JOSOA
(Josoà) [“I Jehovah dia Famonjena”].
1. Zanak’i Nona. Taranak’i Efraima i Josoa ary mpanompon’i Mosesy. Voatendry handimby an’i Mosesy izy, tatỳ aoriana. (Ek 33:11; De 34:9; Js 1:1, 2) Hita ao amin’ny Soratra Masina fa mpitarika be herim-po sy tsy saro-tahotra i Josoa. Natoky izy fa tsy maintsy tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah. Nankatò ny toromarik’i Jehovah koa izy, ary tapa-kevitra ny tsy hivadika taminy. Hosea no anarany tamin’ny voalohany, fa i Mosesy no niantso azy hoe Josoa. (No 13:8, 16) Tsy lazain’ny Baiboly anefa hoe oviana izy no nanjary nantsoina hoe Josoa.
Nitarika ny ady tamin’ny Amalekita. Nanafika an’ireo Israelita tsotra izao fotsiny ny Amalekita, rehefa nitoby tao Refidima ny Israelita, tamin’ny 1513 T.K., taorian’ny nanafahana azy ireo tamin’ny fomba mahagaga tamin’ny tafika ejipsianina teo amin’ny Ranomasina Mena. Nanendry an’i Josoa i Mosesy mba hitarika an’ilay ady tamin’ny Amalekita. Tena nahay nitari-tafika i Josoa ka resy tanteraka ireo fahavalo ireo. Andriamanitra rahateo koa nanampy ny Israelita. Namoaka didy i Jehovah, taorian’izay, hoe tsy maintsy horinganina tanteraka ny Amalekita. Nasainy nosoratan’i Mosesy sy nolazaina tamin’i Josoa izany didy izany.—Ek 17:8-16.
Mpanampy an’i Mosesy. Azo inoana fa anisan’ireo anti-panahy 70 nahazo fahitana momba ny voninahitr’Andriamanitra teo amin’ny Tendrombohitra Sinay i Josoa, tatỳ aoriana, satria mpanampy an’i Mosesy izy. Niara-niakatra tamin’i Mosesy nankao amin’ny Tendrombohitra Sinay izy taorian’izay, saingy angamba nijanona teny antenatenan-dalana ary tsy niditra tao amin’ilay rahona, satria i Mosesy ihany no nasain’Andriamanitra nanao izany. (Ek 24:9-18) Nijanona tao an-tendrombohitra nandritra ny 40 andro sy 40 alina izy sy Mosesy. Nidina izy roa lahy taorian’izay. Raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia toa nandre “tabataban’ady” i Josoa. Diso hevitra anefa izy fa hiran’ireo Israelita nanompo zanak’omby sampy ilay izy. Tezitra be i Mosesy rehefa nahita an’ilay zanak’omby volamena. Azo antoka fa toy izany koa i Josoa, ary mety ho nandray anjara tamin’ny famotehana azy io mihitsy aza izy.—Ek 32:15-20.
Nivadika tamin’ny fifanekena nifanaovany tamin’i Jehovah Andriamanitra ny Israelita, rehefa nanompo an’ilay zanak’omby. Izany no mety ho nahatonga an’i Mosesy hamindra ny tranolainy (ny “tranolay fihaonana”) tany ivelan’ny toby. Mbola tsy namela ny fahotan’ny Israelita mantsy i Jehovah, ka tsy teo anivon’izy ireo intsony. Isaky ny niverina tany amin’ny toby i Mosesy, dia tsy niala tao amin’ilay tranolay i Josoa, angamba mba hisakanana ny Israelita tsy hiditra tao, noho izy ireo tsy nadio.—Ek 33:7-11; 34:9.
Tsapan’i Mosesy tatỳ aoriana fa navesatra loatra ny andraikiny, rehefa nimenomenona taminy ny vahoaka. Nasain’i Jehovah nifidy anti-panahy 70 àry izy mba hanampy azy. Nankany amin’ny tranolay fihaonana ireo anti-panahy ireo avy eo, afa-tsy i Eldada sy Medada izay nijanona tao an-toby, azo antoka fa noho ny antony nitombina. Rehefa niasan’ny fanahy masina ireo anti-panahy 68 tao amin’ny tranolay masina, dia nanao hoatran’ny mpaminany koa i Eldada sy Medada tao an-toby. Vetivety dia tonga tany amin’i Mosesy ilay vaovao. Nampirisika an’i Mosesy i Josoa mba handrara azy roa lahy, satria nahasaro-piaro azy ny fahefan’ny tompony. Toa tsy tamin’ny alalan’i Mosesy no nahazoan’i Eldada sy Medada ny fanahy masina, ka mety ho nihevitra i Josoa fa nampihena ny fahefan’ny tompony izany. Nanitsy azy anefa i Mosesy hoe: “Satriko aza raha mpaminany daholo ny vahoakan’i Jehovah rehetra, ka homen’i Jehovah ny fanahiny!”—No 11:10-29; ampit. Mr 9:38, 39.
