FANAHY, AVY AMIN’NY
Avy amin’izay mahery noho ny olombelona. Raha avy amin’i Jehovah ilay fanahy, dia ahazoana fanambarana na asa soratra izay tena tenin’Andriamanitra. Hoy ny apostoly Paoly: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.” (2Ti 3:16) Midika ara-bakiteny hoe “avy amin’ny fofonain’Andriamanitra” ny teny grika hoe teôpneostôs, izay nadika eo hoe “avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.”
Eo ihany no misy an’io teny grika io ao amin’ny Soratra Masina. Hita amin’izany àry fa avy amin’Andriamanitra ny Baiboly, ary Izy no nampanoratra azy. ‘Avy amin’ny fofonainy’ ny Teniny, mitovitovy amin’ny voalazan’ny Salamo 33:6 hoe: “Ny tenin’i Jehovah no nampisy ny lanitra, ary ny fofonain’ny vavany no nampisy ny zava-drehetra eny.”
Vokatry ny fiasan’ny fanahin’Andriamanitra. Avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra na ny hery ampiasainy ny “Soratra Masina iray manontolo.” (Jereo FANAHY.) Niasan’io fanahy io sy notarihiny ireo lehilahy nanoratra hafatra avy amin’Andriamanitra. Hoy àry ny apostoly Petera: “Fantatrareo voalohany indrindra fa tsy misy faminaniana ao amin’ny Soratra Masina avy amin’ny hevitr’olona, satria tsy avy tamin’ny sitrapon’olombelona na oviana na oviana ny faminaniana, fa avy tamin’Andriamanitra kosa no nitenenan’ny olona, araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.” (2Pe 1:20, 21) Nisy heriny teo amin’ny fo sy ny sain’ireo lehilahy rehetra nanoratra Baiboly ny fanahin’Andriamanitra, mba hanatratrarana ny tanjona nokendren’Andriamanitra. Hoy i Davida Mpanjaka: “Ny fanahin’i Jehovah no niteny tamin’ny alalako, ary ny teniny no teo amin’ny lelako.” (2Sa 23:2) Nilaza koa i Jesosy fa nanoratra ny Salamo faha-110 i Davida, “araka ny nambaran’ny fanahy masina” taminy. (Mt 22:43) Ny Marka 12:36 kosa milaza hoe “nampitenenin’ny fanahy masina” i Davida.
Nahavita an’izay nasain’i Jehovah nataony ny lehilahy niasan’ny fanahiny: Nanamboatra akanjon’ny mpisorona sy fitaovana ho an’ny tranolay masina (Ek 28:3; 35:30-35), nitondra vahoaka (De 34:9), ary nitari-tafika (Mpts 3:9, 10; 6:33, 34). Nisy koa lehilahy afaka nanoratra ny Soratra Masina noho ny fiasan’ny fanahin’i Jehovah. Tamin’ny alalan’io fanahy io no nanomezana azy ireo fahendrena, fahiratan-tsaina, fahalalana, torohevitra, ary hery. Nomena an’ireo bebe kokoa izy ireo, arakaraka izay nilainy. (Is 11:2; Mi 3:8; 1Ko 12:7, 8) “Teo ambany herin’ny fanahy masina”, ohatra, i Davida no nahazo ny planin’ny tempoly. (1Ta 28:12) Nanome toky an’ireo apostoly i Jesosy fa hanampy azy ireo ny fanahin’Andriamanitra, hampianatra sy hitari-dalana azy, hampahatsiaro azy ny zavatra efa ren’izy ireo taminy, ary hampahafantatra azy ny hoavy. (Jn 14:26; 16:13) Marina àry ny voalazan’ireo Filazantsara, anisan’izany ireo lahateny lava be nataon’i Jesosy. Marina koa ny Filazantsaran’i Jaona nosoratana an-taonany maro taorian’ny nahafatesan’i Jesosy.
