Toko 26
Tanteraka Tamim-boninahitra Ilay Zava-miafina Masin’Andriamanitra!
1. a) Inona no lazain’i Jaona mba hampahafantarana fa tanteraka hatramin’ny farany ilay zava-miafina masina? b) Nahoana ireo anjely maro be no miteny mafy?
TSAROANAO ve ny fianianan’ilay anjely mahery ao amin’ny Apokalypsy 10:1, 6, 7? Hoy izy: “Tsy hisy hataka andro intsony, fa amin’ny andro handrenesana an’ilay anjely fahafito, rehefa hadiva hitsoka trompetra izy, dia ho efa tanteraka hatramin’ny farany tokoa ilay zava-miafina masin’Andriamanitra. Ary io zava-miafina io dia araka ny vaovao tsara nambaran’Andriamanitra tamin’ny mpaminany mpanompony.” Tonga ny fotoana voatondron’i Jehovah hitsofana an’io trompetra farany io! Ahoana àry no nahatanterahan’ilay zava-miafina masina hatramin’ny farany? Tena mahafaly an’i Jaona ny mampahafantatra izany amintsika! Hoy izy: “Ary nitsoka ny trompetrany ny anjely fahafito, dia nisy feo mafy tany an-danitra, nanao hoe: ‘Ny fanjakan’izao tontolo izao dia efa lasa fanjakan’ny Tompontsika sy ny Kristiny, ary izy hanjaka mandrakizay mandrakizay.’ ” (Apokalypsy 11:15) Rariny raha miteny mafy toy ny kotroka ireo anjely maro be ireo! Nahoana? Satria zava-dehibe ho an’izao rehetra izao ilay zavatra manan-tantara ambarany. Iankinan’ny ain’ny zavaboary velona rehetra izany, na anjely na olona.
2. Oviana no tanteraka hatramin’ny farany ilay zava-miafina masina, ary inona no zava-nitranga nahatanteraka azy io?
2 Mahafaly tokoa fa tanteraka tamim-boninahitra sy tamin’ny fomba niavaka ilay zava-miafina masina! Tanteraka izy io tamin’ny 1914, rehefa napetrak’i Jehovah Tompo teo amin’ny seza fiandrianana i Jesosy Kristy, mba ho mpanjaka lefiny. Fandresena lehibe izany! Misolo tena ny Rainy izy, ka nandray fahefana teo anivon’ny olombelona fahavalony. Izy ilay Taranaka nampanantenaina, ka nahazo ny fahefan’ny Mpanjaka, mba handringana an’ilay Menarana sy ny taranany ary hamerina ny tany ho paradisa anjakan’ny fiadanana. (Genesisy 3:15; Salamo 72:1, 7) Amin’izay i Jesosy, ilay Mesia Mpanjaka, no hanatanteraka ny Tenin’i Jehovah. Ho voamariny koa fa manana zo hitondra ny Rainy, ilay “Mpanjakan’ny mandrakizay”, izay tsy maintsy ho Tompo Fara Tampony “mandrakizay mandrakizay.”—1 Timoty 1:17.
3. Nahoana no navelan’i Jehovah Andriamanitra hisy fitondrana hafa teto an-tany, na dia efa Mpanjaka foana aza izy?
3 Ahoana kosa ilay hoe “ny fanjakan’izao tontolo izao dia efa lasa fanjakan’ny Tompontsika”, dia i Jehovah Andriamanitra? Angaha moa tsy efa Mpanjaka foana izy? Marina izany, araka ny hiran’i Asafa levita hoe: “Andriamanitra no Mpanjakako hatrizay hatrizay.” Hoy koa ny mpanao salamo iray hafa: “Jehovah no Mpanjaka ... Ny seza fiandriananao nampitoerina hatramin’ny fahagola; hatrizay hatrizay Hianao.” (Salamo 74:12; 93:1, 2) Hendry anefa i Jehovah, ka navelany hisy fitondrana hafa teto an-tany. Amin’izay dia ho voaporofo mazava tsara raha mitombina ilay fanakianana tany Edena. Hita anefa fa tsy mahavita mifampitondra ny olombelona, raha tsy misy an’Andriamanitra. Tsy mahomby mihitsy ny fitondran’izy ireo. Marina tokoa ilay tenin’ny mpaminanin’Andriamanitra hoe: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23) I Satana, “ilay menarana tany am-boalohany”, no nitondra ny tany manontolo nanomboka tamin’ny fotoana nanotan’ireo ray aman-drenintsika voalohany. (Apokalypsy 12:9; Lioka 4:6) Tonga ny fotoana hanaovana fanovana lehibe! Mba hanamarinan’i Jehovah ny zony hitondra, dia nanomboka nitondra ny tany tamin’ny fomba hafa izy, izany hoe amin’ny alalan’ny Fanjakan’ilay Mesia voatendriny.
