Toko 43
Ilay Tanàna Mamirapiratra
Fahitana 16—Apokalypsy 21:9–22:5
Foto-kevitra: Ny mombamomba an’i Jerosalema Vaovao
Fotoana fahatanterahany: Aorian’ny fahoriana lehibe sy ny fandefasana an’i Satana any amin’ny lavaka mangitsokitsoka
1, 2. a) Taiza no nitondran’ny anjely an’i Jaona mba hijery an’i Jerosalema Vaovao, ary nahoana no hafa be ny zavatra hitany? b) Nahoana no io ilay fiafarana miavaka ambaran’ny Apokalypsy?
NITONDRA an’i Jaona ho any an-tany efitra ny anjely iray mba hampiseho azy an’i Babylona Lehibe. Anjely iray anisan’io antokony io ihany izao no nitondra azy ho any an-tendrombohitra avo. Hafa be ny zavatra hitany: tsy tanàna maloto fitondran-tena toa an’i Babylona mpivaro-tena, fa i Jerosalema Vaovao midina avy any an-danitra, ary madio sy ara-panahy ary masina.—Apokalypsy 17:1, 5.
2 Tsy nanana voninahitra toy izany mihitsy i Jerosalema fahiny. Hoy i Jaona: “Ary tonga ny iray tamin’ny anjely fito nanana ny lovia fito feno ny loza fito farany. Ary hoy izy tamiko: ‘Avia atỳ fa hasehoko anao ny ampakarina, vadin’ny Zanak’ondry.’ Koa nentiny tamin’ny herin’ny fanahy nankeo amin’ny tendrombohitra lehibe sady avo aho, dia nasehony ahy i Jerosalema, ilay tanàna masina, izay nidina avy any an-danitra avy tamin’Andriamanitra, sady nanana ny voninahitr’Andriamanitra.” (Apokalypsy 21:9-11a) Nahatazana tsara i Jaona teo amin’io tendrombohitra avo io ka voajeriny tsara daholo ny hakanton’ilay tanàna. Efa niandry fatratra azy io ny olona nanam-pinoana, taorian’ny nanotan’ny olombelona sy nisian’ny fahafatesana. Tonga ihany ilay nandrasana! (Romanina 8:19; 1 Korintianina 15:22, 23; Hebreo 11:39, 40) Tanàna ara-panahy manjelanjelatra izy io. Olona tsy mivadika 144 000 no ao anatiny. Mamirapiratra izy io satria masina sy ahitana taratry ny voninahitr’i Jehovah. Io ilay fiafarana miavaka ambaran’ny Apokalypsy!
3. Ahoana no ilazan’i Jaona ny hakanton’i Jerosalema Vaovao?
3 Mampiaiky volana ny hakanton’i Jerosalema Vaovao: “Toy ny vatosoa faran’izay tsara ny famirapiratany, dia tahaka ny vato jaspa mamirapiratra toy ny kristaly. Nanana manda lehibe sady avo sy vavahady roa ambin’ny folo izy io. Ary nisy anjely roa ambin’ny folo teo amin’ireo vavahady, ary nisy anarana voasoratra, dia ny anaran’ny foko roa ambin’ny folon’ny zanak’Israely. Teo atsinanana dia nisy vavahady telo, teo avaratra telo, teo atsimo telo, ary teo andrefana telo. Ary ny mandan’ilay tanàna koa dia nisy vato fototra roa ambin’ny folo, izay nisy anarana roa ambin’ny folo, dia ny anaran’ny apostoly roa ambin’ny folon’ny Zanak’ondry.” (Apokalypsy 21:11b-14) Ny famirapiratany no nanaitra voalohany an’i Jaona. Mamiratra toy ny vehivavy ampakarina i Jerosalema Vaovao ka tena sahaza ho vadin’i Kristy. Ara-dalàna raha mamiratra tokoa izy io satria ilay “Rain’ny fahazavana eny amin’ny lanitra” no namorona azy.—Jakoba 1:17.
4. Inona no porofo fa tsy ny firenen’Israely i Jerosalema Vaovao?
4 Voasoratra eo amin’ireo vavahadiny 12 ny anaran’ny foko 12 teo amin’ny Israely. Io tanàna an’ohatra io dia ireo 144 000, izay voaisy tombo-kase “avy tamin’ny foko rehetran’ny zanak’Israely.” (Apokalypsy 7:4-8) Izany no mahatonga ny anaran’ny apostoly 12 ho eo amin’ireo vato fototra. Tsy ny firenen’Israely avy amin’ireo zanakalahin’i Jakoba 12 i Jerosalema Vaovao, fa Israely ara-panahy, avy amin’ny “apostoly sy ny mpaminany.”—Efesianina 2:20.
5. Inona no dikan’ny hoe misy “manda lehibe sady avo” i Jerosalema Vaovao, sy ny hoe nasiana anjely eo amin’ny vavahady tsirairay?
