Ataovy Fomba Fiainanao ny Fampianarana Mahasoa
“Ny fifikirana amin’Andriamanitra dia mahasoa amin’ny zavatra rehetra”. — 1 TIMOTY 4:8, NW.
1, 2. Hatraiza ny olona no manahy ny amin’ny fahasalamany, ary inona no vokany?
HANAIKY tsy misy fihambahambana ny ankamaroan’ny olona fa iray amin’ireo fananana sarobidy indrindra eo amin’ny fiainana ny fahasalamana tsara. Manokana fotoana sy vola tsy toko tsy forohana izy ireo mba hitanana ny tenany ho salama sy mba hahazoana antoka fa hahazo ny fikarakarana ara-pitsaboana araka ny tokony ho izy izy ireo rehefa ilainy izany. Any Etazonia, ohatra, ny vidin’ny fikarakarana ara-pahasalamana isan-taona nandritra ny taona iray, tsy ela izay, dia maherin’ny sivy hetsy tapitrisa dolara. Izany dia mihoatra lavitra ny 3 000 dolara isan-taona ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy tsirairay ao amin’io tany io, ary mitovitovy amin’izany ny vidiny ho an’ny isam-batan’olona any amin’ireo firenena mandroso hafa.
2 Inona no nentin’izany fandaniana fotoana sy hery ary vola rehetra izany? Azo antoka fa tsy hisy handa fa, amin’ny fitambarany, isika dia manana fitaovana fitsaboana sy fandaharana atao mialoha ara-pitsaboana mandroso lavitra noho ny tamin’ny fotoana hafa rehetra teo amin’ny tantara. Izany anefa tsy mitarika avy hatrany ho amin’ny fomba fiaina mahasalama. Raha ny marina, tao amin’ny kabary iray nanome ny ambangovangon’ny fandaharana iray ho fikarakaram-pahasalamana naroso ho an’i Etazonia, dia nampahatsiahivin’ilay prezidàn’io tany io fa, ho fanampin’ny “vidin’ny herisetra mihoa-pampana ao amin’itỳ tany itỳ, dia manana taha ambony kokoa eo amin’ny SIDA, ny fifohana sigara sy ny fisotroana zava-pisotro misy alkaola tafahoatra, ny zatovo bevohoka sy ny zaza tsy ampy lanja eo am-pahaterahana” ireo mponin’i Etazonia noho ny an’ireo firenena mandroso hafa. Inona no fanatsoahan-keviny? “Tsy maintsy manova ireo fombantsika isika raha tena maniry ny ho salama tokoa amin’ny maha-vahoaka.” — Galatiana 6:7, 8.
Fomba fiaina mahasalama
3. Noho ny kolontsaina grika fahiny, dia inona no torohevitra nomen’i Paoly?
3 Tamin’ny taonjato voalohany, ireo Grika dia nalaza noho ny fifikirany tamin’ny fitaizana vatana sy ny fampitomboana bokon’ozatra (body building) ary tamin’ireo fifaninanana amin’ny atletisma. Nahazo tsindrimandry hanoratra toy izao tany amin’i Timoty izay tovolahy, i Paoly, nanohitra izany toe-javatra izany: “Mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny [fifikirana amin’Andriamanitra, NW ] no mahasoa amin’ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.” (1 Timoty 4:8). Araka izany, i Paoly dia nampahatsiahy ilay manjary eken’ny olona ankehitriny, dia ny hoe: Tsy antoka ho an’ny fomba fiaina tena mahasalama ireo fandaharana atao mialoha ara-pitsaboana na ara-batana. Manome toky antsika anefa i Paoly fa zavatra tena ilaina ny fanolokoloana fahasalamana ara-panahy sy ny fambolena fifikirana amin’Andriamanitra.
4. Inona avy no soa entin’ny fifikirana amin’Andriamanitra?
4 Mahasoa “amin’ny fiainana ankehitriny” izany lalana izany satria manome fiarovana amin’ireo zavatra manimba rehetra entin’ny olona amin’ny tenany, dia ireo olona tsy tia an’Andriamanitra sy ireo izay tsy manana afa-tsy “endriky ny [na sarintsarin’ny] fifikirana amin’Andriamanitra”. (2 Timoty 3:5, NW; Ohabolana 23:29, 30; Lioka 15:11-16; 1 Korintiana 6:18; 1 Timoty 6:9, 10). Ireo izay mamela ny fifikirana amin’Andriamanitra hamolavola ny fiainany dia manana fanajana mahasoa an’ireo lalàn’Andriamanitra sy ireo zavatra takiny, ka izany dia manosika azy ireo hanao ny fampianarana mahasoa avy amin’Andriamanitra ho ny fomba fiainan’izy ireo. Mitondra fahasalamana ara-batana sy ara-panahy, ary fahafaham-po sy fahasambarana ho azy ireo izany lalana izany. Ka dia ‘mihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy izy ireo, mba hihazonany ny tena fiainana’. — 1 Timoty 6:19.
