Apokalypsy
12 Nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra avy eo, dia vehivavy+ nitafy* masoandro. Teo ambanin’ny tongony ny volana, ary nisy satroboninahitra kintana 12 teo amin’ny lohany, 2 sady bevohoka izy. Ary nitaraindraina izy fa narary nihetsi-jaza efa ho teraka.
3 Nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra. Io fa nisy dragona+ lehibe mena hoatran’ny afo. Nanana loha fito sy tandroka folo izy, ary nisy diadema* fito teo amin’ireo lohany ireo. 4 Ary nisarika ny ampahatelon’ny kintana+ teny amin’ny lanitra ny rambony, ka nanipy mafy an’izany tamin’ny tany.+ Tsy niala teo anatrehan’ilay vehivavy+ efa hiteraka ilay dragona, fa tiany harapaka ny zanany, raha vao teraka ilay vehivavy.
5 Ary tera-dahy+ ilay vehivavy, dia zazalahy hiandry* ny firenena rehetra amin’ny tehina vy.+ Dia nosintonina* haingana ilay zanany ka nentina nankany amin’Andriamanitra sy ny seza fiandrianany. 6 Ary nandositra nankany an-tany efitra ilay vehivavy. Nisy toerana efa nomanin’Andriamanitra ho azy tany, ka tany izy no nomena sakafo nandritra ny 1 260 andro.+
7 Ary nisy ady tany an-danitra: Niady tamin’ilay dragona i Mikaela*+ sy ny anjeliny. Niady tamin’izy ireo koa ilay dragona sy ny anjeliny 8 nefa tsy naharesy,* sady tsy nisy toerana ho azy ireo intsony tany an-danitra. 9 Koa natsipy mafy ilay dragona lehibe,+ ilay menarana tany am-boalohany,+ ilay antsoina hoe Devoly+ sy Satana,+ izay mamitaka ny tany manontolo.*+ Natsipy mafy tetỳ an-tany izy,+ ary ny anjeliny koa niara-natsipy taminy. 10 Ary naheno feo mafy tany an-danitra aho, nilaza hoe:
“Ankehitriny dia tonga ny famonjen’Andriamanitsika,+ sady efa nampiseho ny heriny izy. Efa niorina koa ny Fanjakany,+ ary efa nanomboka nampihatra ny fahefany ilay Kristy voatendriny. Efa natsipy mafy mantsy ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy ireo andro aman’alina eo anatrehan’Andriamanitsika.+ 11 Ary naharesy azy+ izy ireo noho ny ran’ny Zanak’ondry+ sy noho ny hafatra torin’izy ireo.+ Tsy natahotra ny hamoy* ny ainy+ izy ireo na tsy maintsy ho faty aza. 12 Noho izany, dia mifalia ry lanitra sy ianareo izay mipetraka any! Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina,+ fa nidina any aminareo ny Devoly sady tezitra mafy, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.”+
13 Rehefa hitan’ilay dragona fa efa natsipy mafy tetỳ an-tany izy,+ dia nenjehiny ilay vehivavy+ niteraka an’ilay zazalahy. 14 Nomena elatra roa anefa ilay vehivavy, dia elatry ny voromahery lehibe,+ mba hanidinany mankany an-tany efitra ho any amin’ny toerany. Tany izy no nomena sakafo nandritra ny fe-potoana iray sy fe-potoana roa ary antsasaky ny fe-potoana,*+ mba tsy ho hitan’ilay* menarana.+
15 Ary nandoa rano tao aorianan’ilay vehivavy ilay menarana, dia rano hoatran’ny renirano, amin’izay ho faty an-drano ilay vehivavy. 16 Namonjy an’ilay vehivavy anefa ny tany, ka nisokatra ary nitelina an’ilay renirano naloan’ilay dragona. 17 Dia tezitra be tamin’ilay vehivavy ilay dragona, ka lasa nandeha niady tamin’ny sisa amin’ny taranany,+ izay nanaraka ny didin’Andriamanitra sy nasaina nitory momba an’i Jesosy.+