TRANOLAY MASINA
Tranolay fivavahana nampiasain’ny Israely sady azo nafindrafindra. Nantsoina koa izy io hoe “tranolay fihaonana.” (Ek 39:32, 40; jereo TRANOLAY FIHAONANA.) Mishkan (trano fonenana; tranolay), ʼôhel (tranolay), ary mikdash (toerana masina) no anarany amin’ny teny hebreo. Skene kosa izy io amin’ny teny grika, izay midika hoe “tranolay; trano rantsankazo; trano fonenana.”—Jereo TOERANA MASINA.
Foiben’ny fivavahana tamin’i Jehovah ny tranolay masina ka nahafahan’ny firenen’Israely nanatona azy. Nisy efitra roa izy io, dia ny Masina sy ny Masina Indrindra izay efitra anatiny indrindra. (SARY, Boky 1, p. 538) Nisy fitoeran-jiro volamena, alitara volamena fandoroana emboka manitra, latabatry ny mofo aseho, ary fitaovana volamena tao amin’ny Masina. Tao amin’ny Masina Indrindra kosa ny Vata misy ny fifanekena sy ireo kerobima volamena roa teo amboniny.—Jereo MASINA INDRINDRA; VATA MISY NY FIFANEKENA.
Fotoana nitokanana azy. Naorina tany an-tany efitra, teo akaikin’ny Tendrombohitra Sinay, ny tranolay masina na “tranolay fihaonana” (na “tempolin’i Jehovah” [1Sa 1:9] na “tranon’i Jehovah” [1Sa 1:24]) tamin’ny 1512 T.K. Voatsangana izy io tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany (Abiba na Nisana), ary efa tao daholo ny fitaovany. (Ek 40) Natombok’i Mosesy ny fametrahana mpisorona teo amin’ny toerany ary naharitra fito andro izany, araka ny toromarik’i Jehovah. Nanomboka nanao ny andraikiny àry ireo mpisorona tamin’ny andro fahavalo.—Le 8, 9; jereo FAMETRAHANA MPISORONA EO AMIN’NY TOERANY.
Bikabikany. Nomen’i Jehovah an’i Mosesy tany an-tendrombohitra ny modelin’ny tranolay masina manontolo. Hoy izy: “Tandremo mba ho araka ny modely naseho anao tatỳ an-tendrombohitra no hanaovanao ny zava-drehetra.” Tokony harahina an-tsakany sy an-davany ilay modely, satria “aloky ny zavatra any an-danitra” ilay tranolay masina. (He 8:5) Nomen’i Jehovah ny fanahiny i Bezalila sy Oholiaba mba ho tontosa tsara, araka ny toromarik’i Mosesy, ny asan’izy mirahalahy sy ny an’ireo lehilahy sy vehivavy nanampy azy. Inona no vokany? “Araka izay rehetra nandidian’i Jehovah an’i Mosesy, no nanaovan’ny zanak’Israely ny fanompoana rehetra.” (Ek 39:42; 35:25, 26; 36:1, 4) Nanome an-tsitrapo an’izay fitaovana nilaina ny vahoaka. (Ek 36:3, 6, 7) Nentin’izy ireo avy tany Ejipta ny ankamaroan’ny volamena, volafotsy, varahina, kofehy, lamba, ary hoditra nomeny. (Ek 12:34-36; jereo HODITRA FAOKY.) Naniry tany an-tany efitra kosa ny hazo akasia.—Jereo AKASIA.
Mirefy 44,5 sm ny hakiho ampiasaina ato amin’ity lahatsoratra ity, na dia mety ho ilay hakiho lava (51,8 sm eo ho eo) aza no nampiasaina tamin’izany.—Ampit. 2Ta 3:3; Ezk 40:5.
Rakotra sy ridao. Lamba rongony nisy sarina kerobima miloko natao peta-kofehy no nandrakofana an’ireo hazo nandrafetana an’ilay tranolay. Lamba dimy natambatambatra nakambana tamin’ny lamba dimy natambatambatra ilay rakotra. Vona vita tamin’ny kofehy manga nafatotra tamin’ny faraingo volamena no nanakambanana an’ireo fitambaran-damba. Nirefy 28 hakiho (12,5 m) monja ny lavan’ny lamba tsirairay ka tsy nipaka tamin’ny tany ilay izy, fa nihantona iray hakiho (44,5 sm), fara fahakeliny.—Ek 26:1-6.
Nasiana lamba volon’osy teo ambonin’ilay lamba rongony. Lamba enina natambatambatra nakambana tamin’ny lamba dimy natambatambatra izy io. Nirefy 30 hakiho (13,4 m) ny lavan’ny lamba tsirairay. Nasiana rakotra amin’ny hoditr’ondry nolokoana mena teo ambonin’ilay lamba volon’osy, ary avy eo rakotra amin’ny hoditra faoky. Toa nikiraviravy tamin’ny tany ireo, ary nafatotra tamin’ny fantsika be fanenjanan-day nitsatoka tamin’ny tany ny tadiny.—Ek 26:7-14.
Nisy ridao noravahana kerobima natao peta-kofehy nanasaraka ny Masina sy ny Masina Indrindra. (Ek 36:35) Nisy lamba fanakonana ho an’ny fidirana teo atsinanana, ary natao tamin’ny volonondry sy kofehy rongony miloko izy io.—Ek 36:37.
Refiny. Telopolo hakiho (13,4 m) ny lavan’ny tranolay masina ary 10 hakiho (4,5 m) ny haavony (refiny anatiny). (Ampit. Ek 26:16-18.) Toa 10 hakiho koa ny sakany (refiny anatiny; ampit. Ek 26:22-24): Nirefy 1,5 hakiho avy ireo rafitra enina (9 hakiho ny tontaliny) teo andamosin’ilay tranolay, teo amin’ny lafiny andrefana, ary niampy 0,5 hakiho avy ny zorony roa noho ireo rafitra roa natao andry teo. Hoy i Rashi, manam-pahaizana jiosy (1040-1105), momba ny Eksodosy 26:23: “Nitandahatra ireo hazo fisaka valo. Tsy ny sakan’ireo [andry teo amin’ny zorony] roa anefa no tazana manontolo tao anatin’ny Tranolay Masina, fa ny antsasaka hakiho ihany tamin’ny zorony iray ary antsasaka hakiho tamin’ny zorony iray, ka lasa hoe folo hakiho ny sakany. Ny iray hakiho ambiny tamin’ilay hazo fisaka [teo amin’ny zorony iray] sy ny iray hakiho ambiny tamin’ilay iray kosa notakonan’ilay hazo fisaka teo amin’ny lafiny avaratry ny Tranolay Masina sy ilay teo atsimo. Iray hakiho mantsy ny hatevin’ny hazo fisaka tsirairay. Mifanitsy tsara àry ireo zorony.”—Boky Dimy Voalohany sy ny Targoman’i Onkelos, ny Mpaminany sy Fanazavana Hevi-teny Nataon’i Rashi, Eksodosy, nadikan’i M. Rosenbaum sy A. Silbermann, p. 144; ireo nandika azy ity no nanao sora-mandry.
Samy 10 hakiho na ny lavan’ny Masina Indrindra na ny sakany na ny haavony, fa ny an’ny Masina Indrindran’ny tempolin’i Solomona kosa samy 20 hakiho (8,9 m) avy. (1Mp 6:20) Ahoana kosa ny amin’ny Masina? Avo roa heny noho ny sakany ny lavany. Roapolo hakiho avy ny sakan’ireo fitambaran-damba rongony roa nandrakotra ny tranolay masina. (Ek 26:1-5) Avy teo amin’ny fidirana ka hatreo amin’ireo faraingo nanakambana an’ireo fitambaran-damba roa ny 20 hakiho voalohany. Toa teo ambonin’ireo andry nanantonana ny ridao nanasaraka ny Masina sy ny Masina Indrindra ireo faraingo ireo. Ny 20 hakiho faharoa kosa nanarona ny Masina Indrindra (10 hakiho) sy ny lamosin’ilay tranolay na ny lafiny andrefana (10 hakiho).
Rafitra. Hazo akasia natao hoatran’ny rafitry ny varavarankely, fa tsy vatan-kazo be, ny rafitry ny tranolay, ary nopetahana takela-bolamena. (Ek 26:15-18) Toa mitombina izany satria 1) navesatra loatra raha vatan-kazo akasia no nampiasaina, ary 2) tsy ho tazana ireo sarina kerobima natao peta-kofehy teo amin’ilay lamba rongony nandrakotra an’ireo vatan-kazo, afa-tsy ireo sary teo ambony. (Ek 26:1) Rafitra àry no nampiasaina, matoa hitan’ny mpisorona ireo kerobima natao peta-kofehy teo amin’ilay rakotra lamba rongony teo anelanelan’ny rafitra tsirairay. Misy manam-pahaizana koa milaza ankehitriny fa tsy vatan-kazo be no nampiasaina. Nadikan’ny Baiboly maoderina sasany hoe “hazo fisaka” na “rafitra” àry ilay teny hebreo hoe keresh, na dia nadikan’ny Baiboly tranainy kokoa hoe “vatan-kazo” aza.—Ek 26:15-29, Kat., DIEM, TV.
Samy nisy rafitra 20 teo amin’ny lafiny avaratra sy atsimo. (Ek 26:18, 20) Folo hakiho (4,5 m) ny haavon’ny tsirairay, iray hakiho sy sasany (67 sm) ny sakany, ary tsy fantatra ny hateviny. Rafitra enina no teo andamosin’ilay tranolay, teo amin’ny lafiny andrefana, ary roa no natao ‘andry teo amin’ny zorony roa.’—Ek 26:22-24.
Nasiana “tahony boribory” teo amin’ireo rafitra mba hitsofohan’ireo barany, izay hazo nopetahana takela-bolamena. Nisy laharany telo ireo barany nihazona ny tranolay. Barany roa avy no teo amin’ny laharana voalohany sy farany, fa ilay iray teo afovoany ihany no ‘nitsofoka avy teo anoloana ary nipoitra tany amin’ny farany.’—Ek 26:26-29.
Andry sy fototra. Nisy andry dimy nopetahana takela-bolamena teo amin’ny fidirana, ary andry efatra no nihantonan’ilay ridao nanasaraka ny Masina sy ny Masina Indrindra. (Ek 26:32, 37) Nisy 100 ny faladian’ny tranolay masina nitsatohan’ny lahin’ireo rafitra 48 (faladiany roa no nitsatohan’ny rafitra iray, ary efatra no nitsatohan’ireo andry efatra nanasaraka ny Masina sy ny Masina Indrindra). Volafotsy daholo ireo faladiany ireo (Ek 26:19-25, 32), ary nilanja talenta iray (34 kg teo ho eo) avy. (Ek 38:27) Tsy natevina be àry ireo faladiany ireo, fa mety ho takelaka navesatra. Nisy faladiany varahina dimy koa nitsatohan’ireo andry teo amin’ny fidirana.—Ek 26:37.
Tokotany. Nirefy 100 x 50 hakiho (44,5 x 22,2 m) ny tokotany nanodidina ny tranolay. Dimy hakiho (2,2 m) ny haavon’ny fefy lamban’ny tokotany. Andry varahina 20 avy no nihazona an’ilay fefy teo amin’ny lafiny avaratra sy atsimo, ary 10 avy no teo andrefana sy atsinanana. Lamba rongony sy kofehy miloko no nanaovana ny lamba fanakonana ho an’ny fidirana teo atsinanana, ary 20 hakiho (8,9 m) ny lavany.—Ek 38:9-20.
Tombam-bidiny. Manodidina ny 12 000 000 dolara ny vidin’ny volamena sy volafotsy natao tamin’ny tranolay masina, ka mety ho 13 000 000 dolara mahery no lany tamin’izy manontolo.—Ek 38:24-29.
Fanampiny. Toa nasiana efitra ho an’ny mpisorona teo amin’ny tokotanin’ny tranolay tatỳ aoriana, angamba nifanila tamin’ilay tranolay. (1Sa 3:3) Mety ho nasiana trano rantsankazo koa teo, mba hihinanan’ny olona sy ny fianakaviany an’izay sorona iombonana natolony.
Toerany tao amin’ny tobin’ny Israely. (KISARY, Boky 1, p. 538) Teo afovoan’ny toby ny tranolay masina. Ny fokon’i Levy izay mpikarakara an’ilay tranolay no nitoby akaiky indrindra azy. Teo atsinanana ny fianakavian’i Arona mpisorona, teo atsimo ny Kehatita (tamin’ireo no nakana ny mpisorona avy tamin’ny fianakavian’i Arona [Ek 6:18-20]), teo andrefana ny Gersonita, ary teo avaratra ny Merarita. (No 3:23, 29, 35, 38) Terỳ lavidavitra kokoa ireo foko 12: I Joda, Isakara, Zebolona no teo atsinanana; Robena, Simeona, Gada no teo atsimo; Efraima, Manase, Benjamina no teo andrefana; ary Dana, Asera, Naftaly no teo avaratra. (No 2:1-31) Mora hitan’izay tao an-toby ny nisy an’ilay tranolay, satria nisy rahona teo ambonin’ny Masina Indrindra (nisy an’ilay Vata misy ny fifanekena) rehefa antoandro, ary nisy afo rehefa alina.—Ek 40:36-38.