Nijery taratra ny Tany Nampanantenaina. Nitoby tany an-tany efitr’i Parana ny Israelita, taorian’izay. Tany i Mosesy no naniraka 12 lahy mba hijery taratra ny Tany Nampanantenaina, ka iray tamin’ireny i Josoa (Hosea). Niverina izy ireo 40 andro tatỳ aoriana, ary i Josoa sy Kaleba ihany no nilaza zavatra tsara momba an’ilay tany. Ireo mpitsikilo folo hafa kosa nanakivy ny vahoaka. Nilaza izy ireo fa tsy ho resin’ny Israelita mihitsy ny mponin’i Kanana satria natanjaka be. Nikomy àry ny vahoaka sady nimenomenona. Nandrovitra ny akanjony i Josoa sy Kaleba ka nampitandrina ny olona mba tsy hikomy sady nanome toky azy ireo. Nampahery ny vahoaka izy roa lahy ary nanazava fa hain’i Jehovah ny manatanteraka ny teniny. Tsy nisy vokany anefa izany. “Niresaka ny hitora-bato azy roa lahy” mihitsy aza ny vahoaka manontolo.—No 13:2, 3, 8, 16, 13:25–14:10.
Nikomy ny Israelita ka nataon’i Jehovah nivezivezy tany an-tany efitra nandritra ny 40 taona, mandra-pahafatin’ireo lehilahy rehetra 20 taona no ho miakatra, izay voasoratra anarana (tsy anisan’izany ny Levita, satria tsy voasoratra anarana izy ireo noho izy ireo tsy azo nalefa tao amin’ny tafika; No 1:2, 3, 47). I Josoa sy Kaleba ihany no nahazo niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina, tamin’ireo voasoratra anarana. Matin’ny loza avy tamin’i Jehovah kosa ireo mpitsikilo folo lahy tsy nanam-pinoana.—No 14:27-38; ampit. No 26:65; 32:11, 12.
Voatendry handimby an’i Mosesy. Tsy nahazo niditra ny Tany Nampanantenaina koa i Mosesy sy Arona, satria tsy nanamasina an’i Jehovah, rehefa namoaka rano tamin’ny fomba mahagaga i Jehovah tao Kadesy, tamin’ny faramparan’ilay dian’ny Israelita tany an-tany efitra. (No 20:1-13) Nasain’i Jehovah nanendry an’i Josoa àry i Mosesy mba handimby azy. Nametra-tanana tamin’i Josoa i Mosesy, teo anatrehan’i Eleazara (zanak’i Arona) mpisoronabe vaovao sy teo anatrehan’ny fiangonan’Israely manontolo. Tsy hoe hitovy amin’i Mosesy i Josoa, na dia voatendry handimby azy aza. I Mosesy ihany mantsy no toy ny hoe ‘nifanatrika’ tamin’i Jehovah. Nanomezana tamin’ny voninahitr’i Mosesy i Josoa, nefa tsy ny voninahiny rehetra fa izay nilainy mba hanajan’ilay firenena azy fotsiny. Tsy maintsy nanontany ny mpisoronabe koa i Josoa, fa tsy toa an’i Mosesy izay afaka niresaka nivantana kokoa tamin’i Jehovah ka azo lazaina hoe ‘nifanatrika’ taminy. Tany amin’ny mpisoronabe mantsy ny Orima sy Tomima, izay nampiasaina mba hamantarana tsara ny sitrapon’Andriamanitra.—No 27:18-23; De 1:37, 38; 31:3; 34:9, 10, f.a.p.
Nasain’i Jehovah nanome toromarika sy nampahery an’i Josoa i Mosesy, mba hahavitany tsara ny andraikitra nankinina taminy. (De 3:21, 22, 28; 31:7, 8) Kely sisa dia ho tonga ny andro ahafatesan’i Mosesy, ka nasaina nankao amin’ny tranolay fihaonana izy sy Josoa. Notendren’i Jehovah ho mpitarika i Josoa avy eo, mba hanamafisana ny fanendrena nataon’i Mosesy tamin’izy nametra-tanana taminy. (De 31:14, 15, 23) Nanampy an’i Mosesy i Josoa, taorian’izay, rehefa nisy tononkira nomen’Andriamanitra an’i Mosesy mba hosoratany sy hampianariny ny Israelita.—De 31:19; 32:44.
