“Lahy sy Vavy no Namoronany Azy”
“Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.” — GENESISY 1:27.
1. Nahoana ny fahamarinana no fitahiana ho an’ny lehilahy sy vehivavy kristiana?
MAHAFINARITRA toy inona moa ny hoe eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah, sy ny mifanerasera amin-dehilahy sy vehivavy, ary koa ankizilahy sy ankizivavy, izay mametraka ny fitiavana sy ny fankatoavana an’Andriamanitra ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainany! Ny fahamarinana koa dia manafaka antsika amin’ireo fihetsika sy ny fitondran-tena izay tsy mampifaly an’i Jehovah Andriamanitra, ary mampianatra antsika hiaina araka ny tokony hataon’ny Kristiana izy io. (Jaona 8:32; Kolosiana 3:8-10). Ohatra, hatraiza hatraiza ny olona dia manana fanao nentim-paharazana na fiheverana mahakasika ny fomba tokony hanehoan’ny lehilahy ny toetran-dehilahy ananany, ary ny vehivavy ny toetram-behivavy ananany. Moa ve mandeha ho azy fotsiny ny hoe lehilahy teraka manan-toetran-dehilahy sy ny hoe vehivavy teraka manan-toetram-behivavy? Sa misy anton-javatra hafa tsy maintsy dinihina?
2. a) Inona no tokony hamaritra ny fomba fihevitsika ny toetran-dehilahy sy ny toetram-behivavy? b) Inona no nitranga tamin’ny fomba fihevitra momba ny lahy sy ny vavy?
2 Ho antsika Kristiana, dia ny Tenin’Andriamanitra no fahefana ekentsika, na manao ahoana na manao ahoana fomba fihevitra ara-kolontsaina, na nentim-paharazana nety ho azontsika manokana. (Matio 15:1-9). Tsy mivalampatra amin’ireo lafiny rehetra amin’ny toetran-dehilahy sy ny toetram-behivavy, ny Baiboly. Avelany hisy kosa ny karazany maro samihafa, araka ny hitantsika ao amin’ireo kolontsaina samy hafa. Mba ho araka izay naharian’Andriamanitra azy ireo, ny lehilahy dia tsy maintsy manan-toetran-dehilahy, ary ny vehivavy, manan-toetram-behivavy. Nahoana? Satria, ho fanampin’ny nanaovana ny lehilahy sy ny vehivavy mba hifameno ara-batana, dia natao hifameno amin’ny alalan’ireo toetran-dehilahy sy toetram-behivavy, izy ireo. (Genesisy 2:18, 23, 24; Matio 19:4, 5). Kanefa dia nanjary nivilana na niolana ny fomba fihevitra momba ny lahy sy ny vavy. Maro no mampitovy ny toetran-dehilahy amin’ny fanapahana amin-kasiahana, ny toetra henjana, na ny fanamparana ny maha-lehilahy azy. Any amin’ny kolontsaina sasany, dia tsy ho fahita firy, na hahamenatra ny hoe lehilahy mitomany, na ampahibemaso izany na mitokana. Kanefa, fony izy teo anivon’ny vahoaka, teo ivelan’ny fasan’i Lazarosy, dia ‘nitomany i Jesosy’. (Jaona 11:35). Ho an’i Jesosy izay nanana toetran-dehilahy tonga lafatra, izany dia tsy hoe zavatra tsy nety. Amin’izao andro izao, dia maro no manana fomba fihevitra tsy voalanjalanja ny amin’ny toetram-behivavy, ka mihevitra azy io ho hatsaran-tarehy ara-batana sy ho fanintonana hanao firaisana fotsiny.
