Ry Tanora — Tohero ny Toe-tsain’izao Tontolo Izao
“Fa isika tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin’Andriamanitra”. — 1 KORINTIANA 2:12.
1, 2. a) Inona no fifanoherana hita eo amin’ny tanora eo amin’izao tontolo izao sy ny tanora ao amin’ny kôngregasiônan’ny Vavolombelon’i Jehovah? b) Inona no teny fiderana mafana azo omena ny ankamaroan’ny tanora Vavolombelona?
“KETRAKA ny tanorantsika, ailika, ary mikomy.” Izany no nambaran’ilay gazety aostralianina hoe The Sun-Herald. Hoy koa izy io: “Asehon’ny firaketana an-tsoratry ny fitsarana fa niakatra 22 isan-jato [miohatra amin’ny tamin’ny taona teo aloha], ny isan’ny ankizy niseho teo anatrehan’ny fitsarana, noho ny fiampangana azy ho nanao fanafihana mahery vaika (...). Mamono tena ny ankizy, ary nitombo avo telo heny izany [famonoan-tena izany], nanomboka teo antenatenan’ireo taona 60 (...). Ary nanjary lalina be ilay hantsana mampisaraka ny ray aman-dreny sy ny zanaka, hantsana izay ivarinan’ny tanora mihamaro hatrany ho amin’ny fanadinoana ny zava-drehetra, amin’ny alalan’ny zava-mahadomelina sy ny zava-pisotro misy alkaola ary ny famonoan-tena.” Tsy voafetra ho ao amin’ny tany iray monja anefa izany toe-javatra izany. Mitaraina noho izay manjo ny tanora ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ary ny mpitsabo aretin-tsaina, maneran-tany.
2 Endrey ny fifanoherana manaitra hita eo amin’ny ankamaroan’ny tanora ankehitriny sy ny tanora vanona ao amin’ny kôngregasiônan’ny Vavolombelon’i Jehovah! Tsy hoe lavorary akory izy ireo. Miady mafy amin’ny “filan’ny tanora fanahy” koa izy ireo. (2 Timoty 2:22). Amin’ny fitambarany anefa, dia sahy nijoro tamin-kerim-po hanao izay mahitsy ireo tanora ireo, ka tsy nanaiky ho resin’ny faneren’izao tontolo izao. Amin’ny fonay manontolo no ideranay anareo tanora rehetra izay eo am-pandresena amin’ilay ady amin’ny ‘fanangolen’i’ Satana! (Efesiana 6:11). Toy ny apostoly Jaona, dia voatosika hilaza toy izao izahay: “Nanoratra taminareo zatovo aho, satria mahery hianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin’Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy hianareo.” — 1 Jaona 2:14.
3. Inona no hevitry ny teny hoe “fanahy”?
3 Na izany aza, raha tianareo ny hanohy handresy amin’ilay ady ataonareo amin’ilay ratsy, dia tsy maintsy manohitra mafy an’ilay antsoin’ny Baiboly hoe “ny fanahin’izao tontolo izao”, ianareo. (1 Korintiana 2:12). Araka ny manam-pahaizana iray momba ny teny grika, ny hevitry ny hoe “fanahy” dia hoe ‘ilay fironana na hery mitaona izay mameno sy manapaka ny olona na iza na iza’. Raha voamarikao, ohatra, fa mora tezitra ny olona iray, dia mety hilaza ianao fa ratsy “fanahy” izy. Ny ‘fanahinao’, na ny fironan’ny sainao, dia misy heriny eo amin’ny safidy ataonao, ary koa eo amin’izay ataonao sy izay lazainao. Mahaliana fa samy afaka maneho “fanahy”, na toe-tsaina, iray, na ny isam-batan’olona, na ny antokon’olona. Nanoratra toy izao ho an’ny antokon’olona kristianina iray ny apostoly Paoly: “Ho amin’ny fanahinareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika.” (Filemona 25). Inona marina àry io toe-tsaina asehon’ity tontolo ity io? Koa satria ‘izao tontolo izao mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa’, izay tsy iza fa i Satana Devoly, dia tsy mety hahasoa ilay toe-tsain’izao tontolo izao, sa tsy izany? — 1 Jaona 5:19.
