“Ny Mpanome Amin’ny Fifaliana no Tian’Andriamanitra”
SARY velona mampiseho ny fahalalahan-tanana, i Jehovah. Lazain’ny Baiboly tokoa fa izy no Mpanome ireo “fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra”. (Jakoba 1:17). Diniho, ohatra, ireo zavatra noforonin’Andriamanitra. Nataony matsiro ny sakafo, fa tsy matsatso; nataony mareva-doko ny voninkazo, fa tsy matroka; nataony manaitra ny maso ny masoandro mody fa tsy vasoka. Eny, manome porofon’ny fitiavan’i Jehovah sy ny fahalalahan-tanany avokoa ny lafiny rehetra amin’ny zavatra noforoniny. (Salamo 19:1, 2; 139:14). Ankoatra izany, dia Mpanome amim-pifaliana i Jehovah. Finaritra izy manisy soa ny mpanompony. — Salamo 84:11; 149:4.
Nodidiana ireo Isiraelita mba hampiseho taratry ny fahalalahan-tanan’Andriamanitra teo amin’ny fifampiraharahany tamin’izy samy izy. “Aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tànanao, amin’ny rahalahinao malahelo”, hoy i Mosesy tamin’izy ireo. “Omeo tokoa izy, ary aoka tsy halahelo ny fonao”. (Deoteronomia 15:7, 10). Koa satria tokony ho avy amin’ny fo ny fanomezana, dia tokony hahafinaritra ny Isiraelita ny fanaovan-javatra amim-pahalalahan-tanana.
Nomena fananarana mitovy amin’izany ny Kristianina. Nilaza tokoa i Jesosy fa “mahasambatra kokoa ny manome”. (Asan’ny Apostoly 20:35). Fakan-tahaka ireo mpianatr’i Jesosy teo amin’ny fanomezana tamim-pifaliana. Lazain’ny Baiboly, ohatra, fa izay tonga mpino tao Jerosalema dia ‘nivarotra ny taniny sy ny fananany, ary nizara izany tamin’izy rehetra araka izay nilainy avy’. — Asan’ny Apostoly 2:44, 45.
Latsaka tao anatin’ny fahantrana anefa ireo Jodianina nalala-tanana ireo, tatỳ aoriana. Tsy lazain’ny Baiboly mazava izay nahatonga izany toe-piainana nisy azy izany. Misy manam-pahaizana sasany milaza fa mety ho ilay mosary voaresaka ao amin’ny Asan’ny Apostoly 11:28, 29 no antony. Na ahoana na ahoana, dia tao anatin’ny fahoriana nangidy ireo Kristianina tany Jodia, ary nirin’i Paoly ho azo antoka fa ho voakarakara izay nilain’izy ireo. Ahoana no hanaovany izany?
Famoriam-bola ho an’ireo sahirana
Nandrisika ny fanampian’ireo kôngregasiôna lavitra, hatrany Makedonia, i Paoly, ary nalaminy ny hisian’ny famoriam-bola ho an’ireo Kristianina azon’ny fahantrana tany Jodia. Nanoratra toy izao ho an’ny Korintianina i Paoly: “Mba manaova koa hianareo toy izay nasaiko nataon’ny fiangonana any Galatia. Amin’ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin’inona na amin’inona no anambinana azy”.a — 1 Korintiana 16:1, 2.
Nokasain’i Paoly halefa haingana tany amin’ireo rahalahy tany Jerosalema izany vatsim-bola izany, saingy nitaredretra ireo Korintianina tamin’ny fanarahana ny toromarik’i Paoly. Nahoana? Tsy nihontsina tamin’ilay toe-javatra nampahonena nisy ny rahalahiny tany Jodia ve izy ireo? Tsia, satria fantatr’i Paoly fa ireo Korintianina dia ‘nitombo tamin’ny zavatra rehetra, na tamin’ny finoana, na tamin’ny teny, na tamin’ny fahalalana, na tamin’ny fahazotoana rehetra’. (2 Korintiana 8:7). Azo inoana fa revo tanteraka tamin’ny fikarakarana raharaha tena lehibe hafa izay noresahin’i Paoly tao amin’ny taratasiny voalohany ho azy ireo, ny Korintianina. Maika anefa izao ilay toe-javatra tany Jerosalema. Koa niresaka ilay raharaha tao amin’ny taratasiny faharoa ho an’ny Korintianina àry i Paoly.