Fomba nitondrana azy. Nosaronan’ny mpisorona ny fitaovana rehetran’ny tranolay masina rehefa hafindra izy io. Nolanjain’ny Kehatita teny an-tsorony ny Vata misy ny fifanekena, ny latabatry ny mofo aseho, ny fitoeran-jiro, ary ireo alitara. (No 4:4-15; 7:9) Ny Gersonita kosa nanana sarety roa hitaterana ny lamban’ny tranolay (afa-tsy ny ridao nanoloana ny Masina Indrindra, izay nanaronana an’ilay Vata [No 4:5]), ireo rakotry ny tranolay masina, fefy lamban’ny tokotany, lamba fanakonana, tady fanenjanan-day, ary fitaovam-panompoana sasany. (No 4:24-26; 7:7) Ny Merarita indray nanana sarety efatra hitondrana an’ireo entana mavesa-be, toy ireo rafitra sy andry ary faladia itsatohany, sy ireo fantsika be ary tady fanenjanan-day.—No 4:29-32; 7:8.
Tantarany. Natao tao Gilgala ilay tranolay rehefa tafampita ny Reniranon’i Jordana ny Israely ka tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina. (Js 4:19) Nafindra tao Silo ilay izy rehefa nozaraina ilay tany (Js 18:1), ka nijanona tao an-taonany maro (1Sa 1:3, 24) mandra-pamindra azy tany Noba (1Sa 21:1-6) sy tany Gibeona (1Ta 21:29). Efa ela ny Vata misy ny fifanekena no tsy tao amin’ny tranolay masina intsony, rehefa nafindran’i Davida tany Ziona izy io. Mbola nisy sorona natao anefa tao amin’ilay tranolay tany Gibeona, izay “toerana avo nanana ny naha izy azy”, mandra-pahavitan’ny tempolin’i Solomona. (1Mp 3:4) Nasain’i Solomona nentina sy napetraka tao Jerosalema ilay tranolay, rehefa vita ny tempoly.—1Mp 8:4; 2Ta 5:5.
Heviny an’ohatra. Nohazavain’ny apostoly Paoly fa tandindona ihany ny tranolay masina sy ny fanompoana natao tao. Nilaza koa izy fa “mpanompo ho an’ny besinimaro [i Jesosy Kristy] ary manompo ao amin’ny toerana masina sy ny tena tranolay, izay naorin’i Jehovah fa tsy naorin’olona.” (He 8:2) Hoy koa izy: ‘Rehefa tonga i Kristy, izay mpisoronabe ny amin’ny zava-tsoa efa ananantsika, dia tao amin’ny tranolay lehibe kokoa sy lavorary kokoa ary tsy nataon-tanana, izany hoe, tranolay tsy anisan’izao zavatra ary izao.’ (He 9:11) Nasain’Andriamanitra natao ny tranolay masina, izay foiben’ny fivavahana marina, mba hahafahana hanatona azy sy hahazoana famelan-keloka. Fanoharana izy io (He 9:9) ary ilazana an’ilay tranolay nataon’Andriamanitra anompoan’i Jesosy Kristy Mpisoronabe, izay nanolotra an’ilay vidim-panavotana ahazoana famelan-keloka rehefa niseho teo anatrehan’ny Rainy any an-danitra. (He 9:24-26; jereo TEMPOLY.) Tena afaka manatona an’Andriamanitra àry ireo manam-pinoana. (He 4:16) Hitan’ny apostoly Jaona tao amin’ny fahitana ny “toerana masin’ny tranolain’ny vavolombelona” any an-danitra.—Ap 15:5.
Zanak’Andriamanitra nateraky ny fanahy sy nanantena hiaraka amin’i Kristy Jesosy any an-danitra ny apostoly Petera, ka nohariny tamin’ny “tranolay” ny vatany. Vetivety ihany anefa izy io no ho ‘trano fonenany’, satria fantany fa efa ho faty izy ary ho lasa fanahy rehefa hatsangana.—2Pe 1:13-15; 1Jn 3:2; 1Ko 15:35-38, 42-44.
Jereo ny lahatsoratra momba an’ireo fitaovana samihafa tao amin’ny tranolay masina, mba hahitana fanazavana momba azy ireo.