Ny anjara toeran’ny vehivavy ao amin’ny Soratra masina
“Ity dia hatao hoe, ‘vehivavy’, satria lehilahy no nanalana azy.” — GENESISY 2:23.
1, 2. a) Ahoana no eritreretin’ny olona sasany fa fiheveran’ny Baiboly ny vehivavy? b) Mba ho ara-drariny, fampitahana inona no tokony hatao, ary inona no nolazain’ny boky fakàn-teny iray?
AHOANA no fiheveran’ny Soratra masina ny vehivavy? Maro karazanaa ny hevitra ny amin’izany. Milaza toy izao ny amin’io foto-dresaka io ny boky vao haingana iray: “Ny hevitra mahazatra efa ao an-tsain’ny olona dia hoe manambany ny vehivavy ny Baiboly.” Milaza ny olona sasany fa ao amin’ny tapany hebreo sy grika ny Baiboly dia mitondra ny vehivavy amin’ny fomba henjana. Marina ve izany?
2 Mba ho ara-drariny, dia mety aloha ny mandinika ny fomba nitondrana ny vehivavy tamin’ny andron’ny Baiboly, teo anivon’ireo firenena tsy nanompo an’i Jehovah. Teo amin’ny sivilizasiôna fahiny sasany izay nanompo andriamanibavy reny, dia nomena haja ny vehivavy tamin’ny naha-mariky ny fahavokarana azy. Toa nohajaina fatratra izy ireo tany Babylona sy tany Egypta. Tany an-toeran-kafa anefa izy ireo dia tsy nahita fahombiazana toy izany. Tany Asyria fahiny, ny lehilahy iray dia afaka nanary ny vadiny araka izay tiany ary namono nahafaty azy mihitsy aza raha nanitsakitsaka azy izy. Tany ivelan’ny trano izy ireo dia tsy maintsy nanisy fisalobonana. Tany Grisia sy tany Roma, dia ny vehivavy nanankarena ihany, izay ny ankamaroany dia sakaiza ratsin’ireo olona ambony, na mpivaro-tena ambony laharana, no afaka nianatra na nanana fahafahana sasany. Noho izany dia mamelombelona erỳ ny mamaky ao amin’ny Ny Rakibolana iraisam-pirenena momba ny teôlôjian’ny Testamenta Vaovao (anglisy) hoe:a “Nifanohitra tamin’ireo sisa amin’izao tontolo izao (ara-pivavahana) tatsinanana, izy [ny vehivavy ao amin’ny Soratra hebreo] dia nekena tamin’ny naha-olona sy tamin’ny naha-naman’ny lehilahy azy.” Izany dia voalaza tsara ao amin’ilay boky mamarana ny Soratra hebreo, izay ilazalazan’ny mpaminanin’i Jehovah ny vadin’ny lehilahy iray ho toy ny ‘namany’ tamin’ny fanampiana teny toy izao: “Aoka tsy hisy hamitaka ny vadin’ny fahatanorany.” — Malakia 2:14, 15.
Noforonina hifanitsy amin’ny lehilahy
3 miaraka amin’ny fanamarihana ambany pejy. a) Taorian’ny namoronana an’i Adama, asa inona no nanendren’i Jehovah azy? b) Na dia mbola tsy nanana vady aza izy hatramin’io fotoana io, inona no hita fa marina nikasika an’i Adama talohan’ny famoronana an’i Eva, ary inona no hita fa marina koa mikasika an’i Jesosy ilay “Adama farany”?
3 Araka ny Baiboly, i Jehovah dia namorona an’i Adama “avy tamin’ny vovoky ny tany” ary nametraka azy tao amin’ny zaridainan’i Edena mba hiasa izany. Nentin’Andriamanitra teo amin’i Adama ny biby dia tany an-tsaha sy ny voro-manidina mba hahafahany mandinika sy manome anarana azy ireo. Irery i Adama nandritra ny fotoana laniny tamin’izany na toy inona na toy inona faharetany. Tamin’ireo asa nanendren’i Jehovah azy hatramin’io fotoana io, dia tanteraka sy feno izy, ary tsy nisy tsy ampy taminy.b Tsy nanana “mpanampy ho famenony izy”. — Genesisy 2:7, 15, 19, 20, MN.
