Ry Olom-pirenena na Hafa Firenena, Mandray Tsara Anareo Andriamanitra!
“Ary ny firenena rehetra avy amin’ny iray [nataony avy tamin’ny olona iray, NW] ihany dia namponeniny ambonin’ny tany rehetra”. — ASAN’NY APOSTOLY 17:26.
1. Toe-javatra sarotra inona no misy any amin’ny toerana maro amin’izao andro izao mikasika ny fandraisana olona manana kolontsaina vahiny?
MISY tatitra an-gazety maro milaza fa any amin’ny tany maro dia mitombo ny fanahiana momba ireo hafa firenena, ireo mpiavy ary ireo mpitsoa-ponenana. Olona an-tapitrisany maro no atosiky ny famoizam-po hifindra avy any amin’ny faritra sasany amin’i Azia, Afrika, Eorôpa, ary Amerika. Angamba izy ireo mitady fanamaivanana amin’ny faneren’ny fahantrana, ny ady an-trano na ny fanenjehana. Raisina tsara ve anefa izy ireo any an-toeran-kafa? Nilaza ny gazety Time hoe: “Rehefa nanomboka niova ny fifangaroan’ireo antokom-pirazanana any Eorôpa, dia hitan’ny tany sasany fa tsy mandefitra amin’ny kolontsain’ny hafa firenena araka ny niheverany azy taloha izy ireo”. Niteny toy izao momba ireo mpitsoa-ponenana “tsy misy mandray” 18 000 000 ny Time: “Tsy hiala ny zava-tsarotra entin’izy ireo ho an’ny firenena miorina tsara”.
2, 3. a) Fanomezan-toky mamelombelona inona no omen’ny Baiboly mifandray amin’ny fandraisana olona? b) Nahoana isika no afaka mandray soa avy amin’ny fandinihana izay asehon’ny Baiboly momba ny fifampiraharahan’Andriamanitra tamin’ny olona?
2 Na inona na inona mitranga amin’io lafiny io, dia asehon’ny Baiboly fa Andriamanitra dia mandray tsara ny olona avy amin’ny firenena rehetra — na olom-pirenena hatramin’ny nahaterahany izy, na mpiavy, na mpitsoa-ponenana. (Asan’ny apostoly 10:34, 35). ‘Ahoana anefa no ahafahanareo miteny izany?’ hoy ny mety ho fanontanian’ny sasany. ‘Moa ve Andriamanitra tsy nifidy afa-tsy ny Isiraely fahiny ihany ho vahoakany, tsy tao anatin’izany ny hafa?’
3 Aoka hojerentsika ny fomba nifampiraharahan’Andriamanitra tamin’ny vahoaka fahiny. Azontsika dinihina koa ny faminaniana sasany izay mifandray amin’ny tombontsoa azon’ny mpivavaka marina raisina amin’izao andro izao. Ny fijerena indray io foto-kevitra ara-paminaniana io dia afaka mampiharihary fahatakaran-javatra feno kokoa izay mety ho hitanao fa mampahery indrindra. Izy io koa dia manome filazana ny amin’ny fomba mety hifampiraharahan’Andriamanitra amin’ny olona avy amin’ny “firenena rehetra sy ny fokom-pirenena ary ny samy hafa fiteny” aorian’ny fahoriana lehibe. — Apokalypsy 7:9, 14-17.
‘Hotahina ny firenena rehetra’
4. Ahoana no nitomboan’ny zava-manahirana momba ny firazanana, kanefa inona no dingana nataon’Andriamanitra?
4 Taorian’ny Safodrano, dia ny fianakavian’i Noa akaiky no nahaforona ny taranak’olombelona iray manontolo, ary izy rehetra dia samy mpivavaka marina avokoa. Niova haingana anefa izany firaisan-kina izany. Tsy ela dia nisy olona sasany tsy niraharaha ny sitrapon’Andriamanitra nanomboka nanorina tilikambo iray. Izany dia nitarika ny fizarazaran’ny taranak’olombelona ho antokom-pitenenana izay nanjary vahoaka sy firenena niely patrana. (Genesisy 11:1-9). Na dia teo aza izany, dia nitohy ny fanompoam-pivavahana marina tao amin’ilay firazanana tonga hatrany amin’i Abrahama. Nitahy an’i Abrahama nahatoky Andriamanitra ary nampanantena fa ny taranany dia ho tonga firenena lehibe. (Genesisy 12:1-2). Ny Isiraely fahiny izany firenena izany.
