Mandehana toy ny ampianarin’i Jehovah
“Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô, dia handeha amin’ny fahamarinanao aho; ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.” — SALAMO 86:11.
1, 2. Inona no manosika ny Vavolombelon’i Jehovah tsy hanaiky fampidiran-dra?
“ANGAMBA marina ny an’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mandà ny fampiasana ireo zavatra avy amin’ny ra izy, satria marina fa viriosy mitondra aretina maro be no mety hifindra amin’ny alalan’ny fampidiran-dra.” — Gazety ara-pitsaboana frantsay mivoaka isan’andro Le Quotidien du Médécin, 15 Desambra 1987.
2 Ny sasany izay namaky izany filazana hevitra izany dia nety ho nieritreritra fa kisendrasendra fotsiny ny nandavan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fampidiran-dra ela be talohan’ny nahafantaran’ny rehetra fa mety hampidi-doza, hahafaty mihitsy aza, izany. Ny fihetsiky ny Vavolombelon’i Jehovah mikasika ny ra anefa dia tsy noho ny kisendrasendra, na lalàna noforonin’ny antokom-pivavahana hafahafa sasany, fihetsika vokatry ny tahotra fa tsy azo antoka ny ra. Lavin’ny Vavolombelona kosa ny ra noho ny fahatapahan-kevitr’izy ireo handeha amim-pankatoavana eo anatrehan’ilay Mpampianatra azy Lehibe — dia Andriamanitra.
3. a) Ahoana no fiheveran’i Davida ny fiankinana amin’i Jehovah? b) Fiafarana inona no nantenain’i Davida noho ny fatokiany an’Andriamanitra?
3 Davida mpanjaka, izay nahatsapa ny fiankinany tamin’Andriamanitra, dia tapa-kevitra ny hampianariny sy ny ‘handeha amin’ny fahamarinany’. (Salamo 86:11) Nomena torohevitra indray mandeha i Davida fa, raha manalavitra ny fahatongavana ho meloka ho mpandatsa-dra eo imason’Andriamanitra izy, dia ‘hofonosina ao anatin’ny kitapon’aina izay ao amin’i Jehovah ny fanahiny’. (1 Samoela 25:21, 22, 25, 29, MN). Toy ny namonosan’ny olona ireo zava-tsarobidy mba hiarovana sy hitahirizana azy, dia toy izany koa fa azon’Andriamanitra narovana sy notahirizina ny ain’i Davida. Tamin’ny fanekena ilay torohevitra feno fahendrena, i Davida dia tsy nitady ny hamonjy ny tenany tamin’ny ezaka nataony manokana, fa natoky Ilay tompon’ny ainy izy: “Hampahafantatra ahy ny lalan’aina Hianao; fahavokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo antananao ankavanana mandrakizay.” — Salamo 16:11.
4. Nahoana i Davida no naniry ny hampianarin’i Jehovah?
4 Tamin’izany fomba fisainana izany, i Davida dia tsy nihevitra fa afaka nisafidy manokana ny tenany hoe iza tamin’ny lalàn’Andriamanitra no nanan-kery na nilaina hankatoavina. Ny fomba fisainany dia izao: “Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô, ary tariho amin’ny lalana marina aho”. “Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô, dia handeha amin’ny fahamarinanao aho; ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao. Hidera Anao amin’ny foko rehetra aho Andriamanitro [Jehovah, MN] Tompo ô”. (Salamo 27:11; 86:11, 12) Indraindray, ny fandehanana amim-pahamarinana eo anatrehan’Andriamanitra dia mety ho toa mitondra zava-manahirana, na mety hidika ho fanaovana sorona lehibe, kanefa dia naniry ny hampianarina ao amin’ ny lalana marina i Davida ka handeha amin’izany.
