Titosy — ‘Mpiara-miasa ho Fanasoavana Anareo’
NISY zava-nanahirana nipoitra indraindray tao amin’ny kôngregasiôna kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Tsy maintsy nalamina izy ireny, ary nitaky herim-po sy fankatoavana ny fanaovana izany. I Titosy no lehilahy iray niatrika tamim-pahombiazana zava-tsarotra toy izany mihoatra ny iray. Olona iray niara-niasa tamin’ny apostoly Paoly izy ka nanao ezaka tamim-pahatsorana mba hanampiana ny hafa hanao zavatra araka ny fomban’i Jehovah. Nilaza tamin’ireo Kristianina tany Korinto i Paoly, araka izany, fa ‘mpiara-miasa ho fanasoavana azy ireo’ i Titosy. — 2 Kôrintianina 8:23, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara.
Fa iza moa i Titosy? Inona ny anjara asany teo amin’ny fandaminana zava-nanahirana? Ary ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’ny fandinihana ny fitondran-tenany?
Ny raharaha momba ny famorana
Grika tsy voafora i Titosy. (Galatiana 2:3).a Koa satria nantsoin’i Paoly hoe “zanako araka ny finoana iombonantsika” i Titosy, dia mety ho iray tamin’ireo zanak’i Paoly ara-panahy izy. (Titosy 1:4; ampitahao amin’ny 1 Timoty 1:2.) I Titosy dia niaraka tamin’i Paoly sy i Barnabasy ary olon-kafa avy any Antiokia any Syria, rehefa nandeha tany Jerosalema izy ireo, tokony ho tamin’ny 49 am.f.i., mba handinika ilay raharaha mahakasika ny famorana. — Asan’ny Apostoly 15:1, 2; Galatiana 2:1.
Nisy nanipy hevitra fa satria mbola nodinihina tany Jerosalema ny amin’ireo Jentilisa tsy voafora niova finoana, dia nentina tany i Titosy mba hampisehoana hoe afaka nahazo sitraka tamin’Andriamanitra na ny Jiosy na ny tsy Jiosy, ary na voafora na tsia. Ny mpikambana sasany tao amin’ny kôngregasiônan’i Jerosalema, izay Fariseo talohan’ny nanekeny ny Kristianisma, dia niezaka nanaporofo fa tsy maintsy noforana sy nankato ny Lalàna ny Jentilisa niova finoana. Notoherina anefa izany fanaporofoan-kevitra izany. Ny fanerena an’i Titosy sy ny Jentilisa hafa hoforana dia ho nidika ho fandavana ny hoe miankina amin’ny hatsaram-panahin’i Jehovah amin’izay tsy mendrika akory sy ny finoana an’i Jesosy Kristy ny famonjena, fa tsy miankina amin’ny asan’ny Lalàna. Izany koa dia ho nidika ho fandavana ny porofo fa nandray ny fanahy masin’Andriamanitra ny Jentilisa, na ny olona avy amin’ireo firenena. — Asan’ny Apostoly 15:5-12.
Nirahina tany Korinto
Rehefa voalamina ilay ady hevitra mahakasika ny famorana, dia nomena fahefana feno hitory tamin’ireo firenena i Paoly sy i Barnabasy. Niezaka hahatsiaro ny mahantra koa anefa izy mirahalahy, tetsy an-danin’izany. (Galatiana 2:9, 10). Rehefa miresaka indray an’i Titosy ny fitantarana ara-tsindrimandry, tokony ho enin-taona tatỳ aoriana, dia tao Korinto izy. Nirahin’i Paoly handamina famoriam-bola ho an’ny olona masina tokoa mantsy izy tamin’izay. Rehefa nanomboka nanao io asa io anefa izy, dia tojo toe-javatra hafa iray nampisy fihenjanana.
Ahariharin’ny taratasin’i Paoly ho an’ny Korintianina fa ny nanoratany voalohany tamin’izy ireo dia mba ‘tsy hiharoharoan’izy ireo tamin’izay mpijangajanga’. Voatery nilaza tamin’izy ireo izy fa tokony hesorina tsy ho eo anivon’izy ireo ny mpijangajanga tsy nibebaka iray. Eny, nanoratra taratasy mafonja ho azy ireo i Paoly, ary “tamin’ny ranomaso be” no nanaovany izany. (1 Korintiana 5:9-13; 2 Korintiana 2:4). Nandritra izany fotoana izany, dia nirahina nankany Korinto i Titosy mba hanampy teo amin’ny fanaovana ilay famoriam-bola tany, ho an’ireo Kristianina sahirana tany Jodia. Anisan’ny nanirahana azy tany koa angamba ny handinihany ny fihetsiky ny Korintianina nanoloana ilay taratasin’i Paoly. — 2 Korintiana 8:1-6.
