Ahoana no Tokony Hiheverantsika ny Olona, Satria efa Akaiky ny Andron’i Jehovah?
“Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, . . . fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.”—2 PETERA 3:9.
1, 2. a) Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny olona ankehitriny? b) Inona avy no fanontaniana azontsika apetraka amin’ny tenantsika?
NIRAHINA ‘hanao mpianatra ny firenena rehetra’ ny mpanompon’i Jehovah. (Matio 28:19) Eo am-panatanterahana io asa io sy eo am-piandrasana “ny andro lehiben’i Jehovah”, dia mila mihevitra ny olona toy ny fiheverany azy isika. (Zefania 1:14) Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny olona? Hoy ny apostoly Petera: “Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.” (2 Petera 3:9) Mihevitra Andriamanitra fa mety ho tonga amin’ny fibebahana ny olona tsirairay. ‘Tiany ho voavonjy sy ho tonga amin’ny fahalalana ny marina ny olona rehetra.’ (1 Timoty 2:4) Tena faly mihitsy aza i Jehovah, rehefa misy ‘ratsy fanahy miala amin’ny lalany mba ho velona’!—Ezekiela 33:11.
2 Mihevitra ny olona toy ny fiheveran’i Jehovah azy ireo ve isika? Mihevitra toa an’i Jehovah ve isika fa mety ho lasa “ondry fiandriny” ny olona tsirairay, na inona na inona firazanany na fireneny? (Salamo 100:3; Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Handinika ohatra roa isika, hahitana fa tena ilaina ny manana ny fomba fihevitr’Andriamanitra. Misy fandringanana nananontanona voalaza ao amin’ireo ohatra roa ireo, ary nampahafantarina an’izany mialoha ny mpanompon’i Jehovah. Tena zava-dehibe amintsika, izay miandry ny andro lehiben’i Jehovah, ireo ohatra ireo.
Nanana ny fomba fihevitr’i Jehovah i Abrahama
3. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ireo mponina tany Sodoma sy Gomora?
3 Ny ohatra voalohany dia momba an’i Abrahama nahatoky ary i Sodoma sy Gomora, izay tanàna feno faharatsiana. Tsy nandringana avy hatrany an’ireo tanàna ireo sy ny mponina rehetra tao i Jehovah, rehefa nandre ny ‘fitarainana’ momba azy ireo. Namotopototra izy aloha. (Genesisy 18:20, 21) Nisy anjely roa nalefa tany Sodoma, ary nipetraka tao an-tranon’ilay lehilahy marina atao hoe Lota. Ny alina nahatongavan’ireo anjely ireo, dia ‘avy nanodidina ny trano ny lehilahy tao an-tanàna, hatramin’ny tanora ka hatramin’ny antitra, dia ny vahoaka rehetra tao an-tanàna’, satria te hanao firaisana tamin’ireo anjely. Tena ratsy tokoa ny fitondran-tenan’ny mponina tao, ka mendrika ny horinganina ilay tanàna. Nilaza tamin’i Lota anefa ireo anjely hoe: “Mbola manana ato koa va hianao? dia izay vinantonao-lahy sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, ary na zovy na zovy anananao ato an-tanàna, ento miala amin’ity tanàna ity.” Nataon’i Jehovah izay hamonjena ny mponina sasany tao amin’ilay tanàna, nefa i Lota sy ny zanany roa vavy ihany no afa-nandositra ilay fandringanana tamin’ny farany.—Genesisy 19:4, 5, 12, 16, 23-26.
4, 5. Nahoana i Abrahama no nitalaho ho an’ny mponina tany Sodoma, ary nifanaraka tamin’ny an’i Jehovah ve ny fomba fiheviny?
4 Andeha isika izao hiverina tamin’ny fotoana nilazan’i Jehovah hoe hizaha ny tanànan’i Sodoma sy Gomora izy. Tamin’izay i Abrahama no nitalaho hoe: “Angamba misy olo-marina dimam-polo ao an-tanàna; haringanao koa va, ka tsy hamindranao fo ny tanàna noho ny dimam-polo marina izay ao? Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin’ny meloka, ka ny marina hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?” Indroa i Abrahama no nampiasa ny teny hoe “sanatria Anao.” Noho ny zavatra niainany, dia fantany fa tsy handringana ny marina miaraka amin’ny ratsy fanahy i Jehovah. Rehefa nilaza àry i Jehovah fa tsy handringana an’i Sodoma izy, raha misy “dimam-polo marina ao an-tanàna”, dia nahenan’i Abrahama tsikelikely io isa io, mandra-pahatongany tany amin’ny isa folo monja.—Genesisy 18:22-33.
