“Vaovao Mahafaly” avy ao Amin’ny Apokalypsy
“Hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan’ny lanitra, nanana [vaovao tsara mandrakizay hambara ho vaovao mahafaly, “NW ” ] amin’izay monina ambonin’ny tany”. — APOKALYPSY 14:6.
1. Nahoana no tsy “sekta apokalyptika” ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia mino ny bokin’ny Apokalypsy ho ara-tsindrimandry aza?
TSY araka ireo fiampangana atao aminy, fa tsy “sekta apokalyptika” na “sekta mpitory fara andro” ny Vavolombelon’i Jehovah. Tena raisin’izy ireo hoanisan’ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra anefa ny Apokalypsy, na ny bokin’ny Fanambarana. Marina aloha fa tena mirakitra hafatra fanamelohana ny ratsy fanahy ny Apokalypsy, kanefa rehefa mitory amin’ny besinimaro ny mpanompon’Andriamanitra, dia mifantoka indrindra indrindra amin’ilay fanantenana mahatalanjona ambara ao amin’ny Baiboly, anisan’izany ny ao amin’ny Apokalypsy, na Fanambarana. Noho izany, dia tsy manampy na manaisotra ny teny ara-paminaniana hita ao izy ireo. — Apokalypsy 22:18, 19.
Mpanambara vaovao mahafaly
2. Inona no andininy sasany izay ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah matetika eo amin’ny asa fitoriany?
2 Andinin-teny tononina matetika ho fototry ny fanompoana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ho an’ny besinimaro, ireto tenin’ny Jesosy ireto: “Hambara amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; ary avy eo dia ho tonga ny farany.” (Matio 24:14, NW, fanamarihana ambany pejy). Inona moa io “vaovao tsaran’ilay fanjakana” io? Mba hamaliana izany, dia Vavolombelona maro no hanonona andininy avy ao amin’ny Apokalypsy toko faha-20 sy faha-21, izay miresaka momba ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy sy ny fitondram-panjakany. Resahin’ireo toko ireo koa ny amin’ilay fitambaran’olona, izay ‘tsy hisian’ny fahafatesana sy ny alahelo ary ny fanaintainana intsony’. — Apokalypsy 20:6; 21:1, 4.
3. Inona no asa anirahana, izay mifanitsy amin’ny fanompoana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ho an’ny besinimaro?
3 Mpanambara izany vaovao mahafaly izany ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tena mpitondra tenin’ny iraka ara-panoharana iray avy any an-danitra, izay lazalazaina koa ao amin’ny Apokalypsy ny asa anirahana azy. “Hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan’ny lanitra, nanana [vaovao tsara mandrakizay hambara ho vaovao mahafaly, NW ] amin’izay monina ambonin’ny tany sy amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra”. (Apokalypsy 14:6). Anisan’izany “vaovao tsara mandrakizay” izany ny fanambarana fa “ny fanjakana [na fanapahana] amin’izao tontolo izao dia efa lasan’ny Tompontsika sy ny Kristiny”, ary efa tonga ny “fotoana” voatondron’i Jehovah ‘hanimbana izay manimba ny tany’. (Apokalypsy 11:15, 17, 18). Tsy tena vaovao tsara tokoa ve izany?
Izay tahirizin’ny Apokalypsy ho antsika
4. a) Fahamarinana fototra inona avy no ambara ao amin’ny toko voalohany ao amin’ny Apokalypsy? b) Inona no takina amin’ireo maniry handray soa amin’ilay vaovao mahafaly?
