Toko 32
Tanteraka Hatramin’ny Farany ny Fahatezeran’Andriamanitra
1. Inona no hampiharina rehefa voararaka hatramin’ny farany ny ao anatin’ireo vilia fito, ary inona avy no fanontaniana mipetraka momba ireo vilia?
EFA noresahin’i Jaona ny momba ireo anjely asaina mandraraka ny ao anatin’ireo vilia fito. Milaza izy fa “ireo no loza farany, satria hotanterahina hatramin’ny farany amin’ny alalan’ireo ny fahatezeran’Andriamanitra.” (Apokalypsy 15:1; 16:1) Tsy maintsy araraka hatramin’ny farany ireo loza ireo, izay mampahafantatra ny sazy avy amin’i Jehovah noho ny faharatsiana eto an-tany. Hampiharina ny didim-pitsarany rehefa vita izany, ary tsy hisy intsony ny tontolon’i Satana! Hidika ho inona ho an’ny olona sy ny mpitondra an’ity tontolo ratsy ity ireo loza ireo? Inona no azon’ny Kristianina atao, mba tsy hiharan-doza miaraka amin’ity tontolo voaheloka ity? Fanontaniana lehibe tokony hovaliana dieny izao ireo. Tena hahaliana an’ireo rehetra maniry ny handresen’ny fahamarinana àry ny zavatra hitan’i Jaona manaraka.
Tezitra amin’ny “tany” i Jehovah
2. Inona no vokany, rehefa nandraraka ny tao am-biliany teny amin’ny tany ilay anjely voalohany? Inona ilay “tany” resahina eto?
2 Vonona ilay anjely voalohany! “Ary nandeha ny voalohany, dia nandraraka ny tao am-biliany teny amin’ny tany, ka nisy fery nampanaintaina sy tsy nety sitrana nahazo ny olona, izay nanana ny mariky ny bibidia sy nivavaka tamin’ny sariny.” (Apokalypsy 16:2) Toy ny tamin’ny fitsofana ny trompetra voalohany ihany, dia manondro ny fitondrana ara-politika toa mafy orina ilay “tany.” Nanorina azy io teto an-tany i Satana, nanomboka tamin’ny andron’i Nimroda, 4 000 taona mahery lasa izay.—Apokalypsy 8:7.
3. a) Inona no manaporofo fa toy ny hoe mitaky ny hivavahan’ny vahoakany aminy mihitsy ny fitondram-panjakana maro? b) Inona no noforonin’ny firenena mba ho solon’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary inona no manjo an’ireo olona mivavaka amin’izy io?
3 Toy ny hoe mitaky ny hivavahan’ny vahoakany aminy mihitsy ny fitondram-panjakana maro, amin’izao andro farany izao. Manizingizina, ohatra, izy ireo fa tsy maintsy asandratra mihoatra noho Andriamanitra na ny zavatra hafa ny fanjakana. (2 Timoty 3:1; ampitahao amin’ny Lioka 20:25; Jaona 19:15.) Nanomboka tamin’ny 1914, dia nanjary fanaon’ny firenena ny miantso ny zatovony, mba hirotsaka hiady, na hiomana ho amin’izany. Betsaka tokoa ny ra nandriaka tamin’ireny ady ireny, izay namela soritra teo amin’ny tantara. Namorona solon’ny Fanjakan’Andriamanitra koa ireo firenena, nandritra ny andron’ny Tompo. Tsy inona izany fa ny sarin’ny bibidia, izany hoe ny Fikambanam-pirenena, sy ny Firenena Mikambana izay nandimby azy. Milaza ny olona sasany, anisan’izany ireo papa faramparany, fa io fikambanana nataon’olombelona io ihany, no azon’ireo firenena antenaina hitondra fandriampahalemana. Tena fanevatevana an’Andriamanitra izany! Manohitra tanteraka ny Fanjakany io fikambanana io. Izay mivavaka aminy, izany hoe manindrahindra azy, dia haloto sy ho voan’ny fery ara-panahy, toy ireo Ejipsianina nanohitra an’i Jehovah tamin’ny andron’i Mosesy, ka voan’ny fery sy vay ara-bakiteny.—Eksodosy 9:10, 11.
4. a) Inona no asongadin’ny hafatra ao anatin’ilay vilia voalohany misy ny fahatezeran’Andriamanitra? b) Ahoana no fiheveran’i Jehovah an’ireo manaiky ny mariky ny bibidia?
4 Manasongadina tsara ny safidy manoloana ny olona ny hafatra ao anatin’ilay vilia. Izay iray fidiny: na tsy ho tian’izao tontolo izao, na hiharan’ny fahatezeran’i Jehovah. Terena handray ny mariky ny bibidia ny olona, mba “tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay nanana ilay marika, dia ny anaran’ilay bibidia na ny isa manondro ny anarany.” (Apokalypsy 13:16, 17) Misy vokany ratsy anefa izany! Toy ny voan’ny ‘fery mampanaintaina sy tsy mety sitrana’ no fiheveran’i Jehovah ny olona manaiky ilay marika. Toy ny voaisy marika izy ireo nanomboka tamin’ny 1922, satria naharihary tamin’ny rehetra fa mandà an’ilay Andriamanitra velona. Tsy mahomby ny tetika ara-politikany ka mitebiteby izy ireo. Maloto ara-panahy izy ireo ary ho fatin’izany aretina ‘mampanaintaina’ izany, raha tsy mibebaka. Ho avy tsy ho ela mantsy ny andro fitsaran’i Jehovah. Tsy maintsy misafidy ny rehetra, na ho anisan’ity tontolo ity, na hanompo an’i Jehovah ka homba ny Kristiny.—Lioka 11:23; ampitahao amin’ny Jakoba 4:4.
Tonga ra ny ranomasina
5. a) Inona no mitranga rehefa nararaka ny tao anatin’ilay vilia faharoa? b) Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny olona anisan’ilay ranomasina an’ohatra?
5 Tsy maintsy araraka koa izao ny ao anatin’ilay vilia faharoa misy ny fahatezeran’Andriamanitra. Hidika ho inona ho an’ny olona izy io? Hoy i Jaona: “Ary ny faharoa nandraraka ny tao am-biliany ho ao amin’ny ranomasina, dia tonga ra tahaka ny ran’olona maty ny ranomasina, ka maty ny zavamananaina rehetra, eny, izay tao an-dranomasina.” (Apokalypsy 16:3) Na ny fitsofana ny trompetra faharoa, na ny fandrarahana ny ao anatin’io vilia io, dia samy misy vokany eo amin’ny “ranomasina”, izany hoe ny olombelona mpihotakotaka sy mpikomy ary tafasaraka amin’i Jehovah. (Isaia 57:20, 21; Apokalypsy 8:8, 9) Tsy afaka miaina ao anatin’ny ra ny zavaboary, ary toy izany io “ranomasina” io amin’i Jehovah. Noho izany, dia tsy tokony ho anisan’ity tontolo ity ny Kristianina. (Jaona 17:14) Ny fandrarahana ny ao anatin’ilay vilia faharoa, dia mampahafantatra fa maty eo imason’i Jehovah ny olona rehetra anisan’io ranomasina io. Koa satria manana andraikitra iombonana ireo olona ireo, dia meloka noho ny fandatsahana ran’olon-tsy manan-tsiny be dia be. Ho faty ara-bakiteny izy ireo, rehefa hamely azy ny tafik’i Jehovah amin’ny andro fahatezerany.—Apokalypsy 19:17, 18; ampitahao amin’ny Efesianina 2:1; Kolosianina 2:13.
Nomena ra izy ireo hosotroiny
6. Inona no mitranga rehefa nararaka ny tao anatin’ilay vilia fahatelo, ary inona no teny nolazain’ny anjely iray sy ny alitara?
