Genesisy
10 Izao no tantaran’i Sema+ sy Hama ary Jafeta, zanakalahin’i Noa:
Niteraka zazalahy izy ireo taorian’ny Safodrano.+ 2 Ny zanakalahin’i Jafeta dia i Gomera,+ Magoga,+ Maday, Javana, Tobala,+ Meseka,+ ary Tirasa.+
3 Ny zanakalahin’i Gomera dia i Askenaza+ sy Rifata ary Togarma.+
4 Ny zanakalahin’i Javana dia i Elisaha,+ Tarsisy,+ Kitima,+ ary Dodanima.
5 Ireo no niavian’ny mponina niparitaka tany amin’ireo nosy sy tany amin’ny taniny avy, araka ny fiteniny avy, sy araka ny fianakaviany avy, ary araka ny fireneny avy.
6 Ny zanakalahin’i Hama dia i Kosy, Mizraima,+ Pota,+ ary Kanana.+
7 Ny zanakalahin’i Kosy dia i Seba,+ Havila, Sabta, Rama,+ ary Sabteka.
Ny zanakalahin’i Rama dia i Sheba sy Dedana.
8 I Kosy niteraka an’i Nimroda. Io Nimroda io no lasa mpiady mahery voalohany teto an-tany. 9 Lasa mpihaza mahery nanohitra an’i Jehovah izy, ka izany no nahatonga an’ilay fitenenana hoe: “Tahaka an’i Nimroda, ilay mpihaza mahery nanohitra an’i Jehovah.” 10 Ny niandohan’ny fanjakany* dia i Babela,+ Ereka,+ Akada, ary Kalne, tany amin’ny tany Sinara.+ 11 Niainga tao amin’izany tany izany izy ka nankany Asyria,+ dia nanorina an’i Ninive,+ Rehobota-ira, Kala, 12 ary Resena izay teo anelanelan’i Ninive sy Kala: Izany no tanàna lehibe.*
13 I Mizraima niteraka an’i Lodima,+ Anamima, Lehabima, Naftohima,+ 14 Patrosima,+ Kaslohima izay niavian’ny Filistinina,+ ary Kaftorima.+
15 I Kanana niteraka an’i Sidona+ lahimatoany, sy Heta,+ 16 ary ny Jebosita,+ ny Amorita,+ ny Girgasita, 17 ny Hivita,+ ny Arkita, ny Sinita, 18 ny Arvadita,+ ny Zemarita, ary ny Hamatita.+ Niparitaka ireo fianakavian’ny Kananita, tatỳ aoriana. 19 Ny sisin-tanin’ny Kananita àry dia nanomboka tany Sidona ka hatrany Gerara,+ tany akaikin’i Gaza,+ ary hatrany Sodoma sy Gomora+ sy Adma ary Zeboima,+ tany akaikin’i Lesa. 20 Ireo no zanakalahin’i Hama araka ny fianakaviany sy ny fiteniny, tany amin’ny taniny sy ny fireneny avy.
21 Nanan-janaka koa i Sema, ilay razamben’ny zanakalahin’i Ebera+ rehetra, sady rahalahin’i Jafeta izay zokiny indrindra.* 22 Ny zanakalahin’i Sema dia i Elama,+ Asyra,+ Arpaksada,+ Loda, ary Arama.+
23 Ny zanakalahin’i Arama dia i Oza, Hola, Gatera, ary Masy.
24 I Arpaksada niteraka an’i Sela,+ ary Sela niteraka an’i Ebera.
25 Niteraka roa lahy i Ebera: Palega*+ no anaran’ny iray, satria tamin’ny androny no voazarazara ny tany.* Ary Joktana no anaran’ny rahalahiny.+
26 I Joktana niteraka an’i Almodada, Salefa, Hazarmaveta, Jera,+ 27 Hadorama, Ozala, Dikla, 28 Obala, Abimaela, Sheba, 29 Ofira,+ Havila, ary Jobaba. Ireo rehetra ireo no zanakalahin’i Joktana.
30 Ny faritra nipetrahan’izy ireo dia nitatra hatrany Mesa ka hatrany Sefara, ilay faritra be tendrombohitra tany Atsinanana.
31 Ireo no zanakalahin’i Sema araka ny fianakaviany sy ny fiteniny, tany amin’ny taniny sy ny fireneny avy.+
32 Ireo no fianakavian’ny zanakalahin’i Noa, araka ny taranany sy ny fireneny. Avy tamin’ireo ny firenena teto ambonin’ny tany no niparitaka, taorian’ny Safodrano.+