4. Inona no nasongadina, rehefa nanomboka ny fitsofana ireo trompetra fito tamin’ny 1922? Hazavao.
4 “Efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 4:17) Niorina tamin’io andininy io ny lahateny iray nataon’i J. Rutherford, nandritra ny fivoriambe nataon’ny Mpianatra ny Baiboly, tany Cedar Point, Ohio, tamin’ny 1922. Nanomboka ny fitsofana ireo trompetra fito tamin’io taona io. Izao no famaranan-teniny: “Miverena eny amin’ny saha àry ry zanak’ilay Andriamanitra avo indrindra! Sikino ny fiadianareo! Aoka ianareo ho tony sy hiambina ary havitrika sy hahery. Asehoy fa mahatoky sy tena vavolombelon’ny Tompo ianareo. Mandrosoa amin’ilay ady, mandra-pahapotik’i Babylona tanteraka. Ambarao hatraiza hatraiza ilay hafatra. Tsy maintsy fantatr’izao tontolo izao fa i Jehovah no Andriamanitra, ary i Jesosy Kristy no Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo. Andro iray toa zato izao. Jereo fa manjaka ilay Mpanjaka! Ianareo no iraka mampahafantatra izany. Noho izany, dia ambarao, ambarao, ambarao ilay Mpanjaka sy ny fanjakany.” Nasongadina ny Fanjakan’Andriamanitra entin’i Kristy Jesosy, ka nandroso be ny fitoriana ilay Fanjakana. Anisan’ny notorina tamin’izany ireo didim-pitsarana, izay nambara tamin’ny alalan’ny fitsofan’ny anjely an’ireo trompetra fito.
5. Inona no nitranga tamin’ilay fivoriambe tamin’ny 1928, ka nanasongadina ny fitsofana ilay trompetra fahafito?
5 Ny fanakoakon’ny trompetra fahafito, dia hita taratra tamin’ireo zavatra nisongadina nandritra ny fivoriamben’ny Mpianatra ny Baiboly tany Detroit, Michigan, tamin’ny 30 Jolay ka hatramin’ny 6 Aogositra 1928. Nalefa nivantana tamin’ny radio 107 io fandaharana io. Nilaza Ny Gazetin’i New York (anglisy) fa ‘mbola tsy nisy radio be dia be niara-nandefa fandaharana toy io mihitsy taloha. Io koa no fandaharana nandaniam-bola be indrindra hatramin’izay.’ Nafana fo erỳ ny mpanatrika nanaiky ilay “Fanambarana Mamely An’i Satana sy Manohana An’i Jehovah.” Nohazavaina tamin’io fanambarana mafonja io, fa ho resy i Satana sy ny fandaminany ratsy fanahy amin’ny Hara-magedona, ary hafahana kosa ireo tia ny fahamarinana. Faly ireo olo-mahatoky anisan’ny vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra, rehefa nahazo ilay boky 368 pejy hoe Fitondram-panjakana, izay nivoaka tamin’ilay fivoriambe. Tao no nisy ny porofo mampiaiky indrindra, fa “napetrak’Andriamanitra eo amin’ny seza fiandrianany ny Mpanjakany Voahosotra, tamin’ny 1914.”
Mandray fahefana i Jehovah
6. Araka ny nolazain’i Jaona, inona no nitranga rehefa nambara fa lasa mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Kristy?