6 Toy ny tamin’ny fitsofana ny trompetra fahatelo, dia misy vokany eo amin’ny loharano ny fandrarahana ny ao anatin’ilay vilia fahatelo. “Ary ny fahatelo nandraraka ny tao am-biliany ho ao amin’ny renirano sy ny loharano, dia tonga ra ireo. Ary reko ilay anjelin’ny rano niteny hoe: ‘Marina ianao, ry ilay ankehitriny sy taloha, ilay Mahatoky, satria namoaka izany didim-pitsarana izany. Nandatsaka ny ran’ny olona masina sy ny mpaminany mantsy izy ireo, ka nomenao ra hosotroiny. Eny, mendrika izany izy ireo.’ Ary reko ny alitara nanao hoe: ‘Eny, Jehovah Andriamanitra ô, ilay Mahery Indrindra, marina sy mahitsy ny didim-pitsaranao.’ ”—Apokalypsy 16:4-7.
7. Manondro inona ireo “renirano” sy “loharano”?
7 Ireo “renirano” sy “loharano” ireo dia ny loharanom-pahendrena sy tari-dalana eken’ity tontolo ity. Anisan’izany ny hevitra arosony eo amin’ny resaka politika, toe-karena, siansa, fanabeazana, fiaraha-monina, ary fivavahana. Ireo loharano lazaina fa madio ireo no mibaiko ny olona amin’izay ataony sy ny fanapahan-keviny. Tsy mitodika any amin’i Jehovah, ilay Loharanon’aina, ny olona mba hahazoana fahamarinana manome aina. Aleony ‘mihady lavaka famorian-drano ho an’ny tenany’, nefa “lavaka mitriatriatra” izany. Tian’izy ireo koa ny migoka ny ‘fahendren’ity tontolo ity [izay] hadalana amin’Andriamanitra.’—Jeremia 2:13; 1 Korintianina 1:19; 2:6; 3:19; Salamo 36:9.
8. Nahoana ny olombelona no mivesatra trosan-dra?
8 Ireo ‘rano’ voaloto ireo no nahatonga ny olona hivesatra trosan-dra. Izany, ohatra, no nampirisika azy ireo handatsa-dra be dia be tamin’ny alalan’ny ady, izay nahafaty olona maherin’ny zato tapitrisa, tamin’ny taonjato lasa. Teo anivon’ireo tany kristianina no nipoahan’ny ady lehibe roa, ary tany indrindra no nisian’ny olona maimay “handatsaka ra marina”, anisan’izany ny ran’ireo vavolombelon’Andriamanitra. (Isaia 59:7; Jeremia 2:34) Mivesatra trosan-dra koa ny olona, satria mampiasa ra be dia be amin’ny fampidiran-dra, nefa mifanohitra amin’ny lalàna marin’i Jehovah izany. (Genesisy 9:3-5; Levitikosy 17:14; Asan’ny Apostoly 15:28, 29) Mijinja ny voka-dratsin’izany sahady izy ireo, satria miely ny SIDA sy ny hepatita ary ny aretina hafa, vokatry ny fampidiran-dra. Tsy ho ela dia hovaliana tanteraka ireny trosan-dra rehetra ireny. Hahazo ny sazy mafy indrindra ireo mpandika lalàna ireo, rehefa hohitsahina ao anatin’ny “famiazam-boaloboka lehibe, dia ny fahatezeran’Andriamanitra.”—Apokalypsy 14:19, 20.
9. Inona no anisan’ny fandrarahana ny ao anatin’ilay vilia fahatelo?
9 Mbola afaka nitady loharano hafa hivelomana ny Ejipsianina, rehefa nivadika ho ra ny Reniranon’i Neily, tamin’ny andron’i Mosesy. (Eksodosy 7:24) Ankehitriny anefa, mandritra ilay loza ara-panahy mitovy amin’io, dia tsy misy loharano manome fiainana mihitsy ao amin’ny tontolon’i Satana. Anisan’ny fandrarahana ny ao anatin’ilay vilia fahatelo ny fampahafantarana, fa toy ny ra ny “renirano” sy “loharano” eto amin’ity tontolo ity, ka mahafaty ara-panahy ny misotro azy. Raha tsy miverina amin’i Jehovah ny olona dia homelohiny.—Ampitahao amin’ny Ezekiela 33:11.
10. Inona no ampahafantarin’ilay “anjelin’ny rano”, ary inona no porofoin’ilay “alitara”?
10 “Ilay anjelin’ny rano”, izany hoe ilay anjely mandraraka ny ao anatin’ilay vilia fahatelo ho ao amin’ireo renirano, dia manandratra an’i Jehovah Andriamanitra ho Mpitsara An’izao Rehetra Izao. Ara-drariny sady tonga lafatra ny didim-pitsarany, ka hoy ilay anjely: “Mendrika izany izy ireo.” Azo antoka fa hitan’io anjely io ireo fandatsahan-dra sy habibiana nandritra ny an’arivony taona maro, vokatry ny fampianaran-diso sy filozofian’ity tontolo ratsy ity. Fantany àry fa ara-drariny ny didim-pitsaran’i Jehovah. Na ny ‘alitaran’Andriamanitra’ aza niteny. Voalaza ao amin’ny Apokalypsy 6:9, 10, fa ao ambany alitara ny ain’ireo maty maritiora. Vao mainka porofoin’ilay “alitara” àry fa ara-drariny sy marina ny didim-pitsaran’i Jehovah.a Mety tokoa raha terena hisotro ra, izany hoe melohin’i Jehovah ho faty, ireo olona nandatsa-dra sy nampiasa ra be dia be tamin’ny fomba ratsy.
Mandoro ny olona amin’ny afo
11. Inona no lasibatr’ilay vilia fahefatra, ary inona no mitranga rehefa nararaka ny tao anatin’izy io?
11 Ny masoandro no lasibatry ny vilia fahefatra misy ny fahatezeran’Andriamanitra. Hoy i Jaona: “Ary ny fahefatra nandraraka ny tao am-biliany tamin’ny masoandro, dia navela handoro ny olona tamin’ny afo ny masoandro. Ary main’ny hafanam-be ny olona. Ary nanevateva ny anaran’Andriamanitra izay manana fahefana amin’ireny loza ireny anefa izy ireo, fa tsy nibebaka mba hanome voninahitra azy.”—Apokalypsy 16:8, 9.
12. Iza no “masoandro” eto amin’ity tontolo ity, ary navela hanao inona izy ireo?
12 ‘Mamirapiratra tahaka ny masoandro ao amin’ny fanjakan’ny Rainy’ ny rahalahy ara-panahin’i Jesosy, amin’izao fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity izao. (Matio 13:40, 43) I Jesosy mihitsy no ilay “Masoandron’ny fahamarinana.” (Malakia 3:20) Manana ny ‘masoandrony’ koa anefa ny olombelona. Tsy iza izany fa ireo mpitondra, izay miezaka hamirapiratra na hisongadina, ka manohitra ny Fanjakan’Andriamanitra. Nampahafantarin’ny fitsofana ny trompetra fahefatra, fa mitondra haizina fa tsy hazavana ny ‘masoandro sy volana ary kintana’ eo amin’ny lanitry ny Kristianisma Anarana. (Apokalypsy 8:12) Ampahafantarin’ilay vilia fahefatra izao, fa hahamay tsy ho tanty ny “masoandro” eto amin’ity tontolo ity. Midika izany fa “handoro” ny olona ireo mpitondra eo aminy, izay oharina amin’ny masoandro. Anisan’ny didim-pitsarana mivaivay avy amin’i Jehovah ny famelana izany hitranga. Ahoana no nitrangan’ilay fandoroana?