5. Fananarana inona avy no nomen’i Paoly ao amin’ny toko faharoa amin’ny taratasiny ho an’i Titosy?
5 Koa satria mitondra fitahiana toy izany ankehitriny sy amin’ny hoavy ny fiainana tarihin’ny fampianarana mahasoa avy amin’Andriamanitra, dia ilaintsika hofantarina, amin’ny teny azo ampiharina, ny fomba azontsika anaovana ny fampianarana mahasoa avy amin’Andriamanitra ho ny fomba fiainantsika. Nomen’ny apostoly Paoly ny valin’izany ao amin’ny taratasiny ho an’i Titosy. Hasiantsika fiheverana manokana ny toko faharoa amin’io boky io. Ao i Paoly dia nananatra an’i Titosy mba tsy hitsahatra ‘hilaza izay mendrika ny fampianarana [mahasoa, NW ]’. Azo antoka fa samy afaka mandray soa avy amin’izany “fampianarana mahasoa” izany daholo isika rehetra, tanora sy antitra, vavy sy lahy, amin’izao andro izao. — Titosy 1:4, 5; 2:1.
Torohevitra ho an’ireo lehilahy zokiolona
6. Torohevitra inona no nomen’i Paoly an’ireo “lehilahy anti-panahy”, ary nahoana ny fanaovana izany no fanehoana hatsaram-panahy avy aminy?
6 Voalohany, dia nanana torohevitra sasany ho an’ireo lehilahy zokiolona tao amin’ny kongregasiona i Paoly. Vakio aza fady ny Titosy 2:2. “Ny lehilahy anti-panahy”, amin’ny maha-antokon’olona azy, dia omena voninahitra sy hajaina ho toy ny ohatra eo amin’ny finoana sy ny tsy fivadihana. (Levitikosy 19:32; Ohabolana 16:31). Noho izany, ny hafa dia mety tsy ho vonona ny hanome torohevitra na fanipazan-kevitra an’ireo lehilahy zokiolona amin’ireo raharaha tsy faran’izay lehibe. (Joba 32:6, 7; 1 Timoty 5:1). Noho izany, dia fanehoana hatsaram-panahy avy tamin’i Paoly ny nitenenany tamin’ireo lehilahy zokiolona aloha, ary ho tsara ny handraisan’izy ireo am-po ny tenin’i Paoly sy ny hahazoany antoka fa mendri-kotahafina sahala amin’i Paoly izy ireo. — 1 Korintiana 11:1; Filipiana 3:17.
7, 8. a) Inona no tafiditra amin’ny hoe ‘mahalala onony eo amin’ny fahazarana’? b) Nahoana no tsy maintsy ampifandanjaina ny hoe “maotona” sy ny hoe “hendry”?
7 Tokony “hahonon-tena [“hahalala onony eo amin’ny fahazarana”, NW ]” voalohany indrindra, ireo lehilahy kristiana zokiolona. Na dia mety hanisy fitenenana ny amin’ny fahazarana misotro aza ilay teny tany am-boalohany (“tsy mamo”, Kingdom Interlinear), izy io dia midika koa hoe miambina, mahataka-javatra, na mitana ny saina ho tony. (2 Timoty 4:5; 1 Petera 1:13). Araka izany, na eo amin’ny fisotroana izany, na eo amin-javatra hafa, dia tsy maintsy mahalala onony ireo lehilahy zokiolona, fa tsy hirona ho amin’ny fanaovan-javatra mihoa-pampana na tafahoatra.