Nampianarina ny amin’ny ra
5. Inona no tsy maintsy fantatr’i Davida momba ny fihetsika tanan’Andriamanitra ny amin’ny ra?
5 Tsara homarihintsika fa hatramin’ny fahazazany, i Davida dia nampianarina ny amin’ny fiheveran’Andriamanitra ny ra, fiheverana izay tsy zava-niafina ara-pivavahana akory. Rehefa novakina tamin’ny vahoaka ny Lalàna, dia tsy maintsy ho nandre izao teny izao i Davida: “Fa ny ain’ny nofo dia amin’ny ra; ary nomeko anareo izany hatao ambonin’ny alitara hanao fanavotana ho an’ny ainareo, fa ny ra no manao fanavotana, satria aina izany. Koa izany no nilazako tamin’ny Zanak’Isiraely hoe: Aza misy mihinan-dra, na hianareo, na ny vahiny eo aminareo.” — Levitikosy 17:11, 12; Deoteronomia 4:10; 31:11.
6. Nahoana no nilain’ireo mpanompon’Andriamanitra foana ny hampianarina ny amin’ny ra?
6 Raha mbola nampiasa ny Isiraely ho vahoakany tafangona Andriamanitra, ireo izay naniry ny hampifaly azy dia nila ny hampianarina ny amin’ ny ra. Nandritra ireo taranaka nifandimby teo amin’ny Isiraely, dia nampianarina toy izany ny zazalahy sy ny zazavavy. Nitohy ve anefa ny fampianarana toy izany taorian’ny naneken’Andriamanitra ny kongregasionan’ireo kristiana, nanaovany azy ho “Isiraelin’Andriamanitra”? (Galatiana 6:16) Eny tokoa. Tsy niova ny fiheveran’ Andriamanitra ny ra. (Malakia 3:6) Ny toerany voalaza ny amin’ny tsy tokony hampiasana ny ra amin’ny fomba ratsy dia efa nisy talohan’ny nampanan-kery ny faneken’ny Lalàna, ary nitohy izany taorian’ny nifaranan’ny Lalàna. — Genesisy 9:3, 4; Asan’ny apostoly 15:28, 29.
7. Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny hampianarin’Andriamanitra ny amin’ny ra?
7 Foto-pinoan’ny kristianisma ny fanajana ny ra. ‘Tsy fanitaran-javatra ve izany?’ hoy no mety ho fanontanian’ny sasany? Inona no foto-pinoan’ny kristianisma fa tsy ny soron’i Jesosy? Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Amin’ny alalany [Jesosy] no ananantsika fanavotana amin’ny rany, eny, famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ny hatsaram-pony amin’izay tsy mendrika akory.” (Efesiana 1:7, MN). Ireo Taratasy Ara-tsindrimandry nadikan’i Frank C. Laubach, dia nandika ilay andininy toy izao: “Naloa ho antsika ny ran’i Kristy ary Azy isika izao.”
8. Ahoana no iankinan’ny fiainan’ny “olona betsaka” amin’ny ra?
8 Izay rehetra manantena ny ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” efa antomotra sy hifaly amin’ireo fitahian’Andriamanitra eo amin’ny tany tonga paradisa dia miankina amin’ny ra nalatsak’i Jesosy. Ny Apokalypsy 7:9-14 dia milazalaza ny amin’izy ireo ary miteny toy ny mitodika any amin’ny lasa manao hoe: “Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry.” Mariho ny fitenenana eto. Tsy milaza izy hoe ireo izay voavonjy amin’ny fahoriana lehibe dia ‘nanaiky an’i Jesosy’ na ‘nino azy’, na dia azo antoka aza fa lafiny tena lehibe ireo. Lasa lavitra kokoa izy ary milaza fa izy ireo dia ‘nanasa ny akanjony sy namotsy izany tamin’ny ran’[i Jesosy]’. Izany dia noho ny rany manana ny hasarobidin’ny fanavotana.