Antso avo mba halala-tanana
Noresahin’i Paoly tamin’ireo Korintianina aloha ny amin’ireo Makedonianina izay fakan-tahaka teo amin’ny fanoinana ilay antso hanao ezaka vonjy rano vaky. “Tamin’ny fahoriana be nizahan-toetra azy”, hoy i Paoly, “no nitomboan’ny hafaliany, ary ny hamafin’ny fahantrany no nampitombo ny haren’ny [fahalalahan-tanany, NW ].” Tsy nila nampirisihina hanome ireo Makedonianina. Mifanohitra amin’izany, fa nilaza i Paoly hoe “araka ny sitrapony ihany”, dia “nangataka mafy taminay koa izy mba havelanay [hahazo tombontsoa hanome amin-katsaram-panahy, NW ]”. Vao mainka miavaka kokoa ilay fahalalahan-tanana tamim-pifaliana nasehon’ireo Makedonianina, rehefa heverintsika ny ‘hamafin’ny fahantrana’ nahazo ny tenan’izy ireo. — 2 Korintiana 8:2-4.
Rehefa nidera ireo Makedonianina i Paoly, moa ve izy nanandrana nanetsika toe-tsaina tia fifaninanana teo amin’ireo Korintianina? Tsy izany velively, satria fantany fa tsy mety izany fomba fandrisihana izany. (Galatiana 6:4). Ankoatra izany, dia fantany fa tsy nilaina hampahamenarina ireo Korintianina mba hanaovany izay tokony hatao. Natoky kosa izy fa tena tia marina ireo rahalahiny tany Jodia ny Korintianina ka naniry handray anjara tamin’ilay ezaka vonjy rano vaky. Hoy izy tamin’izy ireo: “Tsy ny fanaovana ihany, fa ny fikasana koa aza dia efa natombokareo teo alohan’ny sasany hatry ny taon-itsỳ.” (2 Korintiana 8:10). Tsy azo lavina fa fakan-tahaka koa ny tenan’ireo Korintianina teo amin’ny lafiny sasany amin’ilay ezaka vonjy rano vaky. “Fantatro ny fahazotoanareo, izay ataoko rehareha ny aminareo amin’ny Makedoniana”, hoy i Paoly, sady nanampy teny izy hoe: “Ny zotom-ponareo dia namporisika ny maro.” (2 Korintiana 9:2, izahay no manao sora-mandry.) Izao anefa dia nilain’ireo Korintianina navadika ho asa ny zotom-pony sy ny fahazotoany.
Noho izany, dia hoy i Paoly taminy: “Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena; fa ‘ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra’.” (2 Korintiana 9:7). Araka izany, dia tsy ny hanery ny Korintianina no zava-nokendren’i Paoly, satria tsy ho afaka hanome amim-pifaliana ny olona iray raha terena. Nisy porofo nahatonga an’i Paoly hihevitra fa efa nisy tao ny antony manosika tsara, fa efa tapa-kevitra ny hanome ny tsirairay. Hoy i Paoly tamin’izy ireo, ho fanampin’izany: “Raha misy ny fahazotoana, dia araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany.” (2 Korintiana 8:12). Eny, rehefa eo ny fahazotoana, izany hoe, rehefa atosiky ny fitiavana ny olona iray, dia azon’i Jehovah ekena izay atolony, na dia toa kely toy inona aza izany. — Ampitahao amin’ny Lioka 21:1-4.
Ireo mpanome amim-pifaliana amin’izao andro izao
Ohatra tsara dia tsara ho an’izao androntsika izao ilay ezaka vonjy rano vaky natao ho an’ireo Kristianina tany Jodia. Nanomboka ezaka manokana ho fitoriana maneran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah, ka mitondra sakafo ho an’ny olona an-tapitrisany maro izay maty noana ara-panahy. (Isaia 65:13, 14). Manao izany izy ireo ho fankatoavana ilay didin’i Jesosy hoe: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy (...) sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo”. — Matio 28:19, 20.
