Hanao Ahoana ny Hoavinao?
RAHA mahalala ny zavatra rehetra ilay Andriamanitra Tsitoha, ka fantany avokoa izay rehetra mahakasika ny lasa sy ny ankehitriny ary ny hoavy, moa ve tsy mitovy tanteraka amin’izay efa hitan’Andriamanitra mialoha ny zava-drehetra voalahatra hitranga? Raha efa hitan’Andriamanitra mialoha sy voatendriny ny ho anjaran’ny olona rehetra — ny ho fizotran’izany sy ny ho fiafarany — dia azo lazaina marina ve fa manana fahalalahana hisafidy ny amin’izay ho fizotran’ny fiainantsika sy ny hoavintsika isika?
Tao anatin’ny taonjato maro no efa niadian-kevitra ireo fanontaniana ireo. Mbola mampisara-kevitra an’ireo fivavahana lehibe io ady hevitra io. Azo ampifanarahina amin’ny safidy malalaka ananan’ny olona ve ny fahafahan’Andriamanitra mahalala mialoha ny hoavy? Aiza no tokony hitadiavantsika ny valin’izany?
Olona an-tapitrisany maro maneran-tany no hanaiky fa Andriamanitra dia nifandray tamin’ny olombelona tamin’ny alalan’ny Teniny voasoratra, nampitaina tamin’ny alalan’ireo mpaminany, mpitondra teniny. Ny Kôrana, ohatra, dia milaza fanambarana sasany ho avy amin’Andriamanitra: ny Taurāh (Torah, ny Lalàna, na ireo boky dimin’i Mosesy), ny Zabūr (ny Salamo), ary ny Injīl (ny Filazantsara, ny Soratra Grika Kristiana, na ny “Testamenta Vaovao”), mbamin’izay nambara tamin’ireo mpaminanin’ny Isiraely.
Izao no vakintsika ao amin’ny Soratra Grika Kristiana: “Ny Soratra rehetra dia ara-tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa ho fampianarana, ho fananarana, ho fandaminan-javatra”. (2 Timoty 3:16, NW ). Mazava ho azy fa izay tari-dalana na fanazavana rehetra azontsika dia tokony ho avy amin’Andriamanitra, rehefa zohina. Tsy ho fahendrena àry ve ny handinihana ireo asa soratry ny mpaminanin’Andriamanitra tany aloha kokoa? Inona no ambaran’izy ireo mahakasika ny hoavintsika?
Hoavy voasoratra mialoha
Izay olona efa namaky ny Soratra Masina dia mahafantatra fa mirakitra faminaniana an-jatony maro ara-bakiteny izy io. Ny fisehoan-javatra ara-tantara, toy ny fianjeran’i Babylona fahiny, ny fanorenana indray an’i Jerosalema (taonjato fahenina ka hatramin’ny taonjato fahadimy al.f.i.), mbamin’ny fisandratana sy ny fahalavoan’ireo mpanjaka fahiny teo anivon’ny fanjakana mediana sy persiana ary grika, dia samy efa nambara mialoha tamin’ny an-tsipiriany. (Isaia 13:17-19; 44:24–45:1; Daniela 8:1-7, 20-22). Ny fahatanterahan’ireny faminaniana ireny dia iray amin’ireo porofo mahery indrindra fa Tenin’Andriamanitra tokoa ny Soratra Masina, satria Andriamanitra ihany no afaka mahita mialoha izay hitranga amin’ny hoavy ka hamaritra izany. Amin’io heviny io, dia mirakitra ny hoavy voasoratra mialoha tokoa ny Soratra Masina.
Andriamanitra mihitsy no manambara toy izao: “Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy, Izay manambara ny farany hatramin’ny voalohany, ary nanambara hatramin’ny ela izay tsy mbola natao akory, — dia Ilay manao hoe: Ho to ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra (...); sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa, sady nikasa Aho no hahefa azy.” (Isaia 46:9-11; 55:10, 11). Ny anarana nampahafantaran’Andriamanitra ny tenany tamin’ireo mpaminaniny fahiny, dia hoe Jehovah, izay midika ara-bakiteny hoe “Mahatonga Izy”.a (Genesisy 12:7, 8; Eksodosy 3:13-15; Salamo 83:18). Manambara ny tenany ho Ilay Mpanatanteraka ny teniny Andriamanitra, izany hoe, Ilay manatanteraka foana ny fikasany.