Tena toetran-dehilahy marina sy tena toetram-behivavy marina
3. Ahoana no tsy itovian’ny lehilahy sy ny vehivavy?
3 Inona no atao hoe tena toetran-dehilahy marina? Ary inona no atao hoe tena toetram-behivavy marina? Hoy ny The World Book Encyclopedia: “Tsy mitovy ny ankamaroan’ny lehilahy sy ny vehivavy, tsy eo amin’ny rafi-batana ihany, fa eo amin’ny fihetsika sy ny zava-mahaliana azy koa. Ny sasany amin’izany tsy fitoviana izany dia avy amin’ny maha-isika antsika nolovantsika. (...) Misy tsy fitoviana maro tsy araka ny rafi-batana anefa toa miorina amin’izay nianarana isam-batan’olona momba ny anjara asan’ny lahy sy ny vavy. Teraka ho lahy na ho vavy ny olona, saingy ianarany kosa ny hanana toetran-dehilahy na toetram-behivavy.” Mety hanazava zavatra maro ny maha-isika antsika nolovantsika, kanefa ny fitomboan’ny toetran-dehilahy na ny toetram-behivavy araka ny mety dia miankina amin’ny fianarantsika izay takin’Andriamanitra sy amin’izay fidintsika hokatsahina eo amin’ny fiainana.
4. Inona no ambaran’ny Baiboly momba ny anjara asan’ny lehilahy sy ny vehivavy?
4 Ahariharin’ny tantaran’ny Baiboly fa ny anjara asan’i Adama dia ny hitari-dalana amin’ny maha-lohan’ny vady aman-janany azy. Tokony hekeny koa ny sitrapon’Andriamanitra, dia ny hameno ny tany sy hampanompo azy io ary hanjaka eo amin’ny zavatra noforonina ambany kokoa rehetra eto an-tany. (Genesisy 1:28). Ho an’i Eva kosa, ny asan’ny vehivavy ao amin’ny fianakaviana, dia ny ho “mpanampy”, sy ho “fameno” ho an’i Adama, hanaiky ny maha-lohany azy, hiara-miasa aminy mba hanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra nambara momba azy ireo. — Genesisy 2:18, NW; 1 Korintiana 11:3.
5. Ahoana no nahasimba ny fifandraisana teo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy?
5 Tsy nanatontosa ny andraikiny anefa i Adama, ary i Eva dia nampiasa ny toetram-behivavy tamin’ny fomba nandresy lahatra mba hitaomana an’i Adama hanaraka azy teo amin’ny tsy fankatoavany an’Andriamanitra. (Genesisy 3:6). Tamin’ny nanekeny hanao izay fantany fa ratsy, dia tsy naneho ny tena toetran-dehilahy marina, i Adama. Nampiseho fahalemena izy ka nifidy ny hanaraka ny tenin’ny vadiny izay voafitaka, fa tsy izay nolazain’ilay Rainy sady Mpamorona azy. (Genesisy 2:16, 17). Tsy ela ilay mpivady voalohany dia nanomboka niharan’izay efa tsinjon’i Jehovah mialoha fa ho vokatry ny tsy fankatoavana. I Adama, izay teo aloha dia nilazalaza ny vadiny tamin’ny teny miendrika tononkalo sy feno fientanam-po, izao dia tsy niantra akory nilaza azy hoe ‘ny vehivavy nomenao ahy’. Izao dia nanimba sy nandiso lalana ny toetran-dehilahy nananany ny tsy fahatanterahany, ka nitarika azy ‘hanapaka ny vadiny’. Ny ‘fanirian’i’ Eva kosa, dia ho amin’ny vadiny, ka azo inoana fa izany dia amin’ny fomba tafahoatra na tsy voalanjalanja. — Genesisy 3:12, 16.
6, 7. a) Inona no fanolanana ny toetran-dehilahy nitombo talohan’ny Safo-drano? b) Inona no azontsika ianarana avy amin’ilay toe-javatra talohan’ny Safo-drano?
