Namaly ny fitiavan’Andriamanitra tamin’ny fomba tsy nisy fitiavan-tena izy ireo
“Aoka hidera an’i Jehovah ireo noho ny famindrampony [ny hatsaram-pony feno fitiavana, MN] sy ny fahagagana ataony amin’ny zanak’olombelona.” — SALAMO 107:8.
1. Amin’ny fomba ahoana no ampisongadinan’ny apostoly Jaona ny fitiavana ao amin’ny taratasiny voalohany?
“ANDRIAMANITRA dia fitiavana.” Endrey izany hevitra fonosin’ireo teny ireo! Tsy mahagaga mihitsy àry raha tsapan’ny apostoly Jaona fa nilaina ny hamerimberenana azy tao amin’ny taratasiny voalohany. (1 Jaona 4:8, 16). Tsy fitiavana fotsiny i Jehovah Andriamanitra fa ilay fitiavana velona, na ilay fitiavana miseho, koa.
2. Tamin’ny fomba ahoana avy no nanehoan’Andriamanitra fitiavana tamin’ny namoronany ny lehilahy sy ny vehivavy sy tamin’ny nanomezany izay nilainy?
2 Eritrereto ny fitiavana nasehon’Andriamanitra teo amin’ny fomba namoronany antsika. Mety aoka izany ny teny feno fankasitrahana nataon’i Davida. Tamin’ny naha-mpanao salamo nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra azy, dia nanoratra izy hoe: “Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy”. (Salamo 139:14). Mba hahafahantsika miaina ao anatin’ny fahasalamana sy ny fahasambarana, dia nataon’Andriamanitra izay hahazoantsika fahafinaretana tsy hanam-pahataperana amin’ny alalan’ireo vavahadin-tsaina dimy ananantsika — ny fahitana, ny fandrenesana, ny fandrenesana tsiron-javatra, ny fanimboloana ary ny fitsapana. Endrey ny hatsaran-tarehy hitantsika eo amin’ny zavatra noforonina rehetra manodidina antsika! Endrey ny toetra mahatalanjon’ireo zavamaniry sy biby maro be sy samy hafa karazana, ary tsy resahina intsony ny hatsaran-tarehin’ny bika sy endrika hita eo amin’ny olombelona! Nametraka karazam-boankazo sy anana ary sakafo hafa maro matsiro eo am-pelatanantsika koa Andriamanitra. (Salamo 104:13-16). Misy antony tsara àry ny nampahatsiahivan’ny apostoly Paoly ireo mponina tany Lystra fahiny fa Andriamanitra dia “manao soa (...), mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin’ny hanina sy ny fifaliana.” — Asan’ny apostoly 14:17.
3. Fahaizana mahavariana inona avy no nomen’Andriamanitra antsika?
3 Eritrereto koa ireo fitahiana rehetra mifandray amin’ny fiainam-pianakaviana sambatra. Mihoatra noho izany aza fa saintsaino ireo fahafinaretana rehetra azontsika ankafizina noho ny fahaizana eo amin’ny ara-tsaina sy ara-pihetseham-po ananantsika: ny fakana sary an-tsaina, ny fitadidiana, ny fanjohian-kevitra, ny fieritreretana ary indrindra ny fahafahana manolotra fanompoam-pivavahana — izay samy mametraka antsika ho ambony lavitra noho ny biby; sady tsy tokony hohadinointsika koa ny fahafinaretana azontsika avy amin’ny mozika. Ireo sy ny fanomezana hafa maro dia fisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra antsika avokoa.
4. Fisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra inona avy no hitan’ny olombelona hatramin’ny nanotan’ireo ray aman-dreniny voalohany?
4 Tsy misy isalasalana fa nahita fahafinaretana lehibe maro dia maro ry Adama sy Eva noho ny toe-piainana tanteraka nananany tao amin’ny sahan’i Edena. (Genesisy 2:7-9, 22, 23). Kanefa, rehefa tsy nahay namaly tamin’ny fomba tsy nisy fitiavan-tena ireo porofon’ny fitiavan’Andriamanitra rehetra nankafiziny izy, moa ve Andriamanitra nanary ny olombelona? Tsy izany velively! Nanao fandaharana haingana izy mba hanamboarana ireo zava-dratsy rehetra nateraky ny fahotan’ireo ray aman-drenintsika voalohany. (Genesisy 3:15). Nampiseho fitiavana koa i Jehovah tamin’ny fizakana tamim-paharetana ny nataon’ny taranak’i Adama tsy tanteraka. (Romana 5:12). Hafiriana? Efa enina arivo taona eo ho eo izao! Ny tena nampisehoan’Andriamanitra fitiavana dia tamin’ny nitondrany ireo mpanompony. Marina tokoa ireto teny ireto: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo [hatsaram-po feno fitiavana, MN] sy fahamarinana, mitahiry famindrampo [hatsaram-po feno fitiavana, MN] ho an’ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana”. — Eksodosy 34:6, 7.