5 Ho nihaino ny fitalahoan’i Abrahama ve i Jehovah, raha tsy nifanaraka tamin’ny heviny izany? Miharihary fa tsia. “Sakaizan’Andriamanitra” i Abrahama, ka fantany ny fomba fiheviny, ary niombon-kevitra taminy izy. (Jakoba 2:23) Vonona handinika ny fitalahoan’i Abrahama i Jehovah, talohan’ny handringanany an’i Sodoma sy Gomora. Nahoana? Satria ‘tsy tian’io Raintsika any an-danitra io hisy ho very ny olona, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.’
Hafa tanteraka ny fiheveran’i Jona ny olona
6. Inona no nataon’ny Ninivita, rehefa nandre ny teny nambaran’i Jona?
6 Diniho kosa izao ny ohatra faharoa, dia i Jona. I Ninive indray eto no tanàna horinganina. Nirahina i Jona mpaminany hanambara fa ‘tafakatra eo anatrehan’i Jehovah’ ny faharatsian’io tanàna io. (Jona 1:2) Tanàna lehibe i Ninive mbamin’ny faritra nanodidina azy, satria lalana telo andro no hamakivakiana azy. Nankatò ihany i Jona tamin’ny farany, ka niditra tao Ninive, ary tsy nitsahatra nanambara hoe: “Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive.” Tamin’izay, dia “nino an’Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana.” Na ny mpanjakan’i Ninive koa aza nibebaka.—Jona 3:1-6.
7. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fibebahan’ireo Ninivita?
7 Tena tsy nitovy tamin’ny zavatra nataon’ny mponina tany Sodoma mihitsy izany! Ahoana no fiheveran’i Jehovah ireo Ninivita nibebaka? Izao no voalaza ao amin’ny Jona 3:10: “Nanenina [Andriamanitra] ny amin’ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany.” “Nanenina” i Jehovah, izany hoe nanova ny zavatra saika hataony tamin’ny Ninivita, satria niova izy ireo. Tsy niova ny fitsipiny, fa nanova ny fanapahan-keviny izy, rehefa nahita fa nibebaka ireo Ninivita.—Malakia 3:6.
8. Nahoana i Jona no sosotra?
8 Niombon-kevitra tamin’i Jehovah ve i Jona, rehefa hitany fa tsy horinganina i Ninive? Tsia, satria voalaza hoe: “Fa tsy sitrak’i Jona indrindra izany, ka nirehitra ny fahatezerany.” Inona koa no nataony? Izao no voalaza ao amin’ilay fitantarana: “Nivavaka tamin’i Jehovah izy ka nanao hoe: Mifona aminao aho, Jehovah ô, tsy izao ihany va no efa nolazaiko fony aho mbola tany amin’ny taniko? Fa ny andrao hisy toy izao no nandosirako ho any Tarsisy, satria fantatro fa Hianao dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo ary manenina ny amin’ny loza.” (Jona 4:1, 2) Fantatr’i Jona ny toetran’i Jehovah. Sosotra anefa izy tamin’izay, ary tsy nitovy tamin’ny an’Andriamanitra ny fiheverany an’ireo Ninivita nibebaka.
9, 10. a) Inona no lesona nampitain’i Jehovah tamin’i Jona? b) Nahoana no azo inoana fa nahitsin’i Jona mba hitovy tamin’ny an’i Jehovah ny fomba fiheviny an’ireo Ninivita?
9 Nivoaka an’i Ninive i Jona, ary nanao trano rantsankazo, ka nipetraka teo ambany alok’izy io, “ambara-pahitany izay hiafaran’ny tanàna.” Nampaniry tanantanamanga hialofan’i Jona i Jehovah. Nalazo anefa ilay izy ny ampitson’iny. Nahatezitra an’i Jona izany, ka hoy i Jehovah taminy: “Hianao malahelo ny tanantanamanga . . . ka moa Izaho tsy mba halahelo an’i Ninive, ilay tanàna lehibe va, izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy, izay tsy mahafantatra ny havanany sy ny haviany, sady be biby fiompy koa?” (Jona 4:5-11) Tena nampianatra an’i Jona ny fiheveran’i Jehovah ny olona tokoa izany!