9. Nahoana no zava-dehibe aoka izany ny fankatoavana an’i Jehovah mikasika ny ra?
9 Manampy ny Vavolombelon’i Jehovah ny fankasitrahana io zava-tsarobidy io mba ho tapa-kevitra ny tsy hampiasa ny ra amin’ny fomba ratsy, na dia milaza aza ny mpitsabo tso-po iray fa iankinan’ny aina ny fampidiran-dra. Mety hino izy fa ireo soa mety ho azo amin’ny fampidiran-dra dia mavesa-danja kokoa noho ny loza ara-pahasalamana mety hitranga avy amin’ny ra mihitsy. Kanefa dia tsy azon’ny kristiana odian-tsy hita ny loza mety hitranga lehibe lavitra, dia ny mety hamoizana ny fankasitrahan’Andriamanitra amin’ny fanekena hampiasa ny ra amin’ny fomba ratsy. Indray mandeha i Paoly dia niresaka ny amin’ireo izay “minia manota (...) rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina”. Nahoana ny fahotana karazan’izany no lehibe aoka izany? Satria ny olona toy izany dia “nanitsaka ny Zanak’Andriamanitra ka nanao ny ran’ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masina”. — Hebreo 9:16-24; 10:26-29.
Ampio ny hafa mba hahazo fampianarana
10. Inona no mahatonga ny fahatapahan-kevitsika hifady ny ra?
10 Isika izay mankasitraka ny sorom-panavotan’i Jesosy, dia mitandrina mba tsy ho zatra manota amin’ny fandavana ny vidin’ny rany mamonjy aina. Refa nandinika lalina ilay raharaha isika dia mahatakatra fa ny fankasitrahana an’Andriamanitra noho ny fiainana fotsiny dia tokony hanosika antsika handa izay rehetra mety ho fanekena lembenana handika ny lalàny marina, izay itokiantsika fa nomena mba hahasoa antsika indrindra — hahasoa antsika indrindra amin’ny fomba maharitra. (Deoteronomia 6:24; Ohabolana 14:27; Mpitoriteny 8:12) Ahoana anefa ny amin’ireo zanatsika?
11-13. Fiheveran-diso ny amin’ny zanany sy ny ra inona no ananan’ny ray aman-dreny sasany, ary nahoana?
11 Raha mbola menavava ny zanatsika na mbola kely loatra tsy mahataka-javatra, dia azon’i Jehovah Andriamanitra heverina ho madio sy azo ekena izy ireo mifototra amin’ny fahatokiantsika. (1 Korintiana 7:14) Koa marina àry fa ireo ankizy ao amin’ny tokantrano kristiana dia mety ho mbola tsy nahatakatra na nanao safidy ny amin’ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra ny amin’ny ra. Moa ve isika anefa manao izay rehetra azontsika atao mba hampianarana azy ireo ny amin’io raharaha iankinan’ny aina io? Tokony handinika izany amim-pitandremana ireo ray aman-dreny kristiana, satria misy ray aman-dreny sasany toa nanana fiheveran-diso ny amin’ireo zanany sy ny ra. Ny sasany dia toa nihevitra fa raha ny marina dia tsy manana fahefana loatra izy ireo raha ampidirana ra ny zanany tsy ampy taona. Nahoana no misy izany fiheveran-diso izany?
12 Misy tany maro manana lalàna na biraom-panjakana miaro ireo ankizy tsy voakarakara sy ampijalina. Ireo zanaky ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy hoe tsy voakarakara akory na ampijalina rehefa manapa-kevitra ny ray aman-dreny fa tsy hamela ny zanany malalany lahy na vavy hampidirana ra, fa mangataka ny fampiasana fomba fitsaboana solony izay azon’ny fitsaboana ankehitriny omena. Na dia araka ny fomba fiheverana ara-pitsaboana aza, dia tsy fanaovana tsirambina na fampijaliana izany, raha jerena ireo loza ekena fa entin’ny fomba fitsaboana amin’ny fampidirandra. Izany dia fampiharana ny zo handanjalanja ny loza mety ho tafiditra ary avy eo dia mifidy ilay fomba itsaboana.a Kanefa dia misy fandaharana ara-dalàna noraisin’ny mpiasan’ny hôpitaly sasany mba hitadiavana fahefana hanery ny fampidiran-dra tsy irina.