5. Tamin’ny fomba ahoana no nampisehoan’i Jehovah faharetana feno fitiavana tamin’ny fitondrany ny firenena Isiraely?
5 Eny, lehibe dia lehibe ny faharetana nasehon’i Jehovah Andriamanitra teo amin’ny fifandraisany tamin’ny Isiraelita, nanomboka tamin’ny fotoana niterahany azy ireo ho toy ny firenena iray teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay ka hatramin’ny fotoana nahavoatery azy hanary azy ireo tanteraka noho ny fikomiany. Izany dia araka ny vakintsika ao amin’ny 2 Tantara 36:15, 16 manao hoe: “Jehovah, Andriamanitry ny razany, nampitondra teny ny iraka izay nirahiny ho any aminy; eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka, fa namindra fo tamin’ny olony sy ny fonenany. Kanjo ny olona nihomehy ireny irak’Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran’i Jehovah taminy, ka tsy nisy nahavonjy azy.” Kanefa nisy ireo izay namaly ny fitiavan’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny fomba tsy nisy fitiavan-tena. Mba hahitana ny fomba nanaovan’izy ireo izany, dia aoka isika izao handinika ny fiainan’ny sasany tamin’ireny olona ireny. Izany dia hanome fototra hampisehoana hoe ahoana no mety hamalian’ny tenantsika manokana ny fitiavan’i Jehovah amin’ny fomba azo ampiharina tokoa.
Ny fomba namalian’i Mosesy tamin’ny fomba tsy nisy fitiavan-tena
6. Tamin’ny fomba ahoana avy no nampiavaka ny ohatr’i Mosesy, ary teo am-panaovana asa inona avy no nahitany ny fitiavan’Andriamanitra?
6 Ohatra niavaka ny amin’ny olona namaly ny fitiavan’Andriamanitra tamin’ny fomba tsy nisy fitiavan-tena tokoa i Mosesy. Fahafahana hanao zavatra toy inona moa no nivelatra teo anoloan’i Mosesy tamin’ny naha-zanaka natsangan’ny zanakavavin’i Farao azy! Kanefa izy “nifidy (...) hiara-mitondra fahoriana amin’ny olon’Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin’ny fahotana, nanao ny fanaratsiana an’i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan’i Egypta”. (Hebreo 11:25, 26). Indray mandeha i Mosesy dia naniry hanafaka ny rahalahiny, ny Isiraelita, tamin’ny fanandevozana egyptiana. Kanefa tsy nankasitrahan’izy ireo ny fiezahana nataony, sady mbola tsy tonga ny fotoana voatendrin’Andriamanitra ho an’ny fanafahana azy ireo tamin’izay. (Asan’ny apostoly 7:23-29). Am-polony taona maro taorian’izay, anefa, noho ny finoan’i Mosesy sy ny faniriany tsy nisy fitiavan-tena hanampy ireo rahalahiny, dia nanome hery azy i Jehovah mba hanaovany fahagagana maro sy hanompoany ny Isiraelita nandritra ny 40 taona tamin’ny naha-mpaminany, mpitsara, mpanome lalàna ary mpanelanelana ho azy. Teo am-panaovana ireo asa ireo, i Mosesy dia nahatsapa imbetsaka ny fitiavan’i Jehovah azy sy ireo Isiraelita mpiray firenena taminy.
