Inona no Tsy Itovizan’ny Olona Manompo An’i Jehovah sy ny Tsy Manompo Azy?
“Ho hitanareo ... ny tsy fitovian’ny marina sy ny ratsy fanahy.” —MAL. 3:18.
1, 2. Inona no zava-tsarotra atrehin’ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)
MARO ny dokotera sy mpitsabo mpanampy mikarakara olona voan’ny areti-mifindra. Manao an’izany izy ireo satria te hanampy an’ireo olona ireo. Mila miaro ny tenany anefa izy ireo, mba tsy hifindran’ilay aretina. Hoatr’izany koa isika. Miara-mipetraka na miara-miasa amin’ny olona manana toetra sy toe-tsaina tsy tian’Andriamanitra ny ankamaroantsika. Mety hisedra antsika izany.
2 Tsy miraharaha ny fitsipik’Andriamanitra momba ny tsara sy ny ratsy ny ankamaroan’ny olona amin’izao andro farany izao. Nitanisa ny toetra ratsin’izy ireo ny apostoly Paoly rehefa nanoratra ho an’i Timoty. Nilaza izy fa hihabetsaka ny olona ratsy toetra, rehefa mihakaiky ny faran’ity tontolo ity. (Vakio ny 2 Timoty 3:1-5, 13.) Na dia mety hampahatezitra antsika aza ny toe-tsain’izy ireny sy ny zavatra ataony, dia mety hifindra amintsika koa. (Ohab. 13:20) Ho hitantsika ato ny tsy itovizan’ny toetran’ny olona amin’ny andro farany sy ny toetran’ny vahoakan’i Jehovah. Ho hitantsika koa hoe inona no azontsika atao mba tsy hifindra amintsika ny toetra ratsiny rehefa manampy azy ireny hahafantatra an’i Jehovah isika.
3. Toetran’iza ilay resahina ao amin’ny 2 Timoty 3:2-5?
3 Nilaza i Paoly ao amin’ny 2 Timoty 3 fa hisy ‘fotoan-tsarotra tsy mora setraina amin’ny andro farany.’ Nitanisa toetra ratsy 19 hananan’ny olona amin’izany andro izany izy avy eo. Mitovy amin’ny toetra tanisainy ao amin’ny Romanina 1:29-31 ihany ireo toetra ireo, saingy teny tsy hita na aiza na aiza ao amin’ny Soratra Grika Kristianina no nampiasainy rehefa niresaka ny sasany tamin’izy ireo izy. Izao no nanombohany an’ilay fitanisana: “Fa ny olona ho ...” Mety ho lehilahy na vehivavy ilay hoe “olona.” Tsy ny olona rehetra anefa no manana an’ireo toetra noresahin’i Paoly ireo. Hafa mihitsy ny toetran’ny Kristianina.—Vakio ny Malakia 3:18.
AHOANA NO FIHEVERANTSIKA NY TENANTSIKA?
4. Hoatran’ny ahoana izany hoe mieboebo?
4 Rehefa avy nilaza i Paoly hoe ho tia tena sy ho tia vola ny ankamaroan’ny olona, dia nilaza koa izy hoe ho matin-kambo sy hanambony tena ary ho mpieboebo izy ireo. Mieritreritra matetika ny olona manana an’ireo toetra ireo hoe ambony noho ny hafa izy, satria mahay angamba na tsara tarehy na manankarena na manam-pahefana. Te hoderaina sy hohindrahindraina izy. Hoy ny manam-pahaizana iray momba ny olona hoatr’izany: “Hoatran’ny hoe misy alitara kely ao am-pony, dia miankohoka eo izy manompo ny tenany.” Misy milaza fa tena mahatsiravina ny fireharehana matoa ny olona mirehareha aza mba tsy tia olona mirehareha koa.
5. Nahoana no lasa nanambony tena ny mpanompon’i Jehovah sasany?
5 Tsy tian’i Jehovah ny olona mieboebo. Halany ny “maso miandranandrana.” (Ohab. 6:16, 17) Tsy ho lasa naman’i Jehovah mihitsy ny olona manambony tena. (Sal. 10:4) Toetran’ny Devoly izany. (1 Tim. 3:6) Mampalahelo anefa fa nisy mpanompon’i Jehovah lasa nirehareha. Tsy nivadika nandritra ny taona maro, ohatra, i Ozia, mpanjakan’ny Joda. “Raha vao nahery anefa izy, dia nirehareha ny fony, ka nitondra fahavoazana ho an’ny tenany izany. Koa nivadika tamin’i Jehovah Andriamaniny izy, ka niditra tao amin’ny tempolin’i Jehovah mba handoro emboka manitra teo amin’ny alitaran’ny emboka manitra.” Nisy fotoana koa i Hezekia Mpanjaka nirehareha, saingy vetivety izy dia niova.—2 Tan. 26:16; 32:25, 26.