6 Mahafaly tokoa ilay fanambarana fa lasa mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Kristy! Hoy i Jaona: “Ary niankohoka nivavaka tamin’Andriamanitra ny anti-panahy efatra amby roapolo izay samy nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany teo anatrehan’Andriamanitra, sady nanao hoe: ‘Misaotra anao izahay, Jehovah Andriamanitra ô, ilay Mahery Indrindra, Ilay ankehitriny sy taloha, satria noraisinao ny fahefanao lehibe ka efa nanomboka nanjaka ianao.’ ”—Apokalypsy 11:16, 17.
7. Mba hanehoana fisaorana an’i Jehovah Andriamanitra, a) inona no nataon’ny sisa amin’ireo anti-panahy 24 teto an-tany? b) inona no nataon’ny sasany tamin’izy ireo, izay efa natsangana sy nandray ny toerany any an-danitra?
7 Tsy iza ireo anti-panahy 24 misaotra an’i Jehovah ireo, fa ireo voahosotra rahalahin’i Kristy izay efa nandray ny toerany any an-danitra. Nanomboka tamin’ny 1922, ireo sisa tamin’ny 144 000 teto an-tany dia revo tamin’ilay asa, izay natomboka noho ny fitsofana an’ireo trompetra. Nanjary nazava tsara tamin’izy ireo ny dikan’ilay famantarana ao amin’ny Matio 24:3–25:46. Vao teo am-piandohan’ny andron’ny Tompo anefa, dia efa natsangana sy nandray ny toerany any an-danitra ny voahosotra sasany, izay ‘nahatoky hatramin’ny fahafatesana.’ Afaka nisolo tena an’ireo 144 000 izy ireo tamin’izay, ka niankohoka teo anatrehan’i Jehovah mba hanome voninahitra azy. (Apokalypsy 1:10; 2:10) Velom-pankasitrahana tokoa izy ireo, satria tsy nangataka andro ilay Tompo Fara Tampony rehefa nanatanteraka hatramin’ny farany an’ilay zava-miafina masina!
8. a) Inona no vokatry ny fitsofana ny trompetra fahafito eo amin’ireo firenena? b) Tezitra amin’iza ireo firenena?
8 Tsy mahafaly an’ireo firenena kosa ny fitsofana ny trompetra fahafito. Tonga ny fotoana hampiharan’i Jehovah ny fahatezerany amin’izy ireo. Hoy i Jaona: “Tezitra anefa ireo firenena. Ary tonga ny fahatezeranao sy ny fotoana voatondro hitsarana ny maty sy hanomezana valisoa ny mpaminany mpanomponao sy ny olona masina sy izay matahotra ny anaranao, na ny lehibe na ny madinika. Ary tonga koa ny fotoana handringanana izay manimba ny tany.” (Apokalypsy 11:18) Nanomboka tamin’ny 1914, ireo firenena dia tezitra mafy amin’izy samy izy sy amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary indrindra fa amin’ireo vavolombelon’i Jehovah roa.—Apokalypsy 11:3.
9. Ahoana no animban’ireo firenena ny tany, ary inona no tsy maintsy hataon’Andriamanitra ho valin’izany?
9 Nanimba ny tany foana ireo firenena hatramin’izay, noho ny ady tsy misy farany ataony sy ny tsy fahaizany mitantana. Nihoa-pampana anefa izany fanimbana izany nanomboka tamin’ny 1914, ka tena mampanahy. Mitatra ny tany efitra, ary mitombo izaitsizy ny tany tsy mamokatra intsony, vokatry ny fitiavan-karena sy ny kolikoly. Manimba faritra maro ny orana misy asidra sy ny rahona misy poizina. Voaloto ny voly ahazoana sakafo sy ny rivotra fohintsika ary ny rano sotrointsika. Atahorana hahafaty ny zavamananaina etỳ an-tanety sy any an-dranomasina ny fako avy amin’ireo orinasa. Efa nandrahona ny hampiasa fitaovam-piadiana niokleary, mba handringanana ny mponina rehetra eran-tany koa, ireo firenena matanjaka indrindra taloha. Soa ihany fa ‘handringana izay manimba ny tany’ i Jehovah, ka hampihatra ny didim-pitsarany amin’ireo olona tsy matahotra azy sy mpirehareha, izay tompon’andraikitra amin’ny fahasimban’izy io. (Deoteronomia 32:5, 6; Salamo 14:1-3) Handefa ny loza fahatelo àry i Jehovah, ho valin’ny nataon’ireo mpanao ratsy ireo.—Apokalypsy 11:14.
