-
Hafatra nentin’anjely ho an’izao androntsika izaoNy Tilikambo Fiambenana—1989 | 15 Martsa
-
-
Hafatra nentin’anjely ho an’izao androntsika izao
“Andriamanitra (...) naniraka ny anjeliny ary tamin’ny alalan’io dia nasehony taminy tamin’ny famantarana izany.” — APOKALYPSY 1:1, MN.
1. Heviny diso inona matetika no omena ny teny hoe Apokalypsy ary inona no ampahafantarin’ny Apokalypsy antsika ny amin’ny hoavy?
APOKALYPSY. Ampiasaina matetika io teny io amin’izao taonjato faha-20 izao, nefa diso fandray ny heviny tokoa ny olona! Tsy mampiasa izany hoenti-manondro ny fandringanana ny olombelona rehetra ao amin’ny ady noklehera akory ny Baiboly. Raha ny marina, io teny grika io dia midika hoe “fanalana sarona”. Amin’ny alalan’ny sary ara-paminaniana, dia asehon’ny bokin’ny Apokalypsy na Fanambarana ao amin’ny Baiboly ireo fitrangan-javatra izay hitarika ho amin’ny fotoam-pahasambarana tsy hanam-pahataperana ho an’ny olombelona. Nampiditra tamin’izao teny izao ny Apokalypsy i Jaona, apostolin’i Jesosy: “Sambatra izay mamaky sy ny mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny, fa antomotra ny andro.” — Apokalypsy 1:3.
2, 3. Nahoana no misy loza be dia be toy izao eo amin’izao tontolo izao, ary inona no kasain’i Jehovah hatao?
2 Tsy mahita fahasambarana izao tontolo izao ankehitriny. Ahitana ny antony mahatonga izany ao amin’ny Fihirana iray nataon’i Mosesy, 3 460 taona lasa izay: “Efa nasian-dratsy Izy; tsy zanany [an’Andriamanitra] ireny — tsininy izany. Taranaka miolakolaka sady efa nivadika izy!” (Deoteronomia 32:5). Ireo teny ireo dia mihatra amin’ny taranaka ankehitriny izay diso tanteraka eo amin’ny zavatra heveriny ho misy vidiny. Izany no aseho mazava ao amin’ny sasin-tenin’ilay boky hoe Fandaniana ara-tafika sy ara-tsosialy teo amin’izao tontolo izao tamin’ny 1987-1988 (anglisy): “Manapoizina ny fiainan’ny firenena rehetra ny fifaninanana manao fitaovam-piadiana. Etazonia sy ny Firaisana sovietika fotsiny dia mandany efa ho 1 lavitrisa sy sasany dôlara isan-andro amin’ny fiarovany ara-tafika. Kanefa raha ny amin’ny isan’ny zaza maty isan-taona dia eo amin’ny laharana fahavalo ambin’ny folo Etazonia ary U.R.S.S. dia eo amin’ny laharana fahenina amby efapolo eo amin’ny firenena rehetra. Ireo firenena eo an-dalam-pandrosoana dia manokana vola efa ho avo efatra heny amin’ny fandaniana ara-tafika noho ny amin’ny teti-bolany momba ny fahasalamana. Kanefa any amin’ireny firenena ireny, dia olona an-jatony tapitrisa maro no mosarena ary ankizy 20% no maty alohan’ny fahadimy taonany.”
3 Misy anton-javatra hafa manampy trotraka amin’izany tarehin-javatra mampidi-doza izany: ny fahafoanan’ny fitondrantena tsara, ny firodanan’ny fianakaviana, ny onjam-panaovana heloka bevava sy ny fampihorohoroana mitosaka eo amin’izao tontolo izao, ny tsy fahampiam-pitiavana sy ny tsy fankatoavan-dalàna asehon’ny taranaka ankehitriny. Mahasambatra tokoa ny mahafantatra fa Jehovah dia manam-pikasana ny ‘hanimba izay manimba ny tany’ (Apokalypsy 11:18.) Ao amin’ny fitohitohizana fahitana 16 dia lazalazain’ny bokin’ny Apokalypsy ao amin’ny Baiboly amin’ny fomba hentitra ny hoe ahoana no hanatanterahan’Andriamanitra izany fikasana izany.