Tsy mora ny fanatanterahana io asa nanirahana io. Tafiditra amin’izany ny fisahanana ireo fandaniana ao amin’ireo tranon’ny misionera sy ao amin’ireo tranon’ny sampana maherin’ny zato maneran-tany. Voafaoka amin’izany koa ny fanorenana Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe mba hananan’ireo mpivavaka amin’i Jehovah toerana sahaza mba hivoriana sy hifampaherezana. (Hebreo 10:24, 25). Indraindray ny Vavolombelon’i Jehovah dia manome koa fanampiana vonjy rano vaky any amin’ireo faritra izay ravan’ny loza araka ny natiora.
Eritrereto koa ny amin’ilay fandaniana be eo amin’ny fanaovana pirinty. Isan-kerinandro, amin’ny antsalany, dia Tilikambo Fiambenana maherin’ny 22 000 000 sy Mifohaza! 20 000 000 eo ho eo no atao pirinty. Ho fanampin’io vatsin-tsakafo ara-panahy tsy tapaka io, dia eo koa ireo boky sy bokikely sy cassettes, sy vidéocassettes an-tapitrisany maro izay vokarina isan-taona.
Ahoana no isahanana ny lany amin’izany asa rehetra izany? Amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo. Mba hampandrosoana ny fanompoam-pivavahana marina no anaovana azy ireny fa tsy hanintonana ny sain’ny olona na noho ny antony manosika feno fitiavan-tena. Noho izany, dia mitondra fifaliana ho an’ilay mpanome no sady omban’ny fitahian’Andriamanitra, ny fanomezana toy izany. (Malakia 3:10; Matio 6:1-4). Na ny ankizy aza dia mpanome amim-pifaliana sy amim-pahalalahan-tanana, eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa ren’i Allison izay vavikely efa-taona, ohatra, fa ravan’ny rivo-doza ny ampahany iray amin’i Etazonia, dia nanome vola roa dôlara izy. “Io no vola rehetra tao amin’ny boatin-drakitro”, hoy ny nosoratany. “Fantatro fa very avokoa ny kilalao sy ny boky ary ny saribakolin’ireo ankizy. Angamba azonareo ampiasaina ity vola ity mba hividianana boky iray ho an’ny ankizivavy kely mitovy taona amiko.” Nambaran’i Maclean izay valo taona, ny hafaliany satria tsy nisy rahalahy maty tamin’ilay tafio-drivotra. Nanampy teny toy izao izy: “Nahazo vola 17 dôlara aho satria nivarotra enjoliveurs niaraka tamin’i Dada. Efa handeha hividy zavatra tamin’ny volako aho. Tamin’izay anefa, dia nieritreritra ny amin’ireo rahalahy aho.” — Jereo koa ny faritra voafefy etsy ambony.
Marina tokoa fa faly ny fon’i Jehovah mahita antitra sy tanora mametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakany eo amin’ny toerana voalohany, ka ‘mankalaza azy amin’ny fananany’. (Ohabolana 3:9, 10). Mazava ho azy fa tsy misy olona tena afaka mampanankarena an’i Jehovah, satria azy ny zava-drehetra. (1 Tantara 29:14-17). Ny fanohanana ilay asa anefa dia tombontsoa izay mahatonga ireo mpivavaka hanana fahafahana haneho ny fitiavany an’i Jehovah. Velom-pankasitrahana an’izay rehetra atosiky ny fony amin’izany fomba izany isika.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Na dia ‘nampanao’ zavatra ny olona aza i Paoly, dia tsy midika akory izany hoe nanao didiko fe lehibe izy na hoe nitaky fanaovan-javatra an-tery. Nanara-maso fotsiny ilay famoriam-bola izay nahatafiditra kôngregasiôna maromaro kosa, i Paoly. Fanampin’izany, dia nilaza i Paoly fa ‘any aminy avy’ ny tsirairay dia tokony hanome “na amin’inona na amin’inona no anambinana azy”. Raha lazaina amin’ny teny hafa izany dia hoe tokony hataon’ny tena manokana sy an-tsitrapo ny fanomezana tsirairay. Tsy misy olona terena.
