Fandaharana Vaovaon’ny Fivoriamben’ny Faritra
Tian’ity tontolo ity ny hinoantsika fa haharitra mandrakizay ny rafitra misy ankehitriny. Mifanipaka amin’izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra anefa izany. (1 Jaona 2:15-17) Manampy antsika àry ny Baiboly hahatakatra fa zava-poana ny ‘manangona harena etỳ an-tany.’ ‘Manangòna Harena any An-danitra.’ (Matio 6:19, 20) Io no foto-kevitry ny fivoriamben’ny faritra amin’ny taom-panompoana 2007, izay nokendrena mba hanatanjaka ny vahoakan’Andriamanitra.
Ny fitiavan-karena no anisan’ireo zavatra resahin’ny Efesianina 2:2 ho toy “ny fahefan’ny rivotra, dia ny toe-tsaina izay miasa ankehitriny ao amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana.” Hita hatraiza hatraiza ny rivotra fohintsika. Toy izany koa fa miely maneran-tany “ny fanahin’izao tontolo izao”, na ny toe-tsainy. (1 Kor. 2:12) Tena mahery izy io ka lazaina fa manana ‘fahefana.’ Mila manalavitra an’io toe-tsaina io isika, dia ny fitiavan-karena. Mila tadidintsika foana koa izay zava-dehibe indrindra. (Matio 6:33) Hanampy antsika hanao izany ny fandaharana vaovaon’ny fivoriamben’ny faritra. Hanampy antsika hiantehitra amin’i Jehovah koa izy io, mba hahatanteraka ny fanompoantsika, na eo aza ny fanerena sy fitsapana atrehintsika.
Ataovy azo antoka fa hanatrika mandritra ny roa andro ianao, ary ‘hitandrina mafimafy kokoa noho ny hatramin’izay.’ (Heb. 2:1) Raiso an-tsoratra ireo hevi-dehibe azonao ampiharina eo amin’ny fiainana sy ny fanompoana. Hatanjaka sy hahery ianao raha manatrika an’io fandaharana ara-panahy tena tsara io, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Hahatonga anao ‘hanangona harena any an-danitra’ hatrany izany.