“Olona Tokony Hanao Ahoana moa Ianareo!”
“Koa satria ho levona ireo zavatra rehetra ireo, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ny fitondran-tena masina sy ny fanehoana fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra!”—2 PET. 3:11.
1. Nahoana no tena nilain’ny Kristianina fahiny ny taratasy faharoa nosoratan’i Petera?
EFA niaritra fanenjehana maro ny fiangonana kristianina, tamin’ny fotoana nanoratan’ny apostoly Petera ny taratasiny faharoa. Tsy nampihena ny zotom-pon’izy ireo anefa izany, na nisakana ny fiangonana tsy hitombo. Nampiasa paikady hafa, efa nahomby imbetsaka, àry ny Devoly. Nilaza i Petera fa nitaona ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpampianatra sandoka i Satana. ‘Tsy nanan-tsaina afa-tsy ny hanitsakitsa-bady’ ireo mpampianatra sandoka ireo, ary ‘nanana fo efa nozarina hitsiriritra.’ (2 Petera 2:1-3, 14; Joda 4) Nanoratra an’ilay taratasy faharoa àry i Petera, mba hampirisihana an’ireo Kristianina ireo tsy hivadika.
2. Inona no resahina ao amin’ny Petera faharoa toko faha-3, ary inona avy ireo fanontaniana tokony hosaintsainintsika?
2 Hoy i Petera: ‘Heveriko fa raha mbola ato amin’ity tranolay ity aho, dia mety ny hanentanana anareo amin’ny fampahatsiahivana. Fantatro mantsy fa efa akaiky ny fanesorana ny tranolaiko. Koa hanao izay rehetra azoko atao foana aho mba hahafahanareo hifampahatsiahy ny amin’izany, na efa lasa aza aho.’ (2 Pet. 1:13-15) Ny vatany no tian’i Petera horesahina amin’ilay hoe tranolay. Nilaza àry i Petera teo hoe efa akaiky ho faty izy. Tiany hotadidin’ny olona foana anefa ny fampahatsiahivany. Nanjary anisan’ny Baiboly tokoa izy ireny, ka afaka mamaky izany isika rehetra. Tena hahaliana antsika ny Petera faharoa toko faha-3, satria miresaka momba ny “andro farany” sy ny fandringanana ny lanitra sy ny tany an’ohatra. (2 Pet. 3:3, 7, 10) Inona àry no torohevitra nomen’i Petera antsika? Nahoana no manampy antsika hahazo sitraka amin’i Jehovah ny fampiharana ny toroheviny?
3, 4. a) Inona no zavatra mampisaintsaina nolazain’i Petera, ary inona no fampitandremana nomeny? b) Inona avy ireo hevitra telo hodinihintsika?
3 Hoy i Petera, rehefa avy niresaka hoe ho levona ny tontolon’i Satana: “Olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ny fitondran-tena masina sy ny fanehoana fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra!” (2 Pet. 3:11, 12) Tsy nametraka fanontaniana izy teo fa nampisaintsaina. Fantatr’i Petera fa izay manao ny sitrapon’i Jehovah sy maneho ireo toetra ankasitrahany ihany no ho voaro amin’ny ‘andro famalian’Andriamanitra.’ (Isaia 61:2) Hoy àry izy: “Koa satria fantatrareo mialoha izany, ry malala, dia mitandrema sao ho voataona hiaraka [amin’ireo mpampianatra sandoka] ianareo, eny, ho voataonan’ny fahadisoan’ny mpandika lalàna, ka ho lavo hiala amin’izay efa iorenanareo.”—2 Pet. 3:17.