4, 5. a) Rehefa tsy tsara intsony ny hitoeran’i Adama irery, dia inona no nataon’i Jehovah? b) Asa lavitra ezaka inona no nanendren’i Jehovah an’i Adama sy Eva, ary hitaky inona avy amin’izy mivady izany?
4 Na dia izany aza, rehefa nandeha kelikely ny fotoana, dia nambaran’i Jehovah fa “tsy tsara raha irery ralehilahy”, ary nanomboka nanome an’i Adama namana hiara-mandray anjara aminy amin’ny asa nipetraka teo anoloany izy. Nampatoriny i Adama, nesoriny ny iray tamin’ny taolan-tehezany, ary nanaovany ny vehivavy izany, ‘taolana avy tamin’ny taolan’i Adama, ary nofo avy tamin’ny nofony’. Izao dia nahazo “mpanampy” i Adama, “fameno” na ny mifanitsy aminy. “Ary Andriamanitra nitso-drano azy [azy ireo, MN] hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.” — Genesisy 1:25, 28; 2:18, 21-23.
5 Mariho fa nomena “azy ireo”, ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy niaraka, io asa nanendrena io. Tsy voafetra fotsiny tamin’ny famenoana ny tany ny fiaraha-miasan’izy ireo. Izany dia nahatafiditra koa ny fampanompoana ny tany ary ny fampiharana fanapahana mety teo amin’ny zavaboary ambany kokoa rehetra. Ho nitaky fahaizana ara-tsaina sy ara-panahy izany, ary samy nanana ny fahafahana nilaina mba hampitomboana izany na ilay lehilahy na ilay vehivavy, nifanaraka tamin’ny sitrapon’Andriamanitra.
Anjara toerana sahaza ny vehivavy
6. a) Inona no asehon’ny Baiboly mikasika ny tsy fitovian’ny herim-batana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy? b) Ahoana no tokony ho fanjohian-kevitra hataon’ny vehivavy mba hanekena ny fandaharan’i Jehovah zavatra?
6 Mazava ho azy fa hila herim-batana koa ny fiasana ny tany. Tamin’ny fahendreny tsy hita fetra, i Jehovah dia namorona an’i Adama voalohany, avy eo dia i Eva. Noforonina “avy amin’ny lehilahy”, “ho an’ny lehilahy” izy ary toa nanana herim-batana kely kokoa noho ny an’ny lehilahy. (1 Timoty 2:13; 1 Korintiana 11:8, 9, MN; ampitahao amin’ny 1 Petera 3:7.) Zava-misy ny hoe toa zava-tsarotra ho an’ireo mpitady ny fitovian-jo maro, sy ho an’ny vehivavy hafa sasany koa ny fanekena. Azo antoka fa ho sambatra kokoa izy ireo raha miezaka mahatakatra ny antony nandaharan’i Jehovah ny zavatra tamin’izany fomba izany, ka amin’izay dia hanaiky ny anjara toerana nomen’Andriamanitra azy. Ny olona izay mitaraina ny amin’ny fandaharana nataon’Andriamanitra dia azo ampitovina amin’ny voronkely mpisiotsioka amin’ny alina iray midongy ao anaty akaniny noho izy tsy matanjaka toy ny vorona mpanjono an-dranomasina iray, fa tsy misidina eny an-tendron-drantsan-kazo ary mihira amim-pankasitrahana noho ny fanomezana tsy manam-paharoa nomen’Andriamanitra azy.
7. Nahoana i Adama no tsara toerana mba ho filohan’i Eva sy izay mety ho zanaka hateraka, kanefa moa ve izany hitondra fahavoazana ho an’i Eva?