4 Ilay toko fanokafana ny bokin’ny Apokalypsy dia milaza an’i Jehovah ho “Alfa sy Omega, (...) Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha”. Milaza an’i Jesosy Kristy Zanany ho “Vavolombelona marina”, sy “Lahimatoa amin’ny maty”, ary “Lehiben’ny mpanjaka amin’ny tany”, kosa io toko io. Miresaka koa an’i Jesosy ho “[ilay] tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany” izy io. (Apokalypsy 1:5, 8). Vao eo am-piandohana, araka izany, dia manambara fahamarinana fototra mamonjy aina ny Apokalypsy. Tsy handray soa amin’ilay vaovao mahafaly ambara aminy, ireo “monina ambonin’ny tany”, raha tsy manaiky ny fiandrianan’i Jehovah, sy maneho finoana ny ra nalatsak’i Jesosy, ary mino fa natsangan’i Jehovah tamin’ny maty izy, ary efa Mpanapaka voatendrin’Andriamanitra ho an’ny tany ankehitriny. — Salamo 2:6-8.
5. Inona no anjara asan’i Kristy, araka ny ilazalazana azy ao amin’ny toko faha-2 sy faha-3 amin’ny Apokalypsy?
5 Ireo toko roa manaraka dia milazalaza an’i Kristy Jesosy ho Mpiandraikitra be fitiavana any an-danitra, izay miandraikitra ny kôngregasiônan’ireo mpianany eto an-tany. Nirakitra fampaherezana sy torohevitra hentitra, izay mbola mihatra amin’izao andro izao, ny horonana nalefa tany amin’ireo kôngregasiôna fito nofantenana, izay nisy tany Azia Minora tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. Mazàna no nanomboka tamin’ny teny toy izao ireo hafatra nalefa tany amin’ireo kôngregasiôna: “Fantatro ny asanao” na “fantatro ny fahorianao”. (Apokalypsy 2:2, 9). Eny, fantatr’i Kristy marina tsara izay nitranga tao amin’ny kôngregasiônan’ireo mpianany. Noderainy ny kôngregasiôna sasany noho ny fitiavan’izy ireo, ny finoany, ny fikelezany aina tamin’ny fanompoana, ny fiaretany, ny fifikirany tamin’ny anaran’i Jesosy sy ny teniny. Ny hafa kosa nanariny, satria navelan’izy ireo hihamangatsiaka ny fitiavany an’i Jehovah sy ny Zanany, na koa latsaka tamin’ny fahalotoam-pitondran-tena izy ireo, na tamin’ny fanompoan-tsampy, na tamin’ny famoronana sekta mpivadi-pinoana.
6. Manampy ny olona hahatakatra inona ilay fahitana voarakitra ao amin’ny toko faha-4?
6 Ny toko faha-4 dia milazalaza fahitana iray mahatahotra, mahakasika ny seza fiandrianan’i Jehovah Andriamanitra any an-danitra. Izy io dia manome topy maso momba ny voninahitry ny fanatrehan’i Jehovah sy izay ho rafi-pitondrana any an-danitra hampiasainy. Miankohoka eo anatrehan’i Jehovah ireo mpanapaka manao satroboninahitra, izay manana seza fiandrianana manodidina an’ilay seza fiandrianana lehibe indrindra eo amin’izao rehetra izao, ka manambara hoe: “Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.” — Apokalypsy 4:11.
7. a) Asain’ilay anjely hanao inona ny mponina amin’ny tany? b) Inona no tapany lehibe iray amin’ny asa fampianarana ataontsika?
7 Misy heviny ve izany ho an’ny olona amin’izao andro izao? Izany dia izany tokoa. Raha maniry hiaina eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana Arivo Taona izy ireo, dia tsy maintsy manaraka izay ambaran’ilay ‘anjely manidina eo afovoan’ny lanitra’, manao hoe: “Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitry Izy; fa tonga ny andro fitsarany”. (Apokalypsy 14:6, 7). Ny iray amin’ireo zava-kendrena lehibe indrindra anaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay asa fampianarany Baiboly, dia ny hanampiana ireo “izay monina ambonin’ny tany” mba hahalala sy hivavaka amin’i Jehovah, hanaiky azy ho Mpamorona, ary hanaiky an-tsitrapo ny fiandrianany marina.