8 Avy eo izy ireo dia tokony ho “maotona” sy ho “hendry” koa. Miaraka amin’ny fahalehibeazana mazàna ny fahamaotinana, na ny maha-mendri-kaja, sy ny maha-mendri-panajana ny tena. Mety hirona ho maotona tafahoatra anefa ny sasany, ka manjary tsy mahay milefitra amin’ireo fomban’ny tanora mampiseho tanjaka. (Ohabolana 20:29). Izany no antony ifandanjan’ny hoe “maotona” amin’ny hoe “hendry”. Mila mitana ny fahamaotinana hifanentana amin’ny fahalehibeazana ireo lehilahy zokiolona, kanefa amin’izay fotoana izay ihany, dia mila ny mahay mandanjalanja, mahafehy tanteraka ny fihetseham-pony sy ny fientanam-pony koa izy ireo.
9. Nahoana ireo lehilahy zokiolona no tsy maintsy matanjaka amin’ny finoana sy ny fitiavana ary indrindra amin’ny fiaretana?
9 Farany, dia tokony “hatanjaka amin’ny finoana, amin’ny fitiavana, amin’ny [ fiaretana, NW ]” ireo lehilahy zokiolona. Ao amin’ireo asa soratra nataony, dia imbetsaka i Paoly no nitanisa ny finoana sy ny fitiavana miaraka amin’ny fanantenana. (1 Korintiana 13:13; 1 Tesaloniana 1:3; 5:8). Eto izy dia nanolo ny “fanantenana” tamin’ny “fiaretana”. Angamba satria afaka maka toerana mora foana miaraka amin’ny fandroson’ny taona ny fihetseham-po manaiky ho resy tsy fidiny. (Mpitoriteny 12:1). Araka ny nampahatsiahivin’i Jesosy anefa, dia “izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena”. (Matio 24:13, NW ). Fanampin’izany, dia ohatra mendrika ho an’ny hafa ireo zokiolona, tsy noho ny taonany na ny fanandraman-javatra hitany fotsiny, fa noho ireo toetrany ara-panahy matanjaka, dia finoana sy fitiavana ary fiaretana.
Ho an’ny vehivavy zokiolona
10. Torohevitra inona no omen’i Paoly ho an’ireo “vehivavy anti-panahy” ao amin’ny kongregasiona?
10 Nitodika tany amin’ireo vehivavy zokiolona tao amin’ny kongregasiona i Paoly nanaraka izany. Vakio aza fady ny Titosy 2:3. “Ny vehivavy anti-panahy” dia ireo mpikambana efa zokinjokiny eo anivon’ireo vehivavy ao amin’ny kongregasiona, tafiditra amin’izany ny vadin’ireo “lehilahy anti-panahy” sy ny reny ary ny reniben’ireo mpikambana hafa. Amin’ny maha-izany azy, dia afaka manana hery fitaomana lehibe ho amin’ny tsara na ho amin’ny ratsy, izy ireo. Izany no antony nampidiran’i Paoly tao amin’ny teniny (ao amin’ny DIEM ) ny hoe “toy izany koa”, izay midika fa ireo “vehivavy anti-panahy” koa dia manana andraikitra sasany tokony hiantsorohany eo amin’ny fiainany mba hanatanterahana ny anjara asany ao amin’ny kongregasiona.
11. Inona no atao hoe fitondran-tena toy izay mendrika ny olona masina?
11 Voalohany dia ‘anaro ny vehivavy anti-panahy hitondra tena toy izay mendrika ny olona masina’, hoy i Paoly. Ny ‘fitondrana tena’ dia fampisehoana etỳ ivelany izay toe-tsaina sy ny maha-izy ny tena ao anaty, toy izay hita taratra eo amin’ny fitondran-tena sy ny fisehoana ivelany. (Matio 12:34, 35). Ahoana àry no tokony ho toe-tsaina na ny maha-izy ny vehivavy kristiana anti-panahy iray? Raha atao bango tokana, dia hoe “toy izay mendrika ny olona masina”. Izy io dia nadika avy tamin’ny teny grika izay midika hoe “izay sahaza indrindra ny olona, na fanaovan-javatra, na zavatra izay natokana ho an’Andriamanitra”. Azo antoka fa torohevitra mifanentana izany raha jerena amin’ny hery fitaomana ananan’izy ireo eo amin’ny hafa, indrindra fa eo amin’ireo vehivavy tanora kokoa ao amin’ny kongregasiona. — 1 Timoty 2:9, 10.