7 Talohan’ny namoronana an’i Eva, dia tsy isalasalana fa nahita fanandraman-javatra maro teo amin’ny fiainana i Adama. Nandritra izany fotoana izany, dia nomen’i Jehovah toromarika sasany izy. Tsy maintsy nampita izany tamin’ny vadiny i Adama, ka tamin’izay dia niasa tamin’ny naha-mpitondra tenin’Andriamanitra azy. Araka ny fandrindran-kevitra, izy dia tokony ho nitarika ny raharaha rehetra nahakasika ny fanompoana sy ny asa ho an’Andriamanitra izay tsy maintsy nefaina mba hanatanterahana ny asa nanendrena azy ireo. Rehefa teraka ny ankizy, dia ho lohan’ny fianakaviana izy. Kanefa izany dia tsy ho fahavoazana ho an’ny vadiny. Tombontsoa ho azy kosa aza izany, satria hanana olona hanohana azy izy rehefa nampihatra ny fahefana nomen’Andriamanitra azy eo amin’ireo zanany.
8. Filaharan-javatra nataon’Andriamanitra inona no soritana ao amin’ny Baiboly?
8 Araka ny filaharan-javatra nataon’Andriamanitra, i Adama dia tompon’andraikitra ampamoahina eo anatrehan’i Jehovah, i Eva dia eo ambany fitondran’i Adama, izay zanaka rehetra dia ho eo ambany fitarihan’ny ray aman-dreniny, ary ho eo ambany fanapahan’ny olombelona ny biby. Samy nanana ny anjara toerany avy ny lehilahy sy ny vehivavy, ary afaka nanana fiainana sambatra sy namokatra ny tsirairay. Amin’izay dia ‘ho afaka haka toerana amim-pahamendrehana sy araka ny filaharany ny zava-drehetra’. — 1 Korintiana 11:3; 14:33, 40, NW, fanamarihana ambany pejy.
Nanova ny anjara toeran’ny vehivavy ny ota
9, 10. Inona no vokatry ny fahalavoana tao amin’ny ota ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy, ary inona no naterak’izany ho an’ny vehivavy maro?
9 Mazava ho azy fa ny fidiran’ny ota sy ny tsy fahatanterahana tao amin’ny Paradisa tany am-boalohany dia nanimba io fandaharan-javatra nilamina io. (Romana 7:14-20). Nitondra fijaliana ho an’ilay lehilahy mpikomy sy ny vadiny tsy nankatò izany. (Genesisy 3:16-19). Hatramin’izay, dia lehilahy tia tena maro no nanararaotra ny zony hitondra ka nitondra fahoriana be ho an’ny vehivavy tamin’ny fotoana rehetra.
10 Noho ny fahitana mialoha io vokatra manokan’ny ota io, i Jehovah dia nilaza tamin’ny Eva hoe: “Ny vadinao no hianteheran’ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.” (Genesisy 3:16). Izany fanapahana feno halozana izany dia tsy fampiharana mety ny fitondrana akory. Nanome taratry ny toe-piainan’ny lehilahy mpanota sy ny tsy fahatanterahan’ny vehivavy koa izy io, satria indraindray ny vehivavy dia nijaly noho ny nanandramany naka ny fahefan’ny vadiny.
11. Inona no zavatra marina ho an’ny vehivavy maro, ary inona no nosoratan’ny mpanoratra iray ny amin’ny vehivavy tamin’ny andron’ireo patriarka?
11 Arakaraka ny nanarahana ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly anefa, dia vehivavy maro no nahita fahafahampo sy fahasambarana. Izany no izy na dia tamin’ny andron’ireo patriarka aza. Raha niresaka ny amin’izany vanim-potoana izany tao amin’ny bokiny hoe La Bible au Féminin i Laure Aynard mpanoratra, dia nanoratra hoe: “Ny miavaka indrindra amin’ireo fitantarana rehetra ireo dia ny anjara toerana lehibe notanan’ny vehivavy, ny hajany teo imason’ireo patriarka, ny fahaizany manombo-javatra amin-kasahiana, ary ny rivo-piainana feno fahafahana niainany.”
Ny vehivavy teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy
12, 13. a) Inona no toeran’ny vehivavy teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy? b) Ahoana no nitondrana ny vehivavy teo amin’ny lafiny ara-panahy teo ambanin’ny Lalàna?
