ANANA MANGIDY
[Heb.: merôrim].
Nasaina nihinana zanak’ondry natsatsika sy mofo tsy misy lalivay niaraka tamin’ny anana mangidy ny Israelita ny alin’ny Paska (Ek 12:8), ary nihinana izany izy ireo isaky ny nankalaza ny Paska taorian’izay. (No 9:11) Tsy voalaza mazava hoe inona ilay (na ireo) anana mangidy. Toa nihinana azy io izy ireo mba hahatsiarovany fa nangidy ny fiainany tamin’izy ireo andevo tany Ejipta.
Hita ao amin’ny Fitomaniana 3:15 koa ny hoe merôrim (heb.), izay nadika matetika hoe “zava-mangidy.” Mety kokoa anefa, hono, ny andikana azy io hoe “bozaka (na anana) mangidy” mba hifanitsy amin’ilay zavamaniry mangidy resahin’ilay andininy.