Jehovah no mpanampy ahy
“Ka dia sahy manao hoe isika: ‘Jehovah no Mpamonjy [mpanampy, MN ] ahy, ka tsy hatahotra aho; inona no azon’ny olona atao amiko?’” — HEBREO 13:6.
1, 2. a) Samy naneho fatokiana an’i Jehovah nanao ahoana ny mpanao salamo sy ny apostoly Paoly? b) Fanontaniana inona no mipoitra?
LOHARANOM-PANAMPIANA tsy mety ritra Jehovah Andriamanitra. Nahalala izany noho ny fanandraman-javatra hitany ny mpanao salamo ka afaka nilaza hoe: “Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ny olona atao amiko?” (Salamo 118:6). Fihetseham-po sahala amin’izany no nasehon’ny apostoly Paoly rehefa nanoratra ny taratasiny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ho an’ny kristiana hebreo izy.
2 Miharihary fa nanonona ny tenin’ny mpanao salamo avy ao amin’ny soratra grikan’ny Septante i Paoly rehefa nilaza tamin’ireo namany hebreo hoe: “Ka dia sahy manao hoe isika: ‘Jehovah no Mpamonjy [mpanampy, MN ] ahy, ka tsy hatahotra aho; inona no azon’ny olona atao amiko?’” (Hebreo 13:6). Nahoana no nanoratra toy izany ilay apostoly? Inona no azontsika ianarana avy amin’ny teny manodidina an’izany?
Ilaina ny fanampian’i Jehovah
3. a) Tamin’ny toe-javatra nanao ahoana no noporofoin’i Jehovah fa mpanampy an’i Paoly izy? b) Nahoana no nila manokana an’i Jehovah ho mpanampy azy ireo kristiana hebreo?
3 Paoly dia vavolombelona nahafoy tena izay nahazo porofo fa Jehovah no Mpanampy azy. Nanampy ilay apostoly hiatrika zava-tsarotra maro Andriamanitra. Natao an-tranomaizina, nokapohina ary notoraham-bato i Paoly. Tamin’ireo dia nataony tamin’ny naha-minisitra kristiana, dia efa vaky sambo izy ary nahita loza maro hafa koa. Fantany tsara ny asa mafy, ny alina tsy nahitan-tory, ny hanoanana, ny hetaheta, ary na dia ny fitanjahana mihitsy aza. “Afa-tsy ireo zavatra ivelany, hoy izy, dia mbola misy koa izay mahazo ahy isan’andro, dia ny fiahiana ny fiangonana rehetra.” (2 Korintiana 11:24-29). Nanana izany karazam-piahiana ireo kristiana hebreo izany i Paoly. Kely sisa ny andron’i Jerosalema, ary hiatrika fitsapana lehibe ny finoan’ireo Jiosy rahalahy sy anabavin’ilay apostoly tany Jodia (Daniela 9:24-27; Lioka 21:5-24). Noho izany dia hila an’i Jehovah ho Mpanampy azy izy ireo.
4. Fananarana tena lehibe inona no aseho ombieny ombieny ao amin’ny taratasy ho an’ny Hebreo?
4 Teo am-panombohana ny taratasiny ho an’ny kristiana hebreo, dia nasehon’i Paoly fa tsy hahazo ny fanampian’Andriamanitra izy ireo raha tsy mihaino an’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra (Hebreo 1:1, 2). Novelabelarina ao amin’ilay taratasy io hevitra io. Mba hanamafisana an’io torohevitra io, ohatra, dia nampahatsiahivin’ilay apostoly ny mpamaky azy fa nofaizina ireo Isiraelita tany an’efitra noho ny tsy fankatoavany. Vao mainka tsy ho afaka handositra ny famaizana ireo kristiana hebreo raha mandà izay lazain’Andriamanitra aminy amin’ny alalan’i Jesosy ka ho tonga mpivadi-pinoana amin’ny fifikirana hatrany ihany amin’ny Lalàn’i Mosesy izay nailiky ny soron’i Kristy! − Hebreo 12:24-27.
Ny fitiavan-drahalahy aseho amin’ny asa
5. a) Torohevitra hafa inona no omen’ny taratasy ho an’ny Hebreo? b) Inona no nolazain’i Paoly mikasika ny fitiavana?