13 Ny ray aman-dreny sasany izay mahafantatra fa mety ho mora ho an’ny mpiasan’ny fitsaboana ny mahazo ny fanohanan’ny fitsarana mba hampidirana ra amin’ny zaza tsy ampy taona, dia mety hihevitra fa tsy voafehiny ilay raharaha, fa tsy misy na inona na inona azon’izy ireo atao na tokony hataony. Endrey ny maha-diso izany fiheverana izany! — Ohabolana 22:3.
14. Ahoana no nampianarana an’i Davida sy i Timoty tamin’ny fahatanorany?
14 Nomarihintsika fa nampianarina tao amin’ny lalàn’Andriamanitra hatramin’ny fahatanorany i Davida. Izany dia nahatonga azy ho ampy fitaovana mba hihevitra ny aina ho fanomezana avy amin’Andriamanitra ary hahafantatra fa ny ra dia mampiseho ny aina. (Ampitahao amin’ny 2 Samoela 23:14-17.) Nampianarina ny fomba fisainan’Andriamanitra i Timoty “hatry ny fony vao zaza”. (2 Timoty 3:14, 15) Moa ve ianao tsy hanaiky fa na dia fony i Davida sy i Timoty mbola tsy tonga teo amin’ny taona maha-olondehibe ara-dalàna ankehitriny aza, dia tsy maintsy ho afaka nilaza tsara ny heviny ny amin’ireo raharaha mahakasika ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo? Toy izany koa, ela be alohan’ny maha-ampy taona azy, dia tokony hampianarina ny amin’ny lalàn’Andriamanitra ireo tanora kristiana.
15, 16. a) Fiheverana inona no nitombo tany amin’ny toerana sasany mikasika ny zon’ny ankizy tsy ampy taona? b) Inona no nitarika ny fampidirana ra tamin’ny ankizy tsy ampy taona iray?
15 Any amin’ny toerana sasany, ny ankizy tsy ampy taona lazaina fa matotra iray dia omena zo mitovy amin’ny an’ny olon-dehibe. Miorina amin’ny taona sy ny fomba fisainana matotra, na izy roa miaraka, ny tanora iray dia mety hoheverina ho ampy fahamatorana mba hanao ny fanapahan-keviny manokana momba ny fomba fitsaboana. Na dia tsy lalàna aza izany, dia misy mpitsara na manam-pahefana mety hanome lanjany kokoa ireo fanirian’ny tanora izay afaka milaza mazava ny fanapahan-keviny hentitra momba ny ra. Mifanohitra amin’izany, rehefa tsy afaka manazava ny finoany amin’ny fomba mazava sy matotra ny tanora iray, dia mety hihevitra ny fitsarana fa izy no tokony hanapa-kevitra ny amin’izay heverina fa tsara indrindra, toy ny mety hitranga amin’ny zazakely.
16 Nisy zatovolahy iray nianatra ny Baiboly tamin’ny fomba tapatapaka nandritra ny taona maro kanefa tsy vita batisa. Na dia fito herinandro aza sisa izy dia ho feno taona hahazoana ny “zo handa famba fitsaboana ho an’ny tenany”, ny hôpitaly nitsabo azy noho ny homamiadana dia nitady ny fanohanan’ny fitsarana mba hampidirana ra aminy tsy araka ny faniriany sy ny an’ireo ray aman-dreniny. Ilay mpitsara nanao tsara ny asany dia nanadina azy ny amin’ny zavatra inoany momba ny ra ary nanontany azy ny amin’ny hevitra fototra, toy ny anaran’ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly. Tsy afaka nilaza ireo anarana na nanao fanambarana nampiaiky momba ny fahatakarany ny antony tsy anekeny ra ilay zatovolahy. Nampalahelo fa nanome lalàna ny hanaovana fampidiran-dra ilay mpitsara tamin’ny filazana hoe: “Ny tsy fetezany hanaiky fampidiran-dra dia tsy miorina amin’ny fahatakarana matotra ireo zavatra inoany manokana ara-pivavahana”.