Mendrika homen-kaja ny Zanak’ondry
8. a) Ahoana no ilazalazana an’i Kristy, ao amin’ny toko faha-5 sy faha-6? b) Afaka mianatra inona avy amin’io fahitana io ireo rehetra mihaino ilay vaovao mahafaly?
8 Ireo toko roa manaraka, ny toko faha-5 sy faha-6, dia milaza an’i Jesosy Kristy ho toy ny Zanak’ondry, izay hita ho mendrika hanokatra boky na horonana iray misy tombo-kase fito, ka mampiharihary amin’ny teny an’ohatra ireo zava-mitranga amin’izao androntsika izao. (Ampitahao amin’ny Jaona 1:29.) Misy feo avy any an-danitra milaza toy izao amin’io Zanak’ondry ara-panoharana io: “Hianao no miendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; fa voavono Hianao, ary ny ranao no nanavotanao ho an’Andriamanitra olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra; ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika ireo: Ary manjaka ambonin’ny tany izy.” (Apokalypsy 5:9, 10). Ampahafantarin’io fahitana io fa, miorina amin’ny ra nalatsak’i Kristy, dia antsoina hiaraka aminy any an-danitra ny olona sasany avy amin’ny fiaviana rehetra, ka ‘hanjaka ambonin’ny tany’. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 1:5, 6.) Ambara any aoriana kokoa ao amin’ny Apokalypsy ny isan’izy ireo, izay voafetra.
9. Ahoana no ilazana an’i Kristy, ao amin’ny toko faha-6?
9 Ao amin’io fahitana io ihany, dia aseho koa ho toy ny mpitaingin-tsoavaly manao satroboninahitra i Kristy, mitaingina soavaly fotsy ary nivoaka izy ka “naharesy sady mbola haharesy”. Soa ihany fa haharesy an’ireo voka-dratsy aseho an’ohatra amin’ny alalan’ireo mpitaingin-tsoavaly telo hafa ao amin’ny Apokalypsy izy. Niriotra faran’izay mafy ireo mpitaingin-tsoavaly telo ireo ka nitondra ady sy mosary ary fahafatesana teo amin’ny olombelona, nanomboka tamin’ny 1914, izay taona tena lehibe. (Apokalypsy 6:1-8). Foto-kevitra lehibe iray iompanan’ny asa fampianarana Baiboly ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny anjara asa tsy manam-paharoa tanan’i Kristy, Zanak’ondrin’Andriamanitra, eo amin’ny famonjena ny olombelona sy eo amin’ny fanatanterahana ny fikasana mahatalanjon’i Jehovah.
10. a) Fanazavana lehibe inona no omena ao amin’ny toko faha-7? b) Ahoana no niresahan’i Kristy an’ireo mahazo ilay Fanjakana?
10 Ny toko faha-7 dia mirakitra vaovao mahafaly tokoa. Ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy ihany no ahitantsika ny isan’ireo anisan’ny nantsoin’i Jesosy hoe “ondry vitsy”, izay omen’ilay Rain’ny Zanak’ondry ny Fanjakana. (Lioka 12:32; 22:28-30). Nasian’i Jehovah Andriamanitra tombo-kase tamin’ny alalan’ny fanahiny izy ireny. (2 Korintiana 1:21, 22). Manamarina toy izao ny apostoly Jaona, izay nandray ny Apokalypsy: “Nahare ny isan’izay voaisy tombo-kase aho: efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy”. (Apokalypsy 7:4). Ao amin’ny toko iray any aoriana kokoa, dia hamafisina fa tontalin’ireo “navotana tamin’ny olona” mba hiara-manapaka amin’ny Zanak’ondry eo amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra, io isa voafaritra tsara io. (Apokalypsy 14:1-4). Manome fanazavana manjavozavo sy tsy mampiaiky mahakasika an’io isa io ireo fiangonana ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina. Mahaliana anefa fa nilaza toy izao mahakasika an’io isa io i E. W. Bullinger, manam-pahaizana momba ny Baiboly: “Filazan-javatra tsotra fotsiny izy io: isa voafaritra tsara izay ampifanoherina amin’ilay isa tsy voafaritra ao amin’io toko io ihany.”