12. Fampiasana ny lela amin’ny fomba ratsy inona no tokony hohalavirin’ny rehetra?
12 Tonga nanaraka izany ny toetra roa tsy manorina: “tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin’ny divay be”. Mahaliana fa nampiarahina ireo toetra roa ireo. “Tamin’ny andro fahiny, fony mbola ny divay ihany no hany zava-pisotro”, hoy ny fanamarihana nataon’ny Profesora E. F. Scott, “dia tany amin’ireo fanasana kely fanaony nisotroana divay, no nifosan’ireo vavy antitra ny mpifanolobodirindrina taminy.” Mazàna dia mihevitra kokoa ny olon-kafa noho ny lehilahy ny vehivavy, ka izany dia mendri-piderana. Kanefa ny fiahiana dia mety hivadika ho resadresa-poana na fanaratsiana mihitsy aza, indrindra fa rehefa vahan’ny zava-pisotro izay ny lela. (Ohabolana 23:33). Azo antoka fa tsaratsara kokoa ho an’izay rehetra mikatsaka fomba fiaina mahasalama, na lahy na vavy, ny mitandrin-tena amin’io fandrika io.
13. Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahan’ny vehivavy zokiolona ho tonga mpampianatra?
13 Mba hampiasana ny fotoana amin’ny fomba manorina, dia ampirisihina ireo vehivavy zokiolona mba “ho mpampianatra ny zavatra tsara”. Any an-toeran-kafa i Paoly dia nanome toromarika mazava tsara fa tsy tokony ho mpampianatra ao anatin’ny kongregasiona ny vehivavy. (1 Korintiana 14:34; 1 Timoty 2:12). Izany anefa tsy misakana azy ireo tsy hizara fahalalana sarobidy momba an’Andriamanitra amin’ny ankohonany sy amin’ny besinimaro. (2 Timoty 1:5; 3:14, 15). Afaka mahavita soa betsaka koa izy ireo amin’ny fahatongavana ho Kristiana fakan-tahaka ho an’ireo vehivavy tanora kokoa ao amin’ny kongregasiona, araka ny asehon’ireo andininy manaraka.
Ho an’ny vehivavy tanora
14. Ahoana no ahafahan’ny vehivavy kristiana tanora kokoa maneho fandanjalanjana eo amin’ny fanatanterahana ny adidiny?
14 Tamin’ny fampirisihana ny vehivavy zokiolona “ho mpampianatra ny zavatra tsara”, dia nanonona manokana ireo vehivavy tanora kokoa i Paoly. Vakio aza fady ny Titosy 2:4, 5. Na dia mifantoka amin’ireo raharaha ao an-trano aza ny maro amin’ilay toromarika, ny vehivavy kristiana tanora kokoa dia tsy tokony hanao zavatra tafahoatra, ka hamela ireo fanahiana ara-nofo hanapaka ny fiainany. Tokony “hahonon-tena, ho madio toe-panahy, (...) ho tsara fanahy” kosa izy ireo, ary ambonin’ny zava-drehetra, dia tokony ho vonona hanohana ny fandaharana kristiana momba izay lohany izy, “mba tsy hitenenana ratsy ny tenin’Andriamanitra”.
15. Nahoana no tokony hoderaina ny vehivavy tanora kokoa maro ao amin’ny kongregasiona?
15 Niova be tsy toy izay nisy tamin’ny andron’i Paoly ny sehatry ny fianakaviana amin’izao andro izao. Fianakaviana maro no voazarazara eo amin’ny finoana, ary ny hafa dia tsy misy afa-tsy ray na reny ihany. Na dia eo amin’ireo fianakaviana lazaina fa mitana ny nentin-drazana aza, dia miha-tsy fahita hatrany ny hoe mpikarakara tokantrano manontolo andro ny vehivavy manambady na reny. Izany rehetra izany dia mametraka fanerena sy andraikitra izaitsizy eo amin’ireo vehivavy tanora kristiana. Kanefa izany dia tsy manafaka azy amin’ireo adidiny araka ny Soratra Masina. Fahafinaretana lehibe, noho izany, ny mahita vehivavy tanora mahatoky maro miezaka mafy mba hampifandanja ireo adidiny maro ary mbola afaka ihany mametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany, ka ny sasany aza dia ao amin’ny fanompoana manontolo andro mihitsy amin’ny maha-mpisava lalana mpanampy na maharitra. (Matio 6:33, NW ). Tokony hoderaina tokoa izy ireo!
Ho an’ireo lehilahy tanora
16. Torohevitra inona no nomen’i Paoly an’ireo lehilahy tanora kokoa, ary nahoana izany no tonga amin’ny fotoana ilana azy?
