Manontany ny Tanora Hoe...
Ho Afaka Hanao Tsara Kokoa ve Aho any An-tsekoly?
“Tena zava-dehibe indrindra ny naoty amin’ny ray aman-dreniko. ‘Firy ny naotinao tamin’ny matematika? Nahazo naoty firy ianao tamin’ny anglisy?’ Halako izany!” — Sam, 13 taona.
TSY i Sam irery no ao anatin’ny toe-javatra manahirana toy izany. Eny tokoa, izao no nosoratan’ny mpanoratra ilay boky hoe “Could Do Better” (Ho Afaka Hanao Tsara Kokoa): “Mbola tsy nahita izahay, ray na reny izay mihevitra hoe manao tsara araka izay mety ho vitany any an-tsekoly, ny zanany.” Tanora maro toa an’i Sam anefa, no mihevitra fa ny ray aman-dreniny dia manery azy ireo mafy loatra hahazo vokatra tsara kokoa amin’ny fianarany any an-tsekoly — angamba aza hahay noho ny hafa rehetra. Mety hiatrika fanerena fanampiny izy ireo ao an-dakilasy. “Tsy ampy faharetana ny mpampianatra”, hoy ny fitarainan’ny zatovo iray. “Takiny ny hahatadidianao zavatra eo no ho eo, ary raha tsy mahavita izany ianao, dia ataony izay hahatsapanao tena ho dondrina. Koa tsy niezaka akory aho.”
Matetika no lazaina hoe tsy mianatra tsara ireo tanora mandiso fanantenana ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra. Ary saika ny mpianatra rehetra no tsy mianatra tsara any an-tsekoly, amin’ny lafiny iray na amin’ny lafiny hafa. Nahoana? Mahaliana fa tsy hoe hakamoana na tsy fahaiza-mianatra foana akory no antony.a
Ny antony mahatonga ny sasany tsy hianatra tsara
Marina fa misy tanora sasany izay toa mianina amin’ny fakana mora fotsiny, raha ny momba ny fianarana any an-tsekoly. “Raha azoko atao ny tsy manao afa-tsy ezaka faran’izay kely mba hahombiazako, dia izany fotsiny no ataoko”, hoy ny fieken’i Herman, 15 taona. Raha jerena amin’ny saina tsy miangatra anefa, dia tsy ireo tanora rehetra ireo no tsy miraika amin’ny fianarana. Mety ho hitan’izy ireo ho tsy manintona fotsiny ny taranja iray. Eo koa ny sasany izay tsy mahita ny vidiny azo ampiharina amin’ny zavatra ianarany. Izao no nilazan’i Reuben, 17 taona, azy: “Misy taranja izay azoko antoka fa tsy hampiasaiko intsony mihitsy aorian’ny handaozako ny sekoly.” Afaka mitarika mora foana ho amin’ny tsy fianarana tsara ny tsy fahampian’ny fahalianana na ny fandrisihana.
Misy anton-javatra hafa tafiditra. Ohatra, raha haingana loatra aminao ny fampianaran’ny mpampianatra iray, dia hanjary ho kivy ianao. Raha miadana loatra izany, dia hanjary ho sorisorena ianao. Mety hisy heriny eo amin’ny fianaranao tsara any an-tsekoly koa ny faneren’ny mpiara-mianatra aminao. Izao no hazavain’ilay boky hoe Kids Who Underachieve (Ankizy Tsy Mianatra Tsara): “Raha irin’ny ankizy kinga saina sy mahay iray ny horaisin’ny antokona mpiara-mianatra tsy tia fianarana, dia mety hahatsapa ho voatery tsy hianatra tsara izy.” Araka izany, dia nitaraina ny zatovo iray fa rehefa niezaka mafy izy tany an-tsekoly, tamin’ireo taona voalohandohany, dia nialona sy nihomehy azy ny hafa. Eny, ny tanora iray dia mety hanaiky ny fahamarinan’izay lazain’ny foto-pitsipika ao amin’ny Ohabolana 14:17 hoe: “Ny olona [manana fahaiza-misaina, NW ] dia ankahalaina.”
Lehibe kokoa ny antony fototra mahatonga tanora tsy hianatra tsara, indraindray. Mampalahelo fa manjary manana fiheverana tsy dia tsara momba ny tenany ny tanora sasany rehefa mihalehibe. Izany dia mety ho vokatry ny fanomezana anaram-bosotra tsy an-kijanona ny ankizy iray hoe meda, dondrina, na kamolahy na kamovavy. Mampalahelo fa mety hanjary ho toy ny faminaniana tanteraka ny anarana apetaka toy izany. Toy izao no nilazan’ny dokotera iray azy: “Raha lazaina hoe dondrina ianao, ka mamela ny tenanao hino izany, dia ho toy izany tokoa ianao.”
