Toko Faha-15
Nahoana Aho no Saro-kenatra Aoka Izany?
“NY OLONA rehetra milaza amiko fa tsara tarehy be aho”, hoy ny nosoratan’ny zatovovavy iray tao amin’ny gazety iray. Nanohy ny teniny toy izao anefa izy: “Sahirana aho rehefa hiresaka amin’olona. Raha mijery ny mason’ny olona iresahako aho, dia mivoara-mena ny tarehiko ary tsy avy miaina aho (...) Tany am-piasana aho dia efa nandre olona maro nilaza fa ‘miavonavona’, hono, aho satria tsy miresaka na amin’iza na amin’iza. (...) Tsy miavonavona aho, fa saro-kenatra fotsiny.”
Ny fandinihana iray dia nampiseho fa ny 80 isan-jaton’ireo olona nanontaniana dia nilaza fa nisy fotoana teo amin’ny fiainany nahatsiarovany ho saro-kenatra, ary ny 40 isan-jato taminy dia nihevitra ny tenany tamin’izay ho saro-kenatra. Raha ny marina, dia efa fahita teo amin’ny olombelona hatrany am-boalohany ny fahasarotan-kenatra. Milaza amintsika ny Baiboly, ohatra, fa nanda tamim-pahasarotan-kenatra ny tsy ho mpitondra hafatr’Andriamanitra teo anoloan’ny firenen’ny Isiraely, i Mosesy. (Eksodosy 3:11, 13; 4:1, 10, 13). I Timoty, mpianatra kristiana, koa dia toa saro-kenatra sy tsy natoky tena mba hahasahiana hiteny sy hampihatra ny fahefany araka ny tokony ho izy. — 1 Timoty 4:12; 2 Timoty 1:6-8.
Izay atao hoe fahasarotan-kenatra
Ny fahasarotan-kenatra dia fahatsiarovan-tena ho saikatsaikatra eo imason’olona — olon-tsy fantatra, ireo manam-pahefana, ireo tsy lahy na tsy vavy tahaka anao, na dia ireo mitovy taona aminao aza. Izany dia ny fieritreretana tafahoatra momba ny tenany ka misy fiantraikany eo amin’ny tenany amin’ny fomba maro isan-karazany. Ny sasany manjary saikatra; mijery ambany ny masony, midobodoboka be ny fony ary dia lasa tsy mahateny izy ireo. Ny hafa kosa mamoy ny fahatoniany ka manomboka miteny tsy an-kijanona. Ny hafa indray mahita fa sarotra ny ho sahy hiteny sy hilaza ny fomba fiheviny na izay zavatra tiany.
Raha ny tena izy anefa, dia misy lafiny maha-tsara azy ny fananana hasarotan-kenatra sasany. Misy ifandraisana amin’ny fiheveran-tena araka ny tena izy sy ny fanetren-tena izy io, ary ny iray amin’ireo zavatra tadiavin’Andriamanitra sy anomezany teny fiderana dia ny ‘fanarahana azy amin’ny fanetren-tena’. (Mika 6:8). Misy soa fanampiny azo avy amin’ny fisehoana ho tsy misehoseho sy tsy be fihetsehana, amin’ny tsy fisehoana ho ambony noho ny hafa na fizahozahoana loatra. Ankasitrahana matetika ny olona saro-kenatra iray satria mahay mihaino. Kanefa rehefa mametra sy manakana antsika tsy hampiasa ny fahaizantsika amin’ny fomba feno ny fahasarotan-kenatra ka misy fiantraikany ratsy eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa, eo amin’ny asantsika na ny fihetseham-pontsika, dia izao no fotoana hanitsiana izany!
