Miorena Mafy ao Amin’ny Fahafahana avy Amin’Andriamanitra!
“Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika; ka tomoera tsara [miorena mafy, MN], fa aza mety hohazonin’ny zioga fanandevozana intsony.” — GALATIANA 5:1.
1, 2. Tamin’ny fomba ahoana no namoizana ny fahafahana avy amin’Andriamanitra?
AFAKA ny vahoakan’i Jehovah. Kanefa tsy mitady ny tsy hiankina amin’Andriamanitra izy ireo satria izany dia hidika ho fanandevozan’i Satana. Mankamamy ny fifandraisany akaiky amin’i Jehovah izy ireo ary mifaly ao amin’ny fahafahana nomeny azy ireo.
2 I Adama sy i Eva, ray aman-drenintsika voalohany, dia namoy ny fahafahana avy amin’Andriamanitra tamin’ny fahotany sy tamin’ny fahatongavany ho andevon’ny ota, ny fahafatesana ary ny Devoly. (Genesisy 3:1-19; Romana 5:12). I Satana tokoa mantsy dia nametraka an’izao tontolo izao manontolo ho eo amin’ny lalan’ny fahotana mitarika ho amin’ny fandringanana! Fa ireo izay miorina tsara ao amin’ny fahafahana avy amin’Andriamanitra kosa dia mandeha eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. — Matio 7:13, 14; 1 Jaona 5:19.
Fahafahana amin’ny fanandevozana
3. Fanantenana inona no natolotr’Andriamanitra tany Edena?
3 Ny fikasan’i Jehovah dia ny hanafahana ireo olombelona manome voninahitra ny anarany amin’ny fanandevozan’i Satana, ny fahotana ary ny fahafatesana. Natolotra izany fanantenana izany rehefa nilaza toy izao tamin’ilay menarana nampiasain’i Satana tany Edena i Jehovah: “Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany; izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” (Genesisy 3:14, 15). I Jesosy Kristy, ilay Taranaky ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra, dia niharan’ny fanorotoroana ny ombelahin-tongony fony izy maty teo amin’ny hazo, kanefa tamin’izany Andriamanitra dia nanome ny sorom-panavotana mba hanafahana ny taranak’olombelona mino amin’ny fahotana sy ny fahafatesana. (Matio 20:28; Jaona 3:16). Amin’ny farany, dia hanorotoro ny lohan’i Satana, ilay menarana ela, i Jesosy. — Apokalypsy 12:9.
4. Fahafahana inona no azon’i Abrahama ary inona no nampanantenain’i Jehovah azy?
4 Roa arivo taona teo ho eo taorian’ny nanomezana io fampanantenana io tany Edena, dia nankatò an’Andriamanitra i Abrahama, “sakaizan’i Jehovah”, ka nandao ny tanànan’i Ora mba ho any an-toeran-kafa. (Jakoba 2:23, MN; Hebreo 11:8). Tamin’izany izy dia nahazo ny fahafahana avy amin’Andriamanitra ary tsy niaina intsony toy ny andevon’ny fivavahan-diso, ny politika feno fandraisana kolikoly ary ny varotra feno faniriana mihoa-pampana eo amin’ny tontolon’i Satana. Io faminaniana tany Edena io dia nampian’Andriamanitra ireo fampanantenana fa hotahina amin’ny alalan’i Abrahama sy ny Taranany ny fianakaviana sy firenena rehetra. (Genesisy 12:3, MN; 22:17, 18). Tsy niharam-panamelohana i Abrahama satria ‘nino an’i Jehovah izay nanisa izany ho fahamarinany’. (Genesisy 15:6). Amin’izao andro izao, ny fifandraisana akaiky amin’i Jehovah toy izany dia mitondra fanafahana avy amin’Andriamanitra amin’ny fanamelohana sy ny fanandevozan’izao tontolo izao eo ambany fahefan’i Satana.
