Mahatonga Antsika Hanam-paharetana sy Hazoto Hivavaka ny Finoana
“Mahareta (...), mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny [ fanatrehan’ny, NW ] Tompo.” — JAKOBA 5:8.
1. Nahoana isika no tokony hisaintsaina ny Jakoba 5:7, 8?
EFA zava-misy ankehitriny ny ‘fanatrehan’i’ Jesosy Kristy nandrasana hatramin’ny ela. (Matio 24:3-14, NW ). Mihoatra noho ny hatramin’izay, ny olona rehetra izay milaza fa mino an’Andriamanitra sy i Kristy dia manana antony tokony hisaintsainana ireto tenin’i Jakoba mpianatra ireto: “Mahareta tsara, ry rahalahy, [mandra-pahatongan’ny fanatrehan’ny, NW ] Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin’ny tany ka maharitra amin’izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana. Mahareta koa hianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny [fanatrehan’ny, NW ] Tompo.” — Jakoba 5:7, 8.
2. Inona avy no sasany tamin’ireo olana natrehin’ireo izay nanoratan’i Jakoba?
2 Nila naneho faharetana sy namaha olana maro samihafa ireo nanoratan’i Jakoba ny taratasiny ara-tsindrimandry. Maro no nanao zavatra nifanohitra tamin’izay nampoizina tamin’ireo nilaza ho nino an’Andriamanitra. Ohatra, nilaina ny nanao zavatra momba ny faniriana sasany nitombo tao am-pon’ny sasany. Nilaina ny namerina tamin’ny laoniny ny filaminana teo anivon’ireo Kristiana tany am-boalohany ireo. Nila torohevitra momba ny faharetana sy ny fahazotoana mivavaka koa izy ireo. Eo am-pandinihantsika izay nolazain’i Jakoba tamin’izy ireo, dia andeha hojerentsika hoe ahoana no ahafahantsika mampihatra ny teniny eo amin’ny fiainantsika.
Miteraka fandravana ireo fanirian-dratsy
3. Inona avy ireo antony nahatonga fifandirana tao amin’ny kongregasiona, ary inona no azontsika ianarana avy amin’izany?
3 Tsy nisy fihavanana teo amin’ny olona sasany nitonona ho Kristiana, ary ny fanirian-dratsy no antony fototr’izany tarehin-javatra izany. (Jakoba 4:1-3). Niteraka fikorontanana ny fitiavana fifandirana, ary nitsara ny rahalahiny ny sasany, ka tsy naneho fitiavana mihitsy ny fomba nanaovany izany. Nitranga izany, satria niady tao amin’ny rantsambatany ny filana mafy ny fahafinaretan’ny nofo. Ny tenantsika koa angamba dia mety hila ny hivavaka mba hahazoana fanampiana hanoherana ireo faniriana mafin’ny nofo hahazo laza sy fahefana ary fananana. Amin’izay isika dia tsy hanao na inona na inona izay hampikorontana ny fiadanan’ny kongregasiona. (Romana 7:21-25; 1 Petera 2:11). Teo anivon’ny Kristiana sasany tamin’ny taonjato voalohany, dia nitombo ny fitsiriritana ka nanjary toe-tsaina feno fankahalana sy feno faniriana hamono olona. Koa satria tsy nanome fahafaham-po ny fanirian-dratsiny Andriamanitra, dia niady hatrany izy ireo mba hahatratrarany ny zava-nokendreny. Raha manana fanirian-dratsy toy izany koa isika, dia mety hangataka, kanefa tsy hahazo, satria tsy hamaly ny vavaka toy izany ilay Andriamanitsika masina. — Fitomaniana 3:44; 3 Jaona 9, 10.
4. Nahoana i Jakoba no niantso ny sasany hoe “mpisintaka mijangajanga”, ary inona no tokony ho vokatr’izay nolazainy eo amintsika?