“Anjely” sy “famantarana”
4. Anjara asa inona no tanan’ny anjely ao amin’ny Apokalypsy, ary amin’ny endrika inona avy no ilazalazany ireo fahitana ny anjely lehibe indrindra?
4 Hazavain’ny Apokalypsy ny faminaniana voalohany ao amin’ny Baiboly voasoratra ao amin’ny Genesisy 3:15, amin’ny filazana izay hiafaran’ny fifankahalana mampifanohitra an’i Satana amin’ny fandaminan’Andriamanitra oharina amin’ny vehivavy, sy amin’ny ‘taranak’izy ireo’ avy. Ambarany ny fomba itsaran’i Jehovah ny fahavalony etsy an-daniny sy ireo izay tia azy sady manohana ny fiandrianany etsy an-kilany. Ny Apokalypsy dia nomen’ny anjely iray an’i Jaona tamin’ny alalan’ny “famantarana”. Nandray anjara asa tamin’ny fanambarana ny fanatanterahana an’ireny famantarana ireny ny anjely na mpitondra hafatra hafa. Ny anjely lehibe indrindra dia aseho ao amin’ny Apokalypsy 1:5, ho “Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin’ny maty ary Lehiben’ny mpanjaka amin’ny tany”. Ao amin’ireo “famantarana” na fahitana ireo, dia aseho amin’ny endriky ny “Liona” sy “Zanak’ondry” iray izy; antsoina koa hoe “Mikaela” izy ary miseho imbetsaka ho tahaka ny anjely mahery. — Apokalypsy 5:5, 13; 9:1, 11; 10:1; 12:7; 18:1.
5. Inona no fonosin’ny fahitana voalohany ao amin’ny Apokalypsy ary amin’ny ahoana izany no mahakasika antsika?
5 Ny fahitana voalohany (Apokalypsy 1:10 ka hatramin’ny 3:22) dia mirakitra hafatra manaitra nalefan’i Jesosy nomem-boninahitra ho an’ireo “anjely” na mpiandraikitra ireo kongregasiona fito tany Azia, izay mampiseho ny kongregasiona iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny “andron’ny Tompo”. Nalefa ho antsika àry ireny hafatra ireny, eny, ho antsika izay velona ankehitriny! Tokony ‘hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny kongregasiona’ amim-pitandremana isika, satria ireny fampitandremana sy fampirisihana ireny dia natao hampaherezana antsika, mba hitoerantsika ho mahatoky, sy ankasitrahana noho ny asa ataontsika, ‘ny fitiavantsika sy ny finoantsika sy ny fanompoantsika ary ny fiaretantsika’. — Apokalypsy 1:10; 2:7, 10, 19.
6. Soa inona no azontsika raisina avy amin’ny tsirairay avy amin’ireo hafatra nalefa ho an’ireo kongregasiona fito tany Azia?
6 Tahaka ny kongregasiona tany Efesosy, angamba isika nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana ary nankahala ny asan’ireo mpivadi-pinoana izay niteraka fisaratsarahana. Kanefa, raha toa tamin’ny fomba iray na tamin’ny fomba hafa ka nihanangatsiaka ny fitiavantsika, dia aoka isika hibebaka ka hiverina amin’ny fitiavantsika voalohany amin’ny fidedadedany rehetra. Tahaka ireo mpikambana nanan-karena ara-panahy tao amin’ny kongregasiona tany Smyrna, dia aoka isika hiezaka amin-kerim-po hiseho ho mendrika ny valisoa amin’ny fitoerana “ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana” raha ilaina izany. Toy ireo kristiana nosedrain’i Satana tany Pergamosy dia tokony hibebaka ny amin’ny fanompoan-tsampy, fitondrantena maloto na fitiavana fitokotokoana izay angamba nananantsika taloha isika. Ny kristiana tao Tyatira dia nampitandremana tamin’ireny fandrika ireny ary indrindra tamin’ny fitaoman’ny olona tahaka an’i Jezebela. Isika koa dia tokony ho mailo! Izay rehetra maty ara-panahy tahaka ireo kristiana tany Sardisy, dia tokony hifoha sao diso aoriana loatra. Misy varavarana mivoha ho amin’ny asa eo anoloantsika tahaka ny nivohan’izany teo anoloan’ny kristiana tany Filadelfia; enga anie isika hanana hery mitovy amin’ny azy ka hivoaka ho mpandresy amin’ny fotoam-pisedrana! Raha toa ka manjary matimaty ny anankiray amintsika tahaka ireo Laodikiana, dia tokony hahatsapa ny fitanjahany ara-panahy izy ka hibebaka. Mandondòna eo am-baravarana i Jesosy. Aoka isika rehetra handray azy ka hiara-mizara aminy ny sakafo ara-panahy aroso any amin’ireo kongregasionantsika 55 000 miely manerana izao tontolo izao. — Apokalypsy 1:11; 2:7, 10, 11, 17, 29; 3:6, 13, 22.
