Aoka Ianao ho Be Fangoraham-po Miharo Fitiavana
“Mitafia ny firaiketam-po miharo fitiavan’ny fangoraham-po, ny hatsaram-panahy”. — KOLOSIANA 3:12, NW.
1. Nahoana no ilaina aoka izany ny fangoraham-po amin’izao andro izao?
MBOLA tsy nisy fotoana teo amin’ny tantara hatramin’izao nilan’ny olona maro be aoka izany fanampiana amim-pangoraham-po. Miatrika aretina, hanoanana, tsy fananana asa, heloka bevava, ady, fanjakan’i Baroa ary loza araka ny natiora, ny olona an-tapitrisany maro ka mila fanampiana. Misy zava-manahirana lehibe kokoa noho izany aza anefa, ary izany dia ny toe-javatra ara-panahy faran’izay mampahory misy ny taranak’olombelona. I Satana, izay mahafantatra fa kely sisa ny androny, dia “mamitaka izao tontolo izao”. (Apokalypsy 12:9, 12). Noho izany, dia ireo izay any ivelan’ny tena kongregasiona kristiana indrindra no tandindomin’ny famoizana ny ainy. Ary ny Baiboly dia milaza fa tsy misy fanantenana ho an’ireo izay ho voavono mandritra ny andro fitsaran’Andriamanitra ho avy. — Matio 25:31-33, 41, 46; 2 Tesaloniana 1:6-9.
2. Nahoana i Jehovah no nitan-tena tsy handringana ireo ratsy fanahy?
2 Kanefa, mandra-pahatongan’io tapany farany amin’ny andro farany io, dia manohy mampiseho faharetana sy fangoraham-po amin’ireo tsy mahay mankasitraka sy ireo ratsy fanahy i Jehovah Andriamanitra. (Matio 5:45; Lioka 6:35, 36). Nanao izany izy noho ny antony mitovy amin’ny nampihemorany ny famaizana ny firenen’ny Isiraely tsy nahatoky. “Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny làlany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin’ny làlan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty hianareo, ry taranak’Isiraely?” — Ezekiela 33:11.
3. Ohatra inona no ananantsika ny amin’ny fangoraham-pon’i Jehovah amin’ireo izay tsy anisan’ny vahoakany, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?
3 Nampiharina tamin’ireo Ninivita ratsy fanahy koa ny fangoraham-pon’i Jehovah. Naniraka an’i Jona mpaminaniny mba hampitandrina azy ireo ny amin’ny fandringanana nananontanona i Jehovah. Tsara ny fihetsik’izy ireo teo anoloan’ny fitorian’i Jona ary dia nibebaka izy ireo. Izany dia nanosika an’ilay Andriamanitra be fangoraham-po, dia i Jehovah, hitan-tena tsy handringana ilay tanàna tamin’io fotoana io. (Jona 3:10; 4:11). Raha nalahelo an’ireo Ninivita, izay ho nanana fahafahana hitsangana amin’ny maty, Andriamanitra, dia ho be lavitra toy inona moa ny fangoraham-po tsy maintsy ho tsapany amin’ny olona amin’izao andro izao izay miatrika fandringanana mandrakizay! — Lioka 11:32.
Asam-pangoraham-po mbola tsy nisy toa azy
4. Ahoana no anehoan’i Jehovah fangoraham-po amin’ny olona amin’izao andro izao?
4 Mifanaraka amin’io toetrany feno fangoraham-po io, dia nasain’i Jehovah tsy hitsahatra ny hitsidika ny mpiara-monina aminy ny Vavolombelony mitondra ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana”. (Matio 24:14, NW ). Ary rehefa manana fihetsika feno fankasitrahana eo anatrehan’io asa famonjena aina io ny olona, dia manokatra ny fon’izy ireo mba hahatakatra ny hafatra momba ilay Fanjakana, i Jehovah. (Matio 11:25; Asan’ny Apostoly 16:14). Ho fanahafana ilay Andriamaniny, ny tena Kristiana dia mampiseho fangoraham-po miharo fitiavana amin’ny fiverenana mitsidika ireo olona liana, amin’ny fanampiana azy ireo, any amin’izay hetezan’izany, amin’ny alalan’ny fampianarana Baiboly. Araka izany, tamin’ny 1993, dia Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny efatra tapitrisa sy sasany, tany amin’ny tany 231, no nandany ora maherin’ny arivo tapitrisa nitoriana isan-trano sy nampianarana ny Baiboly tamin’ireo mpiara-monina taminy. Ireo olona vao liana ireo indray kosa, dia manana fahafahana hanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah sy hiditra ao amin’ny laharan’ny Vavolombelony vita batisa. Araka izany, dia manaiky hanao io asam-pangoraham-po mbola tsy nisy toa azy io koa izy ireo, ho an’ireo izay mety ho tonga mpianatra ka mbola voafandrika ao amin’ny tontolon’i Satana miala aina. — Matio 28:19, 20; Jaona 14:12.