10 Tsy voatantara izay nataon’i Jona, rehefa nilaza Andriamanitra hoe nalahelo ny Ninivita izy. Miharihary anefa fa nanitsy ny fomba fiheviny an’ireo Ninivita nibebaka io mpaminany io. Manatsoaka izany hevitra izany isika, satria nampiasain’i Jehovah izy hanoratra io tantara ara-tsindrimandry io.
Ahoana ny fomba fihevitrao?
11. Ahoana no ho niheveran’i Abrahama ny olona amin’izao andro izao, raha mbola velona izy?
11 Hisy fandringanana hafa koa amin’izao androntsika izao, dia ny fandringanana an’ity tontolo ratsy ity mandritra ny andro lehiben’i Jehovah. (Lioka 17:26-30; Galatiana 1:4; 2 Petera 3:10) Raha mbola velona i Abrahama, ahoana no ho niheverany ireo olona miaina eto amin’ity tontolo madiva horinganina ity? Azo inoana fa ho niahy an’ireo mbola tsy nandre ny ‘vaovao tsaran’ilay fanjakana’ izy. (Matio 24:14) Nitalaho imbetsaka tamin’Andriamanitra i Abrahama, satria nino fa nety ho mbola nisy olo-marina tao Sodoma. Misy olona mety hiala amin’ny fanaon’ity tontolo fehezin’i Satana ity koa ankehitriny, raha ampiana hibebaka sy hanompo an’Andriamanitra. Miahy azy ireo ve isika?—1 Jaona 5:19; Apokalypsy 18:2-4.
12. Nahoana no mora ny hanjary hitovy fomba fihevitra amin’i Jona mahakasika ny olona itoriantsika, ary inona no azontsika atao amin’izany?
12 Ara-drariny raha irintsika mafy ny hifaranan’ny faharatsiana. (Habakoka 1:2, 3) Mora anefa ny hanjary hitovy fomba fihevitra amin’i Jona, ka tsy hiraharaha izay hahasoa ny olona mety hibebaka. Tena mety hitranga izany, indrindra raha tsy miraharaha, na manohitra, na mila ady mihitsy aza ny olona, isaky ny itoriantsika ny hafatra momba ilay Fanjakana. Mety hanjary tsy hiraharaha ny olona mbola hangonin’i Jehovah hiala amin’ity tontolo ratsy ity isika. (Romana 2:4) Raha mandini-tena tsara àry isika, ka mahita fa mitovy amin’ny fomba fihevitr’i Jona tamin’ny voalohany ny fomba fihevitsika, na dia kely fotsiny aza, dia aoka isika hivavaka amin’i Jehovah mba hanampiany antsika hitovy fomba fihevitra aminy.
13. Nahoana isika no afaka milaza fa miahy ny olona amin’izao andro izao i Jehovah?
13 Miahy an’ireo mbola tsy manompo azy i Jehovah, ary mihaino ny fitalahoan’ny vahoakany nanolo-tena ho azy. (Matio 10:11) “Hanome rariny” azy ireo izy, ohatra, ho valin’ny vavaka nataony. (Lioka 18:7, 8) Hanatanteraka ny fampanantenany sy ny fikasany rehetra koa izy amin’ny fotoana voatondrony. (Habakoka 2:3) Anisan’izany ny hanafoanany ny faharatsiana rehetra eto an-tany, toy ny nandringanany an’i Ninive, rehefa niverina nanao ratsy indray ny mponina tany.—Nahoma 3:5-7.
14. Inona no tokony hataontsika eo am-piandrasana ny andro lehiben’i Jehovah?
14 Mandra-pahafoanan’ity tontolo ratsy ity amin’ny andro lehiben’i Jehovah, moa ve isika hahay hiandry, sady hazoto hanao ny sitrapony? Tsy fantatsika hoe hatraiza marina no mbola hanaovana ny asa fitoriana alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah. Fantatsika tsara kosa anefa fa alohan’ny hahatongavan’ny farany, dia hotorina amin’ny tany onenana manontolo ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, araka izay mahafa-po an’Andriamanitra. Ary tena tokony hiahy an’ireo ‘zavatra faniry’ mbola hampidirina ao an-tranon’i Jehovah isika, raha mbola mameno voninahitra azy io koa izy.—Hagay 2:7.
