah dia mampiofana antsika mba ho olona mahita vokatra, mpizara ny fampiononany amin’ireo mpiray finoana sy ireo olona izay tojo antsika eny amin’ny fanompoana ataontsika, rehefa manahaka an’i Kristy isika ka ‘mampionona ny malahelo rehetra’. — Isaia 61:2; Matio 5:4.
9. a) Inona no hanampy antsika hiaritra fahoriana? b) Ahoana no ahazoan’ny hafa fampiononana rehefa miaritra fahoriana amim-pahatokiana isika?
9 Niaritra ireo fijaliana maro hitany i Paoly noho ny fampiononana tondraka noraisiny tamin’Andriamanitra, tamin’ny alalan’i Kristy. (2 Korintiana 1:5). Isika koa dia afaka mahita fampiononana tondraka amin’ny fisaintsainana ireo fampanantenana sarobidy nomen’Andriamanitra, sy amin’ny fanaovana vavaka mba hahazoana ny fanohanan’ny fanahiny masina, ary amin’ny fahatsapana ireo valim-bavaka avy amin’Andriamanitra. Amin’izany no hanatanjahana antsika mba hanohy hanohana ny fiandrianan’i Jehovah sy hanaporofo fa mpandainga ny Devoly. (Joba 2:4; Ohabolana 27:11). Tahaka an’i Paoly isika, rehefa avy niaritra tamim-pahatokiana izay mety ho fahoriana, dia tokony hanome ny voninahitra rehetra ho an’i Jehovah, izay manana fampiononana mahatonga ny Kristiana hitoetra ho mahatoky ao anatin’ny fisedrana. Ny fiaretan’ireo Kristiana mahatoky dia misy vokany mampionona eo amin’ny firahalahiana, ka mahatonga ny hafa ho tapa-kevitra ‘hiaritra fahoriana mitovy amin’izany’. — 2 Korintiana 1:6.
10, 11. a) Zavatra sasany inona avy no niteraka fahoriana ho an’ilay kongregasiona tao Korinto fahiny? b) Ahoana no nampiononan’i Paoly an’ilay kongregasiona tao Korinto, ary fanantenana inona no nolazainy?
10 Nahazo ny anjarany tamin’ny fijaliana manjo ny tena Kristiana rehetra, ny Korintiana. Fanampin’izany, dia nila torohevitra izy ireo mba handroahana mpijangajanga iray tsy nibebaka. (1 Korintiana 5:1, 2, 11, 13). Nitondra fahafaham-baraka ho an’ny kongregasiona ny tsy nanaovana izany, sy ny tsy namaranana ireo fifandrafiana sy fisaratsarahana. Tamin’ny farany anefa izy ireo dia nampihatra ny torohevitr’i Paoly, sady naneho tena fibebahana marina. Noho izany, dia noderainy tamin-kafanam-po izy ireo, sady nolazainy fa nampionona azy ny fandraisan’izy ireo tsara dia tsara an’ilay taratasiny. (2 Korintiana 7:8, 10, 11, 13). Toa nibebaka ihany koa ilay voaroaka. Koa nanoro hevitra azy ireo i Paoly mba ‘hamela heloka sy [hampionona, NW ] azy, fandrao resin’ny fitomboan’ny alahelo izany olona izany’. — 2 Korintiana 2:7.
11 Azo antoka fa tsy maintsy ho nampionona ilay kongregasiona tao Korinto io taratasy faharoa nosoratan’i Paoly io. Ary izany no iray tamin’ireo zava-nokendren’i Paoly. Hoy izy nanazava: “Miorina tsara ny fanantenanay anareo, satria fantatray fa tahaka ny iombonanareo ny fahoriana no [izaranareo, NW ] ny fampiononana koa.” (2 Korintiana 1:7). Teo am-pamaranan’i Paoly ny taratasiny dia nampirisika toy izao izy: “Mandraisa ny fampiononana (...); ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo.” — 2 Korintiana 13:11.
12. Inona no zavatra ilain’ny Kristiana rehetra?
12 Lesona lehibe toy inona moa no azontsika ianarana avy amin’izany! Ireo mpikambana rehetra ao amin’ny kongregasiona kristiana dia mila ‘mizara ilay fampiononana’ omen’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Teniny, sy ny fanahiny masina, ary ny fandaminany eto an-tany. Na dia ireo voaroaka aza dia mety hila fampiononana raha nibebaka sy nanitsy ny lalan-diso narahiny izy ireo. Koa amin’izany dia nanorina fandaharana iray feno fangoraham-po ny “mpanompo mahatoky sy malina” mba hanampiana azy ireo. Indray mandeha isan-taona, dia afaka mitsidika voaroaka sasany ny loholona roa. Mety ho tsy maneho fihetsika feno fikomiana intsony izy ireny, na tsy manao fahotana lehibe intsony, ary mety hila fanampiana mba hanaovany ireo dingana tena ilaina mba ho voaray indray. — Matio 24:45, NW; Ezekiela 34:16.
