Ny Apokalypsy — Tokony Hatahorana sa Hantenaina?
“Tsy filazalazana ao amin’ny Baiboly fotsiny ankehitriny ny Apokalypsy, fa nanjary zavatra tena mety hitranga tokoa.”
— Javier Pérez de Cuéllar, sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana teo aloha.
IO FAMPIASAN’NY olona ambony iray eo amin’izao tontolo izao ny teny hoe “apokalypsy” io, dia mampiseho ny fomba fahazoan’ny ankamaroan’ny olona ny hevitr’io teny io, sy ny fahitany azy io ampiasaina ao amin’ny sarimihetsika, eo amin’ny lohatenim-boky, ao amin’ny lahatsoratry ny gazetiboky, ary ao amin’ny tatitra an-gazety. Mahatonga ny tena hahazo sary an-tsaina loza aman’antambo manerana izao rehetra izao, io teny io. Fa inona anefa no tena dikan’ilay teny hoe “Apokalypsy”? Ary mbola zava-dehibe kokoa aza ny hoe: Inona no hafatra raketin’ilay boky ao amin’ny Baiboly antsoina hoe Apokalypsy, na Fanambarana?
Ny teny hoe “apokalypsy” dia avy amin’ny teny grika iray izay midika hoe “fampisehoana izay miafina”, na “fampiharihariana”. Inona no naharihary, na nambara ao amin’ny boky ara-baibolin’ny Apokalypsy? Moa ve izy io hafatra milaza loza ranofotsiny, fambara fanafoanana iray tsy hisian’ny ho tafita velona? Rehefa nanontaniana ny amin’izay heveriny momba ny Apokalypsy i Jean Delumeau, mpahay tantara, mpikambana ao amin’ny Institut de France, dia izao no nambarany: “Boky manome fampiononana sy fanantenana izy io. Nataon’ny olona nampivarahontsana ny famakiana azy io, satria nafantoka tamin’ireo tapany milaza loza ny saina.”
Ny Eglizy tany am-boalohany sy ny Apokalypsy
Ahoana no niheveran’ireo “Kristianina” tany am-boalohany ny Apokalypsy sy ny fanantenana omen’izy io momba ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy eto an-tany? Nilaza toy izao io mpahay tantara io ihany: “Tamiko, dia toa nandray ny finoana ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy ny ankamaroan’ireo Kristianina tamin’ireo taonjato voalohandohany. (...) Tamin’ireo Kristianina tamin’ireo taonjato voalohandohany, izay nino ny Fanjakana Arivo Taona, dia teo indrindra ry Papias, evekan’i Hiérapolis, any Azia Minora, (...) Masindahy Justin, teraka tany Palestina, izay maty maritiora tany Roma tokony ho tamin’ny taona 165, Masindahy Irénée, evekan’i Lyon, izay maty tamin’ny taona 202, sy Tertullien, izay maty tamin’ny taona 222, ary (...) ilay mpanoratra malaza atao hoe Lactance.”
Izao no lazain’ny The Catholic Encyclopedia momba an’i Papias izay voalaza fa maty maritiora tany Pergamosy tamin’ny taona 161 na 165 am.f.i.: “Hita ho mpanohana ny finoana ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, i Papias, evekan’i Hiérapolis, [sady] mpianatr’i Md. Joany. Nolazainy fa azony avy tamin’ireo niara-belona tamin’ny Apostoly ilay foto-pinoany, ary nitantara i Irénée fa ireo ‘Presbitera’ hafa izay nahita sy nandre an’i Joany mpianatra, dia nahafantatra avy taminy fa anisan’ny foto-pinoan’ny Tompo ny finoana ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Araka ny nambaran’i Eusèbe, (...) dia nilaza marimarina i Papias, tao amin’ny bokiny, fa aorian’ny fitsanganan’ny maty, dia hisy arivo taonan’ny fanjakan’i Kristy hita maso sy be voninahitra, eto an-tany.”
Milaza inona amintsika izany, raha ny amin’ny vokatry ny bokin’ny Apokalypsy, na Fanambarana, teo amin’ireo mpino tany am-boalohany? Moa ve izy io niteraka tahotra sa fanantenana? Mahaliana fa ireo mpahay tantara dia miantso ireo Kristianina voalohany indrindra hoe chiliastes, izay avy amin’ny teny grika hoe khiʹli·a eʹte (arivo taona). Eny, maro tamin’izy ireo no fantatra noho ny finoany ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, izay hampisy toe-piainana paradisa eto an-tany. Ao amin’ny Baiboly, dia ao amin’ny Apokalypsy, na Fanambarana, no hany toerana ilazana mivantana ny fanantenana Fanjakana Arivo Taona. (20:1-7). Tsy nampahatahotra ny mpino àry ny Apokalypsy, fa nanome azy ireo kosa fanantenana mahatalanjona. Ao amin’ilay bokiny hoe The Early Church and the World, dia nanoratra toy izao i Cecil Cadoux, profesora ao Oxford momba ny tantaram-piangonana: “Na dia nolavina aza tamin’ny farany ireo hevitra mahakasika ny arivo taona, dia ninoan’olona maro be tao amin’ny Eglizy izy io nandritra ny fe-potoana lava be, noho izy io nampianarin’ny mpanoratra sasany izay anisan’ireo nohajaina fatratra.”