7. Tamin’ny fomba ahoana no namalian’i Mosesy ireo fisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra?
7 Tamin’ny fomba ahoana no namalian’i Mosesy ny fitiavan’Andriamanitra sy ny hatsaram-pony ho an’ny tsy mendrika akory? Moa ve izy ‘nandray ny hatsaram-pon’i Jehovah ho an’ny tsy mendrika akory ka tsy nahatanteraka ny zava-nokendren’izany’? (2 Korintiana 6:1, MN). Tsy izany mihitsy! Namaly tamin’ny fomba tsy nisy fitiavan-tena ny fanehoan’i Jehovah fitiavana taminy i Mosesy tamin’ny fitodihana tanteraka tany amin’Andriamanitra. Niantehitra tamin’i Jehovah tamin’ny fotoana rehetra izy ary nanana fifandraisana akaiky tamin’ilay Mpamorona azy. Endrey ny teny fiderana nampiasain’Andriamanitra momba an’i Mosesy rehefa niteny mafy an-dry Arona sy Miriama izy noho izy ireo nanakiana ny rahalahiny sy anadahiny! Eny, niteny “nifanatrika” tamin’i Mosesy i Jehovah ary namela azy ‘hijery ny endrik’i Jehovah’. (Nomery 12:6-8). Na dia nahazo tombontsoa maro dia maro aza i Mosesy, dia mbola nitoetra ho ilay lehilahy nalemy fanahy nihoatra noho ny olona rehetra ihany ary nanao “araka izay rehetra efa nandidian’i Jehovah azy”. — Eksodosy 40:16; Nomery 12:3.
8. Tamin’ny fomba ahoana no nampisehoan’i Mosesy fa tena nitodika tany amin’Andriamanitra marina izy?
8 Nampiseho koa i Mosesy fa nitodika tany amin’Andriamanitra tamin’ny fomba tsy nisy fitiavan-tena izy tamin’ny fiahiana ny amin’ny anarana na lazan’i Jehovah sy ny fanompoam-pivavahana madio. Araka izany, i Mosesy dia niangavy an’i Jehovah tamin’ny tarehin-javatra roa mba hamindra fo tamin’ny Isiraely satria tafiditra tamin’izany ny anaran’Andriamanitra, ka nahita fahombiazana. (Eksodosy 31:11-14; Nomery 14:13-19). Rehefa nandray anjara tamin’ny fanompoana ombilahy kely sampy ny Isiraelita, dia nampiseho zotom-po ho an’ny fanompoam-pivavahana madio i Mosesy tamin’ny fiantsoana hoe: “Izay rehetra an’i Jehovah mankanesa etỳ amiko.” Taorian’izay, dia namono 3 000 tamin’ireo mpanompo sampy i Mosesy sy ireo niaraka taminy. Avy eo, nandritra ny 40 taona izy dia niaritra ny fiarahana tamin’ny vahoaka iray mpimenomenona sady mpikomy. Tsy misy isalasalana mihitsy fa namaly ny fisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra tamin’ny fomba tsy nisy fitiavan-tena i Mosesy, ka nanome tamin’izany, ohatra tsara dia tsara ho antsika amin’izao andro izao. — Eksodosy 32:26-28; Deoteronomia 34:7, 10-12.
Namaly tamin’ny fomba tsara dia tsara i Davida
9. a) Tamin’ny fomba ahoana no namalian’i Davida ny fitiavan’i Jehovah Andriamanitra? b) Toa an’i Davida, amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika hankalaza an’i Jehovah amin’ny zava-tsarobidintsika?
9 Ny ohatra miavaka hafa iray ao amin’ny Baiboly ny amin’ny olona nanome ohatra tsara dia tsara raha ny amin’ny famaliana ny fitiavan’Andriamanitra tamin’ny fomba tsy nisy fitiavan-tena dia i Davida, mpanao salamo, ilay mpanjaka faharoa teo amin’ny Isiraely. Ny zotom-pony ho an’ny anaran’i Jehovah dia nanosika azy hiady tamin’i Goliata, ilay Filistina goavana nihaika an’i Jehovah, ary nomen’Andriamanitra ny fandresena izy. (1 Samoela 17:45-51). Izany zotom-po izany koa no nanery an’i Davida hitondra ny fiaran’ny fanekena ho any Jerosalema. (2 Samoela 6:12-19). Ary moa ve ny fanirian’i Davida hanorina tempoly iray ho an’i Jehovah tsy fanehoana hafa iray ny zotom-pony sy ny fankasitrahany ny fitiavan’Andriamanitra sy ny hatsaram-pony? Mazava ho azy fa izany tokoa. Ny tsy nahazoany izany tombontsoa izany dia tsy nanakana an’i Davida tsy hanomana io fikasana io ary hankalaza an’i Jehovah tamin’ny fanaovana fanomezana volamena, volafotsy ary vato soa sarobidy be avy tamin’ny fananany manokana. (2 Samoela 7:1-13; 1 Tantara 29:2-5). Tokony hanosika antsika ‘hankalaza an’i Jehovah amin’ny zava-tsarobidintsika’ ny famaliana amin’ny fomba tsy misy fitiavan-tena ny fitiavan’Andriamanitra, ka hampiasa ny fananantsika ara-nofo mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana isika. — Ohabolana 3:9, 10, MN; Matio 6:33.