11. a) Vaovao mahafaly inona avy no hita ao amin’ny toko faha-7? b) Fahafahana inona avy no misokatra eo anoloan’ireo anisan’ny “olona betsaka”?
11 Isa tsy voafaritra inona no noresahin’i Bullinger? Izao no nosoratan’ny apostoly Jaona eo amin’ny andininy faha-9: “Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”. (Apokalypsy 7:9). Iza no anisan’io olona betsaka io, manao ahoana ny toerany eo anatrehan’Andriamanitra ankehitriny, ary inona no tahirizin’ny hoavy ho azy ireo? Vaovao tsara ho an’ireo mponina amin’ny tany ny valiny omen’ny Apokalypsy. Izao no vakintsika: “Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry.” Noho ny finoana ny ra nalatsak’i Kristy, dia harovana izy ireo mandritra ny “fahoriana lehibe”. “Hitondra azy ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina [i Kristy]; ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason[’izy ireo]”. (Apokalypsy 7:14-17). Eny, olona an-tapitrisany maro velona ankehitriny no afaka ny ho anisan’io vahoaka tsy tambo isaina io, izay ho tafita velona amin’ny faran’ity fandehan-javatra ratsy ankehitriny ity. Noho izy ireo ho vahoakan’i Jesosy Kristy Mpanjaka mandritra ny Fanjakany Arivo Taona, dia hotarihiny ho amin’ny fiainana mandrakizay eto an-tany izy ireo. Tsy vaovao tsara ve izany?
“Marina sy mahitsy ny fitsarana ataony”
12, 13. a) Inona no raketin’ny toko faha-8 ka hatramin’ny toko faha-19? b) Nahoana no tsy tokony ho sahiran-tsaina amin’ireo faminaniana ireo ny olona tso-po?
12 Ny toko faha-8 ka hatramin’ny faha-19 indrindra indrindra no mahatonga ny bokin’ny Apokalypsy, na Fanambarana, ho malaza hoe manambara mialoha loza mahatsiravina. Ireo toko ireo dia mirakitra hafatra feno didim-pitsarana mahery vaika (aseho an’ohatra amin’ny alalan’ny fitsofana trompetra, loza, ary lovia misy ny fahatezeran’Andriamanitra), izay miantefa amin’ireo tapany maro samihafa amin’ny fandehan-javatr’i Satana. Hampiharina ireny didim-pitsarana ireny, ka hamely ny fivavahan-diso (“Babylona Lehibe”) aloha, voalohany indrindra, ary avy eo dia ny fandehan-javatra ara-politika tsy tia an’Andriamanitra, izay aseho an’ohatra amin’ny alalan’ny bibidia. — Apokalypsy 13:1, 2; 17:5-7, 15, 16.a
13 Ireo toko ireo dia milazalaza ny nanadiovana ny lanitra, tamin’ny nanjerana an’i Satana sy ireo demoniany ho etỳ amin’ny manodidina ny tany. Izany no hany fanazavana lôjika ny amin’ny antony mampisy fahoriana mbola tsy nisy toy izany teo amin’izao tontolo izao, nanomboka tamin’ny 1914. (Apokalypsy 12:7-12). Lazalazain’ireo toko ireo amin’ny teny an’ohatra koa ny fandravana ny fandehan-javatra ratsin’i Satana eto an-tany. (Apokalypsy 19:19-21). Tokony haharaiki-tahotra ny olona tso-po ve izany fisehoan-javatra manaitra izany? Tsia, satria mandritra ny fampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra, dia hiantsoantso toy izao ireo maro be any an-danitra: “Haleloia! Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an’Andriamanitsika; fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony”. — Apokalypsy 19:1, 2.