[Efajoro, pejy 26, 27]
Ireo Fomba Fidin’ny Sasany Hanaovana Fanomezana ho An’ny Asa Maneran-tany
Maro no manokana na manatsinjara vola izay arotsany ao amin’ny boaty ho an’ny fanomezana misy soratra hoe “Fanomezana ho An’ny Asa Maneran-tanin’ny Fikambanana — Matio 24:14.” Isam-bolana, ny kôngregasiôna dia mandefa ireny vola ireny, na any amin’ny foibe maneran-tany any Brooklyn, any New York, na any amin’ny biraon’ny Sampana eo an-toerana.
Ireo vola fanomezana an-tsitrapo dia azo alefa mivantana koa any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, 25 Columbia Heights, Brooklyn, New York 11201-2483, na any amin’ny biraon’ny Fikambanana mikarakara ny tany misy anao. Azo atao fanomezana koa ny firavaka na zava-tsarobidy hafa. Miaraka amin’ireny fanomezana ireny, dia tokony hisy taratasy fohy milaza fa fanomezana tanteraka izy io.
FANDAHARANA MOMBA NY FANOMEZANA MISY FEPETRA
Azo atao ny manome vola ny Fikambanana Watch Tower amin’ny fanaovana fandaharana manokana, dia ny hoe, raha misy ilan’ilay mpanome izany, dia haverina aminy ilay fanomezana. Mba hahazoana fanazavana misimisy kokoa, dia mifandraisa amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, voalaza adiresy etsy ambony.
FANOMEZANA NALAMINA MIALOHA
Ho fanampin’ny vola fanomezana tsy misy fepetra sy ilay misy fepetra, dia misy koa fomba fanomezana hafa izay mitondra soa ho an’ny fanompoana maneran-tany mahakasika ilay Fanjakana. Tafiditra amin’izany ny:
Fiantohana: Azo tondroina ho mpandray ny tombontsoa (bénéficiaire) avy amin’ny fifanekem-piantohana aina (assurance-vie) na amin’ny fandaharana momba ny fisotroan-dronono/pension ny Fikambanana Watch Tower.
Kaonty any Amin’ny Banky: Ny kaonty any amin’ny banky, ny taratasy fanamarinana petra-bola, na ny kaontin’ny olona iray momba ny fisotroan-dronono dia azo ankinina amin’ny Fikambanana Watch Tower na azo aloa aminy ny vola amin’izany amin’ny fahafatesan’ilay tompony, mifanaraka amin’ireo zavatra takin’ny banky eo an-toerana.
Petra-bola (actions) sy Renivola Nampisamborina (obligations): Ny petra-bola sy ny renivola nampisamborina dia azo atao fanomezana tsy misy fepetra ho an’ny Fikambanana Watch Tower, na asiana fepetra hoe ny tombony dia haloa hatrany any amin’ilay mpanome.
Trano sy Tany: Azo atao fanomezana ho an’ny Fikambanana Watch Tower ny trano sy ny tany azo amidy, na amin’ny fanaovana fanomezana tsy misy fepetra, na misy fepetra fa ho fananan’ilay mpanome raha mbola velona koa izy, izany hoe afaka manohy mipetraka ao izy mandritra ny fahavelomany. Tokony hifandray amin’ny Fikambanana ny olona iray, alohan’ny hamindrany trano sy tany amin’ny anaran’ny Fikambanana.
Didim-pananana sy Fanankinam-pananana (fidéicommis): Azo ampandovaina fananana na vola ny Fikambanana Watch Tower amin’ny alalan’ny didim-pananana natao manan-kery ara-dalàna, na azo tondroina ho mpandray ny tombontsoa (bénéficiaire) avy amin’ny fifanarahana iray momba ny fanankinam-pananana. Ny fanankinam-pananana ho tombontsoan’ny fikambanana ara-pivavahana iray dia mety hahitan-tsoa sasany eo amin’ny fandoavan-ketra.
