‘Aoka Hiseho ny Fandrosoanao’
“Nony efa lehibe aho, dia nariako [ireo lafin-toetran’ny zaza, NW ].” — 1 KORINTIANA 13:11.
1. Amin’ny ahoana ny fitomboana no porofo manamarina fa mahatalanjona tokoa ny famoronana?
AVY amin’ny atody iray izay bitika aoka izany ka tsy mety ho hita raha tsy amin’ny alalan’ny faneho joriry (microscope), dia mety hisy trozona iray hitombo aoka izany ka ho tonga biby maherin’ny 30 metatra ny halavany ary 80 taonina ny lanjany. Toy izany koa, avy amin’ny iray amin’ireo voa bitika indrindra, dia mety hisy hazo séquoia iray hitombo aoka izany ka hihoatra ny 90 metatra ny haavony. Tena marina fa ny fitomboana dia iray amin’ireo zava-mahatalanjona eo amin’ny fiainana. Araka ny filazan’ny apostoly Paoly, dia afaka mamboly sy manondraka isika, fa ‘Andriamanitra no mampitombo’. — 1 Korintiana 3:7, NW.
2. Karazana fitomboana inona no voalaza mialoha ao amin’ny Baiboly?
2 Misy anefa karazana fitomboana hafa iray izay mahatalanjona tsy misy hafa amin’izany koa. Izany dia ilay nolazain’i Isaia mpaminany mialoha toy izao: “Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany.” (Isaia 60:22). Io faminaniana io dia manana ifandraisana amin’ny fitomboan’ny vahoakan’Andriamanitra, ary mahita fahatanterahana lehibe amin’izao androntsika izao.
3. Ahoana no nampisehoan’ny filazana asa tamin’ny taom-piasana 1991 fa manafaingana ny asan’ny vahoakany i Jehovah?
3 Ny filazana momba ny asa nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah naneran-tany tamin’ny taom-piasana 1991 dia mampiseho fa nahatratra tampon’isa vaovao ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana 4 278 820, ary koa fa nisy 300 945 ny totalin’isan’ireo olona natao batisa tamin’iny taona iny. Noho ny firohotry ny olona vaovao be dia be toy izany, dia nisy kongregasiona vaovao 3 191 niforona, izay nitaky ny fiforonan’ny fizaran-tany sy distrika vaovao koa. Izany dia kongregasiona vaovao mihoatra ny valo isan’andro, ary efa ho fizaran-tany vaovao iray isaky ny roa andro. Fitomboana mahatalanjona tokoa izany! Hita mazava fa manafaingana ny fandehan’ny zavatra i Jehovah, ary koa fa mitahy ny ezaka ataon’ny vahoakany izy. — Salamo 127:1.
Fotoana hanaovana fandinihan-tena izao
4. Fanontaniana inona avy no tsy maintsy dinihina eo am-pijerentsika ny hoavy?
4 Na dia mahafaly ny fo aza ny fahitana izany fitahiana izany, izy io koa dia mitondra andraikitra sasany. Hisy olona matotra sady vonona ho ampy isa ve mba hikarakara ny amin’izay ilain’ireo vaovao rehetra ireo? Rehefa mijery ny hoavy isika, dia mahazendana ny mieritreritra ny isan’ireo mpitory maharitra, mpikarakara momba ny asa, loholona ary mpiandraikitra mpitety faritany hilaina mba hikarakara ny fitomboana sy ny fitarana. Toy izany koa ny amin’ny isan’ny mpiasa an-tsitrapo hilaina any amin’ireo biraon’ny sampana sy Trano Betela maneran-tany mba hanohana izany asa izany. Avy aiza no hahazoana izany olona be dia be izany? Tsy misy isalasalana fa lehibe ny fijinjana. Iza anefa amin’izao andro izao no eo amin’ny toerana tsara mba hikarakara ireo mpiasa rehetra ilaina mba hanao izany fijinjana izany? — Matio 9:37, 38.