5. Nahoana isika rehetra no afaka mahazo hery avy amin’ny fifampiraharahan’Andriamanitra tamin’i Abrahama?
5 Tsy nanilika ireo olona hafa ankoatra ny Isiraely anefa i Jehovah, satria ny fikasany dia niitatra tamin’ny olombelona rehetra. Hitantsika mazava tsara izany amin’izay nampanantenain’Andriamanitra an’i Abrahama hoe: “Amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, — satria nanaiky ny teniko hianao.” (Genesisy 22:18). Nandritra ny taonjato maro anefa, Andriamanitra dia nifampiraharaha tamin’ny fomba manokana tamin’ny Isiraely, tamin’ny fanomezana Lalàm-pirenena, tamin’ny fandaminana ny hanoloran’ireo mpisorona fanatitra tao amin’ny tempoliny, ary tamin’ny fanomezana ny Tany nampanantenaina ho fonenana.
6. Tamin’ny ahoana ny fandaharana nataon’Andriamanitra tamin’ny Isiraely no nitondra soa ho an’ny rehetra?
6 Tsara ho an’ny olona avy amin’ny firenena rehetra ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny Isiraely noho izy nanao izay hampiharihary ny maha-mpanota ny olombelona, sy mampiseho ny ilàna sorona tanteraka iray mba hanaronana ny fahotan’olombelona indray mandeha tsy miverina. (Galatiana 3:19; Hebreo 7:26-28; 9:9; 10:1-12). Inona anefa no antoka fa ho avy sady hahafeno ireo fepetra takina ny Taranak’i Abrahama — dia ilay amin’ny alalany no hitahiana ny firenena rehetra? Eto koa dia nanampy ny Lalàn’ny Isiraely. Izy io dia nandrara ny fifanambadiana amin’ireo Kananita, vahoaka nalaza ratsy noho ny fanao sy fombafomba maloto ara-pitondrantena, toy ilay fomban-drazana andoroana ankizy velona. (Levitikosy 18:6-24; 20:2, 3; Deoteronomia 12:29-31; 18:9-12). Namoaka lalàna Andriamanitra fa tsy maintsy hofoanana izy ireo sy ny fanaony. Izany dia nitondra soa maharitra ho an’ny rehetra, tafiditra amin’izany ny vahiny, satria izany dia natao mba hiarovana ny firazanan’ilay Taranaka tsy ho simba. — Levitikosy 18:24-28; Deoteronomia 7:1-5; 9:5; 20:15-18.
7. Inona no filazana voalohany fa nandray tsara ireo vahiny Andriamanitra?
7 Na dia tamin’ny fotoana nampanan-kery ny Lalàna sy niheveran’Andriamanitra ny Isiraely ho manokana aza, dia naneho famindram-po tamin’ireo tsy Isiraelita izy. Niseho ny fahavononany hanao izany rehefa nivoaka avy tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana ho any amin’ny taniny ny Isiraely. “Ary nisy olona maro samy hafa firenena koa niara-niakatra taminy”. (Eksodosy 12:38). Ny Profesora C. F. Keil dia nampahafantatra azy ireo ho “andian’olona hafa firenena maro be (...) fifangaroan’olona, na vahoaka maro be avy amin’ny firenen-tsamy hafa.” (Levitikosy 24:10; Nomery 11:4). Azo inoana fa Egyptiana izay nanaiky ilay Andriamanitra marina ny maro taminy.
Fandraisana tsara ireo hafa firenena
8. Ahoana no nahitan’ny Gibeonita toerana teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra?
8 Rehefa notanterahin’ny Isiraely ny baikon’Andriamanitra hanaisotra tamin’ny Tany nampanantenaina ireo firenena nietry, dia narovany ny antokon’olona iray hafa firenena, ireo Gibeonita, izay nipetraka tany avaratr’i Jerosalema. Naniraka solontena niova akanjo mba tsy hahafantarana azy nankany amin’i Josoa izy ireo, nitalaho fihavanana ary nahazo izany. Rehefa tratra ny hafetsen’izy ireo, dia namoaka lalàna i Josoa fa izy ireo dia hanompo amin’ny maha-“mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an’ny fiangonana sy ho an’ny alitaran’i Jehovah”. (Josoa 9:3-27). Amin’izao andro izao dia mpiavy maro koa no manaiky asa ambany mba ho anisan’ny vahoaka vaovao iray.