Araka izany, dia mampiasa ny fahaizany mamantatra ny hoavy Andriamanitra mba hanatanterahany ny fikasany. Matetika izy no nampiasa azy io mba hampitandremana ny ratsy fanahy ny amin’ny didim-pitsarana ho avy. Nampiasa azy io mba hanomezana fanantenam-pamonjena ny mpanompony koa anefa izy. Mampiasa an’io fahaizana io amin’ny fomba tsy voafetra ve anefa Andriamanitra? Moa ve ny Soratra Masina ahitana porofo ny amin’ny zavatra nofidin’Andriamanitra tsy hofantarina mialoha?
Mahafantatra mialoha ny zava-drehetra ve Andriamanitra?
Ny fanaporofoan-kevitra rehetra aroso ho fanohanana ny lahatra dia miorina amin’ilay fiheverana hoe satria tsy azo lavina fa mahay mamantatra mialoha sy mamaritra fisehoan-javatra ho avy Andriamanitra, dia tsy maintsy fantany mialoha koa ny zava-drehetra, anisan’izany ny zavatra hataon’ny isam-batan’olona amin’ny hoavy. Marim-pototra ve anefa izany tombantombana izany? Hafa noho izany no ambaran’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina.
Milaza, ohatra, ny Soratra Masina fa ‘nozahan’Andriamanitra toetra i Abrahama’, ka nodidiany hanolotra an’i Isaka zanany ho fanatitra dorana. Rehefa nadiva hanao sorona an’i Isaka i Abrahama, dia nosakanan’Andriamanitra, ka hoy izy: “Hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra hianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao.” (Genesisy 22:1-12, izahay no manao sora-mandry.) Ho nilaza io teny io ve Andriamanitra, raha fantany mialoha fa hankatò an’io didiny io i Abrahama? Ho tena fizahan-toetra ve ilay izy?
Ambonin’izany, dia taterin’ireo mpaminany fahiny fa imbetsaka Andriamanitra no nilaza ny tenany ho ‘nanenina’ noho ny zavatra nataony na noeritreretiny hatao. Nilaza, ohatra, Andriamanitra fa “nanenina [avy amin’ny teny hebreo hoe na·chamʹ] noho ny nanaovany an’i Saoly ho mpanjakan’ny Isiraely”, ny tenany. (1 Samoela 15:11, 35; ampitahao amin’ny Jeremia 18:7-10; Jona 3:10.) Koa satria lavorary Andriamanitra, ireo andinin-teny ireo dia tsy mety hidika hoe nanao fahadisoana Andriamanitra tamin’ny nifidianany an’i Saoly ho mpanjaka voalohany teo amin’ny Isiraely. Ny tsy maintsy ho heviny kosa dia hoe nalahelo Andriamanitra satria nanjary tsy nanam-pinoana sy tsy nankatò i Saoly. Ho rediredy fotsiny ny nampiasan’Andriamanitra teny toy izany mahakasika ny tenany, raha efa fantany mialoha izay hataon’i Saoly.
Ahitana teny mitovy amin’izany koa ao amin’ilay boky tranainy indrindra ao amin’ny Soratra Masina. Izao tokoa no voalazany, raha niresaka ny andron’i Noa izy io: “Jehovah nanenina noho ny nanaovany olona tambonin’ny tany, ka nalahelo ny fony. Dia hoy Jehovah: Haringako tsy hisy ambonin’ny tany ny olona izay noforoniko, (...) fa manenina Aho noho ny nanaovako azy.” (Genesisy 6:6, 7). Eto indray koa, izany dia manondro fa tsy lahatr’Andriamanitra akory ireo zavatra ataon’olombelona. Nanenina sy ory Andriamanitra, eny, naratra fo mihitsy aza, tsy hoe satria diso fanao zavatra ny tenany, fa satria kosa nahazo vahana loatra ny faharatsian’olombelona. Nanenina ny Mpamorona satria nanjary nilaina ny handringanana ny olombelona rehetra, afa-tsy i Noa sy ny fianakaviany. Manome toky antsika toy izao Andriamanitra: “Tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy”. — Ezekiela 33:11; ampitahao amin’ny Deoteronomia 32:4, 5.
