-
Fanjakan’AndriamanitraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Fiaraha-monina sy olana taoriana kelin’ny Safodrano. Toa ny loham-pianakaviana no nanana ny fahefana teo anivon’ny fiaraha-monina taorian’ny Safodrano, ary azo lazaina hoe nampisy filaminana izany. Tokony ‘hameno ny tany’ ny olombelona. Nila niteraka àry izy ireo, nefa koa tsy maintsy nanitatra tsikelikely ny faritra nonenany mba hanerana ny tany. (Ge 9:1, 7) Nampihena ny olana teo amin’ny fiaraha-monina izany rehetra izany. Raha nisy ny olana, dia teo anivon’ny fianakaviana ihany no nitrangan’izany, tamin’ny ankapobeny. Matetika mantsy no misy ny disadisa rehefa olona maro be no miara-monina. Nokendrena hampivangongo ny olona kosa ilay tetikasa tsy ara-dalàna tao Babela, satria tsy namela ny olona “hiparitaka manerana ny tany.” (Ge 11:1-4; jereo FITENY.) Ny loham-pianakaviana no nanana fahefana hatramin’io fotoana io, nefa nialan’i Nimroda izany ka nanangana “fanjakana” (heb.: mamlakah) izy. Io no fanjakana voalohany teto an-tany. Kosita taranak’i Hama i Nimroda, nefa notafihiny i Asyra (Asyria) faritanin’ny taranak’i Sema, ary nanorina tanàna tao izy ho anisan’ny faritra nanjakany.—Ge 10:8-12.
-
-
TsiloFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Tena sahirana ny taranak’i Adama satria naniry tsilo sy ahidratsy ny tany rehefa voaozona. (Ge 3:17, 18) Nilaza àry i Lameka rain’i Noa fa ‘nisasatra mafy izy ireo noho ny nanozonan’i Jehovah ny tany.’ (Ge 5:29) Nitso-drano an’i Noa sy ny zanany i Jehovah taorian’ny Safodrano, ary nilaza taminy mba hameno ny tany. (Ge 9:1) Toa tsy nanan-kery intsony àry ilay fanozonany ny tany. (Ge 13:10) Tsy nilaza tamin-dry Noa mianakavy mba ‘hanjaka amin’ny tany’ anefa Izy, toy ny nataony tamin’i Adama lavorary. (Ampitahao Ge 1:28 sy Ge 8:21–9:2.) Toa tsy ho vitan’ny olona tsy lavorary mihitsy àry ny hanjaka amin’ny tany araka ny nikasan’Andriamanitra azy, raha tsy mahazo ny tari-dalany izy ireo. Mbola hanahirana azy ireo foana ny hiasa tany sy ny hiady amin’ny tsilo. Manampy trotraka an’izany ny tsy fahaizany mikarakara ny Tany.
-