Famantarana hoe inona ilay toe-tsain’izao tontolo izao
4, 5. a) Inona no fanahy nanan-kery teo amin’ireo tao amin’ny kôngregasiôna tany Efesosy, talohan’ny nahatongavan’izy ireo ho Kristianina? b) Iza moa ilay “mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra”, ary inona moa ilay “rivotra”?
4 Hoy ny nosoratan’i Paoly: “Hianareo dia efa novelominy, fony mbola matin’ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo, izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban’izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsi-fanarahana; teo amin’ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin’ny filan’ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin’ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika.” — Efesiana 2:1-3.
5 Tsy fantatry ny Kristianina tany Efesosy akory, fa mpanaraka an’i Satana Devoly, ilay “mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra”, ny tenan’izy ireo, talohan’ny nianaran’izy ireo ny lalana kristianina. Tsy toerana ara-bakiteny itoeran’i Satana sy ireo demoniany akory io “rivotra” io. Mbola nahazo nankany an-danitra mantsy i Satana Devoly sy ireo demoniany, tamin’ny fotoana nanoratan’i Paoly ireo teny ireo. (Ampitahao amin’ny Joba 1:6; Apokalypsy 12:7-12.) Ny teny hoe “rivotra”, dia manondro ny fanahy, na toe-tsaina, izay manjaka eo amin’ny tontolon’i Satana. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 16:17-21.) Miely hatraiza hatraiza io toe-tsaina io, tsy misy hafa amin’ny rivotra manodidina antsika.
6. Inona moa ilay “fanjakana eny amin’ny rivotra”, ary amin’ny fomba ahoana no anjakan’izy io eo amin’ny tanora maro?
6 Inona anefa ilay hoe “fanjakana eny amin’ny rivotra”? Azo inoana fa izany dia manondro fa misy heriny lalina eo amin’ny olona io “rivotra” io. Nilaza i Paoly fa ‘miasa ao anatin’ny zanaky ny tsy fanarahana’ io toe-tsaina io. Koa miteraka toe-tsaina tsy tia mankato sy tia mikomy àry ny toe-tsain’izao tontolo izao, ary fomba iray anjakan’izy io ny faneren’ny mitovy taona amintsika. Hoy ny tovovavy iray Vavolombelona: “Rehefa any am-pianarana ianao, dia mampirisika anao foana hikomy kely ny rehetra. Manaja kokoa anao ny ankizy raha somary manao izany ianao.”
Fomba isehoan’ilay toe-tsain’izao tontolo izao
7-9. a) Lazao ny sasany amin’ireo fomba isehoan’ny toe-tsain’izao tontolo izao eo amin’ny tanora ankehitriny. b) Nisy tamin’izy ireo ve voamarikao tao amin’ny faritra misy anao?
7 Inona avy no fomba isehoan’ilay toe-tsain’izao tontolo izao eo amin’ny tanora ankehitriny? Ny tsy fanaovana ny marina sy ny fikomiana. Maherin’ny 70 isan-jaton’ny mpianatra ao amin’ny taona roa famaranana any amin’ny oniversite, no nilaza fa nanao hosoka izy ireo, fony tany amin’ny lise, araka ny tatitry ny gazetiboky iray. Mahazo vahana koa ny fomba fiteny kivalavala sy maneso ary maloto. Marina fa indraindray i Joba sy ny apostoly Paoly dia nampiasa izay mety hoheverin’ny sasany ho fanesoana, mba hanehoany ny fahatezerany ara-drariny. (Joba 12:2; 2 Korintiana 12:13). Matetika anefa no efa fanevatevana mihitsy ny esoeso tsy an-kiantra avy amin’ny vavan’ny tanora maro.