5. Tarehin-javatra inona avy no hita any amin’ny faritra sasany noho ny fitomboana haingana?
5 Nisy tatitra nilaza, ohatra, fa any amin’ny faritra sasany amin’ny tany, dia misy kongregasiona manana mpitory ilay Fanjakana zato, nefa loholona iray monja, miaraka amin’ny mpikarakara momba ny asa iray na roa, no mikarakara azy ireo. Indraindray dia loholona iray no voatery mikarakara kongregasiona roa. Any amin’ny toerana hafa, dia vitsy aoka izany ny isan’ireo mpitory kristiana mahafeno ireo fepetra ilaina mba hitarika fampianarana Baiboly any an-tokantrano, hany ka voatery miandry ireo vaovao vao hisy olona hiara-mianatra aminy. Any amin’ny toerana hafa koa, dia miforona haingana aoka izany ireo kongregasiona, hany ka kongregasiona telo, na efatra na dimy mihitsy aza, no mampiasa Efitrano Fanjakana iray ihany. Angamba mitovy amin’izany ny fitomboana hita eo amin’ny faritra misy anareo.
6. Nahoana no mety tsara izao ny hanaovantsika fandinihan-tena?
6 Milaza inona amintsika izany voalaza izany? Fa, rehefa mandinika ny fotoana iainantsika izao isika rehetra, dia mila ny mandinika ny toe-javatra misy antsika avy. Izany dia hahatonga antsika hahita raha mampiasa amin’ny fomba tsara indrindra ny fotoanantsika sy izay ananantsika isika mba hanaovan-javatra mifanaraka amin’izay ilaina. (Efesiana 5:15-17). Nanoratra toy izao tamin’ireo Kristiana hebreo tamin’ny taonjato voalohany ny apostoly Paoly: “Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza hianareo noho ny fahelan’ny andro, dia mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra indray; ary efa toy izay tokony homen-dronono hianareo, fa tsy ventin-kanina.” (Hebreo 5:12). Araka ny asehon’ireo teny ireo, ny Kristiana isam-batan’olona koa dia mila ny mitombo. Ary tena misy mihitsy ny loza ny amin’ny fetezan’ny tena hitoetra maharitra eo amin’ny fahazazana ara-panahy fa tsy handroso ho amin’ny fahamatorana kristiana. Mifanaraka amin’izany, dia mampirisika antsika toy izao i Paoly: “Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana hianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo.” (2 Korintiana 13:5). Efa nandinika ny tenanao ve ianao mba hahitana raha nitombo teo amin’ny ara-panahy ny tenanao hatramin’ny fotoan’ny batisanao? Sa ianao nitoetra tsy nihetsika? Ahoana anefa no hahafantarana ny amin’izany?
“Ireo lafin-toetran’ny zaza”
7. Mba hisehoan’ny fandrosoana ara-panahy, inona moa no tsy maintsy ataontsika?
7 “Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho, dia nariako [ireo lafin-toetran’ny zaza, NW ]”, hoy ny apostoly Paoly. (1 Korintiana 13:11). Eo amin’ny fitomboana ara-panahy, dia nisy fotoana izay naha-toy ny ankizy antsika rehetra, teo amin’ny fomba fisainantsika sy ny nataontsika. Kanefa, raha tiantsika hiseho ny fandrosoantsika, dia tsy maintsy manary “ireo lafin-toetran’ny zaza” isika, hoy i Paoly. Inona avy ny sasany amin’izany lafin-toetra izany?
8. Araka ny tenin’i Paoly ao amin’ny Hebreo 5:13, 14, inona no lafin-toetra iray ahafantarana ny zaza ara-panahy?
8 Voalohany aloha dia mariho ireo tenin’i Paoly ao amin’ny Hebreo 5:13, 14 manao hoe: “Izay rehetra mivelona amin’ny ronono dia tsy zatra amin’ny tenin’ny fahamarinana, satria mbola zaza-bodo. Fa ho an’izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.” Moa ve ianao “zatra amin’ny tenin’ny fahamarinana”? Moa ve ianao mahafantatra tsara ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, mba hahafahanao hampiasa azy ho ‘fanavahana ny tsara sy ny ratsy’? Nilaza i Paoly fa afaka manao izany ny olona matotra satria mandray “ventin-kanina” tsy tapaka izy ireo. Noho izany, ny faniriana, na ny fahazotoana hihinana ventin-kanina ara-panahy dia famantarana tsara iray raha toa ny tena ka nitombo teo amin’ny ara-panahy na mbola nitoetra ho zaza ara-panahy.