Ny fahorian’i Paoly tany Azia
13, 14. a) Ahoana no nilazalazan’i Paoly ny fotoana nahitany fahoriana mafy tany Asia? b) Fisehoan-javatra inona no mety ho tao an-tsain’i Paoly?
13 Ny karazana fahoriana hitan’ilay kongregasiona tao Korinto hatreto, dia tsy azo nampitahaina tamin’ireo fahoriana maro tsy maintsy niaretan’i Paoly. Araka izany, dia afaka nampahatsiahy azy ireo toy izao izy: “Tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’ny fahoriana izay nanjo anay tany Asia, fa novesarana indrindra mihoatra noho izay zakanay izahay, ka dia efa nafoinay na dia ny ainay aza; eny, tsy nanampo izay ho velona intsony izahay, mba tsy hitokianay amin’ny tenanay, fa amin’Andriamanitra, Izay manangana ny maty ihany. Ary Izy no nahafaka anay tamin’izao fahafatesana lehibe izao, ary mbola hanafaka anay ihany; eny, Izy no antenainay fa mbola hanafaka anay koa”. — 2 Korintiana 1:8-10.
14 Mino ny manam-pahaizana momba ny Baiboly sasany, fa nanisy firesahana ny amin’ilay tabataba tao Efesosy i Paoly teo, dia tabataba izay nety ho namoizan’i Paoly sy ireo Makedoniana roa lahy niara-dia taminy koa, dia i Gaio sy i Aristarko, ny ain’izy ireo. Ireo Kristiana roa ireo dia nosarihina an-keriny hiditra tao an-trano filalaovana iray feno vahoaka romotra ‘niredona niantso tokony ho ora roa hoe: Lehibe Dianan’ny [andriamani-bavy] Efesiana!’ Tamin’ny farany dia nahavita nampangina ilay vahoaka ny manam-pahefana iray tao an-tanàna. Tsy maintsy ho nampahory mafy an’i Paoly izany fandrahonana natao tamin’ny ain’i Gaio sy i Aristarko izany. Raha ny marina, izy dia naniry hiditra tao amin’ilay toerana mba hampisaintsaina ilay vahoaka romotra nirehitra tafahoatra, kanefa nosakanana tsy hanao vivery ny ainy tamin’izany fomba izany izy. — Asan’ny Apostoly 19:26-41.
15. Tarehin-javatra faran’izay sarotra inona no mety ho nolazalazain’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 15:32?
15 Kanefa, nety ho nilazalaza tarehin-javatra iray mbola sarotra lavitra noho ilay zava-nitranga voatonona etsy aloha, i Paoly. Tao amin’ilay taratasiny voalohany ho an’ny Korintiana izy dia nanontany toy izao: “Raha araka ny fanaon’olona no niadiako tamin’ny bibi-dia tany Efesosy, inona no soa azoko amin’izany?” (1 Korintiana 15:32). Mety hidika izany fa ny ain’i Paoly dia tsy vitan’ny hoe norahonan’ireo olona noharina tamin’ny biby fotsiny, fa norahonan’ireo biby dia ara-bakiteny izay tao amin’ny kianjan’i Efesosy koa. Ireo mpanao heloka bevava indraindray dia nosazina tamin’ny fanerena azy ireo hiady tamin’ny biby dia, teo ambany mason’ireo vahoaka betsaka lian-dra. Raha toa ka te hilaza i Paoly hoe niatrika biby dia ara-bakiteny ny tenany, dia tsy maintsy ho notsimbinina tamin’ny fomba mahagaga, tamin’ny fahafatesana tsy mifaditra ovana, tamin’ny minitra farany izy, tsy nisy hafa tamin’ny namonjena an’i Daniela avy tamin’ny vavan’ny liona ara-bakiteny. — Daniela 6:22.
Ohatra amin’ny andro ankehitriny
16. a) Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah maro no mahafantatra tsara ny fahoriana nahazo an’i Paoly? b) Afaka mahazo antoka ny amin’inona isika momba ireo maty noho ny finoany? d) Inona no vokany tsara azo rehefa misy Kristiana saika maty?