Zava-niseho misy fanoharana mahaliana aoka izany
5. Nifamatotra tamin’ny toe-javatra inona avy ny nahaterahan’i Isaka?
5 Mba hahafahan’i Abrahama hanana taranaka, dia nanolotra azy an’i Hagara, mpanompony vavy, mba hanome zanaka azy, i Saraha vadiny momba. Tamin’ny alalan’io, dia niteraka an’i Isimaela i Abrahama, nefa tsy nifidy azy ho ilay Taranaka nampanantenaina Andriamanitra. Rehefa 100 taona kosa i Abrahama ary 90 taona i Saraha, dia namela azy ireo hanan-janaka lahy nantsoina hoe Isaka, i Jehovah. Rehefa nihomehy an’i Isaka i Isimaela, dia nasaina nandeha i Hagara sy ny zanany lahy, ka namela ny zanakalahin’i Abrahama tamin’i Saraha, ilay vehivavy afaka, ho ilay tsy azo iadian-kevitra ny maha-taranak’i Abrahama azy. Toa an’i Abrahama, dia naneho finoana koa i Isaka ka nahazo ny fahafahana avy amin’Andriamanitra. — Genesisy 16:1-16; 21:1-21; 25:5-11.
6, 7. Niaiky mafy ny amin’inona moa ny Kristiana galatiana sasany, kanefa inona no nohazavain’i Paoly?
6 Nampiseho mialoha zavatra tena lehibe an’ireo tia ny fahafahana avy amin’Andriamanitra ireny zava-nitranga ireny. Izany dia nomarihina tao amin’ny taratasy nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny kongregasionan’i Galatia tany amin’ny taona 50 ka hatramin’ny 52 am.fan.ir. Tamin’izay, dia efa nanapa-kevitra ny kolejy foibe fa tsy takina amin’ny kristiana ny famorana. Kanefa nisy mpampianatra sandoka nampiaiky ny sasany tamin’ireo Galatiana fa tapany lehibe dia lehibe mahaforona ny kristianisma izy io.
7 Hoy i Paoly tamin’ireo Galatiana: Hamarinina amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy ny olona iray, fa tsy amin’ny asan’ny Lalàn’i Mosesy akory. (1:1–3:14). Tsy nanafoana ilay fampanantenana nifamatotra tamin’ny faneken’i Abrahama ny Lalàna, fa nampiharihary ny fahotana ary niasa toy ny mpitaiza nitarika ho amin’i Kristy. (3:15-25, MN). Tamin’ny alalan’ny fahafatesany, dia nanafaka ireo teo ambanin’ny Lalàna i Jesosy ka namela azy ireo ho tonga zanak’Andriamanitra. Noho izany, ny fiverenana hanaraka fandaharana fitandremana andro, volana sy vanin-taona ary taona dia ho fiverenana any amin’ny fanandevozana. (4:1-20, MN). Avy eo i Paoly dia nanoratra hoe:
8, 9. a) Hazavao fohy amin’ny fomba fiteninao manokana izay nolazain’i Paoly ao amin’ny Galatiana 4:21-26. b) Ao amin’io zava-niseho misy fanoharana io, iza na inona moa no nasehon’i Abrahama sy i Saraha, ary iza ilay Taranaka nampanantenaina?
8 “Milazà amiko, hianareo izay te-ho ambanin’ny lalàna: tsy renareo va ny lalàna? fa voasoratra hoe: Abrahama nanana zanaka roa lahy, ny anankiray [Isimaela] tamin’ny andevovavy [Hagara], ary ny anankiray [Isaka] tamin’ny tsy andevo [Saraha]. Kanefa ilay tamin’ny andevovavy dia nateraka araka ny nofo; fa ilay tamin’ny tsy andevo kosa dia nateraka tamin’ny teny fikasana. Ary izany dia azo atao fanoharana; fa izy roa vavy ireo dia fanekena roa; ny anankiray [ny faneken’ny Lalàna] avy tamin’ny tendrombohitra Sinay [nanokanan’Andriamanitra izany fanekena izany niaraka tamin’ireo Isiraelita] ka miteraka ho amin’ny fahandevozana, dia Hagara izany. [Ny fanekena faharoa dia ilay natao tamin’i Abrahama momba ny Taranany.] Ary ny hoe Hagara dia ny tendrombohitra Sinay any Arabia ka mifamaly amin’i Jerosalema ankehitriny; fa andevo izy mbamin’ny zanany [ireo taranak’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba]. Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo.” — Galatiana 4:21-26.