5 Misy manda lehibe ilay tanàna an’ohatra. Niarovana ny tanàna fahiny ny manda mba hisakanana ny fahavalo. Voaro ara-panahy i Jerosalema Vaovao, satria misy “manda lehibe sady avo.” Tsy afa-miditra ao ny fahavalon’ny fahamarinana, sy ny olona maloto sy tsy manao ny marina. (Apokalypsy 21:27) Toy ny Paradisa anefa io tanàna kanto io, ho an’ireo navela hiditra ao. (Apokalypsy 2:7) Rehefa voaroaka tao amin’ilay Paradisa voalohany i Adama, dia nasiana kerobima niambina izy io mba tsy hidiran’olombelona maloto. (Genesisy 3:24) Nasiana anjely koa eo amin’ny vavahady tsirairay amin’ilay tanàna masina, mba hiarovana azy amin’ny lafiny ara-panahy. Mandritra ny andro farany, dia arovan’ny anjely tsy ho voaloton’i Babylona ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra, izay nanjary Jerosalema Vaovao.—Matio 13:41.
Refesina ilay tanàna
6. a) Ahoana no ilazan’i Jaona ny fandrefesana an’ilay tanàna, ary inona no dikan’izany? b) Ahoana no azo anazavana ny hoe “araka ny fandrefesan’ny olona” ilay refy, “sady fandrefesan’ny anjely koa”? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)
6 Hoy ihany i Jaona: “Ary ilay niresaka tamiko dia nihazona bararata volamena natao fandrefesana, mba handrefesany ilay tanàna sy ny vavahadiny ary ny mandany. Ary efajoro ilay tanàna, ka mitovy ny lavany sy ny sakany. Ary norefesiny tamin’ilay bararata ilay tanàna, ka roa arivo sy iray alina stadio, ary mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny haavony. Ary norefesiny koa ny mandany, ka efatra amby efapolo amby zato hakiho, araka ny fandrefesan’ny olona, izay sady fandrefesan’ny anjely koa.” (Apokalypsy 21:15-17) Ny nandrefesana ny tempoly dia nanome antoka fa ho tanteraka ny fikasan’i Jehovah momba azy io. (Apokalypsy 11:1) Rehefa norefesin’ilay anjely àry i Jerosalema Vaovao, dia midika izany fa tsy miova ny fikasan’i Jehovah momba ilay tanàna be voninahitra.a
7. Nahoana no miavaka ny refin’ilay tanàna?
7 Miavaka tokoa io tanàna io! Toy ny boaty efajoro tsara izy io, ka 12 000 stadio (2 220 kilaometatra) ny manodidina azy, ary misy manda manana haavo 144 hakiho (64 metatra) manodidina azy. Tsy misy tanàna ara-bakiteny toy izany. Avo 14 heny noho ny velaran-tanin’i Israely ankehitriny izany, ary hahatratra hatrany amin’ny 560 kilaometatra any ambony tsy taka-maso any ny haavony. Famantarana no nanehoana ny Apokalypsy. Koa milaza inona momba an’i Jerosalema Vaovao àry ireo refy ireo?
8. Inona no dikan’ny hoe a) 144 hakiho ny haavon’ny mandan’ilay tanàna? b) 12 000 stadio ny refiny? d) toy ny boaty efajoro tsara ny bikany?
8 Mirefy 144 hakiho ny haavon’ny mandan’izy io. Tsy inona àry io tanàna io fa ireo 144 000, zanaka ara-panahin’Andriamanitra. Mirefy 12 000 stadio ilay tanàna, ary mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny haavony. Ao amin’ny faminanian’ny Baiboly, dia ampiasaina an’ohatra mba hilazana fandaminan-javatra ny isa 12, izay hita ao amin’ilay tarehimarika 12 000. Izay fandaminana ataon’Andriamanitra mba hanatanterahana ny fikasany mandrakizay àry no tondroina amin’ny hoe Jerosalema Vaovao. I Jerosalema Vaovao, miampy an’i Jesosy Kristy Mpanjaka, no Fanjakan’i Jehovah tsara lamina. Toy ny boaty efajoro tsara koa ny bikan’ilay tanàna. Efajoro tsara koa ny Masina Indrindra tao amin’ny tempolin’i Solomona, izay nahitana ny fanatrehan’i Jehovah. (1 Mpanjaka 6:19, 20) Tena mety àry raha toy ny boaty ngezabe efajoro tsara i Jerosalema Vaovao, izay hazavain’ny voninahitr’i Jehovah! Mifandanja tsara ny refiny rehetra. Tsy misy zavatra tsy ara-dalàna na tsininy ilay tanàna.—Apokalypsy 21:22.
Zava-tsarobidy no nanorenana azy
9. Ahoana no ilazan’i Jaona an’ireo zavatra nanorenana ilay tanàna?
9 Mitohy indray ny fanazavan’i Jaona: “Ary ny rafitr’ilay manda dia jaspa, ary ilay tanàna dia volamena tsy misy fangarony tahaka ny fitaratra madio. Voaravaka vatosoa isan-karazany ny fototry ny mandan’ilay tanàna: Ny fototra voalohany dia jaspa, ny faharoa safira, ny fahatelo kalsedoanina, ny fahefatra emeraoda, ny fahadimy sardoniksa, ny fahenina sardoanina, ny fahafito krizolita, ny fahavalo berila, ny fahasivy topaza, ny fahafolo krizoprazy, ny fahiraika ambin’ny folo hiasinta, ny faharoa ambin’ny folo ametista. Ary perla roa ambin’ny folo ny vavahadiny roa ambin’ny folo, ka perla iray no nanaovana ny vavahady tsirairay. Ary volamena tsy misy fangarony tahaka ny fitaratra tantera-pahazavana ny lalamben’ilay tanàna.”—Apokalypsy 21:18-21.