16 Kristiana maro amin’izao andro izao no mahafantatra tsara ny fahoriana hitan’i Paoly. (2 Korintiana 11:23-27). Amin’izao andro izao koa, ny Kristiana dia ‘novesarana indrindra mihoatra noho izay zakany’, ary maro no niatrika tarehin-javatra izay nahatonga azy ‘tsy hanampo izay ho velona’. (2 Korintiana 1:8). Maty tamin’ny tanan’ireo mpamono olona tambabe sy mpanenjika lozabe, ny sasany. Azontsika antoka fa ny hery mampionona avy amin’Andriamanitra no nahatonga azy ireny ho afaka niaritra, ary maty izy ireny tamin’ny fananana fo sy saina nifantoka tanteraka tamin’ny fahatanterahan’ny fanantenany, na ny ho any an-danitra izany, na ny ho eto an-tany. (1 Korintiana 10:13; Filipiana 4:13; Apokalypsy 2:10). Tamin’ny toe-javatra hafa, dia nitantana ny raharaha i Jehovah, ka voavonjy tamin’ny fahafatesana ireo rahalahintsika. Tsy isalasalana fa ireo izay novonjena toy izany dia nampitombo fitokiana bebe kokoa an’ilay “Andriamanitra, Izay manangana ny maty”. (2 Korintiana 1:9). Taorian’izay izy ireo dia afaka niteny tamim-piekena mafy kokoa mihitsy aza, rehefa nizara tamin’ny hafa ilay hafatra mampionona avy amin’Andriamanitra. — Matio 24:14.
17-19. Zavatra niainana inona avy no mampiseho fa nahazo anjara tamin’ny fampiononan’Andriamanitra ireo rahalahintsika atsy Rwanda?
17 Tsy ela izay, ireo rahalahy malalantsika atsy Rwanda dia niaina tao anatin’ny tarehin-javatra nitovy tamin’ny an’i Paoly sy ny namany. Maro no namoy ny ainy, kanefa tsy nahavita nandrava ny finoan’izy ireny ny ezaka nataon’i Satana. Nanandrana ilay fampiononana avy amin’Andriamanitra tamin’ny fomba manokana maro kosa aza ireo rahalahintsika ao amin’io tany io ireo. Nandritra ilay fandripahana foko iray manontolon’ny Tutsi sy ny Hutu nipetraka tatsy Rwanda, dia nisy Hutu nanao vivery ny ainy mba hiarovana Tutsi, ary nisy Tutsi niaro Hutu. Novonoin’ireo nirehitra tafahoatra ny sasany noho izy ireny niaro ireo mpiray finoana taminy. Ohatra, ny Vavolombelona hutu iray nantsoina hoe Gahizi dia novonoina rehefa avy nanafina anabavy tutsi iray nantsoina hoe Chantal. Nafenin’ny anabavy hutu iray nantsoina hoe Charlotte tany an-toeran-kafa i Jean, vadin’i Chantal izay tutsi. Nandritra ny 40 andro, i Jean sy ny rahalahy tutsi hafa iray, dia nitoetra niafina tao anatin’ny fivoahan-tsetroka lehibe iray, ary tsy nivoaka tao afa-tsy nandritra fe-potoana fohy tamin’ny alina. Nandritra izany fotoana rehetra izany i Charlotte, na dia nipetraka tany akaikin’ny toby miaramila hutu aza, dia nanome azy ireo sakafo sy fiarovana. Eto amin’itỳ pejy itỳ isika dia mahita ny sarin’i Jean sy i Chantal tafaray indray, ary velom-pisaorana noho ireo Hutu mpiara-mivavaka aminy “nanolotra ny tenany” ho azy ireo, tsy nisy hafa tamin’izay nataon’i Prisila sy i Akoila tamin’ny apostoly Paoly. — Romana 16:3, 4.
18 I Rwakabubu, Vavolombelona hutu hafa iray, dia noderain’ny gazety Intaremara noho ny niarovany an’ireo Tutsi mpiray finoana taminy.a Izao no nolazain’izy io: “Teo koa i Rwakabubu, Vavolombelon’i Jehovah, izay nanohy nanafina olona tany amin’ireo rahalahiny (toy izany no ifampiantsoan’izy samy mpiray finoana), tetsy sy teroa. Na dia voan’ny sohika aza izy dia nandany ny andro manontolo nitaterana sakafo sy rano fisotro ho azy ireny. Nampahatanjahin’Andriamanitra tamin’ny fomba nahatalanjona anefa izy.”