9 Tao amin’io zava-niseho misy fanoharana io, i Abrahama dia nampiseho an’i Jehovah. I Saraha, ilay “tsy andevo”, dia nampiseho ny ‘vadin’Andriamanitra’, na fandaminany masina eo amin’izao rehetra izao. Niteraka an’i Kristy, ilay Taranak’io vehivavy ara-panoharana io sy ilay Abrahama lehibe, izy io. (Galatiana 3:16). Mba hampisehoana amin’ny olona ny lalan’ny fahafahana amin’ny fanompoam-pivavahana maloto, amin’ny fahotana ary amin’i Satana, dia nampianatra ny fahamarinana i Jesosy ary nanala sarona ny fivavahan-diso, kanefa i Jerosalema sy ny zanany dia nitoetra tao anatin’ny fanandevozana ara-pivavahana satria nanda azy. (Matio 23:37, 38). Ireo mpanara-dia jiosy an’i Jesosy dia nanjary afaka tamin’ny Lalàna, izay nampiharihary ny fanandevozany tamin’ny tsy fahatanterahana, tamin’ny fahotana ary tamin’ny fahafatesana. Tena afaka tokoa ireo olombelona rehetra manaiky an’i Jesosy ho Ilay nateraky ny ‘vadin’Andriamanitra’ mba ho ilay Mpanjaka mesianika sy ilay Mpanafaka “hitory fanafahana amin’ny babo”! — Isaia 61:1, 2; Lioka 4:18, 19.
Aza miditra ao amin’ny zioga manandevo
10, 11. Avy amin’ny zioga fanandevozana inona no nanafahan’i Kristy ireo mpanara-dia azy, ary zavatra mifanitsy amin’izany inona no hita amin’izao andro izao?
10 Amin’ireo izay miara-mahaforona ny taranak’i Abrahama amin’i Kristy, ilay Isaka Lehibe, dia hoy i Paoly: “Jerosalema any ambony (...), izay renintsika, dia tsy mba andevo. (...) Isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an’Isaka. Kanefa tahaka ny tamin’izany andro izany, ilay teraka araka ny nofo [Isimaela] dia nanenjika ilay araka ny Fanahy [Isaka], dia tahaka izany koa ankehitriny (...), tsy zanak’andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo. Ho amin’ny fahafahana [avy amin’ny Lalàna] no nanafahan’i Kristy antsika; ka tomoera tsara [miorena mafy, MN], fa aza mety hohazonin’ny zioga fanandevozana intsony.” — Galatiana 4:26–5:1.
11 Na iza na iza amin’ny mpanara-dia an’i Jesosy nanaiky ho eo ambanin’ny Lalàna dia ho voahidy ao amin’ny zioga fanandevozana. Ny fivavahan-diso dia zioga manandevo amin’izao andro izao ary ny fivavahana lazaina fa kristiana dia mifanitsy amin’i Jerosalema fahizay sy ny zanany. Fa ireo voahosotra kosa dia zanak’i Jerosalema any ambony, ilay fandaminan’Andriamanitra afaka any an-danitra. Tsy anisan’ity tontolo ity izy ireo sy ireo mpiray finoana aminy manantena ny hiaina eto an-tany ary tsy eo ambanin’ny fanandevozan’i Satana. (Jaona 14:30; 15:19; 17:14, 16). Noho isika nafahan’ny fahamarinana sy ny soron’i Jesosy, dia aoka isika hiorina mafy ao amin’ny fahafahana avy amin’Andriamanitra.