Matetika indrindra no tsara fikasa ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra izay manome fampirisihana. Na dia amin’izay aza anefa, dia mety mbola hahatsapa ihany ny tanora fa zavatra be loatra no takina amin’izy ireo. Raha toy izany no izy ny aminao, dia aoka ianao hahazo antoka fa tsy manandrana mampahasosotra anao akory ny ray aman-dreninao sy ny mpampianatra anao. Angamba tiany fotsiny ny hanaovanao izay farany mety ho vitanao. Na dia izany aza, dia mety hahatonga anao hahatsapa ho te hilavo lefona tsotra izao ny fanahiana ny amin’ny hananana fahaizana ilaina. Kanefa, matokia: Afaka manao tsara kokoa ianao any an-tsekoly.
Fananana antony manosika
Ny fananana antony manosika no dingana voalohany tokony hatao! Mba hanaovana izany, dia ilainao ny mahita ny zava-kendrena amin’ny zavatra ianaranao. Hoy ny Baiboly: “Izay miasa tany dia tokony hiasa amin’ny fanantenana, ary izay mively vary dia tokony hively amin’ny fanantenana hahazo.” (1 Korintiana 9:10). Tsy mora foana ny fahitana ny hasarobidin’ny “fiasana” hatramin’ny farany ny taranja sasany. Ohatra, mety hiteny ianao hoe: ‘Iriko ny ho tonga mpamorona programa amin’ny ordinatera. Koa nahoana aho no ho voatery hianatra tantara?’
Marina fa tsy ny taranja rehetra ianaranao no toa mifandray amin’izay hataonao — fara faharatsiny, tsy izao ankehitriny izao. Kanefa, miezaha hijery lavitra. Hampitombo ny fahatakaranao ny tontolo manodidina anao ny fianarana ankapobe momba ireo taranja samihafa. Tanora maro eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah no nahita fa nanampy azy ho “tonga zavatra rehetra (...) amin’ny olona rehetra” ny fianarana amin’ny ankapobeny, ka nahatonga azy ireo hahay fomba fampiseho maro kokoa ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny olona avy amin’ny fari-piainana samihafa. (1 Korintiana 9:22). Na dia toa tsy misy vidiny azo ampiharina firy aza ny taranja iray, dia mandray soa ihany ianao raha mahay azy io tsara. Fara faharatsiny, dia hampitombo ny ‘fahaizanao misaina’ ianao. Handray soa betsaka avy amin’izany ianao, amin’ny farany. — Ohabolana 1:1-4, NW.
Afaka mampiharihary ny talentanao miafina koa ny fianarana any an-tsekoly. Nanoratra toy izao ho an’i Timoty ny apostoly Paoly: ‘Velomy ny fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, izay ao anatinao’. (2 Timoty 1:6). Miharihary fa notendrena hanao fanompoana manokana tao amin’ny kongregasiona kristiana i Timoty. Kanefa, nilaina nokolokoloina ny fahaizana nomen’Andriamanitra azy — ny “fanomezam-pahasoavana” tao anatiny — raha tsy izany dia tsy ho nampiasaina izy io ka ho verivery fotsiny. Mazava ho azy fa tsy nomen’Andriamanitra anao mivantana ny fahaizana anananao, tsy toy ny fanomezam-pahasoavan’i Timoty. Na dia izany aza, ny fahaizana anananao — na eo amin’ny zavakanto izany, na eo amin’ny mozika, matematika, siansa, na sehatra hafa — dia anao manokana, ary afaka manampy anao hahita sy hampitombo fanomezam-pahasoavana toy izany, ny sekoly.
Fahazarana tsara amin’ny fianarana
Mba handraisan-tsoa faran’izay betsaka avy amin’ny fianarana any an-tsekoly anefa, dia hilainao ny hanana fahazarana tsara amin’ny fianarana. (Ampitahao amin’ny Filipiana 3:16.) Manokàna fotoana ampy mba hianaran-javatra bebe ihany, nefa mamelà koa fotoana hialanao sasatra tsindraindray, mba hahafahanao hanavao hery indray. Raha misy famakian-teny ilay zavatra ianaranao, dia diniho manontolo aloha ilay zavatra ianaranao mba hahafahanao hahazo ny hevitra ankapobe. Manaraka izany, dia mamoròna fanontaniana miorina amin’ny lohatenin’ny toko na amin’ny lohatenikely manan-danja. Avy eo, dia vakio ilay zavatra ianaranao, ka tadiavo ny valin’ireo fanontanianao, arakaraka ny fizotran’ilay famakian-teny. Farany, dia jereo raha afaka mamerina an-kandrina izay vao avy nianaranao ianao.