Nanao ahoana ny fihetsik’ireo Korintianina teo anoloan’ny torohevitr’i Paoly? Naniry mafy hahafantatra izany i Paoly, ka nety ho nirahiny i Titosy, niainga avy tao Efesosy ary namakivaky ny Ranomasina Égée mba hihazo an’i Korinto. Nasain’i Paoly niverina haingana araka izay azo natao izy mba hanao tatitra ny amin’izany. Raha toa io asa nanirahana azy io ka vita talohan’ny nitsaharan’ny fifamoivoizana an-dranomasina tamin’ny ririnina (tokony ho teo antenatenan’ny Novambra), dia afaka nandeha sambo nankany Troasy i Titosy, na nandeha an-tanety tamin’ilay lalana lavitra kokoa izay nandalo tao Hellespont. Azo inoana fa tonga aloha be tao amin’ilay toerana nifanarahana fa hihaonana tao Troasy i Paoly, satria nandao an’i Efesosy taloha kokoa tsy araka ny nanampoizana azy izy, noho ilay rotaka nataon’ireo mpanefy volafotsy. Taorian’ny tebiteby nahazo an’i Paoly fony izy niandry tao Troasy, dia takany fa tsy ho tonga tamin’ny sambo i Titosy. Nanainga àry i Paoly ka nandeha an-tanety noho ny fanantenana fa hifanena taminy teny an-dalana. Raha vantany vao tonga teo amin’ny tany eoropeanina i Paoly, dia nandeha tamin’ny lalana Via Egnatia, ary tafahaona tamin’i Titosy tany Makedonia izy tamin’ny farany. Nahatsiaro ho maivamaivana sy faly aoka izany i Paoly fa tsara ny vaovao avy tany Korinto. Nandray tsara ny torohevitr’ilay apostoly ilay kôngregasiôna. — 2 Korintiana 2:12, 13; 7:5-7.
Na dia nanahy ny amin’ny fomba handraisana ilay olona nirahiny aza i Paoly, dia nanampy an’i Titosy hanatanteraka ny asa nanirahana azy Andriamanitra. Tamin’ny “fahatahorana sy ny fangovitana” no nandraisana an’i Titosy. (2 Korintiana 7:8-15). Raha ny tenin’ilay mpivaofy teny antsoina hoe W. D. Thomas no ampiasaina, dia “azontsika heverina fa tsy nanatsatso ny herin’ilay fananarana mafy nomen’i Paoly [i Titosy], fa niangavy kosa an’ireo Korintianina tamim-pahakingana sy tamim-pahaiza-nandanjalanja; nanome toky azy ireo izy fa tsy nihevitra afa-tsy izay hahasoa azy ireo ara-panahy i Paoly rehefa niteny toy ireny”. Nandritra izany fotoana izany, dia nanjary tia an’ireo Kristianina korintianina i Titosy noho ny toe-tsaina nankato nasehon’izy ireo sy noho ny fiovana nahasoa nataon’izy ireo. Loharanom-pampaherezana ho azy ny fihetsik’izy ireo mendri-piderana.
Ahoana ny amin’ilay lafin’asa hafa nanirahana an’i Titosy tany Korinto, izany hoe, ilay fandaminana ny famoriam-bola ho an’ny olona masina tany Jodia? Nanatontosa an’io asa io ihany koa i Titosy, araka ny azo tsoahina avy amin’ny fanazavana ao amin’ny 2 Korintiana. Azo inoana fa io taratasy io dia nosoratana tany Makedonia nandritra ny fararanon’ny taona 55 am.f.i., fotoana fohy taorian’ny nihaonan’i Titosy sy i Paoly. Nanoratra i Paoly fa i Titosy, izay nanomboka ilay famoriam-bola, dia nirahina hiverina, niaraka tamin’ny mpanampy roa tsy voatonona anarana, mba hamita azy io. Liana tamim-pahatsorana tamin’ireo Korintianina i Titosy ka tena vonona ny hiverina. Azo inoana fa nitondra ny taratasy faharoa ara-tsindrimandry nosoratan’i Paoly ho an’ny Korintianina i Titosy rehefa nanao ny diany niverina tany Korinto. — 2 Korintiana 8:6, 17, 18, 22.