Loza ho an’ireo manimba ny tany!
10. a) Inona ilay loza fahatelo? b) Nahoana ny loza fahatelo no lazaina fa tsy mampijaly fotsiny?
10 Indro àry ny loza fahatelo. Tonga haingana izany! Tsy inona izy io fa ny fomba handringanan’i Jehovah an’ireo manazimbazimba ny ‘fitoeran-tongony’, dia ity tany tsara tarehy misy antsika ity. (Isaia 66:1) Ilay Fanjakan’ny Mesia, na ilay zava-miafina masin’Andriamanitra, no hampihatra an’io loza io. Nampijalin’ireo loza roa voalohany, dia ny valala sy ny miaramila mitaingin-tsoavaly, ny fahavalon’Andriamanitra, indrindra fa ny mpitondra fivavahana ao amin’ny Kristianisma Anarana. Tsy vitan’ny hoe mampijaly fotsiny anefa ilay loza fahatelo hoentin’ny Fanjakan’i Jehovah. (Apokalypsy 9:3-19) Handringana tanteraka izy io, ka hamongotra ny fitambaran’olona mpanimba ny tany sy ny mpitondra eo aminy. Izany no hamarana ny fampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany amin’ny Hara-magedona. Mifanaraka amin’izao faminanian’i Daniela izao izany: “Ary amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo [ireo mpitondra manimba ny tany] Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” Hitondra ny tany nasiana voninahitra ny Fanjakan’Andriamanitra, izay toy ny tendrombohitra goavana. Hanamarina ny zon’i Jehovah hitondra izy io ary hitondra fifaliana mandrakizay ho an’ny olombelona.—Daniela 2:35, 44; Isaia 11:9; 60:13.
11. a) Inona avy ireo zava-mahafaly resahin’ilay faminaniana? b) Avy amin’iza ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa? Inona no fanomezana azo vokatr’izy io? Amin’ny alalan’ny inona no hahatanteraka izany?
11 Hisy zava-mahafaly maromaro hiseho miandalana miaraka amin’ilay loza fahatelo, mandritra ny andron’ny Tompo. Amin’izay no ‘hitsarana ny maty sy hanomezan’Andriamanitra valisoa ny mpaminany mpanompony sy ny olona masina sy izay matahotra ny anarany.’ Midika izany fa hatsangana ny maty! Eo am-piandohan’ny andron’ny Tompo no hananganana an’ireo olona masina voahosotra efa maty. (1 Tesalonianina 4:15-17) Hatsangana ao anatin’ny indray mipy maso kosa ny ambiny amin’ireo olona masina, amin’ny fotoana mety. Hovalian-tsoa koa ny hafa, anisan’izany ireo mpaminany mpanompon’Andriamanitra fahiny, ary ny olon-kafa rehetra izay matahotra ny anaran’i Jehovah. Anisan’ny vahoaka be tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe izy ireo, na anisan’ireo “maty, na ny lehibe na ny madinika”, izay hatsangana mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Manana ny lakilen’ny fahafatesana sy ny fasana ilay Mesia Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Noho izany fahefany izany, dia ho afaka hanome fiainana mandrakizay ho an’izay miezaka hahazo izany fanomezana sarobidy izany izy. (Apokalypsy 1:18; 7:9, 14; 20:12, 13; Romanina 6:22; Jaona 5:28, 29) Ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa avy amin’i Jehovah no hahazoana io fanomezana io, na fiainana mandrakizay any an-danitra izany, na eto an-tany. Tokony ho velom-pisaorana mandrakizay àry izay mahazo izany!—Hebreo 2:9.
Jereo ilay vata misy ny fifanekena!