10. Inona no dikan’ny hoe natao tamin’ny jaspa sy volamena ary “vatosoa isan-karazany” ilay tanàna?
10 Mamirapiratra tokoa ilay tanàna. Tsy zavatra mahazatra toy ny tanimanga na vato no nanaovana azy, fa jaspa sy volamena voadio ary “vatosoa isan-karazany.” Tena mety izany mba hilazana fitaovam-panorenana any an-danitra! Tsy misy zavatra manjelatra kokoa noho izany. Nopetahina takela-bolamena tsy misy fangarony ny vata misy fifanekena. Matetika koa no manondro zavatra tsara sy sarobidy ny volamena, ao amin’ny Baiboly. (Eksodosy 25:11; Ohabolana 25:11; Isaia 60:6, 17) Vita amin’ny “volamena tsy misy fangarony tahaka ny fitaratra madio” kosa i Jerosalema Vaovao manontolo sy ny lalambeny, ary midika izany fa tena kanto sy sarobidy izy io.
11. Inona no manome antoka antsika fa hamirapiratra ireo anisan’i Jerosalema Vaovao, satria tonga lafatra ny fahadiovany ara-panahy?
11 Tsy misy mpanao volamena mahavita manadio volamena toy izany. I Jehovah kosa no Mpanadio volamena mahay indrindra. ‘Mipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy’ izy, ka samy dioviny “toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy” daholo ireo anisan’ny Israely ara-panahy mahatoky. Izay olona tena voadio ihany amin’ny farany no ho anisan’i Jerosalema Vaovao. Zavatra velona sy mamirapiratra, araka izany, no ampiasain’i Jehovah hanorenana ilay tanàna. Eny, mamirapiratra izy ireo satria tonga lafatra ny fahadiovany ara-panahy.—Malakia 3:3, 4.
12. Inona no dikan’ny hoe a) voaravaka vatosoa 12 ny fototr’ilay tanàna? b) perla ny vavahadin’ilay tanàna?
12 Tsara tarehy hatramin’ny fototr’ilay tanàna, satria voaravaka vatosoa 12. Mampahatsiahy antsika ny mpisoronabe jiosy fahiny izany. Nisy andro manokana nisalorany efoda nisy vatosoa 12, mitovitovy amin’ireo voalaza tetsy ambony. (Eksodosy 28:15-21) Tsy kisendrasendra fotsiny izany, fa vao mainka manamafy hoe ho mpisorona ireo anisan’i Jerosalema Vaovao, ary ‘jiro’ manazava azy io i Jesosy Mpisoronabe. (Apokalypsy 20:6; 21:23; Hebreo 8:1) Amin’ny alalan’i Jerosalema Vaovao koa no andraisan’ny olombelona soa avy amin’ny asan’ny mpisoronabe ataon’i Jesosy. (Apokalypsy 22:1, 2) Misy vavahady 12 ilay tanàna, ary vita amin’ny perla tena tsara daholo izy ireo. Nampitahain’i Jesosy tamin’ny vatosoa na perla sarobidy tokoa ilay Fanjakana. Tsy maintsy ho olona tena mankamamy ny fifandraisany amin’Andriamanitra àry ny olona miditra amin’ireo vavahady ireo.—Matio 13:45, 46; ampitahao amin’ny Joba 28:12, 17, 18.
Tanànan’ny fahazavana
13. Inona koa no resahin’i Jaona momba an’i Jerosalema Vaovao, ary nahoana no tsy mila tempoly ara-bakiteny ilay tanàna?
13 Mora tazana eran’i Jerosalema ny tempoly tamin’ny andron’i Solomona, satria naorina teo amin’ny Tendrombohitra Moria, toerana avo indrindra teo avaratr’ilay tanàna. Fa ahoana kosa i Jerosalema Vaovao? Hoy i Jaona: “Ary tsy nahita tempoly tao aho, fa i Jehovah Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra, sy ny Zanak’ondry, no tempoliny. Ary tsy nila ny masoandro na ny volana mba hanazava azy ilay tanàna, fa ny voninahitr’Andriamanitra no nanazava azy, ary ny Zanak’ondry no jirony.” (Apokalypsy 21:22, 23) Tsy misy ilana tempoly ara-bakiteny eo, raha ny marina. Modely fotsiny mantsy ilay tempoly jiosy fahiny, fa ilay tena izy kosa, izany hoe ilay tempoly ara-panahy lehibe, dia efa nisy nanomboka tamin’ny nanosorana an’i Jesosy ho Mpisoronabe, tamin’ny taona 29. (Matio 3:16, 17; Hebreo 9:11, 12, 23, 24) Raha vao misy tempoly, dia tsy maintsy misy mpisorona misolo tena ny vahoaka eo amin’ny fanaovana sorona ho an’i Jehovah. Mpisorona daholo anefa ireo anisan’i Jerosalema Vaovao. (Apokalypsy 20:6) Natolotra indray mandeha monja koa ilay ain’olombelona lavorary nataon’i Jesosy sorona. (Hebreo 9:27, 28) Samy afaka mankeo anatrehan’i Jehovah daholo ny ao amin’ilay tanàna.