Ny seza fiandrianan’Andriamanitra, horonamboky iray ary fanontaniana iray
7. Fiderana inona avy no ventesina ao amin’ny fahitana faharoa, ary manosika anao hanao inona moa izany?
7 Ao amin’ny fahitana faharoa dia mahita ny seza fiandrianan’i Jehovah be voninahitra any an-danitra i Jaona. Miseho amin’ny voninahiny rehetra ny Andriamanitsika, amin’ny famirapiratana tsy misy toy izany. Tompoin’ny kerobima efatra sy ny tafika anjely ary ireo kristiana naharesy izao tontolo izao ka natsangana izy. Mampihetsi-po tokoa ny hira fiderany! Izao izany: “Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.” Jehovah dia manolotra horonamboky iray an’Ilay mendrika hanokatra azy: ny Liona avy amin’ny fokon’i Joda, ny Zanak’ondry novonoina izay tonga ny Mpamonjy antsika. Midera an’i Jehovah sy ny Zanak’ondry avokoa ny zavaboary rehetra. — Apokalypsy 4:11; 5:2-5, 11-14.
8. Inona no hitantsika ao amin’ny fahitana fahatelon’ny Apokalypsy, ary amin’ny ahoana izany no mahakasika ny androntsika?
8 Aoka hodinihintsika izao ny fahitana fahatelo. Manomboka mamaha ny tombo-kase fito amin’ilay horonamboky ny Zanak’ondry. Inona no hitantsika? Voalohany indrindra, any an-danitra, Jesosy vao nomena satroboninahitra, mitaingina soavaly fotsy, izay mampiseho ny ady marina. Avy eo, ilay mpitaingina ny soavaly mena dia mitarika ny tany ho ao amin’ny ady lehibe. Manaraka azy ny soavaly mainty mampiseho ny mosary, ary tao aoriany ny soavaly hatsatra, ny areti-mandringana, izay ny mpitaingina azy dia antsoina hoe ny Fahafatesana. Manaraka azy ny Fiainan-tsi-hita mba hitelina olona niharam-pahavoazana an-tapitrisany maro. Ny dian’ireo mpitaingin-tsoavaly ireo dia nanomboka tamin’ireo “fahoriana” namely ny olombelona nanomboka tamin’ny 1914 ka hatramin’ny 1918, fahoriana tadidin’ireo mbola velona anisan’izany taranaka izany tsara. (Matio 24:3-8). Manohy ny diany ireo mpitaingin-tsoavaly ireo. Ary miaraka amin’ny famohana ny tombo-kase fahadimy sy fahenina dia misesy ny fisehoan-javatra mba hiafara amin’ny ‘andro lehiben’ny fahatezeran’i Jehovah sy ny Zanak’ondry’. Velona àry ny fanontaniana: “Iza no mahajanona [mahajoro, MN ]?” — Apokalypsy 6:1-7.