6 Talohan’ny Safodrano, dia nanjary niharihary be ny fampiasana tamin’ny fomba ratsy ny toetran-dehilahy sy ny toetram-behivavy. Ireo anjely izay nandao ny toerany tany an-danitra tany am-boalohany, dia nitafy vatan’olombelona, mba hanana firaisana tamim-behivavy. (Genesisy 6:1, 2). Ilay fitantarana dia milaza fa lahy ihany no teraka avy tamin’ireny fivadiana tsy araka ny natiora ireny. Ary toa safiotra ny taranany, ka tsy afa-niteraka. Nanjary fantatra hoe olo-mahery, Nefilima, na hoe Mpanjera izy ireo, satria nampianjera ny hafa. (Genesisy 6:4, NW, fanamarihana ambany pejy). Niharihary fa nahery setra izy ireny, tia ady, tsy naneho famindram-po miharo fitiavana tamin’ny hafa.
7 Mazava fa ny hatsaran-tarehy ara-batana, na ny bika, na ny habe, na ny tanjaka, amin’izao fotsiny dia tsy mahatonga ny olona iray hanana toetran-dehilahy na toetram-behivavy azo ekena. Ireo anjely izay nitafy vatana dia azo inoana fa tsara tarehy. Ary ireo Nefilima dia vaventy sady nofosana, saingy ratsy saina kosa izy ireo. Nameno ny tany tamin’ny fahalotoam-pitondran-tena sy tamin’ny herisetra, ireo anjely tsy nankatò sy ny taranany. Noho izany, dia namarana izany tontolo izany, i Jehovah. (Genesisy 6:5-7). Ny Safo-drano anefa dia sady tsy nanafoana ny fitaoman’ireo demonia, no tsy nanaisotra ireo vokatry ny fahotan’i Adama. Nipoitra indray ny fanehoana tsy araka ny tokony ho izy ny toetran-dehilahy sy ny toetram-behivavy taorian’ny Safo-drano. Ary ao amin’ny Baiboly, dia misy ohatra izay azontsika andraisana fianarana, ka ao ny tsara, ao ny ratsy.
8. Inona no ohatra tsara dia tsara navelan’i Josefa momba ny toetran-dehilahy araka ny mety?
8 Hita eo amin’i Josefa sy ny vadin’i Potifara ny fifanoherana lehibe eo amin’ny toetran-dehilahy araka ny mety, sy ny toetram-behivavy araka an’izao tontolo izao. Ny vadin’i Potifara, izay nanjary matimatim-pitia tamin’i Josefa tsara tarehy, dia nanandrana nitaona azy hanana firaisana taminy. Tamin’izany fotoana izany, dia tsy nisy lalàn’Andriamanitra voasoratra nandrara ny fijangajangana na ny fanitsakitsaham-bady. Kanefa, dia nandositra an’io vehivavy naloto fitondran-tena io i Josefa ka niseho ho tena lehilahin’Andriamanitra, olona naneho toetran-dehilahy nankasitrahan’Andriamanitra. — Genesisy 39:7-9, 12.
9, 10. a) Ahoana no nampiasan’i Vasty Vadi-mpanjaka, tamin’ny fomba ratsy ny toetram-behivavy nananany? b) Inona no ohatra tsara dia tsara momba ny toetram-behivavy nomen’i Estera antsika?
9 Hita tamin’i Estera sy i Vasty Vadi-mpanjaka, ny fifanoherana niavaka raha ny amin’ny vehivavy. Miharihary fa nieritreritra i Vasty hoe tsara tarehy aoka izany izy, ka hanaiky foana izay iriny i Ahasoerosy Mpanjaka. Ivelany ihany anefa ny hatsaran-tarehiny. Tsy nihevi-tena araka ny antonona izy no sady tsy nanana toetram-behivavy, satria tsy naneho fanekena ny vadiny sady mpanjakany, izy. Nanda azy tsy ho vadiny ny mpanjaka ka nifidy vehivavy iray tena nanana toetram-behivavy, izay natahotra an’i Jehovah, raha ny marina. — Estera 1:10-12; 2:15-17.