13. Nahoana no azo lazaina fa ‘nandoro’ an’ity tontolo ity ireo mpitondra oharina amin’ny masoandro?
13 Taorian’ny Ady Lehibe I, dia namorona ny Fikambanam-pirenena ny mpitondra an’ity tontolo ity, mba hampisy fandriampahalemana eran-tany. Tsy nahomby anefa izany. Nandramana indray àry ny karazam-pitondrana hafa, toy ny Fasisma sy Nazisma. Niely hatrany koa ny Kominisma. Tsy nanatsara ny fiainan’ny olona anefa ireo mpitondra oharina amin’ny masoandro tao amin’ireny fitondrana ireny. Nanomboka ‘nandoro ny olona tamin’ny hafanam-be’ kosa izy ireo. Nitarika ho amin’ny Ady Lehibe II ny ady an-trano tany Espaina, Etiopia, ary Mandchourie. Asehon’ny tantara fa ireo mpitondra jadona toa an’i Mussolini sy Hitler ary Staline dia tompon’andraikitra mivantana sy tsy mivantana tamin’ny fahafatesan’ny olona am-polony tapitrisa. Anisan’izany ny maro tamin’ny mpiray firenena tamin’izy ireo. Azo lazaina koa hoe ‘nandoro’ ny vahoaka ny ady iraisam-pirenena na ady an-trano nipoaka tatỳ aoriana, tany Vietnam, Kampuchéa, Iran, Liban, Irlandy, Amerika Latinina, ary Afrika. Eo koa ny fifandirana tsy an-kiato eo amin’ireo firenena matanjaka indrindra, izay manana fiadiana niokleary afaka mandoro sy mandevona ny olona rehetra. Tena danihin’ny “masoandro” mahamay, dia ireo mpitondra tsy marina, ny olona amin’izao andro farany izao. Mampahafantatra an’ireny zava-misy ara-tantara ireny ny fandrarahana ny ao anatin’ilay vilia fahefatra, ary torin’ny vahoakan’Andriamanitra eran-tany izany.
14. Inona ihany no hamaha ny olana mahazo ny olombelona, araka ny nampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’izay? Ahoana no fiheveran’ny ankamaroan’ny olona an’izany vahaolana izany?
14 Nampianatra foana ny Vavolombelon’i Jehovah fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hamaha ny olana mahavery hevitra ny olombelona. Amin’ny alalan’izy io koa no hanamasinan’i Jehovah ny anarany. (Salamo 83:4, 17, 18; Matio 6:9, 10) Tsy miraharaha an’io vahaolana io anefa ny ankamaroan’ny olona. Manevateva ny anaran’Andriamanitra, toa an’i Farao izay nanda ny zon’i Jehovah hitondra, ny olona maro tsy manaiky ilay Fanjakana. (Eksodosy 1:8-10; 5:2) Tsy liana amin’ny Fanjakan’ny Mesia ireny mpanohitra ireny, fa aleony mijaly eo ambanin’ny ‘masoandrony’ migaingaina, dia ireo mpitondra mampahory.
Ny seza fiandrianan’ilay bibidia
15. a) Teo amin’ny inona no nararaka ny tao anatin’ilay vilia fahadimy? b) Inona ilay “seza fiandrianan’ilay bibidia”, ary midika ho inona ny fandrarahana ny ao anatin’ilay vilia eo amin’izy io?
15 Teo amin’ny inona no nandrarahan’ny anjely manaraka ny tao am-biliany? “Ary ny fahadimy nandraraka ny tao am-biliany teo amin’ny seza fiandrianan’ilay bibidia.” (Apokalypsy 16:10a) Ny fitondrana ara-politikan’i Satana ilay hoe “bibidia.” Tsy manana seza fiandrianana ara-bakiteny izy io, sady tsy bibidia ara-bakiteny. Ny firesahana seza fiandrianana anefa, dia midika fa manjaka eo amin’ny olombelona ilay bibidia. Mifanaraka amin’izany koa ny filazana fa misy diadema eo amin’ireo loha fiton’ilay bibidia. Ny “seza fiandrianan’ilay bibidia”, dia ny loharanon’ny fahefany.b Lazain’ny Baiboly ny tena marina momba ny loharanon’ny fahefan’io bibidia io. Izao no voalaza ao: “Ilay dragona dia nanome hery sy seza fiandrianana ary fahefana lehibe an’ilay bibidia.” (Apokalypsy 13:1, 2; 1 Jaona 5:19) Ny fandrarahana ny ao anatin’ilay vilia eo amin’ny seza fiandrianan’ilay bibidia àry, dia midika fampahafantarana ny tena nataon’i Satana sy mbola ataony mba hanohanana an’ilay bibidia.
16. a) Iza no tompoin’ireo firenena, na fantatr’izy ireo izany na tsia? Hazavao. b) Nahoana no lazaina fa ahitana taratry ny toe-tsain’i Satana ity tontolo ity? d) Rahoviana no haongana ny seza fiandrianan’ilay bibidia?
16 Inona no angatahin’i Satana amin’ireo firenena mba hihazonan’izy ireo ny fahefany? Rehefa naka fanahy an’i Jesosy i Satana, dia nasehony azy tao amin’ny fahitana ny fanjakana rehetra maneran-tany, ary natolony azy ‘izany fahefana rehetra izany sy ny voninahiny.’ Nisy takalony anefa izany. Tsy maintsy niankohoka indray mandeha teo anatrehan’i Satana aloha izy. (Lioka 4:5-7) Ho latsaka noho izany ve no angatahin’i Satana, ho takalon’ny fahefana omeny an’ireo fitondram-panjakana eo amin’izao tontolo izao? Tsy izany mihitsy. Milaza ny Baiboly fa i Satana no andriamanitr’ity tontolo ity, ka manompo azy ny firenena, na fantatr’izy ireo izany na tsia. (2 Korintianina 4:3, 4)c Hita taratra izany eo amin’ny toe-tsain’ity tontolo ity, izay anjakan’ny fanindrahindram-pirenena sy ny fankahalana ary ny fitiavan-tena. Voalamina araka ny fomba itiavan’i Satana azy io tontolo io, mba hifehezany hatrany ny olombelona. Ahitana taratry ny toe-tsaina ratsin’i Satana ny kolikoly ataon’ny fitondram-panjakana, ny fitiavana fahefana, ny lainga eo amin’ny fifampiraharahana iraisam-pirenena, ary ny fifaninanana manao fitaovam-piadiana. Manaraka ireo fitsipika tsy marin’i Satana ity tontolo ity, ka amin’izany dia manao azy ho andriamaniny. Haongana anefa ny seza fiandrianan’ilay bibidia rehefa horinganina izy, ary hanipy an’i Satana ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka ny Taranak’ilay vehivavy vadin’Andriamanitra.—Genesisy 3:15; Apokalypsy 19:20, 21; 20:1-3.
Haizina sy fanaintainana
17. a) Inona no ifandraisan’ny fandrarahana ny ao anatin’ilay vilia fahadimy, sy ny haizina ara-panahy mandrakotra ny fanjakan’ilay bibidia? b) Ahoana no fihetsiky ny olona rehefa nararaka ny tao anatin’ilay vilia fahadimy misy ny fahatezeran’Andriamanitra?
17 Efa tao anaty haizina ara-panahy foana ny fanjakan’io bibidia io, hatramin’izay nisiany. (Ampitahao amin’ny Matio 8:12; Efesianina 6:11, 12.) Ampahafantarina bebe kokoa amin’ny rehetra io haizina io, rehefa araraka ny ao anatin’ilay vilia fahadimy. Eo amin’ny seza fiandrianan’ilay bibidia mihitsy izy io no araraka, ka vao mainka misongadina ilay haizina. “Dia nanjary maizina ny fanjakan’ilay bibidia. Ary nanomboka nanaiki-dela noho ny fanaintainana ny olona. Nanevateva an’ilay Andriamanitry ny lanitra anefa izy ireo noho ny fanaintainany sy ny feriny, fa tsy mba nibebaka tamin’izay nataony.”—Apokalypsy 16:10b, 11.
18. Inona no itovian’ny fitsofana ny trompetra fahadimy sy ny vilia fahadimy?
18 Tsy mitovy tanteraka amin’ilay vilia fahadimy ny fitsofana ny trompetra fahadimy. Nanambara loza avy amin’ny valala mantsy ny fitsofana ilay trompetra. Mariho anefa fa lasa maizina ny masoandro sy ny rivotra, rehefa mamely ireo valala. (Apokalypsy 9:2-5) Toy izany koa no nitranga, rehefa namely an’i Ejipta tamin’ny valala i Jehovah. Hoy ny Eksodosy 10:14, 15: “Nampahory indrindra ireny, ka tsy nisy valala toy izany tany aloha, ary ato aoriany koa tsy hisy toy izany. Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny, ka efa maizina ny tany.” Maizina tokoa ny tany tamin’izay! Ao anatin’ny haizina ara-panahy koa ity tontolo ity, ary miharihary tsara izany noho ny fitsofana ny trompetra fahadimy sy ny fandrarahana ny ao anatin’ilay vilia fahadimy. Ny hafatra manindrona torin’ny andiam-balala ankehitriny, dia mampijaly sy mampanaintaina ny ratsy fanahy, izay tia kokoa “ny haizina toy izay ny mazava.”—Jaona 3:19.