Ireo izay “mahajoro”
9. Fisehoan-javatra manaitra inona no ampahafantarin’ny fahitana fahefatra antsika?
9 Manaraka ny fahitana fahefatra. Manambara izay ho tafita velona amin’ny andro fahatezeran’Andriamanitra izany, ary hazavainy ny antony. Misy anjely mihazona rivo-pandringanana efatra tsy hitsoka amin’ny tany, mba ho voaisy tombo-kase avokoa aloha ireo anisan’ny Isiraely ara-panahy — ireo 144 000. “Rehefa afaka izany”, dia mampiseho fahitan-javatra manaitra ilay fahitana: “Indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany, dia niantso tamin’ny feo mahery izy nanao hoe: ‘Ny famonjena anie ho an’Andriamanitsika, izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy ho an’ny Zanak’ondry.’ ” (Apokalypsy 7:1-10). Anisan’izany olona betsaka izany ve ianao?
10. a) Inona no asehon’ny fampitahana ny rapaoro azo tamin’ny Fahatsiarovana tamin’ny 1935 amin’izay azo tamin’ny 1987 raha ny amin’ny fahatanterahan’ny fahitana fahefatra? b) Tokony hanontany tena hoe ahoana ny tsirairay avy amintsika izao, ary nahoana?
10 Tamin’ny 1935, ny olona nanatrika ny fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy naneran-tany dia 32 795. Tamin’io isa io dia 27 006 no nandray ny marika ka nampiseho tamin’izany izy ireo fa nahaforona ny sisa tamin’ireo 144 000 mbola velona teto an-tany, izay namelona fanantenana ny ho any an-danitra. Tato aoriana, nandritra io taona io ihany dia nampahafantarina mazava ny momba ny olona betsaka. Ireny olona manetry tena ireny, izay manantena hiaina mandrakizay eto ambonin’ny tany voaova ho paradisa, dia maneho finoana koa ny ra nalatsak’i Jesosy; manatona an’i Jehovah izy ireny, manolo-tena ho azy ka atao batisa ary manompo azy amin-jotom-po sady manana ny fahatsinjovan-javatra mahasambatra, dia ny ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe”. Tamin’ny Fahatsiarovana tamin’ny 1987, dia olona 8 965 221 no nanatrika, nefa 8 808 monja no nandray anjara. Izany rapaoro izany dia milaza fa olona an-tapitrisany maro ankehitriny no anisan’ny olona betsaka na mihevitra ho tonga anisany. Ho anisan’izy ireny ve ianao ary ‘hahajoro’ ve ianao amin’ny ‘andro lehiben’ny fahatezeran’i Jehovah sy ny Zanak’ondry’? Raha manao ireo dingana ilaina ianao mba hahatongavana amin’izany, dia hiantoka ny fahatafitanao velona. — Apokalypsy 6:15-17; 7:14-17.
Manambara ny fitsaran’Andriamanitra ny fitsofana trompetra
11. Fitsarana inona avy no torina amin’ny alalan’ny trompetra ao amin’ny fahitana fahadimy, ary amin’ny ahoana no mahakasika ny androntsika izany?
11 Novahana ny tombo-kase fahafito ary miseho eo imasontsika ny fahitana fahadimy ao amin’ny Apokalypsy. Anjely fito no mijoro eo anatrehan’Andriamanitra. Nomena trompetra fito izy ireo ka amin’ireny no ampanakoakoany ny fanambarana izay averimberin’ireo mpanompon’i Jehovah maneran-tany nanomboka tamin’ny 1922. Ireo “trompetra” efatra voalohany dia manambara ny fitsarana notononina tamin’ny ‘ampahatelon’ny’ olombelona, dia toa ireo anisan’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Milaza izy ireny fa ny tapany amin’ny “tany” (ny fandehan-javatr’i Satana toa tsy miovaova) sy ny “ranomasina” (ireo vahoaka mihetsiketsika amin’ny olombelona) anisan’ny fivavahana lazaina fa kristiana ary koa ny ‘oniny sy ny loharanony’ (ny fampianarana sy ny filozofian’ny fivavahana lazaina fa kristiana) ary ireo fanazavany nihamaizina (ny klerjy tsy manana fahazavana ara-panahy), izy rehetra ireo dia iharan’ny fahatezeran’Andriamanitra. Ny “voromahery” iray manidina, izay mampiseho anjely iray, dia miseho eo afovoan’ny lanitra avy eo ary manambara fa ny fitsofana ny trompetra telo mbola ho avy dia hidika “loza, loza, loza ho an’izay monina eny ambonin’ny tany.” — Apokalypsy 8:1-13.