Ny dingana voalohany dia ny fahatakarana ilay zava-manahirana. (Ohabolana 1:5, NW ). Tsy mampiseho ny maha-ianao anao akory ny fahasarotan-kenatra, fa ny fitondran-tenanao sy ny fihetsikao eo anoloan’ny tarehin-javatra miseho ary ny fomba fitondra tena nianaranao sy nohamafisinao arakaraka ireo fanandraman-javatra hitanao tamin’ny fiarahana tamin’ny hafa. Mihevitra ianao fa mitsara anao amin’ny fomba ratsy ny hafa, fa hoe tsy tia anao izy ireo. Mihevitra ianao fa tsara kokoa na ara-dalàna kokoa noho ianao ny hafa. Mihevitra ianao fa tsy hisy hanjary avokoa ny zava-drehetra raha vao mitady ny hifandray amin’ny hafa ianao. Manampo foana ianao fa tsy handeha tsara ilay tarehin-javatra, ary matetika dia izany tokoa no mitranga — satria hendratrendratra ianao ary manao zavatra mifanaraka amin’izay inoanao.
Ny fiantraikan’ny fahasarotan-kenatra eo amin’ny fiainanao
Raha mitokantokana ianao, tsy miteny, na mieritreritra loatra momba ny tenanao ka tsy mihevitra ny hafa, izany dia mety hahatonga ny hafa hihevitra anao ho miavonavona, tsy sariaka, sorena na tsy miraharaha na tsy mahay na inona na inona mihitsy aza. Rehefa mifantoka amin’ny tenanao ireo eritreritrao, dia sarotra ny mifantoka amin’ny resaka ifanaovana. Tsy maneho fiheverana tsara ilay fanazavana omena anao àry ianao. Amin’izay, dia mitranga ilay atahoranao indrindra — ny fisehoanao ho toy ny adaladala.
Amin’ny ankapobeny, dia nanidy tena tao anatin’ny tranomaizin’ny fahasarotan-kenatra ianao ary nanary ny fanalahidy famahana azy io. Avelanao handalo anao fotsiny ireo fahafahana maro azonao hararaotina. Manaiky zavatra na tarehin-javatra tsy dia tena irinao akory ianao — satria matahotra ny hiteny sy hilaza ny hevitrao ianao. Maty antoka ianao tsy mahazo ireo fifaliana mifankahalala amin’olona sy mahazo namana vaovao, na manao zavatra izay hanatsara ny fiainanao. Tsy ianao ihany anefa no maty antoka amin’izany, fa ny hafa koa. Tsy hahalala ilay tena ianao mihitsy izy ireo.
Fandresena ny fahasarotan-kenatra
Arakaraka ny fandehan’ny fotoana sy amin’ny alalan’ny fiezahana, dia azo ovana ny fitondran-tena. Voalohany aloha, dia aza manahy intsony ny amin’ny hoe mitsara anao na tsia ny hafa. Azo inoana fa sahirana loatra mieritreritra momba ny tenany sy izay holazainy sy hataony izy. Ary raha mihomehy anao toy ny zazakely ilay olona, dia aoka ho takatrao fa izy no manan-java-manahirana. “Tsy ampy saina izay manamavo ny namany”. (Ohabolana 11:12). Ireo izay mendrika ny horaisinao ho toy ny namanao dia tsy hitsara anao araka ny fisehoanao ivelany, fa araka izay maha-ianao anao.
Ambonin’izany, dia miezaha hanana eritreritra manorina. Tsy misy na dia iray aza tanteraka; samy manana toetra tsara sy toetra ratsy avokoa isika rehetra. Tadidio koa fa samy hafa ny fomba fijery zavatra ary samy manana ny zavatra tiany sy tsy tiany koa ny olona. Ny tsy fitovian’ny olona iray hevitra aminao dia tsy midika akory fa mandà anao amin’ny maha-olona anao izy.
