-
Fihetsika sy FanaoFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Midika ho fanekena koa ny hoe mametra-tanana. Nametra-tanana teo amin’ireo biby hatao fanatitra, ohatra, i Arona sy ny zanany lahy, rehefa nanaiky fa natolotra hanaronana ny fahotany izy ireny. (Ek 29:10, 15) Manaiky koa no dikan’ny hoe mametra-tanana ao amin’ny Levitikosy 4:15.
-
-
TananaFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Mametra-tanana. Tsy natao hitazonana zavatra fotsiny ny tanana, fa nampiasaina koa rehefa nametra-tanana tamin’ny olona na zavatra, ary nisy antony maro nanaovana izany. Matetika anefa izy io no natao hanendrena na hampahafantarana olona na zavatra iray. Nametra-tanana teo amin’ny lohan’ilay ombilahy sy ondrilahy roa, ohatra, i Arona sy ny zanany lahy, rehefa natolotra ny sorona fametrahana azy ireo teo amin’ny toerany. Midika izany fa neken’izy ireo hoe ho azy no nanaovana sorona an’ireo biby ireo mba hahatongavany ho mpisorona ho an’i Jehovah Andriamanitra. (Ek 29:10, 15, 19; Le 8:14, 18, 22) Nametra-tanana tamin’i Josoa koa i Mosesy rehefa nanendry an’i Josoa handimby azy. Izany mantsy no nasain’Andriamanitra nataon’i Mosesy. “Feno fanahim-pahendrena” i Josoa taorian’izay ka afaka nitarika ny Israely. (De 34:9) Nametra-tanana tamin’izay tokony hahazo tsodrano ny olona nanan-jo hanao izany. (Ge 48:14; Mr 10:16) Nikasika na nametra-tanana tamin’ny olona sasany nositraniny i Jesosy Kristy. (Mt 8:3; Mr 6:5; Lk 13:13) Nandray ny fanahy masina ny olona sasany rehefa nametra-tanana tamin’izy ireo ny apostoly.—As 8:14-20; 19:6.
-