Tsy vitan’ny hoe olona nahay nandamin-javatra tsara i Titosy fa karazan’olona azo nanankinana asa saro-pady tao anatin’ny toe-javatra sarotra koa. Be herim-po sy matotra ary hentitra izy. Miharihary fa nihevitra an’i Titosy ho afaka niatrika ireo zava-tsarotra nitohy naterak’ireo “Apostoly ambony indrindra” tao Korinto, i Paoly. (2 Korintiana 11:5). Manamafy izany fomba niheverana an’i Titosy izany ny firesahana azy manaraka ao amin’ny Soratra Masina, fony izy notendrena ho amin’ny asa hafa iray izay nitaky ezaka be avy taminy.
Tany amin’ny nosy Kreta
Azo inoana fa nanoratra ho an’i Titosy i Paoly teo anelanelan’ny 61 sy ny 64 am.f.i. Nanompo tany Kreta, nosy iray any Mediterane, i Titosy tamin’izay. Namela azy tany i Paoly mba ‘handaminany izay mbola tsy tanteraka’ sy ‘hanendreny loholona amin’ny isan-tanàna’. Tamin’ny ankapobeny, dia nalaza ho “mpandainga” sy “biby ratsy” ary “kamo be tenda” ny Kretana. Tsy maintsy nanao zavatra tamin-kerim-po sy tamin’ny fomba hentitra indray, araka izany, i Titosy, tany Kreta. (Titosy 1:5, 10-12). Asa tena nitaky fahaiza-nandray andraikitra tokoa izany, satria azo inoana fa izany no hamaritra ny hoavin’ny Kristianisma tao amin’ilay nosy. Teo ambanin’ny tsindrimandry, dia nanampy an’i Titosy i Paoly, tamin’ny famaritana mazava ny zavatra antenaina amin’ireo mety ho tonga mpiandraikitra. Mbola dinihina foana ireo fepetra takina ireo rehefa manendry loholona kristianina.
Tsy lazain’ny Soratra Masina ny fotoana nandaozan’i Titosy an’i Kreta. Elaela ihany no nahatao azy matoa i Paoly nangataka azy hanome izay nilain’i Zena sy i Apolosy, izay nijanona kely tao Kreta, tamin’ny dia iray nataony tamin’ny fotoana tsy voafaritra iray. Tsy nijanona ela be tao amin’ilay nosy anefa i Titosy. Nokasain’i Paoly halefa tany i Artema na i Tykiko, fa i Titosy kosa dia hamonjy ny fotoana nifanaovany tamin’ilay apostoly tany Nikopolia, izay azo inoana fa tanàna nalaza nitondra izany anarana izany, tany avaratrandrefan’i Gresy. — Titosy 3:12, 13.
Miresaka kely farany mahakasika an’i Titosy ny Baiboly, ka avy amin’izany no ahafantarantsika fa mbola nanendry azy ho amin’ny asa hafa iray indray i Paoly. Azo inoana fa tokony ho tamin’ny 65 am.f.i. no nitrangan’izany. Izany dia nitaky ny handehanany tany Dalmatia, izay faritra iray tany atsinanan’ny Ranomasina Adriatika, any Kroasia ankehitriny. (2 Timoty 4:10). Tsy lazaina amintsika izay nataony tany, saingy nisy nanipy hevitra fa nirahina tany mba handamina raharahan’ny kôngregasiôna sy hanao asa misionera izy. Raha izany no izy, dia nitovy tsy nisy valaka tamin’ny fanompoana nataony tany Kreta no nataony tany.
Velom-pankasitrahana tokoa isika manana mpiandraikitra kristianina matotra toa an’i Titosy! Manampy eo amin’ny fiarovana ny fahasalamana ara-panahin’ny kôngregasiôna ny fahatakaran’izy ireny mazava tsara ireo foto-pitsipika araka ny Soratra Masina, sy ny fampiharany amin-kerim-po azy ireny. Aoka isika hanahaka ny finoan’izy ireny ka ho hita ho sahala amin’i Titosy, amin’ny fampandrosoana ny tombontsoa ara-panahin’ireo mpiray finoana amintsika. — Hebreo 13:7.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Milaza ny Galatiana 2:3 fa Grika (Helʹlen) i Titosy. Mety hidika izany fa Grika ny razambeny. Voalaza anefa fa nampiasa ilay endriny milaza maro (Helʹle·nes) ny mpanoratra grika sasany rehefa nanondro olona tsy Grika nefa niteny grika na nanana kolontsaina grika. Mety ho tamin’io heviny io no naha Grika an’i Titosy.
[Sary, pejy 31]
Mpiara-miasa be herim-po ho tombontsoan’ny Kristianina tany Korinto sy tany an-toeran-kafa i Titosy