10 Ohatra tena tsara ho an’ny vehivavy kristiana i Estera. “Soa sy tsara tarehy” izy, kanefa dia nasehony ilay firavahana momba ny “toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lo, dia ny [saina tony sy malefaka, NW ]”. (Estera 2:7; 1 Petera 3:4). Tsy nihevitra ny firavahana naderadera ho ny zava-dehibe indrindra izy. Nampiseho fahaiza-mandanjalanja sy fifehezan-tena i Estera, nanaiky an’i Ahasoerosy vadiny, na dia rehefa notandindomin-doza aza ny ain’ny fireneny. Nangina i Estera rehefa fahendrena ny nanaovana izany, nefa niteny tsy nisy tahotra kosa izy, rehefa tena nilaina sy tamin’ny fotoana nety indrindra izany. (Estera 2:10; 7:3-6). Nekeny ny torohevitra avy tamin’i Mordekay, lehilahy matotra izay zana-drahalahin-drainy. (Estera 4:12-16). Naneho fitiavana sy tsy fivadihana tamin’ny fireneny izy.
Fisehoana ivelany
11. Inona no tokony hotadidintsika ao an-tsaina momba ny fisehoana ivelany?
11 Inona no tsiambaratelon’ny fananana toetram-behivavy araka ny mety? Niteny toy izao ny reny iray: “Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; fa ny vehivavy matahotra an’i Jehovah ihany no hoderaina.” (Ohabolana 31:30). Koa tena ilaina àry ny tahotra miharo fanajana ara-pivavahana an’Andriamanitra. Ary ny famindram-po sy ny toetra mahafinaritra sy ny fahamaotinana ary ny fiteny malefaka, dia mandray anjara be lavitra noho ny hatsaran-tarehy ara-batana, mba hananana toetram-behivavy. — Ohabolana 31:26.
12, 13. a) Mampalahelo fa voamariky ny inona ny fitenin’ny olona maro? b) Inona no hevitry ny Ohabolana 11:22?
12 Mampalahelo fa lehilahy sy vehivavy maro no tsy manokatra ny vavany amim-pahendrena, no sady tsy misy famindram-po eo amin’ny lelany. Ny fomba fiteniny dia mamelively sy maneso, tsy mihaja sy tsy miraharaha ny fihetseham-pon’ny hafa. Misy lehilahy sasany mihevitra fa mariky ny toetran-dehilahy ny resaka vetaveta, ary misy vehivavy sasany manahaka amin-kadalana azy ireo. Kanefa, raha tsara tarehy ny vehivavy iray, saingy tsy manam-pahendrena sy tia mifamaly na maneso na mizahozaho, moa ve izy afaka ny ho tena tsara tarehy tokoa amin’ilay heviny tsara indrindra, izany hoe tena manan-toetram-behivavy marina? “Toy ny kavim-bolamena eo amin’ny oron-kisoa ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena.” — Ohabolana 11:22.
13 Ny hatsaran-tarehy omban’ny fomba fiteny maloto, na ny esoeso, na ny tsy fananam-pahendrena dia tsy hifanaraka amin’izay mety ho fisehoana ivelany ho tena vehivavy tian’ny olona iray haharihary. Raha ny marina, ny fitondran-tena tsy araka an’Andriamanitra toy izany dia mety hanaratsy tarehy mihitsy ny olona iray manintona ara-batana. Takatsika mora foana fa ny fisehoana ara-batan’ny lehilahy na ny vehivavy amin’izao fotsiny dia tsy afaka manonitra na manamarina ny fipoahan’ny fahatezerana, ny filelalelana na ny teny mamelively. Ny Kristiana rehetra dia afaka manao sady tokony hanao izay hahatonga azy hanintona eo imason’Andriamanitra sy ny olona toa azy, amin’ny fomba fiteniny sy ny fitondran-tenany miorina amin’ny Baiboly. — Efesiana 4:31.