Mianara koa mitsara ny hafa araka ny rariny. Milaza toy izao ny zatovolahy iray izay saro-kenatra taloha: “Hitako fa nisy zavatra roa teo amiko (...) Ny voalohany, dia tsy nahita afa-tsy ny tenako aho. Nieritreritra be loatra momba ny tenako aho, ary nanahy ny amin’izay hoheverin’ny olona momba izay nolazaiko. Ny faharoa, dia nihevitra ny hafa ho nanana antony manosika ratsy aho — tsy natoky azy ireo aho ary nieritreritra fa hanebaka ahy izy ireo.”
Nanatrika fivoriana iray an’ny Vavolombelon’i Jehovah io zatovolahy io. “Nahare lahateny iray izay tena nanampy ahy aho tany”, hoy ny tsaroany. ‘Nasehon’ilay mpandahateny fa ny fitiavana dia manosika ny olona iray hanatona ny hafa; fa raha manam-pitiavana ianao dia mihevitra ny tsara indrindra momba ny hafa, fa tsy ny ratsy indrindra. Nianatra ny tsy hihevitra ny hafa ho manana antony manosika ratsy intsony àry aho. Hoy aho anakampo: “Hahay hahatakatra ny fomba fihevitrao izy ireo, ho tsara fanahy izy ireo, haneho fiheverana izy ireo.” Nanomboka natoky ny hafa aho. Takatro fa mety hisy hitsara ahy amin’ny fomba ratsy, kanefa nihevitra aho izao fa izy ireo no nanan-java-nanahirana fa tsy izaho.’
“Nianatra koa aho fa nila ny nanomboka hampiseho fitiavana amin’ny alalan’ny asa ny tenako — hanao zavatra be kokoa ho an’ny hafa”, hoy ny fanazavany. “Niezaka nanao izany tamin’ireo tanora kokoa aloha aho. Avy eo, dia nanomboka nitsidika ny hafa tany an-tranony aho. Nianatra ny hahita izay zavatra nilain’izy ireo aho, ny hieritreritra ny hanampy azy ireo.” Tamin’izany àry izy dia nianatra ny fahamarinan’ilay torohevitr’i Jesosy ao amin’ny Lioka 6:37, 38 manao hoe: “Aza mitsara [intsony, NW ], dia tsy hotsaraina hianareo; aza manameloka [intsony, NW ], dia tsy hohelohina hianareo (...). [Manomeza hatrany, NW ], dia mba homena hianareo (...). Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.”
Atombohy dieny izao
Mianara àry ny hahay olona — ny hilaza hoe “manao ahoana” sy hanombo-dresaka. Mety ho teny tsotra momba ny toetr’andro izany. Tadidio fa ny 50 isan-jaton’ny andraikitra hanao ilay resaka ihany no anao. An’ilay olona hafa ilay 50 isan-jato hafa. Raha manao fahadisoana ianao rehefa miresaka, dia aza mihevitra fa voaheloka noho izany. Raha mihomehy anao ny hafa, dia miaraha mihomehy aminy. Mahaiza milaza hoe “Toa tsy dia izay loatra no tokony ho izy”, ary dia hanampy anao ho tony kokoa sy hanohy ilay resaka izany.
Manaova akanjo mampiadana, kanefa tandremo mba ho akanjo madio sy voapasoka tsara izany. Rehefa mahatsapa ianao fa ny endrikao ivelany tsara indrindra no hitan’ny hafa, izany dia hampihena ho faran’izay kely ny fanahianao momba io lafiny io ary hahatonga anao hifantoka amin’ilay resaka ifanaovana. Mijoroa tsara — kanefa aza mijaridina. Manàna tsiky mahafinaritra. Mihazòna fifandraisan’ny maso sariaka ary ekeo amin’ny loha na ny teny izay lazain’ilay olona miresaka.
Rehefa hiatrika tarehin-javatra sarotra iray ianao, toy ny fanaovana lahateny eo anoloan’ny hafa na ny fanadinan’ny mpampiasa iray anao momba ny fangatahanao hiasa ao aminy, dia miomàna tsara araka izay azonao atao. Anaovy fanazaran-tena mialoha izay holazainao. Azo resena na ahena ho faran’izay kely amin’ny alalan’ny fanazaran-tena ny zava-manahirana momba ny firesahana. Hitaky fotoana izany, toy ny fahazoana fahaizana vaovao hafa rehetra. Kanefa rehefa mahita ireo vokatra tsara azo ianao, dia hahazo fampirisihana fanampiny mba hanohizana hanao fiezahana.
