BETLEHEMA
(Betlehèma) [Tranon’ny Mofo].
1. Tanàna any amin’ireo havoanan’i Jodia, ary ahatazanana an’ilay lalambe midina avy any Jerosalema mankany Beri-sheba. Io ilay tanàna antsoina ankehitriny hoe Beit Lahm (Bet Lehema), tokotokony ho 9 km any atsimo atsimoandrefan’ny tendrombohitra nisy ny tempoly. Mitovitovy haavo amin’i Jerosalema i Betlehema, izay 777 m eo ho eo ambonin’ny haabon’ny ranomasina. Mamokatra oliva sy voaloboka ary varimbazaha ny tanimboly any, na dia be vato aza.—Rt 1:22.
Efrata no anaran’i Betlehema taloha. “Teny amin’ny lalana mankany Efrata, izay atao hoe Betlehema” i Jakoba no nandevina an’i Rahely. (Ge 35:19; 48:7) Anisan’ny taranak’i Joda, zanak’i Jakoba, i “Salma rain’i Betlehema” (1Ta 2:51, 54), sy ‘Hora lahimatoan’i Efrata sady rain’i Betlehema.’ (1Ta 4:4) Mety ho ireo lehilahy ireo àry no razamben’ny Israelita lasa mponina tao Betlehema. (Jereo EFRATA No. 2.) Rehefa niditra tao Kanana ny Israelita, dia lasa anisan’i Joda i Betlehema, na dia tsy hita ao amin’ny lisitry ny tanànan’i Jodia aza, sady tsy voaresaka ny habeny sy ny lazany tamin’izany. Nisy Betlehema hafa koa anefa tany amin’ny tanin’i Zebolona. (Js 19:10, 15) Matetika àry ilay tany Joda no notononina niaraka tamin’ny hoe Efrata, na nantsoina hoe “Betlehema any Joda.”—Mpts 17:7-9; 19:1, 2, 18.
Mety ho avy any Betlehema any Joda i Ibzana Mpitsara. Tsy voaresaka ao amin’ny fitantarana momba azy anefa na i Joda na i Efrata. Maro àry no mihevitra fa ilay Betlehema tany Zebolona no niaviany. (Mpts 12:8-10) Avy any Betlehema i Elimeleka sy Naomy vadiny ary ny zanany lahy, ary niverina tany i Naomy tatỳ aoriana niaraka tamin’i Rota Moabita. (Rt 1:1, 2, 19, 22) Avy any Betlehema koa i Boaza, ary tao amin’io tanàna io sy ny tanimboly nanodidina azy no niseho ireo zava-nitranga tantarain’ny bokin’i Rota (Rt 2:4; 4:11) momba ny razamben’i Jesosy.—Mt 1:5, 6.
Teraka tao Betlehema any Joda i Davida zanak’i “Jese Betlehemita.” Niandry ny ondrin-drainy tany izy, ary tany koa i Samoela tatỳ aoriana no nanosotra azy ho mpanjakan’ny Israely. (1Sa 16:1, 4, 13, 18; 17:12, 15, 58; 20:6) Rehefa nandositra i Davida tatỳ aoriana, dia naniry mafy hisotro rano avy tamin’ny lavaka fanangonan-drano tao Betlehema, izay nisy toby mpitilin’ny Filistinina tamin’izay. (2Sa 23:14, 15; 1Ta 11:16, 17) Mbola misy lavadrano telo izao eo avaratr’ilay tanàna. Avy ao Betlehema ny rain’i Elanana, anisan’ny miaramila kalazalahin’i Davida. (2Sa 23:24) Avy ao koa i Joaba sy Abisay ary Asahela, izay samy zanak’anabavin’i Davida. Tao Betlehema no nalevina i Asahela, lehilahy mahery mihazakazaka, rehefa novonoin’i Abnera.—2Sa 2:18-23, 32.
Tsara toerana i Betlehema, satria nisy lalambe namakivaky tao. Avo toerana koa io tanàna teo an-tampon’ny havoana vatosokay io, ka nety tsara mba hitobian’ny miaramila, ary tao i Davida no teraka. Na teo aza izany rehetra izany, dia tsy i Betlehema no nofidina ho renivohitry ny fanjakan’i Davida. Tatỳ amin’ny andron’i Rehoboama Mpanjaka, zanak’i Solomona, indray vao nisy firesahana an’i Betlehema. Nataony ho anisan’ny tanàna voaro mafy izy io. (2Ta 11:5, 6) Taorian’ny nandravan’i Babylona an’i Jerosalema, dia nijanona kely teo akaikin’i Betlehema ny olona sisa tavela tao Joda, vao nidina tany Ejipta. (Je 41:17) Nisy mponin’i Betlehema tamin’ireo nody avy tany an-tsesitany tany Babylona.—Ezr 2:21; Ne 7:26.