17. Toerana inona no notanan’ny ankizivavy 14 taona mikasika ny fampidirana ra taminy, ary inona no vokany?
17 Mety ho hafa anefa no fitrangan’ny raharaha ho an’ny ankizy tsy ampy taona nampianarina tsara tao amin’ny lalàn’Andriamanitra ary mandeha amim-paharisihana ao amin’ny fahamarinana. Nisy kristiana tanora kokoa voan’io karazana homamiadana tsy fahita firy io ihany. Ilay tovovavy sy ireo ray aman-dreniny dia nahazo fanazavana ary nanaiky ny fomba fitsaboana amin’ny “chimiothérapie” novana, tamin’ny manam-pahaizana manokana iray tao amin’ny hôpitaly lehibe iray. Nentina teo amin’ny fitsarana ihany anefa ilay raharaha. Nanoratra toy izao ilay mpitsara: “Noporofoin’i D.P. fa hanohitra ny fampidiran-dra izy amin’izay fomba rehetra azony atao. Nihevitra ny fampidiran-dra ho fanaovana an-keriny ny vatany izy ary nampitoviny tamin’ny fisavihana izany. Nangataka ny Fitsarana mba hanaja ny safidiny sy hamela azy ao [amin’ny hôpitaly] tsy misy didy avy amin’ny fitsarana mba hampidiran-dra izy”. Nitondra fanampiana ho azy tamin’io fotoan-tsarotra io ny fampianarana kristiana noraisiny. — Jereo ny faritra voafefy.
18. a) Fihetsika hentitra inona no notanan’ny zazavavy nijaly iray mikasika ny fandraisana ra? b) Inona no notapahin’ny mpitsara mikasika ny fomba fitsaboana azy?
18 Notsaboina noho ny “leucémie” ny zazavavy kely 12 taona. Nitondra ilay raharaha teo amin’ny fitsarana ny fandaminana iray mikarakara ny fiarovana ny ankizy mba hahafahana manery azy handray ra. Nanatsoaka hevitra toy izao ny mpitsara: “Nilaza mazava sy tamin’ny fomba tony tanteraka tamin’ity fitsarana ity i L. fa raha misy fanandramana atao mba hampidirana ra aminy, dia hiady amin’izany araka izay tratran’ny heriny rehetra izy. Nolazainy, ary mino azy aho, fa hidradradradra sy hitsipatsipaka izy ary hongotany hiala amin’ny sandriny ilay fitaovam-panindronana ka hiezahany hopotehina ilay kitapo kely misy ra eo an-doham-pandrianany. Laviko ny hanome didy na inona na inona izay hametraka io zaza io ao anatin’izany fitsapana mafy dia mafy izany (...) Ho an’io marary io, ny fomba fitsaboana naroson’ ny hôpitaly dia mikasika ny aretina amin’ny heviny ara-batana fotsiny. Tsy mahakasika izay ilainy ara-pihetseham-po sy izay inoany ara-pivavahana izany.”
Ry ray aman-dreny — Mampianara tsara
19. Adidy manokana inona no tokony hefain’ny ray aman-dreny amin’ny zanany?
19 Ny fanandraman-javatra toy izany dia mitondra hafatra mahery ho an’ireo ray aman-dreny izay maniry ny hiainan’ny fianakaviany iray manontolo mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra momba ny ra. Ny antony iray nahatonga an’i Abrahama ho sakaizan’Andriamanitra dia noho Izy nahafantatra fa ilay patriarka dia ‘nandidy ny zanany mbamin’ny taranany nandimby azy hitandreman’ireo ny lalàn’i Jehovah hanao izay marina’. (Genesisy 18:19) Tsy tokony ho marina ve izany raha ny amin’ireo ray aman-dreny amin’ izao andro izao? Raha ray aman-dreny ianao, moa ve ianao mampianatra ireo zanaka malalanao handeha amin’ny lalàn’i Jehovah mba hahatonga azy ireo ho “vonona mandrakariva (...) hamaly izay manontany (...) ny anton’ny fanantenana ao anatin[y], nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana”? — 1 Petera 3:15.