12. Iza moa no mamoha ny lavaka tsy hita noanoa, ary, amin’izao androntsika izao, amin’ny fomba ahoana no anindronan’ny andiam-balala ny klerjy?
12 Anjaran’ny anjely fahadimy ny mitsoka ny trompetra izao. Jereo! “Kintana anankiray” — Jesosy Tompo — manokatra ny lavaka tsy hita noanoa feno setroka ary nisy andiam-balala nivoaka avy ao. Izany dia filazalazana an’i Jesosy amin’ny fomba manaitra, izay nanafaka tamin’ny tsy fiasana ny vavolombelon’Andriamanitra voahosotry ny fanahy tamin’ny 1919. Nomen’Andriamanitra fahefana izy ireo ka nanimba ny saha fiandrasan’ny klerjy, tamin’ny nanalany sarona ny fahadisoan’ny fampianarany sy ny fihatsarambelatsihiny nandritra ny “dimy volana”, faharetan’ny fiainan’ny valala iray ara-dalàna. Izany dia manamafy fa ny taranaky ny valala ara-panoharana amin’izao androntsika izao dia “tsy mba ho lany” alohan’ny hamaranan’i Jehovah sy Kristy ny fitsarana ireo firenena. Efa nizara sahady boky manazava ny Baiboly an-davitrisany maro izany andiam-balala izany ary manambara hafatra fanamelohana mivaivay, izay manindrona tahaka ny rambon’ny maingoka. Avy eo dia manao izao fanamarihana izao i Jaona: “Lasa ny loza anankiray, indreo ho avy ny loza roa hafa, rehefa afaka izao.” — Apokalypsy 9:1-12; Matio 24:34; 25:31-33.
13. a) Iza no asehon’ireo anjely efatra nifatotra teo akaikin’ny ony Eofrata ka novahana avy eo, ary asa inona no tsy maintsy tanterahiny? b) Mampiseho inona ireo soavaly an’alinaliny taingenana, ary amin’ny heviny ahoana no mitoetra “eo amin’ny vavany sy ny rambony” ny heriny?
13 Tsofina ny trompetra fahenina, manambara ny “loza” faharoa. Novahana ny anjely efatra nafatotra teo akaikin’ny ony Eofrata, ka izany dia mampiseho amin’ny fomba mety ny fanafahana tamin’ny 1919 ireo vavolombelona voahosotr’Andriamanitra babo tao Babylona. Voaomana ‘hahafaty ny ampahatelon’ny olona’ izy ireo, amin’ny fanambarana fa maty eo imason’i Jehovah ny klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Nefa mila fanampiana izy mba hanitarana izany asa fanambarana izany, ary nomen’i Jehovah azy izany, tamin’ny nananganany olona mpiara-miasa betsaka. Ny vavolombelona voahosotra sy ireo mpanampy azy àry dia mitroatra mamely miaraka, tahaka ny antoko-miaramila mitaingin-tsoavaly tsy tambo isaina, dia “roa alinalina” ny habetsahany. Ny heriny dia “eo amin’ny vavany”, amin’ny heviny hoe manambara ny hafatra fitsaran’i Jehovah any an-tokatranon’ny olona izy, nefa ao amin’ny “rambony” koa, satria aorian’ny fandalovany dia mamela boky manazava ny Baiboly, izay manambara ny fahantomoran’ny andro famalian’Andriamanitra izy ireo. — Apokalypsy 9:13-21; Asa. 20:20, 21.
14. a) Iza ilay “anjely mahery” resahina ao amin’ny fahitana fahenina, inona no ataony ary inona no lazainy? b) Inona no hevitry ny hoe sady “mamy tahaka ny tantely” ny horonamboky kely ao am-bava no ‘mampangidy ny kibo’?