Niasan’ny “tanan’i Jehovah.” Niasa tamin’ireo mpanoratra Baiboly ny “tanan’i Jehovah”, na ny hery itarihany sy ifehezany azy ireo. (2Mp 3:15, 16; Ezk 3:14, 22) Lasa niteny na nangina tamin’ny fotoana voatondrony ny mpanompony niasan’ny ‘tanany.’ (Ezk 3:4, 26, 27; 33:22) Nandrisika olona hanoratra na nisakana azy tsy hanoratra zavatra sasany koa ny ‘tanan’i Jehovah.’ Na ahoana na ahoana, dia mifanaraka amin’izay tian’i Jehovah ny zavatra voasoratra.
Fomba nahazoana ny tari-dalan’Andriamanitra. “Tamin’ny fomba maro” no nitenenan’Andriamanitra tamin’ny mpanompony talohan’ny andro kristianina. (He 1:1, 2) Nomeny zavatra efa voasoratra izy ireo, indray mandeha, fara fahakeliny. Efa voasoratra, ohatra, ny Didy Folo vao nomeny hadikan’i Mosesy teo amin’ny horonana na zavatra hafa. (Ek 31:18; De 10:1-5) Indraindray kosa notononin’i Jehovah ireo teny nasainy nosoratana. Nodidiany toy izao, ohatra, i Mosesy rehefa nomeny an’ireo didy aman-dalàna ho an’ny Israely: “Soraty ireo teny ireo.” (Ek 34:27) Matetika koa no nisy hafatra voafaritra tsara nasainy nampitain’ny mpaminany. Nosoratana ilay izy avy eo, ary lasa anisan’ny Soratra Masina.—1Mp 22:14; Je 1:7; 2:1; 11:1-5; Ezk 3:4; 11:5.
Nampitain’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny nofy sy fahitana koa ny Teniny. Natory ilay mpanoratra, ary nataon’Andriamanitra tao an-tsain’izy io tamin’ny alalan’ny nofy (nantsoina indraindray hoe fahitana tamin’ny alina) ny hafany na ny fikasany. (Da 2:19; 7:1) Matetika anefa no olona tsy natory no nomen’Andriamanitra fahitana, ka nataony tao an-tsain’ilay olona ny heviny. (Ezk 1:1; Da 8:1; Ap 9:17) Indraindray koa toa variana be tamin’ilay fahitana azony ilay olona, ka tsy hitany sy tsy reny intsony izay nitranga nanodidina azy.—As 10:9-17; 11:5-10; 22:17-21; jereo FAHITANA.
Imbetsaka Andriamanitra no naniraka anjely mba hampita hafatra. (He 2:2) Anjely no tena nampiasainy na dia tsy voalaza mivantana aza izany indraindray. Voalaza, ohatra, fa niteny tamin’i Mosesy Andriamanitra rehefa nanome azy ny Lalàna, nefa samy nanazava i Stefana sy Paoly fa anjely no nasain’Andriamanitra nampita ilay izy. (As 7:53; Ga 3:19) Niteny tamin’ny anaran’i Jehovah ireo anjely, ka azo lazaina hoe “tenin’i Jehovah” ny hafatra nampitainy.—Ge 22:11, 12, 15-18; Za 1:7, 9.
Avy amin’ny herin’ny fanahy masina na “avy amin’ny fofonain’Andriamanitra” daholo àry ny Soratra Masina manontolo, na ahoana na ahoana fomba nampitany azy.
Azo lazaina hoe avy amin’ny herin’ny fanahin’Andriamanitra ve ny Baiboly, nefa samy nanana ny fomba filazany hevitra ireo mpanoratra?
Tsy toy ny milina tsy manan-tsafidy ireo nofidin’Andriamanitra hanoratra ny Soratra Masina. Nahariharin’ny anjely “tamin’ny alalan’ny famantarana” tamin’ny apostoly Jaona, ohatra, ny votoatin’ny Apokalypsy, ka lasa “vavolombelona nanambara ny teny nomen’Andriamanitra sy ny fanambarana nataon’i Jesosy Kristy, dia ny zava-drehetra hitany” i Jaona. (Ap 1:1, 2) “Teo ambany herin’ny fanahy masina” izy no “tonga tamin’ny andron’ny Tompo”, ary nilazana hoe: “Izay hitanao dia soraty eo amin’ny horonam-boky.” (Ap 1:10, 11) Navelan’Andriamanitra hampiasa ny sainy àry ny mpanoratra Baiboly ka hifidy an’izay teny hilazana ny fahitana hitany (Ha 2:2), na dia nifehy sy nitari-dalana azy ireo foana aza Izy mba ho marina sy hifanaraka amin’ny fikasany ny zavatra voasoratra. (Oh 30:5, 6) Nisy ezaka tokoa nataon’ireo mpanoratra. Nisaintsaina sy nanao fikarohana lalina ary nandrindra teny, ohatra, ny mpanoratra ny Mpitoriteny, mba hanoratra ‘teny mahafinaritra sy tenim-pahamarinana tsy misy diso.’—Mpto 12:9, 10; ampit. Lk 1:1-4.
Tsy mahagaga àry raha samy hafa ny fomba fanoratra sy ny teny nampiasain’ireo mpanoratra. Mety ho efa nanan-talenta izy ireo matoa nofidin’Andriamanitra, na mety ho nampiany mba ho afaka hanoratra ny teniny.
Mpamory hetra, ohatra, i Matio taloha, ka tsy mahagaga raha niresaka betsaka momba ny tarehimarika sy vola. (Mt 17:27; 26:15; 27:3) I Lioka “dokotera malala” (Kl 4:14) kosa nampiasa teny fampiasan’ny mpitsabo.—Lk 4:38; 5:12; 16:20.
Misy mpanoratra nilaza hoe tonga taminy ny “tenin’i Jehovah” na nahazo “fanambarana” izy. Mety ho tsy notononina taminy anefa ilay izy, fa nomena fahitana izy ary nosoratany ilay izy avy eo. Izany angamba no antony nilazany indraindray hoe “hitako” (fa tsy hoe “reko”) ny “fanambarana” na “tenin’i Jehovah.”—Is 13:1; Mi 1:1; Ha 1:1; 2:1, 2.
Nanaiky hiasan’ny fanahy masin’i Jehovah àry ireo mpanoratra ny Soratra Masina. Vonona hanaraka ny tari-dalan’Andriamanitra izy ireo (Is 50:4, 5), ary naniry mafy hahafantatra ny sitrapony sy hotarihiny. (Is 26:9) Efa nanana tanjona ny mpanoratra sasany (Lk 1:1-4), na te hamaha olana (1Ko 1:10, 11; 5:1; 7:1), ka notarihin’Andriamanitra izy ireo mba hifanaraka amin’ny fikasany sy hanatanteraka izany ny zavatra nosoratan’izy ireo. (Oh 16:9) Olona araka ny fanahy izy ireo ka nahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra sy ‘nanana ny sain’i Kristy’, fa tsy toy ny mpaminany sandoka nampita fahendren’olombelona sy ‘fahitana avy tao am-pony fotsiny.’—1Ko 2:13-16; Je 23:16; Ezk 13:2, 3, 17.
‘Maro samihafa ny fiasan’ny’ fanahy masina teo amin’ireo mpanoratra Baiboly. (1Ko 12:6) Efa nisy zavatra maro be azon’izy ireo nanaovana fikarohana, ary efa voasoratra ny sasany, toy ny tetirazana sy ny boky momba ny tantara. (Lk 1:3; 3:23-38; No 21:14, 15; 1Mp 14:19, 29; 2Mp 15:31; 24:5; jereo BOKY, I.) Nisakana azy ireo tsy hampiditra hevi-diso ao amin’ny Soratra Masina anefa ny fanahin’Andriamanitra, sady nitarika azy hifidy izay tokony hosoratana. Tsy voatery ho avy amin’ny fanahy masina ny tenin’ny olona nampidirina ao amin’ny Baiboly, kanefa teo ambany herin’io fanahy io no nifidianana an’ireo zavatra nosoratana mba ho ny tena zava-nitranga no voasoratra ao. (Jereo Ge 3:4, 5; Jb 42:3; Mt 16:21-23.) Toy izany àry ny fomba nampanoratan’Andriamanitra ny Teniny. Voatantara ao ny soa azon’ireo nankatò azy sy nanao zavatra mifanaraka amin’ny fikasany, sy ny nanjo an’ireo tsy niraharaha na tsy nahalala azy sy ny fitsipiny. Tsy ho hain’ny olona mihitsy kosa ny tantaran’ny tany talohan’ny nisian’ny olombelona (Ge 1:1-26), ny zava-nitranga tany an-danitra (Jb 1:6-12 sy andininy hafa), ireo faminaniana, ary ny fikasan’Andriamanitra sy ny fampianarany, raha tsy nampahafantariny tamin’ny alalan’ny fanahiny. Mety ho afaka nanome torohevitra tsara sy nilaza tenim-pahendrena ny mpanoratra, noho ny zavatra niainany na noho izy nandalina sy nampihatra ny Soratra Masina. Mbola nilainy ihany anefa ny fanahy masina, mba heken’Andriamanitra ho anisan’ny Teniny ny zavatra nosoratany. “Velona sady mahery” mantsy ny Teniny “ka mahay mamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany.”—He 4:12.
Nanome torohevitra ho an’ny manambady sy ny tsy manambady, ohatra, i Paoly ao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintianina. Hoy izy: “Milaza amin’ny hafa kosa aho, eny, izaho fa tsy ny Tompo.” Hoy koa izy: “Ny amin’ny virjiny kosa, dia tsy nahazo didy avy amin’ny Tompo aho. Manome ny hevitro anefa aho.” Hoy indray izy momba ny vehivavy maty vady: ‘Sambatra kokoa izy, araka ny hevitro, raha mitoetra amin’izao. Azoko antoka fa manana ny fanahin’Andriamanitra koa aho.’ (1Ko 7:12, 25, 40) Nilaza ny heviny àry i Paoly satria tsy nampianatra mivantana momba an’ireo zavatra ireo i Jesosy Tompo. Nahazo fanahy masina anefa io apostoly io. “Avy amin’ny fofonain’Andriamanitra” àry ny toroheviny ka lasa anisan’ny Soratra Masina, ary ekentsika toy ny anekentsika ny Soratra Masina manontolo ihany.
Samy hafa tanteraka ireo boky avy amin’ny fanahy masina lasa anisan’ny Baiboly, sy ireo boky tsy anisan’izy io nefa mety ho nosoratana teo ambany fitarihan’ny fanahy ihany. Mety ho nanoratra boky nirakitra ny tantaran’ireo mpanjakan’ny Joda sy Israely, ohatra, ny mpanompon’Andriamanitra sasany. Tsy anisan’ny Soratra Hebreo ireny boky ireny, nefa mety ho nikaroka tao amin’ireny ireo mpanoratra ny Soratra Masina niasan’ny fanahy masina. Azo antoka koa fa nisy taratasy maro hafa nosoratan’ireo apostoly sy anti-panahy ho an’ireo fiangonana maro be tamin’ny androny, ankoatra ireo taratasy lasa anisan’ny Baiboly. Marina fa notarihin’ny fanahy ireo mpanoratra, nefa tsy nofidin’Andriamanitra ho anisan’ny Teniny tsy misy diso ireny taratasy hafa ireny. Mety ho tafiditra tao amin’izy ireny koa ireo fampianarana mbola tsy takatry ny fiangonana kristianina tsara, tsy misy hafa amin’ireo boky hafa taloha (tsy anisan’ny Soratra Hebreo) izay mety ho nisy diso. (Ampit. As 15:1-32; Ga 2:11-14; Ef 4:11-16.) Nomen’Andriamanitra ny fanahiny anefa ny Kristianina sasany mba ‘hahay hamantatra ny fanambarana avy amin’ny fanahy.’ Notarihiny koa ny filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany mba hahay hamantatra hoe inona no boky tokony hekena ho anisan’ny Soratra Masina.—1Ko 12:10; jereo BOKY EKENA HO ANISAN’NY SORATRA MASINA.