Ampifandraiso amin’izay efa fantatrao izay vao nianaranao. Ohatra, mety ho varavarankely ‘hahitana mazava tsara ny toetra tsy hita mason’Andriamanitra’ ny lesona iray momba ny siansa. (Romana 1:20, NW ). Ny taranja tantara dia afaka manampy hahitan’ny tenanao mihitsy ny fahamarinan’ilay fanambarana hoe: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23). Arakaraka ny ilofosanao amin’ny fianarana no azo inoana fa hahitanao hoe manjary mora kokoa — mahafinaritra kokoa mihitsy aza — ny mianatra! Hoy ny fanamarihan’i Solomona: “Ny manan-tsaina mora mahazo fahalalana.” — Ohabolana 14:6.
Mihazòna fihetsika tsara
Indraindray anefa, dia miankina amin’ny namana fidin’ny tena ny mahatonga ny tena tsy hianatra tsara. Mampirisika ny hisondrotana ve ireo namanao, sa ny tenan’izy ireo aza tsy mianatra tsara? Hoy ny ambaran’ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” (Ohabolana 13:20). Koa fidio amim-pahendrena ny namanao. Miaraha hatrany amin’ireo izay manana fihetsika tsara eo anoloan’ny fianarana any an-tsekoly. Aza misalasala miresaka manokana amin’ny mpampianatra anao momba ny tanjonao, dia ny hahazo naoty tsara kokoa. Tsy isalasalana fa hanao ezaka amboniny izy mba hanampy anao hahazo izany.
Rehefa manakorontana anao ny eritreritra tsy manorina momba ny fahaizanao, dia hevero ny ohatry ny apostoly Paoly. Rehefa nanakiana ny fahaizany nandaha-teny ny olona, dia hoy ny navaliny: “Na dia olona tsy nampianarina laha-teny aza aho, dia tsy mba tahaka izany aho amin’ny fahalalana”. (2 Korintiana 10:10; 11:6). Eny, nifantoka tamin’ny lafiny nampahatanjaka azy i Paoly, fa tsy tamin’ny lafiny nampahalemy azy kosa. Inona avy ireo lafiny mampahatanjaka anao? Raha tsy afaka mahita azy ireny ianao, nahoana raha miresaka amin’ny olon-dehibe iray afaka manampy anao? Ny namana toy izany dia afaka manampy anao hamantatra ireo lafiny mampahatanjaka anao sy handray soa faran’izay betsaka avy amin’izy ireny.
Fandrosoana na dia misy olana aza
“Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin’izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.” (1 Timoty 4:15). Toy ny ray miresaka amin-janany lahy i Paoly rehefa nampirisika an’i Timoty, izay efa nahita fahombiazana, mba hanao fandrosoana bebe kokoa ihany teo amin’ny fanompoany. Tamin’ny andron’ny Baiboly, ny matoanteny grika hoe ‘mandroso’ dia midika ara-bakiteny hoe “manavatsava”, ka izany dia mampahatsiahy olona manapaka ny kirihitr’ala mba hisian’ny lalana handehanany. Mety ho toa mitovy amin’izany ny fanohizana amim-pahatapahan-kevitra ny hianatra, indraindray. Kanefa, mora lavitra ny mamita tanteraka ny fianarana ataonao raha eritreretinao hoe mendrika ny hanaovana izany ny valisoa amin’ny farany.
Mifanindran-dalana ny ezaka sy ny antony manosika ary ny fianarana. Indro misy ohatra: Eritrereto ny amin’ny olona iray mitendry zavamaneno. Raha tiany ilay izy, dia hitendry azy io bebe kokoa izy. Arakaraka ny itendreny azy io no hahaizany azy io tsara kokoa, ary izany indray kosa dia hampitombo ny fifaliany. Arakaraka ny ianarantsika no hahamora ny ianarantsika bebe kokoa mihitsy aza. Koa aza kivy noho ny fianaranao any an-tsekoly. Ataovy ny ezaka ilaina, miaraha amin’ireo izay hanampy anao hahay tsara, ary ataovy am-po ny tenin’i Azaria tamin’i Asa, mpanjaka fahiny, manao hoe: ‘Aza miraviravy tànana; fa hisy valim-pitia tokoa ny ataonao.’ — 2 Tantara 15:7.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mety hiatrika zava-tsarotra manokana ireo tanora izay sarotra aminy ny miana-javatra, amin’io lafiny io. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny Mifohaza! 8 Jolay 1996, pejy faha-11-13.
[Sary, pejy 21]
Aza misalasala miresaka amin’ny mpampianatra anao momba ny tanjonao, dia ny hahazo naoty tsara kokoa
[Sary, pejy 22]
Na dia toa tsy misy vidiny azo ampiharina firy aza ny taranja iray, dia mandray soa ihany ianao raha mahay azy io tsara