Nanohy ny asan’i Mosesy. Niomana hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina i Josoa, rehefa maty i Mosesy. Naniraka mpiadidy izy mba hampiomana ny vahoaka, satria hiampita an’i Jordana izy ireo rehefa afaka telo andro. Nampahatsiahy an’ireo Gadita sy Robenita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase koa izy hoe tokony hanampy izy ireo rehefa hiady mba hahazoana an’ilay tany ny foko hafa. Ankoatra izany, dia naniraka mpitsikilo roa lahy izy mba hijery taratra an’i Jeriko sy ny manodidina.—Js 1:1–2:1.
Niala tao Sitima ny Israelita ary nitoby teo akaikin’i Jordana, rehefa tafaverina ireo mpitsikilo roa lahy. Nanao fahagagana i Jehovah, ny ampitson’iny, ka nijanona tsy nikoriana ny Reniranon’i Jordana ary afaka nandia tany maina ilay firenena rehefa niampita. Mba hahatsiarovana izany, dia nisy vato 12 natsangan’i Josoa teo afovoan’ilay renirano ary nisy vato 12 natsangany tao Gilgala, tanàna voalohany nitobian’ny Israelita tany andrefan’i Jordana. Nanamboatra antsy tamin’ny vatoafo koa izy mba hamorana ny lehilahy israelita rehetra teraka tany an-tany efitra. Efatra andro teo ho eo tatỳ aoriana àry dia efa afaka nankalaza ny Paska izy ireo.—Js 2:23–5:11.
Nihaona tamin’ny anjely iray, lehiben’ny tafik’i Jehovah, i Josoa taorian’izay, tamin’izy teo akaikin’i Jeriko. Nohazavain’ilay anjely taminy ny fomba hanafihana an’ilay tanàna. Nankatò an’izany i Josoa ka rava i Jeriko. Naminany izy taorian’izay fa ho voaozona izay manorina indray an’ilay tanàna, ary tanteraka izany 500 taona mahery tatỳ aoriana. (Js 5:13–6:26; 1Mp 16:34) Nanafika an’i Ay izy, taorian’izay, ka nandefa 3000 lahy teo ho eo. Resy ny Israelita tamin’ny voalohany. Tsy nanampy azy ireo mantsy i Jehovah, satria tsy nankatò i Akana fa nalainy ho an’ny tenany ny zavatra azony babo tao Jeriko. Notoraham-bato àry i Akana sy ny ankohonany. Nanafika an’i Ay indray i Josoa taorian’izay, ka resy ilay tanàna, rehefa nasian’i Josoa lehilahy niafina mba hanafika azy io. Lasa dongon-tany ngazana àry i Ay.—Js 7:1–8:29.
Tamin’izay ny fiangonan’Israely manontolo no nankeo akaikin’ny Tendrombohitra Ebala, ka anisan’izany ny vehivavy sy ny ankizy ary ny vahiny. Nanorina alitara teo amin’ilay tendrombohitra i Josoa, ary nataony araka ny voalazan’ny Lalàna izany. Nijoro teo anoloan’ny Tendrombohitra Gerizima ny antsasaky ny vahoaka ary teo anoloan’ny Tendrombohitra Ebala ny antsasany. Novakin’i Josoa tamin’izy ireo avy eo “izay rehetra voalazan’ny lalàna, dia ny fitahiana sy ny ozona.” “Tsy nisy tsy novakin’i Josoa ny teny rehetra nandidian’i Mosesy. Novakiny mafy izany.”—Js 8:30-35.
Rehefa tafaverina tao an-toby tany Gilgala i Josoa sy ny mpiadidy teo amin’ny Israely, dia nisy iraka avy tany Gibeona tonga tao amin’izy ireo. Niaiky ny Gibeonita fa i Jehovah no niady ho an’ny Israelita, ka nampiasa fitaka izy ireo mba hanaovan’i Josoa fifanekem-pihavanana taminy. Nahomby ny tetik’izy ireo. Nipoitra anefa ny marina tatỳ aoriana, ka nataon’i Josoa mpanompo izy ireo. Ren’i Adoni-zedeka mpanjakan’i Jerosalema izay nataon’ny Gibeonita. Nanafika an’i Gibeona àry izy sy ny mpanjaka kananita efatra. Niantso vonjy tamin’i Josoa ireo Gibeonita, ka niainga avy tany Gilgala i Josoa, ary nandeha an-tongotra nandritra ny alina. Niady ho an’ny Israely i Jehovah taorian’izay, rehefa niaro ny Gibeonita izy ireo. Porofo izany fa nankasitrahany ilay fifanekena nifanaovan’ny Israelita sy ny Gibeonita. Nandatsaka havandra tamin’ireo fahavalo i Jehovah ka betsaka kokoa ny matin’ny havandra noho ny maty tamin’ny ady. Nanaiky ny fangatahan’i Josoa mihitsy aza i Jehovah ka nohalavainy ny andro, mba hamitana an’ilay ady.—Js 9:3–10:14.