Avy amin’ny fanahy masina ny Soratra Masina. Neken’ny mpanompon’Andriamanitra sy Jesosy ary ireo apostoly fa avy amin’ny fanahy masina ireo boky nampidirina tsikelikely ho anisan’ny Soratra Masina. Tsy misy diso ireo boky ireo, ary toy ny hoe Andriamanitra mihitsy no nanoratra azy. Nilaza foana àry ireo mpaminany nanoratra ny Soratra Hebreo hoe avy amin’Andriamanitra ny hafatra nampitainy. Miverimberina in-300 mahery, ohatra, ny hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah.” (Je 2:2; Na 1:12) Tsy nisalasala koa i Jesosy sy ny apostoly naka teny tao amin’ny Soratra Hebreo. Neken’izy ireo mantsy hoe tenin’Andriamanitra izy io, ka azo antoka fa ho tanteraka ary marina ka tsy azo iadian-kevitra. (Mt 4:4-10; 19:3-6; Lk 24:44-48; Jn 13:18; As 13:33-35; 1Ko 15:3, 4; 1Pe 1:16; 2:6-9) “Fanambarana masin’Andriamanitra” no ao amin’izy io. (Ro 3:1, 2; He 5:12) Nilaza i Paoly ao amin’ny Hebreo 1:1 fa niteny tamin’ny Israely tamin’ny alalan’ny mpaminany Andriamanitra. Naka teny tao amin’ny boky maromaro anisan’ny Soratra Hebreo izy avy eo, ary nasehony fa toy ny hoe i Jehovah Andriamanitra mihitsy no nilaza azy ireny mivantana. (He 1:1, 5-13) Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:16; 28:25 sy Hebreo 3:7; 10:15-17, izay ahitana hoe miteny ny fanahy masina.
Nino tanteraka i Jesosy fa tsy misy diso ny Soratra Masina. Hoy izy: “Tsy azo foanana ny Soratra Masina.” (Jn 10:34, 35) Hoy koa izy: “Ho mora kokoa ny hahalevona ny lanitra sy ny tany, noho ny hahalevona ny litera kely indrindra na ny tendron-tsoratra iray ao amin’ny Lalàna, mandra-pahatanterak’izay rehetra voasoratra ao.” (Mt 5:18) Nilaza koa izy fa diso hevitra ireo Sadoseo tsy nino ny fitsanganan’ny maty, satria ‘tsy fantatr’izy ireo na ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra.’ (Mt 22:29-32; Mr 12:24) Nanaiky hosamborina sy hovonoina ho faty izy satria fantany fa hanatanteraka ny Soratra Masina na ny Tenin’Andriamanitra izany.—Mt 26:54; Mr 14:27, 49.
Ny Soratra Hebreo nosoratana talohan’ny andro kristianina no tian’i Jesosy holazaina. Nekena koa anefa fa avy amin’ny fanahy ny Soratra Grika Kristianina. (1Ko 14:37; Ga 1:8, 11, 12; 1Te 2:13) Nilaza, ohatra, i Petera fa anisan’ny Soratra Masina ireo taratasy nosoratan’i Paoly. (2Pe 3:15, 16) Tenin’Andriamanitra àry ny Soratra Masina iray manontolo, ary mirindra sy tsy mifanipaka.—Ef 6:17.