4 Anisan’ireo ‘nahafantatra mialoha’ izay hitranga i Petera. Fantany fa tsy maintsy mitandrina ny Kristianina miaina amin’ny andro farany mba tsy hivadika mihitsy. Nohazavain’ny apostoly Jaona tatỳ aoriana ny anton’izany. Naminany i Jaona fa horoahina avy any an-danitra i Satana, ary ho “tezitra mafy” amin’ireo ‘mitandrina ny didin’Andriamanitra sy nanankinana ny asa fitoriana momba an’i Jesosy.’ (Apok. 12:9, 12, 17) Handresy anefa ireo voahosotry ny fanahy sy ireo “ondry hafa” tsy mivadika. (Jaona 10:16) Tsy hivadika koa ve ianao? Ho afaka hanao izany ianao raha 1) miezaka maneho ireo toetra tian’Andriamanitra, 2) miezaka mba tsy hisy pentina sy tsy hisy tsiny eo amin’ny lafiny ara-pitondran-tena sy ara-panahy, 3) mihevitra ny fitsapana araka ny tokony ho izy. Handinika an’izany isika izao.
Manàna toetra tian’Andriamanitra
5, 6. Inona avy ireo toetra tokony hananantsika? Nahoana no mitaky ezaka be ny fananana an’ireo toetra ireo?
5 Hoy i Petera, teo am-piandohan’ny taratasiny faharoa: “Ataovy izay rehetra azonareo atao ho setrin’izany, ka ny finoanareo ampio hatsaran-toetra, ary ny hatsaran-toetranareo ampio fahalalana, ary ny fahalalanareo ampio fifehezan-tena, ary ny fifehezan-tenanareo ampio fiaretana, ary ny fiaretanareo ampio fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, ary ny fahafoizanareo tena ho an’Andriamanitra ampio fitiavan-drahalahy, ary ny fitiavanareo ny rahalahy ampio fitiavana ny olona rehetra. Fa raha anananareo ireo toetra ireo, sady anananareo betsaka, dia tsy havelan’izany hipetra-potsiny na tsy hahavokatra ianareo raha ny amin’ny fahalalana marina tsara an’i Jesosy Kristy Tompontsika.”—2 Pet. 1:5-8.
6 Marina fa mila ‘manao izay rehetra azontsika atao’ isika, mba hanaovana ireo zavatra manampy antsika hanana ny toetra tian’Andriamanitra. Mila ezaka, ohatra, ny fanatrehana ny fivoriana rehetra, sy ny famakiana Baiboly isan’andro, ary ny fianarana samirery tsy tapaka. Mitaky ezaka mafy sy fahaizana mandamina fotoana koa ny fanaovana Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, mba hahatonga azy io tsy ho tapatapaka sy hahafinaritra ary handraisan-tsoa. Ho lasa mora amintsika anefa ny hanao azy ireo rehefa lasa fahazarana, indrindra rehefa tsapantsika fa mahasoa antsika ilay izy.
7, 8. a) Inona no nolazain’ny olona sasany momba ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana? b) Inona no soa raisinao amin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakavianareo?
7 Nanoratra ny anabavy iray hoe: “Afaka nianatra foto-kevitra maro izahay noho ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana.” Hoy ny anabavy iray hafa: “Tsoriko aloha fa tsy tiako hoe najanona ny fianarana boky. Iny no fivoriana tiako indrindra. Rehefa natao anefa ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, dia fantatro fa fantatr’i Jehovah izay tena nilaintsika sy ny fotoana mety amin’izany.” Hoy koa ny raim-pianakaviana iray: “Tena nanampy anay ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Tena mahafinaritra ilay izy, satria toy ny fivoriana natao manokana mba handinihana izay ilainay mivady. Samy mahatsapa izahay hoe lasa manana vokatry ny fanahy bebe kokoa, ary mahita fifaliana kokoa amin’ny fanompoana.” Hoy koa ny raim-pianakaviana iray hafa: “Mikaroka ny zavatra tiany ho fantatra ny zanakay alohan’ilay fianarana, ary miana-javatra be. Tena tian’izy ireo izany! Nanampy anay io fandaharana io mba hatoky kokoa hoe mahafantatra ny zavatra mampanahy anay i Jehovah sady mamaly vavaka.” Mahatsapa toa azy ireo koa ve ianao?