9. Amin’ny ahoana ny fahazotoan-koman’ny tena eo amin’ny lafiny ara-panahy no famantarana iray ny amin’ny fandrosoana ara-panahin’ny tena?
9 Manao ahoana àry ny fahazotoan-komanao eo amin’ny lafiny ara-panahy? Manao ahoana ny fomba fihevitrao ny sakafo ara-panahy tondraka omen’i Jehovah tsy tapaka amin’ny alalan’ireo zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly ary ireo fivoriana sy fivoriambe kristiana? (Isaia 65:13). Tsy isalasalana fa faly aoka izany ianao raha misy zavatra vita an-tsoratra vaovao avoaka any amin’ireo fivoriamben’ny distrika atao isan-taona. Inona anefa no ataonao amin’izy ireny raha vao tonga any an-trano ianao? Inona no ataonao isaky ny tonga ny gazety vaovao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!? Moa ve ianao maka fotoana mba hamakiana ireny zavatra vita an-tsoratra ireny, sa ianao mamadibadika azy ireny fotsiny mba hijerena ireo hevi-dehibe ao aminy, ary avy eo dia mametraka azy eo amin’ny talantalam-boky miaraka amin’ny hafa rehetra? Azo atao koa ny manao fanontaniana toy izany momba ireo fivoriana kristiana. Moa ve ianao manatrika ireo fivoriana rehetra tsy tapaka? Moa ve ianao manomana azy ireny ary koa mandray anjara amin’izy ireny? Nisy sasany toa latsaka tao anatin’ny fahazarana ratsy raha ny amin’ny fisakafoana eo amin’ny lafiny ara-panahy, ka mamaky ambangovangony sy misakafo maimaika, raha azo atao ny milaza izany. Endre ny fahasamihafan’izany amin’ilay mpanao salamo izay nilaza hoe: “Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.” Ambonin’izany, dia hoy koa i Davida Mpanjaka: “Hisaotra Anao eo amin’ny fiangonana lehibe Aho; hidera Anao eo afovoan’ny olona maro aho.” (Salamo 35:18; 119:97). Hita mazava fa ny ambaratongam-pankasitrahantsika ireo fandaharana ara-panahy dia famantarana iray ny amin’ny fandrosoantsika ara-panahy.
10. Lafin-toetra iray ahafantarana ny zaza ara-panahy inona no aseho ao amin’ny Efesiana 4:14?
10 Nampiseho ny lafin-toetran’ny zaza ara-panahy hafa iray i Paoly rehefa nampitandrina toy izao: “Mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolen’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana”. (Efesiana 4:14). Araka ny fantatry ny ray aman-dreny tsara, ny ankizy dia liana ta hahalala ny zavatra rehetra. Amin’ny lafiny iray, izany dia lafin-toetra tsara, satria mahatonga azy ireo hikaroka sy hianatra ary hitombo miandalana mba ho tonga olona matotra. Ny loza anefa dia noho izy ireo mora voasarika amin’ny zavatra hafa foana. Ary ny ratsy kokoa aza, noho izy ireo tsy ampy fanandraman-javatra, izany fahalianana ta hahalala izany matetika dia mitarika azy ireo ho amin’ny zava-manahirana lehibe, ary mampidi-doza ny tenany sy ny hafa mihitsy. Marina koa izany eo amin’ireo zaza ara-panahy.
11. a) Inona no noeritreretin’i Paoly tamin’ny fampiasana ny teny hoe “rivotry ny fampianarana samy hafa”? b) ‘Rivotra’ inona avy no manafika antsika amin’izao andro izao?