14. a) Nahoana no tsy mila masoandro sy volana hanazava azy i Jerosalema Vaovao? b) Inona no lazain’ny faminanian’i Isaia momba ny fandaminan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao? Inona no ifandraisan’izany amin’i Jerosalema Vaovao?
14 Nandalo teo akaikin’i Mosesy ny voninahitr’i Jehovah, teo amin’ny Tendrombohitra Sinay. Vokatr’izany, dia namirapiratra be ny tavan’i Mosesy, ka voatery nosaronana mba tsy ho hitan’ny Israelita. (Eksodosy 34:4-7, 29, 30, 33) Azonao an-tsaina àry ve ny famirapiratry ny tanàna hazavain’ny voninahitr’i Jehovah tsy an-kijanona? Tsy alina mihitsy ny andro ao, ary tsy mila masoandro sy volana izy, satria ilay tanàna mihitsy no manome hazavana mandrakizay. (Ampitahao amin’ny 1 Timoty 6:16.) Ao anatin’ny hazavana mamirapiratra toy izany i Jerosalema Vaovao. Io ampakarina io, sy ilay Mpanjaka sady mpampakatra, no renivohitry ny fandaminan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao, izay toy ny vadin’i Jehovah, na “Jerosalema any ambony.” Milaza toy izao momba azy io ny faminanian’i Isaia: “Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao nony andro; ary tsy ny fangarangaran’ny volana no hanazava anao; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary Andriamanitrao no ho voninahitrao. Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary ny volanao tsy hisoka; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary ho tapitra ny andro fahalahelovanao.”—Isaia 60:1, 19, 20; Galatianina 4:26.
Fahazavana ho an’ireo firenena
15. Inona avy no itovizan’ny faminanian’i Isaia amin’ny teny ao amin’ny Apokalypsy momba an’i Jerosalema Vaovao?
15 Hoy ihany ny faminanian’i Isaia: “Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao.” (Isaia 60:3) Voaresaka amin’ireo teny ireo koa i Jerosalema Vaovao, araka izao asehon’ny Apokalypsy izao: “Ary handeha amin’ny fahazavan’ilay tanàna ireo firenena, ary ny mpanjakan’ny tany hitondra ny voninahiny hankao amin’ilay tanàna. Ary tsy hohidiana mihitsy ny vavahadiny amin’ny andro, fa tsy hisy alina ao. Ary hoentin’izy ireo ao ny voninahitry ny firenena sy ny hajany.”—Apokalypsy 21:24-26.
16. Iza “ireo firenena” handeha amin’ny fahazavan’i Jerosalema Vaovao?
16 Iza “ireo firenena” mandeha amin’ny fahazavan’i Jerosalema Vaovao? Olona anisan’ireo firenena eto amin’ity tontolo ratsy ity izy ireo taloha, nefa nandray ny fahazavan’ilay tanàna be voninahitra any an-danitra. Ny vahoaka be no misongadina indrindra amin’izy ireo. Avy tamin’ny “firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra” izy ireo, ary manompo an’Andriamanitra andro aman’alina miaraka amin’ny voahosotra. (Apokalypsy 7:9, 15) Hisy olona an-tapitrisany hanatevin-daharana ny vahoaka be, rehefa midina avy any an-danitra i Jerosalema Vaovao, ka hampiasain’i Jesosy hananganana ny maty ny lakilen’ny fahafatesana sy ny fasana. Avy tamin’ireo “firenena” koa ny olona hatsangana amin’ny maty, izay nanjary tia an’i Jehovah sy ny Zanany, dia ilay toy ny Zanak’ondry vadin’i Jerosalema Vaovao.—Apokalypsy 1:18.
17. Iza ‘ireo mpanjakan’ny tany mitondra ny voninahiny’ hankao Jerosalema Vaovao?
17 Iza àry ireo ‘mpanjakan’ny tany mitondra ny voninahiny hankao amin’ilay tanàna’? Tsy mpanjakan’ny tany ara-bakiteny izy ireo satria ho voaringana amin’ny Hara-magedona ireny, rehefa hiady amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Apokalypsy 16:14, 16; 19:17, 18) Tsy azo inoana hoe olona ambony teo amin’ireo firenena izy ireo no lasa anisan’ny vahoaka be, na mpanjaka natsangana tamin’ny maty, ka mankatò ny Fanjakan’Andriamanitra ao amin’ny tontolo vaovao. (Matio 12:42) Voninahitra eto amin’ity tontolo ity mantsy ny azy ireo, sady efa levona ela. Tsy maintsy ho ny 144 000 àry ireo “mpanjakan’ny tany” mitondra ny voninahiny hankao Jerosalema Vaovao. ‘Novidina avy tamin’ny foko sy fiteny sy vahoaka ary firenena rehetra’ izy ireo mba hiara-manjaka amin’i Jesosy Kristy Zanak’ondry. (Apokalypsy 5:9, 10; 22:5) Entin’izy ireo ho ao amin’ilay tanàna ny voninahitra nomen’Andriamanitra azy, ka vao mainka mamirapiratra izy io.