4 Nisy fitiavana ny fanaon’izao tontolo izao sy fitsiriritana ary fiavonavonana teo anivon’ny Kristiana sasany tany am-boalohany. (Jakoba 4:4-6). Nantsoin’i Jakoba hoe “mpisintaka mijangajanga” ny sasany taminy, satria nisakaiza tamin’izao tontolo izao, ka noho izany, dia meloka ho nijangajanga ara-panahy. (Ezekiela 16:15-19, 25-45). Azo antoka fa tsy irintsika ny hanjary ho tia ny fanaon’izao tontolo izao raha ny amin’ny fihetsika sy ny fiteny ary ny atao, satria hahatonga antsika ho fahavalon’Andriamanitra izany. Asehon’ny Teniny amintsika fa anisan’ny fironan-dratsy, na ny “fanahy”, ao amin’ny olombelona mpanota, ny “fironana hitsiriritra” (NW ). (Genesisy 8:21; Nomery 16:1-3; Salamo 106:16, 17; Mpitoriteny 4:4). Koa raha takatsika fa ilaintsika ny miady amin’ny fitsiriritana na ny fiavonavonana na ny fironan-dratsy hafa, dia aoka isika hitady ny fanampian’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanahy masina. Lehibe kokoa noho ny “fironana hitsiriritra” mantsy io hery io, izay omena amin’ny alalan’ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory. Ary i Jehovah dia manohitra ny mpiavonavona, fa haneho amintsika kosa ny hatsaram-panahy amin’izay tsy mendrika akory, raha miady amin’ny fironana hanota isika.
5. Mba hahazoana ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory, zavatra takina inona avy no tsy maintsy fenointsika?
5 Ahoana no ahafahantsika mahazo ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory? (Jakoba 4:7-10). Mba hahazoana ny hatsaram-panahin’i Jehovah amin’izay tsy mendrika akory, dia tsy maintsy mankatò azy, manaiky ireo fandaharany sy izay kasainy, isika. (Romana 8:28). Tsy maintsy ‘manohitra’ ny Devoly koa isika. “Handositra” antsika izy io, raha toa isika ka mitoetra ho mafy orina amin’ny maha-mpanohana ny fiandrianan’i Jehovah manerana izao rehetra izao antsika. Manana ny fanampian’i Jesosy isika. Izy dia manakantsakana ireo fitaovana manimba ampiasain’izao tontolo izao mba tsy hisy zavatra hitondra fahavoazana maharitra ho antsika. Ary aza hadinoina na oviana na oviana izao: Amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fankatoavana ary ny finoana, dia manatona an’Andriamanitra isika, ary hita fa akaiky antsika izy. — 2 Tantara 15:2.
6. Nahoana i Jakoba no niantso ny Kristiana sasany hoe “mpanota”?
6 Nahoana no nantsoin’i Jakoba hoe “mpanota” ny sasany izay nilaza ho nino an’Andriamanitra? Noho izy ireo meloka noho ny “ady” sy ny fankahalana nitarika ho amin’ny famonoana olona — fihetsika tsy azo ekena ho an’ny Kristiana. (Titosy 3:3). Nila fanadiovana ny ‘tanany’, izay feno asa ratsy. Nilain’izy ireo koa ny nanadio ny ‘fony’, ilay foiben’ny antony manosika. (Matio 15:18, 19). Tsy tapa-kevitra ireo “mpiroa saina” ireo ny amin’izay hofidiny: ny fisakaizana amin’Andriamanitra sa ny fisakaizana amin’izao tontolo izao. Fampitandremana ho antsika ny ohatra ratsy navelany, koa aoka isika ho mailo hatrany, mba tsy haharendrika ny finoantsika ny zavatra toy izany. — Romana 7:18-20.
7. Nahoana i Jakoba no nilaza tamin’ny sasany mba ‘hitomany sy hidradradradra’?
7 Nilazan’i Jakoba ireo mpamaky ny taratasiny mba ho ‘ory sy hitomany ary hidradradradra’. Raha tena naneho alahelo araka an’Andriamanitra izy ireo, dia ho porofon’ny fibebahany izany. (2 Korintiana 7:10, 11). Amin’izao andro izao, dia mitady hisakaiza amin’izao tontolo izao ny sasany izay milaza fa manam-pinoana. Raha misy amintsika manaraka lalana toy izany, moa ve isika tsy tokony halahelo noho ny fahalementsika ara-panahy, ka hanao dingana avy hatrany mba hanitsiana ny toe-javatra? Hiteraka fifaliam-be ao amintsika ny fanaovana ny fanitsiana ilaina sy ny fahazoana famelan-keloka avy amin’Andriamanitra, satria hanana feon’ny fieritreretana madio sy fahatsinjovana mahafaly ny hiaina mandrakizay isika. — Salamo 51:10-17; 1 Jaona 2:15-17.
Aza mifampitsara
8, 9. Nahoana isika no tsy tokony hifanaratsy na hifampitsara?