5. Rehefa ho nahatratra ny fetrany farany ny fangoraham-pon’Andriamanitra, inona moa no hitranga amin’ny fivavahana izay mampiseho an’Andriamanitra amin’ny fomba diso?
5 Tsy ho ela i Jehovah dia hanao zavatra amin’ny maha-“mpiady mahery” azy. (Eksodosy 15:3). Noho ny fangoraham-pony ho an’ny anarany sy ho an’ny vahoakany, dia hanaisotra ny faharatsiana izy ary hanorina tontolo vaovao marina. (2 Petera 3:13). Ny voalohany hiharan’ny andron’ny fahatezeran’Andriamanitra dia ireo fiangonan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Toy ny tsy nitsimbinan’Andriamanitra ny tempoliny manokana tany Jerosalema avy teo an-tanan’ny mpanjakan’i Babylona, no tsy hitsimbinany ireo fandaminana ara-pivavahana izay nampiseho azy tamin’ny fomba diso. Hanome fo an’ireo mpikambana ao amin’ny Firenena Mikambana Andriamanitra mba hanafoana ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana sy ny endriky ny fivavahan-diso hafa rehetra. (Apokalypsy 17:16, 17). “Ary Izaho kosa”, hoy ny ambaran’i Jehovah, “dia tsy hiantra ny masoko, sady tsy [hampiseho fangoraham-po, NW ] Aho, fa hatsingeriko ho eo an-dohany ny nataony.” — Ezekiela 9:5, 10.
6. Amin’ny fomba ahoana avy ny Vavolombelon’i Jehovah no voatosika hampiseho fangoraham-po?
6 Raha mbola misy koa ny fotoana, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manohy mampiseho fangoraham-po amin’ny mpiara-monina aminy amin’ny fitoriana amin-jotom-po ny hafatr’Andriamanitra momba ny famonjena. Ary mazava ho azy fa any amin’izay hetezan’izany, dia manampy ireo olona izay mila fanampiana ara-nofo koa izy ireo. Amin’io lafiny io anefa, ny andraikiny voalohany dia ny fikarakarana izay ilain’ireo havany akaiky sy ireo mpianakavin’ny finoana. (Galatiana 6:10; 1 Timoty 5:4, 8). Ireo asa fanampiana ara-nofo maro nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ho an’ireo mpiray finoana aminy izay niharan’ny loza samihafa dia ohatra miavaka ny amin’ny fangoraham-po. Na dia izany aza, dia tsy voatery miandry ny hisian’ny loza lehibe ny Kristiana vao hampiseho fangoraham-po miharo fitiavana. Maneho io toetra tsara io haingana izy ireo eo anatrehan’ireo fivadibadihan’ny toe-javatra eo amin’ny fiainana andavanandro.
Anisan’ny toetra vaovao
7. a) Ao amin’ny Kolosiana 3:8-13, ahoana moa no ifamatoran’ny fangoraham-po amin’ny toetra vaovao? b) Mahatonga ny fanaovan’ny Kristiana inona ho mora kokoa moa ny firaiketam-po miharo fitiavana?