19. Araka ny Apokalypsy 16:10, 11, inona no vokany rehefa nampahafantarina fa i Satana no andriamanitr’ity tontolo ity?
19 Nampisy fahoriana sy fijaliana be dia be i Satana, mpitondra an’ity tontolo ity. Mosary, ady, herisetra, heloka bevava, fidorohana zava-mahadomelina, fitondran-tena ratsy, aretina azo avy amin’ny firaisana, tsy fanaovana ny marina, ary fihatsarambelatsihin’ny mpivavaka. Izany rehetra izany sy ny maro hafa koa no mampiavaka ny tontolon’i Satana. (Ampitahao amin’ny Galatianina 5:19-21.) Na izany aza, dia nahatsiaro ho nanaintaina sy menatra ireo manaraka ny fitsipiny, rehefa nampahafantarina tamin’ny rehetra fa izy no andriamanitr’ity tontolo ity. “Nanomboka nanaiki-dela noho ny fanaintainana” izy ireo, indrindra fa ny tao amin’ny Kristianisma Anarana. Maro no sosotra satria ahariharin’ny fahamarinana fa tsy mety ny fomba fiainany. Heverin’ny sasany ho zavatra mety hampidi-doza ny fahamarinana, ka enjehiny izay mitory azy io. Mandà ny Fanjakan’i Jehovah izy ireo, ary manevateva ny anarany masina. Naharihary fa voan’ny aretina sy fery ara-panahy izy ireo, ka lasa manevateva an’ilay Andriamanitry ny lanitra. ‘Tsy mba mibebaka amin’izay ataony’ izy ireo. Tsy azontsika antenaina àry hoe hisy fiovana faobe alohan’ny faran’ity tontolo ity.—Isaia 32:6.
Ritra ny reniranon’i Eofrata
20. Inona no antony hiresahana ny reniranon’i Eofrata amin’ny fitsofana ny trompetra fahenina sy ny fandrarahana ny ao anatin’ilay vilia fahenina?
20 Nambara tamin’ny alalan’ny fitsofana ny trompetra fahenina ny fanafahana an’ireo ‘anjely efatra nifatotra teo amin’i Eofrata, ilay renirano lehibe.’ (Apokalypsy 9:14) Teo amin’ny reniranon’i Eofrata no nisy an’ilay tanàna lehibe fahiny atao hoe Babylona. Ary tamin’ny 1919, taorian’ny fanafahana ireo anjely efatra an’ohatra, dia nisy zava-nitranga niavaka, dia ny fianjeran’i Babylona Lehibe. (Apokalypsy 14:8) Tsara homarihina àry fa misy vokany eo amin’ny reniranon’i Eofrata koa ny fandrarahana ny ao anatin’ilay vilia fahenina: “Ary ny fahenina nandraraka ny tao am-biliany teo amin’i Eofrata, ilay renirano lehibe, dia ritra ny ranony, mba hanomanana ny lalana ho an’ireo mpanjaka avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro.” (Apokalypsy 16:12) Vaovao ratsy ho an’i Babylona Lehibe koa io!
21, 22. a) Nahoana no lasa ritra ny reniranon’i Eofrata, izay nataon’i Babylona ho fiarovana, tamin’ny 539 T.K.? b) Inona ireo “rano” ipetrahan’i Babylona Lehibe, ary inona no manaporofo fa efa miharìtra ireo rano ireo?
21 Tamin’ny fotoana nampahatanjaka indrindra an’i Babylona fahiny, dia anisan’ny tena niaro ilay tanàna ny rano ben’i Eofrata. Ritra anefa izany rano izany tamin’ny 539 T.K., rehefa navilin’i Kyrosy, mpanjaka persanina. Afaka niditra tao Babylona sy nandresy azy io àry i Kyrosy Persanina sy Dariosy Medianina, mpanjaka avy any amin’ny “fiposahan’ny masoandro” (izany hoe avy any atsinanana). Tsy naharo an’ilay tanàna lehibe ny reniranon’i Eofrata, tamin’ny fotoana nilany izany indrindra. (Isaia 44:27–45:7; Jeremia 51:36) Toy izany koa no tsy maintsy hitranga amin’i Babylona Lehibe, na ny fivavahan-diso maneran-tany.
22 “Mipetraka eo ambonin’ny rano maro” i Babylona Lehibe. Milaza ny Apokalypsy 17:1, 15 fa manondro “olona sy vahoaka sy firenena ary olona samy hafa fiteny” ireo “rano” ipetrahany ireo, izany hoe ireo vahoaka maro ao aminy, izay heveriny fa hiaro azy. Efa miharìtra anefa ireo “rano” ireo! Any Eoropa Andrefana, izay toerana nananany fahefana be taloha, dia olona an-jatony tapitrisa no tsy manafina mihitsy hoe tsy miraharaha fivavahana. Nisy fepetra noraisina tany an-tany hafa, nandritra ny taona maro, mba hanafoanana ny herin’ny fivavahana eo amin’ny fiainan’ny olona. Tsy mba niaro ny fivavahany akory ny vahoaka tao amin’ireny tany ireny. Toy izany koa no hitranga, rehefa horinganina i Babylona Lehibe. Tsy haharo azy mihitsy ireo vahoaka efa mihavitsy ao aminy. (Apokalypsy 17:16) Na dia milaza aza i Babylona Lehibe fa misy an’arivony tapitrisa ny olona ao aminy, dia tsy hisy hiaro azy amin’ireo “mpanjaka avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro.”
23. a) Iza ireo mpanjaka avy any amin’ny “fiposahan’ny masoandro”, tamin’ny 539 T.K.? b) Iza kosa “ireo mpanjaka avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro” mandritra ny andron’ny Tompo, ary ahoana no handringanan’izy ireo an’i Babylona Lehibe?
23 Iza ireo mpanjaka avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro? I Dariosy Medianina sy Kyrosy Persanina izy ireo, tamin’ny 539 T.K. Nampiasain’i Jehovah izy ireo tamin’izay, mba handresy ny tanànan’i Babylona fahiny. Horinganin’ny mpitondra olombelona koa i Babylona Lehibe na ny fivavahan-diso, amin’izao andron’ny Tompo izao. Anisan’ny fampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra anefa izany. I Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy ireo “mpanjaka avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro.” Hataon’izy ireo ao am-pon’ireo mpitondra olombelona ny hanatanteraka ilay “hevitra” hoe hamely an’i Babylona Lehibe, ka handringana azy tanteraka. (Apokalypsy 17:16, 17) Ny fandrarahana ny ao anatin’ilay vilia fahenina dia mampahafantatra amin’ny rehetra fa ho tanteraka tsy ho ela izany didim-pitsarana izany!
24. a) Ahoana no ampahafantarana ny ao anatin’ireo vilia enina voalohany, ary inona no vokany? b) Inona no ahariharin’ny Apokalypsy, alohan’ny hiresahana momba ilay vilia farany?
24 Mampita hafatra mampieritreritra ireo vilia enina voalohany misy ny fahatezeran’i Jehovah. Revo mampahafantatra eran-tany ny ao anatin’ireo vilia ireo ny mpanompon’Andriamanitra, ary tohanan’ny anjely. Mahazo fampitandremana ny tontolon’i Satana manontolo, vokatr’izany. Amin’ny alalan’izany koa no anomezan’i Jehovah safidy ho an’ny olona tsirairay, mba hanao ny marina, ka ho velona. (Ezekiela 33:14-16) Mbola misy tavela anefa ny vilia misy ny fahatezeran’Andriamanitra. Alohan’ny hiresahana an’izany, dia ahariharin’ny Apokalypsy fa miezaka misakana ny fampahafantarana ny didim-pitsaran’i Jehovah i Satana sy ny olony eto an-tany.