12. a) Inona no hitan’i Jaona tany an-danitra, araka ny Apokalypsy 11:19? b) Nanaporofo inona ilay vata misy ny fifanekena, ary inona no nitranga tamin’izy io, rehefa babo tany Babylona ny Israely?
12 Manjaka i Jehovah! Mahafinaritra ny fitondrany ny olombelona amin’ny alalan’ny Fanjakan’ny Mesiany. Manamafy izany ny zavatra hitan’i Jaona manaraka: “Ary novohana ny toerana masin’ny tempolin’Andriamanitra tany an-danitra, ka tazana tao ilay vata misy ny fifanekena. Dia nisy tselatra sy feo sy kotroka sy horohoron-tany ary havandra vaventy.” (Apokalypsy 11:19) Io andininy io ihany no miresaka an’ilay vata misy ny fifaneken’Andriamanitra ao amin’ny Apokalypsy. Ilay Vata dia porofo hita maso fa nanatrika teo amin’ny Israely olony i Jehovah. Natao tao amin’ny Masina Indrindra izy io, tao amin’ny tranolay sy tao amin’ny tempoly naorin’i Solomona tatỳ aoriana. Rehefa babo tany Babylona anefa ny Israely tamin’ny 607 T.K., ka lasa tanàna aolo i Jerosalema, dia nanjavona ilay vata. Tsy “nipetraka tamin’ny seza fiandrianan’i Jehovah” intsony ny solontenan’ny taranak’i Davida nanomboka teo.—1 Tantara 29:23.a
13. Nahoana ilay vata misy ny fifanekena no hita ao amin’ny toerana masin’Andriamanitra any an-danitra?
13 Hita indray anefa ilay Vata, 2 600 taona mahery tatỳ aoriana. Saingy tsy tao amin’ny tempoly teto an-tany no nahitan’i Jaona azy, fa tao amin’ny toerana masin’Andriamanitra any an-danitra. Mitondra amin’ny alalan’ny mpanjaka anisan’ny taranak’i Davida indray i Jehovah. Mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana any Jerosalema any an-danitra anefa io Mpanjaka io, dia i Kristy Jesosy. Toerana misandratra izany ary mety tsara mba hanatanterahany ny didim-pitsaran’i Jehovah. (Hebreo 12:22) Hamelabelatra an’izany didim-pitsarana izany ireo toko manaraka ao amin’ny Apokalypsy.
14, 15. a) Iza ihany no nahita ny vata misy ny fifanekena tany Jerosalema fahiny, ary nahoana? b) Iza kosa no mahita ilay vata ao amin’ny toerana masin’ny tempolin’Andriamanitra any an-danitra?
14 Tsy nahita ilay Vata tany Jerosalema fahiny ny Israelita tamin’ny ankapobeny. Tsy nahita azy io na dia ny mpisorona nanompo tao amin’ny tempoly aza, satria tao amin’ny Masina Indrindra no nisy azy io, ary nisy lamba nanasaraka an’io efitra io tamin’ny Masina. (Nomery 4:20; Hebreo 9:2, 3) Ny mpisoronabe ihany no nahita azy io rehefa niditra tao amin’ny Masina Indrindra, tamin’ny Andro Fanavotana isan-taona. Rehefa mivoha kosa anefa ny toerana masin’ilay tempoly any an-danitra, dia tsy i Jesosy Kristy Mpisoronaben’i Jehovah ihany no afaka mahita an’ilay vata misy heviny an’ohatra, fa ireo mpisorona lefitra 144 000 koa, anisan’izany i Jaona.
15 Mahita akaiky an’io vata io ireo voalohany natsangana ho any an-danitra, satria anisan’ny anti-panahy 24 izy ireo, ka efa nandray ny toerany manodidina ny seza fiandrianan’i Jehovah. Ary ireo voahosotra mbola eto an-tany kosa dia ampian’ny fanahy masina, mba hahafantarany fa efa manatrika ao amin’ilay tempoliny ara-panahy i Jehovah. Misy koa famantarana mba hahalalan’ny olombelona an’io zava-mitranga mahavariana io. Anisan’izany ny feo, kotroka sy horohoron-tany ary havandra resahin’i Jaona. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 8:5.) Manondro inona izany?
