ARONA
(Arôna).
Zanakalahin’i Amrama sy Jokebeda izay samy avy amin’ny fokon’i Levy. Teraka tany Ejipta i Arona, tamin’ny 1597 T.K. I Levy no dadan’ny dadabeny. (Ek 6:13, 16-20) I Miriama no zokiny vavy, ary i Mosesy no zandriny lahy. Telo taona ny elanelan’izy sy Mosesy. (Ek 2:1-4; 7:7) Nalain’i Arona ho vadiny i Eliseba zanak’i Aminadaba, ary niteraka efa-dahy izy ireo, izany hoe i Nadaba, Abiho, Eleazara, ary Itamara. (Ek 6:23) Maty tamin’ny 1474 T.K. i Arona, tamin’izy 123 taona.—No 33:39.
Nirahin’i Jehovah hiresaka tamin’i Farao i Mosesy, nefa tsy dia nazoto satria tsy nahay niteny tsara. I Arona àry no notendren’i Jehovah hisolo vava an’i Mosesy. Hoy i Jehovah momba an’i Arona: “Fantatro tsara fa tena mahay miteny izy.” Nitsena an’i Mosesy teo amin’ny Tendrombohitra Sinay i Arona, ary nolazain’i Mosesy taminy ny zavatra lehibe nokasain’Andriamanitra hatao tamin’ny Israely sy Ejipta. Niverina tany Ejipta izy mirahalahy taorian’izay.—Ek 4:14-16, 27-30.
Nisolo vava an’i Mosesy i Arona nanomboka teo, ka izy no niteny tamin’ny anti-panahin’ny Israely fa tsy i Mosesy. Nanao fahagagana koa izy ho porofo fa hafatr’Andriamanitra no nampitain’izy roa lahy. Niatrika an’i Farao i Arona, mpitondra tenin’i Mosesy, rehefa niseho tao an-dapan’io mpitondra nanambony tena io izy roa lahy. Efa 83 taona i Arona tamin’izay. Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy, taorian’izay: “Efa nataoko Andriamanitra eo anatrehan’i Farao ianao, ary i Arona rahalahinao kosa ho mpaminaninao.” (Ek 7:1, 7) I Arona no nanao an’ilay fahagagana voalohany teo anatrehan’i Farao sy ireo mpisorona tao Ejipta izay nampiasa herin’ny maizina. Izy koa no nandray tehina sy nanatsotra ny tanany, araka ny baikon’i Mosesy, ka nanomboka ny voalohany tamin’ireo Loza Folo. (Ek 7:9-12, 19, 20) Niara-niasa tsara tamin’i Mosesy foana i Arona sady nankatò an’Andriamanitra nandritra an’ireo loza nisesy, izay niafara tamin’ny fanafahana ny Israelita. Modely ho an’ny Kristianina i Arona, satria ny Kristianina koa ‘ambasadaoro solon’i Kristy, ary toy ny hoe miangavy amin’ny alalantsika Andriamanitra.’—Ek 7:6; 2Ko 5:20.
Azo antoka fa tsy dia nisolo vava an’i Mosesy intsony i Arona, rehefa nirenireny 40 taona tany an-tany efitra ny Israelita. Toa i Mosesy foana mantsy no tena niteny. (Ek 32:26-30; 34:31-34; 35:1, 4) Naverina tamin’i Mosesy koa ilay tehina, taorian’ny loza fahatelo. Nanampy an’i Mosesy fotsiny sisa i Arona, ka nanohana ny tanan’i Mosesy izy sy Hora, tamin’ilay ady tamin’ny Amalekita. (Ek 9:23; 17:9, 12) Matetika anefa no notononin’i Jehovah koa i Arona rehefa nanome toromarika an’i Mosesy izy. Voalaza koa fa niaraka izy roa lahy rehefa nisy zavatra natao na nolazaina, ary toy izany foana mandra-pahafatin’i Arona.—No 20:6-12.