Ny antony nandavana ilay fanantenana ao amin’ny Apokalypsy
Koa satria zava-misy ara-tantara tsy azo lavina ny hoe maro tamin’ireo Kristianina tany am-boalohany, raha tsy ny ankamaroany mihitsy aza, no nanantena ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy eo amin’ny tany zary paradisa, dia ahoana no nahatonga izany “hevitra mahakasika ny arivo taona” izany ‘holavina tamin’ny farany’? Araka ny nasehon’ilay manam-pahaizana atao hoe Robert Mounce, dia nisy fanakianana marim-pototra nitranga satria “nampalahelo fa nisy mpino ny arivo taona maro namela ny eritreriny ho lasa lavitra loatra, ka araka ny hevitr’izy ireo, ilay fe-potoana arivo taona, dia nidika ho fanaovana izao karazan-javatra tafahoatra rehetra izao, na eo amin’ny lafiny ara-nofo izany na eo amin’ny fampanaranam-po ny tena”. Azo natao anefa ny nanitsy ireny fomba fihevitra tafahoatra ireny sady tsy nanda ilay fanantenana marina ny amin’ny Fanjakana Arivo Taona.
Mahagaga tokoa ireo fomba nampiasain’ny fahavalo mba hanafoanana ny finoana ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Niresaka ny amin’i Caius, mpitondra fivavahana romanina (faran’ny taonjato faharoa, fiandohan’ny taonjato fahatelo) ny Dictionnaire de Théologie Catholique. Nolazainy fa “mba handresena ilay finoana ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, dia nolaviny an-kitsirano ny fahamarinan’ny Apokalypsa [Fanambarana] sy ny Evanjelin’i Md. Joany”. Mbola nilaza koa io Dictionnaire io fa i Denys, evekan’i Aleksandria tamin’ny taonjato fahatelo, dia nanoratra fanaporofoan-kevitra manohitra ny finoana ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, ka “mba hisakanana ireo nifikitra tamin’io fiheverana io tsy hiankina tamin’ny Apokalypsin’i Masindahy Joany, dia tsy nisalasala izy nanda ny fahamarina[n’ilay boky]”. Ny fanoherana toy izany, izay natao hisomparana ny fanantenana ireo fitahiana hoentin’ny Fanjakana Arivo Taona eto an-tany, dia mampiseho fa nisy fitaomana nisoko mangina nanan-kery teo amin’ireo teôlôjianina tamin’izany fotoana izany.
Nanoratra toy izao ny Profesora Norman Cohn, tao amin’ny bokiny hoe The Pursuit of the Millennium: “Tamin’ny taonjato fahatelo no nahitana ny fanandramana voalohany hanaratsy ny finoana ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Tamin’io fotoana io, i Origène, ilay teôlôjianina izay angamba nanan-kery indrindra tamin’ireo rehetra tao amin’ny Eglizy fahiny, dia nanomboka nilaza ilay Fanjakana ho fisehoan-javatra tsy hitranga ara-bakiteny, fa hitranga ao amin’ny fanahin’ny mpino fotsiny.” Niantehitra tamin’ny filôzôfia grika, fa tsy tamin’ny Baiboly, i Origène, hany ka notsatsoiny ho lasa “fisehoan-javatra” tsy takatry ny saina “ao amin’ny fanahin’ny mpino” ilay fanantenana mahatalanjona, dia ireo fitahiana ho eto an-tany eo ambanin’ilay Fanjakana Mesianika. Hoy i Léon Gry, mpanoratra katolika: “Ny herin’ny filôzôfia grika nahazo vahana (...) no nampirodana tsikelikely ireo hevitra mahakasika ny arivo taona.”
“Narian’ny eglizy ilay hafatra nananany manome fanantenana”
Tsy isalasalana fa i Augustin no Rain’ny Eglizy izay nampifangaro indrindra ny filôzôfia grika tamin’ilay Kristianisma sarintsariny fotsiny tamin’ny androny. Tamin’ny voalohany izy dia mpanohana nafana fo ny finoana ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, kanjo tamin’ny farany dia nolaviny izay mety ho hevitra mahakasika ny Fanjakana Arivo taonan’i Kristy eto an-tany amin’ny hoavy. Naolany ny hevitry ny Apokalypsy toko faha-20 ka nomeny heviny ara-panoharana.