Taorian’io fandresena nomen’Andriamanitra an’i Josoa io, dia nobaboiny koa ny tanànan’i Makeda, Libna, Lakisy, Eglona, Hebrona, ary Debira, ka resy tanteraka ny Kananita tany amin’ny faritra atsimo tamin’ny Tany Nampanantenaina. Nanambatra ny heriny ireo mpanjaka kananita tany amin’ny faritra avaratra, taorian’izay, ka nitoby teo amoron’ny ranon’i Meroma mba hiady tamin’ny Israely. I Jabina mpanjakan’i Hazora no nitarika azy ireo. Marina fa nanana soavaly sy kalesin’ady be dia be izy ireo, nefa nampahery an’i Josoa Andriamanitra mba tsy hatahotra. Nampian’i Jehovah indray ny Israelita ka nandresy. Notapahin’i Josoa ny hoza-tongotry ny soavalin’ireo fahavalo ary nodorany ny kalesin’izy ireo, araka ny tenin’i Jehovah. Nodorany koa i Hazora. (Js 10:16–11:23) Tao anatin’ny enin-taona teo ho eo àry (ampit. No 10:11; 13:2, 6; 14:34-38; Js 14:6-10), dia nandresy mpanjaka 31 i Josoa ary lasa teo ambany fifehezany ny ampahany lehibe tamin’ny Tany Nampanantenaina.—Js 12:7-24; SARINTANY, Boky 1, p. 737.
Tonga ny fotoana nizarana an’ilay tany tamin’ny foko tsirairay. Natao tao Gilgala izany tamin’ny voalohany, teo ambany fanaraha-mason’i Josoa sy Eleazara Mpisoronabe ary solontena folo notendren’Andriamanitra. (Js 13:7; 14:1, 2, 6; No 34:17-29) Napetraka tao Silo ny tranolay masina tatỳ aoriana, ka notohizana tao ny fizarana an’ilay tany tamin’ny antsapaka. (Js 18:1, 8-10) Nomena ho an’i Josoa ny tanànan’i Timnata-sera, teo amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima.—Js 19:49, 50.
Nananatra farany ary avy eo maty. Nantsoin’i Josoa ny anti-panahy sy ny lohany teo amin’ny Israely ary ny mpitsara sy ny mpiadidy, rehefa nanakaiky ny andro ahafatesany. Nananatra azy ireo izy mba tsy hivadika amin’i Jehovah, ary noresahiny ny ho vokany raha tsy mankatò izy ireo. (Js 23:1-16) Novoriny koa ny fiangonan’Israely manontolo ka nampahatsiahiviny azy ireo izay nataon’i Jehovah tamin’ireo razambeny sy tamin’ilay firenena, ary nampirisika azy ireo mba hanompo an’i Jehovah izy. Hoy i Josoa: “Fa raha tsy tianareo ny hanompo an’i Jehovah, dia fidio anio izay hotompoinareo, na ny andriamanitra notompoin’ny razanareo tany ampitan’ny Renirano, na ny andriamanitry ny Amorita nonina teto amin’ity tany onenanareo ity. Fa izaho sy ny ankohonako kosa hanompo an’i Jehovah.” (Js 24:1-15) Taorian’izay, dia nanao fifanekena indray ny Israelita hoe hankatò an’i Jehovah.—Js 24:16-28.
Maty i Josoa tamin’izy 110 taona ary nalevina tao Timnata-sera. Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy izy ary nisy vokany tsara izany, matoa voalaza fa “nanompo an’i Jehovah foana ny Israely nandritra ny androm-piainan’i Josoa sy ireo anti-panahy, izay mbola velona taorian’i Josoa.”—Js 24:29-31; Mpts 2:7-9.
2. Tompon’ny saha iray tao Beti-semesy. Tao amin’io sahan’i Josoa io no napetraka sy naseho mba ho hitan’ny olona ny Vata masina, taorian’ny namerenan’ny Filistinina azy.—1Sa 6:14, 18.
3. Lehiben’ny tanànan’i Jerosalema tamin’ny andron’i Josia Mpanjaka. Toa nisy toerana avo nampiasaina tamin’ny fivavahan-diso teo akaikin’ny tranon’i Josoa. Noravan’i Josia anefa ireny toerana ireny.—2Mp 23:8.
4. Zanak’i Jozadaka. I Josoa no mpisoronabe voalohany, rehefa niverina avy natao sesitany tany Babylona ny Israelita. (Hg 1:1, 12, 14; 2:2-4; Za 3:1-9; 6:11) Antsoina hoe Jesoa izy, ao amin’ny bokin’i Ezra sy Nehemia.—Jereo JESOA No. 4.