Afaka Manatsara ny Fitadidianao Ianao
NAMORONA ny atidohan’ny olombelona mba hahafahan’izy io hitadidy, i Jehovah Andriamanitra. Izy io dia nataony ho toy ny fitahirizan-javatra izay tsy misy banga ny zava-tsoa nampidirina tao, na dia akana foana aza. Mifanaraka tsara amin’ny fikasan’Andriamanitra ny hiainan’ny olombelona mandrakizay ny fomba nanaovana ny atidoha.—Sal. 139:14; Jaona 17:3.
Mety hihevitra anefa ianao hoe be dia be loatra amin’izay ampidirinao ao an-tsainao no very. Toy ny hoe tsy ao ilay izy, rehefa ilainao. Inona no azonao atao mba hanatsarana ny fitadidianao?
Manehoa fahalianana
Tena ilaina mba hanatsarana ny fitadidianao ny fahalianana. Raha mianatra hahay handinika sy hihevitra ny olona sy izay mitranga manodidina antsika isika, dia handrisika ny saintsika hiasa izany. Ho mora kokoa amintsika amin’izay ny haneho fahalianana toy izany koa, rehefa mamaky na mandre zava-dehibe isika.
Olona maro no hita fa sahirana vao mahatadidy anaran’olon-kafa. Mahafantatra anefa isika Kristianina fa zava-dehibe ny olona: ny namantsika kristianina, sy ny olona itoriantsika, ary ny hafa mifandray amintsika eo amin’ny fiainana andavanandro. Inona no hanampy antsika hitadidy ireo anarana tena tokony hotadidintsika? Ny apostoly Paoly dia nitanisa anaran’olona 26, anisan’ny fiangonana iray nanoratany taratasy. Nanam-piheverana an’ireo olona ireo izy, araka ny hita amin’ny fahafantarany ny anaran’izy ireo avy, sy amin’ny fanononany zavatra kely manokana momba ny maro taminy. (Rom. 16:3-16) Ny mpiandraikitra mpitety faritany sasany eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny koa dia mahay mitadidy anaran’olona, na dia fiangonana samy hafa aza no tsidihiny isan-kerinandro. Inona no manampy azy ireo? Angamba mizatra mampiasa imbetsaka ny anaran’ny olona iray izy ireo, rehefa miresaka aminy voalohany. Miezaka mampifandray ny anaran’ilay olona amin’ny tarehiny izy ireo. Fanampin’izany, dia mandany fotoana miaraka amin’ny olona maro samihafa izy ireo, eny amin’ny fanompoana na amin’ny fotoan’ny sakafo. Rehefa mahita olona iray ianao, ho tadidinao ve ny anarany? Manàna aloha antony tsara hitadidiana ilay anarana; avy eo dia andramo ny sasany amin’ireo fanoloran-kevitra voalaza teo ireo.
Zava-dehibe koa ny hitadidianao izay vakinao. Inona no hanampy anao hanatsara izany? Ny fahalianana sy ny fahazoana ny hevitr’izay vakinao. Tokony ho liana amin’izay vakinao ianao, vao afaka mifantoka tsara amin’ilay izy. Tsy hisy hevitra ho tadidinao, raha miezaka hamaky teny ianao, nefa tsy ao ny sainao. Ho azonao kokoa ny hevitr’izay vakinao, rehefa mampifandray ilay fanazavana amin’ny zavatra efa mahazatra anao na amin’ny fahalalana efa anananao ianao. Manontania tena hoe: ‘Ahoana ary rahoviana no ahafahako mampihatra ity fanazavana ity eo amin’ny fiainako? Ahoana no ahafahako mampiasa azy ity mba hanampiako olon-kafa?’ Raha teny maromaro no indray vakinao, fa tsy teny tsirairay, dia hahazo kokoa ny hevitr’izay vakinao ianao. Hahazo hevitra haingana kokoa ianao, ary hamantatra mora foana ireo hevi-dehibe, ka ho mora kokoa ny mitadidy azy ireo.
Makà fotoana hanaovana famerenana
Milaza ireo manam-pahaizana momba ny fampianarana fa tena manampy ny fanaovana famerenana. Nanao fandinihana ny iray taminy, ka nampiseho fa ny iray minitra lany anaovana famerenana avy hatrany dia hampitombo avo roa heny ny habetsahan’ny zavatra tadidy. Koa raha vao nahavita ny vakiteninao ianao, na ampahany lehibe taminy, dia avereno ao an-tsainao ireo hevi-dehibe, mba hampiraiketana azy ao an-tsainao. Eritrereto ny fomba hanazavanao amin’ny fomba fiteninao izay hevi-baovao nianaranao. Raha mampiasa ny fitadidianao avy hatrany ianao, rehefa avy namaky hevitra iray, dia hanalava ilay fotoana hahafahanao hitadidy azy.
Avy eo, mandritra ireo andro manaraka, dia ataovy izay hiresahanao amin’olon-kafa momba ilay zavatra novakinao. Mety ho mpianakavy iray izany, olona iray ao am-pivoriana, mpiara-miasa, mpiara-mianatra, mpifanila trano, na olona hitanao eny amin’ny fanompoana. Tsy ireo hevitra fototra ihany iezahana tadidina, fa ny fanjohian-kevitra araka ny Baiboly manohana azy ireo koa. Tsy ny tenanao ihany no handray soa avy amin’izany fa ny hafa koa, satria hitadidy zava-dehibe amin’ny fomba maharitra ianao.
Saintsaino ireo zava-dehibe
Ankoatra ny fanaovana famerenana sy ny firesahana amin’ny hafa momba izay novakinao, dia ho hitanao fa hanampy anao koa ny misaintsaina momba ireo zava-dehibe vao nianaranao. Nanao izany i Asafa sy i Davida, izay samy mpanoratra ao amin’ny Baiboly. Hoy i Asafa: “Hampahatsiaro ny asan’i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha; eny, hisaina ny asanao rehetra aho ary hihevitra ny nataonao.” (Sal. 77:11, 12) I Davida kosa nanoratra hoe: “Mieritreritra Anao amin’ny fiambenan-alina [aho]”, sy hoe: “Mahatsiaro ny andro fahiny aho ary misaina ny asanao rehetra.” (Sal. 63:6; 143:5) Manao izany ve ianao?
Tsy vitan’ny hoe hitadidy hevitra fotsiny ianao, rehefa misaintsaina lalina sy maharitra toy izany momba ny asan’i Jehovah sy ny toetrany ary ny sitrapony. Handraikitra zavatra faran’izay lehibe ao am-ponao koa ianao, raha mizatra misaintsaina toy izany. Hamolavola ny maha ianao anao izany. Hampiseho ireo eritreritrao lalina indrindra ny zavatra tadidinao.—Sal. 119:16.
Ny anjara asan’ny fanahin’Andriamanitra
Rehefa miezaka hitadidy ireo asa nataon’i Jehovah sy ny zavatra nolazain’i Jesosy Kristy isika, dia tsy voatery hanao izany irery. Hoy i Jesosy tamin’ireo mpanara-dia azy, ny alina talohan’ny hahafatesany: “Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.” (Jaona 14:25, 26) Nanatrika teo i Matio sy i Jaona tamin’io. Nananatra, na nanampy, azy ireo ve ny fanahy masina? Eny tokoa! Tokony ho valo taona tatỳ aoriana, dia vitan’i Matio ny fanoratany ilay fitantarana voalohany momba ny fiainan’i Kristy. Anisan’ireo zavatra sarobidy tsaroany ka nampidiriny tao ny Toriteny teo An-tendrombohitra sy ny famantarana ny fanatrehan’i Kristy sy ny fifaranan’ity tontolo ity. Dimy amby enimpolo taona taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia nanoratra ny Filazantsarany ny apostoly Jaona, anisan’izany ireo zavatra maro be nolazain’i Jesosy tamin’ilay alina farany niarahan’ireo apostoly tamin’ny Tompo, talohan’ny nanomezany ny ainy. Azo antoka fa na i Matio na i Jaona dia samy nahatadidy mazava tsara ireo zavatra nolazain’i Jesosy sy nataony, fony izy ireo niaraka taminy. Kanefa tsy azo lavina ny anjara asan’ny fanahy masina, izay nanampy azy ireo hitadidy tsipirian-javatra lehibe tian’i Jehovah ho voarakitra ao amin’ny Teniny.