11 Inona anefa no noeritreretin’i Paoly rehefa nilaza izy fa ahilangilan’ny “rivotry ny fampianarana samy hafa” ireo zaza ara-panahy? Eto ny hoe ‘rivotra’ dia nadika avy tamin’ny teny grika hoe aʹne·mos. Manamarika ny International Critical Commentary fa io teny io dia toa “nofidina satria mety tsara amin’ny hevitra ny amin’ny fiovaovana”. Ireo tenin’i Paoly manaraka hoe “amin’ny saim-petsy ataon’ny olona” dia mampiseho izany tsara. Ny teny hoe “saim-petsy” tamin’ny fiteny nanoratana azy tany am-boalohany dia midika hoe “kodiakely” na “fanaovana kodiakely”, izany hoe kilalao fitsapam-bintana. Ny tiana holazaina dia hoe tsy an-kijanona isika dia tafihin’ny hevitra sy fikatsahan-javatra vaovao izay toa tsy misy maha-ratsy azy, mampitsiriritra ary mendrika mihitsy aza. Ireo tenin’i Paoly dia mihatra voalohany indrindra amin’ny raharaha mifandray amin’ny finoantsika — ny fihetsiketsehana fanakambanam-pinoana, ny raharaha ara-tsosialy sy ara-politika, ary ny zavatra mitovy amin’izany. (Ampitahao amin’ny 1 Jaona 4:1.) Kanefa marina koa io fotopoto-pitsipika io amin’ny raharaha toy ny lamaody tsy mitsaha-miovan’izao tontolo izao — ny fombafomba arahina, ny fialam-boly, ny sakafo, ny fahazarana eo amin’ny fahasalamana sy ny fanatanjahan-tena, ary ny toy izany. Noho ny tsy fahampian’ny fanandraman-javatra sy ny fahaiza-mitsara zavatra, dia mety ho voasariky ny zavatra toy izany loatra ny zaza ara-panahy, ka mety ho voasakana tsy handroso eo amin’ny lafiny ara-panahy sy hanatontosa ireo adidiny kristiana izay zava-dehibe kokoa. — Matio 6:22-25.
12. Amin’ny ahoana ny ankizy kely no hafa noho ny olon-dehibe raha ny amin’ny andraikitra?
12 Ny lafin-toetra hafa iray eo amin’ny ankizy kely dia ny fitadiavana fanampiana sy fanehoana fiheverana tsy an-kijanona. Sady tsy mahatsapa andraikitra izy ireo no tsy miahy ny amin’izany; ny fahazazana no fotoana eo amin’ny fiainana ahitana fa saika lalao avokoa ny zava-drehetra. Araka ny filazan’i Paoly, dia ‘miteny toy ny zaza, mihevitra toy ny zaza, misaina toy ny zaza’ izy ireo. Raisiny ho toy ny mandeha ho azy fa hikarakara azy ny hafa. Azo atao koa ny milaza izany momba ny zaza ara-panahy. Rehefa manao ny lahateniny ara-baiboly voalohany na mivoaka voalohany eo amin’ny asa fanompoana ny vaovao iray, dia faly erỳ ilay rainy na reniny ara-panahy hanao ny zavatra rehetra mba hanampiana azy. Inona no mitranga raha manohy miankina amin’izany fanampiana izany ilay vaovao ka miseho ho tsy afaka ny hanaiky ny andraikitra hikarakara ny tenany? Hita mazava fa izany dia famantarana iray ny amin’ny tsy fahampian’ny fahaizan’ny tenany mampihatra zavatra.