Angonina ho amin’ny Hara-magedona
25. a) Inona no lazain’i Jaona momba ny “fanambarana” maloto toy ny sahona? b) Inona ireo “fanambarana” maharikoriko tahaka ny sahona amin’izao andron’ny Tompo izao, ary inona no vokany?
25 Hoy i Jaona: “Ary hitako fa nisy fanambarana avy amin’ny fanahy, dia fanambarana maloto telo tahaka ny sahona, nivoaka avy tamin’ny vavan’ilay dragona sy avy tamin’ny vavan’ilay bibidia ary avy tamin’ny vavan’ilay mpaminany sandoka. Fa fanambarana avy amin’ny demonia izany, raha ny marina, ka manao famantarana sy mankany amin’ireo mpanjakan’ny tany rehetra misy mponina, mba hanangonana azy ireo ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra.” (Apokalypsy 16:13, 14) Nandefasan’i Jehovah loza nahatsiravina avy amin’ny sahona i Ejipta teo ambany fitondran’i Farao, tamin’ny andron’i Mosesy, ka nanjary “maimbo ny tany.” (Eksodosy 8:1-11) Misy loza maharikoriko tahaka ny sahona koa amin’izao andron’ny Tompo izao, saingy tsy avy amin’i Jehovah ilay izy. ‘Fanambarana maloto’ avy amin’i Satana izy ireny. Tsy inona izany fa ny hevitra aeliny, izay natao hitaomana ireo “mpanjaka” na ireo mpitondra olombelona rehetra, mba hanohitra an’i Jehovah Andriamanitra. Mampiely ireny hevitra ireny i Satana, mba ho azo antoka fa tsy hampiova hevitra an’ireo mpitondra ny fandrarahana ny ao anatin’ilay vilia misy ny fahatezeran’Andriamanitra. Hiandany tanteraka amin’i Satana kosa izy ireo amin’izay, mandritra ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra.”
26. a) Avy aiza no iavian’ireo hevitra natao hitaomana ny olona? b) Inona “ilay mpaminany sandoka”, ary ahoana no ahafantarantsika izany?
26 Ireo hevitra aely ireo, dia avy amin’ilay “dragona” (na i Satana) sy ilay “bibidia” (na ny fitondrana ara-politikan’i Satana eto an-tany). Efa voaresaka tany aloha ny momba azy ireo. Misy koa anefa ny avy amin’ilay “mpaminany sandoka.” Inona izy io? Ny anarany fotsiny no vaovao. Nampisehoana bibidia nanana tandroka roa tahaka ny an’ny zanak’ondry isika teo aloha. Nanao famantarana lehibe teo anatrehan’ilay bibidia nanana loha fito izy io. Toy ny ataon’ny mpaminany ho an’ny andriamaniny no ataon’io zavaboary mpamitaka io ho an’ilay bibidia nanana loha fito. Nampirisika ny olona hivavaka tamin’io bibidia io izy, ary nampanao sarin’izy io mihitsy aza. (Apokalypsy 13:11-14) Azo inoana àry fa io bibidia manan-tandroka roa io ihany no atao hoe “mpaminany sandoka.” Ankoatra izany, dia toy izay nataon’ilay bibidia manana tandroka roa ihany no nataon’ilay mpaminany sandoka. Mamaky mantsy isika any aoriana, fa “nanao famantarana teo anatrehan’ny [bibidia nanana loha fito izy], dia famantarana namitahany an’izay nandray ny mariky ny bibidia sy izay nivavaka tamin’ny sariny.”—Apokalypsy 19:20.
27. a) Inona no fampitandremana tonga amin’ny fotoana ilana azy, izay nomen’i Jesosy Kristy? b) Inona no fampitandremana nomen’i Jesosy, tamin’izy teto an-tany? d) Ahoana no namerenan’ny apostoly Paoly ny fampitandreman’i Jesosy?
27 Betsaka tokoa ny hevitra aelin’i Satana, ka tena tonga amin’ny fotoana ilana azy ireto tenin’i Jaona ireto: “Indro, avy toy ny mpangalatra aho. Sambatra izay miambina hatrany ka mbola eny aminy ihany ny akanjony ivelany, mba tsy handeha mitanjaka izy ka ho hitan’ny olona ny fahamenarany.” (Apokalypsy 16:15) Iza no avy “toy ny mpangalatra”? Tsy iza fa i Jesosy, izay ho avy amin’ny fotoana tsy ampoizina mba hanatanteraka ny didim-pitsaran’i Jehovah. (Apokalypsy 3:3; 2 Petera 3:10) Noharin’i Jesosy tamin’ny fiavian’ny mpangalatra koa ny fiaviany, tamin’izy mbola teto an-tany. Hoy izy: “Koa miambena hatrany àry ianareo, satria tsy fantatrareo ny andro hiavian’ny Tomponareo. Noho izany, dia miomàna koa ianareo, satria amin’ny ora tsy eritreretinareo no hiavian’ny Zanak’olona.” (Matio 24:42, 44; Lioka 12:37, 40) Namerina izany fampitandremana izany ny apostoly Paoly, ka nanao hoe: “Ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’i Jehovah. Rehefa milaza izy ireo hoe: ‘Fandriampahalemana sy filaminana!’, dia hanjo azy avy hatrany ny fandringanana tampoka.” Lainga fotsiny ny hoe “Fandriampahalemana sy filaminana!”, ary avy amin’i Satana ny filazana toy izany.—1 Tesalonianina 5:2, 3.
28. Inona no fampitandremana nomen’i Jesosy mba hanoherana ny fitaoman’izao tontolo izao, ary inona ilay “andro” tsy irin’ny Kristianina ho tonga tampoka eo aminy “toy ny fandrika”?
28 Nampitandrina ny Kristianina koa i Jesosy fa hanao izay hitaomana azy ireo ity tontolo ity, izay feno ny hevitra aelin’i Satana. Hoy izy: “Mitandrema sao ny fonareo hovesaran’ny fihinanana tafahoatra sy ny fibobohan-toaka ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana, ka tsy hampoizinareo ny hahatongavan’izany andro izany aminareo, fa ho tampoka toy ny fandrika. ... Koa miambena hatrany, ary mitalahoa mandrakariva mba ho afa-mandositra izany zava-drehetra tsy maintsy ho tonga izany ianareo, ka ho afaka hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.” (Lioka 21:34-36) “Izany andro izany” dia “ilay andro lehiben’Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra.” (Apokalypsy 16:14) Manakaiky izany “andro” fanamarinana ny zon’i Jehovah hitondra izany, ka vao mainka sarotra ny miatrika ny fanahiana eo amin’ny fiainana. Mila mailo sy miambina hatrany ny Kristianina mandra-pahatongan’io andro io.
29, 30. a) Inona no tian’i Jesosy holazaina amin’ny hoe hesorina eny amin’izay tratra matory ny “akanjony ivelany”, mba ho menatra izy? b) Amantarana inona ilay akanjo ivelany an’ohatra? d) Ahoana no mety hamoizan’ny olona iray izany akanjony ivelany izany, ary inona no ho vokany?
29 Ampitandremana koa isika fa izay tratra matory, dia hesorina eny aminy ny “akanjony ivelany”, mba ho menatra izy. Inona no dikan’izany? Teo amin’ny Israely fahiny, dia nanana andraikitra mavesatra ny mpisorona na Levita niambina tao amin’ny tempoly. Milaza ny manam-pahaizana jiosy fa raha nisy mpiambina tratra natory, dia nesorina teny aminy ny akanjony ary nodorana, mba ho menatra eo imason’ny rehetra izy.