Fantatr’Andriamanitra mialoha àry ve no sady efa voatendriny fa ho latsaka amin’ny fahotana i Adama, ka hisy vokany hampidi-doza ny fianakavian’olombelona izany? Asehon’ny fanazavana nodinihintsika teo fa tsy afaka ny ho marina izany. Tsy vitan’izany ihany fa raha fantatr’Andriamanitra mialoha izany rehetra izany, dia izy no ho rangory fototry ny afo nahatonga ny ota, fony izy nanao ny olombelona. Ho ninia nampisy ny faharatsiana sy ny fijalian’olombelona koa Andriamanitra, raha izany no izy. Mazava anefa fa tsy mifanaraka amin’izay ambaran’Andriamanitra momba ny tenany ao amin’ny Soratra Masina, izany. Andriamanitra fitiavana sy Andriamanitry ny rariny izy, ka mankahala ny faharatsiana. — Salamo 33:5; Ohabolana 15:9; 1 Jaona 4:8.
Ireo toe-javatra roa hiafaran’ny olombelona
Tsy manambara ny Soratra Masina hoe efa voatendry mialoha na voalahatr’Andriamanitra ny hoavintsika isam-batan’olona. Ambarany kosa anefa fa toe-javatra roa ihany no mety hiafaran’ny olombelona, araka ny nolazain’Andriamanitra mialoha. Omen’Andriamanitra safidy malalaka ny amin’izay tiany hiafarana ny olona rehetra. Fahiny ela be, dia nilaza toy izao tamin’ireo Isiraelita i Mosesy mpaminany: “Efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana (...); koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao, dia ny ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao hianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan’ny andronao”. (Deoteronomia 30:19, 20, izahay no manao sora-mandry.) Nampitandrina mialoha toy izao i Jesosy, mpaminanin’Andriamanitra: “Midira amin’ny vavahady èty hianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.” (Matio 7:13, 14). Lalana roa, fiafarana roa. Miankina amin’ny zavatra ataon’ny tenantsika ny hoavintsika. Midika ho fiainana ny fankatoavana an’Andriamanitra, fa midika ho fahafatesana kosa ny tsy fankatoavana azy. — Romana 6:23.
“Mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka [Andriamanitra], satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana”. (Asan’ny Apostoly 17:30, 31). Nifidy ny tsy hankatò an’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona tamin’ny andron’i Noa ka ringana. Tsy misy hafa amin’izany koa amin’izao andro izao fa tsy mankatò ny didin’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona. Na dia izany aza anefa, dia tsy hoe efa nanendry izay horinganina sy izay hahazo famonjena akory Andriamanitra. Raha ny marina, dia milaza ny Tenin’Andriamanitra fa ‘tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana ny rehetra’. (2 Petera 3:9). Na dia ny olona tena ratsy fanahy aza dia afaka mibebaka sy tonga mpankatò ary manao ireo fiovana ilaina, mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra. — Isaia 1:18-20; 55:6, 7; Ezekiela 33:14-16; Romana 2:4-8.
Ho an’ireo izay mankatò, Andriamanitra dia mampanantena fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa feno fiadanana iray, tany iray voadio ho afaka amin’ny faharatsiana sy ny herisetra ary ny ady rehetra, tontolo iray izay tsy hisian’ny hanoanana sy ny fijaliana sy ny aretina ary ny fahafatesana intsony. (Salamo 37:9-11; 46:9; Isaia 2:4; 11:6-9; 25:6-8; 35:5, 6; Apokalypsy 21:4). Na dia ny maty aza dia hatsangana ka homena fahafahana hanompo an’Andriamanitra. — Daniela 12:2; Jaona 5:28, 29.
“Diniho ny mahitsy, ka jereo ny marina”, hoy ny mpanao salamo, “fa misy farany ho an’ny olona tia fihavanana. Fa ny mpanota haringana avokoa; ny hiafaran’ny ratsy fanahy ho fongotra.” (Salamo 37:37, 38). Hanao ahoana ny hoavinao? Miankina tanteraka aminao izany. Ny mpampanonta itỳ gazetiboky itỳ dia ho faly hanome anao fanazavana bebe kokoa, mba hahafahanao hahazo antoka fa hanana hoavy sambatra sy feno fiadanana ny tenanao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Miseho maherin’ny im-7 000 ao amin’ny Soratra Masina ny anarana hoe Jehovah; jereo ilay taratasy mivalona hoe Le plus grand des noms, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, tamin’ny 1995.
[Teny notsongaina, pejy 6]
Mampiasa ny fahaizany mamantatra ny hoavy Andriamanitra mba hanatanterahany ny fikasany
[Teny notsongaina, pejy 8]
‘Tsy tian’Andriamanitra hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana ny rehetra.’ 2 Petera 3:9
[Sary, pejy 7]
Raha fantatr’Andriamanitra mialoha fa ho vonona hanao sorona ny zanany i Abrahama, ho tena fizahan-toetra ve ilay izy?