Aoka isika hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra
“Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.” — 2 KORINTIANA 7:1.
1. Ahoana no ahalalantsika fa misy anjely ambony miaiky ny amin’ny fahamasinan’i Jehovah?
JEHOVAH no ilay Andriamanitra masina. Misy anjely ambony any an-danitra manambara amin-kery ny fahamasinany. “Masina, masina, masina Jehovah, Tompon’ny maro; henika ny voninahiny ny tany rehetra.” Toy izany no fanambarana mampihetsi-po nataon’ireo serafima, izay hitan’Isaia mpaminany tao amin’ny fahitana iray tamin’ny taonjato faha-8 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Tamin’ny faran’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana, dia nahazo fahitana momba izay hiseho amin’izao androntsika izao, amin’ny “Andron’ny Tompo”, ny apostoly Jaona. Nahita sy nandre zavamananaina efatra tsy nitsahatra nanambara toy izao nanodidina ny seza fiandrianan’i Jehovah izy: “Masina, masina, masina ny Tompo [Jehovah, MN ] Andriamanitra Tsitoha, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy.” Tamin’ny fanononana intelo ny teny hoe masina dia nampisongadina ny fahamasinana tsy manam-paharoan’ilay Mpamorona ireo zavaboary ara-panahin’i Jehovah ireo. — Isaia 6:2, 3; Apokalypsy 1:10; 4:6-8.
Fahamasinana sy fanokanana
2. a) Inona avy ireo lafiny roa amin’ny fahamasinana ary amin’ny ahoana no masina amin’ireo lafiny roa ireo Jehovah? b) Tamin’ny teny inona no nankalazan’i Mosesy ny fahamasinan’i Jehovah?
2 Araka ny ampiasana azy ao amin’ny Baiboly, ny teny hoe fahamasinana dia manondro, tsy toetr’izay madio eo amin’ny lafiny ara-pivavahana ihany, fa izay voatokana na nohamasinina koa. Jehovah dia madio amin’ny ambaratonga fara tampony; tafasaraka tanteraka amin’ny andriamanitra maharikoriko rehetran’ireo firenena izy. Izany lafiny amin’ny fahamasinany izany no nankalazain’i Mosesy rehefa nanambara tao amin’ny tononkira iray izy hoe: “Jehovah ô, iza moa no tahaka Anao amin’izay andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin’ny fahamasinana?” — Eksodosy 15:11.
3. Tamin’ny lafiny inona avy no tokony ho masina ny Isiraelita rehetra, ary ahoana no nanampian’i Jehovah azy ireo ho tonga tamin’izany?
3 Jehovah, ilay Andriamanitra masina, dia nitaky tamin’ny Isiraelita, vahoakany teto an-tany fahizay, ny mba hahamasina azy ireo koa. Tsy nampiharina tamin’ny Levita sy ny mpisorona fotsiny akory izany zavatra notakina izany, fa tamin’ilay firenena iray manontolo mihitsy. Hoy Jehovah tamin’i Mosesy: “Mitenena amin’ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra hoe: Aoka ho masina hianareo, satria masina Aho, Jehovah Andriamanitrareo.” (Levitikosy 19:2). Noho izany antony izany, Jehovah dia nanome lalàna ny Isiraelita, izay hanampy azy ireo hitoetra ho madio eo amin’ny lafiny ara-panahy, ara-pitondrantena, ara-tsaina sy ara-batana ary eo amin’ny fombafombam-pivavahana arahiny, ka ity endriny farany amin’ny fahadiovana ity dia nifandray tamin’ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny tabernakely ary, tatỳ aoriana, tao amin’ny tempoly.
Vahoaka iray voatokana
4, 5. a) Inona no naha-masina ny firenen’Isiraely? b) Inona no takina amin’ny Isiraely ara-panahy, ary amin’ny teny ahoana no anamafisan’ny apostoly Petera izany?
4 Raha mbola nanaja ny lalàn’Andriamanitra ny Isiraely dia tafasaraka tamin’ireo firenena simba nanodidina azy. Niavaka toy ny vahoaka voatokana na nohamasinina ho amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ilay Andriamanitra masina, izy. Hoy Mosesy taminy: “Fa firenena masina ho an’i Jehovah Andriamanitrao hianao; fa hianao efa nofidin’i Jehovah Andriamanitrao ho firenena rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” — Deoteronomia 7:6.
5 Takina amin’ny Isiraely ara-panahy koa ny hahadio azy sy ny hahatafasaraka azy amin’ireo firenena. Ny apostoly Petera dia nanoratra toy izao ho an’ireo kristiana voafidy ho Isiraelita ara-panahy: “Tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin’ny tsi-fahalalanareo; fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa hianareo amin’ny fitondrantena rehetra satria voasoratra hoe: “Ho masina hianareo, satria masina Aho.” — 1 Petera 1:1, 14-16.
6, 7. a) Inona no vakina ao amin’ny toko faha-7 amin’ny Apokalypsy momba ny “olona betsaka”, ary araka ny fifandrindran-kevitra, inona no takina aminy? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ireo fehintsoratra manaraka?
6 Ny toko faha-7 amin’ny Apokalypsy dia milazalaza ny amin’ireo anisan’ny “olona betsaka” “nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana [ny an’i Jehovah] sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry, niakanjo akanjo fotsy lava”. Mbola vakina koa fa “ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry”. (Apokalypsy 7:9-14.) Mampiseho ny fiheveran’i Jehovah azy ho madio sy marina noho ny finoany ny ra nanavotan’i Kristy ny akanjony fotsy. Noho izany, ny kristiana voahosotra na ny “ondry hafa” dia samy tokony hitoetra ho madio amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-pitondrantena mba hanompoany an’i Jehovah amin’ny fomba ankasitrahany. — Jaona 10:16.
7 Aoka hodinihintsika izao ny hoe tamin’ny fomba ahoana avy no tokony hitandreman’ny mpanompon’i Jehovah fahiny ny fahadiovany sy ny fahamasinany, ary nahoana no mbola mihatra amin’ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny andro ankehitriny ireny fotopoto-pitsipika ireny.
Ny fahadiovana ara-panahy
8. Noho ny antony inona avy no tsy maintsy nisarahan’ny Isiraelita tamin’ireo fivavahan’ny Kananita?
8 Ny Isiraelita dia tsy maintsy nanalavitra tamim-pitandremana ny fanao ara-pivavahana maloton’ireo firenena hafa. Tamin’ny alalan’i Mosesy, dia hoy Jehovah tamin’ny Isiraely: “Koa mitandrema, fandrao hanao fanekena amin’ny mponina eo amin’ny tany izay halehanao hianao, ka ho fandrika eo afovoanao izany. Fa ravao ny alitarany, ary torotoroy ny tsangam-baton-tsampiny [nampiasaina tao amin’ny faritry ny fanompoam-pivavahana maharikoriko ny amin’ny maha-lahy sy maha-vavy], ary jinjao ny Aserahany. Fa tsy hiankohoka eo anatrehan’izay andriamani-kafa hianao; fa Jehovah dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy [na “Andriamainitra iray mitaky fifikirana aminy irery ihany”, Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, fanontàna anglisy misy fakàn-teny tamin’ny 1984, fanamarihana], fandrao hianao hanao fanekena amin’ny mponina eo amin’ny tany, ka hijangajanga hanaraka ny andriamaniny sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ny andriamaniny.” — Eksodosy 34:12-15.
9. Inona no toromarika hentitra noraisin’ny sisa nahatoky nandao an’i Babylona tamin’ny 537 alohan’ny fanisan-taona iraisana?
9 Taonjato maro tatỳ aoriana, dia nanome tsindrimandry an’Isaia Jehovah mba hilazany ireto teny ara-paminaniana ireto tamin’ny sisa amin’ny Isiraelita nahatoky izay hiverina avy any Babylona ho any amin’ny tanin’ny Joda: “Mialà, mialà hianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova, hianareo izay mitondra ny fanak’i Jehovah [izay hamerenana ny fanompoam-pivavahana madio amin’ny laoniny ao amin’ny tempoly ao Jerosalema]!” — Isaia 52:11.
10, 11. a) Toromarika inona mitovy amin’izany moa no noraisin’ny Isiraelita ara-panahy tamin’ny taonjato voalohany? b) Ahoana no nanarahana an’ireny toromarika ireny indrindra fa hatramin’ny 1919 sy 1935, ary amin’ny fomba hafa ahoana no iarovan’ny kristiana voahosotra sy ireo namany ny fahadiovany ara-panahy?
10 Toy izany koa, ny Isiraelita ara-panahy sy ireo namany dia tokony hitandrin-tena mba tsy ho voaloto amin’ny fikambanana amin’ireo fivavahana mpanompo sampin’izao tontolo izao ankehitriny. Nanoratra tamin’ireo kristiana voahosotra tao amin’ny kongregasionan’i Korinto ny apostoly Paoly hoe: “Ary inona no ikambanan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy? Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny nataon’Andriamanitra hoe: ‘Honina eo aminy Aho sy handeha eo aminy; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho oloko.’ ‘Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, ary aza manendry izay zavatra tsy madio; ary Izaho dia handray anareo.’ ” — 2 Korintiana 6:16:17.
11 Hatramin’ny 1919, ireo anisan’ny sisa amin’ny kristiana voahosotra nodiovina sy nofotsiana dia nafahana tamin’ireo fanompoam-pivavahana maloto sy mpanompo sampin’i Babylona Lehibe (Malakia 3:1-3). Namaly izao fanasana avy amin’Andriamanitra izao izy ireo: “Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.” (Apokalypsy 18:4). Hatramin’ny 1935, dia olona betsaka amin’ny “ondry hafa” mitombo isa hatrany no nanaiky izany fanasana izany koa, ka nandao ny fivavahana tsy madio avy tany Babylona. Mitandrina ny fahadiovany ara-panahy koa ny kristiana voahosotra sy ireo namany, amin’ny fandavana amin’ny fomba hentitra ny handinika ny fanaporofoan-kevitra mamitak’ireo mpivadi-pinoana. — Jaona 10:16; 2 Jaona 9-11.
Ny fahadiovana ara-pitondrantena
12. a) Tamin’ny alalan’ny lalàna inona avy moa no nampisondrotan’i Jehovah ny fari-pitondrantenan’ny Isiraelita ho ambony lavitra noho ny an’ireo firenena nanodidina azy? b) Lalàna hentitra indrindra inona avy no nampiharina tamin’ny mpisorona?
12 Tamin’ny alalan’ny faneken’ny Lalàna, Jehovah dia nampiakatra ny fari-pitondrantenan’ny Isiraelita ho ambony lavitra noho ny an’ireo firenena simba ara-pitondrantena nanodidina azy. Ny fanambadiana sy ny fianakaviana dia fikambanana narovana teo amin’ny Isiraely. Ny fahafito amin’ny Didy Folo dia nandrara ny fanitsakitsaham-bady, izay, tahaka ny fijangajangana, dia nosazina mafy (Deoteronomia 22:22-24). Niaro ny virjina koa ny Lalàna (Deoteronomia 22:28, 29). Voafehin’ny fitsipika hentitra indrindra ny fanambadian’ny mpisorona. Raha ny amin’ny mpisoronabe, dia tsy maintsy virjina madio no nalainy ho vady. — Levitikosy 21:6, 7, 10, 13.
13. Oharina amin’iza moa ireo anisan’ny ‘ampakarin’i Kristy’, ary nahoana?
13 Tahaka izany koa, Jesosy Kristy, ilay Mpisoronabe, dia manana ‘vady’ iray voaforon’ny kristiana voahosotra 144 000, oharina amin’ny “virjina”. (Apokalypsy 14:1-5; 21:9.) Tsy mandoto ny tenany amin’izao tontolo izaon’i Satana izy ireo ary mitoetra ho madio eo amin’ny lafin’ny foto-pampianarana sy ara-pitondrantena. Nanoratra toy izao ho an’ireo kristiana voahosotra tany Korinto ny apostoly Paoly: “Fa fahasaro-piaro araka an’Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo; fa nataoko fofom-badin’ny lehilahy iray hianareo, mba hatolotro tahaka ny virjina madio ho an’i Kristy.” (2 Korintiana 11:2). Mbola nanoratra toy izao koa izy: “Ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, mba hahamasina azy amin’ny anadiovany azy amin’ny rano fanasana amin’ny teny; mba horaisiny ho an’ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy.” — Efesiana 5:25-27.
14, 15. a) Amin’ny lafiny hafa inona no tokony hadio ny kilasin’ny ampakarina, ary andinin-teny inona ao amin’ny Baiboly no manondro izany? b) Nahoana no mazava fa ireo zavatra takina momba ny fahadiovana ara-pitondrantena dia mihatra amin’ny ondry hafa koa?
14 Ireo anisan’ny vadin’i Kristy dia tokony hadio, tsy amin’ny lafiny ara-panahy ihany, fa amin’ny lafiny ara-pitondrantena koa. Hoy Paoly: “Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona (...) dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra. Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa hianareo, efa nohamasinina hianareo.” — 1 Korintiana 6:9-11.
15 Tsapa amin’ny fomba mazava fa ireo zavatra takina momba ny fahadiovana ara-pitondrantena ireo dia mihatra amin’ny ondry hafa koa, rehefa heverina ny karazan’olona tsy eken’i Jehovah hiditra ao amin’ny lanitra vaovao sy tany vaovao, izay nampanantenainy haorina. Izao no vakintsika: “Fa ny (...) vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga (...) dia hanana ny anjarany ao anatin’ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa.” — Apokalypsy 21:1, 8.
Fanambadiana mendri-kaja
16, 17. a) Andininy inona ao amin’ny Baiboly no mampiseho fa tsy takina ny tsy maintsy hitoerana ho mpitovo, mba hahadio amin’ny lafiny ara-pitondrantena? b) Ahoana no azon’ny kristiana iray ampisehoana fa matahotra an’Andriamanitra izy rehefa mifidy izay ho vadiny, ary nahoana no tsy ho fahendrena ny tsy fiheverana ny fameperana avy amin’ny apostoly?
16 Tsy voatery hitoetra ho mpitovo ny mpikambana voahosotra amin’ny kilasin’ny ampakarina sy ny ondry hafa mba hahadio hatrany eo amin’ny lafiny ara-pitondrantena. Mifanohitra amin’ny Soratra Masina ny fanerena hitoetra ho mpitovo (1 Timoty 4:1-3). Ny firaisan’ny lahy sy ny vavy ao amin’ny faritry ny fanambadiana, dia tsy maloto velively. Manambara ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana: fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra.” — Hebreo 13:4.
17 Kanefa ny kristiana iray maniry “hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra” dia mahalala fa tsy afaka manambady na iza na iza tiany izy. Taloha kelin’ny nanoroany hevitra ny namany kristiana mba ‘hanadio ny tenany ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra’, dia nanoratra izao ny apostoly Paoly: “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? (...) Ary inona no iraisan’ny anjaran’ny mino sy ny tsy mino?” (2 Korintiana 6:14, 15; 7:1). Koa satria izy anisan’ny vahoakan’i Jehovah voatokana sy madio, ny lehilahy na vehivavy kristiana iray ta-hanambady dia hanaja ny fameperana nataon’ny apostoly, izay ilazana fa tokony hanao izany “ao amin’ny Tompo ihany” izy. Hifidy ho vady olona izay nanolo-tena sy manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana àry izy (1 Korintiana 7:39). Amin’izao androntsika izao toy ny tamin’ny lasa, dia ho hadalana tokoa ho an’ny mpanompon’Andriamanitra ny tsy fiheverana an’io torohevitra ao amin’ny Baiboly io (jereo Deoteronomia 7:3, 4; Nehemia 13:23-27). Tsy ho fanehoana tahotra mahavonjy amin’ny Tompontsika lehibe, Jehovah, izany. — Malakia 1:6.
18. Amin’ny fomba hafa inona koa no hiarovan’ny kristiana ny fanambadiany ho mendri-kaja?
18 Ankoatra izany, dia nisy lalàna nametra ny fampiasana ny maha-lahy sy maha-vavy na dia teo amin’ny mpivady aza, teo amin’ny Isiraely. Ny lehilahy vady iray dia tokony hifady ny firaisana amin’ny vadiny amin’ny fadimbolany (Levitikosy 15:24; 18:19; 20:18). Ny lehilahy àry dia tsy maintsy nifehy tena sy nampiseho fiheverana voamariky ny fitiavana, teo amin’ny Isiraely fahiny. Hampiseho fiheverana latsaka noho izany ve ny kristiana amin-dravehivavy vadiny? Ny apostoly Petera dia mamporisika azy ireo hiara-mitoetra aminy “araka ny marina”, izany hoe amin’ny fiheverana ny toe-tenany oharina amin’ny “fanaka malemilemy kokoa”. — 1 Petera 3:7.
Aoka isika handeha amin’ny “Lalàn’ny fahamasinana”
19, 20. a) Lazalazao ny amin’ny lalana malalaka arahin’ny ankamaroan’ny olombelona. b) Inona no tokony hampiavaka ny vahoakan’i Jehovah amin’izao tontolo izaon’i Satana? d) Lalambe inona no andehanan’ny vahoakan’i Jehovah, oviana no nanokafana izany, ary iza ihany no afaka mandia eo?
19 Avy amin’izay hita tetsy aloha, dia miharihary fa misy hantsana mihalehibe hatrany mampisaraka ny vahoakan’i Jehovah amin’izao tontolo izaon’i Satana. Milefitra loatra kokoa hatrany sady tia fahafinaretana izao fandehan-javatra ankehitriny izao. Hoy Jesosy: “Midira amin’ny vavahady èty hianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana, ka maro ny miditra any.” (Matio 7:13). Ny ankamaroan’ny olombelona dia manaraka izany lalana malalaka izany izay, araka ny tenin’ny apostoly Petera, dia miavaka noho ny “fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy ary ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra”, sady mitarika ho amin’ny “fanaranam-po amin’ny ratsy”. (1 Petera 4:3, 4.) Ny hiafarany dia fandringanana.
20 Ny mpanompon’Andriamanitra kosa dia mandeha amin’ny lalana hafa tanteraka, lalana madio anankiray andehanan’olona madio. Nanambara ny fisokafan’izany lalana izany amin’ny andro farany tamin’izao teny izao ny mpaminany Isaia: “Ary hisy làlambe any, dia làlana voavoatra, izay hatao hoe Làlan’ny fahamasinana; tsy mba handia izany ny tsy madio.” (Isaia 35:8). Momba an’izany faminaniana izany, dia izao no vakina ao amin’ilay boky hoe Sécurité universelle sous le Règne du “Prince de paix”: “Tamin’ny 1919, dia nosokafana ho an’ireo mpanompon’Andriamanitra falifaly ny lalambe ara-panoharana iray. Ireo izay naniry hoheverin’i Jehovah ho masina dia nanomboka nandeha tamin’ny “lalambe”, ny “Làlan’ny fahamasinana”. (...) Na dia efa lasa lavitra aza ‘ny fifaranan’ny fandehan-javatra’, dia mbola mivoha izany “lalambe” nosoritan’Andriamanitra izany. Vahoaka maro feno fankasitrahana (...) no mandeha amin’ny lalan’ny paradisa ara-panahy, ny “Làlan’ny fahamasinana”a.”
21. Amin’ny fomba ahoana ary nahoana ny mpanompon’i Jehovah no tokony hisaraka amin’izao tontolo izaon’i Satana, ary inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
21 Eny, amin’izao androntsika izao, ny sisa voahosotra amin’ny Isiraelita ara-panahy sy ny namany, ny ondry hafa, dia mahaforona vahoaka iray tafasaraka amin’izao tontolo izaon’i Satana, tontolo iray izay ny fiheverany ny fahamasinana dia tsy misy heviny mihitsy intsony. Tsy misy na inona na inona masina intsony ho an’ny vahoaka maro be voataonan’i Satana manaraka ‘ny làlana malalaka izay mankany amin’ny fahaverezana’. Tsy madio izy ireny, tsy amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-pitondrantena ihany, fa matetika tokoa amin’ny lafiny ara-batana koa, satria manao tsirambina ny tenany izy ireny, raha izay ihany aza no lazaina. Ny apostoly Paoly anefa dia nanome izao torohevitra izao: “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.” (2 Korintiana 7:1). Amin’ny fomba ahoana avy no tokony hitandreman’ny mpanompon’Andriamanitra ny fahadiovany ara-tsaina sy ara-batana? Izany no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Toko faha-16, pejy 134, 135.
Famerenana
◻ Inona ireo lafiny roa amin’ny fahamasinana, ary nahoana no azo lazaina fa masina amin’ny ambaratonga fara tampony Jehovah?
◻ Tokony ho firenena masina amin’ny lafiny roa ny Isiraelita: inona avy izany?
◻ Inona no takina amin’ny Isiraelita ara-panahy sy ireo namany, ny ondry hafa?
◻ Inona no tokony ho herin’ny fahatahorana an’Andriamanitra eo amin’ny fifidianana vady?
◻ Inona avy ireo lalana roa misokatra ho an’ny olombelona ankehitriny, ary nahoana no tokony hifidy mazava izay iray amin’izy roa?
[Sary, pejy 13]
Milaza ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Aoka hanan-kaja (...) ny fanambadiana.”