8 Ratsy ny manaratsy ny mpiray finoana amintsika. (Jakoba 4:11, 12). Kanefa, manakiana ny Kristiana hafa ny sasany, angamba vokatry ny fanamarinany tena na noho izy maniry hanandra-tena amin’ny fampietrena ny hafa. (Salamo 50:20; Ohabolana 3:29). Ilay teny grika nadika hoe “manaratsy” dia manondro fankahalana, ary milaza tsy mivantana fiampangana tafahoatra na diso. Izany dia mitovy amin’ny fanamelohana ny rahalahy. Amin’ny ahoana izany no ‘fanaratsiana sy fitsarana ny lalàn’Andriamanitra’? ‘Nahafoy ny didin’Andriamanitra’ ireo mpanora-dalàna sy Fariseo ka nitsara araka ny fari-pitsipika naoriny ihany. (Marka 7:1-13). Toy izany koa, fa raha manameloka rahalahy iray izay tsy homelohin’i Jehovah isika, moa ve isika tsy ‘hitsara ny lalàn’Andriamanitra’ ka te hilaza amin-karatsiam-panahy hoe tsy ampy izy io? Ary raha manakiana tsy ara-drariny ny rahalahintsika isika, dia tsy hanatanteraka ny lalàn’ny fitiavana. — Romana 13:8-10.
9 Aoka hotadidintsika izao: “Iray ihany no Mpanome Lalàna sy Mpitsara” — i Jehovah. ‘Tsy misy tsiny ny lalàny’, ka tsy misy tsy ampy. (Salamo 19:7; Isaia 33:22). Andriamanitra irery ihany no manan-jo hamaritra ireo fari-pitsipika sy fitsipika hahazoana famonjena. (Lioka 12:5). Koa nanontany àry i Jakoba hoe: “Iza moa hianao, no mitsara ny namanao?” Tsy zontsika ny mitsara sy manameloka ny hafa. (Matio 7:1-5; Romana 14:4, 10). Tokony hanampy antsika tsy hitsara ny hafa amim-panamarinan-tena ny fisaintsainana ny amin’ny fiandrianan’Andriamanitra sy ny amin’ny tsy fizahany tavan’olona ary ny maha-mpanota ny tenantsika.
Halaviro ny fatokian-tena amim-pireharehana
10. Nahoana isika no tokony hanisy fiheverana an’i Jehovah eo amin’ny fiainantsika andavanandro?
10 Tokony hasiantsika fiheverana foana i Jehovah sy ny lalàny. (Jakoba 4:13-17). Tsy mihevitra an’Andriamanitra ny olona matoky tena, ka manao hoe: “Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra”. Raha ‘mihary harena ho an’ny tenantsika ihany isika fa tsy mba manankarena ny amin’Andriamanitra’, dia angamba hifarana rahampitso ny fiainantsika, ka mety tsy hanana fahafahana hanompo an’i Jehovah isika. (Lioka 12:16-21). Araka ny nolazain’i Jakoba, isika dia toy ny zavona maraina “izay miseho vetivety, dia levona”. (1 Tantara 29:15). Rehefa maneho finoana an’i Jehovah ihany isika vao afaka manantena hahazo fifaliana maharitra sy fiainana mandrakizay.
11. Inona no hevitry ny filazana hoe: ‘Raha sitrapon’i Jehovah’?
11 Tsy tokony tsy hiraharaha an’Andriamanitra amim-pireharehana isika, fa tokony hanao toy izao kosa: “Raha sitrapon’[i Jehovah, NW ], ka velona izahay, dia hataonay izao na izany.” Asehon’ny filazana hoe: ‘Raha sitrapon’i Jehovah’, fa miezaka manao zavatra mifanaraka amin’ny sitrapony isika. Mety hilaina angamba ny manao raharaham-barotra mba hamelomana ny fianakaviana, ny mandeha lavitra noho ny asan’ilay Fanjakana, sy ny toy izany. Aoka anefa isika tsy hirehareha. ‘Ratsy ny fireharehana toy izany’, satria tsy miraharaha ny fiankinana amin’Andriamanitra. — Salamo 37:5; Ohabolana 21:4; Jeremia 9:22, 23.
12. Inona no hevitr’ireo teny ao amin’ny Jakoba 4:17?
12 Toa namarana izay nolazainy momba ny fatokian-tena sy ny fireharehana i Jakoba, ka nanao hoe: “Izay mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany.” Tokony hiaiky amim-panetren-tena ny Kristiana tsirairay fa miankina amin’Andriamanitra ny tenany. Raha tsy manao izany izy, “dia heloka ho azy izany”. Mazava ho azy fa mihatra koa io foto-pitsipika io, rehefa tsy ataontsika izay takin’ny finoana an’Andriamanitra amintsika. — Lioka 12:47, 48.