18. a) Iza no tsy ho tafiditra ao Jerosalema Vaovao? b) Iza ihany no mahazo miditra ao?
18 Hoy koa i Jaona: “Tsy hiditra ao mihitsy izay zavatra tsy masina sy izay mpanao zava-maharikoriko sy mpandainga, fa izay voasoratra ao amin’ny horonam-bokin’ny fiainana ihany, dia ny horonam-bokin’ny Zanak’ondry.” (Apokalypsy 21:27) Tsy afaka ny ho anisan’i Jerosalema Vaovao izay voaloton’ny tontolon’i Satana. Misokatra foana ny vavahadin’io tanàna io, nefa tsy mahazo miditra ao izay “mpanao zava-maharikoriko sy mpandainga.” Tsy hisy mpivadi-pinoana na olona anisan’i Babylona Lehibe ao. Ho herim-po very maina koa ny an’ireo mitady handoto an’ilay tanàna ka te hampivadika an’ireo voahosotra mbola eto an-tany. (Matio 13:41-43) Tsy hisy ho tafiditra ao Jerosalema Vaovao afa-tsy ireo 144 000, ‘izay voasoratra ao amin’ny horonam-bokin’ny fiainana, dia ny horonam-bokin’ny Zanak’ondry.’b—Apokalypsy 13:8; Daniela 12:3.
Reniranon’ny ranon’aina
19. a) Inona no lazain’i Jaona momba an’i Jerosalema Vaovao, izay mitondra fitahiana ho an’ny olombelona? b) Oviana no nikoriana ilay “reniranon’ny ranon’aina”, ary ahoana no ahafantarantsika izany?
19 Fantatr’i Jaona izao fa hitondra fitahiana lehibe ho an’ny olombelona eto an-tany ilay Jerosalema Vaovao mamirapiratra. Hoy mantsy izy: “Ary izy nampiseho ahy reniranon’ny ranon’aina. Mangalahala toy ny vato kristaly izy io ary nikoriana avy teo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry, teo afovoan’ny lalamben’ilay tanàna.” (Apokalypsy 22:1, 2a) Oviana no nikoriana io ‘renirano’ io? “Nikoriana avy teo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry” izy io, ka tsy maintsy ho taorian’ny nanombohan’ny andron’ny Tompo tamin’ny 1914 vao nikoriana. Tamin’izay no nitranga ilay zava-niseho nambaran’ny fitsofana ny trompetra fahafito, ka nanaovana izao fanambarana miezinezina izao: “Ny fanjakan’izao tontolo izao dia efa lasa fanjakan’ny Tompontsika sy ny Kristiny.” (Apokalypsy 11:15; 12:10) Asain’ny fanahy sy ny ampakarina hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina ny olona manana toe-po tsara, amin’izao andro farany izao. Mbola afaka misotro amin’io renirano io ny olona toy izany, hatramin’ny faran’ity tontolo ity sy aorian’izay, ary hatrany amin’ny tontolo vaovao mihitsy aza, rehefa ‘hidina avy any an-danitra avy any amin’Andriamanitra’ i Jerosalema Vaovao.—Apokalypsy 21:2.
20. Ahoana no ahalalana hoe efa misy dieny izao ilay ranon’aina?
20 Tsy io no voalohany anomezana rano manome fiainana ho an’ny olombelona. Niresaka momba ny rano manome fiainana mandrakizay i Jesosy, tamin’izy tetỳ an-tany. (Jaona 4:10-14; 7:37, 38) Kely koa sisa dia efa handre an’ity fanasana amim-pitiavana ity i Jaona: “Miteny tsy an-kijanona ny fanahy sy ny ampakarina hoe: ‘Avia!’ Ary aoka izay mandre hilaza hoe: ‘Avia!’ Ary aoka ho avy izay mangetaheta. Ary izay maniry, aoka izy hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.” (Apokalypsy 22:17) Efa alefa io fanasana io ankehitriny, ka midika izany fa efa misy dieny izao io ranon’aina io. Hikoriana toy ny renirano anefa izy io ao amin’ny tontolo vaovao, ka hiboiboika avy eo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy amin’ny alalan’i Jerosalema Vaovao.
21. Manondro inona ilay “reniranon’ny ranon’aina”, ary nahoana no manampy antsika hahafantatra izany ny fahitan’i Ezekiela?