5 Nanome torohevitra ho an’ireo ho tonga mpandova ny Fanjakana any an-danitra ny taratasy ho an’ny Hebreo ny amin’ny fomba hanarahan’izy ireo ny Môdeliny, dia i Jesosy Kristy, sy ny fomba ‘hanaovany izay fanompoana [masina, MN ] sitrak’Andriamanitra amin’ny fanajana sy ny fahatahorana’ ary ny hananany an’i Jehovah ho Mpanampy azy (Hebreo 12:1-4, 28, 29). Nampirisihin’i Paoly ireo namany mpino hivory tsy tapaka ary ‘hifampandroso amin’ny fitiavana sy ny asa tsara.’ (Hebreo 10:24, 25.) Avy eo, dia nanoro hevitra toy izao izy: “Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy.” — Hebreo 13:1.
6. Tamin’ny heviny ahoana no nanomezan’i Jesosy ny mpianany “didy vaovao” ny amin’ny fitiavana?
6 Nitaky fitiavana toy izany avy tamin’ny mpianany i Jesosy, satria hoy izy hoe: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:34, 35). “Didy vaovao” izany satria nitaky zavatra bebe kokoa noho izay nataon’ny Lalàn’i Mosesy manao hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” (Lévitique 19:18). Be lavitra noho ny fitiavana ny namana tahaka ny tena no takin’ny “didy vaovao”. Mitaky fitiavana feno fahafoizan-tena mety ho tonga hatramin’ny fanomezana ny ain’ny tena ho an’ny hafa mihitsy aza izany. Ohatra ny amin’izany karazam-pitiavana izany ny fiainana sy ny fahafatesan’i Jesosy. Niresaka ny amin’io marika mampiavaka io i Tertullien rehefa nanonona ny fanamarihana nataon’olona teo amin’izao tontolo izao mikasika ny kristiana nanao hoe: “Jereo, hoy izy, toy inona ny fifankatiavan’izy samy izy (...) ary hatraiza ny fahavononany ho faty ho an’ny hafa.” — Apologétique, toko faha 39, 7.
7. Tamin’ny fomba ahoana no nihariharian’ny fitiavan-drahalahy taorian’ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir.?
7 Niharihary teo amin’ireo mpianatr’i Jesosy ny fitiavan-drahalahy taorian’ny Pentekosta taona 33. Tamin’izany no nahafahan’ny mpino vao vita batisa maro avy lavitra nanalava ny fivahiniany tao Jerosalema mba hianarana bebe kokoa ny amin’ny fandaharam-pamonjena nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy, “ary izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra, ary namidiny ny taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin’izy rehetra araka izay nilainy avy.” — Asa. 2:43-47; 4:32-37.
8. Inona no porofo fa misy amin’izao androntsika izao eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitiavan-drahalahy?
8 Misy eo amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah ny fitiavan-drahalahy toy izany amin’izao androntsika izao. Taorian’ny Ady Lehibe faharoa, ohatra, ny fitiavana toy izany dia nanosika ny vahoakan’Andriamanitra hanatanteraka asa fanampiana ny tra-boina nandritra ny roa taona sy tapany. Nisy Vavolombelona tany Kanada, tany Soeda, Soisa sy Etazonia ary tany amin’ny tany hafa koa nanome fitafiana sy vola hividianan-kanina ho an’ireo namany mpino tany amin’ny tany nisy ady toa an’i Aotrisy, Belzika, Bolgaria, Sina, Tsekôslôvakia, Danemarka, Angletera, Finlanda, Frantsa, Alemaina, Grisia, Hongria, Italia, Pays-bas, Nôrvezy, Filipina, Pôlôna ary Romania. Ohatra iray monja izany, satria nampiseho fitiavana toy izany vao haingana kokoa ny mpanompon’Andriamanitra tamin’ireo niharan-doza noho ny horohorontany tany Peroa sy Meksika, noho ny rivo-doza tany Jamaìka, ary noho ny loza mitovy amin’izany tany an-toeran-kafa. Tamin’izany fomba izany sy tamin’ny maro hafa koa, dia namela ‘ny fitiavana ny rahalahy haharitra’ ny vahoakan’i Jehovah.