14 Izao dia nosokafana ny fahitana fahenina. Hitantsika ao ny “anjely mahery” anankiray, toa Jesosy Tompo, manatanteraka asa manokana. Misy horonamboky kely eny an-tanany. Misy feo sy kotrokorana re, avy eo dia nianiana tamin’ny Mpamorona antsika lehibe ilay anjely: “Tsy hisy andro [tsy ho ela, MN ] intsony; fa amin’ny andro hitsofan’ny anjely fahafito, rehefa hitsoka izy, dia ho tanteraka ny zava-miafina izay an’Andriamanitra.” Nasaina handray ilay horonamboky kely Jaona avy eo ka hihinana izany. Teo am-bavany dia “mamy tahaka ny tantely” izany horonamboky izany, dia tahaka ny hafatr’ilay Fanjakana ampiarahina amin’ny fampanantenam-pitahiana hoentin’ny “lanitra vaovao sy tany vaovao”, izay mahafinaritra aoka izany ho an’ny kilasin’i Jaona voahosotry ny fanahy sy ireo namany ankehitriny. Mifanohitra amin’izany, ny fanirahana hanambara ny andro famalian’Andriamanitra “ny amin’ny olona maro sy ny firenena maro sy ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro” dia mampivadi-po ny sasany. Nefa mahereza! Manàna finoana, aoka ianao hiaiky fa Jehovah dia hanome anao ny hery ilaina mba hanambarana ny andro famaliany. — Apokalypsy 10:1-11; 21:1, 4; 1 Jaona 5:4; Isaia 40:29-31; 61:1, 2.
Ny trompetra fahafito sy ny loza fahatelo
15. a) Inona no mitranga rehefa ambara ny loza fahatelo ary rehefa mitsoka trompetra ny anjely fahafito? b) Amin’ny heviny ahoana no loza ny fitoriana ny Fanjakana?
15 Rehefa avy naminany ny fanandraman’ny fahavalo “hahafaty” ny vavolombelon’Andriamanitra tamin’ny 1918 i Jaona ary rehefa avy nilazalaza tamin’ny fomba mahagaga hoe ahoana no nameloman’ny “fanahin’aina avy tamin’Andriamanitra” azy ireo tamin’ny 1919 mba hanaovany fanambarana amin’izao tontolo izao manontolo, dia izao no nosoratany: “Lasa ny loza faharoa; indro, avy faingana ny loza fahatelo.” Amin’ny fomba ahoana no hiaviany? Mitohy toy izao ny fitantarana: “Ary ny anjely fahafito nitsoka.” Ny loza fahatelo àry dia mifandray amin’ny fitsofana ny trompetra farany. Henoy ange! “Nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: ‘Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia efa lasan’ny Tompontsika [Jehovah] sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay.’ ” Ny resahina eto dia ny Fanjakan’Andriamanitra nankinina tamin’i Jesosy Kristy, izay, miaraka amin’ireo mpiara-mandova aminy 144 000 dia manatanteraka ny zava-miafina masin’Andriamanitra, ka amin’izany fomba izany no anamarinany ny fiandrianan’i Jehovah Andriamanitra Tsitoha mandrakizay. Mahaforona loza iray ve izany fanambarana momba ny Fanjakana izany? Izany no izy ho an’ny ratsy fanahy satria izy io dia manambara fa Andriamanitra dia ‘hanimba izay manimba ny tany’. — Apokalypsy 11:1-19.
16. Fanambarana mahazendana inona avy no atao ao amin’ny fahitana fahafito?
16 Diniho indray izao ny fahitana fahafito. Jereo ange, ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra, ny “vehivavy” na vadiny, izay manaiky azy! Bevohoka izy ary marary fatratra satria hiteraka zaza efa nandrasana hatramin’ny ela. Voalohany nefa tsy farany koa, no iresahan’ny Apokalypsy amintsika ny amin’ny dragona mena iray, “ilay menarana ela, izay atao hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao.” Vonona handrapaka ilay zaza izy raha vao teraka io. Ny ‘fifandrafiana’ voalaza taloha hisy eo amin’ny “[menarana] sy ny vehivavy” dia mahatratra ny fara tampony. Niteraka “zazalahy” izay avy hatrany dia nakarina ho eo akaikin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, ilay vehivavy. — Apokalypsy 12:1-6, 9; Genesisy 3:15; Daniela 2:44; 7:13, 14.