7 Marina fa ny maha-mpanota antsika sy ny fitaoman-dratsin’ny tontolon’i Satana dia vato misakana ho an’ny fananantsika fangoraham-po miharo fitiavana. Izany no antony ampirisihan’ny Baiboly mafy antsika mba hanaisotra ny ‘fahatezerana, ny fiafonafonana, ny lolompo, ny fitenenan-dratsy, ny teny mahamenatra avy amin’ny vavantsika’. Toroana hevitra kosa isika mba ‘hitafy ny toetra vaovao’ — toetra izay mifanaraka amin’ny endrik’Andriamanitra. Voalohany aloha, dia didiana isika mba hitafy “ny firaiketam-po miharo fitiavan’ny fangoraham-po, ny hatsaram-panahy, ny saina tsy manambony tena, ny fahalemem-panahy ary ny fahari-po” (NW ). Avy eo dia asehon’ny Baiboly amintsika ny fomba azo ampiharina iray hanehoana ireo toetra tsara ireo. “Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.” Mora lavitra ny mamela heloka raha efa namboly ‘fangoraham-po miharo fitiavana’ amin’ireo rahalahintsika isika. — Kolosiana 3:8-13.
8. Nahoana no zava-dehibe ny fananana toe-tsaina vonona hamela heloka?
8 Etsy an-danin’izany kosa, ny tsy fanehoantsika famelan-keloka amim-pangoraham-po dia mahatandindomin-doza ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Nasehon’i Jesosy tamin-kery izany tao amin’ny fanoharany ny amin’ilay mpanompo tsy namela heloka ka nampidirin’ny tompony an-tranomaizina “mandra-pandoany ny trosa rehetra”. Mendrika ny hoentina tamin’izany fomba izany io mpanompo io satria nanafintohina ny tsy nampisehoany fangoraham-po tamin’ny mpanompo namany iray izay nitalaho famindram-po taminy. Namarana ilay fanoharana i Jesosy tamin’ny filazana hoe: “Ary tahaka izany koa no hataon’ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy hianareo.” — Matio 18:34, 35.
9. Ahoana no ifandraisan’ny fangoraham-po miharo fitiavana amin’ilay lafiny lehibe indrindra amin’ny toetra vaovao?
9 Ny hoe be fangoraham-po miharo fitiavana dia lafiny lehibe iray amin’ny fitiavana. Ary ny fitiavana no marika amantarana ny tena Kristianisma. (Jaona 13:35). Noho izany, ny filazalazan’ny Baiboly ny amin’ny toetra vaovao dia mifarana amin’ny hoe: “Aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa [fatorana mampiray tanteraka, NW ] izany.” — Kolosiana 3:14.
Fitsiriritana — Vato misakana ho an’ny fangoraham-po
10. a) Inona no mety hahatonga ny fialonana hamaka ao am-pontsika? b) Vokatra ratsy inona avy no mety ho avy amin’ny fialonana?
10 Noho ny maha-olombelona mpanota antsika, dia afaka ny hamaka mora foana ao am-pontsika ny fahatsapana fitsiriritana. Mety ho notahina tamin’ny alalan’ny fahaizana voajanahary na noho ny tombontsoa ara-nofo tsy ananantsika ny rahalahy na ny anabavy iray. Na nahazo fitahiana na tombontsoa ara-panahy manokana angamba ny olona iray. Raha manjary mitsiriritra azy ireny isika, moa ve isika ho afaka hitondra azy ireny amim-pangoraham-po miharo fitiavana? Azo inoana fa tsia. Ny fihetseham-po feno fialonana kosa aza amin’ny farany dia mety hiseho amin’ny alalan’ny resaka manakiana na amin’ny fanaovan-javatra tsy amin-katsaram-panahy, satria hoy i Jesosy momba ny olombelona: “Amin’ny haben’ny ao am-pony no itenenan’ny vavany.” (Lioka 6:45). Mety hiandany amin’ny fanakianana toy izany ny hafa. Amin’izay dia mety ho rava ny fiadanan’ny fianakaviana iray na ny kongregasiona iray ao amin’ny vahoakan’Andriamanitra.
11. Tamin’ny ahoana ireo rahalahin’i Josefa folo no tsy namela toerana ho an’ny fangoraham-po tao am-pony, ary inona no vokatr’izany?
11 Diniho izay nitranga tao amin’ny fianakaviana lehibe iray. Nanjary nialona an’i Josefa, zandriny lahy, ireo zanakalahin’i Jakoba folo zokiny, satria tian-drain’izy ireo indrindra izy io. Ho vokatr’izany, dia “tsy nahazaka hanao teny tsara taminy” izy ireo. Tatỳ aoriana, dia notahina tamin’ny alalan’ny nofy avy tamin’Andriamanitra i Josefa, mba hanaporofoana fa nahazo sitraka tamin’i Jehovah izy. ‘Vao mainka nankahalan’ireo rahalahiny azy izany.’ Noho izy ireo tsy nanongotra ny fialonana avy tao am-pony, izy io dia tsy namela toerana ho an’ny fangoraham-po ka nitarika ho amin’ny fahotana lehibe. — Genesisy 37:4, 5, 11.