9. Amin’ny ahoana ny ohatr’i Rahaba sy ny fianakaviany no mampahery raha ny amin’ny fanajana ny hafa firenena teo amin’ny Isiraely?
9 Mety hampahery anao ny mahafantatra fa ny fandraisana tsara nataon’Andriamanitra tamin’izay dia tsy ho an’ny antokon’olona hafa firenena fotsiny; noraisiny tsara koa ny olona mitokana. Amin’izao andro izao dia misy firenena sasany tsy mandray tsara afa-tsy ireo mpiavy manana laharana ara-tsôsialy ambony, mampiditra harena, na nahita fianarana ambony ihany. Tsy mba toy izany ny amin’i Jehovah, araka ny hitantsika amin’ny zava-nitranga iray talohan’ilay an’ny Gibeonita. Izany dia nahatafiditra Kananita iray izay azo antoka fa tsy ambony laharana ara-tsôsialy. Antsoin’ny Baiboly hoe “Rahaba janga” izy io. Noho ny finoany an’ilay Andriamanitra marina, dia novonjena izy sy ny ankohonany rehefa nianjera i Jeriko. Na dia hafa firenena aza i Rahaba, dia nandray azy ny Isiraelita. Oha-pinoana mendrika hotahafintsika izy. (Hebreo 11:30, 31, 39, 40; Josoa 2:1-21; 6:1-25). Tonga razamben’ny Mesia mihitsy aza izy. — Matio 1:5, 16.
10. Niankina tamin’inona ny nandraisana ireo hafa firenena teo amin’ny Isiraely?
10 Nekena tao amin’ny Tany nampanantenaina ireo tsy Isiraelita arakaraka ny fiezahany hahazo sitraka tamin’ilay Andriamanitra marina. Nilazana ireo Isiraelita mba tsy hisakaiza, indrindra ara-pivavahana, amin’ireo tsy nanompo an’i Jehovah. (Josoa 23:6, 7, 12, 13; 1 Mpanjaka 11:1-8; Ohabolana 6:23-28, NW). Na dia izany aza, dia mpila ravin’ahitra tsy Isiraelita maro be no nankatò ireo lalàna fototra. Ny sasany aza dia tonga proselyta voafora mihitsy, ary nandray azy tanteraka ho mpikambana tao amin’ny kongregasionany i Jehovah. — Levitikosy 20:2; 24:22; Nomery 15:14-16; Asan’ny apostoly 8:27.a
11, 12. a) Ahoana no tsy maintsy nitondran’ny Isiraelita ireo mpivavaka hafa firenena? b) Inona no mety hilaintsika mba hanatsarana ny fanarahantsika ny ohatr’i Jehovah?
11 Nitarika ny Isiraelita Andriamanitra mba hanahaka ny fihetsiny teo anoloan’ireo mpivavaka hafa firenena: “Ny vahiny eo aminareo dia hataonareo tahaka ny tompon-tany aminareo ihany ka ho tianao tahaka ny tenanao; fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Egypta hianareo”. (Levitikosy 19:33, 34; Deoteronomia 1:16; 10:12-19). Manome lesona ho antsika izany, na dia tsy eo ambanin’ny Lalàna aza isika. Mora erỳ ny manaiky ho resin’ny fitsarana an-tendrony sy ny fankahalana ireo hafa firazanana, firenena na kolontsaina. Koa tsara ny hanontaniantsika tena hoe: ‘Moa ve aho miezaka manaisotra ato amiko ny fitsarana an-tendrony toy izany, ka manaraka ny ohatra navelan’i Jehovah?’
12 Nanana porofo hita maso ny amin’ny fandraisana tsara nataon’Andriamanitra ireo Isiraelita. Nivavaka toy izao i Solomona mpanjaka: “Ary henoy koa ny vahiny [hafa firenena, NW] izay tsy isan’ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin’ny tany lavitra noho ny amin’ny anaranao izy (...) koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity, dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao (...) mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ny tany ny anaranao, hatahorany Anao”. — 1 Mpanjaka 8:41-43; 2 Tantara 6:32, 33.