20. Inona voalohany indrindra no tiantsika ho fantatr’ireo zanatsika sy hinoany mikasika ny ra? (Daniela 1:3-14)
20 Na dia tsara ho an’ireo zanatsika aza ny mahafantatra ireo loza ara-pahasalamana sy loza hafa mety hitranga avy amin’ny fampidiran-dra, ny fampianarana azy ireo ny lalàn’Andriamanitra tanteraka momba ny ra akory tsy midika voalohany indrindra ho fanandramana mampiditra ao aminy tahotra ny ra. Raha anontanian’ny mpitsara, ohatra, ny antony tsy aneken’ny zazavavy iray hampidirana ra, inona no mety ho vokany raha toa ny valinteny homeny ka mifototra fotsiny amin’ny hoe mihevitra izy fa mampisetra loza be loatra sady mampahatahotra ny ra? Mety hanatsoaka hevitra ny mpitsara fa tsy matotra sy saro-tahotra tafahoatra fotsiny izy, toy ny mety hatahorany ny fanesorana kambon-tsinay, ka hitomaniany sy hanoherany io fandidiana io na dia mikendry ny hahasoa azy aza ny ray aman-dreniny. Ambonin’izany, dia nomarihintsika tetsy aloha fa ny antony lehibe indrindra anoheran’ny kristiana ny fampidiran-dra dia tsy hoe satria tsy madio ny ra fa satria sarobidy izy io amin’Andriamanitsika sy Mpanome aina antsika. Tokony ho fantatr’ireo zanatsika izany, ary koa ireo loza ara-pahasalamana mety hitranga avy amin’ ny ra izay manome lanja fanampiny ny toerana tanantsika ara-pivavahana.
21. a) Tokony hianatra inona momba ireo zanany sy ny fomba fiheveran’ny Baiboly ny ra moa ny ray aman-dreny? b) Ahoana no ahafahan’ny ray amandreny manampy ny zanany raha ny amin’ny ra?
21 Raha manan-janaka ianao, azonao antoka ve fa manaiky izany izy ireo ary afaka manazava ny fihetsika tanantsika momba ny fampidiran-dra, miorina amin’ny Baiboly? Moa ve izy ireo mino marina fa mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra io fihetsika io? Miaiky ve izy ireo fa lehibe aoka izany ny fandikana ny lalàn’Andriamanitra ka mety hahatandindomin-doza ny fanantenan’ny kristiana iray fiainana mandrakizay? Ny ray aman-dreny hendry dia handinika indray ireo zavatra ireo miaraka amin’ny zanany, na mbola kely na efa ho olon-dehibe izy ireo. Azon’ny ray amandreny atao ny manao fandaharana ho fanazaran-tena izay hiatrehan’ny tanora tsirairay fanontaniana mety hataon’ny mpitsara na manam-pahefana ao amin’ny hôpitaly. Ny zava-kendrena dia tsy ny hamerenan’ny tanora tsianjery fotsiny ny zava-misy nofantenana na valinteny akory. Zavadehibe kokoa ny hahafantaran’izy ireo hoe inona no inoan’ny tenany, ary nahoana. Mazava ho azy fa, mandritra ny fihainoana ataon’ny fitsarana, dia azon’ny ray aman-dreny na ny hafa atao ny manome filazana ny amin’ireo loza mety hoentin’ny ra sy ny fisian’ny fomba fitsaboana mahasolo azy. Kanefa azo inoana fa ny tadiavin’ny mpitsara na manam-pahefana iray ho fantatra rehefa miresaka amin’ny zanatsika dia izao: moa ve izy ireo mahatakatra amin’ny fomba matotra ny toerana misy azy sy ny safidiny, ary koa, moa ve manana ny vidiny manokana sy ny fiekeny mafy manokana izy ireo. — Ampitahao amin’ny 2 Mpanjaka 5:1-4.