Aoka isika hiandany amin’ny fahafahana avy amin’Andriamanitra
12. Lalana inona no arahin’ireo mino, ary inona izao no hodinihina?
12 An-tapitrisany maro ankehitriny no manana ny tena fahafahana amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah azy. Misy an-tapitrisany maro hafa itarihana fampianarana Baiboly, ka maro amin’izy ireo no “manana ny fironan’ny saina tsara ho amin’ny fiainana mandrakizay”. Rehefa tonga mpino izy ireo, dia hiandany amin’ny fahafahana avy amin’Andriamanitra, amin’ny fanekena hatao batisa. (Asan’ny apostoly 13:48, MN; 18:8). Dingana inona avy anefa no mialoha ny batisa kristiana?
13. Inona no fifandraisana misy eo amin’ny fahalalana sy ny batisa?
13 Alohan’ny hanekena hatao batisa, dia tsy maintsy mandray fahalalana marina ny Soratra masina ka manao zavatra mifanaraka amin’izany ny olona iray. (Efesiana 4:13). Mifanaraka amin’izany, dia nilaza tamin’ny mpanara-dia azy toy izao i Jesosy: “Mandehana (...) dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” — Matio 28:19, 20.
14. Ny fanekena hatao batisa amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina dia mitaky fahalalana inona?
14 Ny fanekena hatao batisa amin’ny anaran’ny Ray dia midika hoe fanekena ny toerana tanan’i Jehovah sy ny fahefany amin’ny maha-Andriamanitra, Mpamorona ary Tompom-piandrianana manerana izao rehetra izao, azy. (Genesisy 17:1; 2 Mpanjaka 19:15; Apokalypsy 4:11). Ny batisa amin’ny anaran’ny Zanaka dia mitaky ny hanekena ny toerana tanan’i Kristy sy ny fahefany amin’ny maha-zavaboary ara-panahy nasandratra, ilay Mpanjaka mesianika ary ilay tamin’ny alalany no nanomezan’Andriamanitra “avotra mifanentana”, azy. (1 Timoty 2:5, 6, MN; Daniela 7:13, 14; Filipiana 2:9-11). Ny olona iray vita batisa amin’ny anaran’ny fanahy masina dia mahatakatra fa izy io dia ny hery miasan’Andriamanitra nampiasain’i Jehovah tamin’ny famoronana sy tamin’ny fanomezana tsindrimandry ireo mpanoratra ny Baiboly, ary tamin’ny fomba maro hafa koa. (Genesisy 1:2; 2 Petera 1:21). Mazava ho azy fa misy zavatra betsaka lavitra noho izany tokony hianarana momba an’Andriamanitra sy i Kristy ary ny fanahy masina.
15. Nahoana ny olona iray no tsy maintsy maneho finoana alohan’ny hanaovana batisa azy?
15 Alohan’ny batisa, dia tsy maintsy maneho finoana miorina amin’ny fahalalana marina ny olona iray. “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy [Jehovah].” (Hebreo 11:6). Ny olona iray maneho finoana an’Andriamanitra sy i Kristy ary ny fikasan’Andriamanitra dia haniry ho Vavolombelon’i Jehovah, ka hiaina mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra ary handray anjara misy heviny amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. Hiresaka momba ny voninahitry ny fanjakan’i Jehovah izy. — Salamo 145:10-13; Matio 24:14.