Araka ny asehon’ilay teny hoe “fanomezana nalamina mialoha”, dia mitaky fandaminan-javatra mialoha avy amin’ilay mpanome ireo karazam-panomezana ireo. Mba hanampiana ireo olona maniry hampandray soa ny Fikambanana amin’ny alalan’ny endriny sasany amin’ny fanomezana nalamina mialoha, dia nomanin’ny Fikambanana ny bokikely iray amin’ny teny anglisy mitondra ny lohateny hoe Planned Giving to Benefit Kingdom Service Worldwide (Fanomezana Nalamina Mialoha ho Tombontsoan’ny Fanompoana Maneran-tany Mifandray Amin’ilay Fanjakana). Nosoratana io bokikely io ho valin’ny fanontaniana maro voarain’ny Fikambanana momba ny fanomezana sy ny didim-pananana ary ny fanankinam-pananana. Mirakitra fanazavana mahasoa fanampiny koa izy io, mahakasika ny trano sy tany ary ny fandaharana mialoha momba ny vola sy ny hetra. Ary natao izy io mba hanampiana ireo olona any Etazonia izay mikasa ny hanao fanomezana manokana ho an’ny Fikambanana izao ankehitriny izao, na hamela lova eo am-pahafatesana. Manampy azy ireo ilay bokikely mba hifantina ny fomba ahitana tombony sy mahomby indrindra raha dinihina amin’ny toe-javatra misy azy ara-pianakaviana sy manokana.
Maro no afaka nanampy ny Fikambanana no sady nahazo tombony faran’izay betsaka teo amin’ny hetra noho ny nanaovana izany, taorian’ny namakiany ilay bokikely sy niarahany nidinika tamin’ny Filan-kevitry ny Fanomezana Nalamina Mialoha. Tokony hampahafantarina ny Filan-kevitry ny Fanomezana Nalamina Mialoha, ny fisian’izay mety ho taratasy mifandray amin’ireo fandaharana ireo, ary tokony hahazo kopia iray amin’izany izy. Izay rehetra ta hahazo bokikely iray na liana amin’ny iray amin’ireo fanomezana nalamina mialoha ireo, dia tokony hifandray amin’ny Filan-kevitry ny Fanomezana Nalamina Mialoha, na amin’ny fanoratana na amin’ny telefaonina, any amin’ny adiresy voalaza eto ambany, na any amin’ny biraon’ny Fikambanana mikarakara ny taninao.
PLANNED GIVING DESK
Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
100 Watchtower Drive, Patterson, New York 12563-9204
Telefaonina: (914) 878-7000
[Efajoro, pejy 28]
Mpanome Amim-pifaliana koa ny Ankizy!
Maniry hanome anareo ity vola ity aho mba hanamboaranareo boky maro kokoa ho anay. Nangoniko ity vola azoko tamin’ny fanampiana an’i dada ity. Misaotra betsaka noho ny asa mafy rehetra ataonareo. — Pamela, fito taona.
Alefako atỳ aminareo ny vola $6,85 mba hanampiana eo amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana maro kokoa. Azoko tamin’ity fahavaratra ity io vola io, fony aho nivarotra limonady teny amoron-dalana. — Selena, enin-taona.
Niompy akoho izay nahazoako akoholahy sy akohovavy aho. Natokako ho an’i Jehovah ilay akohovavy. Nanatody izy io tamin’ny farany ka nahazoako akohovavy telo izay namidiko. Iny ampiarahiko iny ny vidiny, ho an’ny asan’i Jehovah. — Thierry, valo taona.
Ity ny vola rehetra ananako! Iangaviako ny mba hampiasana azy io amim-pahendrena. Mafy tamiko ny nanangona azy io. Indro ny vola $21. — Sarah, folo taona.
Nahazo ny loka voalohany aho tamin’ny anjara iray nanendrena ahy tany an-tsekoly, ka tsy maintsy nanohy tamin’ny fifaninanam-paritany. Nahazo ny loka voalohany koa aho tany, ary avy eo dia ny loka faharoa tamin’ny fifaninanana famaranana nifanaovan’ny distrika. Nahazo lelavola aho tamin’ireo rehetra ireo. Tiako homena ny Fikambanana ny sasany amin’izany vola izany. Heveriko fa matoa aho afaka nahazo ireo loka ireo, dia noho ny fampiofanana azoko avy tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika. Natoky tena aho fony nanao ny tatitra nataoko teo anatrehan’ireo mpitsara. — Amber, kilasy T6.
Tiako homenareo an’i Jehovah ity vola ity. Anontanio izy ny amin’izay tiany hatao aminy. Mahafantatra ny zava-drehetra izy. — Karen, enin-taona.
[Sary, pejy 25]
Tohanana amin’ny fanomezana an-tsitrapo ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah