Josoa
19 Ary natao ny antsapaka faharoa+ ka nahazo anjara i Simeona,+ izany hoe ny fokon’i Simeona, araka ny fianakaviany avy. Tao amin’ny lovan’i Joda ny lovan’izy ireo.+ 2 Ireto no lovany: Beri-sheba+ sy Sheba, Molada,+ 3 Hazara-soala,+ Bala, Azema,+ 4 Eltolada,+ Betola, Horma, 5 Ziklaga,+ Beti-markabota, Hazara-sosa, 6 Beti-lebaota,+ ary Sarohena, izany hoe tanàna 13 sy ny tanàna keliny. 7 Anisany koa i Aina, Rimona, Etera, ary Asana,+ izany hoe tanàna efatra sy ny tanàna keliny, 8 sy ny tanàna kely rehetra nanodidina an’ireo tanàna ireo hatrany Baleta-bera, izany hoe Rama any atsimo. Izany no lovan’ny fokon’i Simeona, araka ny fianakaviany avy. 9 Avy tamin’ny anjaran’i Joda no nakana ny lovan’ny taranak’i Simeona, satria lehibe loatra ho an’i Joda ny anjarany. Nahazo anjara tao amin’ny lovan’ny taranak’i Joda àry ny taranak’i Simeona.+
10 Ary natao ny antsapaka fahatelo+ ka nahazo anjara ny taranak’i Zebolona,+ araka ny fianakaviany avy. Tonga hatrany Sarida ny sisin-tanin’ny lovan’izy ireo. 11 Ary niakatra niankandrefana nankany Marala izany ka tonga hatrany Dabeseta, ary nankany amin’ilay lohasaha* tandrifin’i Jokneama. 12 Avy teo Sarida indray izany no niantsinanana tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro, dia nankany amin’ny sisin’i Kislota-tabara, ary tonga hatrany Daberata,+ ka niakatra nankany Jafia, 13 dia nitohy niantsinanana tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro hatrany Gata-hefera+ sy Ita-kazina, ary nankany Rimona, ka tonga hatrany Nea. 14 Teo avaratra ilay sisin-tany no nivily nankany Hanatona, ary nifarana tao amin’ny Lohasahan’i Jifta-ela, 15 Katata, Nahalala, Simrona,+ Idala, ary Betlehema,+ izany hoe tanàna 12 sy ny tanàna keliny. 16 Izany no lovan’ny taranak’i Zebolona,+ araka ny fianakaviany avy. Ireo ny tanàna sy ny tanàna kelin’izy ireo.
17 Natao ny antsapaka fahefatra+ ka nahazo anjara i Isakara,+ izany hoe ny taranak’i Isakara, araka ny fianakaviany avy. 18 Ary ny sisin-taniny dia tonga hatrany Jezirela,+ Kesolota, Sonema,+ 19 Hafraima, Siona, Anaharata, 20 Rabita, Kisiona, Abeza, 21 Rameta, En-ganima,+ En-hada, ary Beti-pazeza. 22 Ary nitohy hatrany Tabara+ sy Sahazoma ary Beti-semesy izany, ka nifarana teo amin’ny Reniranon’i Jordana, izany hoe tanàna 16 sy ny tanàna keliny. 23 Izany no lova nozaraina ho an’ny fokon’i Isakara, araka ny fianakaviany avy,+ dia ny tanàna sy ny tanàna keliny.