6. Nahoana i Davida no afaka nirehareha? Nahoana anefa izy no tsy nanao an’izany?
6 Lasa mirehareha ny olona sasany satria tsara tarehy, lasa malaza, mahay mitendry zavamaneno, matanjaka be, na lasa manana toerana ambony. Nananan’i Davida daholo ireo, nefa nanetry tena foana izy. Rehefa avy namono an’i Goliata, ohatra, izy, dia nilaza taminy i Saoly Mpanjaka hoe azony alaina ho vadiny ny zanany vavy. Hoy anefa i Davida: “Zinona moa aho, ary inona eto amin’ny Israely moa ny havako sy ny fianakavian-draiko, no ho lasa vinanton’ny mpanjaka aho?” (1 Sam. 18:18) Inona no nanampy an’i Davida hanetry tena foana? Fantany fa matoa izy nanana toetra tsara sy fahaizana ary tombontsoa, dia satria i Jehovah ‘niondrika nijery’ azy, izany hoe nanetry tena ka nanampy azy. (Sal. 113:5-8) Niaiky izy hoe avy amin’i Jehovah ny zavatra tsara rehetra nananany.—Ampitahao amin’ny 1 Korintianina 4:7.
7. Inona no hanampy antsika hanetry tena?
7 Manahaka an’i Davida isika vahoakan’i Jehovah ka miezaka mafy mba hanetry tena. Tena manohina ny fontsika ny hoe i Jehovah no Avo Indrindra eo amin’izao rehetra izao, nefa manetry tena izy. (Sal. 18:35) Miezaka mampihatra an’ity torohevitra ity isika: “Mitafia fitiavana lalina sy fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary fahari-po.” (Kol. 3:12) Fantatsika koa fa ny fitiavana “tsy mirehareha, tsy mieboebo.” (1 Kor. 13:4) Mety ho te hahafantatra an’i Jehovah ny olona rehefa mahita antsika manetry tena. Mety ho voataona hanompo azy mihitsy aza izy, toy ny lehilahy mety ho voataona hanompo an’i Jehovah rehefa mahita ny toetra tsaran’ny vadiny.—1 Pet. 3:1.
MANAO AHOANA NY FIFANDRAISANTSIKA AMIN’NY HAFA?
8. a) Ahoana no fiheveran’ny olona sasany ny hoe mankatò ray aman-dreny? b) Inona no asain’ny Soratra Masina ataon’ny ankizy?
8 Noresahin’i Paoly koa hoe hanao ahoana ny fifandraisan’ny olona amin’ny andro farany. Nilaza izy hoe tsy hankatò ray aman-dreny ny ankizy. Be dia be ny boky sy filma ary fandaharana ao amin’ny tele mampiseho fa tsy maninona izany. Mampirisika ny ankizy tsy hankatò ray aman-dreny mihitsy aza izy ireny indraindray. Mahatonga ny fianakaviana hisara-bazana anefa izany, ka manimba ny fiaraha-monina. Efa ela ny olona no nahafantatra fa misy vokany ratsy eo amin’ny fianakaviana ny tsy fankatoavana ray aman-dreny. Raha nisy olona nikasi-tanana ny ray aman-dreniny, ohatra, tany Gresy fahiny, dia nesorina taminy daholo ny zony amin’ny maha Grika azy. Meloka toy ny mpamono olona koa, araka ny lalàna romanina, ny olona nikasi-tanana ny rainy. Samy mampirisika ny ankizy hanaja ray aman-dreny, na ny Soratra Hebreo na ny Soratra Grika.—Eks. 20:12; Efes. 6:1-3.