30 Mampitandrina i Jesosy ao amin’ny Apokalypsy 16:15, fa mety hitranga koa ny toy izany ankehitriny. Ireo voahosotra rahalahin’i Jesosy no mifanitsy amin’ireo mpisorona sy Levita. (1 Petera 2:9) Natao ho an’ny vahoaka be koa anefa ny fampitandreman’i Jesosy. An’ohatra ilay akanjo ivelany resahina eo. Izy io no famantarana an’ilay olona mitondra azy, ho Kristianina Vavolombelon’i Jehovah. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 3:18; 7:14.) Hamoy izany akanjony izany ny olona iray, raha avelany handrotsirotsy azy eo amin’ny lafiny ara-panahy na hahatonga azy tsy hanompo intsony ny fitaoman’ity tontolon’i Satana ity. Raha tsorina, dia tsy ho hita tsara intsony izay hamantarana azy ho Kristianina. Hahamenatra tokoa izany. Ho very maina ny ezaka rehetra nataony.
31. a) Ahoana no anasongadinan’ny Apokalypsy 16:16 fa mila miambina hatrany ny Kristianina? b) Inona no hevitry ny mpitondra fivavahana sasany momba ny Hara-magedona?
31 Vao mainka ilain’ny Kristianina ny miambina hatrany, satria efa ho tanteraka ireto teny ao amin’ny Apokalypsy ireto: “Ary nangonin’izany fanambarana [avy amin’ny demonia] izany ho amin’ilay toerana antsoina amin’ny teny hebreo hoe Hara-magedona ireo [mpanjakan’ny tany, na mpitondra].” (Apokalypsy 16:16) Indray mandeha ihany no hita ao amin’ny Baiboly ny teny hoe Hara-magedona. Nanaitra sy nahaliana ny olona anefa izy io. Efa nampitandrina ny mpitondra eo amin’ity tontolo ity fa mety hisy ny Hara-magedona niokleary, izany hoe fandripahana amin’ny baomba niokleary. Ilay teny hoe Hara-magedona dia ampifandraisina amin’ilay tanàna fahiny hoe Megido, izay toerana nisehoan’ny ady maro nampiova zavatra. Noho izany, dia mihevitra ny mpitondra fivavahana sasany, fa ao amin’io faritra kely io no hitranga ilay ady farany eto an-tany. Diso tanteraka anefa izy ireo.
32, 33. a) Tsy toerana ara-bakiteny ny “Hara-magedona”, fa inona kosa? b) Inona avy ireo teny hafa ao amin’ny Baiboly misy itoviana na misy ifandraisany amin’ilay hoe “Hara-magedona”? d) Rahoviana ilay anjely fahafito no handraraka ny ao anatin’ilay vilia farany?
32 Midika hoe “Tendrombohitr’i Megido” ilay anarana hoe Hara-magedona. Tsy toerana ara-bakiteny anefa izy io, fa toe-javatra haneran-tany, izay hitranga rehefa hiangona ny firenena rehetra, mba hanohitra an’i Jehovah Andriamanitra. Horinganiny anefa izy ireo amin’ny faran’izy io. (Jeremia 25:31-33; Daniela 2:44) Izy io dia misy itoviana amin’ilay “famiazam-boaloboka lehibe, dia ny fahatezeran’Andriamanitra”, sy ilay “lohasaha fitsarana” na “Lohasahan’i Josafata”, izay toerana an’ohatra hampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany amin’ireo firenena. (Apokalypsy 14:19; Joela 4:12, 14) Misy ifandraisany amin’ny “tanin’ny Isiraely” koa izy io, izany hoe amin’ilay toerana an’ohatra handringanana an’i Goga avy any Magoga na i Satana. Mbola misy ifandraisany amin’ilay toerana an’ohatra “eo anelanelan’ny ranomasina sy ny tendrombohitra masina mahafinaritra” koa izy io. Ao no hahatongavan’ny mpanjakan’ny avaratra “ao amin’ny hiafarany”, eo an-tanan’i Mikaela andrian-dehibe.—Ezekiela 38:16-18, 22, 23; Daniela 11:45–12:1.
33 Ho voatarika ho amin’io toe-javatra io ireo firenena amin’ny farany, noho ireo sahona an’ohatra, na ireo hevitra aelin’i Satana sy ireo olony eto an-tany. Amin’izay no handraraka ny ao anatin’ilay vilia farany misy ny fahatezeran’Andriamanitra ilay anjely fahafito.
“Vita!”
34. Teny amin’ny inona no nandrarahan’ny anjely fahafito ny tao am-biliany, ary inona no teny re “avy tao amin’ilay toerana masina”?
34 “Ary ny fahafito nandraraka ny tao am-biliany teny amin’ny rivotra, dia nisy feo mafy avy tao amin’ilay toerana masina, avy teo amin’ny seza fiandrianana, nanao hoe: ‘Vita!’ ”—Apokalypsy 16:17.
35. a) Inona ilay “rivotra” ao amin’ny Apokalypsy 16:17? b) Inona no ampahafantarin’ny anjely fahafito, rehefa mandraraka ny ao am-biliany eny amin’ny rivotra izy?
35 Amin’ireo zava-drehetra iankinan’ny aina, dia “ny rivotra” no hiharan’ny loza farany. Tsy ny rivotra ara-bakiteny anefa io. Tsy misy antony tokony hanamelohan’i Jehovah ny rivotra ara-bakiteny, toy ny tsy anamelohany ny tany, ny ranomasina, ny loharano, ary ny masoandro ara-bakiteny. Izy io kosa dia ilay “rivotra” noresahin’i Paoly, rehefa niantso an’i Satana hoe “mpitondra ny fahefan’ny rivotra” izy. (Efesianina 2:2) Tsy inona izany fa ilay ‘rivotr’i’ Satana izay fohin’ity tontolo ratsiny ity, izany hoe ilay toe-tsaina manjaka eo amin’izy io. Mbola izy koa ilay fomba fihevitr’i Satana, hita taratra eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainan’ny olona any ivelan’ny fandaminan’i Jehovah. Rehefa mandraraka ny ao am-biliany eny amin’ny rivotra àry ny anjely fahafito, dia mampahafantatra ny fahatezeran’Andriamanitra amin’i Satana sy ny fandaminany, ary amin’izay mampirisika ny olona hanohana an’i Satana sy hanohitra ny zon’i Jehovah hitondra.
36. a) Inona no ampahafantarina amin’ireo loza fito? b) Inona no hitranga rehefa avy miteny i Jehovah hoe: “Vita!”?
36 Io loza io sy ireo enina hafa teo alohany, no ampahafantarana ny didim-pitsaran’i Jehovah rehetra, izay anamelohany an’i Satana sy ny tontolony. Filazana ny loza hanjo an’i Satana sy ny taranany izy ireo. Rehefa ho voararaka ny ao anatin’ilay vilia farany, dia i Jehovah mihitsy no hilaza hoe: “Vita!” Tsy misy zavatra hafa holazaina intsony. Ampahafantarina araka izay mahafa-po an’i Jehovah ny ao anatin’ireo vilia misy ny fahatezerany. Rehefa vita izany, dia tsy hangataka andro intsony izy, fa hampihatra ny didim-pitsarany voambara tamin’ireo hafatra ireo.
37. Inona no mitranga, rehefa nararaka ny tao anatin’ilay vilia fahafito misy ny fahatezeran’Andriamanitra?
37 Hoy ihany i Jaona: “Ary nisy tselatra sy feo ary kotroka. Ary nisy horohoron-tany lehibe mbola tsy nisy toa azy hatrizay nisian’ny olona teto an-tany, eny, mbola tsy nisy horohoron-tany mafy sy lehibe toy izany. Ary nizara telo ilay tanàna lehibe, ary nianjera ireo tanànan’ny firenena. Ary i Babylona Lehibe dia notsarovana teo imason’Andriamanitra, mba homena ny kaopin’ny divain’ny fisafoaky ny fahatezerany. Ary nandositra koa ny nosy rehetra, ary tsy nisy tendrombohitra hita. Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra tamin’ny olona, ka tokony ho roapolo kilao avy ny lanjan’ny havandra. Ary nanevateva an’Andriamanitra ny olona noho ny loza nentin’ny havandra, satria lehibe loatra ilay loza.”—Apokalypsy 16:18-21.