22. Inona no mety ho vokany maharitra avy amin’ny fampianaran’Andriamanitra antsika momba ny ra?
22 Ilaintsika rehetra ny mankasitraka sy mitana amim-pahatapahan-kevitra ny fiheveran’Andriamanitra mikasika ny ra. Ny Apokalypsy 1:5 dia milazalaza an’i Jesosy ho ilay “tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany”. Amin’ny fanekena ny vidin’ny ran’i Jesosy ihany no ahafahantsika mahazo famelana feno sy maharitra ny fahotantsika. Milaza mazava ny Romana 5:9 hoe: “Koa mainka aza ny hamonjeny antsika ho afaka amin’ny fahatezerana ankehitriny, rehefa nohamarinina tamin’ny rany isika”. Koa fahendrena ary, ho antsika sy ho an’ireo zanatsika, ny manaiky hampianarin’i Jehovah ny amin’io raharaha io sy ny ho tapa-kevitra handeha amin’ny lalany mandrakizay!
Hevi-dehibe amin’ny fampianarana
◻ Ahoana no tokony ho fiheverantsika ny hoe ampianarin’i Jehovah?
◻ Nahoana no zava-dehibe aoka izany ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra momba ny ra?
◻ Nahoana no iankinan’ny aina ny hahaizan’ny tanora manazava tsara sy amin’ny fomba hentitra ny zavatra inoany mafy mikasika ny ra?
◻ Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny kristiana manampy ireo zanany mba hahazo fampianarana tsara ny amin’ny lalàn’Andriamanitra momba ny ra?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Comment le sang peut-il vous sauver la vie? navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., pejy faha-21-22, 28-31.
[Efajoro, pejy 17]
NANAITRA NY SAIN’NY FITSARANA
Inona no fanapahan-kevitra nataon’ny fitsarana momba an’i D.P., voalaza eo amin’ny fehintsoratra faha-17?
“Nanaitra ny sain’ny Fitsarana indrindra ny fahaizana, ny fandanjalanjana, ny fahamendrehana, ary ny fahasahiana niteny nananan’io tovovavy 14 taona sy tapany io. Nety ho nahaketraka azy ny fahafantarana fa voan’ny karazana homamiadana mahafaty izy (...) Na dia izany aza, dia tanora matotra no tonga niseho hanao fanambarana teo anatrehan’ny fitsarana. Toa nifantoka mazava tsara tamin’ny asa sarotra niandry azy izy. Nanatrika ny fandaharana fanomezana torohevitra rehetra izy, ary nanaiky drafitra momba ny fomba fitsaboana iray, namelabelatra fomba fisainana mifandrindra ny amin’ny fomba hiatrehany io zava-tsarotra ara-pitsaboana io amin’ny maha-olombelona azy, ary niseho teo anatrehan’ny fitsarana izy tamin’ny fangatahana nampahonena hoe: hajao ny fanapahankevitro (...)
“Ho fanampin’ny fahamatorany, i D.P. dia nilaza antony ampy ho an’ny fanapahan-keviny mba hanajan’ny Fitsarana izany. Ho niharam-pahavoazana ara-panahy, ara-tsaina, ara-pitondrantena ary ara-pihetseham-po izy tamin’ny drafitra fitsaboana izay nahatafiditra fampidiran-dra. Hanaja ny safidiny momba ny drafitra fitsaboana ny Fitsarana.”
[Sary, pejy 16]
Ny mpitsara na ny manam-pahefana iray ao amin’ny hôpitaly dia mety haniry hahafantatra izay tena inoan’ny tanora kristiana iray, sy ny anton’izany