Nomery
11 Ary nitaraina mafy teo anatrehan’i Jehovah ny vahoaka, ka tezitra be i Jehovah rehefa naheno an’izany. Dia nisy afo avy tamin’i Jehovah nandoro azy ireo, ka levona ny sasany teny an-tsisin’ny toby. 2 Rehefa nitaraina tamin’i Mosesy ny vahoaka, dia nitalaho tamin’i Jehovah i Mosesy,+ ka maty ilay afo. 3 Dia natao hoe Tabera* ny anaran’ilay toerana, satria nisy afo avy tamin’i Jehovah nandoro ny olona.+
4 Tia tena loatra+ ireo olona avy amin’ny firenena samihafa*+ niaraka tamin’izy ireo, ka naniry mafy hihinana sakafo hafa. Dia nitomany indray ny Israelita hoe: “Iza no hanome hena hohaninay?+ 5 Tsaroanay erỳ ny trondro nohaninay maimaim-poana tany Ejipta, ny kôkômbra, ny pasteky, ny poarô, ny tongolobe, ary ny tongolo lay!+ 6 Izao anefa mihareraka izahay! Tsy mba mahita na inona na inona afa-tsy mana izahay.”+
7 Toy ny voan-kotimila+ ny mana,+ ary toy ny ditin’ny hazo matambelo. 8 Niparitaka nitsimpona azy io ny olona, ka nototoiny tao anaty vato fikosoham-bary na laona ilay izy. Dia nandrahoin’izy ireo tao anaty vilany ilay izy, na nataony mofo boribory,+ ka toy ny tsirona mofomamy misy menaka ny tsirony. 9 Rehefa nilatsaka teo amin’ny toby ny ando tamin’ny alina, dia nilatsaka teny koa ny mana.+
10 Ary henon’i Mosesy nitomany daholo ny fianakaviana. Samy teo amin’ny fidirana amin’ny tranolainy daholo ny olona. Dia tezitra be mihitsy i Jehovah,+ ary tena tsy faly mihitsy koa i Mosesy. 11 Dia hoy i Mosesy tamin’i Jehovah: “Fa maninona no ampijalinao izaho mpanomponao? Fa inona no nataoko no tsy faly amiko ianao, dia izaho no asainao mitondra an’ireo vahoaka rehetra ireo, nefa enta-mavesatra amiko ry zareo?+ 12 Izaho angaha no nitondra an’ireo vahoaka rehetra ireo tao an-kibo? Izaho angaha no niteraka an-dry zareo no teneninao hoe: ‘Trotroy izy, hoatran’ny ataon’ny mpitaiza* mitrotro zaza mbola minono’, dia lasa izaho no hitondra azy ho any amin’ilay tany nianiananao hoe homena ny razambeny?+ 13 Aiza no hahitako hena homena an’ireo vahoaka rehetra ireo? Fa mitomany eto amiko foana ry zareo hoe: ‘Omeo hena izahay hohaninay!’ 14 Tsy vitako raha izaho irery no hitondra an’ireo vahoaka rehetra ireo, fa mavesatra loatra amiko.+ 15 Tonga dia vonoy izao dia izao mihitsy re aho+ raha hoatr’izao no ataonao amiko e! Raha mba ankasitrahanao ihany aho, dia aza avela hahita fahoriana hafa intsony.”
16 Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Manangòna 70 lahy amin’ny anti-panahin’ny* Israely, dia izay fantatrao hoe anti-panahy sady mpifehy eo amin’ny vahoaka.+ Ento mankeo amin’ny tranolay fihaonana ry zareo, dia asaivo mijoro miaraka aminao eo. 17 Fa hidina aho+ ka hiresaka aminao eo.+ Ary hangalako ny fanahy+ ao aminao ka hataoko ao amin-dry zareo. Dia hanampy anao hitondra ny vahoaka ry zareo, amin’izay tsy ianao irery no hitondra an’izany enta-mavesatra izany.+ 18 Ary ilazao ny vahoaka hoe: ‘Hamasino ny tenanareo,+ fa hihinan-kena ianareo rahampitso. Efa henon’i Jehovah mantsy ilay ianareo nitomany+ hoe: “Iza no hanome hena hohaninay? Naleonay ihany tany Ejipta!”+ Dia homen’i Jehovah hena tokoa ianareo, ka hihinan-kena.+ 19 Tsy iray andro ianareo no hihinan-kena, na 2 andro, na 5 andro, na 10 andro, na 20 andro, 20 fa iray volana be izao, mandra-pivoakan’izany eo am-bavoronareo, ka ho rikoriko ianareo.+ Fa nanda an’i Jehovah, izay eo aminareo, ianareo ary nitomany teo anatrehany hoe: “Maninona loatra re izahay no nivoaka avy tany Ejipta e?”’”+
21 Ary hoy i Mosesy: “Misy lehilahy 600 000+ mandeha an-tongotra miaraka amiko eto. Ianao anefa niteny hoe: ‘Homeko hena izy ireo, dia tena hihinan-kena foana mandritra ny iray volana be izao’! 22 Koa na hovonoina daholo aza ny ondry aman’osy sy omby rehetra, dia ho ampy an-dry zareo ve izany? Ary na ny trondro rehetra any an-dranomasina koa aza no halaina, dia ho ampy an-dry zareo ve izany?”