10. Amin’ny lafiny inona ny fihetsika narahin’i Davida no mendrika ny hotahafina?
10 Na dia nanao fahadisoana lehibe aza i Davida, nandritra ny fiainany manontolo izy dia niseho ho ‘lehilahy araka ny fon’i Jehovah’. (1 Samoela 13:14; Asan’ny apostoly 13:22). Feno fanehoana fankasitrahana ny fitiavan’Andriamanitra ireo salamo nosoratany. Milaza ny The International Standard Bible Encyclopædia fa i Davida dia “nihafeno fankasitrahana kokoa noho ny hafa rehetra voatonona ao amin’ny Soratra masina.” Nilaza i Asafa, mpanao salamo, fa ‘nifidy an’i Davida mpanompony Andriamanitra ka naka azy avy tany am-balan’ondry. Naka azy mba hiandry an’i Jakoba olony sy Isiraely lovany izy; dia niandry ireo araka ny hitsin’ny fony izy’. (Salamo 78:70-72). Marina mihitsy fa ny fihetsika narahin’i Davida dia tsara hotahafintsika.
Jesosy Kristy, ilay ohatra tanteraka tokony harahintsika
11, 12. Tamin’ny fomba ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tena nitodika tany amin’Andriamanitra tokoa izy?
11 Mazava ho azy fa i Jesosy Kristy no ilay ohatra ao amin’ny Baiboly tsara indrindra ny amin’ny lehilahy iray namaly tamin’ny fomba tsy nisy fitiavan-tena ny fitiavan’Andriamanitra. Nanosika an’i Jesosy hanao inona izany? Voalohany indrindra aloha, dia voatosika hanolotra ho an’i Jehovah fifikirana aminy irery ihany izy. Tsy misy isalasalana fa nitodika tany amin’Andriamanitra tamin’ny fony tanteraka i Jesosy. Nanosika azy ho olona araka ny fanahy marina ny fankasitrahana ny fitiavana sy ny hatsaram-pon’ny Rainy any an-danitra. Nanana fifandraisana akaiky dia akaiky tamin’Andriamanitra izy. Olona nivavaka i Jesosy, ary tiany aoka izany ny niresaka tamin’ny Rainy any an-danitra. Hatrany hatrany isika dia mamaky fa nivavaka i Kristy. Indray mandeha izy dia nivavaka nandritra ny alina manontolo. (Lioka 3:21, 22; 6:12; 11:1; Jaona 17:1-26). Ho famaliana ny fitiavan’Andriamanitra, i Jesosy dia niaina ilay fahamarinana hoe ‘tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’i Jehovah’. Raha ny marina, ny fanaovana ny sitrapon’ny Rainy dia toy ny hanina taminy. (Matio 4:4; Jaona 4:34). Tsy tokony hamaly ny fitiavan’Andriamanitra amin’izany fomba izany ve isika ka hanolotra fifikirana aminy irery ihany?
12 Tamin’ny famaliana tamin’ny fomba tsy nisy fitiavan-tena ny fitiavan’Andriamanitra, i Jesosy Kristy dia nitarika foana ny saina ho amin’ilay Andriamaniny sady Rainy. Rehefa nisy niantso azy hoe “Mpampianatra tsara”, dia tsy nanaiky i Jesosy ka nilaza hoe: “Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.” (Lioka 18:18, 19). Namerimberina nanantitrantitra i Jesosy fa tsy afaka nanao na inona na inona avy amin’ny tenany ihany izy. Tsy namela fahafahana hidera ny anaran’ny Rainy handalo na oviana na oviana izy, ary nanomboka tamin’ny fomba nety ilay vavaka fakan-tahaka nomeny tamin’ny fangatahana hoe: “Hohamasinina anie ny anaranao.” Nivavaka izy hoe: “Ray ô, mankalazà ny anaranao.” Ary fotoana fohy talohan’ny nahafatesany, i Kristy dia nilaza tamin’ny Rainy hoe: “Izaho efa nankalaza Anao tetỳ ambonin’ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.” (Matio 6:9; Jaona 12:28; 17:4). Tsy misy isalasalana fa, ho famaliana ny fitiavan’Andriamanitra, dia tokony hitady ny hidera an’i Jehovah isika, ka hivavaka ny amin’ny fanamasinana ny anarany masina.