13. Nahoana ny tsirairay no tsy maintsy mianatra ny hitondra ny entany avy?
13 Momba izany, dia tsarovy ny fananaran’i Paoly fa, na dia tokony ‘hifampitondra izay mahavesatra’ aza isika, dia mbola “samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra”. (Galatiana 6:2, 5). Mazava ho azy fa mila fotoana sy ezaka ny tena mba hianarana hiantsoroka ireo andraikitra kristian’ny tena manokana, ary mety hidika ho fanaovana sorona amin’ny lafiny sasany izany. Kanefa, ho fahadisoana lehibe ny famelana ny tena ho variana aoka izany amin’ireo lalao eo amin’ny fiainana, na fialam-boly izany, na fanaovana dia, na fitaovana vaovao, ary na dia ny asa tsy ara-pivavahana tsy ilaina aza, hany ka mpitazana fotsiny ny tena, raha azo atao ny milaza izany. Miaraka amin’izay koa ny tena dia tsy manam-paniriana ny hampitombo ny fandraisan’ny tena anjara amin’ny asa fanaovana mpianatra, na ny hiezaka mba handroso ary hahazo andraikitra eo amin’ny lafiny ara-panahy. “Aoka ho mpankatò ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo”, hoy ny fampirisihan’i Jakoba mpianatra. — Jakoba 1:22; 1 Korintiana 16:13.
14. Nahoana isika no tsy tokony hianina amin’ny fanehoana ireo lafin-toetran’ny zaza ara-panahy?
14 Eny, misy lafin-toetra mora hita maro mampiavaka ny ankizy amin’ny olon-dehibe. Ny zava-dehibe anefa, araka ny filazan’i Paoly, dia ny anariantsika tsikelikely ireo lafin-toetran’ny zaza sy ny itomboantsika. (1 Korintiana 13:11, NW; 14:20). Raha tsy izany, dia mety ho votsa amin’ny heviny ara-panahy isika. Ahoana anefa no ahafahan’ny tena mandroso? Inona no tafiditra amin’ny fihazonana hatrany ny fitomboana ara-panahy mba hahatongavana amin’ny fahamatorana?
Amin’ny fomba ahoana no hahafahan’ny fandrosoana hiseho
15. Inona avy ireo dingana fototra eo amin’ny fizotran’ny fitomboana?
15 Ahoana moa no itrangan’ny fitomboana voajanahary? “Ny tsirairay avy dia sela tokana iray eo am-piandohan’ny fiainany”, hoy ny fanazavan’ny The World Book Encyclopedia. “Mandray izay zavatra ilainy ilay sela ary manova azy ireo mba ho tonga ireo fitaovana fanorenana ilainy amin’ny fitomboana. Noho izany, dia mitombo avy ao anatiny ilay sela tokana. Afaka mihamaro sy misaraka io sela io mba hahaforona sela hafa. Io fizotran’ny zavatra eo amin’ny fanorenana, fihamaroana ary fisarahana io no atao hoe fitomboana.” Ny hevitra mendrika homarihina eto dia hoe mitranga avy ao anatiny ny fitomboana. Rehefa hanina ka raisina tsara ary ampiasaina ny sakafo araka ny tokony ho izy, dia fitomboana no vokatr’izany. Hita tsara eo amin’ny zaza vao teraka izany. Araka ny fantatsika, ny zaza vao teraka iray dia mandray tsy tapaka habetsahan-kanina voaomana amin’ny fomba manokana, izany hoe ronono, izay feno menaka sy protéine, dia ireo zavatra ilaina indrindra ho amin’ny fitomboana. Inona no vokany? Ny habetsahan’ny fitomboana azon’ny zaza iray, raha jerena ny lanjany sy ny halavany, ao anatin’ny taona voalohany, dia tsy ho tratran’ny fitomboany ara-dalàna ao anatin’ny taona hafa na rahoviana izany na rahoviana eo amin’ny fiainany, mihitsy.
16. Karazana fitomboana inona no hita eo amin’ny ankamaroan’ireo mpianatra ny Baiboly vaovao, ary inona no mahatonga izany hety?