16. Inona ireo tselatra, feo, kotroka, horohoron-tany, ary havandra vaventy resahin’ny Apokalypsy?
16 Nisy korontana be toy ny “horohoron-tany” teo anivon’ireo fivavahana, nanomboka tamin’ny 1914. Soa ihany anefa, fa nisy olona nahafoy tena nanambara tamin’ny feo mazava ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra efa niorina. Natao nanakoako toy ny kotroka nirefodrefotra ny fampitandremana avy ao amin’ny Baiboly. Nisy tsela-pahazavana azo koa momba ny Teny ara-paminanian’Andriamanitra, ary nampahafantarina ny olona izany. Nambara imbetsaka tamin’ny Kristianisma Anarana sy ny fivavahan-diso hafa ny didim-pitsaran’Andriamanitra, ka toy ny nandatsahana “havandra” vaventy izy ireo. Tokony ho nanaitra ny sain’ny olona izany rehetra izany. Mampalahelo anefa fa tsy takatry ny ankamaroan’izy ireo ny fahatanterahan’ireo famantarana ao amin’ny Apokalypsy ireo, toy ny olona tany Jerosalema izay tsy nahatakatra ny famantarana tamin’ny andron’i Jesosy.—Lioka 19:41-44.
17, 18. a) Inona no adidin’ny Kristianina vita fanoloran-tena, vokatry ny fitsofan’ireo anjely fito ny trompetrany? b) Ahoana no anatanterahan’ny Kristianina an’io adidiny io?
17 Mbola mitsoka ny trompetrany foana ireo anjely fito, mba hampahafantarana fisehoan-javatra miavaka eto an-tany. Manana adidy hanambara hatrany an’ireny fisehoan-javatra ireny amin’izao tontolo izao, ny Kristianina vita fanoloran-tena. Tena mahafaly azy ireo ny manao izany! Mampiseho izany tsara ny fitomboan’ny ora nanompoan’izy ireo isan-taona. Nitombo avo roa heny teo ho eo ny ora nanompoan’izy ireo tao anatin’ny 20 taona. Raha 680 837 042 izany tamin’ny 1986, dia lasa 1 278 235 504 kosa tamin’ny 2005. Ampahafantarina “hatrany amin’ny faran’ny tany onenana” tokoa ilay ‘zava-miafina masin’Andriamanitra, araka ny vaovao tsara.’—Apokalypsy 10:7; Romanina 10:18.
18 Miharihary hatrany ny fikasan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ka misy fahitana hafa hohazavaina amintsika.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Milaza i Tacite, mpahay tantara romanina, fa tsy nahita na inona na inona i Cneius Pompeius, tamin’izy niditra tao amin’ny toerana masin’ny tempoly, rehefa resy i Jerosalema tamin’ny 63 T.K. Tsy tao ny vata misy ny fifanekena.—Tantara, 5.9, nataon’i Tacite.
[Efajoro, pejy 173]
Zava-nisongadina Tamin’ny Fitsofana Trompetra, na Fanambarana ny Didim-pitsaran’i Jehovah
1. 1922 Cedar Point, Ohio: Nasaina nanazava ny antony tsy ahavitany mitondra fandriampahalemana, fiadanana, fahombiazana, ary fahasambarana, ireo mpitondra ara-pivavahana sy ara-politika ary mpandraharaha eo anivon’ny Kristianisma Anarana. Ny Fanjakan’ny Mesia no vahaolana amin’izany rehetra izany.
2. 1923 Los Angeles, Kalifornia: Nampirisihina hiala avy ao amin’ny fitambaran’olona oharina amin’ny ranomasina mahafaty, ireo “ondry” tia fandriampahalemana, tao amin’ilay lahateny hoe “Mandroso ho any Amin’ny Hara-magedona ny Firenena Rehetra, fa Olona An-tapitrisa Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy.”
3. 1924 Columbus, Ohio: Nampangaina ireo mpitondra fivavahana, satria manambony tena, sy tsy mety mitory ny Fanjakan’ny Mesia. Tsy maintsy mitory momba ny famalian’Andriamanitra sy mampionona ny ory, ny tena Kristianina.