16. Inona no atao hoe fibebahana, ary amin’ny ahoana no ifandraisan’izany amin’ny batisa kristiana?
16 Ny fibebahana dia fepetra takina hafa iray ho amin’ny batisa. Ny hoe mibebaka dia midika hoe “manova ny toe-tsain’ny tena raha ny amin’ny asa, na fitondrantena, tamin’ny lasa (na kasaina hatao), noho ny fanenenana na ny tsy fahafaham-po”, na koa hoe “mahatsapa fanenenana, na alahelo na fanindronan’ny feon’ny fieritreretana noho izay nataon’ny tena na izay hadinon’ny tena ny nanao azy.” Ireo Jiosy tamin’ny taonjato voalohany dia nila ny nibebaka noho ny fahotana nataony tamin’i Jesosy Kristy. (Asan’ny apostoly 3:11-26). Nisy mpino sasany tany Korinto nibebaka noho ny fijangajangana, ny fanompoan-tsampy, ny fanitsakitsaham-bady, ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy, ny fangalarana, ny faniriana mihoa-pampana, ny fimamoana, ny fanasiana ratsy olona ary ny fanaovana an-keriny. Ho vokatr’izany, dia “nosasana” tamin’ny ran’i Jesosy izy ireo, “nohamasinina” tamin’ny naha-voatokana ho amin’ny fanompoana an’i Jehovah ary “nohamarinina” tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy sy ny fanahy masin’Andriamanitra. (1 Korintiana 6:9-11, MN). Ny fibebahana àry dia dingana iray ho amin’ny feon’ny fieritreretana tsara sy ho amin’ny fahafahana amin’ny fahatsapana ho meloka mamely ny tena noho ny fahotana, fahafahana izay avy amin’Andriamanitra. — 1 Petera 3:21.
17. Midika ho inona ny fiovana, ary mitaky inona amin’ny olona iray mikasa ny hatao batisa izany?
17 Tsy maintsy misy fiovana koa alohan’ny hanaovana batisa olona iray ho Vavolombelon’i Jehovah. Ny fiovan’ny olona iray mibebaka dia miseho aorian’ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny ka nanapahany hevitra hanao izay tsara. Ny matoanteny hebreo sy grika mifandray amin’ny fiovana dia midika hoe “miverina ilalana, miverina, na mihodina”. Rehefa ampiasaina amin’ny heviny ara-panahy tsara izy io dia miresaka ny amin’ny fiverenana amin’Andriamanitra rehefa avy niala tamin’ny lalan-dratsy. (1 Mpanjaka 8:33,34). Ny fiovana dia mitaky ‘asa mendrika ny fibebahana’, mitaky ny hanaovantsika izay andidian’i Jehovah, ny handaozantsika ny fivavahan-diso ary ny hampitodihantsika ny fontsika ho amin’i Jehovah ka tsy hivilivily, mba tsy hanompoana afa-tsy izy ihany. (Asan’ny apostoly 26:20; Deoteronomia 30:2, 8, 10; 1 Samoela 7:3, MN). Izany dia mitaky “fo vaovao sy fanahy (esprit) vaovao”, fomba fisaina, fironan’ny saina ary zava-kendrena eo amin’ny fiainana novana. (Ezekiela 18:31). Ny toetra vaovao vokatr’izany dia manolo ireo lafin-toetra tsy araka an’Andriamanitra amin’ny toetra tsara araka an’Andriamanitra. (Kolosiana 3:5-14). Eny, tena mahatonga ny olona iray ‘hiverina’ ny tena fibebahana. — Asan’ny apostoly 3:19.