21 Fa inona moa io “reniranon’ny ranon’aina” io? Iankinan’ny aina ny rano. Velona herinandro maromaro ny olona na tsy mihinan-kanina aza, fa ho faty ao anatin’ny herinandro eo ho eo kosa izy raha tsy misotro rano. Manadio koa ny rano, ary iankinan’ny fahasalamana. Izay ilain’ny olombelona mba hahazoana fiainana sy fahasalamana àry no tiana holazaina amin’ny hoe ranon’aina. Nahazo fahitana momba an’io “reniranon’ny ranon’aina” io koa i Ezekiela mpaminany. Nikoriana avy tao amin’ny tempolin’i Jehovah ilay izy, ary nivarina tao amin’ny Ranomasina Maty. Fahagagana tanteraka no nitranga taorian’izay! Lasa ranomamy feno trondro mantsy ilay ranomasina tsy nisy zavamiaina sy feno zavatra simika. (Ezekiela 47:1-12) Namelona zavatra efa maty ilay renirano. Vao mainka izany manaporofo hoe tsy inona ilay reniranon’ny ranon’aina fa ny fandaharana ataon’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy mba hamerenana ny olombelona mety maty ho amin’ny fiainana lavorary. “Mangalahala toy ny vato kristaly” io renirano io, ka midika izany fa madio sy masina izany fandaharana ataon’Andriamanitra izany, fa tsy toy ny ‘rano’ feno ra sy mahafaty avy amin’ny Kristianisma Anarana.—Apokalypsy 8:10, 11.
22. a) Aiza no miainga ilay renirano, ary nahoana no izany no tokony ho izy? b) Inona no anisan’ny ranon’aina, sy ilay renirano an’ohatra?
22 Miainga avy eo amin’ny “seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry” ilay renirano. Izany no tokony ho izy, satria ny sorom-panavotana ny fototry ny fandaharana ataon’i Jehovah hanomezana fiainana. Nanao izany i Jehovah satria ‘lehibe tokoa ny fitiavany an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.’ (Jaona 3:16) Anisan’ny ranon’aina koa ny Tenin’Andriamanitra, izay lazaina ho rano ao amin’ny Baiboly. (Efesianina 5:26) Tsy ny fahamarinana ihany anefa ilay reniranon’ny ranon’aina fa anisan’izany koa ny fandaharana hafa rehetra ataon’i Jehovah amin’ny alalan’ny soron’i Jesosy, mba hanavotana ny olombelona amin’ny ota sy ny fahafatesana, ka hahazoany ny fiainana mandrakizay.—Jaona 1:29; 1 Jaona 2:1, 2.
23. a) Nahoana no lazaina fa mikoriana eo afovoan’ny lalamben’i Jerosalema Vaovao ny reniranon’ny ranon’aina? b) Inona no nampanantenain’Andriamanitra an’i Abrahama ka ho tanteraka rehefa hikoriana be ny ranon’aina?
23 Ho feno tokoa, mandritra ny Fanjakana Arivo Taona, ny soa hoentin’ny vidim-panavotana, noho ny asa fisoronan’i Jesosy sy ireo mpisorona lefiny 144 000. Izany no antony ilazana fa mikoriana eo afovoan’ny lalamben’i Jerosalema Vaovao ilay reniranon’ny ranon’aina. Ny Israely ara-panahy io Jerosalema Vaovao io, ary izy ireo miaraka amin’i Jesosy no tena taranak’i Abrahama. (Galatianina 3:16, 29) Ho afaka ny hahazo fitahiana amin’ny alalan’ny taranak’i Abrahama àry “ny firenena rehetra ambonin’ny tany” rehefa hikoriana be eny afovoan’ny lalamben’ilay tanàna an’ohatra ny ranon’aina. Ho tanteraka amin’ny fomba feno ilay fampanantenan’i Jehovah tamin’i Abrahama.—Genesisy 22:17, 18.
Hazon’aina
24. Inona no hitan’i Jaona teny amin’ny andaniny roa amin’ilay reniranon’ny ranon’aina, ary manondro inona izany?
24 Lasa ony lehibe mihitsy ilay renirano ao amin’ny fahitan’i Ezekiela. Ny karazana hazo fihinam-boa rehetra no hitany teny amin’ny andaniny roa tamin’ilay ony. (Ezekiela 47:12) Toy izao indray kosa no hitan’i Jaona: “Ary nisy hazon’aina mamoa indroa ambin’ny folo sady namoa isam-bolana, teo amin’ny andaniny roa amin’ilay renirano. Ary ny ravin’ireo hazo dia ho fanasitranana ny firenena.” (Apokalypsy 22:2b) Tsy maintsy mbola manondro ny fandaharana ataon’i Jehovah hanomezana fiainana mandrakizay ho an’ny olona mankatò, ireo “hazon’aina” ireo.
25. Inona no hataon’i Jehovah ho an’ny olona mihaino azy, ao amin’ilay Paradisa an-tany, ka mampiseho fa malala-tanana izy?
25 Tena malala-tanana amin’ny olona mihaino azy tokoa i Jehovah! Afaka misotro amin’ilay rano mamelombelona izy ireo, sady afaka mioty amin’ireo hazo mamoa tsy an-kijanona ireo. Raha mba nianina tamin’ny zava-tsoa nomen’Andriamanitra tao amin’ny Paradisan’i Edena mantsy ireo ray aman-drenintsika voalohany! (Genesisy 2:9) Tafaorina indray anefa izao ny Paradisa an-tany. Na ny ravin’ireo hazo an’ohatra ireo aza dia ampiasain’i Jehovah ‘hanasitranana ny firenena.’c Mandaitra lavitra noho ny fanafody sy raokandro rehetra misy ankehitriny ireo ravinkazo an’ohatra ireo, ka hanana vatana lavorary indray ny olombelona, ary ho tonga lafatra ny fifandraisany amin’Andriamanitra.