Fampitandremana mikasika ny mpanan-karena
13. Inona no nolazain’i Jakoba momba an’ireo nampiasa ny harenany tamin’ny fomba ratsy?
13 Koa satria nanjary niahy fatratra ny zavatra ara-nofo na nidera ny mpanan-karena ny Kristiana sasany tany am-boalohany, dia nanao filazana mahery mikasika ny mpanan-karena sasany i Jakoba. (Jakoba 5:1-6). ‘Hitomany sy hidradradradra noho ny fahoriana izay hanjo azy’ ireo olona tia ny fanaon’izao tontolo izao, izay nampiasa ny harenany tamin’ny fomba ratsy, rehefa hamaly azy araka ny nataony Andriamanitra. Tamin’izany andro izany, ny harenan’ny ankamaroan’ny olona dia zavatra toy ny fitafiana sy voa madinika ary divay, indrindra indrindra. (Joela 2:19; Matio 11:8). Mety ho simba na ‘ho lanin’ny kalalao’ ny sasany amin’izy ireny, saingy tsy ny maha-mety simba ny harena akory no nantitranterin’i Jakoba, fa ny maha-tsy misy vidiny azy io kosa. Na dia tsy mety hoharafesenina aza ny volamena sy ny volafotsy, raha mitana azy ireny ho tahiry miafina isika, dia tsy hisy vidiny toy ny zavatra harafesenina izy ireny. Asehon’ny hoe “harafesina” fa tsy nampiasaina tamin’ny fomba tsara ireo harena ara-nofo. Noho izany, dia tokony hitadidy isika rehetra fa ‘namory amin’ny andro farany’ zavatra “tahaka ny afo”, ireo mitoky amin’ny fananany ara-nofo, rehefa hihatra aminy ny fahatezeran’Andriamanitra. Koa satria miaina amin’ny “andro farany” isika, dia manana heviny manokana ho antsika ireo teny ireo. — Daniela 12:4; Romana 2:5.
14. Ahoana matetika no fihetsiky ny mpanan-karena, ary inona no tokony hataontsika ny amin’izany?
14 Matetika ny mpanan-karena no manambaka ireo mpijinjany, ka “mitaraina” mitady famaliana ny karamany tsy nomena azy. (Ampitahao amin’ny Genesisy 4:9, 10.) “Efa velona tamin’ny fy” ireo mpanan-karena tia ny fanaon’izao tontolo izao. Manaram-po fatratra amin’ny fahafinaretan’ny nofo izy ireo, ka nanjary voafahy sy tsy nihontsina ny fony ary mbola ho toy izany ihany amin’ny “andro” hamonoana azy. ‘Manameloka sy mamono ny marina’ izy ireo. Nanontany i Jakoba hoe: “Tsy manohitra anareo ve izy?” (NW ). Fa hoy ny dikan-teny hafa: “Fa tsy manohitra anareo izy [ny marina]”. Na ahoana na ahoana, dia tsy tokony hiangatra amin’ny mpanan-karena isika. Tsy maintsy mihazona ny tombontsoa ara-panahy ho eo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainantsika isika. — Matio 6:25-33.
Manampy antsika haneho faharetana ny finoana
15, 16. Nahoana no zava-dehibe aoka izany ny hanehoana faharetana?
15 Rehefa avy namelabelatra momba ny mpanan-karena mampahory eo amin’izao tontolo izao i Jakoba, dia nampirisika ny Kristiana ampahorina mba haneho faharetana. (Jakoba 5:7, 8). Raha mizaka amim-paharetana ny zava-tsarotra mianjady aminy ireo mpino, dia hovalian-tsoa noho ny fahatokiany, mandritra ny fanatrehan’i Kristy, rehefa hihatra amin’ireo mpampahory azy ny didim-pitsarana. (Matio 24:37-41). Nilain’ireo Kristiana tany am-boalohany ireo ny nanahaka ny mpiasa tany miandry amim-paharetana ny ranonorana aloha amin’ny fararano, izay ahafahany mamboly, sy ny ranonorana aoriana amin’ny lohataona, izay miteraka vokatra. (Joela 2:23). Ilaintsika koa ny maneho faharetana sy ny mampahery ny fontsika, indrindra fa efa eo ny ‘fanatrehan’i Jesosy Kristy Tompo’!