17. a) Iza moa Mikaela, ary ahoana no nanaovany zavatra mifanaraka amin’ny hevitry ny anarany nanomboka tamin’ny 1914? b) Lazalazao ny fahasamihafana misy amin’ireo ‘loza telo’ sy ny “loza ho an’ny tany” resahina ao amin’ny Apokalypsy 12:12.
17 Io zazalahy io dia ny Fanjakana, izay niorina tany an-danitra tamin’ny taona 1914 manan-tantara. Ny Mpanjakany, Jesosy Kristy, dia antsoina koa hoe Mikaela, anarana izay midika hoe “Iza no tahaka an’Andriamanitra?”. Tsy ela dia namaly izany fanontaniana izany izy, rehefa niady tamin’i Satana ka namarina an’io dragona tranainy io sy ny demoniany tetỳ an-tany. Nanomboka tamin’ny 1914, ny “loza” dia mamely ‘ny tany sy ny ranomasina satria nidina ho aminy ny Devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny’. Tsy tokony hampifangaroina ary io loza io, izay hita taratra amin’ny toe-javatra mampahonena misy ny olombelona ankehitriny, sy ny ‘loza telo’ izay aidin’i Jehovah amin’ny ratsy fanahy, amin’ny fitsarana azy ireny. — Apokalypsy 12:7-12.
18. a) Loza inona no nandraman’i Satana Devoly nentina teo amin’ireo mpanompon’i Jehovah nahatoky taloha sy nandritra ny Ady Lehibe faharoa? b) Tapa-kevitra ny hanao inona mandrakariva moa Satana, ary inona no hambaran’ireo fahitana mbola hodinihina?
18 Ny Devoly koa dia nanandrana nitondra loza tamin’ny mpanompon’Andriamanitra nahatoky tetỳ an-tany. Taloha sy nandritra ny Ady Lehibe faharoa dia namoaka avy tao am-bavany onjam-panenjehana teo amin’izy ireo izy, mba hampitsaharana ny asan’ny “sisa” amin’ny fandaminan’Andriamanitra oharina amin’ny vehivavy — ireo anisan’ny 144 000 izay mbola manompo foana an’Andriamanitra eo anivon’ny olombelona. Nataon’i Jehovah izay hiteleman’ny tany, izany hoe ny fandehan-javatr’i Satana ihany, izany fitosaham-panenjehana izany. Kanefa, Satana izay tezitra, dia tapa-kevitra foana ny hiady amin’ny Vavolombelon’i Jehovah (Apokalypsy 12:13-17). Inona no hiafaran’izany? Ireo fahitana sivy sisa mbola hodinihina dia hamaly an’io fanontaniana io. — Habakoka 2:3.
FAMERENANA
□ Ahoana no nampiasan’i Jehovah ireo anjely ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy?
□ Amin’ny ahoana ireo hafatra nalefan’i Jesosy ho an’ireo kongregasiona fito no mahakasika antsika?
□ Inona no vokatra nentin’ny fitsofana ireo trompetra fito?
□ Inona no asehon’ny andiam-balala sy ny miaramila mitaingin-tsoavaly tsy tambo isaina?
□ Nahoana no mifamatotra amin’ny “loza fahatelo” ny nahaterahan’ny Fanjakan’Andriamanitra?
