-
EberaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Lazain’ny Genesisy 10:21 fa “razamben’ny zanakalahin’i Ebera rehetra [“razamben’ny Hebreo rehetra”, AT, Mo]” i Sema, “sady rahalahin’i Jafeta izay zokiny indrindra.” Resahina ho mpihavana akaiky amin’i Sema i Ebera eo, satria manana ny lanjany ao amin’ny Baiboly ny taranany, indrindra nanomboka teo amin’i Abrahama. Tsy milaza àry io andininy io hoe ny Hebreo ihany no taranak’i Sema. Hita amin’ireo andininy manaraka izany. Toa nanorim-ponenana tany Arabia ny taranak’i Ebera avy tamin’i Joktana, fa ny taranany avy tamin’i Palega kosa tany Mezopotamia.
-
-
Hebreo, IFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Fahatelo, misy indray milaza fa avy amin’ilay anarana hoe Ebera (ʽEver) ny hoe “Hebreo” (ʽIvri), ary mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly izany. Zafiafin’i Sema i Ebera, sady razamben’i Abrahama. (Ge 11:10-26) Marina fa tsy misy zavatra hafa fantatra momba an’i Ebera ankoatra izany. Tsy milaza mantsy ny Baiboly hoe nisy zava-bitany na zavatra nampiavaka azy, ka nahatonga ny taranany hitondra ny anarany. Voaresaka ao amin’ny Genesisy 10:21 anefa izy, satria voalaza ao hoe “razamben’ny zanakalahin’i Ebera rehetra” i Sema. Mbola nampiasaina ela be taorian’ny nahafatesany ny anaran’i Ebera. Firenena na faritra iray no nantsoin’i Balama hoe Ebera, tamin’izy naminany tamin’ny taonjato faha-15 T.K. (No 24:24) Ny fampiasana ilay anarana hoe Ebera koa dia mampiseho fa razamben’ny Israelita ny ‘taranaka’ iray avy amin’i Noa, araka ilay tetirazana ao amin’ny Genesisy 10:1-32.
Raha avy amin’ny hoe Ebera anefa ny hoe “Hebreo”, nahoana ny Israelita irery no antsoina hoe “Hebreo”? Nanana taranaka hafa avy tamin’i Joktana zanany lahy mantsy i Ebera, ary tsy razamben’i Abrahama (sy Israely) izy ireny. (Ge 10:25-30; 11:16-26) Tokony ho azo antsoina hoe ʽIvri (Hebreo) daholo àry ny taranak’i Ebera rehetra. Milaza ny manam-pahaizana sasany fa mety ho toy izany tokoa tamin’ny voalohany, saingy ny Israelita irery no lasa nantsoina hoe ʽIvri tatỳ aoriana, satria ry zareo no nalaza indrindra tamin’ny Eberita na Hebreo. Maro koa, ohatra, ny firenena hafa tsy israelita anisan’ny taranak’i Abrahama, toy ny Edomita sy ny Ismaelita ary ny taranany avy tamin’i Ketora vadiny, nefa ny Israelita ihany no lazaina hoe “taranak’i Abrahama.” (Sl 105:6; Is 41:8; ampit. Mt 3:9; 2Ko 11:22.) Nifidy azy ireo mantsy Andriamanitra, noho ilay fifanekena nataony tamin’i Abrahama. Lasa firenena voatokana ho an’Andriamanitra izy ireo, nomeny ny tany Kanana, ary nampiany handresy firenena mahery maro. Niavaka àry izy ireo raha oharina amin’ny taranak’i Abrahama sy ny taranak’i Ebera hafa rehetra. Mety ho tsy tena “Eberita” intsony koa ny maro tamin’ireny taranaka ireny, rehefa nifanambady tamin’ny firenen-kafa.
Voatonona manokana tao amin’ilay tetirazana i Ebera, satria tian’Andriamanitra haseho angamba fa ho tanteraka amin’ny taranany ilay tsodrano nomen’i Noa an’i Sema. Tanteraka tamin’ny Israelita tokoa ilay tsodrano. Asehon’ilay tetirazana koa fa taranak’i Sema i Ebera sady razamben’i Abrahama, ka anisan’ny razamben’ilay Taranaka nampanantenain’i Jehovah ao amin’ilay faminanian’ny Genesisy 3:15. Mety tsara koa àry ny iantsoana an’i Jehovah hoe “Andriamanitry ny Hebreo.”
-
-
JafetaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
JAFETA
(Jafèta) [Hanome Toerana Midadasika Anie Izy].
Zanakalahin’i Noa i Jafeta, ary rahalahin’i Sema sy Hama. Matetika ny anaran’i Jafeta no voatonona farany. Toa izy anefa no zokiny indrindra amin’izy telo lahy, satria misy Baiboly maromaro milaza hoe “Jafeta izay zokiny indrindra” (“zokiny”, Prot.; JM; FFBF) ao amin’ny Genesisy 10:21. Ny Baiboly hafa kosa milaza fa i Sema no “zokin’i Jafeta.” (Kat., DIEM, BFC) Tsy maintsy ho teraka tamin’ny 2470 T.K. i Jafeta, raha izy no lahimatoan’i Noa.—Ge 5:32.
-