13. Nahoana Andriamanitra no nanao fandaharana mba hanovana ny fifampiraharahany tamin’ny Isiraely?
13 Raha mbola nampiasa ny firenen’ny Isiraely ho vahoakany i Jehovah ka niaro tamin’izany ny firazanan’ny Mesia, dia nilaza mialoha fiovana lehibe Andriamanitra. Tamin’ny voalohany, fony ny Isiraely nanaiky ho ao amin’ny faneken’ny Lalàna, dia nilaza marimarina Andriamanitra fa mety ho avy amin’izy ireo no hiavian’ny ‘fanjakà-mpisorona sy firenena masina’. (Eksodosy 19:5, 6). Niseho ho tsy nahatoky nandritra ny taonjato maro anefa ny Isiraely. Koa nanambara mialoha i Jehovah fa hanao fanekena vaovao, ka amin’izany, ireo izay mahaforona ny “taranak’Isiraely” dia hahazo famelana ny fahadisoany sy ny helony. (Jeremia 31:33, 34). Izany fanekena vaovao izany dia niandry ny Mesia, ka ny sorona nataony dia tena hanadio olona maro amin’ny fahotana. — Isaia 53:5-7, 10-12.
Isiraely any an-danitra
14. “Isiraely” iza no neken’Andriamanitra, ary tamin’ny fomba ahoana?
14 Manampy antsika hahatakatra ny fomba nahatanterahan’izany rehetra izany ny Soratra grika kristiana. I Jesosy no Mesia, ka ny fahafatesany dia nanatanteraka ny Lalàna sady nametraka fototra ho an’ny famelana tanteraka ny fahotana. Mba hahazoana izany soa izany, dia tsy ilain’ny olona iray ny ho tonga Jiosy voafora araka ny nofo. Tsia. Nanoratra ny apostoly Paoly fa ao amin’ilay fanekena vaovao, “izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin’ny fo, amin’ny fanahy, fa tsy amin’ny soratra”. (Romana 2:28, 29; 7:6). Ireo izay nino ny soron’i Jesosy dia nahazo famelan-keloka, ary nankasitrahan’Andriamanitra izy ireo tamin’ny naha-‘Jiosy amin’ny fanahy’ azy. Mahaforona firenena ara-panahy iray antsoina hoe “Isiraelin’Andriamanitra” izy ireo. — Galatiana 6:16.
15. Nahoana ny firazanana ara-nofo no tsy antony tafiditra amin’ny maha-anisan’ny Isiraely ara-panahy?
15 Eny, ny fanekena ny olona iray tao amin’ny Isiraely ara-panahy dia tsy niankina tamin’ny ivom-pirazanana na fari-pitondrantena niaviany. Ny sasany, sahala amin’ireo apostolin’i Jesosy, dia Jiosy araka ny nofo. Ny hafa, sahala amin’i Kornelio, manamboninahitra tao amin’ny tafika romana, dia Jentilisa tsy voafora. (Asan’ny apostoly 10:34, 35, 44-48). Tamin’ny fomba mety, dia nilaza toy izao ny amin’ny Isiraely ara-panahy i Paoly: “Fa amin’izany dia tsy misy jentilisa sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana [hafa firenena, NW] sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo”. (Kolosiana 3:11). Ireo voahosotry ny fanahin’Andriamanitra dia tonga “taranaka voafidy, fanjakà-mpisorona, firenena masina, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany”. — 1 Petera 2:9; ampitahao amin’ny Eksodosy 19:5, 6.
16, 17. a) Inona no anjara asan’ny Isiraely ara-panahy ao amin’ny fikasan’Andriamanitra? b) Nahoana no mety ny hiheverana ireo tsy anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra?
16 Hanao ahoana ny hoavin’ny Isiraely ara-panahy ao amin’ny fikasan’Andriamanitra? Namaly toy izao i Jesosy: “Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana”. (Lioka 12:32). Ireo voahosotra izay manana ‘ny maha-olom-pirenena azy any an-danitra’, dia ho mpiray lova amin’ilay Zanak’ondry amin’ny fanapahan’ny Fanjakany. (Filipiana 3:20, NW; Jaona 14:2, 3; Apokalypsy 5:9, 10). Milaza ny Baiboly fa izy ireo no “voaisy tombo-kase avy tamin’ny firenen’ny Zanak’Isiraely” ary “navotana avy tamin’ny olona ho voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry”. Miisa ho 144 000 izy ireo. Rehefa avy nanome filazana ny amin’io isan’ireo voaisy tombo-kase io anefa i Jaona dia nampiditra antokon’olona hafa iray — “olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”. — Apokalypsy 7:4, 9; 14:1-4.