38. Manondro inona a) ilay “horohoron-tany lehibe”? b) ny filazana fa nizara ‘telo ilay tanàna lehibe’, na i Babylona Lehibe? d) ny filazana fa ‘nandositra ny nosy rehetra, ary tsy nisy tendrombohitra hita’? e) “ny loza nentin’ny havandra”?
38 Hiharihary indray ny zavatra ataon’i Jehovah ho an’ny olombelona. “Tselatra sy feo ary kotroka” no hamantarana izany. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 4:5; 8:5.) Ho voahozongozona ny olombelona, ka toy ny hoe hisy horohoron-tany lehibe mbola tsy nisy toa azy. (Ampitahao amin’ny Isaia 13:13; Joela 4:16.) Handrava an’ilay “tanàna lehibe” na i Babylona Lehibe izany horohoron-tany izany, ka hampizara azy ho “telo.” Io fizarany io dia midika fa tsy ho azo arenina intsony izy. Hianjera koa “ireo tanànan’ny firenena”, ary hanjavona “ny nosy rehetra” sy ny “tendrombohitra”, izany hoe ireo fikambanana eto amin’ity tontolo ity, izay toa tsy hirodana. Resahina eo fa hisy “havandra vaventy” hamely ny olombelona ka hampanaintaina azy. Lehibe kokoa noho ny havandra namely an’i Ejipta nandritra ny loza fahafito izy ireny, ary 20 kilao eo ho eo ny vongany tsirairay. (Eksodosy 9:22-26) Azo inoana fa manondro teny faran’izay mafonja ampahafantarana ny didim-pitsaran’i Jehovah, ny fandrarahana ireo vongan-dranomandry natao ho sazy ireo. Hampahafantarina amin’izany fa tonga ny faran’ity tontolo ity! Azon’i Jehovah atao tsara koa anefa ny mandefa havandra ara-bakiteny mba handringanana ny ratsy fanahy.—Joba 38:22, 23.
39. Inona no mbola hataon’ny ankamaroan’ny olona, na dia teo aza ny fandrarahana ireo loza fito?
39 Hiatrika ny fitsarana marin’i Jehovah àry ny tontolon’i Satana. Hihantsy an’Andriamanitra sy hanevateva azy hatramin’ny farany ny ankamaroan’ny olona. Toy ny tamin’i Farao fahiny, dia tsy hanalefaka ny fon’izy ireo ny loza mifanesy na ny fiafaran’izy ireny, izay hiteraka fahafatesana. (Eksodosy 11:9, 10) Tsy hisy fiovana faobe amin’ny minitra farany, ka hoe ho lasa tsara ny toe-pon’ny olona. Na eo am-pialana aina aza izy ireo, dia mbola hanome tsiny an’Andriamanitra, izay milaza hoe: “Ho fantany fa Izaho no Jehovah.” (Ezekiela 38:23) Ho voamarina foana anefa, fa i Jehovah ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, no manana ny zo hitondra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Hita ao amin’ny Genesisy 4:10; 31:44-53; Hebreo 12:24, fa azo natao vavolombelona na porofo ny zavatra tsy mananaina.
b Mitovy amin’izany ny hevitry ny hoe “seza fiandrianana”, ao amin’ireo teny ara-paminaniana miantefa amin’i Jesosy, ao amin’ny Salamo 45:6. Izao no voalaza ao, araka ny teny hebreo tany am-boalohany: “Andriamanitra no seza fiandriananao mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.” Midika izany fa i Jehovah no loharanon’ilay fahefan’ny mpanjaka ananan’i Jesosy.
c Jereo koa ny Joba 1:6, 12; 2:1, 2; Matio 4:8-10; 13:19; Lioka 8:12; Jaona 8:44; 12:31; 14:30; Hebreo 2:14; 1 Petera 5:8.
[Efajoro, pejy 221]
“Teny Amin’ny Tany”
Nambaran’ireo voahosotra toy izao ny fahatezeran’i Jehovah amin’ny “tany”:
“Niezaka nandritra ny taonjato maro ireo antoko ara-politika, nefa miharihary fa tsy mahavita miatrika ny zava-misy ankehitriny izy ireo, sady tsy mahita vahaolana amin’ireo zavatra mampahory ny olona. Mikaroka mafy ireo mpitondra sy manam-pahaizana momba ny toe-karena, nefa mahatsiaro tena ho tsy afa-manoatra.”—Olona An-tapitrisany Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy, 1920, pejy 61.
“Tsy misy fanjakana eto an-tany mahavita manome fahafaham-po ny ankamaroan’ny vahoakany. Mpanao didy jadona no mitondra ny firenena maro. Tsy misy vidiny intsony ity tontolo ity.”—Fitondram-panjakana Irin’ny Olona, 1924, pejy 5.
“Mila foanana mihitsy ny rafitr’ity tontolo ity ... izay vao ho foana ny faharatsiana, ary hanjaka ny fandriampahalemana sy ny fahamarinana.”—“Ity Vaovao Tsaran’ny Fanjakana Ity”, 1954, pejy 25.
‘Mampiavaka an’ity tontolo ity ny fitomboan’ny fahotana sy ny tsy fahamarinana ary ny fikomiana amin’Andriamanitra sy ny sitrapony. Tsy azo arenina intsony ity tontolo ity, ka tsy maintsy hofoanana!’—Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 1982, pejy 6.
[Efajoro, pejy 223]
“Ao Amin’ny Ranomasina”
Efa nandritra ny taona maro ireo voahosotra no nanambara ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny “ranomasina” misamboaravoara, izany hoe ny olona ratsy fanahy tafasaraka amin’i Jehovah. Ireto ny sasany amin’ny fanambarana navoakan’izy ireo:
“Asehon’ny tantaran’ny firenena rehetra fa misy fifandrafiana foana eo amin’ireo saranga tsy mitovy, dia ny vitsy an’isa sy ny maro an’isa. ... Nahatonga tolom-bahoaka sy fahoriana ary fandatsahan-dra be dia be, ireny fifandrafiana ireny.”—Fitondram-panjakana, 1928, pejy 244.
Ao amin’ny tontolo vaovao, “dia tsy ho eo intsony ireo olona mpikomy tsy tia an’Andriamanitra, izany hoe ny ‘ranomasina’ misamboaravoara nivoahan’ilay bibidia nampiasain’ny Devoly hatry ny ela.”—Ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 1967, pejy 567.
‘Marary ara-panahy ity tontolo ity, ary tsy misy mahavonjy azy isika, satria asehon’ny Tenin’Andriamanitra fa tsy maintsy hahafaty azy ilay aretiny.’—Ny Tena Fiadanana sy Filaminana—Avy Aiza no Hiaviany?, 1977, pejy 131.
[Efajoro, pejy 224]
“Ao Amin’ny Renirano sy ny Loharano”
Ny loza fahatelo dia nampiharihary ny “renirano sy ny loharano”, tamin’ny alalan’ny fanambarana toy izao:
“Nanamasina ny ady sy nanao azy io ho zava-masina ny mpitondra fivavahana, izay milaza ho mampita ny foto-pampianaran[’i Kristy]. Faly erỳ izy ireo rehefa narantiranty teo akaikin’ny sary sy sarivongan’ireo mpiady mpandatsa-dra ny sariny.”—Ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 1924, pejy 275.
“Lainga be no fototry ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy. Tsy inona izany lainga izany fa ny filazana hoe mbola miaina ny olona aorian’ny fahafatesana, ary tsy mety maty ny fanahy.”—Inona no Lazain’ny Soratra Masina Momba ny “Fahavelomana Aorian’ny Fahafatesana”?, 1955, pejy 51.
“Tsy azo lazaina ho rano mamelombelona ny filozofian’ny olombelona sy ny hevitra isan-karazany momba ny politika sy ny fiaraha-monina, ary ny toe-karena, mbamin’ireo lovantsofina ara-pivavahana. ... Izany rano izany kosa aza no nahatonga an’izay nisotro azy handika ny lalàn’ny Mpamorona momba ny fahamasinan’ny ra, sady nahatonga azy ireo hanenjika ny fivavahana hafa.”—Fanapahan-kevitra nolanina, tamin’ny Fivoriambe Iraisam-pirenena “Vaovao Tsara Mandrakizay”, 1963.