Aza hadinoina ny fanampiana azon’Andriamanitra omena. I Saoly, ilay mpanjaka voalohany teo amin’ny firenen’ny Isiraely fahiny, dia saro-kenatra tsy nisy ohatra izany tamin’ny voalohany. (1 Samoela, toko faha-9 sy faha-10). Kanefa rehefa tonga ny fotoana hanaovan-javatra, dia “nanjary niasa teo amin’i Saoly ny fanahin’Andriamanitra”, ary nitarika ny olona ho amin’ny fandresena izy! — 1 Samoela, toko faha-11.
Amin’izao andro izao, ireo tanora kristiana dia manana andraikitra hanampy ny hafa hianatra momba an’Andriamanitra sy ny tontolo vaovao hisy fahamarinana nampanantenainy. (Matio 24:14). Azo antoka fa hanome anao fatokian-tena ary hanampy anao tsy hifantoka be loatra amin’ny tenanao ny fitondrana io vaovao tsara io sy ny fisoloanao tena an’ilay Manam-pahefana ambony indrindra eo amin’izao rehetra izao. Afaka mahazo antoka àry ianao fa, raha manompo an’Andriamanitra amim-pahatokiana ianao, dia hitahy anao sy hanampy anao handresy ny fahasarotan-kenatrao izy.
Fanontaniana Hiaraha-midinika
◻ Inona marina no atao hoe fahasarotan-kenatra, ary manao ahoana ny fihetsiky ny olona saro-kenatra iray rehefa miaraka amin’olona? Misy maha-marina izany ve eo aminao?
◻ Nahoana ny olona saro-kenatra iray no tsy matoky tena rehefa misy olon-kafa eo?
◻ Amin’ny ahoana no mety haha-maty antoka ny olona iray saro-kenatra?
◻ Inona avy no fomba sasantsasany handresena ny fahasarotan-kenatra? Nisy nandaitra teo aminao ve ny sasany tamin’ireo?
[Teny notsongaina, pejy 121]
Maty antoka ny olona saro-kenatra iray raha ny amin’ny fahazoana namana sy fahafahana azony hararaotina
[Efajoro, pejy 124]
Afaka mandresy ny fahasarotan-kenatra ianao, raha
Maniry hiova ary mino fa tena azo atao tokoa ny miova
Manolo ireo eritreritra tsy manorina amin’ny fanaovana zavatra manorina
Mametra zava-kendrena araka ny tena izy sy misy heviny ho an’ny tenanao
Mahay ny ho tony kokoa sy handresy ny tebiteby
Manao fanazaran-tena mialoha ny amin’ny tarehin-javatra iray
Mahazo fatokian-tena miandalana isaky ny misy fanandraman-javatra mahomby
Mitadidy fa misy fomba fihevitra samy hafa ary koa fa manao diso koa ny hafa
Miezaka mba hanatsara ireo fahaizanao sy hahazo fahaizana vaovao
Manao fiezahana mba haneho fitiavana sy hanampy ny hafa
Miakanjo amim-pahaiza-mifidy tsara ary manao zavatra amim-patokian-tena
Miantehitra amin’ny fanampiana omen’Andriamanitra
Mandray anjara amin’ireo fivoriana kristiana sy ny firesahana amin’ny hafa momba ny zavatra inoanao
[Sary, pejy 123]
Mieritreritra ny olona saro-kenatra fa mihevitra azy ho tsinontsinona ny hafa
[Sary, pejy 125]
Mianara hahay olona — hitsiky, hiarahaba ny hafa ary hiresaka aminy