Hita amin’ny ataontsika ny fomba fihevitsika
15. Inona no hanampy antsika mba hahazo tsara kokoa fa tena ilaina ny asa fitoriana?
15 Tsy dia liana loatra angamba ny olona itoriantsika ao amin’ny faritra misy antsika. Ary mety tsy ho afaka hifindra any amin’ny toerana mila mpitory ilay Fanjakana bebe kokoa isika. Eritrereto hoe mety hisy olona folo hita ao amin’ny faritanintsika, alohan’ny hahatongavan’ny farany. Mihevitra ve isika fa ilaina ny mitady ireo folo ireo? “Nahonena” an’i Jesosy ny vahoaka, “satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.” (Matio 9:36) Hazava kokoa amintsika ny zava-manjo an’ity tontolo ity, raha mianatra ny Baiboly isika ary mamaky tsara ireo lahatsoratra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Ho azontsika tsara kokoa amin’izay fa tena ilaina ny mitory ny vaovao tsara. Ho haintsika kokoa ny handresy lahatra ny olona any amin’ny faritany itoriana matetika, raha mankasitraka sy mampiasa ny boky ara-baiboly avoakan’ny ‘mpanompo mahatoky sy malina’ isika.—Matio 24:45-47; 2 Timoty 3:14-17.
16. Inona no azontsika atao mba hahatratrarana olona bebe kokoa rehefa mitory?
16 Mbola mety handray ny hafatra mamonjy aina avy ao amin’ny Baiboly ny sasany. Ny fiahiantsika azy ireo dia hanosika antsika hitady fotoana sy fomba samihafa hitoriana amin’ny olona. Maro ve no tsy tratrantsika ao an-tranony, rehefa mitory isika? Raha izany no izy, dia mety hahatratra olona kokoa isika, raha manovaova ny fotoana sy toerana itoriantsika. Izay toerana mety hahazoany trondro no alehan’ny mpanjono. Afaka manao toy izany koa ve isika amin’ilay fanjonoantsika ara-panahy? (Marka 1:16-18) Nahoana raha manandrana mitory amin’ny takariva, na an-telefaonina, any amin’izay toerana maha ara-dalàna izany? Hitan’ny mpitory sasany fa ‘faritra fanjonoana’ tena mamokatra, ny toerana fijanonan’ny fiara sy kamiao, ny tobin-dasantsy, ary ny fivarotana. Miharihary koa hoe mitovy amin’ny an’i Abrahama ny fiheverantsika ny olona, raha manararaotra mitory tsy ara-potoana isika.
17. Ahoana avy no fomba azontsika ampaherezana ireo misionera sy olon-kafa manompo any ivelan’ny taniny?
17 Mbola be dia be ny olona tsy nandre ny hafatra momba ilay Fanjakana. Ankoatra ny fitoriana, misy fomba hafa azontsika anehoana fiahiana azy ireo ve, na dia mijanona ao an-trano aza isika? Mahafantatra misionera na mpanompo manontolo andro manompo any ivelan’ny taniny ve isika? Raha izany no izy, dia tena tsara mihitsy raha manoratra ho azy ireo isika, ka milaza aminy fa ankasitrahantsika ny asa ataony. Nahoana no toy ny miahy ny olona amin’ny ankapobeny isika, rehefa manao izany? Satria manatanjaka ny misionera ny taratasy misy teny fiderana sy fampaherezana alefantsika. Mampirisika azy hijanona any amin’ny tany nanendrena azy koa izany, ka bebe kokoa ny olona ampiana hahalala ny fahamarinana. (Mpitsara 11:40) Azontsika atao koa ny mivavaka ho an’ireo misionera sy ireo mangetaheta ny fahamarinana any an-tany hafa. (Efesiana 6:18-20) Mampiseho fiahiana koa isika, rehefa manome vola hanatontosana ilay asa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany.—2 Korintiana 8:13, 14; 9:6, 7.
Afaka ny hifindra ve ianao?
18. Inona no nataon’ny Kristianina sasany mba hitoriana ilay Fanjakana amin’ny olona bebe kokoa ao amin’ny taniny?
18 Mahazo fitahiana ireo mahafoy tena ka mifindra any amin’ny toerana mila mpitory ilay Fanjakana bebe kokoa. Misy koa anefa Vavolombelon’i Jehovah mijanona ao amin’ny taniny ihany, ary mianatra fiteny hafa mba hanampiana ireo mpifindra monina hahafantatra an’Andriamanitra. Tena novalian-tsoa ny ezaka nataon’izy ireo. Rehefa nanampy Sinoa tany Texas, any Etazonia, ohatra, ny Vavolombelona fito, dia nisy olona 114 nanatrika ny Sakafo Harivan’ny Tompo tamin’ny taona 2001. Hitan’izay manampy ny olona toy ireny tokoa fa efa vonona hojinjana ny sahan’izy ireo.—Matio 9:37, 38.