9. Inona no hanampy ny tanora hankatò ray aman-dreny?
9 Inona no hanampy ny ankizy hankatò ray aman-dreny na dia tsy manao an’izany aza ny olona manodidina azy? Raha misaintsaina ny zavatra ataon’ny ray aman-dreniny ho azy ny ankizy, dia hankasitraka azy ireo ka te hankatò azy. Mila fantatry ny tanora koa fa i Jehovah, Raintsika rehetra, no mitaky an’izany. Handrisika ny namany hankatò ray aman-dreny ny tanora, raha miresaka zavatra tsara momba ny ray aman-dreniny amin’izy ireo. Mety ho sarotra amin’ny ankizy anefa ny hankatò amin’ny fo, raha tsy tia ny mpianakaviny ny ray aman-dreny. Raha tsapan’ny tanora kosa fa tena tia azy izy ireo, dia hankatò izy na dia sarotra aza izany indraindray. Nilaza i Austin fa tsy dia tia nankatò ny ray aman-dreniny izy taloha. Niova anefa izy. Hitany mantsy fa tsy tafahoatra ny fitsipika napetrak’izy ireo. Nohazavain’izy ireo tsara koa ny anton’ilay izy, ary mora niresahana foana izy mivady. Hoy i Austin: “Nanampy ahy hankatò izany. Tsapako hoe tena tia ahy ry zareo, dia lasa te hampifalifaly an-dry zareo aho.”
10, 11. a) Inona avy ny toetra ratsy ananan’ny olona tsy tia ny hafa? b) Hoatran’ny ahoana ny halehiben’ny fitiavana asehon’ny tena Kristianina?
10 Niresaka toetra ratsy hafa koa i Paoly, ary hita amin’ilay izy hoe tsy mifankatia ny olona. Tsy hisaotra no toetra notononiny taorian’ny hoe “tsy hankatò ray aman-dreny.” Mety tsara izany satria tsy mankasitraka ny soa atao ho azy ny olona tsy mahalala misaotra. Tsy ho mena-mivadika koa ny olona. Tsy ho azo ifanarahana izy ireo, izany hoe tsy te hitandro fihavanana. Ho mpanevateva sy ho mpamadika izy ireo, izany hoe hanaratsy olona sy hanaratsy an’Andriamanitra mihitsy. Ho mpanendrikendrika koa ny olona sasany. Hilaza zavatra tsy marina izy ireo mba hanalana baraka ny hafa.a
11 Tena tsy mitovy amin’ny ankamaroan’ny olona eto amin’ity tontolo ity kosa ny mpanompon’i Jehovah satria tena tia olona. Efa hoatr’izany foana izy ireo hatramin’izay. Nilaza mantsy i Jesosy fa ny fitiava-namana, izay anisan’ny fitiavana agape, no didy lehibe indrindra manarakaraka ny fitiavana an’Andriamanitra. (Mat. 22:38, 39) Nilaza koa izy fa ny fifankatiavana no hahafantarana ny tena Kristianina. (Vakio ny Jaona 13:34, 35.) Na ny fahavalon’izy ireo aza hotiaviny koa.—Mat. 5:43, 44.
12. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tiany ny olona?
12 Nasehon’i Jesosy fa tena tiany ny olona. Nitety tanàna izy mba hitoriana ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Nositraniny ny jamba, ny kilemaina, ny boka, ary ny marenina. Nanangana ny maty koa izy. (Lioka 7:22) Nafoiny ho an’ny olombelona mihitsy aza ny ainy, na dia nankahala azy aza ny maro tamin’izy ireo. Nanahaka ny fitiavana nasehon’ny Rainy izy. Miezaka manahaka an’i Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, ka asehony hoe tiany ny mpiara-belona aminy.
13. Inona no mety ho vokany raha asehontsika hoe tia ny hafa isika? Hazavao.
13 Mety ho te hahafantatra an’ilay Raintsika any an-danitra ny olona, raha hitany hoe be fitiavana isika. Nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra, ohatra, ny lehilahy iray any Tailandy, dia nanohina ny fony ny nahita hoe mifankatia ireo rahalahy sy anabavy. Nangataka hianatra Baiboly indroa isan-kerinandro izy rehefa nody. Nitory tamin’ny havany rehetra izy. Nanana anjara famakiana Baiboly tany am-pivoriana izy, enim-bolana monja taorian’ilay fivoriambe. Ahoana àry no ahalalantsika raha tena tia olona isika? Eritrereto izao: ‘Manao izay azoko atao ve aho mba hanampiana ny fianakaviako, ny fiangonana misy ahy, ary ny olona eny amin’ny faritany? Miezaka manahaka ny fomba fiheveran’i Jehovah ny olona ve aho?’
AMBOADIA SY ZANAK’ONDRY
14, 15. Inona no toetra mitovy amin’ny an’ny biby ananan’ny olona maro? Inona anefa no nataon’ny olona sasany?
14 Misy toetra ratsy hafa koa ananan’ny olona amin’ny andro farany, ka vao mainka izany mandrisika antsika Kristianina tsy hifandray be amin’izy ireo. Tsy ho tia ny tsara ny olona tsy tia an’Andriamanitra. Hankahala ny tsara na hanohitra an’izay rehetra atao hoe tsara izy ireo. Tsy hahafehy tena izy ireo, ary ho masiaka be. Misy koa ho be di-doha, izany hoe tsy hieritreritra tsara alohan’ny hanaovana zavatra sady tsy hiraharaha izay ho vokatry ny ataony.