17 Mety hanontany tena ny sasany hoe: ‘Ahoana ny amin’ireo olona an-tapitrisany maro izay tsy anisan’ny Isiraely ara-panahy, toy ireo izay mety hamakivaky ny fahoriana lehibe sahala amin’io vahoaka betsaka io? Inona no anjara asan’izy ireo amin’izao andro izao mifandray amin’ny sisa vitsy dia vitsy amin’ny Isiraely ara-panahy?’b
Ireo hafa firenena ao amin’ny faminaniana
18. Inona no nitarika ho amin’ny fiverenan’ny Isiraely avy tany amin’ny fahababoana babyloniana?
18 Raha mitodika ny lasa isika, fony ny Isiraely teo ambanin’ny faneken’ny Lalàna kanefa nivadika tamin’izany, dia hitantsika fa Andriamanitra dia tapa-kevitra ny hamela ny Babyloniana hahalao ny tanin’ny Isiraely. Tamin’ny 607 al.fan.ir., dia nentina tany amin’ny fahababoana nandritra ny 70 taona ny Isiraely. Avy eo dia nanavotra ilay firenena Andriamanitra. Teo ambany fitarihan’i Zerobabela governora, dia nisy sisa tamin’ny Isiraely araka ny nofo niverina tany amin’ny taniny. Nanampy ireo natao sesitany nandeha nody tamin’ny famatsiana azy ireo mihitsy aza ilay mpanapaka ny Mediana sy ny Persiana izay nanongana an’i Babylona. Nilaza mialoha ireo fitrangan-javatra ireo ny bokin’ny Isaia. (Isaia 1:1-9; 3:1-26; 14:1-5 44:21-28; 47:1-4). Ary manome antsika antsipiriany ara-tantara ny amin’izany fodiana izany i Ezra. — Ezra 1:1-11; 2:1, 2.
19. Nifandray tamin’ny fodian’ny Isiraely, inona no faminaniana nilaza fa hisy hafa firenena ho tafiditra amin’izany?
19 Kanefa, tamin’ny fanambarana mialoha ny fanavotana sy ny fodian’ny vahoakan’Andriamanitra, dia nanao izao faminaniana nanaitra izao i Isaia: “Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao”. (Isaia 59:20; 60:3). Izany dia midika ho zavatra bebe kokoa noho fandraisana tsara ny hafa firenena isam-batan’olona fotsiny, mifanaraka amin’ilay vavaka nataon’i Solomona. Nanondro fiovana tsy nahazatra iray teo amin’ny toerana tanana i Isaia. Hisy “firenena” hanompo hiaraka amin’ny zanak’Isiraely: “Ary ny hafa firenena no hanangana ny màndanao, ary ny mpanjakany hanompo anao; fa tamin’ny fahatezerako no namelezako anao, ary amin’ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao”. — Isaia 60:10.
20, 21. a) Zavatra mifanitsy amin’ny fiverenan’ny Isiraely tamin’ny fahababoana inona no hitantsika amin’izao andro izao? b) Ahoana avy eo no nanampiana ‘zanakalahy sy zanakavavy’ ny Isiraely ara-panahy?
20 Tamin’ny lafiny maro, ny fandehanan’ny Isiraely tany amin’ny fahababoana sy ny fiverenany avy tany dia mahita ny mifanitsy aminy amin’izao andro izao eo amin’ny Isiraely ara-panahy. Talohan’ny Ady Lehibe voalohany, ireo sisa tamin’ny kristiana voahosotra dia tsy nanaraka tamin’ny fomba feno ny sitrapon’Andriamanitra; nitana fomba fiheverana sy fanao sasany nalaina avy tany amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana izy ireo. Avy eo, nandritra ny fahataitairana noho ny fotoan’ny ady ary tamin’ny ampahany sasany, noho ny fambosiana nataon’ny klerjy, dia natao am-ponja tsy ara-drariny ireo nitarika teo amin’ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy. Taorian’ny ady, tamin’ny 1919 am.fan.ir., ireo voahosotra tany amin’ny tranomaizina ara-bakiteny dia novotsorana sady nafahana madiodio tamin’ny fiampangana rehetra. Izany dia nanaporofo fa nafahana avy tamin’ny fanababoan’i Babylona Lehibe, ilay empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso ny vahoakan’Andriamanitra. Nandroso mba hanorina sy hitoetra eo amin’ny paradisa ara-panahy iray ny vahoakany. — Isaia 35:1-7; 65:13, 14.