14. Firavahana karazany inona no deraina ao amin’ny 1 Petera 3:3-5, ary ahoana ny hevitrao momba izany?
14 Na dia miorina amin’ny toetra ara-panahy aza ny toetram-behivavy sy toetran-dehilahy marim-pototra, dia manambara zavatra momba antsika ny fihetsika ara-batana sy ny fisehoana ivelany, tafiditra amin’izany ny fitafiana anaovantsika sy ny fomba anaovantsika azy io. Tsy isalasalana fa tao an-tsain’ny apostoly Petera ny fomba fitafy sy ny fisehoana ankapobe sasany tamin’ny taonjato voalohany, rehefa nanoro hevitra ny vehivavy kristiana toy izao izy: “Aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana; fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lo, dia ny [saina tony sy malefaka, NW ], izay soa indrindra eo imason’Andriamanitra. Fa tahaka izany no niravahan’ny vehivavy masina fahiny, izay nanantena an’Andriamanitra sady nanaiky ny vadiny”. — 1 Petera 3:3-5.
15. Tokony hiezaka mafy haneho inona eo amin’ny fitafiany ny vehivavy kristiana?
15 Hitantsika ny tenin’i Paoly momba ny fitafiam-behivavy ao amin’ny 1 Timoty 2:9, 10: “Ny vehivavy, [dia tiako] hiravaka amin’ny fitafiana mahamendrika mbamin’ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, (...) amin’ny asa tsara araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin’Andriamanitra.” Nanantitrantitra izy eto fa ilaina ny fahamaotinana sy ny fitafiana mahamendrika izay manome taratry ny fahononan-tena.
16, 17. a) Ahoana no ampiasan’ny lehilahy sy vehivavy maro amin’ny fomba ratsy ny fitafiana amin’izao andro izao? b) Inona no fanatsoahan-kevitra tokony hataontsika avy amin’ilay torohevitra hita ao amin’ny Deoteronomia 22:5?
16 Ho an’ny lehilahy iray na vehivavy iray, ankizilahy na ankizivavy, ny fanaovana fihetsika na fitafiana mihantsy eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy dia tsy hanatsara ny tena toetran-dehilahy na tena toetram-behivavy, ary azo antoka fa tsy manome voninahitra an’Andriamanitra. Olona maro eo amin’izao tontolo izao no manao zavatra tafahoatra ka mampideradera ny maha-lahy na ny maha-vavy eo amin’ny fitafiana sy ny fitondran-tena. Ny hafa dia manamaizina ny tsy fitovian’ny lahy sy ny vavy noho ny zava-kendrena maloto ara-pitondran-tena. Afaka ny ho velom-pankasitrahana toy inona moa isika Kristiana noho ny Baiboly manambara ny fihevitr’Andriamanitra! Nanambara toy izao tamin’ny Isiraely fahiny i Jehovah: “Aoka ny vehivavy tsy hitafy ny fitafian-dehilahy; ary aoka ny lehilahy tsy hitafy ny fitafiam-behivavy; fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany.” — Deoteronomia 22:5.
17 Momba io lafiny io, dia azo inoana fa ho tianao ny hijery indray izay lazain’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Novambra 1988, eo amin’ny pejy faha-17: ‘Ny fanontaniana dia tsy ny hahafantarana raha ara-damaody tafahoatra ny fomba fitafy iray, fa raha mifanentana amin’ny olona iray milaza tena ho minisitr’Andriamanitra kosa ilay izy. (Romana 12:2; 2 Korintiana 6:3). Ny fitafiana fitena loatra na manara-tena loatra dia afaka mampihen-danja ny hafatra entintsika. Ireo lamaody izay mikendry an-karihary ny haha-toy ny vehivavy ny lehilahy na haha-toy ny lehilahy ny vehivavy dia tsy mety mihitsy. (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 22:5.) Mazava ho azy fa ireo fanao isaky ny toerana dia mety hiova arakaraka ny toetr’andro, ny asa ao amin’ilay faritra, sy ny toy izany, hany ka tsy manao fitsipika henjana hihatra amin’ny firahalahiana maneran-tany, ny kongregasiona kristiana.’