8 Anisan’ny fomba isehoan’ilay toe-tsain’izao tontolo izao koa ny fialam-boly tafahoatra. Maro ny tanora no tia boîtes de nuit ho an’ny tanora, raves,a sy endriny hafa amin’ny fikoranana tsy voafehy. Mahazo vahana toy izany koa ny fanaovan-javatra tafahoatra eo amin’ny fitafiana sy ny fisehoana ankapobe. Asehon’ny tanora maro ankehitriny fa manana ny toe-tsain’izao tontolo izao tia mikomy izy ireo, rehefa jerena amin’ny akanjony malalaka loatra araka ny lamaody rap, ka hatramin’ny lamaodiny manafintohina, toy ny fitevehana amin’ny vatana. (Ampitahao amin’ny Romana 6:16.) Fomba iray hafa isehoan’ilay toe-tsaina koa ny fiahiana be loatra ny amin’ny fananana ara-nofo. Araka ny gazety iray miompana amin’ny fanabeazana, “ireo mpivarotra dia manototra ny ankizy tsy an-kijanona amin’ny teknika mahazendana maro be [fanaovana dokam-barotra] sy amin’ny entam-barotra tsy toko tsy forohana”. Ho efa niantefan’ny dokam-barotra miisa 360 000 ao amin’ny televiziona ny tanora any Etazonia, mandra-pivoakany avy any amin’ny lise. Mety hanery anao hividy koa ireo mpiara-mianatra aminao. Hoy ny zazavavy iray 14 taona: “Manontany foana ny rehetra hoe: ‘Inona kay ny marik’iny akanjobanao iny, na iny palitaonao iny, na iny pataloa jininao iny?’ ”
9 Hatramin’ny andron’ny Baiboly, dia fitaovana nampiasain’i Satana mba handrisihana ho amin’ny fitondran-tena maloto ny mozika tsy mahasoa. (Ampitahao amin’ny Eksodosy 32:17-19; Salamo 69:12; Isaia 23:16.) Tsy mahagaga àry raha be mpitia ny mozika misy tonony manintona ho amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy — raha tsy miresaka mazava tsara ny amin’izany mihitsy aza — sy ny mozika misy teny ratsy ary ny mozika manana ngadona mitabataba be sy manaitaitra ny filan’ny nofo. Fomba hafa iray isehoan’ny toe-tsaina maloton’ity tontolo ity koa ny fahalotoam-pitondran-tena. (1 Korintiana 6:9-11). Hoy ny tatitra nataon’ny The New York Times: “Saika zary fombafomba iray tsy maintsy atao ny firaisana, ho an’ny zatovo maro, mba haneken’ny namany azy. (...) Maherin’ny androatokon’ny mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana any amin’ny lise no efa nanao firaisana.” Nanome porofo ny lahatsoratra iray ao amin’ny The Wall Street Journal, fa “mihamanjary mpanao firaisana” ireo ankizy eo anelanelan’ny 8 sy 12 taona. Hoy ny vehivavy iray mpanolo-tsaina tany an-tsekoly, nisotro ronono vao haingana: “Manomboka mahita ankizivavy bevohoka vitsivitsy ao amin’ny kilasy fahenina izahay.”b
Fanilihana ilay toe-tsain’izao tontolo izao
10. Tamin’ny ahoana ny tanora sasany avy amin’ny fianakaviana kristianina no resin’ny toe-tsain’izao tontolo izao?
10 Mampalahelo fa nisy tanora kristianina sasany resin’ny toe-tsain’izao tontolo izao. Hoy ny fieken’ny zazavavy japoney iray: “Nanana fihetsika tsara aho teo anatrehan’ny ray aman-dreniko sy ny Kristianina hafa. Hafa kosa anefa ny fiainako tany ambadika.” Hoy ny zazavavy iray avy any Kenya: “Nandritra ny fotoana elaela, dia nanana fiainana roa sosona aho, tafiditra tamin’izany ny fikoranana, ny mozika rock, sy ny naman-dratsy. Fantatro fa ratsy izany, kanefa nodiako tsy fantatra, satria nantenaiko fa hisava fotsiny izany rehefa mandeha ny fotoana. Tsy nisava anefa ilay izy, fa vao mainka aza niharatsy.” Hoy indray kosa ny zazavavy iray hafa avy any Alemaina: “Ny fiarahako tamin’ny naman-dratsy no nanombohan’ny zava-drehetra. Avy eo dia nanomboka nifoka sigara aho. Naniry handratra ny fon’ny ray aman-dreniko aho, kanefa tsy nanao afa-tsy ny nandratra ny foko.”