12 Araka ny lalàn’i Jehovah nomena tamin’ny alalan’i Mosesy, ny vehivavy vady dia tsy maintsy ‘lalaina’. (Deoteronomia 13:6, MN [13:7, mg]). Tsy maintsy nohajaina ny fahamendrehan’ny vehivavy eo amin’ny raharaha mahakasika ny firaisana, ary tsy misy vehivavy tokony hanaovana fitondrana ratsy eo amin’ny maha-lahy sy vavy. (Levitikosy 18:8-19). Mitovy eo anatrehan’ny Lalàna ny lehilahy sy ny vehivavy meloka noho ny fanitsakitsaham-bady, ny fananana firaisana amin’olon-tsy heny, na ny firaisana amin’ny biby. (Levitikosy 18:6, 23; 20:10-12). Ny didy fahadimy dia nitaky ny hanomezana fanajana mitovy ny ray sy ny reny. — Eksodosy 20:12.
13 Ambonin’izany rehetra izany, ny Lalàna dia nanome fahafahana feno ho an’ny vehivavy mba hampitomboany ny fiainany ara-panahy. Nandray soa avy tamin’ny famakiana ny Lalàna izy ireo. (Josoa 8:35; Nehemia 8:2, 3). Notakina taminy ny hitandrina ireo andro firavoravoana ara-pivavahana. (Deoteronomia 12:12, 18; 16:11, 14). Nandray anjara tamin’ny Sabata isan-kerinandro izy ireo ary afaka nanao ny voadin’ny Nazirita. (Eksodosy 20:8; Nomery 6:2). Nanana fifandraisana manokana tamin’i Jehovah izy ireo ary nivavaka taminy manokana. — 1 Samoela 1:10.
14. Inona no nolazain’ny manam-pahaizana katolika momba ny Baiboly iray mikasika ireo vehivavy hebreo, ary inona no azo lazaina ny amin’ny anjara toeran’ny vehivavy teo ambanin’ny Lalàna?
14 Raha nanazava ny amin’ny vehivavy hebreo ny manam-pahaizana katolika momba ny Baiboly atao hoe Roland de Vaux dia nanoratra toy izao: “Azo antoka fa nianjera taminy avokoa ny asa mafy rehetra tao an-trano; niandry andian’ondry izy, niasa tany an-tsaha, nahandro ny sakafo, namoly sy ny toy izany. Ireo asa toa tsy nahafinaritra nefa tsy maintsy natao ireo anefa dia tsy nanambany velively ny toerany, fa nahatonga azy ho mendrika hanehoam-piheverana. (...) Ary ireo teny vitsy dia vitsy izay manome antsika topy maso amin’ny fiainana manokan’ny fianakaviana ireo, dia mampiseho fa ny vehivavy vady isiraelita dia notiavina sy nohainoin’ny vadiny, ary nentiny toy ny olona nitovy taminy (...) Ary tsy misy isalasalana fa izany no sary ara-dalàna. Izany dia taratra marina ny amin’ny fampianarana notahirizina ho masina ao amin’ny Genesisy, izay ilazana fa Andriamanitra dia namorona ny vehivavy ho vady mpanampy ny lehilahy izay tsy maintsy nifikitra taminy (Ge 2:18, 24); ary ny toko farany amin’ny Ohabolana dia mihira ny fiderana ny vehivavy mpikarakara tokantrano tsara, isaoran’ireo zanany, ary reharehan’ny vadiny (Oh 31:10-31).” (Isiraely fahizay — Ny fiainany sy ireo fombany [anglisy]). Tsy isalasalana fa rehefa narahina ny Lalàna teo amin’ny Isiraely, dia tsy nentina tamin’ny fomba ratsy ny vehivavy.
Vehivavy niavaka
15. a) Amin’ny ahoana ny fitondrantenan’i Saraha no manome ohatra ny amin’ny fifandraisana mety eo amin’ny lehilahy sy ny vadiny? b) Nahoana izay nitranga tamin’i Rahaba no tsara homarihina?