26. Iza no mety ho anisan’ireo hazo manome fiainana ireo, ary nahoana?
26 Azon-drano tsara avy amin’ilay renirano ireo hazo ireo, ary mety ho anisan’ireo ny 144 000 vadin’ny Zanak’ondry. Raha mbola etỳ an-tany izy ireo, dia anisan’ny misotro amin’ireo zavatra ataon’Andriamanitra hahazoan’ny olona fiainana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Tsara homarihina fa antsoin’ny faminaniana hoe “Hazon’ny fahamarinana” ireo rahalahin’i Jesosy nateraky ny fanahy. (Isaia 61:1-3; Apokalypsy 21:6) Efa namokatra be izy ireo teo amin’ny lafiny ara-panahy, ho fiderana an’i Jehovah. (Matio 21:43) Anisan’ny hizara ny soa entin’ny vidim-panavotana izy ireo, mandritra ny Fanjakana Arivo Taona, satria izany no ‘hanasitrana ny firenena’ amin’ny ota sy ny fahafatesana.—Ampitahao amin’ny 1 Jaona 1:7.
Tsy misy alina intsony
27. Inona koa no fitahiana nolazain’i Jaona fa ho azon’ireo tafiditra ao Jerosalema Vaovao? Nahoana no lazaina fa “tsy hisy ozona intsony”?
27 Tombontsoa tsy hay tombanana tokoa izany miditra ao Jerosalema Vaovao izany! Eritrereto ange e! Olona tsinontsinona sy tsy lavorary izy ireo taloha nefa hanaraka an’i Jesosy any an-danitra, ary ho anisan’i Jerosalema Vaovao be voninahitra! (Jaona 14:2) Azo an-tsaina ihany ny fitahiana ho azon’izy ireo, araka izao nambaran’i Jaona izao: “Ary tsy hisy ozona intsony. Fa ho ao amin’ilay tanàna ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny an’ny Zanak’ondry. Ary ireo mpanompon’Andriamanitra dia hanao fanompoana masina ho azy, ka hahita ny tavany, ary ho eo amin’ny handrin’izy ireo ny anaran’Andriamanitra.” (Apokalypsy 22:3, 4) Nozonin’i Jehovah ny mpisorona israelita, rehefa nivadika. (Malakia 2:2) Nilaozana teo ilay ‘trano’, dia i Jerosalema tsy nanam-pinoana, araka ny nambaran’i Jesosy. (Matio 23:37-39) “Tsy hisy ozona intsony” kosa ao Jerosalema Vaovao. (Ampitahao amin’ny Zakaria 14:11.) Efa notsapaina ny mponina rehetra ao ary nandresy, ka ‘hitafy tsy fahalovana sy tsy fahafatesana.’ Efa fantatr’i Jehovah fa tsy hivadika sahala amin’i Jesosy izy ireo. (1 Korintianina 15:53, 57) Ho ao “ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny an’ny Zanak’ondry” ka hilamina mandrakizay ilay tanàna.
28. Nahoana ny anaran’Andriamanitra no voasoratra eo amin’ny handrin’ireo anisan’i Jerosalema Vaovao? Inona no nampanantenaina azy ireo?
28 ‘Mpanompon’Andriamanitra’ sahala amin’i Jaona, ireo ho anisan’ilay tanàna any an-danitra. Noho izany, dia voasoratra mibaribary eo amin’ny handrin’izy ireo ny anaran’Andriamanitra, mba hampisehoana fa i Jehovah no Tompon’izy ireo. (Apokalypsy 1:1; 3:12) Raisin’izy ireo ho tombontsoa tsy hay tombanana ny manolotra fanompoana masina ho azy, amin’ny maha anisan’i Jerosalema Vaovao azy ireo. Izao no nampanantenain’i Jesosy an’ireo ho mpitondra ireo: “Sambatra ny madio am-po, fa izy no hahita an’Andriamanitra.” (Matio 5:8) Ho sambatra tokoa ireo mpanompo ireo hahita mivantana an’i Jehovah sy hanompo azy!
29. Nahoana i Jaona no milaza fa “tsy hisy alina intsony” ao Jerosalema Vaovao?
29 Hoy ihany i Jaona: “Ary tsy hisy alina intsony koa, ka tsy mila fahazavan’ny jiro na fahazavan’ny masoandro izy ireo, satria hanazava azy i Jehovah Andriamanitra.” (Apokalypsy 22:5a) Sahala amin’ny tanàna rehetra, dia nila masoandro i Jerosalema fahiny rehefa antoandro, ary nila volana na jiro hafa rehefa alina. Tsy ilaina kosa izany ao Jerosalema Vaovao, fa i Jehovah mihitsy no hanazava azy. Mety hidika ho fahoriana avy amin’i Jehovah, na fisarahana aminy koa ny hoe alina. (Mika 3:6; Jaona 9:4; Romanina 13:11, 12) Tsy misy alina toy izany anefa eo anatrehan’ilay Andriamanitra mahery indrindra sy mamirapiratra.