Lefitr’i Mosesy i Arona, ka tsy niaraka taminy tany an-tampon’ny Tendrombohitra Sinay, rehefa nandray ny Lalàna i Mosesy. Nomena alalana hiakatra eo amin’ilay tendrombohitra kosa izy sy ny zanany roa lahy ary 70 tamin’ireo anti-panahin’ny Israely, ka nahazo fahitana momba ny voninahitr’Andriamanitra izy ireo. (Ek 24:9-15) Voatonona matetika tao amin’ny fifaneken’ny Lalàna i Arona sy ny ankohonany, ary notendren’Andriamanitra ho mpisoronabe i Arona.—Ek 28:1-3.
Mpisoronabe. Nasain’Andriamanitra napetrak’i Mosesy tamin’ny toeran’ny mpisoronabe i Arona mba hanao ny adidy masina nankinina taminy. Fito andro izany vao vita. Napetraka tamin’ny toeran’ny mpisorona lefitra koa izy efa-dahy zanak’i Arona. Nampanaovin’i Mosesy fitafiana kanto vita tamin’ny kofehy volamena sy manga sy mena midorehitra ary volonondry volomparasy i Arona, ary napetrak’i Mosesy teo aminy ireo lamban-tsoroka sy ny saron-tratra voaravaka vatosoa maro loko. Nampanaoviny satroka lamba vita tamin’ny rongony tena tsara koa i Arona. Natao teo amin’ilay satroka ny takela-bolamena (tsy misy fangarony) nisy soratra hoe “An’i Jehovah ny fahamasinana.” (Le 8:7-9; Ek 28) Nohosorana araka ny voalazan’ny Salamo 133:2 i Arona taorian’izay, ka azo nantsoina hoe ilay mashiah, na mesia (kristôs, LXX), izany hoe ilay “voahosotra.”—Le 4:5, 16; 6:22.
Voatendry ho lehiben’ny mpisorona rehetra i Arona. Tsy izay ihany anefa fa nilaza koa Andriamanitra fa tsy maintsy avy amin’ny taranak’i Arona izay ho mpisoronabe rehetra handimby azy. I Arona kosa tsy nandova ny asan’ny mpisoronabe. Marina àry izay nolazain’ny apostoly Paoly momba azy hoe: “Raha misy mahazo izany voninahitra izany, dia tsy noho ny sitrapony akory, fa noho ny fiantsoan’Andriamanitra ihany, tahaka ny tamin’i Arona. Dia toy izany koa i Kristy: Tsy izy no nanome voninahitra ny tenany mba ho mpisoronabe, fa ilay niteny momba azy hoe: ‘Ianao no zanako, ary izaho efa tonga rainao androany.’” (He 5:4, 5) Nohazavain’i Paoly avy eo ireo lafiny mampitovy ny asan’ny mpisoronabe fahiny (Arona no mpisoronabe voalohany) sy ny asan’i Kristy Jesosy ilay mpisoronabe ambony kokoa sy manompo any an-danitra. Koa satria mifanitsy amin’i Arona i Jesosy, dia vao mainka zava-dehibe amintsika ny asan’ny mpisoronabe nataon’i Arona.—He 8:1-6; 9:6-14, 23-28.
Andraikitr’i Arona mpisoronabe ny nitarika ny fanompoana rehetra natao tao amin’ny tranolay masina, sy nanara-maso ny asan’ireo Levita an’arivony nanompo tao. (No 3:5-10) Izy koa no nanolotra ny fanatitra noho ny otan’ny mpisorona sy ny Levita ary ny fanatitra noho ny otan’ny vahoaka, tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana fanao isan-taona. Izy irery no nahazo niditra tao amin’ny Masina Indrindra, tao amin’ilay tranolay masina, mba hitondra ny ran’ny biby natao sorona. (Le 16) I Arona sy ireo mpisorona zanany ihany no nanan-jo hanolotra emboka manitra isan’andro, sy hanolotra ny voaloham-bokatra tamin’ny varimbazaha, ary hanao ny fanompoana maro hafa tao amin’ny tranolay masina. (Ek 30:7, 8; Lk 1:8-11; Le 23:4-11) Voahosotra i Arona ka nohamasinina mba hanao ny asan’ny mpisorona ho an’ny firenen’Israely, nefa tsy izay ihany fa mba hanao adidy hafa koa, ohatra hoe hampianatra ny Tenin’Andriamanitra an’ilay firenena. (Le 10:8-11; De 24:8; Ml 2:7) Nitana andraikitra ambony teo anatrehan’i Jehovah Mpanjaka i Arona sy ireo nandimby azy. Rehefa nankalaza fotoan-dehibe ilay firenena, dia nanao an’ireo fitafiana lafo vidy sy ilay satroka lamba nisy “takelaka mamirapiratra” i Arona. Nanaovany koa ilay saron-tratra nisy ny Orima sy Tomima, izay nahafahan’i Jehovah namaly hoe “eny” na “tsia”, rehefa nisy olana teo amin’ny firenena. Tsy nampiasaina firy anefa izany tamin’i Mosesy mbola velona sady nanao ny asan’ny mpanelanelana.—Ek 28:4, 29, 30, 36; jereo MPISORONABE.