15 Hoatran’ny toetran’ny biby masiaka ny toetran’ny olona maro taloha, nefa niova izy ireo. Efa nilaza an’izany mialoha ny faminaniana iray ao amin’ny Baiboly. (Vakio ny Isaia 11:6, 7.) Resahiny ao hoe hiaraka tsara ny bibidia sy ny biby fiompy, ohatra hoe ny amboadia sy ny zanak’ondry ary ny liona sy ny zanak’omby. “Ho feno fahalalana an’i Jehovah” mantsy ny tany. (Isaia 11:9) Tsy afaka ny hahalala an’i Jehovah anefa ny biby. Olona àry no tian’io faminaniana io horesahina, izany hoe hiova ny olona sasany ka ho lasa tsara toetra.
16. Inona no manampy ny olona hanova ny toetrany?
16 Maro no nasiaka be hoatran’ny amboadia taloha, nefa lasa mihavana tsara amin’ny olona izao. Misy tantaran’olona hoatr’izany ao amin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Manova Olona ny Baiboly”, ao amin’ny jw.org. Lasa nahalala an’i Jehovah izy ireo ary manompo azy. Niova izy ireo fa tsy hoatran’ny olona sasany, izay jerena toa mpivavaka be, nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany ny maha mpivavaka azy. Toy ny hoe manompo an’Andriamanitra ireny olona ireny, nefa ny toetrany tsy mifanaraka amin’izany. Ireo olona efa niova kosa lasa ‘mitafy ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny tena fahitsiana sy tsy fivadihana.’ (Efes. 4:23, 24) Rehefa mahalala an’i Jehovah ny olona, dia lasa miaiky hoe mila arahina ny fitsipiny. Mandrisika azy hanova ny zavatra inoany sy ny toe-tsainy ary ny toetrany izany. Tsy mora ny manao izany, nefa azo atao tsara. Manampy an’izay tena te hanao ny sitrapon’Andriamanitra mantsy ny fanahiny masina.
“IALAO NY OLONA TOY IRENY”
17. Inona no hanampy antsika tsy ho ratsy toetra hoatran’ny olona eto amin’ity tontolo ity?
17 Vao mainka miharihary hoe tsy mitovy ny olona manompo an’i Jehovah sy ny tsy manompo azy. Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hifindra amintsika ny toetra ratsin’ny olona. Hendry isika satria manaraka an’ilay torohevitr’i Jehovah hoe ialao ny olona manana an’ireo toetra voalazan’ny 2 Timoty 3:2-5. Marina fa tsy afa-miala tanteraka amin’ny olona ratsy toetra isika. Mety ho tsy maintsy miara-miasa na miara-mianatra na miara-mipetraka amin’izy ireny isika. Tsy voatery hanahaka ny toe-tsainy sy ny zavatra ataony anefa isika. Ho vitantsika izany raha miezaka hifandray bebe kokoa amin’i Jehovah isika. Ahoana no hanaovana an’izany? Mianara Baiboly ary miezaha hinamana amin’ireo olona tena tapa-kevitra ny hanompo azy.
18. Ahoana no hanampiantsika ny olona hahalala an’i Jehovah amin’ny alalan’ny zavatra lazaintsika sy ataontsika?
18 Mila miezaka manampy ny olona hahalala an’i Jehovah koa isika. Mitadiava hevitra hitoriana, ary mangataha amin’i Jehovah mba hanampy anao hiteny izay tokony holazaina amin’ny fotoana mety tsara. Ataovy fantatry ny olona hoe Vavolombelon’i Jehovah ianao. I Jehovah amin’izay no hahazo voninahitra noho ny toetra tsaranao, fa tsy ianao. Efa nampianarina “handa izay mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fanirian’izao tontolo izao” isika, ary koa “hisaina tsara sy hanao izay mahitsy ary hahafoy tena ho an’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, eto amin’ity tontolo ankehitriny ity.” (Tit. 2:11-14) Raha manahaka an’i Jehovah isika ka manao izay asainy atao, dia ho voamariky ny olona izany ka mety hilaza mihitsy ry zareo hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay, fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.”—Zak. 8:23.
a Avy amin’ny teny grika hoe diabôlôs ny hoe “mpanendrikendrika” na “mpiampanga.” Anarana iantsoan’ny Baiboly an’i Satana, ilay ratsy fanahy mpanendrikendrika an’Andriamanitra, izy io.