16 Tonga eo amin’ireo lehilahy tanora kokoa, anisan’izany i Titosy, amin’izay i Paoly. Vakio aza fady ny Titosy 2:6-8. Noho ireo fomban’ny tanora maro ankehitriny tsy misy fahatsapana andraikitra sy manimba — fifohana sigara, fidorohana zava-mahadomelina sy ny zava-pisotro misy alkaola, firaisana tsy ara-dalàna, mbamin’ny fikatsahan-javatra hafa eo amin’izao tontolo izao, toy ny fanatanjahan-tena tsy voafehy ary ny mozika sy ny fialam-boly mampietry — dia tsy azo lavina fa torohevitra tonga amin’ny fotoana ilana azy izany, ho an’ireo tanora kristiana izay maniry hanaraka fomba fiaina iray mahasalama sy mahafa-po.
17. Ahoana no ahafahan’ny lehilahy tanora kokoa iray hanjary “hahonon-tena” sy ho ohatra amin’ny “asa tsara”?
17 Mifanohitra amin’ireo tanora eo amin’izao tontolo izao, ny lehilahy tanora kristiana iray dia tokony “hahonon-tena” sy “ho fianarana ny asa tsara”. Nohazavain’i Paoly fa ny fahononan-tena sy ny saina matotra dia tsy azon’ireo izay mianatra fotsiny, fa azon’ireo izay “manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy” kosa. (Hebreo 5:14). Mahafinaritra toy inona moa ny mahita tanora manolotra an-tsitrapo ny fotoany sy ny heriny mba handraisana anjara feno amin’ireo adidy maro ao amin’ny kongregasiona kristiana, fa tsy mandanilany foana ny tanjaky ny fahatanorany amin’ny fikatsahan-javatra mampiseho fitiavan-tena! Amin’ny fanaovana izany izy ireo dia afaka ny ho tonga ohatra amin’ny “asa tsara” ao amin’ny kongregasiona kristiana, sahala amin’i Titosy. — 1 Timoty 4:12.
18. Inona no atao hoe tsy misy faharatsiana amin’ny fampianarana, maotona amin’ny atao, tsy misy kilema amin’ny teny?
18 Ampahatsiahivina ireo lehilahy tanora kokoa fa izy ireo dia tokony ‘haneho ny tsy faharatsiana amin’ny fampianarany, ny fahamaotinana, ny teny tsy misy kilema, izay tsy azo tsinina’. Ny fampianarana izay ‘tsy misy faharatsiana’ dia tsy maintsy miorina mafy amin’ny Tenin’Andriamanitra; noho izany, dia tsy maintsy mpianatra ny Baiboly amim-paharisihana ireo lehilahy tanora kokoa. Sahala amin’ireo lehilahy zokiolona, dia tokony ho maotona koa ireo lehilahy tanora kokoa. Ilain’izy ireo ny miaiky fa andraikitra lehibe ny maha-mpitory ny Tenin’Andriamanitra, ka noho izany dia tsy maintsy manana ‘fitondran-tena mendrika ny filazantsara’ izy ireo. (Filipiana 1:27). Toy izany koa, ny tenin’izy ireo dia tsy maintsy “tsy misy kilema” ka tsy ho “azo tsinina” mba tsy hanomezana an’ireo mpanohitra antony itarainana. — 2 Korintiana 6:3; 1 Petera 2:12, 15.
Ho an’ny andevo sy ny mpanompo
19, 20. Ahoana no azon’ireo izay miasa amin’olon-kafa atao mba “hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika”?
19 Farany i Paoly dia nitodika tany amin’ireo izay miasa amin’olon-kafa. Vakio aza fady ny Titosy 2:9, 10. Tsy maro amintsika amin’izao andro izao no andevo na mpanompo, kanefa dia maro no mpiasa izay manao asa ho an’ny hafa. Araka izany, dia mihatra tsara amin’izao andro izao koa ireo fotopoto-pitsipika notanisain’i Paoly.