15 Ny Soratra hebreo dia mirakitra ohatra maro ny amin’ny vehivavy izay mpanompon’i Jehovah Andriamanitra niavaka. I Saraha dia nanome ohatra tsara dia tsara ny amin’ny fomba ahafahan’ny vehivavy tia fivavahana iray sady manaiky ny vadiny no manampy azy eo amin’ny fanaovana fanapahan-kevitra. (Genesisy 21:9-13; 1 Petera 3:5, 6). Tsara homarihina koa izay nitranga tamin’i Rahaba. Izany dia mampiseho fa lainga ny fiampangana hoe manavakava-pirazanana i Jehovah ary masiaka amin’ny vehivavy. Mpivaro-tena tsy Isiraelita i Rahaba. Tsy vitan’ny hoe nanaiky azy ho mpivavaka taminy i Jehovah, fa nanambara azy ho marina noho ny finoany lehibe nohamafisiny tamin’ny asa, anisan’izany ny fiovana teo amin’ny fomba fiainany. Fanampin’izany dia namaly soa azy izy tamin’ilay tombontsoa niavaka ho tonga razamben’ny Mesia. — Matio 1:1-5; Hebreo 11:31; Jakoba 2:25.
16. Manazava inona ny ohatr’i Abigaila, ary nahoana no azo nekena ny fomba nanaovany zavatra?
16 Izay nitranga tamin’i Abigaila dia manazava fa i Jehovah akory tsy mitaky amin’ny vehivavy fanekena an-jambany ny vadiny. Lehilahy nanankarena ny vadiny, nanana andian’ondry sy osy maro be. Izy io anefa dia ‘saro-po sy ratsy tamin’izay nataony’. Tsy nety nanaraka ny vadiny tamin’ny lalan-dratsiny i Abigaila. Tamin’ny fanehoana fahamalinana, fahiratan-tsaina, fanetren-tena, ary fahakingan-tsaina, dia nisoroka toe-javatra izay nety ho niteraka loza ho an’ny ankohonany izy, ary dia nomen’i Jehovah fitahiana nanana amby ampy izy. — 1 Samoela 25:2-42.
17. a) Tombontsoa niavaka inona no nananan’ny vehivavy sasany teo amin’ny Isiraely? b) Fianarana inona no raketin’ny ohatr’i Miriama ho an’ireo vehivavy kristiana izay mety ho nomena tombontsoam-panompoana sasany?
17 Nisy aza vehivavy vitsivitsy mpaminanivavy mihitsy. Toy izany i Debora, nandritra ny andron’ireo mpitsara. (Mpitsara toko faha-4 sy faha-5). Mpaminanivavy tao Joda i Holda, fotoana fohy talohan’ny nandravana an’i Jerosalema. (2 Mpanjaka 22:14-20). Tsara homarihina koa izay nitranga tamin’i Miriama. Na dia resahina ho toy ny mpaminanivavy, nirahin’i Jehovah aza izy, dia nisy fotoana toa nahatonga azy hanana fiheverana ambony loatra ny amin’ny tenany. Tsy nanaiky ny fahefana nomen’i Jehovah an’i Mosesy zandriny lahy mba hitarihana ny Isiraely izy, ary nofaizina noho izany, kanefa dia toa nibebaka izy ka naverina tamin’ny toerany teo aloha indray. — Eksodosy 15:20, 21; Nomery 12:1-15; Mika 6:4.
Ny vehivavy teo ambanin’ny jodaisma
18, 19. Inona no toeran’ny vehivavy teo ambanin’ny jodaisma, ary ahoana no nahatonga izany?
18 Araka ny hitantsika, ny Lalàn’i Mosesy dia niaro ny zon’ny vehivavy ary, rehefa narahina izy io, dia namela ireo vehivavy hanana fiainana nahafapo. Kanefa arakaraka ny fandehan’ny fotoana, indrindra fa taorian’ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.fan.ir., dia nandroso ny fivavahana jodaisma, niorina kokoa tamin’ny lovantsofina fa tsy tamin’ny Lalàn’i Jehovah voasoratra. Nanomboka tamin’ny taonjato fahefatra al.fan.ir., ny jodaisma dia nandray betsaka tamin’ny filôzôfia grika. Matetika ireo filôzôfa grika dia tsy nanisy fiheverana firy ny amin’ny zon’ny vehivavy, koa nitranga ny fiovana kely teo amin’ny toeran’ny vehivavy tao amin’ny jodaisma. Hatramin’ny taonjato fahatelo al.fan.ir., ireo vehivavy dia nanjary nosarahina tamin’ny lehilahy tao amin’ireo synagoga jiosy, ary tsy nampirisihina hamaky ny Torah (Lalàn’i Mosesy). Niaiky toy izao ny Encyclopaedia Judaica: “Ho vokatr’izany dia vitsy ny vehivavy nahita fianarana.” Natao ho an’ny zazalahy indrindra ny fianarana.