“Tsy antenaina hitondra famonjena ny fahaizana ara-tsiansa ananan’ny olona, fa ampoizina kosa handripaka ny taranak’olombelona. ... Na ny psikology sy ny mpitsabo aretin-tsaina rehetra eran-tany aza, dia tsy azo ianteherana hanova ny fomba fisainan’ny olombelona. ... Tsy afaka manantena koa isika hoe hisy polisy iraisam-pirenena hampiofanina ... mba hahatonga ny tany ho toerana tsy mampidi-doza.”—Famonjena ny Taranak’olombelona Amin’ny Alalan’ilay Fanjakana, 1970, pejy 5.
[Efajoro, pejy 225]
“Tamin’ny Masoandro”
‘Nandoro’ tokoa ny “masoandro”, izany hoe ny fitondran’olombelona, nandritra ny andron’ny Tompo. Nisarika ny saina ho amin’izany ireo voahosotra, ka nanambara hoe:
“Tandindomin-doza ny fandriampahalemana eran-tany, noho ny didiko fe lehibe ampiharin’i Hitler sy Mussolini. Manafoana ny fahalalahana izy ireo, ary manohana azy ireo tanteraka ny lohandohany ao amin’ny Eglizy Katolika.”—Fasisma sa Fahalalahana, 1939, pejy 12.
“Ny tetikadin’ireo mpitondra jadona hatramin’izay, dia ny hoe: Na manjaka na mandringana! Ny an’i Jesosy Kristy ilay mpanjaka voatendrin’Andriamanitra kosa, dia izao no fitsipika hampihariny eran-tany: Na manaiky hanjakana, na haringana.”—Ho Tafaray eo Ambany Fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra ny Firenen-drehetra, 1961, pejy 23.
‘Olona 25 tapitrisa mahery no maty tamin’ny ady 150 teo ho eo eran-tany, nanomboka tamin’ny 1945.’—Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 1980, pejy 6.
“Ny firenena eran-tany ... dia tsy miraharaha firy hoe misy vokany any amin’ny tany hafa ny ataony, sady tsy manaraka ny fitsipika mifehy ny fifandraisany amin’izy ireny. Misy firenena mihevitra fa rariny tanteraka raha mampiasa ny fomba rehetra izy hanatratrarany ny tanjony, ka tsy mampaninona azy ny mamono olona, ny mandripaka olona amin-kabibiana, ny maka an-keriny ny mpandeha anaty fitateram-bahoaka, ny manapoaka baomba, sy ny sisa ... Mandra-pahoviana ireo firenena no hifampizaka amin’izany hadalana izany?”—Ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 1985, pejy 4.
[Efajoro, pejy 227]
“Teo Amin’ny Seza Fiandrianan’ilay Bibidia”
Nahariharin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny seza fiandrianan’ilay bibidia, ary nambaran’izy ireo toy izao ny fanamelohan’i Jehovah azy io:
“Misy hery ratsy tsy hay tohaina, izay mahery noho ny olombelona, mitaona ny mpitondra sy ny mpanolo-tsaina ara-politika hizotra ho amin’ny fahafatesana amin’ilay ady farany, dia Hara-magedona.”—Aorian’ny Hara-magedona ny Tontolo Vaovaon’Andriamanitra, 1953, pejy 8.
“Avy amin’ilay Dragona ny hery sy ny fahefana ary ny seza fiandrianan’ilay ‘bibidia’, izany hoe ny fanjakan’olombelona, ka tsy maintsy manaraka ny fepetra apetrak’ilay Dragona.”—Aorian’ny Hara-magedona ny Tontolo Vaovaon’Andriamanitra, 1953, pejy 15.
“Azo antoka fa miandany amin’i Satana Devoly, ilay Fahavalon’Andriamanitra Lehibe Indrindra, ireo firenena.”—Fanapahan-kevitra nolanina tamin’ny Fivoriambe Iraisam-pirenena “Ny Fandresen’Andriamanitra”, 1973.
[Efajoro, pejy 229]
“Ritra ny Ranony”
Any amin’ny toerana maro, dia efa mihavitsy ny mpanohana an’ireo fivavahana niandoha tany Babylona. Hita taratra amin’izany izay hitranga rehefa hanafika “ireo mpanjaka avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro.”
“Asehon’ny fanadihadiana fa tsy mandeha mihaino toriteny any amin’ny fiangonana bodista intsony ny telo ampahefatry ny mponina an-tanàn-dehibe [any Tailandy]. Mihavitsy hatrany koa ny manao izany any ambanivohitra, ka ny antsasany sisa no miangona.”—Gazetin’i Bangkok (anglisy), 7 Septambra 1987, pejy 4.
‘Lasa tsy mahery toy ny taloha intsony ny Taoisma [any Chine], toerana niandohany 2 000 taona lasa teo hoe eo izay. Tsy mahasarika olona maro toy ny taloha intsony mantsy ny mazia miharo hafetsifetsena fanaon’ireo pretra ankehitriny sy ireo talohany. Noho izany, dia lasa tsy misy mpandimby intsony izy ireo ka mihamanjavona ny Taoisma [any Chine].’—Gazetin’i Atlanta sy Lalàm-panorenany (anglisy), 12 Septambra 1982, pejy 36-A.
“Anisan’ny tany manana misionera vahiny betsaka indrindra i Japon. Efa ho 5 200 ny isan’ny misionera eto, nefa ... tsy ampy 1 isan-jaton’ny mponina no Kristianina. ... Araka ny hevitry ny pretra iray miasa eto efa hatramin’ny 1950 tany ho any, ... dia efa ‘tapitra ny fotoana isian’ny misionera vahiny eto Japon.’ ”—Ny Gazetin’i Wall Street (anglisy), 9 Jolay 1986, pejy 1.
Nandritra ireo 30 taona farany tany Angletera, dia “efa ho ny 2 000 tamin’ireo fiangonana anglikanina 16 000 no nakatona, satria tsy misy mampiasa. Nihena be ny isan’ny mpiangona, ka anisan’ny manana mpiangona vitsy indrindra izao i Angletera, amin’ireo tany mitonona ho kristianina. ... ‘Tsy azo lazaina intsony hoe tany kristianina i Angletera’, [hoy ny Evekan’i Durham].”—Ny Gazetin’i New York, 11 Mey 1987, pejy A4.
“Taorian’ny adihevitra nafotaka naharitra ora maro, dia neken’ny Parlemanta [any Gresy] androany ny lalàna iray, izay mamela ny Fanjakana Sosialista haka tany sy trano be dia be an’ny Eglizy Ortodoksa Grika ... Io lalàna io koa dia manome alalana ny mpiangona tsotra, mba hiandraikitra ny filan-kevitry ny eglizy sy ny komity mitantana ny volan’ny fiangonana, izay nanokafana hotely sy toeram-pitrandrahana marbra ary birao isan-karazany.”—Ny Gazetin’i New York, 4 Aprily 1987, pejy 3.
[Sary, pejy 222]
Loza mitovy amin’izay nentin’ny fitsofana ny trompetra efatra voalohany no ao anatin’ireo vilia efatra voalohany misy ny fahatezeran’Andriamanitra
[Sary, pejy 226]
Ahariharin’ny vilia fahadimy fa ny seza fiandrianan’ilay bibidia dia ny fahefana omen’i Satana azy
[Sary, pejy 231]
Ny hevitra aelin’ny demonia no hahavoatarika ny mpitondra eto an-tany ho amin’ilay toe-javatra lehibe atao hoe Hara-magedona, ka hiharan’ny didim-pitsaran’i Jehovah izy ireo
[Sary, pejy 233]
Tsy maintsy hiharan’ny didim-pitsarana marin’i Jehovah ireo manaiky hotaomin’ny “rivotra” maloton’i Satana