Vao lasa mpisoronabe i Arona, dia efa nisy fitsapana nahitana hoe tena nifikitra tanteraka tamin’ny fivavahana marina ve izy sa tsia. Naringan’Andriamanitra mantsy i Nadaba sy Abiho zanany, satria tsy nanaja zava-masina, izany hoe tsy nanaja ny andraikiny tamin’ny naha mpisorona azy. “Tsy nahateny i Arona” tamin’izay. Nilazan’i Mosesy izy sy ny zanany roa lahy sisa tavela mba tsy hisaona an’ireo nanota. “Nanao araka ny tenin’i Mosesy” izy ireo.—Le 10:1-11.
Mpisoronabe nisolo tena an’ireo foko 12 teo anatrehan’i Jehovah i Arona, nandritra ny 40 taona latsaka. Taorian’izay, dia nisy Levita iray atao hoe Kora sy Robenita telo lahy atao hoe Datana sy Abirama ary Ona nitarika ny Israelita hikomy sy tsy hanaiky ny fahefan’i Mosesy sy Arona, tany an-tany efitra. Tsy faly izy ireo hoe i Mosesy sy Arona no nitondra an’ilay firenena. Nataon’i Jehovah nisokatra àry ny tany tandrifin’ny tranolain’i Kora sy Datana ary Abirama, ka latsaka tao ireo mpikomy sy ny ankohonany. I Kora kosa levon’ny afo niaraka tamin’ireo 250 lahy niara-nikomy taminy. (No 16:1-35) Nimenomenona tamin’i Mosesy sy Arona ny fiangonana avy eo, ka nandefa loza nahafaty Andriamanitra vokatr’izany. Nasain’i Mosesy nivoaka nitondra ny fitondrana afony i Arona, mba handrakotra ny fahotan’ny vahoaka sy ‘hijoro teo anelanelan’ny maty sy ny velona’, mandra-pitsahatr’ilay loza. Nankatò izany i Arona ka hita fa tena nanam-pinoana sy be herim-po izy.—No 16:46-50.
Nasain’Andriamanitra nanome tehina iray avy ny foko 12, ary napetraka tao amin’ny tranolay masina ireo tehina 12 ireo. Nasainy nosoratana teo amin’ny tehin’ny fokon’i Levy ny anaran’i Arona. (No 17:1-4) Niditra tao amin’ny tranolay misy ny Tenin’ny Vavolombelona i Mosesy ny ampitson’iny, ary hitany fa nitsimoka ny tehin’i Arona, ka nisy voniny sady namoa amandy efa masaka. (No 17:8) Porofo mazava izany fa ireo Levita taranak’i Arona no nofidin’i Jehovah ho mpisorona ary i Arona no nomeny fahefana ho mpisoronabe. Taorian’izay, dia tsy tena nisy sahy nanakiana intsony ny zon’ny taranak’i Arona handova ny fisoronana. Natao tao anatin’ny Vata misy ny fifanekena ilay tehin’i Arona nitsimoka, “ho famantarana ho an’ny zanaky ny fikomiana.” Toa nesorina tao ilay tehina rehefa maty ireo mpikomy ireo ka niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny firenen’Israely. Efa vita mantsy ny nilana azy.—No 17:10; He 9:4; 2Ta 5:10; 1Mp 8:9.
Nahoana i Arona no tsy nosazina rehefa nanao an’ilay zanak’omby volamena?
Marina fa nanana tombontsoa niavaka i Arona, nefa nanana fahalemena koa izy. Tamin’i Mosesy nijanona voalohany nandritra ny 40 andro tany amin’ny Tendrombohitra Sinay, dia ‘nitangorona teo amin’i Arona ny olona, ka nanao hoe: “Manamboara andriamanitra ho antsika hialoha lalana antsika, fa tsy fantatra mihitsy izay nanjo an’ilay Mosesy nitondra antsika niakatra avy tany Ejipta iny.”’ (Ek 32:1) Nanaiky i Arona ka nanao izay notakin’izy ireo ary nanamboatra sarivongana zanak’omby. (Ek 32:2-6) Fialan-tsiny tsy nitombina no narosony, rehefa nanontany azy i Mosesy taorian’izay. (Ek 32:22-24) Tsy i Arona anefa no nolazain’i Jehovah hoe tena nitarika ny vahoaka hanompo sampy. Hoy mantsy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Koa ankehitriny avelao aho, aoka hirehetan’ny fahatezerako izy ireo, ka horinganiko.” (Izahay no manao sora-mandry; Ek 32:10, Kat.) Niangavy an’i Jehovah i Mosesy mba hamela ny heloky ny vahoaka, indrindra fa ny an’i Arona. Nandamina ampahibemaso an’ilay raharaha izy avy eo, ka niteny hoe: “Iza no momba an’i Jehovah? Avia etỳ amiko!” (Ek 32:11, 26; De 9:20) Dia nankeny amin’i Mosesy ny taranak’i Levy rehetra, ary azo antoka fa anisan’izany i Arona. Nasain’i Mosesy namono an’ireo nanompo sampy izy ireo, ka 3000 no maty. Ireo maty ireo angamba no tena nitarika ny vahoaka hanompo sampy. (Ek 32:28) Nisy hafa anefa tsy novonoina, ary nampahatsiahy azy ireny i Mosesy tatỳ aoriana fa meloka koa izy ireny. (Ek 32:30) Hita amin’izany fa namindrana fo izy ireny. Tsy i Arona ihany àry no nahazo ny famindram-pon’Andriamanitra. Hita tamin’ny zavatra nataony tatỳ aoriana koa fa tsy hoe te hanompo sampy izy, fa tsy nahatohitra ny faneren’ny vahoaka fotsiny. (Ek 32:35) Nasehon’i Jehovah fa namela ny helok’i Arona izy satria tsy novany ny fikasany hanendry azy ho mpisoronabe.—Ek 40:12, 13.
Na dia nanohana foana an’i Mosesy tao anatin’ny olana maro aza i Arona, ary vao avy napetrak’i Mosesy, solontenan’Andriamanitra, teo amin’ny toeran’ny mpisoronabe, dia nanao hadalana izy tsy ela taorian’izay. Nanaiky hotaomin’i Miriama anabaviny hanome tsiny an’i Mosesy izy, noho ilay vehivavy kosita nalain’i Mosesy ho vady. Tsy neken’izy mianadahy koa hoe hafa mihitsy ny fiheveran’i Jehovah Andriamanitra an’i Mosesy sy ny tombontsoa nomeny azy. Hoy izy ireo: “Amin’ny alalan’i Mosesy ihany angaha no itenenan’i Jehovah, fa tsy amin’ny alalanay koa?” (No 12:1, 2) Nanao zavatra avy hatrany i Jehovah ka nasainy nankeo anoloan’ny tranolay fihaonana izy telo mianadahy. Nibedy an’i Arona sy Miriama Andriamanitra noho izy ireo tsy nanaja an’ilay voatendriny. I Miriama ihany no boka taorian’izay, ka toa midika izany fa izy no tena nahatonga an’ilay fanakianana. Hita koa anefa hoe tsy nanana hazondamosina indray i Arona teo matoa nanaiky hotaominy ary izany no fahalemen’i Arona. Ary ahoana raha boka koa izy? Tsy afaka ny ho mpisoronabe intsony izy, araka ny lalàn’Andriamanitra. (Le 21:21-23) Tsara anefa ny toe-pony matoa izy niaiky avy hatrany sy nifona noho ny hadalana nataon’izy mianadahy, ary niangavy mafy tamin’i Mosesy mba hitalaho ho an’i Miriama.—No 12:10-13.