12, 13. Inona no tokony hataontsika rehefa miditra ao am-pontsika ny fahatsapana fialonana?
12 Tsy nifaditra ovana izy ireo ka nivarotra an’i Josefa ho andevo. Nanandrana ny hanafina ny ratsy nataony izy ireo ka namitaka ny rainy hihevitra fa novonoin’ny biby dia i Josefa. Taona maro tatỳ aoriana dia vaky betroka ny fahotan’izy ireo rehefa noteren’ny mosary hidina tany Egypta mba hividy hanina tany izy ireo. Ilay mpitantana ny hanina, izay tsy fantatr’izy ireo fa i Josefa, dia niampanga azy ireo ho mpitsikilo ary nilaza tamin’izy ireo mba tsy hitady ny fanampiany indray raha tsy nitondra an’i Benjamina, zandrin’izy ireo faralahy, izy ireo. Tamin’izay i Benjamina dia efa tonga ilay zanaka tian-drain’izy ireo indrindra, ary fantatr’izy ireo fa tsy hamela azy handeha i Jakoba.
13 Koa raha mbola nitsangana teo anoloan’i Josefa àry izy ireo, ny feon’ny fieritreretan’izy ireo dia nanosika azy ireo hiaiky hoe: “Efa meloka tokoa isika noho ny amin’ny rahalahintsika [Josefa], satria nahita ny fahorian’ny fanahiny isika, raha nitaraina tamintsika izy, nefa tsy mba nihaino isika; koa izany no nahatongavan’izao fahoriana izao amintsika.” (Genesisy 42:21). Tamin’ny fomba fifampiraharahany feno fangoraham-po kanefa hentitra, i Josefa dia nanampy ny rahalahiny hanaporofo fa tena marina ny fibebahan’izy ireo. Avy eo izy dia nampiharihary tamin’izy ireo hoe iza ny tenany ary namela ny helok’izy ireo tamim-pahalalahan-tanana. Tafaverina tamin’ny laoniny ny firaisan-tsain’ilay fianakaviana. (Genesisy 45:4-8). Amin’ny maha-Kristiana antsika, dia tokony handray fianarana avy amin’izany isika. Noho isika mahafantatra ireo voka-dratsin’ny fitsiriritana, dia tokony hivavaka amin’i Jehovah isika mba hanampy antsika hanolo ireo fihetseham-po feno fialonana amin’ny ‘fangoraham-po izay fihetseham-po miharo fitiavana’.
Vato misakana hafa ho an’ny fangoraham-po
14. Nahoana isika no tokony hanalavitra ny fifampikasohana tsy ilaina amin’ny herisetra?
14 Ny vato misakana hafa iray ho an’ny tsy fananantsika fangoraham-po dia afaka ny ho avy amin’ny fifampikasohantsika tsy ilaina amin’ny herisetra. Mampirisika hanana faniriana hahita ra mandriaka ny fanatanjahan-tena sy ny fialam-boly izay manasongadina herisetra. Tamin’ny andron’ny Baiboly, ireo mpanompo sampy dia nijery tsy tapaka fifaninanan’ireo gladiateurs (mpiady sy mpamono olona ho fahafinaretan’ny mpijery) sy endrika hafan’ny fampijalijaliana olona tao amin’ireo kianjan’ny Empira Romana. Ny fialam-boly toy izany, araka ny mpanoratra tantara iray, “dia namono ny hozatra fahatsapana fahaiza-mangoraka eo anoloan’ny fijaliana, zavatra izay mampiavaka ny olombelona amin’ny biby”. Be dia be amin’ny fialam-boly eo amin’ny tontolo maoderina amin’izao andro izao no miteraka vokatra mitovy amin’izany. Ny Kristiana izay miezaka mafy ny ho be fangoraham-po miharo fitiavana, dia mila ny hahay hifantina aoka izany rehefa mifidy ny zavatra hovakiny sy ny sarimihetsika ary ny fandaharana ao amin’ny televiziona hojereny. Amim-pahendrena izy ireo dia mitadidy ao an-tsaina ny teny ao amin’ny Salamo 11:5 manao hoe: “Ny mifaly hampidi-doza [“ny tia herisetra”, NW ] dia (...) halan’ny fanahin[’i Jehovah].”