19. Inona no tokony hataonao raha mikasa hifindra any an-tany hafa ianao, mba hampandrosoana ny fitoriana ilay Fanjakana any?
19 Angamba mihevitra ianao sy ny fianakavianao fa afaka ny hifindra any amin’ny toerana mila mpitory ilay Fanjakana bebe kokoa ianareo. Mazava ho azy fa fahendrena ny “mipetraka aloha mihevitra izay ho lany.” (Lioka 14:28) Tena ilaina izany, indrindra rehefa mikasa hifindra any an-tany hafa. Raha misy mieritreritra hanao izany, dia tokony hanontany tena izy hoe: ‘Ho afaka hamelona ny fianakaviako ve aho? Hahazo taratasy fahazoan-dalana hijanona any, na visa, ve aho? Efa mahay ny fitenin’ny olona any ve aho, sa vonona hianatra? Efa noeritreretiko ve ny toetrandro sy ny fomba amam-panaon’ny olona any? Tena ho afaka hanampy sy hampahery ny mpiray finoana amiko any amin’io tany io ve aho, fa tsy ho enta-mavesatra ho azy ireo?’ (Kolosiana 4:10, 11) Mba hahafantarana hoe manao ahoana ny fanampiana ilaina any amin’ilay tany tianao hifindrana, dia tsara foana ny manoratra any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah manara-maso ny fitoriana any.a
20. Inona no ezaka mafy nataon’ny tanora kristianina iray, mba hahasoa ny mpiara-mivavaka aminy sy ny olon-kafa tany an-tany hafa?
20 Nisy Kristianina iray nandray anjara tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana tany Japon. Reny anefa fa nila mpiasa mahay mba hanorina toeram-pivavahana tany Paragoay. Tsy nanambady izy ary tanora mavitrika, ka nifindra tany, ary niasa manontolo andro tamin’ny fanorenana ilay toeram-pivavahana, nandritra ny valo volana. Nianatra niteny Espaniola koa izy sady nampianatra Baiboly. Hitany fa tena nila mpitory ilay Fanjakana i Paragoay. Tsy ela àry izy dia niverina tany, rehefa avy nody tany Japon, ka nitondra ny fanampiany mba hanangonana olona hivory tao amin’ilay Efitrano Fanjakana vaovao.
21. Inona no asa tokony hifantohantsika, ary ahoana no tokony ho fomba fihevitsika, eo am-piandrasana ny andro lehiben’i Jehovah?
21 Hataon’Andriamanitra izay hahatontosa ny asa fitoriana amin’ny fomba feno, araka ny sitrapony. Manafaingana ny fijinjana ara-panahy farany izy ankehitriny. (Isaia 60:22) Eo am-piandrasana ny andron’i Jehovah àry, dia aoka isika hazoto handray anjara amin’ny fijinjana, ary hihevitra ny olona toy ny hiheveran’ilay Andriamanitsika be fitiavana azy ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy dia tsara loatra ny manapa-kevitra samirery ny hifindra any amin’ny tany andrarana na anakantsakanana ny fitoriana. Raha manao izany ianao, dia mety hampidi-doza ny mpitory mipetraka any, izay miezaka ny ho mailo amin’ny toe-javatra toy izany.
Tadidinao Ve?
• Ahoana no tokony hiheverantsika ny olona, eo am-piandrasana ny andron’i Jehovah?
• Ahoana no fiheveran’i Abrahama ireo mety ho olo-marina tao Sodoma?
• Ahoana no fiheveran’i Jona ireo Ninivita nibebaka?
• Ahoana no hampisehoantsika fa mitovy amin’ny an’i Jehovah ny fiheverantsika ireo olona mbola tsy nandre ny vaovao tsara?
[Sary, pejy 16]
Nitovy tamin’ny an’i Jehovah ny fiheveran’i Abrahama ny olona
[Sary, pejy 17]
Lasa nitovy tamin’ny an’i Jehovah ny fiheveran’i Jona ny Ninivita nibebaka
[Sary, pejy 18]
Miahy ny olona isika, ka mitady fotoana sy fomba samihafa hitoriana ny vaovao tsara