16 Nahoana isika no tokony hanam-paharetana? (Jakoba 5:9-12). Manampy antsika tsy hitaraina na himonomonona ny faharetana, rehefa manorisory antsika ny mpiray finoana amintsika. Raha “mifampimonomonona” amin’ny toe-tsaina ratsy isika, dia hohelohin’i Jesosy Kristy Mpitsara. (Jaona 5:22). Efa nanomboka izao ny ‘fanatrehany’ ka “efa mitsangana eo anoloan’ny varavarana” izy, koa aoka isika hampiroborobo ny fihavanana amin’ny fanehoam-paharetana amin’ny rahalahintsika, izay miatrika fitsapana maro ny finoany. Mihamatanjaka ny finoantsika rehefa mitadidy isika fa namaly soa an’i Joba Andriamanitra, satria niaritra tamim-paharetana ny fisedrana azy izy. (Joba 42:10-17). Raha maneho finoana sy faharetana isika, dia ho hitantsika fa “miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo”. — Mika 7:18, 19.
17. Nahoana i Jakoba no nilaza hoe: “Aza mianiana”?
17 Raha tsy manam-paharetana isika, dia mety hampiasa ny lelantsika amin’ny fomba ratsy, rehefa ao anatin’ny fihenjanana. Ohatra, mety ho maika hanao fianianana isika. “Aza mianiana”, hoy i Jakoba, nampitandrina antsika mba tsy hanao fianianana tsy amim-piheverana. Toa fihatsarambelatsihy koa ny manamafy tsy an-kijanona izay lazaina, amin’ny alalan’ny fianianana. Noho izany, dia tokony hilaza ny marina fotsiny isika, ka rehefa milaza hoe eny, dia eny, ary hoe tsia, dia tsia. (Matio 5:33-37). Mazava ho azy fa tsy nilaza akory i Jakoba hoe ratsy ny mianiana fa hilaza ny marina, rehefa any amin’ny fitsarana.
Ny finoana sy ny vavaka ataontsika
18. Ao anatin’ny tarehin-javatra inona avy isika no tokony “hivavaka” sy “hihira fiderana”?
18 Tsy maintsy mitana toerana lehibe eo amin’ny fiainantsika ny vavaka, raha tiantsika ny hifehy ny tenintsika sy haneho faharetana ary hihazona finoana matanjaka an’Andriamanitra. (Jakoba 5:13-20). Rehefa ao anatin’ny fisedrana indrindra isika no tokony “hivavaka”. Raha falifaly isika, dia aoka “hihira fiderana”, toy ny nataon’i Jesosy sy ireo apostoliny, fony izy nanorina ny Fahatsiarovana ny nahafatesany. (Marka 14:26). Indraindray isika dia mety ho safononoky ny fankasitrahana an’Andriamanitra aoka izany, hany ka mihira fiderana, na dia anakampo aza. (1 Korintiana 14:15; Efesiana 5:19). Ary toy inona moa ny fifaliana mankalaza an’i Jehovah amin’ny hira any amin’ireo fivoriana kristiana!
19. Inona no tokony hataontsika raha manjary marary ara-panahy isika, ary nahoana no hatao izany dingana izany?
19 Angamba tsy te hihira isika rehefa marary ara-panahy, angamba noho ny fitondran-tena ratsy na ny fahatapatapahan’ny fisakafoana eo amin’ny latabatr’i Jehovah. Raha ao anatin’izany toe-javatra izany isika, dia aoka hiantso amim-panetren-tena ny loholona mba ‘hivavahany eo amintsika’. (Ohabolana 15:29). ‘Hanosotra diloilo antsika amin’ny anaran’ny Tompo’ koa izy ireo. Toy ny diloilo mampitony eo amin’ny fery ny teniny mampionona sy ny toroheviny araka ny Soratra Masina, ka hanampy antsika hampitony ny fahaketrahana sy ny fisalasalana ary ny tahotra. ‘[Hanasitrana, NW ] antsika ny fivavaky ny finoana’, raha tohanantsika amin’ny finoantsika manokana. Raha hitan’ireo loholona fa vokatry ny fahotana lehibe ny aretintsika ara-panahy, dia hasehony amintsika amin-katsaram-panahy hoe inona ilay fahotantsika ary hiezaka hanampy antsika izy ireo. (Salamo 141:5). Ary raha mibebaka isika, dia afaka mino fa handre ny vavaka ataony Andriamanitra ka hamela ny helotsika.