15. a) Ahoana no mety hisehoan’ny tsy fananan’ny olona iray fangoraham-po? b) Inona no ataon’ny tena Kristiana eo anoloan’ny zavatra ilain’ny mpiray finoana aminy sy ny mpiara-monina aminy?
15 Ny olona iray tsy mihevitra afa-tsy ny tenany koa dia azo inoana fa tsy hanana fangoraham-po. Tena zava-dehibe izany, araka ny hazavain’ny apostoly Jaona hoe: “Izay rehetra manam-pananana amin’izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran’ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny?” (1 Jaona 3:17). Tsy fananana fangoraham-po mitovy amin’izany no nasehon’ilay mpisorona mpanamarin-tena sy ilay Levita tao amin’ny fanoharan’i Jesosy ny amin’ilay Samaritana tia namana. Rehefa nahita ny toe-javatra nampahory nisy ilay rahalahiny jiosy saiky maty izy ireo, dia nankeny ampitan’ny arabe ary nanohy ny lalany. (Lioka 10:31, 32, NW ). Mifanohitra amin’izany fa ny Kristiana be fangoraham-po dia manao zavatra haingana eo anoloan’izay ilain’ireo rahalahiny eo amin’ny ara-nofo sy eo amin’ny ara-panahy. Ary sahala amin’ilay Samaritana tao amin’ny fanoharan’i Jesosy, dia miahy ny amin’ireo zavatra ilain’ireo olona tsy fantany koa izy ireo. Araka izany, dia faly manome ny fotoanany sy ny heriny ary ny fananany ara-nofo izy ireo mba hampandrosoana ny asa fanaovana mpianatra. Amin’izany fomba izany izy ireo dia mandray anjara amin’ny famonjena olona an-tapitrisany maro. — 1 Timoty 4:16.
Fangoraham-po amin’ireo marary
16. Amin’ny ahoana isika no voafetra rehefa mifampiraharaha amin’ny olona marary?
16 Ny aretina no anjaran’ny taranak’olombelona tsy tanteraka sy iharan’ny fahafatesana. Tsy maningana ny Kristiana amin’io, ary ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mpitsabo za-draharaha, no sady tsy afaka manao fahagagana toy ny Kristiana sasany tany am-boalohany izay nahazo izany hery izany tamin’i Kristy sy ireo apostoliny. Rehefa maty ireo apostolin’i Kristy sy ireo mpiara-miasa akaiky tamin’izy ireo, dia nitsahatra ireny hery nanaovana fahagagana ireny. Noho izany, ny fahafahantsika hanampy ireo izay mijaly noho ny aretina ara-batana, anisan’izany ny fahasimban’ny fiasan’ny atidoha sy ny aretina miteraka fahitan-javatra tsy misy akory, dia voafetra. — Asan’ny Apostoly 8:13, 18; 1 Korintiana 13:8.
17. Fianarana inona no azontsika avy amin’ny fomba nitondrana an’i Joba izay olona narary sy nidonam-pahoriana?
17 Tsy misaraka amin’ny aretina matetika ny fahaketrahana. Ohatra, i Joba, lehilahy natahotra an’Andriamanitra, dia ketraka aoka izany noho ny aretina mafy sy ny loza nentin’i Satana taminy. (Joba 1:18, 19; 2:7; 3:3, 11-13). Nila namana izay hitondra azy tamim-pangoraham-po niharo fitiavana sy ‘hiresaka aminy amin’ny fomba mampionona’, izy. (1 Tesaloniana 5:14, NW ). Olona telo nihambo ho mpampionona kosa no nitsidika azy ary avy hatrany dia nanatsoaka hevi-diso. Vao mainka nanampy trotraka ny fahaketrahan’i Joba izy ireo tamin’ny filazana fa vokatry ny fahadisoana iray nataon’ny tenany ihany ireo loza nanjo azy. Be fangoraham-po miharo fitiavana ny Kristiana ka hanalavitra izany fandrika izany rehefa marary na ketraka ireo mpiray finoana aminy. Indraindray, ny zava-dehibe ilain’ny olona toy izany dia ny fitsidihana amin-katsaram-panahy ataon’ny loholona na ny Kristiana matotra hafa izay hihaino amim-pahaiza-mangoraka sy hampiseho fahaiza-mahatakatra ny toerana misy azy ary hanome torohevitra araka ny Soratra Masina feno fitiavana. — Romana 12:15; Jakoba 1:19.