20 Ny hoe “hanaiky ny tompony ka hanao izay sitrapony amin’ny zavatra rehetra” dia midika fa ireo mpiasa kristiana dia tsy maintsy maneho fanajana marina an’ireo mpampiasa azy sy ireo mpanara-maso ny asany. (Kolosiana 3:22). Tsy maintsy malaza koa ho mpiasa manao ny marina izy ireo, miasa amin’ny fomba feno mandritra ny andro iray araka izay tokony homena ny mpampiasa. Ary tsy maintsy mitana ilay fari-pitsipika ambony eo amin’ny fitondran-tena kristiana izy ireo any amin’ny toeram-piasany, na toy inona na toy inona fihetsiky ny hafa any. Izany rehetra izany dia “mba hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin’ny zavatra rehetra”. Impiry impiry moa isika no mandre ny amin’ireo vokatra mahafaly rehefa manaiky ny fahamarinana ireo mpandinika tso-po noho ny fitondran-tena tsara dia tsaran’ireo Vavolombelona mpiara-miasa na mpiasany! Izany dia valisoa izay omen’i Jehovah an’ireo izay manaraka ny fampianarany mahasoa na dia any amin’ny toeram-piasany aza. — Efesiana 6:7, 8.
Vahoaka voadio
21. Nahoana no nomen’i Jehovah ilay fampianarana mahasoa, ary ahoana no tokony handraisantsika azy io?
21 Ilay fampianarana mahasoa izay nohazavain’i Paoly tamin’ny an-tsipiriany dia tsy fehezan-dalàna sasany momba ny fotopoto-pitsipika na fari-pitsipika ara-pitondran-tena fotsiny izay azontsika zahana rehefa irintsika. Nanohy nanazava ny zava-kendren’izy io i Paoly. Vakio aza fady ny Titosy 2:11, 12. Noho ny fitiavany antsika sy ny hatsaram-panahiny ho antsika tsy mendrika akory, dia nanome ilay fampianarana mahasoa i Jehovah Andriamanitra mba hahafahantsika hianatra ny hanana fiainana misy zava-kendrena sy mahafa-po amin’izao andro sarotra setraina sy mampidi-doza izao. Vonona ny hanaiky sy hanao ilay fampianarana mahasoa ho ny fomba fiainanao ve ianao? Hidika ho famonjena anao ny fanaovanao izany.
22, 23. Fitahiana inona avy no jinjaintsika amin’ny fanaovana ilay fampianarana mahasoa ho ny fomba fiainantsika?
22 Ambonin’izany, ny fanaovanao ilay fampianarana mahasoa ho ny fomba fiainanao dia mitondra ho anao tombontsoa tsy manam-paharoa dieny izao sy fanantenana sambatra amin’ny hoavy. Vakio aza fady ny Titosy 2:13, 14. Tsy azo lavina fa ny fanaovana ilay fampianarana mahasoa ho ny fomba fiainantsika dia mametraka antsika ho tafasaraka amin’izao tontolo izao simba sy miala aina, amin’ny maha-vahoaka voadio antsika. Ireo tenin’i Paoly dia mifanitsy amin’ireo fampahatsiarovan’i Mosesy ny zanak’Isiraely teo Sinay nanao hoe: ‘Ary Jehovah kosa (...) hanandratra anao ho ambonin’ny firenena rehetra izay nataony, ho fiderana sy ho anarana ary ho voninahitra; ary mba ho firenena masina ho an’i Jehovah Andriamanitrao ianao, araka izay nolazainy.’ — Deoteronomia 26:18, 19.
23 Enga anie isika hihevitra ho sarobidy mandrakariva ilay tombontsoa ho anisan’ny vahoakan’i Jehovah voadio, amin’ny fanaovana ilay fampianarana mahasoa ho ny fomba fiainantsika! Aoka ianao ho mailo foana mba hanilika izay mety ho endriky ny tsy fitiavana an’Andriamanitra sy izay mety ho faniriana araka an’izao tontolo izao, ka amin’izany dia hitoetra ho voadio sy salama ka ho mendrika ny hampiasain’i Jehovah amin’ilay asa lehibe ampanaoviny amin’izao andro izao. — Kolosiana 1:10.
Tadidinao Ve?
◻ Nahoana ny fifikirana amin’Andriamanitra no mahasoa amin’ny zavatra rehetra?
◻ Ahoana no ahafahan’ny lehilahy sy ny vehivavy kristiana zokiolona manaraka ilay fampianarana mahasoa ho fomba fiaina?
◻ Fampianarana mahasoa inona no nomen’i Paoly an’ireo lehilahy sy vehivavy tanora kokoa ao amin’ny kongregasiona?
◻ Tombontsoa sy fitahiana inona avy no mety ho azontsika raha manao ilay fampianarana mahasoa ho ny fomba fiainantsika isika?
[Sary, pejy 18]
Maro ankehitriny no mampihatra ilay torohevitra ao amin’ny Titosy 2:2-4