18. Dingana inona avy no azontsika atao ho fampiharana ilay torohevitra ara-baiboly momba ny fitafiana sy ny fisehoana ankapobe?
18 Torohevitra voalanjalanja sy mety re izany! Mampalahelo fa ny Kristiana sasany, lahy sy vavy, dia manaraka an-jambany na inona na inona atolotr’izao tontolo izao raha ny amin’ny fomba fitafy sy ny fisehoana ankapobe, ka tsy manisy fiheverana ny mety ho fiantraikan’izany eo amin’i Jehovah sy ny kongregasiona kristiana. Tokony handini-tena ny tsirairay amintsika mba hahitana raha voataonan’ny fomba fisainan’izao tontolo izao ny tenantsika. Na afaka manatona rahalahy na anabavy iray hajaina sy ampy fanandraman-javatra isika, ka mangataka azy hanao fanamarihana momba izay mety ho fanitsiana azontsika atao eo amin’ny fomba fitafintsika, ary avy eo dia mandanjalanja amim-pitandremana ireo fanipazan-kevitra.
Lehilahy sy vehivavy kristiana — Tena lehilahy sy tena vehivavy
19. Mila miady amin’ny fitaomana tsy faniry inona isika?
19 I Satana no andriamanitr’itỳ tontolo itỳ, ary hita ny fitaomany eo amin’ilay fisafotofotoana tsy ahafahana manavaka ny lahy sy ny vavy, ary tsy eo amin’ny fomba fitafy ihany anefa izany. (2 Korintiana 4:4). Any amin’ny tany sasany, dia vehivavy maro no mifaninana amin’ny lehilahy raha ny amin’ny fahefan’izay lohany, ka tsy miraharaha ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Etsy an-danin’izany, dia lehilahy be dia be no mamela tsotra izao ireo andraikiny amin’ny maha-lohany azy, toy ny nataon’i Adama. Misy koa ireo izay, eo amin’ny fiainana, dia manandrana manova mihitsy izay tokony hataony eo amin’ny lafin’ny firaisana, ka ny lahy lasa vavy, ary ny vavy lasa lahy. (Romana 1:26, 27). Ny Baiboly dia tsy milaza fomba fiaina hafa azo isafidianana izay ankasitrahan’Andriamanitra. Izay rehetra sahiran-kevitra talohan’ny nahatongavany ho Kristiana, ny amin’ny hoe lahy izy sa vavy, na ny amin’ny hoe inona no karazana firaisana tiany kokoa, dia afaka matoky fa hahasoa azy ireo mandrakizay ny miaina mifanaraka amin’ny fari-pitsipik’Andriamanitra, izay azo antoka fa hankasitrahan’izay rehetra hahatratra ny fahatanterahan’olombelona.
20. Tokony hisy vokany inona eo amin’ny fomba fihevitsika ny toetran-dehilahy sy ny toetram-behivavy ny Galatiana 5:22, 23?
20 Asehon’ny Soratra Masina fa ny lehilahy sy ny vehivavy kristiana dia mila mamboly sy maneho ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra — ny fitiavana, ny fifaliana, ny fiadanana, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy, ny hatsaram-po, ny finoana, ny fahalemem-panahy ary ny fifehezan-tena. (Galatiana 5:22, 23, NW ). Noho ny fahendreny lehibe, Andriamanitra dia namela ny lehilahy hanatsara ny toetran-dehilahy ananany ary ny vehivavy ny toetram-behivavy ananany, amin’ny fambolena ireo toetra ireo. Mora hajaina ny lehilahy izay maneho ny vokatry ny fanahy, ary mora tiavina ny vehivavy izay manao toy izany.