19 Nanoratra toy izao i J. Jeremias ao amin’ilay bokiny hoe Jerosalema tamin’ny andron’i Jesosy (anglisy): “Raha fintinina, ny toeran’ny vehivavy ao amin’ny lalàna ara-pivavahana dia voalaza tsara ao amin’ity fiteny averimberina tsy tapaka ity: ‘Ny vehivavy sy ny andevo (Jentilisa) ary ny ankizy.’ (...) Azontsika anampy an’izany rehetra izany fa nisy fiheverana maro be nanamavo ny vehivavy. (...) Noho izany, dia heverinay fa ny jodaisma tamin’ny andron’i Jesosy koa dia nanana fiheverana tena ambany mikasika ny vehivavy.”
Vehivavy tsy nivadika izay niandry ny Mesia
20, 21. a) Na dia teo aza ny fihetsik’ireo filoham-pivavahana jiosy nampiseho fanambaniana ny vehivavy, iza no hita anisan’ireo niambina raha nanakaiky ny fotoan’ny Mesia? b) Inona no mampiseho fa nanana fifikirana lalina tamin’Andriamanitra i Elizabeta sy i Maria?
20 Izany fihetsika nampiseho fanambaniana ny vehivavy izany dia fomba iray ‘nanafoanan’ireo raby ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fampianarana voatolotra azy ireo’. (Marka 7:13). Na dia teo aza anefa io fanamavoana io, raha nanatona ny fotoana hahatongavan’ny Mesia, dia nisy vehivavy tia fivavahana sasany niambina tamim-pitandremana. Elizabeta, vadin’i Zakaria mpisorona Levita, ny iray tamin’ireny. “Samy marina teo anatrehan’Andriamanitra izy mivady sady nitondra tena tsy nanan-tsiny araka ny didy sy ny fitsipika rehetra nomen’ny Tompo [Jehovah, MN].” (Lioka 1:5, 6). Notahin’i Jehovah manokana i Elizabeta tamin’izay, ka na dia momba sy be taona aza izy, dia tonga renin’i Jaona Mpanao batisa. — Lioka 1:7, 13.
21 Natosiky ny fanahy masina, i Elizabeta ka naneho fitiavana lalina tamin’ny vehivavy tia fivavahana hafa iray tamin’ny androny, havany iray nantsoina hoe Maria. Tany amin’ny faran’ny taona 3 al.fan.ir. tany ho any, rehefa nilazan’ny anjely Gabriela i Maria fa hitoe-jaza (an’i Jesosy) amin’ny fomba mahagaga, dia niantso azy hoe “Ilay nohasoavina” izy, ka nanampy hoe: “Ny Tompo [Jehovah, MN] momba anao”. Tsy ela taorian’izay i Maria dia nitsidika an’i Elizabeta izay nitso-drano azy sy ilay zaza tao an-kibony, niantso an’i Jesosy hoe “Tompoko” na dia mbola tsy teraka aza izy. Tamin’izay, i Maria dia nanomboka niteny fiderana an’i Jehovah ka izany dia manome porofo miharihary ny amin’ny fifikirany lalina tamin’Andriamanitra. — Lioka 1:28, 31, 36-55.
22. Taorian’ny nahaterahan’i Jesosy, vehivavy natahotra an’Andriamanitra iza no niseho ho anisan’ireo niandry ny Mesia?
22 Rehefa teraka i Jesosy ka nentin’i Maria tany amin’ny tempoly tany Jerosalema mba hampisehoana azy eo anatrehan’i Jehovah, dia nisy vehivavy natahotra an’Andriamanitra hafa iray, i Ana mpaminanivavy be taona, izay naneho ny hafaliany. Nisaotra an’i Jehovah izy ary niresaka ny amin’i Jesosy tamin’izay rehetra niandry tamim-panahiana ilay Mesia nampanantenaina. — Lioka 2:36-38.