20. Nahoana isika no tokony hiaiky heloka sy hifampivavaka?
20 Tokony hisakana antsika tsy hanota indray ny ‘fifampiekentsika heloka’ amim-pahatsorana. Izany dia tokony hampirisika antsika hifaneho fangorahana, izay toetra hanosika antsika ‘hifampivavaka’. Afaka mino isika fa hahasoa izany, satria ny vavaky ny “marina” — ny olona maneho finoana sy heverin’Andriamanitra ho mahitsy — dia mahavita zavatra betsaka, miaraka amin’ny fanampian’i Jehovah. (1 Petera 3:12). Nanana fahalemena tahaka antsika ihany i Elia mpaminany, kanefa nandaitra ny vavaka nataony. Nivavaka izy, dia tsy nilatsaka ny orana nandritra ny telo taona sy tapany. Rehefa nivavaka indray izy, dia avy ny orana. — 1 Mpanjaka 17:1; 18:1, 42-45; Lioka 4:25.
21. Inona no mety ho azontsika atao, raha “miala amin’ny fahamarinana” ny namana kristiana iray?
21 Ahoana raha misy mpikambana ao amin’ny kongregasiona “miala amin’ny fahamarinana”, ka mihataka amin’ny fampianarana marina sy ny fitondran-tena mahitsy? Mety ho afaka hampiverina azy hiala amin’ny fahadisoany isika, amin’ny alalan’ny torohevitra ara-baiboly sy ny vavaka ary ny fanampiana hafa. Raha mahomby isika, izany dia hihazona azy ho eo ambanin’ny herin’ny avotr’i Kristy, ary hamonjy azy tsy ho faty ara-panahy sy tsy ho voaheloka ho ringana. Amin’ny fanampiantsika ilay nanao fahadisoana, dia manarona heloka maro be vitany, isika. Rehefa miala amin’ny lalan-dratsiny ilay mpanota nanarina, ka mibebaka sy mitady famelan-keloka, dia ho faly isika fa nikely aina ho amin’ny fanaronana ny helony. — Salamo 32:1, 2; Joda 22, 23.
Natao ho antsika rehetra
22, 23. Inona no tokony ho vokatry ny tenin’i Jakoba eo amintsika?
22 Mazava àry fa mirakitra zavatra mahasoa antsika rehetra ny taratasin’i Jakoba. Asehony amintsika ny fomba hiatrehana fisedrana, omeny torohevitra isika tsy hizaha tavan’olona, ary ampirisihiny isika hanao asa mahitsy. Ampirisihin’i Jakoba isika hifehy ny lelantsika, hanohitra ny fitaoman’izao tontolo izao, sy hampiroborobo ny fihavanana. Tokony hahatonga antsika hanam-paharetana sy hazoto hivavaka koa ny teniny.
23 Marina aloha fa teo am-piandohana, dia nalefa tamin’ny Kristiana voahosotra tany am-boalohany, ny taratasin’i Jakoba. Kanefa, isika rehetra dia tokony hamela ny toroheviny hanampy antsika hifikitra amin’ny finoantsika. Afaka manatanjaka ny finoana, izay manosika antsika hanao zavatra amim-pahatapahan-kevitra eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, ireo tenin’i Jakoba. Ary manorina finoana maharitra, izay mahatonga antsika ho Vavolombelon’i Jehovah manam-paharetana sy mazoto mivavaka, io taratasy ara-tsindrimandrin’Andriamanitra io, amin’izao andro izao, mandritra ny ‘fanatrehan’i Jesosy Kristy Tompo’.
Ahoana no Havalinao?
◻ Nahoana ny Kristiana sasany tany am-boalohany no nila nanova ny fihetsiny sy ny fitondran-tenany?
◻ Fampitandremana inona no nomen’i Jakoba ireo mpanan-karena?
◻ Nahoana isika no tokony haneho faharetana?
◻ Nahoana isika no tokony hivavaka tsy tapaka?
[Sary nahazoan-dalana, pejy 19]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
[Sary, pejy 23]
Nila ny hanam-paharetana kokoa tamin’ny mpiray finoana taminy ny Kristiana sasany tany am-boalohany
[Sary, pejy 24]
Mila ny hanam-paharetana sy ho be fitiavana ary hazoto hivavaka ny Kristiana