[Efajoro, pejy 14]
TOKO SY ANDININY IZAY IRESAHANA IREO FAHITANA:
□ FAHITANA VOALOHANY 1:10 ka hatramin’ny 3:22
□ FAHITANA faha-2 4:1 ka hatramin’ny 5:14
□ FAHITANA faha-3 6:1-17
□ FAHITANA faha-4 7:1-17
□ FAHITANA faha-5 8:1 ka hatramin’ny 9:21
□ FAHITANA faha-6 10:1 ka hatramin’ny 11:19
□ FAHITANA faha-7 12:1-17
□ FAHITANA faha-8 13:1-18
□ FAHITANA faha-9 14:1-20
□ FAHITANA faha-10 15:1 ka hatramin’ny 16:21
□ FAHITANA faha-11 17:1-18
□ FAHITANA faha-12 18:1 ka hatramin’ny 19:10
□ FAHITANA faha-13 19:11-21
□ FAHITANA faha-14 20:1-10
□ FAHITANA faha-15 20:11 ka hatramin’ny 21:8
□ FAHITANA faha-16 21:9 ka hatramin’ny 22:5
[Efajoro/Sary, pejy 15-18]
IREO FAHITANA 16 AO AMIN’NY APOKALYPSY: HEVITRA MAHALIANA
1 Jesosy, eo afovoan’ny fitoeran-jiro fito, na kongregasiona, dia mandefa hafatra voamariky ny fitiavana amin’ny alalan’ny kintana fito, ireo mpiandraikitra voahosotra.
2 Manoloana ny seza fiandrianan’i Jehovah any an-danitra, dia mandray horonamboky mirakitra ireo hafatra fitsarana ny Zanak’ondry mpandresy.
3 Mandroso ho amin’ny fandresena Jesosy Kristy raha mbola mamely ny olombelona ny mpitaingin-tsoavaly hafa ary mihantomotra ny andro fahatezeran’Andriamanitra.
4 Mifarana ny fanangonana ny 144 000 sy ny olona betsaka raha mbola misy anjely mihazona ny fahoriana lehibe tsy hipoaka.
5 Misy anjely mitory hafatra fanamelohana amin’ny alalan’ny trompetra, ary ny Vavolombelon’i Jehovah tahaka ny andiam-balala dia manala sarona ny asan’ny fivavahan-diso.
6 Mandritra ny fitsofana ny trompetra fahafito dia novelomina ny ‘vavolombelon’Andriamanitra’ mba hanambara ny Fanjakan’i Jehovah sy ny Kristiny vao naorina.
7 Taorian’ny nahaterahan’ilay Fanjakana tamin’ny 1914, dia nazeran’i Kristy tetỳ an-tany Satana sy ireo demoniany
8 Mipoitra ny biby dia roa, ka ny biby politika faharoa dia manisy aina ny sarin’ny voalohany, ny O.N.U.
9 Ny olombelona ‘matahotra an’Andriamanitra ka manome voninahitra azy’ dia jinjaina ho amin’ny fiainana mandrakizay, ny hafa kosa ho amin’ny fandringanana.
10 Ny fandrarahana ny tao anatin’ny lovia fito feno ny fahatezeran’Andriamanitra dia mahatratra ny fara heriny amin’ny famonoana ireo rehetra vonton’ny “rivotra” maloton’i Satana.
11 Ny vehivavy janga lehibe, ny fivavahan-diso, dia nazera avy teo ambonin’ilay “biby” politika ka avy eo dia nofoanan’io.
12 Aorian’ny fandravana an’i Babylona Lehibe, dia atao ny fiomanana farany ho amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry sy ny vadiny, ny 144 000.
13 Aorian’ny fanafoanana an’ilay vehivavy janga lehibe dia mitarika ireo tafika any an-danitra i Jesosy, ka mandringana ny sisa tavela amin’ny fandehan-javatr’i Satana eto an-tany.
14 Atsipy any amin’ny lavaka tsy hita noanoa Satana; manomboka amin’izay ny Fanapahana arivo taonan’i Kristy sy ny vadiny, ny 144 000.
15 Eo ambanin’ny “lanitra vaovao” (ny fitondram-panjakana voaforon’i Jesosy Kristy sy ny vadiny), dia hifaly ny amin’ny fitahiana tsy hay tononina avy amin’i Jehovah ny “tany vaovao” (ny fitambaran’olona).
16 Ireo fandaharana noraisin’Andriamanitra mba hanasitranana sy hanomezana fiainana ny olombelona dia mikoriana avy eo afovoan’ny tanàna be voninahitra, Jerosalema vaovao.