18. Nahoana no tokony hatao ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka, ary inona no hevitr’io dingana io?
18 Tsy maintsy mialoha ny batisa ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka. (Ampitahao amin’ny Lioka 3:21, 22.) Ny fanoloran-tena dia midika hoe fanokanana ho amin’ny fikasana masina iray. Zava-dehibe aoka izany io dingana io ka tokony haneho amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka ny fanapahan-kevitsika hanolotra fifikirana aminy irery ihany sy hanompo azy mandrakizay, isika. (Deoteronomia 5:8, 9, MN; 1 Tantara 29:10-13). Mazava ho azy fa tsy natao ho an’ny asa iray ny fanoloran-tenantsika fa ho an’Andriamanitra mihitsy. Izany hevitra izany dia natao mazava tsara tamin’ny fandevenana an’i Charles Taze Russell, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower voalohany. Tamin’io fisehoan-javatra tamin’ny taona 1916 io dia nilaza toy izao i W. E. Van Amburgh, mpitantsoratra sady mpitahiry volan’ny Fikambanana: “Tsy asan’olon-tokana io asa maneran-tany lehibe io. Lehibe loatra izy io raha izany. Asan’Andriamanitra io ary tsy miova. Nampiasa mpanompo maro Andriamanitra tamin’ny lasa ary tsy isalasalana fa mbola hampiasa olona maro Izy amin’ny hoavy. Tsy ho an’olona iray, na ho asan’olona iray, ny fanoloran-tenantsika fa mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra, araka ny ampiharihariany izany amintsika amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fitarihana araka an’Andriamanitra. Mbola Andriamanitra no lohany mitarika.” Zavatra hafa inona koa anefa no tsy maintsy atao raha ny amin’ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra?
19. a) Amin’ny fomba ahoana no anomezan’ny isam-batan’olona porofo ampahibemaso ny amin’ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah? b) Mariky ny inona ny batisa amin’ny rano?
19 Manome porofon’ny nanolorany tena ho an’i Jehovah ny olona iray rehefa atao batisa. Ny batisa dia marika mampiseho fa nanolo-tena tsy misy fepetra ho an’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy ilay olona nandalo ny fandrobohana tao anaty rano. (Ampitahao amin’ny Matio 16:24.) Rehefa alevina ao anaty rano ny olona mirotsaka hatao batisa iray ary avy eo dia avoaka avy ao, ny hevitr’izany dia hoe maty ara-panoharana izy raha ny amin’ny fomba fiainany teo aloha ary atsangana ho amin’ny fomba fiaina vaovao, mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra tsy misy fepetra manomboka izao. (Ampitahao amin’ny Romana 6:4-6.) Rehefa natao batisa i Jesosy, dia niseho tamin’ny Rainy any an-danitra tamin’ny fomba tsy nisy fepetra. (Matio 3:13-17). Ary ny Soratra masina dia mamerimberina mampiseho fa ireo mino mahafeno fepetra dia atao batisa. (Asan’ny apostoly 8:13; 16:27-34; 18:8). Mba hahatongavana ho Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao àry, dia tsy maintsy ho mpino tena maneho finoana marina ary atao batisa ny olona iray. — Ampitahao amin’ny Asan’ny apostoly 8:26-39.
Miorena mafy!
20. Ohatra ao amin’ny Baiboly sasantsasany inona avy no manaporofo fa hotahina isika rehefa miandany amin’ny fahafahana avy amin’Andriamanitra amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah vita batisa?
20 Raha efa niandany mafy tamin’ny fahafahana avy amin’Andriamanitra ianao tamin’ny fahatongavana ho Vavolombelon’i Jehovah vita batisa, dia hitahy anao izy toy ny nitahiany ireo mpanompony tamin’ny lasa. Nitahy an’i Abrahama sy Saraha efa be taona i Jehovah, ohatra, tamin’ny fanomezana azy ireo zanaka natahotra an’Andriamanitra, izany hoe i Isaka. Tamim-pinoana, i Mosesy mpaminany dia nifidy ny hiara-mitondra fahoriana tamin’ny vahoakan’Andriamanitra “toy izay hanana fifaliana vetivety amin’ny fahotana, nanao ny fanaratsiana [ny amin’ny maha-sary tandindona fahizay] an’i Kristy [na Ilay Voahosotr’Andriamanitra] ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan’i Egypta”. (Hebreo 11:24-26). Nahazo tombontsoa nampiasain’i Jehovah mba hitarika ny Isiraelita hiala tamin’ny fahababoana egyptiana i Mosesy. Ambonin’izany, noho izy nanompo an’Andriamanitra tamim-pahatokiana, dia hatsangana amin’ny maty izy ary hanompo amin’ny maha-“mpanapaka eny amin’ny tany rehetra” eo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy, ilay Mosesy Lehibe. — Salamo 45:16; Deoteronomia 18:17-19.