Aoka isika haneho fitiavana mandray vahiny
9. a) Toetra araka an’Andriamanitra inona no voatonona ao amin’ny Hebreo 13:2? b) Tamin’ny ahoana no hoe “nampiantrano anjely ny sasany” nefa tsy nahafantatra?
9 Notononin’i Paoly avy eo ny toetra tsara hafa iray asehon’ireo manara-dia an’i Kristy “manao izay fanompoana sitrak’Andriamanitra amin’ny fanajana sy ny fahatahorana”, ary manana an’i Jehovah ho Mpanampy azy. Nampirisika toy izao izy: “Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin’izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany.” (Hebreo 13:2). Iza no “nampiantrano anjely” nefa tsy nahafantatra? Nampiantrano anjely telo i Abrahama patriarka (Genesisy 18:1-22). Nankany Sodoma ny roa taminy, ary nanasa ireo olon-tsy fantatra ireo hiantrano tao aminy i Lota, zana-drahalahin’i Abrahama. Raha mbola tsy natory akory izy ireo, dia nohodidinin’ny vahoaka nikotaba “hatramin’ny tanora ka hatramin’ny antitra [anti-dahy, MN ]” ny tranon’i Lota. Nangatahin’izy ireo i Lota hanolotra ny vahiny mba hananany firaisana maloto aminy, nefa nanda tamin’ny fomba hentitra i Lota. Na dia tsy nahafantatra izany hatramin’ny voalohany aza i Lota, dia nampiantrano anjely izay nanampy azy sy ny zanany vavy handositra ny fahafatesana fony ‘Jehovah nandatsaka tamin’i Sodoma sy Gomora solifara sy afo avy tany an-danitra’. — Genesisy 19:1-26.
10. Fitahiana inona no ifalian’ireo kristiana tia mampiantrano vahiny?
10 Mifaly amin’ny fitahiana maro ireo kristiana tia mampiantrano vahiny. Mandre fitantarana mampitombo fahalalana avy amin’ireo vahininy izy ary mandray soa avy amin’ny fiarahana ara-panahy tsara aminy. Sahala amin’ny maro amin’ny vahoakan’i Jehovah izay mampiantrano mpiandraikitra mpitety faritany amin’izao fotoana izao, i Gaio dia noderaina noho ny nandraisany tsara mpiray finoana, “na dia vahiny aza izy” (3 Jaona 1, 5-8). Toetra ilaina mba hahavoatendry ho loholona ny fitiavana mampiantrano vahiny (1 Timoty 3:2; Titosy 1:7, 8). Tsara homarihina koa fa nampanantena fitahiana avy amin’ilay Fanjakana i Jesosy ho an’ireo olona toy ny “ondry” izay nanao soa tamin’ny ‘rahalahiny’ voahosotra tamin’ny fampiantranoana azy. — Matio 25:34-40.
Aoka hotsarovantsika ireo enjehina
11. Nahoana no tamin’ny nilana azy ny torohevitra ao amin’ny Hebreo 13:3?
11 Izay maniry hahazo ny fanampian’i Jehovah sy ‘hanao izay fanompoana masina sitrak’Andriamanitra amin’ny fanajana sy fahatahorana’ dia tsy tokony hanadino ireo mpiray finoana aminy izay mijaly. Takatr’i Paoly ny zava-tsarotra niaretan’ireo kristiana nentina tamin’ny fomba ratsy. Fotoana fohy talohan’izay, dia niparitaka noho ny fanenjehana ireo mpianatra, ary vao avy nivoaka ny tranomaizina i Timoty mpiara-miasa taminy (Hebreo 13:23; Asa 11:19-21). Nisy misionera kristiana nitety tany koa mba hanorina kongregasiona vaovao na hanatanjaka ara-panahy izay efa nisy. Koa satria maro tamin’ny rahalahy sy anabavy nandehandeha tamin’izany no tsy Jiosy, dia nety ho tsy ampy fiheverana azy ireny loatra ny kristiana hebreo sasany. Tena tao amin’ny nilana azy tamin’izay ny torohevitra manao hoe: “Tsarovy izay mifatotra, ho toy ny miara-mifatotra aminy hianareo, ary izay ampahorina, satria mbola eo amin’ny tena koa hianareo.” — Hebreo 13:3.