11. Ahoana no nahafahan’i Kaleba tsy nanara-drian-drano rehefa nanao tatitra ratsy ireo mpisafo tany folo?
11 Na izany aza, dia azo atao ny manohitra ny toe-tsain’izao tontolo izao, eny, ny manilika azy io. Diniho ny ohatr’i Kaleba, tamin’ny andro fahiny. Nanao tatitra ratsy momba ny Tany Nampanantenaina ireo mpisafo tany folo kanosa, rehefa niverina. Tsy nanaiky hampitahorina ka hanara-drian-drano anefa i Kaleba sy i Josoa. Nilaza tamin-kerim-po toy izao izy mirahalahy: “Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany tsara indrindra. Raha sitrak’i Jehovah isika, dia hitondra antsika ho amin’izany tany izany Izy, ka homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.” (Nomery 14:7, 8). Inona no nahatonga an’i Kaleba hahatohitra fanerena toy izany? Hoy i Jehovah momba azy: “Fanahy hafa no tao aminy”. — Nomery 14:24.
Fanehoana “fanahy hafa”
12. Nahoana no zava-dehibe ny hanehoana “fanahy hafa”, raha ny amin’ny fomba fitenintsika?
12 Mitaky herim-po sy tanjaka ankehitriny ny maneho “fanahy hafa”, na toe-tsaina hafa, izany hoe hafa noho ny an’izao tontolo izao. Fomba iray azonao anehoana izany ny fanalavirana ny fomba fiteny manesoeso sy tsy manaja. Mahaliana fa ilay teny hoe “esoeso”, dia avy amin’ny matoanteny grika iray izay midika ara-bakiteny hoe “mamiravira nofo, toy ny ataon’ny alika”. (Ampitahao amin’ny Galatiana 5:15.) Afaka mamiravira nofo hiala amin’ny taolana ny nifin’alika. Toy izany koa fa ny “vazivazy” manesoeso dia manaisotra amin’ny hafa ny fahamendrehany. Mampirisika anao anefa ny Kôlôsianina 3:8 (Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara), mba ‘hanaisotra avokoa ireto: fahatezerana, fisafoahana, faharatsiam-panahy, fanevatevana, teny mahamenatra aloaky ny vavanao’. Ary hoy ny Ohabolana 10:19: “Ny teny maro tsy ilaozan’izay ota; fa izay mahatana ny molony no hendry.” Raha ompana ianao, dia manehoa fifehezan-tena ka ‘atolory koa ny takolaka iray’, angamba amin’ny firesahana mitokana, amim-pahatoniana sy amim-pihavanana, amin’ilay niteny ratsy anao. — Matio 5:39; Ohabolana 15:1.
13. Ahoana no ahafahan’ny tanora maneho fomba fijery voalanjalanja momba ny zavatra ara-nofo?
13 Fomba iray hafa koa hanehoana “fanahy hafa” ny fihazonana fomba fijery voalanjalanja momba ny zavatra ara-nofo. Mazava ho azy fa ara-dalàna tsotra izao ny haniriana hanana zavatra tsara. Miharihary fa nanana akanjo iray ambony karazana, fara fahakeliny, i Jesosy Kristy. (Jaona 19:23, 24). Rehefa manjary mibahana be loatra ao an-tsainao anefa ny hoe hanan-javatra, ka tsy mitsahatra mangataka amin’ny ray aman-dreninao ianao mba hividy zavatra izay tsy takatry ny volany, raha ny marina, na rehefa ta hanahaka fotsiny ny tanora hafa ianao, dia mety ho efa manjaka bebe kokoa ao aminao, tsy araka ny iheveranao azy, ny toe-tsain’izao tontolo izao. Hoy ny Baiboly: “Ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany.” Eny, aza manaiky hanjakan’ny toe-tsain’izao tontolo izao miahy fatratra ny amin’ny zavatra ara-nofo! Mianara ny hahay hianina amin’izay anananao. — 1 Jaona 2:16; 1 Timoty 6:8-10.