21. Ohatra mampahery inona avy no omena raha ny amin’ny vehivavy araka an’Andriamanitra tamin’ny andro fahizay?
21 Hahazo fampaherezana koa ireo kristiana nanolo-tena amin’izao andro izao amin’ny fandinihana ireo vehivavy izay nanjary tena afaka sy faly tokoa. Anisan’izy ireo i Rota moabita, izay nahatsapa ny fijalian’ny mpitondratena ary koa ny fifaliana entin’ny fahafahana amin’ny fivavahan-diso avy amin’Andriamanitra. Nandao ny olony sy ireo andriamaniny izy ka nifikitra tamin’i Naomy, rafozam-baviny maty vady. “Izay alehanao”, hoy i Rota, “no halehako ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro.” (Rota 1:16). Nanjary vadin’i Boaza i Rota ary tonga renin’i Obeda, raiben’i Davida. (Rota 4:13-17). Tena nomen’i Jehovah “valim-pitia lehibe” tokoa io vehivavy tsy isiraelita nanetry tena io, tamin’ny famelana azy ho tonga razamben’i Jesosy ilay Mesia! (Rota 2:12). Ho toy inona moa ny fifalian’i Rota rehefa hatsangana amin’ny maty izy ka hahalala fa nahazo izany tombontsoa izany! Tsy isalasalana fa ho feno fifaliana mitovy amin’izany ny fon’i Rahaba, ilay vehivavy janga fahiny ho tafatsangana amin’ny maty, izay nafahana tamin’ny fahalotoam-pitondrantena sy ny fanompoam-pivavahan-diso, ary koa ny an’i Batseba nania saingy nibebaka, satria ho fantatr’izy ireo koa fa navelan’i Jehovah ho tonga razamben’i Jesosy Kristy ny tenan’izy ireo. — Matio 1:1-6, 16.
22. Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
22 Afaka ny hitohy hatrany hatrany ny fandinihana ireo izay nahazo ny fahafahana avy amin’Andriamanitra. Anisan’izy ireo, ohatra, ireo lehilahy sy vehivavy naneho finoana voatonona ao amin’ny Hebreo toko faha-11. Nijaly noho ny fampahoriana sy ny fitondrana ratsy izy ireo, “nefa izao tontolo izao tsy miendrika ho nitoerany akory”. Anampio ny isan’izy ireo ny an’ireo mpanara-dia an’i Kristy nahatoky tamin’ny taonjato voalohany sy ireo olo-nahatoky hafa hatramin’izay, anisan’izany ireo an-tapitrisany maro ankehitriny manompo an’i Jehovah amin’ny maha-Vavolombelony. Araka ny ho hitantsika manaraka, raha niandany tamin’ny fahafahana nomen’Andriamanitra niaraka tamin’izy ireo ianao dia manana antom-pifaliana maro.
Ahoana no Havalinao?
◻ Fanantenana inona no natolotr’Andriamanitra fony very ny fahafahana avy amin’Andriamanitra?
◻ Avy amin’ny “zioga fanandevozana” inona no nanafahan’i Kristy ireo mpanara-dia azy?
◻ Dingana inona avy no mialoha ny fanekena hatao batisa amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah?
◻ Ohatra araka ny Soratra masina inona avy no manaporofo fa hotahina isika rehefa miandany amin’ny fahafahana avy amin’Andriamanitra?
[Sary, pejy 23]
Fantatrao ve hoe inona avy ireo dingana mialoha ny fanekena hatao batisa amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah?