Genesisy
48 Taorian’izay, dia nisy niteny tamin’i Josefa hoe: “Efa mihareraka ny rainao.” Koa nentin’i Josefa tany i Manase sy Efraima, zanany mirahalahy.+ 2 Dia nisy niteny tamin’i Jakoba hoe: “Io tonga hamangy anao io i Josefa zanakao.” Dia nanangona ny heriny rehetra i Israely, ka nipetraka teo am-pandrianany. 3 Ary hoy i Jakoba tamin’i Josefa:
“Niseho tamiko tao Lozy tany Kanana ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, dia nitso-drano ahy.+ 4 Ary hoy izy tamiko: ‘Hataoko manan-taranaka ianao ka ho lasa be dia be ny taranakao, ary hataoko firenena lehibe ianao.+ Homeko ho an’ny taranakao handimby anao ity tany ity, ka ho lasa fananany mandrakizay.’+ 5 Fa izy roa lahy zanakao kosa, izay naterakao teto Ejipta talohan’ny nahatongavako teto aminao, dia ho lasa zanako.+ Ho lasa zanako tokoa i Efraima sy Manase, hoatran’i Robena sy Simeona.+ 6 Ho anao kosa anefa izay zanaka haterakao aorian’izy mirahalahy. Dia hitondra ny anaran’izy mirahalahy ry zareo, sady hahazo lova amin’ny anjaran’izy ireo.+ 7 Dia izao indray ny momba ahy: Tamin’izaho niala tany Padana, dia maty teo akaikiko i Rahely,+ tany Kanana. Teny an-dalana ho any Efrata+ izahay tamin’izay, ary mbola lavitra i Efrata, izany hoe Betlehema.+ Koa naleviko tamin’iny lalana mankany Efrata iny izy.”
8 Avy eo dia hitan’i Israely ny zanak’i Josefa, ka hoy izy: “Fa iza ireo?” 9 Dia hoy i Josefa tamin’ny rainy: “Ny zanako nomen’Andriamanitra ahy tatỳ ireo.”+ Dia hoy izy: “Mba ento etỳ amiko ry zareo hotsofiko rano.”+ 10 Efa nanjavozavo ny mason’i Israely tamin’izay, satria izy efa antitra ka tsy nahita. Koa nentin’i Josefa nanatona azy izy mirahalahy. Dia nanoroka sy namihina azy roa lahy i Israely. 11 Hoy koa izy tamin’i Josefa: “Tsy nieritreritra ny hahita anao intsony aho,+ nefa izao aho navelan’Andriamanitra hahita ny zanakao koa aza!” 12 Nesorin’i Josefa teo akaikin’ny lohaliky ny rainy izy mirahalahy avy eo, dia niankohoka tamin’ny tany izy.
13 Dia noraisin’i Josefa tamin’ny tanany havanana i Efraima+ ka nataony teo ankavian’i Israely. Fa i Manase+ indray noraisiny tamin’ny tanany havia ka nataony teo ankavanan’i Israely. Dia nampanatoniny azy izy mirahalahy. 14 Nataon’i Israely teo amin’ny lohan’i Efraima anefa ny tanany havanana na dia izy aza no zandriny. Fa ny tanany havia kosa no nataony teo amin’ny lohan’i Manase. Nataony fanahy iniana mihitsy ilay izy na dia i Manase aza no lahimatoa.+ 15 Dia nitso-drano an’i Josefa izy hoe:+
“Ry ilay tena Andriamanitra notompoin’i* Abrahama sy Isaka raiko,+
Ry ilay tena Andriamanitra, izay mpiandry ahy hatramin’izay niainako ka mandraka androany,+
16 Ilay nampiasa ny anjeliny hamonjena ahy tamin’ny loza rehetra,+ mba tahio ireto zaza ireto.+
Enga anie mba hantsoina eo amin’izy ireo ny anarako sy ny anaran’i Abrahama sy Isaka raiko,
Ary enga anie ka ho lasa maro be eto ambonin’ny tany izy ireo!”+
17 Ary tsy faly i Josefa rehefa hitany hoe nataon’ny rainy teo amin’ny lohan’i Efraima ny tanany havanana. Notadiaviny hesorina teo amin’ny lohan’i Efraima àry ny tanan’ny rainy, dia hatao eo amin’ny lohan’i Manase. 18 Hoy i Josefa tamin’ny rainy: “Tsy mety izao, ry Dada a! Fa ity no lahimatoa,+ dia apetraho eo amin’ny lohany ny tananao havanana.” 19 Tsy nety mihitsy anefa ny rainy, fa niteny hoe: “Fantatro izany, anaka, fantatro izany. Ho lasa firenena koa izy sady hahery. Ny zandriny anefa mbola hahery noho izy,+ ary ny taranany ho lasa be dia be ka ho lasa firenena maro.”+ 20 Mbola nitso-drano azy ireo ihany àry izy tamin’io andro io+ hoe:
“Enga anie hanonona ny anaranao ny Israely rehefa mitso-drano, ka hilaza hoe:
‘Hataon’Andriamanitra ho tahaka an’i Efraima sy ho tahaka an’i Manase anie ianao!’”
Koa i Efraima foana no nataony alohan’i Manase.
21 Hoy i Israely tamin’i Josefa avy eo: “Efa ho faty aho.+ Hitahy anareo foana anefa Andriamanitra, ka hamerina anareo any amin’ny tanin’ny razambenareo.+ 22 Ary homeko tany* iray fanampiny ianao, mihoatra noho ny an’ny rahalahinao. Nalaiko tamin’ny sabatro sy ny tsipìkako teo an-tanan’ny Amorita izany tany izany.”