8 Mety hisy zavatra hitranga hanelingelina ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Aza avela hisakana anareo tsy hanao an’ilay fianarana anefa izany. Hoy ny mpivady iray: “Isaky ny alakamisy hariva izahay no mianatra. Nisy zavatra nanakantsakana an’izany anefa tao anatin’ny iray volana. Saika tapaka foana ny fianaranay nefa tsy navelanay hitranga izany.” Mety hisy zavatra lehibe hitranga anefa, ka voatery hamboarina ny fotoana ianarana. Na izany aza, dia tokony ho tapa-kevitra ny tsy hanapaka ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana mihitsy isika, na dia indray mandeha monja aza.
9. Inona no nanampy an’i Jeremia, ary inona no ianarantsika avy aminy?
9 Ohatra tsara ho antsika i Jeremia mpaminany. Tsapany hoe nila sakafo ara-panahy avy amin’i Jehovah izy, ary faly rehefa nahazo izany. Ireny sakafo ara-panahy ireny no nanampy azy hitory foana na dia tsy niraika aza ny olona. Hoy izy: ‘Toy ny afo mirehitra voahidy ao amin’ny taolako ny tenin’i Jehovah.’ (Jer. 20:8, 9) Nanampy azy hiaritra koa izany, nandritra ilay fotoan-tsarotra niafara tamin’ny fandravana an’i Jerosalema. Ary isika? Manana ny Baiboly manontolo isika. Ho toa an’i Jeremia isika, raha mazoto mianatra azy io, ka ampitovintsika amin’ny an’Andriamanitra ny fomba fihevitsika. Ho afaka hiaritra sy hahita fifaliana amin’ny fanompoana isika, tsy hivadika rehefa misy fitsapana, ary hadio fitondran-tena sy hifandray tsara amin’Andriamanitra foana.—Jak. 5:10.
Miezaha mba ‘tsy hisy pentina sy tsy hisy tsiny’ mihitsy
10, 11. Nahoana isika no mila miezaka mafy mba ‘tsy hisy pentina sy tsy hisy tsiny’, ary inona avy no tafiditra amin’izany ezaka izany?
10 Fantatsika fa miaina amin’ny andro farany isika. Tsy mahagaga antsika àry raha mahazo vahana eo amin’izao tontolo izao ny zavatra halan’i Jehovah, toy ny fitiavan-karena, ny firaisana mamoafady, ary ny herisetra. Izao no azo amintinana ny tetikadin’i Satana: ‘Rehefa tsy azo ampitahorina ny mpanompon’Andriamanitra dia taomina hanao ratsy.’ (Apok. 2:13, 14) Tokony hampiharintsika àry ny torohevitra feno fitiavana nomen’i Petera hoe: “Ataovy izay rehetra azonareo atao mba ho [hitan’Andriamanitra] ho tsy misy pentina sy tsy misy tsiny ary ao amin’ny fihavanana ianareo, amin’ny farany.”—2 Pet. 3:14.
11 Indroa izay i Petera no nampirisika hoe: “Ataovy izay rehetra azonareo atao.” I Jehovah no nanome azy ny fanahy masina mba hilazana izany. Hita amin’izany fa fantatr’i Jehovah hoe mitaky ezaka mafy ny hoe tsy ho voaloton’ny tontolon’i Satana ka ‘tsy hisy pentina sy tsy hisy tsiny’ mihitsy. Anisan’izany ezaka izany ny hoe miaro ny fontsika amin’ny fanirian-dratsy. (Vakio ny Ohabolana 4:23; Jakoba 1:14, 15.) Tafiditra amin’izany koa ny hoe tsy tokony hivadika isika, na dia very hevitra aza ny olona mahita ny fomba fiaina kristianina arahintsika ary ‘manevateva antsika tsy misy farany.’—1 Pet. 4:4.
12. Inona no fampanantenana hitantsika ao amin’ny Lioka 11:13?
12 Sarotra ny manao ny tsara noho isika tsy lavorary. (Rom. 7:21-25) Rehefa miantehitra amin’i Jehovah ihany isika vao handresy. Malala-tanana izy ka manome ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy amin’ny fo manontolo. (Lioka 11:13) Io fanahy io kosa no mahatonga antsika hanana toetra ankasitrahan’Andriamanitra. Hanampy antsika handresy fakam-panahy ireny toetra ireny, sady hanampy antsika hiaritra an’ireo fitsapana, izay mety mbola hihamafy arakaraka ny hanatonan’ny andron’i Jehovah.
