-
BabelaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Mety ho azo fantarina avy amin’ny fotoana nahaveloman’i Palega (2269-2030 T.K.) hoe tokotokony ho oviana no nanorenana an’ilay tilikambo. Midika hoe “Fizarana” mantsy ny anarany, satria “tamin’ny androny no voazarazara ny tany”, izany hoe ny mponina teto an-tany. “Naparitak’i Jehovah avy tao [Babela] izy ireo ka niely nanerana ny tany.” (Ge 10:25; 11:9) Nilaza koa i Sharkalisharri, mpanjakan’i Agadé (Akada) fahiny, fa nohavaoziny indray ny tilikambo iray natao tempoly tao Babylona. Midika izany fa efa nisy talohany ilay tilikambo.
-
-
Fanisan-taonaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Tsy voalaza ny daty nanombohan’ny fanorenana ny Tilikambon’i Babela. Milaza anefa ny Genesisy 10:25 fa ‘tamin’ny andron’i Palega’ no nisy ilay fizarazarana vokatry ny fiteny nisafotofoto. Tsy voatery hoe tamin’ny fotoana nahaterahan’i Palega izany no nitranga na taoriana kelin’izay, fa fony fahavelony fotsiny, izany hoe teo anelanelan’ny 2269 T.K. sy 2030 T.K. Efa betsaka ve ny olona tamin’izany? Aoka hatao hoe efa feno 30 taona ny lehilahy tsirairay velona taorian’ny Safodrano vao nanomboka niteraka zaza iray isaky ny telo taona, ary lahy iray isaky ny enin-taona teo ho eo. Raha niteraka foana izy hatramin’ny 90 taona, dia ho nahatratra 4000 mahery ny isan’ny lehilahy lehibe teto an-tany tamin’ny 2189 T.K., izany hoe 180 taona taorian’ny faran’ny Safodrano. Isa faran’izay kely no nalaina tamin’io tombantombana io, nefa efa ahazoana isan’olona ampy tsara mba hanorina an’ilay tilikambo, sy hiparitaka rehefa avy eo.
-
-
EberaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
1. Anisan’ny razamben’i Abrahama. Zanakalahin’i Sela i Ebera, ary rain’i Palega sy Joktana ary ireo zanany hafa. Mbola velona 191 taona teo ho eo i Ebera taorian’ny nahafatesan’i Palega. Tamin’ny andron’i Palega no “voazarazara ny tany.” Angamba izany tamin’ny fotoana nampisafotofotoan’i Jehovah ny fitenin’ireo nanorina an’i Babela sy ilay tilikambo tao, izay natao teo ambany fitarihan’i Nimroda.—Ge 10:25; 11:14-19, 26.
-