12. Ahoana no azontsika ampiharana ny torohevitra mba hahatsiaro ireo mpiray finoana iharan’ny fitondrana ratsy?
12 “Niara-niaritra [naneho fangoraham-po, MN ] tamin’izay nifatotra” ireo Hebreo, nefa tsy tokony ho nohadinoiny ny mpiara-manompo nahatoky toy izany, na Jiosy izy ireny na Jentilisa (Hebreo 10:34). Fa ahoana ny amintsika? Ahoana no ahafahantsika maneho fa mahatsiaro ireo kristiana atao ratsy fitondra isika? Amin’ny toe-javatra sasany, dia mety ho antsika angamba ny mandefa fitarainana an-tsoratra any amin’ireo manam-pahefana ao amin’ny fitondram-panjakana mba hitondrana fanampiana ny mpiray finoana natao an-tranomaizina noho ny finoany any amin’ny tany izay andrarana ny asa fitoriana ilay Fanjakana. Tokony hahatsiaro azy ireny manokana ao amin’ny vavaka ataontsika isika, amin’ny fanononana mihitsy ny anarany aza, raha azo atao. Manohina ny fontsika tokoa ny fanenjehana azy ireny, ary ren’i Jehovah ny fangatahana amim-pahatsorana ataontsika ho azy (Salamo 65:2; Efesiana 6:17-20). Na dia tsy miray efitra aminy any amin’ny tranomaizina aza isika, dia toy ny hoe miara-mifatotra aminy ka afaka mitondra fanampiana sy fampaherezana ho azy. Azo antoka fa miaraka ory amin’ireo voahosotra hafa entina amin’ny fomba ratsy ny kristiana nateraky ny fanahy (Jereo 1 Korintiana 12:19-26.) Maneho fiahiana mitovy amin’izany koa izy amin’ireo namany manana fanantenana ho eto an-tany izay enjehina sy mijaly noho izao karazana fitondrana ratsy rehetra izao avy amin’ny mpanenjika. Ny fihetseham-po amin’ny namana toy izany dia tena mety satria mbola manana vatan’olombelona ihany isika rehetra ary mety hiharan’ny fijaliana sy fanenjehana amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah. — 1 Petera 5:6-11.
Tokony ho mendri-kaja ny fanambadiana
13. Amin’ny votoatiny, inona no nolazain’i Paoly ao amin’ny Hebreo 13:4?
13 Tsy maintsy misy heriny eo amin’ny fiheverantsika ny hafa amin’ny lafiny maro ny fanarahana ny ohatr’i Kristy sy ny ‘fanaovana izay fanompoana masina sitrak’Andriamanitra amin’ny fanajana sy ny fahatahorana’. Rehefa avy nilaza i Paoly hoe “satria mbola eo amin’ny tena koa hianareo”, dia nanonona ny fifandraisana misy lafiny ara-batana, na ara-nofo, izay manome fahafahana hampiseho fanajana manokana ny hafa izy (Hebreo 13:3). Nanome izao fampirisihana izao ho an’ny kristiana Hebreo izy: “Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana: fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra.” (Hebreo 13:4). Tena tamin’ny nilana azy indrindra izany torohevitra izany, satria fahita teo amin’ny Empira romana ny fahalotoam-pitondrantena. Mila mitandrina ireo teny ireo ny kristiana amin’izao andro izao rehefa jerena ny fari-pitondrantena ambany ananan’izao tontolo izao sy ny fisian’ny voaroaka an’arivony maro avy amin’ny kongregasiona noho ny fahalotoam-pitondrantena.