14, 15. a) Ahoana no hamaranana araka ny hitsiny, ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny? b) Nahoana no tokony ho antom-pifaliana ho an’ny olona tso-po io tapany amin’ny Apokalypsy io?
14 Tsy hitondra fandehan-javatra marina iray i Jehovah raha tsy manaisotra amin’ny tany an’ireo manimba azy io aloha. (Apokalypsy 11:17, 18; 19:11-16; 20:1, 2). Tsy misy fanjakan’olombelona na fanjakana ara-politika anefa manana fahefana hanao izany na manan-kery hanaovana izany. I Jehovah sy i Kristy Jesosy, Mpanjaka sy Mpitsara voatendriny, ihany no afaka manao izany araka ny hitsiny. — 2 Tesaloniana 1:6-9.
15 Araka ny asehon’ny Apokalypsy mazava tsara, dia fikasan’i Jehovah ny hamarana ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny, ary tokony ho antom-pifaliana ho an’ireo lehilahy sy vehivavy izay “misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao” izany. (Ezekiela 9:4). Izany dia tokony handentika ao an-tsain’izy ireo ny amin’ny ilana maika hanarahana ny antson’ilay anjely manana vaovao mahafaly, izay manambara hoe: “Matahora an’Andriamanitra (...), fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan’Izay nanao ny lanitra sy ny tany”. (Apokalypsy 14:7). Enga anie ny olona toy izany ka hiankohoka amin’i Jehovah sy hanompo azy eo anilan’ireo Vavolombelony, “izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitana ny filazana an’i Jesosy”. — Apokalypsy 12:17.
Ilay Fanjakana Arivo Taona be voninahitra
16. a) Nahoana no nanda ilay fanantenana momba ny Fanjakana Arivo Taona ireo fiangonana ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina? b) Nahoana no mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa hahazo valiny ilay vavaka modely?
16 Ny toko faha-20 ka hatramin’ny faha-22 amin’ny bokin’ny Apokalypsy, dia mirakitra ireo andinin-teny iorenan’ilay fanantenana ny amin’ny Fanjakana Arivo Taona. Io irery ihany no tapany ao amin’ny Baiboly izay tena milaza ny amin’ny vanim-potoana iray haharitra arivo taona, izay ho santatry ny fahasambarana mandrakizay any an-danitra sy etỳ an-tany. Nanda an’ilay fanantenana momba ny Fanjakana Arivo Taona ireo fiangonana ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina. Tsy misy izany tany ho tonga paradisa izany, raha araka ny foto-pinoan’ny fiangonana, satria mankany an-danitra, hono, ny olo-marina, fa any amin’ny afobe kosa ny ratsy fanahy. Ho an’ny ankamaroan’ireo mpikambana ao amin’ny fiangonan’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina, dia tsy nisy heviny intsony mihitsy ilay vavaka modely, izay angatahana ny mba ‘hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra etỳ an-tany, tahaka ny any an-danitra’. (Matio 6:10). Tsy toy izany kosa anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, satria mino mafy izy ireo fa tsy hoe noforonin’Andriamanitra “tsy amin’ny antony” (NW ) akory ny tany, fa “nataony honenana”. (Isaia 45:12, 18). Araka izany, dia samy mifanaraka tanteraka ny faminaniana fahiny sy ilay vavaka modely ary ilay fanantenana omen’ny Apokalypsy mahakasika ny Fanjakana Arivo Taona. Mandritra ny Fanjakany Arivo Taona, dia hataon’i Kristy izay hahazoana antoka fa hatao etỳ an-tany ny sitrapon’i Jehovah, tahaka ny anaovana azy any an-danitra.