21 Izany dia hita ao amin’ny filazalazana nataon’i Isaia hoe: “Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; ny zanakao-lahy dia avy lavitra, ny zanakao-vavy dia sakelehina. Ary hahita izany hianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao; fa ho entina ho anao ny haren’ny ranomasina, ary hafindra ho anao ny fananan’ny firenena”. (Isaia 60:4, 5). Tao anatin’ireo taona am-polony maro nanaraka izany, dia tonga hatrany ireo ‘zanakalahy sy zanakavavy’, voahosotry ny fanahy mba hameno ireo toerana farany amin’ny Isiraely ara-panahy.
22. Ahoana no nanombohan’ireo “hafa firenena” niara-niasa tamin’ny Isiraely ara-panahy?
22 Ahoana ny amin’ireo ‘hafa firenena izay hanangana marina tokoa ny màndanao’? Izy ireo koa dia nitranga tamin’izao androntsika izao. Rehefa nadiva ho vita ny fiantsoana ireo 144 000, dia nisy olona betsaka avy amin’ny firenena rehetra nanomboka niangona ho andiany mba hiara-mivavaka amin’ny Isiraely ara-panahy. Ireo vaovao ireo dia manana fanantenana miorina amin’ny Baiboly ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tany iray tonga paradisa. Na dia ho hafa aza amin’ny farany ny toerana hanaovan’izy ireo ny fanompoany amim-pahatokiana, dia ravoravo izy ireo manampy ny sisa voahosotra amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. — Matio 24:14.
23. Tonga hatraiza moa ny fanohanan’ireo “hafa firenena” ireo voahosotra?
23 Ankehitriny, ireo “hafa firenena” maherin’ny 4 000 000 miaraka amin’ny sisa amin’ireo manana ‘ny maha-olom-pirenena azy any an-danitra’, dia manaporofo ny fifikirany amin’i Jehovah. Misy maro aminy, lehilahy sy vehivavy, tanora sy antitra, manompo ao amin’ny fanompoana manontolo andro amin’ny maha-mpitory maharitra. Any amin’ny ankamaroan’ireo kongregasiona maherin’ny 66 000, ny hafa firenena toy izany dia mandray andraikitra amin’ny maha-loholona na mpikarakara momba ny asa. Ravoravo ny amin’izany ny sisa, mahita ny fahatanterahan’ireo tenin’i Isaia hoe: “Ary ny vahiny honina ao ka hiandry ny ondry aman-osinareo, ary ny hafa firenena ho mpiasa tany sy ho mpamboatra tanimboaloboka ho anareo”. — Isaia 61:5.
24. Nahoana isika no mahazo fampaherezana avy amin’ny fifampiraharahan’Andriamanitra tamin’ny Isiraely sy ny olon-kafa tamin’ny lasa?
24 Koa na inona na inona firenena eto an-tany misy anao amin’ny maha-olom-pirenena, na amin’ny maha-vahiny, na amin’ny maha-mpitsoa-ponenana, dia manana fahafahana lehibe ianao ny ho tonga hafa firenena ara-panahy izay raisin’ny Tsitoha tsara amin-kafanam-po. Ny fandraisana tsara ataony dia mahatafiditra ny fahafahana hahazo tombontsoa eo amin’ny fanompoana azy, dieny izao sy ho mandrakizay.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha ny amin’ny tsy fitoviana eo amin’ny “vahiny”, “mpila ravin’ahitra”, “mpivahiny”, ary ny “hafa firenena”, dia jereo Insight on the Scriptures, boky 1, pejy faha-72-75, 849-851, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
b Maherin’ny 10 600 000 no nanatrika ny fahatsiarovana isan-taona ny Sakafo harivan’ny Tompo nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1991, kanefa dia 8 850 monja no nilaza tena ho anisan’ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy.
Voamarikao ve Izao?
◻ Ahoana no nanomezan’Andriamanitra fanantenana fa horaisiny ny olona avy amin’ny firenena rehetra?
◻ Inona no mampiseho fa nisy olon-kafa ankoatra ny vahoakan’Andriamanitra manokana, ny Isiraely, afaka nanatona Azy?
◻ Tao amin’ny faminaniana, ahoana no nilazan’Andriamanitra fa hisy hafa firenena hiaraka amin’ny Isiraely?
◻ Inona no zavatra mifanandrify amin’ny fiverenan’ny Isiraely avy tamin’ny fahababoana tany Babylona, ary amin’ny ahoana ny “hafa firenena” no nanjary tafiditra tamin’izany?
[Sary, pejy 9]
Nivavaka ho an’ireo hafa firenena izay ho avy hivavaka amin’i Jehovah i Solomona mpanjaka