Mbola niombona fahotana tamin’ny hafa koa i Arona tao Meriba, tany Kadesy. Tsy nanamasina an’Andriamanitra sy tsy nanome voninahitra azy teo anatrehan’ny fiangonan’Israely mantsy izy sy Mosesy, rehefa namoaka an’ilay rano avy tamin’ny vatolampy. Namoaka didy àry Andriamanitra fa tsy hitondra an’ilay firenena hiditra ao amin’ny Tany Nampanantenaina izy mirahalahy.—No 20:9-13.
Tamin’ny andro voalohan’ny volana Aba, tamin’ny taona faha-40 nivoahan’ny Israelita avy tany Ejipta, dia nitoby teo amin’ny sisin-tanin’i Edoma, teo anoloan’ny Tendrombohitra Hora, ny firenen’Israely. Volana vitsivitsy sisa dia hiampita ny Jordana izy ireo, afa-tsy i Arona, izay efa 123 taona. Nasain’i Jehovah niakatra tany an-tampon’ny Tendrombohitra Hora i Arona sy Eleazara zanany ary Mosesy, ka nanao izany teo imason’ny vahoaka manontolo. Rehefa tonga tany izy ireo, dia navelan’i Arona hanala ny akanjo naha mpisorona azy i Mosesy. Nampanaovin’i Mosesy an’i Eleazara, zanak’i Arona sady mpisoronabe nandimby azy, izany avy eo. Maty i Arona taorian’izay. Azo inoana fa nalevin’ilay rahalahiny sy ny zanany tany izy, ary nisaona azy 30 andro ny Israely.—No 20:24-29.
Hitantsika tamin’ireo fahadisoana telo nataon’i Arona ireo fa toa tsy izy no tena atidoha nikotrika an’ireny zava-dratsy ireny. Toa ny toe-javatra na ny olon-kafa no nanery azy ka tsy nahatohitra izy. Mety ho tsy nanao an’ilay fahadisoany voalohany, ohatra, izy, raha nanaraka ny toro lalana raketin’ity didy ity: “Aza manaraka ny maro mba hanao ratsy.” (Ek 23:2) Na izany aza, dia zavatra tsara no resahin’ny Soratra Masina momba azy, tatỳ aoriana. Neken’ny Zanak’Andriamanitra koa fa ara-dalàna ny fisoronan’i Arona sy ny taranany.—Sl 115:10, 12; 118:3; 133:1, 2; 135:19; Mt 5:17-19; 8:4.
Ireo mpisorona taranak’i Arona. Misy Baiboly mampiasa ny teny hoe “Aronita” ao amin’ny 1 Tantara 12:27 sy 27:17. (Prot.; FFBF; JM) (Ny anarana hoe Arona kosa no hita ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta amin’ny teny hebreo. Ny hoe “taranak’i Arona” no hita ao amin’ny LXX [fanontana Lagarde ao amin’ny 1Ta 12:27].) Miharihary fa manondro antokon’olona ilay hoe “Arona” eto, toy ilay teny hoe Israely ihany. Ny tiana holazaina àry dia ny ankohonan’i Arona na ny lahy rehetra taranany izay avy amin’ny fokon’i Levy sady nanao ny asan’ny mpisorona tamin’ny andron’i Davida. (1Ta 6:48-53) Izao no voalazan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao: “Ary i Joiada no mpitarika ny taranak’i Arona, ary nisy fitonjato sy telo arivo niaraka taminy.”—1Ta 12:27.