Mbola manampy ny mpanompon’Andriamanitra toy izany ihany ve ny fanahy masina ankehitriny? Eny tokoa! Mazava ho azy fa tsy hametraka ao an-tsaintsika zavatra mbola tsy rentsika mihitsy ny fanahy masina. Hanampy kosa izy amin’ny famerenana ao an-tsaintsika zava-dehibe nianarantsika tamin’ny lasa. (Lioka 11:13; 1 Jaona 5:14) Avy eo, amin’ny fotoana ilana azy, ny fahaizantsika misaina dia voataona ‘hahatsiaro ny teny voalazan’ny mpaminany masina sy ny didin’ny Tompo sady Mpamonjy.’—2 Pet. 3:1, 2.
‘Tsy tokony hanadino ianareo’
Namerimberina nampitandrina ny Isiraely i Jehovah hoe: ‘Tsy tokony hanadino ianareo.’ Tsy nantenaina hitadidy ny zavatra rehetra tamin’ny an-tsipiriany akory izy ireo. Tsy tokony ho revo loatra tamin’ny raharahany manokana kosa anefa izy ireo, ka hanadino ireo zavatra nataon’i Jehovah. Nasaina notadidin’izy ireo mazava tsara tao an-tsainy ny namonjen’i Jehovah azy, fony ny anjeliny namono ny lahimatoan’i Ejipta rehetra, sy fony izy nanokatra ny Ranomasina Mena ary namerina azy avy eo, ka nahafaty an-drano an’i Farao sy ny tafiny. Nasaina notsarovan’ny Isiraelita fa nanome azy ireo ny Lalàny teo amin’ny Tendrombohitra Sinay Andriamanitra, ary nitarika azy ireo hamakivaky ny efitra sy hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Tsy tokony hanadino izy ireo, amin’ny heviny hoe tokony hitohy foana ny fitadidiany ireny zavatra ireny, mba hisy vokany lalina foana eo amin’ny fiainany andavanandro.—Deot. 4:9, 10; 8:10-18; Eks. 12:24-27; Sal. 136:15.
Tsy maintsy miezaka ny tsy hanadino koa isika. Rehefa miatrika ireo fanerena eo amin’ny fiainana isika, dia mila mahatsiaro an’i Jehovah. Mila mitadidy ireo toetran’Andriamanitra isika, sy ny halehiben’ny fitiavany tamin’ny nanomezany ny Zanany, izay hahazoantsika fanavotana amin’ny fahotantsika ary koa fiainana lavorary mandrakizay. (Sal. 103:2, 8; 106:7, 13; Jaona 3:16; Rom. 6:23) Hampiraikitra ireny fahamarinana sarobidy ireny ao amintsika ny famakiana Baiboly tsy tapaka sy ny fandraisana anjara amin-jotom-po amin’ny fivoriana sy ny fanompoana.
Rehefa tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra ianao, na lehibe izany na kely, dia tsarovy ireny fahamarinana tena lehibe ireny, ary avelao hanan-kery eo amin’ny fomba fisainanao. Aza manadino. Mitodiha any amin’i Jehovah mba hahazoana tari-dalana. Aza mijery zavatra araka ny fomba fijery ara-nofo fotsiny, na hoe hitoky amin’ny fientanan’ny fonao tsy lavorary, fa manontania tena hoe: ‘Torohevitra na toro lalana inona avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no tokony hanampy ahy amin’izao fanapahan-kevitra izao?’ (Ohab. 3:5-7; 28:26) Tsy afaka mitadidy zavatra mbola tsy novakinao na renao ianao. Rehefa mihamahazo fahalalana marina sy mihatia an’i Jehovah anefa ianao, dia hitatra ny tahirim-pahalalana ho tadidinao noho ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra. Ho voatosika hanao zavatra mifanaraka amin’izany fahalalana izany ianao rehefa mitombo ny fitiavanao an’i Jehovah.