30. Ahoana no amaranan’i Jaona an’ilay fahitana tena kanto, ary manome toky antsika ny amin’ny inona ny Apokalypsy?
30 Izao no lazain’i Jaona momba an’ireo mpanompon’Andriamanitra ireo, teo am-pifaranan’ilay fahitana tena kanto: “Ary hanjaka mandrakizay mandrakizay ireo.” (Apokalypsy 22:5b) Ho feno ny soa noraisina tamin’ny vidim-panavotana, amin’ny faran’ny arivo taona, ka olombelona lavorary no hatolotr’i Jesosy ny Rainy. (1 Korintianina 15:25-28) Tsy fantatsika izay hampanaovin’i Jehovah an’i Jesosy sy ireo 144 000 aorian’izay. Manome toky antsika anefa ny Apokalypsy fa ho mandrakizay ny fanompoana masina be voninahitra ataon’izy ireo.
Mahafaly ny fiafaran’ny Apokalypsy
31. a) Inona no fara tampon’ilay fahitana momba an’i Jerosalema Vaovao? b) Inona no hataon’i Jerosalema Vaovao ho an’ireo olo-mahatoky hafa?
31 Ny fahatanterahan’ny fahitana momba an’i Jerosalema Vaovao, vadin’ny Zanak’ondry, no fiafarana mahafaly ambaran’ny Apokalypsy. Mety tokoa izany, satria ireo Kristianina niara-belona tamin’i Jaona no nandefasana voalohany ny Apokalypsy. Tsy andrin’izy ireo mantsy ny hidirana ao amin’io tanàna io, ka ho tonga fanahy tsy ho faty intsony sy hiara-manjaka amin’i Jesosy Kristy. Izany koa no antenain’ny Kristianina voahosotra mbola velona eto an-tany ankehitriny. Mihamanatona an’ilay fiafarana miavaka àry ny Apokalypsy, rehefa ho tafaray amin’ny Zanak’ondry ny ampakarina. Handray soa amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy ny olombelona, avy eo, ka hahazo fiainana mandrakizay ny olo-mahatoky rehetra. Hanorina tany vaovao sy marina ho voninahitr’i Jehovah Tompo Fara Tampony i Jerosalema Vaovao, vady mahatokin’ilay Mpanjaka sady mpampakatra azy.—Matio 20:28; Jaona 10:10, 16; Romanina 16:27.
32, 33. Inona no nianarantsika tao amin’ny Apokalypsy, ary inona no tokony hasetrintsika izany?
32 Faly tokoa isika eo am-pifaranan’ny fandinihana ny bokin’ny Apokalypsy! Hitantsika fa tsy nahomby mihitsy ny ezaka farany nataon’i Satana sy ny taranany, ary nampiharina ny didim-pitsarana ara-drariny avy amin’i Jehovah. Hanjavona mandrakizay i Babylona Lehibe, ary hanjavona koa avy eo ny ampahany hafa amin’ny tontolon’i Satana. Halefa any amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana sy ny demoniany, ary haringana amin’ny farany. Hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra i Jerosalema Vaovao, ary hisy fitsarana sy fananganana ny maty mandritra izany. Hiaina mandrakizay ao amin’ny tany paradisa ny olombelona lavorary. Mazava tsara ny ilazan’ny Apokalypsy izany rehetra izany! Vao mainka tapa-kevitra àry isika ny ‘hitory ny vaovao tsara mandrakizay, dia vaovao mahafaly hotorina amin’ny mponina amin’ny tany sy amin’ny firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra’! (Apokalypsy 14:6, 7) Tena milofo mafy amin’io asa lehibe io ve ianao?
33 Andao hodinihintsika amin’ny fo feno fankasitrahana ny teny famaranana ny Apokalypsy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a “Araka ny fandrefesan’ny olona” ilay refy, “sady fandrefesan’ny anjely koa.” Izao no mety ho hevitr’izany: olombelona ireo 144 000 tamin’ny voalohany, nefa lasa fanahy miara-miaina amin’ny anjely tatỳ aoriana.
b Ny anaran’ireo 144 000 anisan’ny Israely ara-panahy ihany no ao amin’ilay ‘horonam-bokin’ny fiainana, dia ny horonam-bokin’ny Zanak’ondry.’ Hafa àry ilay “horonam-bokin’ny fiainana” mirakitra ny anaran’ireo hiaina mandrakizay eto an-tany.—Apokalypsy 20:12.
c Mariho fa matetika ny teny hoe “firenena” no manondro olona tsy anisan’ny Israely ara-panahy. (Apokalypsy 7:9; 15:4; 20:3; 21:24, 26) Ny fampiasana an’io teny io dia tsy midika hoe mbola ho voazarazara ho firenena maro ny olombelona mandritra ny Fanjakana Arivo Taona.