Fangoraham-po amin’ireo malemy
18, 19. a) Amin’ny fomba ahoana no tokony hifampiraharahan’ireo loholona amin’ireo malemy na mania? b) Na dia tena ilaina aza ny manangana komitim-pitsarana iray, nahoana no zava-dehibe ny hitondran’ireo loholona ny olona nanao ratsy amim-pangoraham-po miharo fitiavana?
18 Ireo loholona indrindra no tsy maintsy ho be fangoraham-po miharo fitiavana. (Asan’ny Apostoly 20:29, 35, NW ). “Isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy”, hoy ny andidian’ny Baiboly. (Romana 15:1). Noho isika rehetra tsy tanteraka, dia manao fahadisoana avokoa isika rehetra. (Jakoba 3:2). Ilaina ny fanehoam-pitiavana rehefa mifampiraharaha amin’ny olona iray izay “manao fahadisoana alohan’ny hahatsapany izany”. (Galatiana 6:1, NW ). Na oviana na oviana ireo loholona dia tsy haniry ny ho tahaka ireo Fariseo mpanamarin-tena izay tsy nahalala ny antonona teo amin’ny fampiharany ny Lalàn’Andriamanitra.
19 Mifanohitra amin’izany kosa, fa manaraka ny ohatra feno fangoraham-po miharo fitiavana nomen’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy ireo loholona. Ny asany voalohany indrindra dia ny hamahana sy hampahery ary hamelombelona ny ondrin’Andriamanitra. (Isaia 32:1, 2). Tsy mitady hifehy ireo raharaha amin’ny alalan’ny fitsipika tsy toko tsy forohana izy ireo, fa miorina kosa amin’ireo fotopoto-pitsipika tsara dia tsara ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Noho izany, ny anjara asan’ireo loholona dia tokony ho ny hampahery, ny hitondra fifaliana sy fankasitrahana noho ny hatsaram-pon’i Jehovah ao am-pon’ireo rahalahiny. Raha manao fahadisoana madinika ny mpiray finoana aminy, mazàna ny loholona iray dia hanalavitra ny hanitsy azy rehefa misy olon-kafa afaka mahare izany. Raha tena ilaina tokoa ny hiresaka aminy, ny fangoraham-po izay fihetseham-po miharo fitiavana dia hanosika ilay loholona hihataka kely miaraka amin’izany olona izany ka hiresaka momba ilay zava-manahirana nefa tsy ho ren’ny hafa. (Ampitahao amin’ny Matio 18:15.) Na dia mety ho sarotra toy inona aza ny fifankahazoana amin’ny olona manokana iray, ilay loholona dia tokony hanana faharetana sy fitiavana hanampy. Na oviana na oviana izy dia tsy haniry hitady fialan-tsiny mba handroahana izany olona izany avy ao amin’ny kongregasiona. Na dia rehefa tena ilaina aza ny manangana komitim-pitsarana iray, ireo loholona dia hampiseho fangoraham-po miharo fitiavana amin’ilay olona nanao ratsy lehibe. Ny fahalemem-panahin’izy ireo dia mety hanampy azy ho tonga amin’ny fibebahana. — 2 Timoty 2:24-26.
20. Rahoviana no tsy mety ny fanehoam-pangoraham-po, ary nahoana?
20 Kanefa, misy fotoana tsy ahafahan’ny mpanompon’i Jehovah iray mampiseho fangoraham-po. (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 13:7-10.) Afaka ny ho tena fitsapana ho an’ny Kristiana iray ny hoe ‘tsy hiharoharo’ amin’ny namana na havana akaiky iray izay voaroaka. Amin’ny tarehin-javatra toy izany, dia zava-dehibe ny tsy hanaiky ho resin’ny fahatsapana ho onena. (1 Korintiana 5:11-13). Mety hampirisika ilay nania hibebaka mihitsy aza ny ho hentitra toy izany. Ankoatra izany, rehefa mifampiraharaha amin’ny olona tsy lahy na tsy vavy tahaka azy ny Kristiana, dia tsy maintsy manalavitra ny fanehoana fangoraham-po tsy mety, izay mety hitarika ho amin’ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy.