Baiboly natao dika mitovy sy nadika amin’ny fiteny hafa. Tsy misy diso mihitsy àry ny Tenin’Andriamanitra, dia ireo sora-tanana voalohany izay efa tsy misy intsony ankehitriny. Tsy mba toy izany kosa ireo sora-tanana natao dika mitovy sy nadika amin’ny fiteny hafa tatỳ aoriana. Voaporofo tsara anefa hoe kely ny tsy fitovian’ireo sora-tanana ananantsika ankehitriny sy ireo sora-tanana voalohany. Tsy mampiova ny hafatra raketin’ny Soratra Masina akory ireny tsy fitoviana ireny. Azo antoka fa i Jehovah Andriamanitra mihitsy no niaro ny Soratra Masina hatramin’izao, rehefa jerena ny antony nampanoratany azy io. Voalaza koa fa ‘maharitra mandrakizay ny tenin’i Jehovah.’—1Pe 1:25.
Nahoana no misy miova ny andininy ao amin’ny Soratra Hebreo rehefa naverina ao amin’ny Soratra Grika Kristianina?
Imbetsaka ny mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina no naka teny tao amin’ny Soratra Hebreo ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Somary tsy mitovy indraindray ny andininy ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo sy ny andininy mifanitsy aminy ao amin’ny Soratra Hebreo ankehitriny (nadika avy amin’ny Soratra Hebreo nataon’ny Masoreta tamin’ny taonjato fahafolo tany ho any ny ankamaroany). Naka teny tao amin’ny Salamo 40:6, ohatra, i Paoly, ary ilay ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo hoe “fa nanomana vatana ho ahy ianao” no noraisiny (He 10:5, 6), fa tsy ilay hoe “nosokafanao ny sofiko” hita ao amin’ny sora-tanana hebreo ananantsika ankehitriny. Tsy fantatra raha nisy an’ilay teny ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo na tsia ny Soratra Hebreo voalohany. Notarihin’ny fanahin’Andriamanitra anefa i Paoly, ka neken’Andriamanitra ireo teniny ireo. Tsy midika akory izany hoe avy amin’ny fanahy ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo manontolo, fa ireo ampahany naverin’ny Kristianina niasan’ny fanahy ihany no lasa anisan’ny Tenin’Andriamanitra.
Tsy mitovy amin’izay voalaza ao amin’ny sora-tanana hebreo sy grika ananantsika ankehitriny ny teny nolazain’i Paoly sy ny mpanoratra hafa indraindray. Kely anefa ireo tsy fitoviana, ary mety ho filazana amin’ny fomba hafa fotsiny ilay izy, na famintinana, fampiasana teny mitovy hevitra, na fanazavana fanampiny. Ny Genesisy 2:7, ohatra, milaza hoe “lasa zavamananaina ny olona”, fa i Paoly kosa nilaza toy izao rehefa namerina an’io andininy io: “Fa izao mihitsy no voasoratra: ‘Tonga zavamananaina i Adama voalohany.’” (1Ko 15:45) Nampiany hoe “Adama voalohany” ilay izy, satria tiany hasongadina hoe tsy nitovy tamin’i Adama i Kristy. Mifanaraka tsara amin’izay voalazan’ny Soratra Masina ireo teny nampiana ireo, fa tsy manova ny hevitr’ilay andininy. Nanana dika mitovy amin’ny Soratra Hebreo (na Soratra Hebreo nadika amin’ny fiteny hafa) tranainy kokoa noho ny ananantsika ankehitriny koa ireo nanoratan’i Paoly, ka afaka namotopototra hoe marina ve ireo teny naverin’i Paoly, toy ny nataon’ny olona tany Beria ihany. (As 17:10, 11) Neken’ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato voalohany, ary nampidiriny ho anisan’ny Tenin’Andriamanitra azo avy amin’ny fanahy ireny teny nampiana ireny.—Ampitahao koa ny Za 13:7 sy ny Mt 26:31.