14. Nahoana no milaza ianao fa mendri-kaja ny fanambadiana?
14 Anisan’ireo tsy nihevitra ny fanambadiana ho mendri-kaja ny Eseniana tamin’ny andron’i Paoly. Mpitovo izy ireny mazàna, toy ny sasany anisan’ny klerjy ankehitriny, izay mihevitra amin’ny fomba diso fa masina kokoa noho ny fanambadiana ny fitoerana ho mpitovo. Tamin’izay nolazain’i Paoly tamin’ireo kristiana hebreo anefa, dia nasehony mazava fa mendri-kaja ny fanambadiana. Niharihary ny fiheverana ambony ny amin’izany rehefa nilaza izao firarian-tsoa izao tamin’ireo vinantovaviny mpitondratena i Naomy: “Homen’i Jehovah tokan-trano anie hianareo ka hahita fiadanana amin’izay tranon’ny vadinareo avy.” (Rota 1:9). Ankoatra izany, ny tenan’i Paoly mihitsy no nampiseho fa ‘amin’ny andro aoriana dia hihemotra amin’ny finoana ny sasany, izay mandrara tsy hanam-bady’. — 1 Timoty 4:1-5.
15. Iza no tondroina amin’ny hoe mpijangajanga sy mpanitsakitsa-bady ao amin’ny Hebreo 13:4, ary ahoana no hitsaran’Andriamanitra azy ireny?
15 Fantatr’ireo Hebreo teo ambanin’ny Lalàna fahiny, nefa voaray ao amin’ny fanekena vaovao ilay didy manao hoe: “Aza mijangajanga.” (Eksodosy 20:14). Teo anivon’izao tontolo izao maloto fitondrantena anefa izy ireo, ary nila ny fampitandremana hoe: “Aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona [mpanitsakitsa-bady, MN ] dia hohelohin’Andriamanitra.” Anisan’ny mpijangajanga ny olona tsy mpivady izay miditra amin’ny fananana firaisan’ny lahy sy ny vavy. Mpanitsakitsa-bady indrindra ny olona manambady izay manana firaisana amin’olona tsy vadiny ka mandoto amin’izany ny fandrian’ny fanambadian’ny tenany. Koa satria mendrika ny fanamelohan’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpanitsakitsa-bady tsy mibebaka, dia tsy ho tafiditra ao amin’i Jerosalema vaovao any an-danitra mihitsy izy ireo, ary tsy hifaly amin’ny fiainana mandrakizay eto an-tany eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana (Apokalypsy 21:1, 2, 8; 1 Korintiana 6:9, 10). Io fampitandremana tsy handoto ny fandriana io koa dia tokony hahatonga ny kristiana manambady tsy hampiasa fanao maloto eo amin’ny lahy sy ny vavy amin’ny vadiny, na dia tsy misy na inona na inona maloto aza amin’ny firaisana ara-nofo ara-dalàna ao anatin’ny fanambadiana. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 septambra 1983, pejy faha 27 ka hatramin’ny faha 31.
Aoka isika hianina amin’izay ananantsika
16, 17. Inona no voalaza ao amin’ny Hebreo 13:5, ary nahoana no nila izany torohevitra izany ireo Hebreo?
16 Raha manaraka ilay Môdelintsika isika ary ‘manao fanompoana masina sitrak’Andriamanitra amin’ny fanajana sy ny fahatahorana’, matoky fa Jehovah no Mpanampy antsika, dia hahita fianinana isika. Mety ho fakam-panahy aoka izany ny fahatafidirana lalina ao amin’ny fikatsahana zavatra ara-nofo. Tsy tokony ho latsaka amin’izany anefa ny kristiana. Nilazana toy izay ny Hebreo: “Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy Izy: ‘Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory’.” (Hebreo 13:5). Nahoana no nila an’io torohevitra io ireo Hebreo?
17 Nanahy tafahoatra ny amin’ny vola angamba ireo Hebreo satria tadidin’izy ireo ny “mosary be” tamin’ny andro nanjakan’i Klaodio Kaisara (41-54 am.fan.ir.). Mafy aoka izany io mosary io ka nahatonga ny kristiana avy tany an-toeran-kafa handefa fanampiana ara-tsakafo ho an’ireo rahalahiny tany Jodia (Asan’ny apostoly 11:28, 29). Araka ny filazan’ilay mpanoratra tantara jiosy atao hoe Joseph, dia naharitra telo taona na mihoatra aza ny mosary ka niteraka fahantrana nampahory tany Jodia sy Jerosalema. — Tantara tranainin’ny Jiosy boky faha 20, toko faha 2, fehintsoratra faha 6; toko faha 3, fehintsoratra 1.