14. a) Tamin’ny ahoana ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny andron’i Isaia no naneho fomba fijery tsy voalanjalanja momba ny fialam-boly? b) Tojo loza inona avy ny tanora kristianina sasany, tany amin’ny boîtes de nuit sy ny fikoranana tsy voafehy?
14 Zava-dehibe koa ny fihazonana ny fialam-boly ho eo amin’ny toerany. Hoy ny nambaran’i Isaia mpaminany: “Lozan’izay mifoha maraina koa ka mitady toaka! Izay miboboka mandra-paharivan’ny andro ka ampirehetin’ny divay! Ary ny lokanga sy ny valiha, ny ampongatapaka sy ny sodina ary ny divay no foto-panasany; fa ny asan’i Jehovah tsy mba jereny, ary ny ataon’ny tànany tsy mba hitany.” (Isaia 5:11, 12). Mampalahelo fa tafiditra tamin’ny fikoranana tsy voafehy toy izany koa ny tanora kristianina sasany. Rehefa nisy tanora kristianina maromaro nasaina nilazalaza izay mitranga any amin’ny boîtes de nuit ho an’ny tanora, dia hoy ny anabavy tanora iray: “Misy ady amin’ny fotoana rehetra. Efa nilatsaka ho mpanelanelana tamin’ireny ady ireny ny tenako.” Hoy koa ny rahalahy tanora iray: “Fisotroana, fifohana sigara, sy ny toy izany.” Niaiky toy izao ny rahalahy tanora hafa iray: “Mamo ny olona. Mitondra tena toy ny adala izy ireny! Ary misy zava-mahadomelina koa. Misy zava-dratsy maro mitranga. Raha mankany ianao ka mieritreritra hoe tsy ho voakasika, dia diso hevitra ianao.” Noho ny antony marim-pototra àry no ilazan’ny Baiboly fa anisan’ny “asan’ny nofo” ny korana anaranam-po, na ny “fikoranana tsy voafehy”. — Galatiana 5:19-21, Byington; Romana 13:13.
15. Inona no fomba fijery voalanjalanja omen’ny Baiboly, raha ny amin’ny fialam-boly?
15 Tsy ho voatery hanana fiainana tsy ahitam-pifaliana ianao, raha manalavitra ny fialam-boly manimba. “Andriamanitra sambatra” no ivavahantsika, ary iriny ny hankafizanao ny fahatanoranao! (1 Timoty 1:11, NW; Mpitoriteny 11:9). Hoy anefa ny fampitandreman’ny Baiboly: “Izay tia fanaranam-po [“fialam-boly”, Lamsa] dia olona halahelo”. (Ohabolana 21:17). Eny, raha ataonao ho ny zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainanao ny fialam-boly, dia hanjary halahelo, na hahantra, ara-panahy ianao. Koa araho àry ny foto-pitsipika ara-baiboly, raha ny amin’ny fialam-boly fidinao. Misy fomba maro azonao ampifalifaliana tena, ka hampiorina anao fa tsy hampietry anao.c — Mpitoriteny 11:10.