21. Amin’ny lafiny hafa inona avy no ilantsika hampiseho fangoraham-po miharo fitiavana, ary inona avy no soa raisina avy amin’izany?
21 Tsy ampy ny toerana ka tsy mamela antsika mba hiresahana momba ireo lafiny maro rehetra ilana fangoraham-po miharo fitiavana — rehefa mifampiraharaha amin’ireo be taona, ireo nidonam-pahoriana, ireo enjehin’ny vadiny tsy mpino. Ireo loholona miasa mafy koa dia tokony hoentina amim-pangoraham-po miharo fitiavana. (1 Timoty 5:17). Hajao izy ireny ary omeo ny fanohananao. (Hebreo 13:7, 17). “Aoka ianareo rehetra (...) ho be fangoraham-po miharo fitiavana”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Petera. (1 Petera 3:8, NW ). Amin’ny fitondrantsika tena toy izany amin’ny tarehin-javatra rehetra mitaky izany, isika dia mampirisika ny hisian’ny firaisan-tsaina sy ny fahasambarana ao amin’ny kongregasiona ary hisarika ny olona any ivelany ho ao amin’ny fahamarinana. Ambonin’ny zavatra rehetra, amin’izany isika dia hanome voninahitra ilay Raintsika be fangoraham-po miharo fitiavana, dia i Jehovah.
Fanontaniana ho Famerenana
◻ Ahoana no ampisehoan’i Jehovah fangoraham-po amin’ny taranak’olombelona mpanota?
◻ Nahoana no zava-dehibe ny ho be fangoraham-po miharo fitiavana?
◻ Inona avy no vato misakana sasany amin’ny fananantsika fangoraham-po miharo fitiavana?
◻ Ahoana no tokony hitondrantsika ireo marary sy ireo ketraka?
◻ Iza indrindra no mila ny ho be fangoraham-po miharo fitiavana, ary nahoana?
[Efajoro, pejy 19]
FARISEO TSY NANGORAKA
NY ANDRO fitsaharana tamin’ny Sabata dia natao mba ho fitahiana ara-panahy sy ara-batana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra. Kanefa ireo filoha ara-pivavahana jiosy dia nanao fitsipika maro izay nanala baraka ny lalàn’Andriamanitra momba ny Sabata, ary nahatonga azy io ho enta-mavesatra ho an’ilay vahoaka. Ohatra, raha niharan-doza ny olona iray na nijaly noho ny aretina, dia tsy afaka nahazo fanampiana tamin’ny Sabata izy, raha tsy hoe notandindomin-doza angaha ny ainy.
Ny antoko iray teo amin’ireo Fariseo dia henjana aoka izany teo amin’ny filazany ny hevitry ny lalàna momba ny Sabata, hany ka nilaza izy ireo hoe: “Aza mampionona ny malahelo, na mitsidika olona marary amin’ny Sabata.” Ny filoha ara-pivavahana hafa dia nanome lalana ny fitsidihana toy izany tamin’ny Sabata, saingy nanoritra hoe: “Rarana ny mandrotsa-dranomaso.”
Araka izany, dia nanameloka ara-drariny ireo filoha ara-pivavahana jiosy i Jesosy noho izy ireo nanadino ny zavatra lehibe kokoa notakin’ny Lalàna, toy ny rariny sy ny fitiavana ary ny famindram-po. Tsy mahagaga raha nilaza tamin’ireo Fariseo izy hoe: “Foananareo ny tenin’Andriamanitra amin’ny fampianarana voatolotra anareo”! — Marka 7:8, 13; Matio 23:23; Lioka 11:42.
[Sary, pejy 17]
Any amin’ny tany 231, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manatanteraka asam-pangoraham-po mbola tsy nisy toa azy any an-tokantranon’ny olona, eny an-dalana, any an-tranomaizina mihitsy aza
[Sary, pejy 18]
Ny fifampikasohana amin’ny herisetra, toy izay hita ao amin’ny televiziona, dia mampihena ny fangoraham-po miharo fitiavana