Deoteronomia
34 Dia niakatra avy eny amin’ny lemaka karakaina any Moaba i Mosesy ka nankany amin’ny Tendrombohitr’i Nebo,+ ho eo an-tampon’i Pisga,+ izay tandrifin’i Jeriko.+ Ary nasehon’i Jehovah azy ilay tany manontolo, hatrany Gileada ka hatrany Dana,+ 2 sy Naftaly manontolo, sy ny tanin’i Efraima sy Manase, sy ny tanin’i Joda manontolo hatrany amin’ny ranomasina andrefana,*+ 3 sy Negeba+ sy ny Faritr’i Jordana,+ sy ny lemak’i Jeriko, ilay tanàna be hazo palmie, ary hatrany Zoara.+
4 Ary hoy i Jehovah taminy: “Io ilay tany nianianako tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: ‘Ny taranakao no homeko an’io.’+ Avelako hahita azy io ny masonao, saingy tsy hiampita eny ianao.”+
5 Dia maty teo i Mosesy mpanompon’i Jehovah. Maty tany Moaba izy, araka ny efa nolazain’i Jehovah.+ 6 Koa naleviny tao amin’ilay lohasaha tany Moaba, tandrifin’i Beti-peora, izy, ary tsy misy mahalala ny fasany hatramin’izao.+ 7 Ary 120 taona i Mosesy tamin’izy maty,+ nefa tsy nihananjavozavo ny masony, sady tsy nihena ny heriny. 8 Ary nitomany an’i Mosesy nandritra ny 30 andro ny vahoakan’Israely,+ teny amin’ny lemaka karakaina any Moaba. Dia tapitra ny andro nitomaniana sy nisaonana azy.
9 Ary feno fahendrena* i Josoa zanak’i Nona, satria i Mosesy efa nametra-tanana taminy.+ Dia nanomboka nihaino azy ny Israelita, ka nanao araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.+ 10 Mbola tsy nisy mpaminany tena fantatr’i Jehovah tsara*+ hoatran’i Mosesy+ mihitsy anefa teo amin’ny Israely. 11 Nataon’i Mosesy tamin’i Farao sy ny mpanompony rehetra ary tamin’i Ejipta manontolo ny famantarana sy fahagagana rehetra nasain’i Jehovah nataony, tamin’izy nirahiny nankany.+ 12 Nampiasa herin-tsandry sy hery lehibe teo imason’ny Israely rehetra izy tamin’izany.+