16 Misy zavatra betsaka azontsika ianarana avy amin’io fizotran’ny fitomboana voajanahary io, ka azontsika ampiharina amin’ny fandrosoantsika ara-panahy, avy eo amin’ireo fampianarana fototra ho amin’ny fahamatorana. Voalohany aloha, dia tena ilaina ny fandaharam-pamahanan-tena tsy tapaka. Eritrereto ny fotoana nanombohanao nianatra ny Baiboly. Raha mitovy amin’ny ankamaroan’ny hafa rehetra ianao, dia azo inoana fa tsy nahalala na inona na inona momba ny Tenin’Andriamanitra. Isan-kerinandro anefa ianao dia nanomana ny fianaranao ary nanaraka ny fianaranao ny Baiboly. Ary tao anatin’ny fotoana azo atao hoe fohy ihany, dia nanjary nahatakatra ireo fampianarana fototra rehetra ao amin’ny Soratra Masina ianao. Tsy maintsy miaiky ianao fa izany dia fitomboana mahagaga, ary vokatry ny famahanan-tena tsy tapaka avy amin’ny Tenin’Andriamanitra!
17. Nahoana no tena ilaina ny fandaharam-pamahanan-tena ara-panahy tsy tapaka?
17 Ahoana anefa ny amin’izao fotoana izao? Moa ve ianao mbola manaraka fandaharam-pamahanan-tena tsy tapaka ihany? Tsy tokony hieritreritra na oviana na oviana ny tena fa satria fotsiny hoe efa vita batisa, dia tsy misy ilàna fianarana tsy tapaka sy voalamina mba handraisana sakafo ara-panahy mahavelona, intsony. Na dia efa loholona kristiana matotra aza i Timoty, dia nampirisika azy toy izao i Paoly: “Mazotoa mihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin’izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.” (1 Timoty 4:15). Mihoatra lavitra toy inona moa ny ilàn’ny tsirairay avy amintsika hanao izany! Raha mihevitra ny amin’ny hisehoan’ny fandrosoanao ara-panahy ianao, dia tena ilaina ny hanaovanao izany ezaka izany.
18. Ahoana no isehoan’ny fandrosoana ara-panahy?
18 Ny fampisehoana ny fandrosoan’ny tena anefa dia tsy hoe fanaovana ezaka manokana mba hampisehosehoana izay fantatry ny tena na mba hanandramana hanaitra ny hafa. Nanambara i Jesosy hoe: “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra”, ary koa hoe: “Avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava.” (Matio 5:14; 12:34). Rehefa feno ireo zavatra tsara ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fontsika sy ny saintsika, dia tsy afaka ny tsy haneho izany amin’izay ataontsika sy lazaintsika isika.
19. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika raha ny amin’ny fandrosoantsika ara-panahy, ary inona no ho vokatra antenaina amin’izany?
19 Noho izany, ny fanontaniana dia hoe: Moa ve ianao mianatra ny Baiboly sy manatrika ireo fivoriana kristiana tsy tapaka mba handraisana ireo zavatra mahavelona izay mampirisika ny fitomboanao anaty, ny fitomboanao ara-panahy? Aza mianina amin’ny fitoerana ho mpitazana tsy mihetsika fotsiny, raha ny amin’ny fitomboana ara-panahy. Manaova dingana hentitra mba hahazoana antoka fa mampiasa amin’ny fomba feno ny sakafo ara-panahy tondraka omen’i Jehovah ianao. Raha olona izay ‘ny lalàn’i Jehovah no sitrany ary ny lalàny no saintsaininy andro aman’alina’, ianao, dia azo atao koa ny milaza toy izao momba anao: “Tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona izy, izay mamoa amin’ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.” (Salamo 1:2, 3). Inona anefa no azo atao mba hahazoana antoka fa hanohy handroso eo amin’ny lafiny ara-panahy ianao? Izany no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
Afaka Mamaly ve Ianao?
◻ Nahoana no mety tsara izao ny handinihantsika ny fandrosoantsika ara-panahy?
◻ Ahoana no ifandraisan’ny fitomboana ara-panahy amin’ny fahazotoan-komana eo amin’ny lafiny ara-panahy?
◻ Inona no hevitry ny hoe “rivotry ny fampianarana samy hafa”?
◻ Nahoana ny tsirairay no tsy maintsy mitondra ny entany avy?
◻ Ahoana no ahafahana mandroso eo amin’ny lafiny ara-panahy?
[Sary, pejy 10]
Maka fotoana mba hamakiana ireo zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly ve ianao?