Efa voaresaka tetsy aloha fa tsy hita ao amin’ny lisitry ny tanànan’i Joda i Betlehema, rehefa nozaraina ny anjara tanin’ny fokon’ny Israely. Manonona an’io tanàna io ny Baiboly rehefa mitantara olona sasany, nefa toa tsy nalaza izy io, ary vitsy kely ny mponina tao. “Tanàna kely” izy io, fony i Jesosy tetỳ an-tany. (Jn 7:42) Tsy mahagaga raha nilaza i Mika mpaminany fa “kely loatra ka tsy tokony ho anisan’ny arivon’i Joda akory” i Betlehema Efrata. (Mi 5:2) Asehon’io faminaniana io anefa fa avy ao amin’io tanàna kely io no hiavian’ny Mesia. Voninahitra tokoa izany! Fantatry ny Jiosy tamin’io faminaniana io fa i Betlehema no tanàna hiavian’ny Mesia na Kristy sy hahaterahany. (Jn 7:40-42) Nino an’izany koa ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna.—Mt 2:3-6.
Tany Nazareta, any Galilia, i Maria tamin’izy bevohoka, nefa tany Betlehema any Jodia izy no niteraka an’i Jesosy. Tanteraka àry ny faminaniana nolazain’Andriamanitra. (Lk 1:26-38; 2:4-7) Raha jerena ny lalana misy ankehitriny, dia lalana 150 km eo ho eo sady be havoana no nandehanan’i Maria.
Fanao any Palestina ny mitondra ondry miraoka ahitra any an-tsaha amin’ny antoandro, na manao ahoana na manao ahoana ny toetrandro. Voalaza anefa hoe nisy mpiandry ondry niambina andian’ondry tany an-tsaha, tamin’ilay alina nahaterahan’i Jesosy. (Lk 2:8) Ahafahana mamaritra ny fotoana nahaterahany àry izany. Manomboka manorana any Palestina, eo antenatenan’ny Oktobra, ary maharitra volana vitsivitsy izany. Toy ny any Jerosalema ihany ny any Betlehema rehefa Desambra: Matetika no misy fanala amin’ny alina. Tsy maintsy ho talohan’ny vanim-potoanan’ny orana àry ny mpiandry ondry no niambina ny andian’ondriny tany an-tsaha tamin’ny alina. Tsy azo inoana koa hoe hanao izay hampahatezitra ny Jiosy i Aogosto Kaisara, ka handidy azy ireo hisoratra anarana amin’ny Desambra, izay mamirifiry sy manorana. Tena sarotra mantsy ny mandeha lavitra amin’izany.—Lk 2:1-6; ampit. Mt 24:20.
Tsy fantatra izay toerana nisy an’ilay tranom-biby nahaterahan’i Jesosy. Nisy mpanandro avy any atsinanana tonga tao Betlehema tatỳ aoriana mba hitady an’i Jesosy “zaza.” Efa tsy tao amin’ilay tranom-biby intsony ny ray aman-dreniny no nipetraka, fa tao anaty trano. (Mt 2:1-12) Nanao zavatra Andriamanitra mba tsy hahafaty an’i Jesosy zaza, satria nosakanany tsy hiverina tany amin’i Heroda Mpanjaka ireo mpanandro. Novonoina daholo kosa ny zazalahikely rehetra roa taona no ho midina, tao Betlehema sy ny manodidina, noho ny baikon’i Heroda. (Mt 2:12, 16) Tanteraka àry ilay faminaniana ao amin’ny Jeremia 31:15, araka ny voalazan’ny Matio 2:17, 18.—Jereo RAHELY.
2. Tanàna any Zebolona. (Js 19:10, 15) Toa avy tao amin’io Betlehema io i Ibzana Mpitsara, ary tao koa izy no nalevina, satria tsy misy firesahana an’i Efrata na Joda ny fitantarana momba azy. (Mpts 12:8-10) Io tanàna io no antsoina ankehitriny hoe Beit Lahm (Bet Lehema Ha-Gelilit), tokotokony ho 11 km any andrefana avaratrandrefan’i Nazareta.