19 Diniho koa ny amin’ny mpivady hutu liana iray, antsoina hoe Nicodeme sy Athanasie. Talohan’ny nipoahan’ilay fandripahana foko iray manontolo, dia niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona tutsi iray nantsoina hoe Alphonse, io mpivady io. Fanaovana vivery ny ain’izy ireo ny nanafenany an’i Alphonse tao an-tranony. Tatỳ aoriana dia takatr’izy ireo fa tsy toerana azo antoka ilay trano, satria fantatr’ireo Hutu mpiara-monina tamin’izy ireo io Tutsi naman’izy ireo io. Noho izany, dia nafenin’i Nicodeme sy i Athanasie tao anatin’ny lavaka iray tao an-tokotanin’izy ireo i Alphonse. Famindran-toerana tsara ilay izy satria nanomboka tonga mba hikaroka an’i Alphonse saika isan’andro ireo mpiara-monina. Nandritra ireo 28 andro nandriany tao anatin’io lavaka io, dia nisaintsaina i Alphonse momba ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly, toy ny amin’i Rahaba izay nanafina Isiraelita roa lahy tao an-tampon-tranony, tao Jeriko. (Josoa 6:17). Amin’izao fotoana izao, i Alphonse dia manohy ny fanompoany atsy Rwanda, amin’ny maha-mpitory ny vaovao tsara azy, ary velom-pisaorana noho ny nanaovan’ireo Hutu nampianariny Baiboly ireo, vivery ny ainy ho azy. Ary ahoana ny amin’i Nicodeme sy i Athanasie? Vavolombelon’i Jehovah vita batisa izy ireo ankehitriny, ary mitarika fampianarana Baiboly maherin’ny 20 amin’ny olona liana.
20. Tamin’ny lafiny inona no nampiononan’i Jehovah ireo rahalahintsika atsy Rwanda, kanefa inona no ilain’ny maro amin’izy ireo, amin’ny fomba mitohy?
20 Tamin’ny fotoana nanombohan’ilay fandripahana foko iray manontolo tatsy Rwanda, dia nisy mpitory ny vaovao tsara 2 500 tao amin’io tany io. Na dia an-jatony maro aza no namoy ny ainy, na voatery nandositra niala tao amin’ilay tany, dia nitombo ny isan’ny Vavolombelona ka nihoatra ny 3 000. Porofo izany fa nampionona marina tokoa an’ireo rahalahintsika Andriamanitra. Ahoana ny amin’ireo kamboty sy vehivavy maty vady maro eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah? Mazava ho azy fa mbola ao anatin’ny fahoriana izy ireo, ka mila fampiononana mitohy. (Jakoba 1:27). Tsy ho voafafa tanteraka ny ranomason’izy ireo raha tsy rehefa hatsangana ny maty ao anatin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Na dia izany aza, noho ny fanampian’ireo rahalahiny, ary noho izy ireo mpivavaka amin’ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra”, dia afaka miatrika ny fiainana izy ireo.
21. a) Ireo rahalahintsika aiza koa no faran’izay mila ny fampiononan’Andriamanitra, ary inona no fomba iray azontsika rehetra anampiana azy ireo? (Jereo ilay faritra voafefy hoe “Fampiononana Nandritra ny Efa-taona Nisian’ny Ady”.) b) Rahoviana no hahazo fahafaham-po tanteraka ny filantsika fampiononana?
21 Any amin’ny toerana maro hafa toa an’i Erythrée, i Singapour sy i Iogoslavia teo aloha, dia manohy manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana ireo rahalahintsika, na dia eo aza ny fahoriana. Enga anie isika hanampy an’ireny rahalahy ireny amin’ny fitalahoana tsy tapaka mba handraisany fampiononana. (2 Korintiana 1:11). Ary enga anie isika hiaritra amim-pahatokiana mandra-pahatongan’ilay fotoana ‘hamafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masontsika’ amin’ny heviny feno indrindra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Amin’izay isika dia hahita amin’ny ambaratonga feno ilay fampiononana homen’i Jehovah ao amin’ny tontolony vaovao hitoeran’ny fahamarinana. — Apokalypsy 7:17; 21:4; 2 Petera 3:13.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Janoary 1995, pejy faha-26, dia nitantara ny zavatra niainan’ny zanakavavin’i Rwakabubu, i Deborah izay nanao vavaka nanohina ny fon’ny antoko-miaramila hutu iray, ka namonjy ilay fianakaviana tsy ho voavono.
Fantatrao Ve?
◻ Nahoana no antsoina hoe “Andriamanitry ny fampiononana rehetra” i Jehovah?
◻ Ahoana no tokony hiheverantsika ireo fahoriana?
◻ Iza no azontsika izarana fampiononana?
◻ Ahoana no hanomezana fahafaham-po tanteraka ny filantsika fampiononana?
[Sary, pejy 17]
I Jean sy i Chantal, na dia Vavolombelona tutsi aza, dia nafenin’ireo Vavolombelona hutu tany an-toeran-kafa, nandritra ilay fandripahana foko iray manontolo tatsy Rwanda
[Sary, pejy 17]
Manohy mizara ny hafatra mampionona avy amin’Andriamanitra amin’ny mpiara-belona aminy ny Vavolombelon’i Jehovah atsy Rwanda