Hoy ny The Catholic Encyclopedia: “Tamin’ny farany i Augustin dia nino mafy fa tsy hisy ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. (...) Ilay fitsanganana voalohany voaboasan’io toko io, hoy izy amintsika, dia manondro ny fahaterahana indray ara-panahy eo amin’ny batemy; ilay sabata arivo taona aorian’ny enina arivo taona nisian’ny tantara, dia ny fiainana mandrakizay manontolo.” Hoy ny The New Encyclopædia Britannica: “Nanjary foto-pinoana ofisialin’ny eglizy ilay Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy manana heviny ara-panoharana, izay nampianarin’i Augustin (...) Ireo Protestanta Mpitondra Fanavaozana izay mandala ny finoana loteranina sy kalvinista ary anglikanina (...) dia nifikitra mafy hatrany tamin’ireo fiheveran’i Augustin.” Araka izany, dia nesorina tamin’ireo mpikambana ao amin’ny fiangonan’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina ilay fanantenana Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy.
Ambonin’izany, hoy ilay teôlôjianina soisa atao hoe Frédéric de Rougemont, “dia nahatonga fahavoazana tsy hay tombanana tamin’ny Eglizy [i Augustin], rehefa nanary ilay finoany voalohany momba ny fanjakana arivo taona. Tamin’ilay fahefana lehibe nananany no nanekeny ny hanaovana fahadisoana iray izay nanaisotra [tamin’ny Eglizy] ny filamatra narahiny teto an-tany”. Nanamafy izany ilay teôlôjianina alemà atao hoe Adolf Harnack, ka nilaza fa ny fandavana ilay finoana ny amin’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy dia nanaisotra tamin’ny sarambabem-bahoaka “ilay fivavahana takatry ny sainy”, ka nanolo “ilay finoana taloha sy ireo fanantenana taloha” tamin’ny “finoana iray izay tsy mety ho takatry ny sainy”. Ireo fiangonana babangoana any amin’ny tany maro amin’izao andro izao dia porofo miteny ho azy fa mila finoana sy fanantenana takatry ny sainy, ny olona.
Nanoratra toy izao ilay manam-pahaizana momba ny Baiboly atao hoe George Beasley-Murray, tao amin’ny bokiny hoe Highlights of the Book of Revelation: “Izao indrindra no antony nahatonga ny Katolika sy ny Protestanta ho samy nanda ilay finoana ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy: Teo ilay fitaomana lehibe nampiharin’i Augustin, ary teo koa ny nandraisan’ireo sekta ilay finoana ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Rehefa anontaniana izy ireo hoe fanantenana hafa inona no omen’izy ireo ny olona eto amin’ity tontolo ity, ny valin-teny ofisialy dia hoe: Tsy misy mihitsy. Ho potika izao tontolo izao amin’ny fiavian’i Kristy ka hisolo lanitra sy afobe mandrakizay, ary amin’izany dia hohadinoina ny tantara. (...) Narian’ny eglizy ilay hafatra nananany manome fanantenana.”
Mbola velona ilay fanantenana mahatalanjona ao amin’ny Apokalypsy!
Raha ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia mino mafy izy ireo fa ho tanteraka ireo fampanantenana mahatalanjona mifandray amin’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Hoy i Jean Delumeau, mpahay tantara frantsay, rehefa nadinadinina tao amin’ny fandaharana iray tao amin’ny televiziona frantsay, mahakasika ilay foto-kevitra hoe “Taona 2000: Tahotra ny Apokalypsy”: “Ny Vavolombelon’i Jehovah dia manaraka an-tsakany sy an-davany ny lalan’ny finoana ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, satria milaza izy ireo fa tsy ho ela (...) isika dia hiditra — marina aloha fa amin’ny famakivakiana loza aman’antambo — ao amin’ny vanim-potoana iray misy 1 000 taonam-pahasambarana.”
Izany indrindra no hitan’ny apostoly Jaona tao amin’ny fahitana iray ka nolazalazainy ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, na Fanambarana. Izao no nosoratany: “Nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho (...). Ary nahare feo mahery avy teo amin’ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” — Apokalypsy 21:1, 3, 4.
Mirotsaka amin’ny asa fampianarana Baiboly maneran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah mba hahafahan’ny olona maro araka izay azo atao, hanana izany fanantenana izany. Ho faly izy ireo hanampy anao hahafantatra misimisy kokoa ny amin’izany.
[Sary, pejy 6]
Nolazain’i Papias fa azony mivantana avy tamin’ireo niara-belona tamin’ny apostoly, ilay foto-pinoana momba ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy
[Sary, pejy 7]
Nino ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy i Tertullien
[Sary nahazoan-dalana]
© Cliché Bibliothèque Nationale de France, Paris
[Sary, pejy 7]
“Nahatonga fahavoazana tsy hay tombanana tamin’ny Eglizy [i Augustin], rehefa nanary ilay finoany voalohany momba ny fanjakana arivo taona”
[Sary, pejy 8]
Zavatra tokony hantenaina fatratra ilay Paradisa an-tany nampanantenaina ao amin’ny Apokalypsy