Avelao hanatanjaka ny finoanao ny fitsapana
13. Inona no hanampy antsika hiaritra rehefa misy fitsapana?
13 Tsy azo ihodivirana ny fitsapana raha mbola miaina eto amin’ity tontolo tranainy ity isika. Tsy tokony hahakivy antsika anefa izany. Tokony hihevitra kosa isika hoe afaka manaporofo ny fitiavantsika an’Andriamanitra isika rehefa misy fitsapana. Afaka manatanjaka ny finoantsika an’Andriamanitra sy ny Teniny koa isika. Hoy i Jakoba, mpianatr’i Jesosy: “Rehefa tojo fitsapana maro samihafa ianareo, ry rahalahiko, dia raiso ho fifaliana lehibe izany. Fantatrareo mantsy fa miteraka fiaretana ny finoanareo vita sedra.” (Jak. 1:2-4) Tadidio koa fa ‘hain’i Jehovah afahana amin’ny fitsapana ny olona mahafoy tena ho azy.’—2 Pet. 2:9.
14. Nahoana no mampahery anao ny ohatr’i Josefa?
14 Diniho ny ohatr’i Josefa, zanak’i Jakoba. Ny rahalahiny ihany no nivarotra azy ho andevo. (Gen. 37:23-28; 42:21) Nahatonga azy tsy hanam-pinoana intsony ve izany zavatra mahatsiravina izany? Nanjary tezitra tamin’Andriamanitra ve izy satria namela azy hiharan’izany? Milaza ny Baiboly fa tsy nanao izany izy. Tsy izay ihany anefa ny fitsapana nahazo an’i Josefa. Voaendrikendrika ho nanolana vadin’olona izy tatỳ aoriana, ka nogadraina. Tsy nivadika tamin’Andriamanitra mihitsy anefa izy. (Gen. 39:9-21) Navelany hanatanjaka ny finoany ireny fitsapana ireny, ka nomen’i Jehovah valisoa tondraka izy.
15. Inona no azontsika ianarana avy amin’i Naomy?
15 Marina aloha fa mety halahelo isika rehefa iharam-pitsapana, ary mety ho kivy mihitsy. Angamba nahatsapa toy izany koa i Josefa. Nisy anefa mpanompon’Andriamanitra tena kivy mihitsy. Ohatra hoe i Naomy, izay maty vady sy namoy zanaka roa lahy. Hoy izy: “Aza miantso ahy hoe Naomy, fa antsoy hoe Mara aho satria tena nampangidy ny fiainako ilay Mahery Indrindra.” (Rota 1:20, 21) Ara-dalàna izany fihetseham-pon’i Naomy izany. Toa an’i Josefa anefa izy, ka tsy navelany hampihena ny finoany izany ary tsy nivadika tamin’Andriamanitra izy. Namaly soa azy i Jehovah noho izany. (Rota 4:13-17, 22) Hanafoana ny fijaliana rehetra vokatry ny nataon’i Satana sy ny tontolo ratsiny koa i Jehovah ao amin’ny paradisa eto an-tany. “Tsy hotsarovana intsony, na hitamberina ao am-po, ny zavatra taloha” amin’izay.—Isaia 65:17.
16. Vavaka manao ahoana no ampirisihana hataontsika, ary nahoana?
16 Hanampy antsika hiaritra ny fitsapana rehetra ny fahafantarana fa tia antsika Andriamanitra. (Vakio ny Romanina 8:35-39.) Na dia hanandrana hanakivy antsika foana aza i Satana, dia tsy hahavoa, raha ‘misaina tsara’ foana isika ary ‘mailo ka tsy manao tsirambina ny vavaka.’ (1 Pet. 4:7) Hoy i Jesosy: “Koa miambena hatrany, ary mitalahoa mandrakariva mba ho afa-mandositra izany zava-drehetra tsy maintsy ho tonga izany ianareo, ka ho afaka hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.” (Lioka 21:36) Mariho fa nilaza i Jesosy hoe “mitalahoa”, izany hoe mivavaha amin-kafanam-po. Tian’i Jesosy hasongadina amin’izany, fa tena zava-dehibe ny manana laza tsara eo anatrehany sy eo anatrehan’ny Rainy. Izay mahazo sitraka amin’Andriamanitra ihany no ho tafavoaka velona amin’ny andron’i Jehovah.