13. Tamin’ny fomba ahoana no nanosehan’ny fitiavan’Andriamanitra an’i Jesosy hanao zavatra?
13 Izao dia mariho, raha sitrakao, ny fomba faharoa ahitana fa nanosika an’i Jesosy hanao zavatra ny famaliana tamin’ny fomba tsy nisy fitiavan-tena ny fitiavan’Andriamanitra. Izany dia nahatonga azy ho tia ny fahamarinana ary hankahala ny heloka, araka ny nambara mialoha tao amin’ny Salamo 45:7. (Hebreo 1:9). ‘Masina, tsy nisy tsiny, tsy nisy loto, voasaraka tamin’ny mpanota’ izy. (Hebreo 7:26). Nihaika ireo mpanohitra azy ratsy fanahy i Jesosy mba hiampanga azy ho nanota, kanefa tsy afaka nanao izany ireo. (Jaona 8:46). Tamin’ny toe-javatra roa, dia nahatonga azy hanadio ny tempoly tamin’ireo mpivavaka feno faniriana mihoa-pampana ny fankahalany ny ratsy. (Matio 21:12, 13; Jaona 2:13-17). Ary tamin’ny fomba henjana toy inona moa no niampangan’i Jesosy ireo mpitondra fivavahana mpihatsaravelatsihy, tamin’ny filazana taminy mihitsy aza fa avy tamin’ny Devoly izy ireo! — Matio 6:2, 5, 16; 15:7-9; 23:13-32; Jaona 8:44.
14. Ho famaliana ny fitiavan’Andriamanitra, tamin’ny fomba ahoana no nitondran’i Jesosy ny mpianany?
14 Ny fomba hafa iray ahitana fa nanosika an’i Jesosy hanao zavatra ny fitiavan’Andriamanitra dia teo amin’ny fifandraisany tamin’ireo apostoliny sy ireo mpianatra hafa. Endrey ny fitiavana, ny faharetana ary ny fahari-po nasehony azy ireo! Tsy maintsy ho nampihatra fitsapana nampijaly taminy izy ireo tamin’ny fifaninanany, tamin’ny mbola fifamaliana ihany ny amin’izay lehibe indrindra na dia ny alina namadihana azy aza. (Lioka 22:24-27). Na dia izany aza, i Jesosy dia niseho ho nalemy fanahy sy tsy niavona am-po foana. (Matio 11:28-30). Marina fa namadika an’i Jesosy i Jodasy, nanda azy intelo i Petera ary nandositra ny apostoly hafa rehefa tonga hisambotra azy ny vahoaka mpitabataba. Nefa tsy feno fankahalana na fahatezerana na oviana na oviana izy. Ahoana no ahafantarantsika izany? Rehefa tafaraka tamin’ireo apostoly indray i Jesosy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia tsy niteny azy mafy tamin’ny fomba nanindrona noho izy ireo nanaiky ho resin’ny tahotra. Tsia, fa nampionona sy nampahatanjaka azy ireo hanohy ny fanompoana momba ilay Fanjakana kosa izy. — Jaona 20:19-23.
15. Tamin’ny fomba ahoana no nanomezan’i Jesosy fahafahampo tamin’izay nilain’ny olona ara-batana?
15 Aoka isika mbola hijery fomba hafa iray namalian’i Jesosy Kristy tamin’ny fomba tsy nisy fitiavan-tena ny fitiavan’Andriamanitra. Nanao izany izy tamin’ny fanaovana sorona ny tenany ho an’ny hafa, hatramin’ny fahafatesana nampietry sady nampanaintaina teo amin’ny hazo fijaliana. (Filipiana 2:5-8). Nanome fahafahampo tamin’izay nilain’ny olona teo amin’ny ara-batana i Jesosy tamin’ny fampihinanana vahoaka betsaka sy tamin’ny fanaovana fanasitranana maro tamin’ny fomba nahagaga. (Matio 14:14-22; 15:32-39). Nametraka ny tombontsoan’ny hafa talohan’ny an’ny tenany foana izy. Izany no nahafahany nilaza hoe: “Ny amboahaolo manan-davaka; ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany.” (Matio 8:20). Mora tsapan’i Jesosy ny fiasan’ny fanahin’Andriamanitra rehefa miala avy eo aminy izany mba hanao fanasitranana mahagaga. Kanefa tsy nanandrana na oviana na oviana ny hanararaotra tamin’ny lafiny ara-nofo ny fampiasana izany hery avy any ivelany izany izy, toy ny rehefa nikasika ny lambany tamim-pinoana ny vehivavy iray narary nandeha ra nandritra ny 12 taona ka sitrana. (Marka 5:25-34). Ankoatra izany, i Jesosy dia tsy nampiasa na oviana na oviana ireo hery avy any ivelany ho an’ny tenany manokana. — Ampitahao amin’ny Matio 4:2-4.