4. 1925 Indianapolis, Indiana: Nisy hafatra manome fanantenana, izay nampifanohitra ny haizina ara-panahy eo anivon’ny Kristianisma Anarana amin’ireo soa hoentin’ilay Fanjakana, dia fandriampahalemana, fiadanana, fahasalamana, fiainana, fahafahana ary fahasambarana mandrakizay.
5. 1926 Londres, Angletera: Namely ny Kristianisma Anarana sy ny mpitondra fivavahany ny loza nentin’ireo valala an’ohatra. Naharihary tamin’izany fa nanda ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo, ary nambara fa efa miorina any an-danitra io fanjakana io.
6. 1927 Toronto, Kanada: Nanasa ny olona ireo miaramila mitaingin-tsoavaly an’ohatra, mba hiala avy ao amin’ny Kristianisma Anarana sy tsy hivadika mihitsy amin’i Jehovah Andriamanitra sy ny Mpanjakany ary ny Fanjakany.
7. 1928 Detroit, Michigan: Nohazavaina tao amin’ilay fanambarana mamely an’i Satana sy manohana an’i Jehovah, fa handringana ny fandaminan’i Satana sy hanafaka ny olona, ilay Mpanjaka nomen’Andriamanitra fahefana tamin’ny 1914.
[Efajoro, pejy 175]
Manimba ny Tany
“Isaky ny telo segondra, dia manjavona ny ampahany amin’ny alan’ny tany mafana, mitovy habe amin’ny kianja filalaovam-baolina. ... Karazana biby sy zavamaniry an’arivony koa no ripaka, noho ny fahasimban’ny ala.”—Bokin-tsarintanin’izao Tontolo Izao (anglisy), nataon’i Rand McNally.
“Tao anatin’ny 200 taona nipetrahan’ny olona manodidina [an’ireo Farihy Lehibe any Amerika], dia nanjary ny lehibe indrindra amin’ny fanarian-drano maloto eran-tany izy ireo.”—Gilaoby sy Taratasy (anglisy), Kanada.
Tamin’ny Aprily 1986 dia nipoaka sady nirehitra ny foiben-kerinaratra niokleary tany Tchernobyl, any URSS. Io no “loza niokleary lehibe indrindra ... taorian’ny fandatsahana baomba tany Hiroshima sy Nagasaki.” Namoaka “taratra manimba sy maharitra teny amin’ny rivotra sy ny nofon-tany ary ny rano izy io. Toy ny habetsahan’ireo taratra vokatry ny fanandramana fitaovana niokleary sy ny baomba napoaka rehetra hatramin’izay izany.”—JAMA; Ny Gazetin’i New York.
Tany Minamata any Japon indray, dia nisy orinasa nanary karazana merkiora misy poizina, tao amin’ny helodrano. Voan’ny aretin’i Minamata izay rehetra nihinana trondro sy hazandrano avy tao. “Aretina mitaiza mamely ny atidoha izy io. ... Olona 2 578 no efa voan’izy io tany Japon” tamin’ny 1985.—Gazety Iraisam-pirenena Momba ny Areti-mifindra (anglisy).
[Efajoro, pejy 176]
Ireo fanambarana mavesa-danja ao amin’ny Apokalypsy 11:15-19, dia mampiditra an’ireo fahitana manaraka. Manao jery todika ny zavatra efa noresahina teo aloha ny Apokalypsy toko 12, ary manasongadina amin’ny an-tsipiriany ireo fanambarana lehibe ao amin’ny Apokalypsy 11:15, 17. Miresaka ireo zava-nitranga mifandray amin’ny Apokalypsy 11:18 ny toko 13, satria manazava ny fiandohana sy ny fitaran’ny fandaminana ara-politikan’i Satana, izay manimba ny tany. Ny toko 14 sy 15 kosa dia manome tsipiriany momba ny didim-pitsaran’ilay Fanjakana, mifandray amin’ny fitsofana ny trompetra fahafito sy ny loza fahatelo.
[Sary, pejy 174]
‘Handringana izay manimba ny tany’ i Jehovah