Mazotoa foana manao fanompoana
17. Inona no azonao ianarana avy amin’ireo mpaminany fahiny, raha sarotra ny mitory eo amin’ny faritaninao?
17 Hoy i Petera: “Olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ny fitondran-tena masina sy ny fanehoana fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra!” (2 Pet. 3:11) Ny fitoriana ny vaovao tsara no asa lehibe indrindra hanehoana fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, ary tena mamelombelona antsika izy io. (Mat. 24:14) Mety ho sarotra anefa ny mitory any amin’ny faritra sasany, satria tsy miraika ny olona na manohitra na variana amin’ny zavatra mampanahy azy andavanandro. Niatrika olana toy izany koa ny mpaminany fahiny. Tsy kivy mihitsy anefa izy ireo, fa ‘niverimberina’ nilaza ny hafatra nasaina nampitainy. (Vakio ny 2 Tantara 36:15, 16; Jer. 7:24-26) Nahoana izy ireo no afaka niaritra? Satria nitovy tamin’ny an’i Jehovah ny fiheveran’izy ireo an’ilay asa, fa tsy nitovy tamin’ny an’izao tontolo izao. Voninahitra lehibe koa ny nitondra ny anaran’Andriamanitra tamin’izy ireo.—Jer. 15:16.
18. Inona no ifandraisan’ny asa fitoriana sy ny fanandratana ny anaran’i Jehovah amin’ny hoavy?
18 Voninahitra ho antsika koa ny manambara ny anaran’i Jehovah sy ny fikasany. Eritrereto ange ny vokatry ny fitoriantsika e! Rehefa hotsaraina ny fahavalon’Andriamanitra amin’ny andro lehiben’i Jehovah, dia tsy afaka hilaza izy ireo hoe tsy nisy nampahafantatra azy momba an’Andriamanitra sy ny fikasany. Hiaiky toa an’i Farao izy ireo hoe i Jehovah no miady aminy. (Eks. 8:1, 20; 14:25) Hanome voninahitra ny mpanompony tsy mivadika koa i Jehovah, ka hasehony mazava tsara fa solontenany tokoa ireo mpanompony ireo.—Vakio ny Ezekiela 2:5; 33:33.
19. Inona no tokony hataontsika raha mahay manararaotra ny faharetan’i Jehovah isika?
19 Nanoratra toy izao i Petera, ao amin’ny faramparan’ny taratasiny faharoa: “Hevero ho famonjena ny faharetan’ny Tompontsika.” (2 Pet. 3:15) Tokony hanararaotra ny faharetan’i Jehovah àry isika, ka hiezaka hanana ireo toetra ankasitrahany, hiezaka mba ‘tsy hisy pentina sy tsy hisy tsiny’ mihitsy, hihevitra ny fitsapana araka ny tokony ho izy, ary ho be atao foana amin’ny asan’ilay Fanjakana. Raha manao izany isika, dia hahazo fitahiana mandrakizay, rehefa ho tanteraka ilay fampanantenana hoe hisy “lanitra vaovao sy tany vaovao.”—2 Pet. 3:13.
Tadidinao Ve?
• Inona no hanampy antsika hanana an’ireo toetra tian’Andriamanitra?
• Inona no tokony hataontsika mba ‘tsy hisy pentina sy tsy hisy tsiny’ mihitsy?
• Inona no azontsika ianarana avy amin’i Josefa sy Naomy?
• Nahoana no voninahitra lehibe ho antsika ny mandray anjara amin’ny asa fitoriana?
[Sary, pejy 9]
Inona no azon’ny raim-pianakaviana atao mba hahatonga azy sy ny fianakaviany hanana ireo toetra tian’Andriamanitra?
[Sary, pejy 10]
Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fomba niatrehan’i Josefa fitsapana?