21, 22. a) Modely inona momba ny fomba fiaina no navelan’i Jesosy? b) Ahoana no nanehoan’i Jesosy ny toetran-dehilahy nananany?
21 I Jesosy Kristy no lehilahy niavaka indrindra teto an-tany, ary ny fomba fiainany no tokony hotahafin’ny Kristiana. (1 Petera 2:21-23). Toy ny nataon’i Jesosy, dia tokony tsy hivadika amin’Andriamanitra sy hankatò ny Teniny, ny lehilahy sy ny vehivavy. Naneho toetra mahafinaritra i Jesosy, dia ny fitiavana, ny fahalemem-panahy ary ny famindram-po. Amin’ny maha-tena Kristiana antsika, dia antenaina ny hanahafantsika azy mba hanaporofoana fa mpianany isika. — Jaona 13:35.
22 Tena lehilahy i Jesosy Kristy, ary mahita ireo toetran-dehilahy nananany isika rehefa mianatra ny tantaram-piainany, voazava tsara ao amin’ny Soratra Masina. Tsy nanambady mihitsy izy, nefa asehon’ny Baiboly fa nankafy ny fifaneraserana voalanjalanja tamim-behivavy izy. (Lioka 10:38, 39). Nadio sy mendri-kaja foana ny fifandraisany tamin-dehilahy sy tamim-behivavy. Izy no modely tonga lafatra ny amin’ny toetran-dehilahy. Tsy navelany hisy na iza na iza — na lehilahy, na vehivavy, na anjely tsy nankatò — hanala taminy ilay toetran-dehilahy araka an’Andriamanitra nananany sy ilay fahatokiany teo anatrehan’i Jehovah. Tsy nisalasala nanaiky ireo andraikiny izy, ary nanao izany tsy nisy fitarainana. — Matio 26:39.
23. Raha ny amin’ny anjara asan’ny lahy sy ny vavy, amin’ny ahoana ny tena Kristiana no mahazo fitahiana amin’ny fomba miavaka?
23 Maharavo toy inona moa ny hoe eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah, sy ny mifanerasera amin-dehilahy sy vehivavy, ary koa ankizilahy sy ankizivavy, izay mametraka ny fitiavana sy ny fankatoavana an’i Jehovah Andriamanitra ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainany! Tsy voafehifehy isika raha mankatò ny Tenin’Andriamanitra. Nafahana kosa aza isika tamin’itỳ tontolo itỳ sy ny fombany izay mampietry ny hatsaran-tarehin’ny lahy sy ny vavy, sy ny zava-kendrena tamin’ny nanaovana azy ireo, ary ny anjara asa miavaka tsara ananany avy. Afaka mahatsapa ilay tena fahasambarana marina azo avy amin’ny fanatanterahana ny toerana nomen’Andriamanitra antsika eo amin’ny fiainana, isika, na lahy isika na vavy. Eny, toy inona moa ny fankasitrahantsika an’i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona, noho ireo fandaharana feno fitiavana rehetra nataony ho antsika sy noho ny namoronany antsika ho lahy sy vavy!
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona avy no anjara asa mety ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy lazalazain’ny Baiboly?
◻ Ahoana no nanolanana ny toetran-dehilahy talohan’ny Safo-drano, ary ahoana no nanolanana ny toetran-dehilahy sy ny toetram-behivavy amin’izao androntsika izao?
◻ Torohevitra ao amin’ny Baiboly inona momba ny fisehoana ivelany no hiezahanao hampiharina?
◻ Ahoana no ahafahan’ireo lehilahy sy vehivavy kristiana miseho ho tena lehilahy sy tena vehivavy?
[Sary, pejy 17]
Na dia tsara tarehy aza i Estera, dia tsaroana indrindra noho ny fahamaotinany sy ny sainy tony sy malefaka izy
[Sary, pejy 18]
Sady asio fiheverana amin’ny antonona ny fisehoana ankapobe no antitrantero kokoa ny hatsaran-tarehy anaty