23 Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Angaha fohy loatra ny tanan’i Jehovah ka tsy mahavita an’izany?+ Ho hitanao tokoa raha ho tanteraka ny teniko na tsia.”
24 Dia nivoaka i Mosesy ka noteneniny tamin’ny vahoaka ny tenin’i Jehovah. Ary nanangona 70 lahy avy tamin’ny anti-panahy teo amin’ny vahoaka izy, ka nasainy nijoro nanodidina ny tranolay izy ireo.+ 25 Dia nidina tao anaty rahona i Jehovah,+ ka niresaka tamin’i Mosesy.+ Ary nakany ny fanahy+ tao amin’i Mosesy ka samy nomeny tamin’ilay fanahy ireo anti-panahy 70 ireo. Vao niasa tamin’izy ireo ny fanahy, dia nanao hoatran’ny mpaminany*+ izy ireo. Tamin’io ihany anefa izy ireo no nanao an’izany.
26 Mbola nisy roa lahy tamin’izy ireo nijanona tao an-toby. Eldada sy Medada no anaran’izy ireo. Dia niasa tamin’izy roa lahy ny fanahy, satria anisan’ny voasoratra anarana koa izy ireo, saingy tsy nankany amin’ny tranolay fihaonana. Nanao hoatran’ny mpaminany àry izy ireo tao an-toby. 27 Ary nisy tovolahy iray nihazakazaka niteny tamin’i Mosesy hoe: “Manao hoatran’ny mpaminany koa i Eldada sy Medada ao an-toby!” 28 Dia hoy i Josoa+ zanak’i Nona, mpanompon’i Mosesy efa hatramin’izy mbola tanora: “Ry Mosesy tompoko ô, sakano ry zareo!”+ 29 Hoy anefa i Mosesy taminy: “Saro-piaro amin’ny fahefako ve ianao? Tsy mety izany! Satriko aza raha mpaminany daholo ny vahoakan’i Jehovah rehetra, dia homen’i Jehovah ny fanahiny koa!” 30 Niverina tao an-toby i Mosesy avy eo, niaraka tamin’ny anti-panahin’ny Israely.
31 Dia nisy rivotra nitsoka tampoka avy tamin’i Jehovah ka nitondra papelika avy tany an-dranomasina, ary nampilatsaka an’izany nanodidina ny toby.+ Niparitaka teny amin’ny manodidina rehetra teny ny papelika. Feno papelika daholo àry teo amin’ny ilany sy ilany amin’ny toby, hatrany amin’ny lalana iray andro teo ho eo, ary tokotokony ho roa hakiho* avy eo amin’ny tany ny haavony. 32 Dia nanangona papelika foana ny olona nandritra an’iny andro iny sy ny alina tontolo ary ny ampitson’iny tontolo, fa tsy natory. Tsy nisy nanangona latsaka ny folo homera* izy ireo. Dia napetrapetrany nanodidina ny toby izy ireny, mba hotehiriziny. 33 Raha mbola iny teo am-bavany iny anefa ny hena, ka mbola tsy voatsako akory, dia tezitra be tamin’ny vahoaka i Jehovah. Ary namely azy ireo i Jehovah, ka be dia be no maty.+
34 Koa natao hoe Kibrota-hatava*+ ny anaran’ilay toerana, satria teo no nandevenana ny olona tia tena loatra ka naniry mafy hihinana sakafo hafa.+ 35 Avy teo Kibrota-hatava ny vahoaka no niainga ho any Hazerota. Dia nijanona tao Hazerota izy ireo.+