16. Tamin’ny fomba inona avy no nanomezan’i Kristy fahafahampo ny olona tamin’izay nilainy ara-panahy?
16 Na dia nikarakara ny amin’izay nilain’ny olona ara-batana tamin’ny fomba tsy nisy fitiavan-tena aza i Jesosy tamin’ny fanasitranana ny aretiny sy tamin’ny fampihinanana azy tamin’ny fomba nahagaga, ny antony voalohany nanaovany ny fanompoany teto an-tany dia ny hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny hampianatra ary ny hanao mpianatra. Na dia nanao fanasitranana nahatalanjona maro aza izy, dia tsy fantatra ho ilay Mpitsabo lehibe na ilay Mpanao fahagagana, fa ho ilay Mpampianatra tsara. (Matio 4:23, 24; Marka 10:17). Niantso ny tenany hoe Mpampianatra i Jesosy, toy ny nataon’ny mpianany ary na dia ny fahavalony koa aza. (Matio 22:16; 26:18; Marka 9:38). Ary toy inona moa ireo fahamarinana nampianariny, toy ny tao amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra! (Matio 5:1–7:29). Endrey ireo ohatra nifanentana tsara nampiasainy sy ireo fanoharana ara-paminaniana ary faminaniana hafa nanaitra notononiny! Tsy mahagaga àry indray mandeha raha tsy nahavita naninji-tanana tamin’i Jesosy ireo miaramila nirahina mba hisambotra azy! — Jaona 7:45, 46.
17. a) Tamin’ny fomba ahoana no nanomezan’i Jesosy antsika ny modely tanteraka ny amin’ny fitiavana? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
17 Tsy misy isalasalana fa namela ho antsika ny ohatra tanteraka ny amin’ny famaliana amin’ny fomba tsy misy fitiavan-tena ny fanehoan’Andriamanitra fitiavana amintsika i Jesosy Kristy. Nanome ny Rainy any an-danitra ny toerana voalohany teo amin’ny fiainany sy ny firaiketam-pony i Jesosy. Tia marina ny fahamarinana izy, nitondra ny apostoliny sy ny mpianany hafa tamim-pitiavana ary nampiasa ny fiainany hanomezana fahafahampo ny olona teo amin’ny ara-panahy sy ara-nofo. Farany, dia namarana ny fanompoany tamin’ny fomba nahatalanjona i Jesosy tamin’ny fanomezana ny ainy ho avotra. (Matio 20:28). Ahoana anefa ny amintsika? Marina fa tsy tanteraka isika, toa an-dry Mosesy sy Davida. Kanefa, araka ny asehon’ny lahatsoratra manaraka, dia misy fomba azo ampiharina ahafahantsika manahaka ilay Ohatra ny amin’ny famaliana amin’ny fomba tsy misy fitiavan-tena ny fisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra tokony harahintsika.
Ahoana no havalinao?
◻ Nahoana no azo lazaina fa “Andriamanitra dia fitiavana”?
◻ Tamin’ny fomba ahoana no namalian’i Mosesy ireo fisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra?
◻ Tamin’ny fomba ahoana avy no namalian’i Davida ny fitiavan’i Jehovah Andriamanitra?
◻ Ohatra inona no navelan’i Jesosy Kristy raha ny amin’ny famaliana ny fitiavan’Andriamanitra?
[Sary, pejy 10]
Fantatrao ve hoe ahoana no namalian’i Mosesy ny fitiavan’Andriamanitra?
[Sary, pejy 12, 13]
Namaly ny fitiavan’Andriamanitra tamin’ny fanampiana ny hafa teo amin’ny ara-panahy sy ara-batana i Jesosy ary tamin’ny fanomezana ny ainy ho avotra