18. Manome fianarana inona ho antsika ny torohevitra ao amin’ny Hebreo 13:5?
18 Misy fianarana ho antsika ve eo? Eny, satria na toy inona na toy inona fahantrantsika, dia tsy tokony ho tia vola isika na hanahy be loatra ny amin’izany. Toy izay ho be fanahiana ny amin’ny tsy hananana ahiahy ara-nofo, mety ho tonga hatramin’ny fitsiriritana mihitsy aza, dia tokony ‘hianina amin’izay ananantsika isika’. Nilaza i Jesosy hoe: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany [ny an’Andriamanitra], dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” (Matio 6:25-34). Nasehony koa fa tokony hiezaka ny ‘hanan-karena ny amin’Andriamanitra’ isika, satria ‘ny aintsika tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananantsika’. (Lioka 12:13-21.) Raha mandrahona ny fiainantsika ara-panahy ny fitiavam-bola, dia aoka isika hanaraka ny torohevitra nomen’i Paoly ny Hebreo ary hahatsiaro koa fa “misy tombony lehibe” ny “toe-panahy araka an’Andriamanitra omban’ny fianinana”. — 1 Timoty 6:6-8.
Matokia an’i Jehovah
19. Toky inona no nomen’Andriamanitra an’i Josoa, ary amin’ny ahoana izany no mahakasika antsika?
19 Amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesosy mitady ny ‘hanao izay fanompoana masina sitrak’Andriamanitra amin’ny fanajana sy ny fahatahorana’ antsika, dia tokony hametraka ny fitokiantsika tsy amin’ny vola isika, fa amin’ilay Raintsika any an-danitra ary iankinan’ny aina ny fanampiana omeny. Na toy inona na toy inona zava-manahirana atrehintsika, dia tokony hotsaroantsika ny toky nomeny manao hoe: “Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory.” (Hebreo 13:5). Eto i Paoly dia manisy fitenenana ny amin’ny tenin’Andriamanitra tamin’i Josoa manao hoe: “Tsy handao anao na hahafoy anao Aho.” (Josoa 1:5; jereo Deoteronomia 31:6, 8). Tsy nandao an’i Josoa na oviana na oviana i Jehovah ary tsy hahafoy antsika izy raha matoky azy isika.
20. a) Inona no teny fototra amin’ny taona 1990? b) Inona no tokony hataontsika hatrany tsy amin-tahotra?
20 Hisongadina eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fanampian’Andriamanitra tsy mety ritra mandritra ireo volana ho avy, satria toy izao ny teny fototr’izy ireo amin’ny 1990: ‘Manàna herim-po ka milazà hoe: “Jehovah no mpanampy ahy.”’ Ireo teny ireo dia hita ao amin’ny Hebreo 13:6 (MN ) izay nanononan’i Paoly ny tenin’ny mpanao salamo ary nilazany tamin’ireo Hebreo hoe: “Ka dia sahy manao hoe isika: ‘Jehovah no Mpamonjy [mpanampy, MN ] ahy, ka tsy hatahotra aho; inona no azon’ny olona atao amiko?’” (Salamo 118:6). Na dia enjehina aza isika, dia tsy feno tahotra akory satria tsy afaka manao mihoatra noho izay avelan’Andriamanitra hisy ny olombelona (Salamo 27:1). Na dia tokony ho faty amin’ny maha-olona tsy mivadika hatrany aza isika, dia manana ny fanantenana fananganana amin’ny maty (Asan’ny apostoly 24:15). Noho izany, dia aoka isika hanaraka hatrany ny Môdelintsika amin’ny ‘fanaovana izay fanompoana masina sitrak’Andriamanitra amin’ny fanajana sy ny fahatahorana’, matoky fa Jehovah no Mpanampy antsika.
Ahoana no havalinao?
◻ Nahoana ireo kristiana hebreo no nila manokana ny fanampian’i Jehovah?
◻ Tamin’ny fomba ahoana no namelan’ny vahoakan’i Jehovah ‘ny fitiavana ny rahalahy haharitra’?
◻ Nahoana isika no tokony ho tia mampiantrano vahiny?
◻ Inona no azontsika atao mba hanehoana fa mahatsiaro ireo mpiray finoana iharan’ny fitondrana ratsy isika?
◻ Nahoana no tokony homena haja hatrany ny fanambadiana?