24 Ary natao ny antsapaka fahadimy+ ka nahazo anjara ny fokon’i Asera,+ araka ny fianakaviany avy. 25 Ireto avy ny sisin-taniny: Helkata,+ Haly, Batena, Aksafa, 26 Alameleka, Amada, ary Misala. Ary niankandrefana nankany Karmela+ sy Sihora-libnata izany, 27 dia niverina niantsinanana nankany Beti-dagona, ka tonga hatrany Zebolona sy ny ilany avaratra amin’ny Lohasahan’i Jifta-ela, ary Beti-emeka sy Neiela, dia tonga hatrany ankavian’i Kabola, 28 ary nitohy hatrany Ebrona, Rehoba, Hamona, Kana, ary hatrany Sidona Lehibe.+ 29 Ary niverina nankany Rama ilay sisin-tany ka nitohy hatrany Tyro,+ izay tanàna voaro mafy. Dia niverina indray nankany Hosa izany, ary nifarana tany amin’ny ranomasina teo amin’ny faritr’i Akziba, 30 Oma, Afeka,+ ary Rehoba,+ izany hoe tanàna 22 sy ny tanàna keliny. 31 Izany no lova nozaraina ho an’ny fokon’i Asera, araka ny fianakaviany avy.+ Ireo ny tanàna sy ny tanàna kelin’izy ireo.
32 Natao ny antsapaka fahenina+ ka nahazo ny anjarany ny taranak’i Naftaly, izany hoe ny taranak’i Naftaly, araka ny fianakaviany avy. 33 Ny sisin-taniny dia nanomboka teo Halefa teo amin’ilay hazobe tao Zananima,+ ary nitohy hatrany Adami-nekeba sy Jabniela ka hatrany Lakoma, ary nifarana teo amin’ny Reniranon’i Jordana. 34 Ary niverina niankandrefana nankany Aznota-tabara ilay sisin-tany, dia tonga hatrany Hokoka ka hatrany Zebolona eo atsimo, sy Asera eo andrefana, ary Joda eo atsinanan’i Jordana. 35 Ary ireto avy ny tanàna voaro mafy tao: Zidima, Zera, Hamata,+ Rakata, Kinereta, 36 Adama, Rama, Hazora,+ 37 Kedesy,+ Edrehy, En-hazora, 38 Irona, Migdala-ela, Horema, Beti-anata, ary Beti-semesy,+ izany hoe tanàna 19 sy ny tanàna keliny. 39 Izany no lova nozaraina ho an’ny fokon’i Naftaly, araka ny fianakaviany avy,+ dia ny tanàna sy ny tanàna keliny.
40 Ary natao ny antsapaka fahafito+ ka nahazo anjara ny fokon’i Dana,+ araka ny fianakaviany avy. 41 Ny sisin-tanin’ny lovan’izy ireo dia i Zora,+ Estaola, Ira-semesy, 42 Salabima,+ Aialona,+ Jitla, 43 Elona, Timna,+ Ekrona,+ 44 Elteke, Gibetona,+ Baleta, 45 Jehoda, Bene-beraka, Gata-rimona,+ 46 Me-jarkona, ary Rakona. Ary nandalo teo akaikin’i Jopa+ ilay sisin-tany. 47 Kely loatra ho an’i Dana anefa ny faritry ny taniny.+ Niakatra hiady tamin’i Lesema+ àry izy ireo. Dia azony izy io ary nasiany tamin’ny sabatra ny mponina tao. Ary naka an’ilay tanàna ho fananany izy ireo ka nipetraka tao. Dia novan’izy ireo hoe Dana, hoatran’ny anaran’i Dana razambeny,+ ny anaran’i Lesema. 48 Izany no lova nozaraina ho an’ny fokon’i Dana, araka ny fianakaviany avy. Ireo ny tanàna sy ny tanàna kelin’izy ireo.
49 Vitan’ny Israelita àry ny nizarazara an’ilay tany araka ny sisin-taniny avy, mba ho lovan’izy ireo. Dia nomen’izy ireo lova tao amin’ny taniny i Josoa zanak’i Nona. 50 Araka ny baikon’i Jehovah, dia nomen’izy ireo azy ilay tanàna nangatahiny, izany hoe i Timnata-sera+ izay any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima. Dia nanorina an’ilay tanàna izy ka nipetraka tao.
51 Ireo no lova nozaraina tamin’ny alalan’ny antsapaka tao Silo,+ teo anatrehan’i Jehovah, teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana.+ I Eleazara mpisorona sy Josoa zanak’i Nona ary ireo lohan’ny fianakaviamben’ny fokon’ny Israely no nizara izany.+ Dia vitan’izy ireo ny fizarana an’ilay tany.