“Fanambarana avy amin’ny fanahy.” Hafa kely ny nampiasana ny teny grika hoe pneoma ao amin’ny boky sasany nosoratan’ny apostoly. Nilazan’i Paoly, ohatra, ireo rahalahiny tany Tesalonika mba tsy halaky hientanentana na hikorontan-tsaina “raha misy fanambarana avy amin’ny fanahy, na tenin’olona, na taratasy toa avy aminay, milaza fa efa tonga ny andron’i Jehovah.” (2Te 2:2) Nadika hoe “fanambarana avy amin’ny fanahy” eo ny hoe pneoma (fanahy), ary nampifandraisin’i Paoly tamin’ny “tenin’olona” na “taratasy.” Hoy àry ny Fanazavana ny Soratra Masina nataon’i Lange (p. 126): “Teny avy amin’ny fanahy, toa filazana mialoha ny hoavy, na tenin’ny mpaminany no tian’ilay Apostoly holazaina eo.” (Nadika sy nataon’i P. Schaff, 1976) Hoy koa ny Famakafakana Teny ao Amin’ny Testamenta Vaovao nataon’i Vincent: “Avy amin’ny fanahy. Faminaniana lazain’olona mandritra ny fivoriana kristianina hoe nahariharin’Andriamanitra taminy.” (1957, Boky Faha-4, p. 63) Misy Baiboly nandika ny pneoma hoe “fanahy” fotsiny eo amin’io andininy io sy ny andininy hafa, fa misy kosa manao hoe “hafatra avy amin’Andriamanitra” (DIEM), na “fanambarana avy amin’ny fanahy” (TV).
Asehon’ny tenin’i Paoly fa misy marina ary misy diso ny “fanambarana avy amin’ny fanahy.” Nilaza izy, ohatra, hoe: “Milaza marimarina ny fanambarana avy amin’ny [fanahy masin’i Jehovah] fa hiala amin’ny finoana ny sasany any aoriana any, satria mihaino fanambarana mamitaka avy amin’ny fanahy sy mihaino fampianaran’ny demonia.” (1Ti 4:1) Avy amin’ny demonia àry ny “fanambarana avy amin’ny fanahy” raha diso ilay izy. Manamafy izany ny fahitana hitan’ny apostoly Jaona. Nahita “fanambarana avy amin’ny fanahy, dia fanambarana maloto telo” tahaka ny sahona nivoaka avy tamin’ny vavan’ilay dragona sy ny bibidia ary ny mpaminany sandoka izy. “Fanambarana avy amin’ny demonia” ireny, hoy izy, mba hanangonana an’ireo mpanjakan’ny tany ho amin’ny ady Hara-magedona.—Ap 16:13-16.
Nampirisihin’i Jaona àry ny Kristianina ‘hamantatra aloha raha avy amin’Andriamanitra ireny fanambarana ireny na tsia.’ (1Jn 4:1-3; ampit. Ap 22:6.) Nilaza izy avy eo fa eo anivon’ny fiangonana kristianina no ahazoana fanambarana avy amin’ny fanahin’Andriamanitra, fa tsy eo amin’izao tontolo izao. Avy amin’ny fanahin’i Jehovah Andriamanitra ny tenin’i Jaona, nefa hita ao amin’ny taratasiny koa ny antony nilazany mivantana hoe: “Izay efa mahalala an’Andriamanitra dia mihaino antsika, fa izay tsy avy amin’Andriamanitra kosa tsy mihaino antsika. Izany àry no ahafantarantsika izay fanambarana avy amin’ny fanahy, izany hoe ny fanambarana milaza ny fahamarinana sy ny fanambarana milaza hevi-diso.” (1Jn 4:6) Tsy nanizingizina be ny heviny akory i Jaona. Naneho ny vokatry ny fanahy kosa izy sy ny Kristianina hafa, ka ny fitiavana no nisongadina indrindra. ‘Nandeha tao amin’ny mazava’ koa izy ireo sady tafaray tamin’Andriamanitra, satria tsara fitondran-tena sy nilaza ny marina.—1Jn 1:5-7; 2:3-6, 9-11, 15-17, 29; 3:1, 2, 6, 9-18, 23, 24; ampifan. Tit 1:16.