16. Ahoana no ahafahan’ny tanora kristianina mampiseho fa hafa izy ireo?
16 Hampiavaka anao amin’ny hafa koa ny fahamaotinan’ny fitafianao sy ny fisehoanao ankapobe, amin’ny fanilihanao ny lamaodin’izao tontolo izao. (Romana 12:2; 1 Timoty 2:9). Toy izany koa ny fahaizanao mifantina ny mozika henoinao. (Filipiana 4:8, 9). Hoy ny fieken’ny tanora kristianina iray: “Manana mozika izay fantatro fa tokony hariako aho, kanefa tsara erỳ ny feony!” Niaiky toy izany koa ny tovolahy hafa iray, nanao hoe: “Fandrika ho ahy ny mozika, satria tiako. Raha tsikaritro fa misy zavatra ratsy amin’ilay izy, na raha misarika ny saiko ho amin’ilay izy ny ray aman-dreniko, dia tena tsy maintsy manery ny saiko hibaiko ny foko aho, satria ao am-poko ao dia tiako ilay mozika.” Ry tanora, aza minia tsy ‘mahafantatra ny hafetsen’i Satana’! (2 Korintiana 2:11). Mampiasa ny mozika mba hampiviliana ny tanora kristianina hiala amin’i Jehovah izy! Nisy lahatsoratra nivoaka tao amin’ny zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower, niresaka ny amin’ny mozika rap, heavy metal, sy rock alternatif.d Tsy afaka ny hanome ny heviny momba izay karaza-mozika vaovao rehetra mety hipoitra anefa ny zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower. Tsy maintsy mampiasa “fahaiza-misaina” sy “fahaiza-manavaka” àry ianao, rehefa mifantina mozika. — Ohabolana 2:11, NW.
17. a) Inona no atao hoe por·neiʹa, ary fanaovan-javatra inona avy no tafiditra amin’izany? b) Inona no sitrapon’Andriamanitra, raha ny amin’ny fitondran-tena?
17 Farany, dia tsy maintsy mihazona ny tenanao ho madio ara-pitondran-tena hatrany ianao. Mampirisika toy izao ny Baiboly: “Mandosira ny fijangajangana.” (1 Korintiana 6:18). Ilay teny grika tany am-boalohany hoe por·neiʹa, izay midika hoe fijangajangana, dia manondro ny firaisana tsy azo atao rehetra, anisan’izany ny fampiasana ny filahiana sy ny fivaviana, ivelan’ny fatoram-panambadiana. Anisan’izany koa ny firaisana amin’ny vava, sy ny finiavana hanafosafo ny maha lahy na ny maha vavy. Tanora kristianina maromaro no nanao zavatra toy izany, satria nihevitra fa tsy tena nijangajanga izy ireo. Milaza mazava toy izao anefa ny Tenin’Andriamanitra: “Izao no sitrapon’Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana, mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin’ny fahamasinana sy ny voninahitra”. — 1 Tesaloniana 4:3, 4.
18. a) Ahoana no azon’ny tanora iray analavirana ny ho voaloton’ny toe-tsain’izao tontolo izao? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
18 Eny, miaraka amin’ny fanampian’i Jehovah, dia afaka manalavitra ny ho voaloton’ny toe-tsain’izao tontolo izao ianao! (1 Petera 5:10). Na izany aza, dia matetika i Satana no manafina ny fandrika mahafaty velariny, ary tena mila fahaiza-manavaka tokoa isika indraindray mba hahatsapana ny loza. Natao hanampiana ny tanora hampitombo ny fahaizany mandinika, ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fandihizana izay mazàna no maharitra ny alina manontolo. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Zava-mahafalifaly Tsy Manimba ve ny Raves?”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Janoary 1998.
b Ankizy tokony ho 11 taona eo ho eo.
c Misy fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy faha-296-303, ao amin’ilay boky hoe Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra.
d Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 1993.
Fanontaniana ho Famerenana
◻ Inona moa ilay “fanahin’izao tontolo izao”, ary amin’ny fomba ahoana no ‘anjakan’izy’ io eo amin’ny olona?
◻ Inona avy no fomba sasany isehoan’ny toe-tsain’izao tontolo izao eo amin’ny tanora ankehitriny?
◻ Ahoana no ahafahan’ny tanora kristianina maneho “fanahy hafa”, na toe-tsaina hafa, raha ny amin’ny fomba fiteny sy ny fialam-boly?
◻ Ahoana no ahafahan’ny tanora kristianina maneho “fanahy hafa”, raha ny amin’ny fitondran-tena sy ny mozika?
[Sary, pejy 9]
Asehon’ny tanora maro eo amin’ny fitondran-tenany fa ‘anjakan’ilay’ toe-tsain’izao tontolo izao izy ireo
[Sary, pejy 10]
Mahaiza mifantina ny mozika henoinao
[Sary, pejy 11]
Mitaky herim-po ny fanoherana ny toe-tsain’izao tontolo izao