23. Ahoana no niresahan’ny apostoly Petera ny amin’ireo vehivavy nahatoky talohan’ny andro kristiana, ary fanontaniana inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
23 Araka izany, raha nanatona ny fotoana hanaovan’i Jesosy ny fanompoany teto an-tany, dia mbola nisy ihany “vehivavy masina (...) izay nanantena an’Andriamanitra”. (1 Petera 3:5). Tonga mpianatr’i Kristy ny sasany tamin’ireny vehivavy ireny. Ahoana no nitondran’i Jesosy azy ireo? Ary moa ve misy vehivavy amin’izao andro izao manaiky amim-pifaliana ny anjara toerany araka izay voasoritra ao amin’ny Baiboly? Hodinihina ireo fanontaniana ireo ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Boky faha-3, pejy faha-1055.
b I Jesosy Kristy, ilay “Adama farany”, dia lehilahy tanteraka sy feno toy izany koa, na dia tsy nanana vady olombelona aza. — 1 Korintiana 15:45.
Fanontaniana ho famerenana
◻ Ahoana no tsy nitovian’ny fitondrana ny vehivavy teo amin’ny Isiraely tamin’izay tany amin’ny tany hafa?
◻ Toerana tsy mitovy inona avy no notanan’i Adama sy Eva, ary nahoana?
◻ Toerana inona no notanan’ny vehivavy isiraelita teo ambanin’ny Lalàna, ary moa ve izy ireo tsy nomena tombontsoa teo amin’ny lafiny ara-panahy?
◻ Inona no sasany amin’ny fianarana azo tsoahina avy amin’ny fiainan’ireo vehivavy niavaka ao amin’ny Soratra hebreo?
◻ Ohatra tsara dia tsara ny amin’ny finoana inona no mety ho hita na dia teo aza ny fomba fihevitra ao amin’ny jodaisma?
[Efajoro, pejy 10]
“NY VEHIVAVY MATAHOTRA AN’I JEHOVAH”
“10 Iza no mahita vehivavy tsara? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy. 11 Matoky azy ny fon’ny lahy, ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy. 12 Soa no ataon-dravehivavy aminy, fa tsy ratsy, amin’ny andro rehetra iainany. 13 Mizaha volon’ondry sy rongony izy ary mazoto miasa amin’ny tànany. 14 Toy ny sambon’ny mpandranto izy, ka avy any amin’ny lavitra no itondrany ny haniny. 15 Mifoha izy, raha mbola alina, ka manome hanina ho an’ny ankohonany sy anjara ho an’ny ankizivaviny. 16 Mihevitra saha izy ka mahazo azy; ny vokatry ny tànany no anaovany tanimboaloboka. 17 Misikina hery izy, ary hatanjahiny ny sandriny. 18 Hitany fa tsara ny tombom-barony, ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy. 19 Mandray ny fihazonam-bohavoha izy, ary ny tànany mihazona ny ampela. 20 Manatsotra ny tànany amin’ny ory izy, eny, mamelatra ny tànany amin’ny mahantra. 21 Tsy manahy ny orampanala ho amin’ny ankohonany izy; fa ny ankohonany rehetra samy voatafy volon’ondry mena avokoa 22 Manao firakotra ho azy izy; ny fitafiany dia rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy. 23 Ny lahy hajaina eo am-bavahady, raha miara-mipetraka eo amin’ny loholona. 24 Manao akanjo hariry madinika ravehivavy ka mivarotra izany, ary fehin-kibo no amidiny amin’ny mpandranto. 25 Hery sy voninahitra no fitafiany, ary ny andro ho avy dia ihomehezany. 26 Manokatra ny vavany amin’ny fahendrena izy; ary ny lalàn’ny famindrampo no eo amin’ny lelany. 27 Mitandrina tsara ny ataon’ny ankohonany izy ary tsy homana ny mofon’ny fahalainana. 28 Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra; ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe: 29 Maro no zazavavy nanao soa, fa hianao manoatra noho izy rehetra. 30 Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; fa ny vehivavy matahotra an’i Jehovah ihany no hoderaina. 31 Omeo azy ny avy amin’ny vokatry ny tànany; ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady.” — Ohabolana 31:10-31.
[Sary, pejy 8, 9]
Natao ho mendri-kaja ny toeran’ny vehivavy tao amin’ny fianakaviana