17. Inona no manondro fa tokony horaisina ara-bakiteny ny hoe “arivo taona”?
17 Ilay teny hoe “arivo taona”, dia miseho inenina, ao amin’ireo andininy fito voalohany ao amin’ny Apokalypsy toko faha-20. Tsara homarihina fa intelo izy io no ampiasaina miaraka amin’ny mpanoritra anarana hoe “ny”, ka izany dia mampiseho fa arivo taona ara-bakiteny no resahina eo, fa tsy fe-potoana lava iray tsy voafaritra. Fanirian’ny maro amin’ireo mpivaofy teny ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina ny hinoantsika ny hoe fe-potoana lava iray tsy voafaritra izy io. Fa inona no hitranga mandritra ny Fanjakana Arivo Taona? Voalohany, dia hatao tsy ho afa-manao na inona na inona i Satana mandritra io fe-potoana io manontolo. (Apokalypsy 20:1-3; ampitahao amin’ny Hebreo 2:14.) Izany ka vaovao tsara!
18. a) Nahoana ny Arivo Taona no azo antsoina hoe “andro” iray fitsarana? b) Inona no hitranga amin’ny faran’ny arivo taona?
18 Ireo “hiara-manjaka amin[’i Kristy] arivo taona” dia homena “fahefana hitsara”, ka, noho izany, dia “andro” iray fitsarana haharitra arivo taona àry, raha ny marina, io fe-potoana io. (Apokalypsy 20:4, 6; ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:31; 2 Petera 3:8). Hatsangana ny maty, ary hotsaraina ara-drariny araka ny asany, na araka izay hataony mandritra izany fotoana izany, izy ireo, sy izay ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe”. (Apokalypsy 20:12, 13). Amin’ny faran’ny arivo taona, dia havoaka vetivety i Satana mba hitsapana farany ny olombelona, ka aorian’izay, dia horinganina mandrakizay i Satana sy ireo demoniany ary izay mpikomy rehetra eto an-tany manaraka azy. (Apokalypsy 20:7-10). Ho voasoratra amin’ny fomba tsy hay kosehina ao amin’ny “bokin’ny fiainana” ny anaran’ny olona ho tafita amin’io fitsapana io. Hampidirina ao amin’ny fiainana mandrakizay feno fahasambarana izy ireo, ka hanompo sy hivavaka amin’i Jehovah ao amin’ny tany tonga paradisa. — Apokalypsy 20:14, 15; Salamo 37:9, 29; Isaia 66:22, 23.
19. a) Nahoana no afaka mahazo antoka isika fa ho tanteraka tsy misy tomika ireo fampanantenana mahatalanjona ambara ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
19 Izany ilay vaovao mahafaly ambara ao amin’ny Apokalypsy. Tsy fampanantenana poaka aty nataon’olombelona izy io. Izao no nosoratan’ny apostoly Jaona: “Hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.” (Apokalypsy 21:5). Inona no tsy maintsy ataontsika mba hananana anjara amin’ny fahatanterahan’io vaovao mahafaly io? Mirakitra torohevitra be dia be ho an’ireo maniry hampifaly an’Andriamanitra ny bokin’ny Apokalypsy. Ny fanarahana izany torohevitra izany dia hitondra fahasambarana tsy manam-petra ho antsika, dieny izao sy ho mandrakizay, araka ny hasehon’ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahitana fanazavana feno momba ny bokin’ny Apokalypsy, dia jereo ilay boky hoe Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza!, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, tamin’ny 1988.
Hevitra ho Famerenana
◻ Fahamarinana fototra inona avy, hita ao amin’ny Apokalypsy toko faha-4 ka hatramin’ny faha-6, no tapany lehibe iray amin’ilay vaovao mahafaly?
◻ Vaovao mahafaly inona avy no hita ao amin’ny Apokalypsy toko faha-7?
◻ Nahoana ny olona tso-po no tsy tokony ho sahiran-tsaina amin’ireo hafatra feno didim-pitsarana hita ao amin’ny Apokalypsy?
◻ Amin’ny ahoana avy no hoe “andro” iray fitsarana, ny Fanjakana Arivo Taona?
[Sary, pejy 10]
Hanaisotra amin’ny tany ny ady sy ny mosary ary ny fahafatesana i Jesosy Kristy Mpanjaka