Fitahiana na Fanozonana — Misy ny Safidy!
“Efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao”. — DEOTERONOMIA 30:19.
1. Nomena fahafahana hanao inona ny olombelona?
NOVOLAVOLAIN’I Jehovah Andriamanitra isika — zavaboariny olombelona manan-tsaina — ho olona afaka manao izay tiantsika hatao. Tsy noforonina ho toy ny milina mandeha ho azy na robots fotsiny isika, fa nomena tombontsoa sy andraikitra hanao safidy kosa. (Salamo 100:3). Nanana fahalalahana hifidy ny lalana harahiny ny olombelona voalohany — i Adama sy i Eva — ary nampamoahana teo anatrehan’Andriamanitra ny amin’ny safidiny izy ireo.
2. Safidy inona no nataon’i Adama, ary inona no vokany?
2 Ny Mpamorona dia nanome tamin’ny fomba tondraka fitahiana tsy misy fitsaharany ho an’ny fiainan’olombelona teo amin’ny tany paradisa iray. Nahoana no mbola tsy tontosa izany fikasana izany? Satria nanao ny safidy ratsy i Adama. Nandidy an’ilay lehilahy toy izao i Jehovah: “Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” (Genesisy 2:16, 17). Raha nifidy ny hankato i Adama, dia ho notahina ireo ray aman-drenintsika voalohany. Nitondra fahafatesana ny tsy fankatoavana. (Genesisy 3:6, 18, 19). Koa nifindra tamin’ny taranak’i Adama rehetra ny ota sy ny fahafatesana. — Romana 5:12.
Fitahiana nanjary nisy
3. Ahoana no nanomezan’Andriamanitra toky fa ho tontosa ny fikasany momba ny olombelona?
3 Nanorina fomba iray i Jehovah Andriamanitra mba hahatanteraka ny fikasany hitahy ny olombelona amin’ny farany. Ny tenany mihitsy no nanambara mialoha ny amin’ny Taranaka iray, raha naminany toy izao izy tao Edena: “Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” (Genesisy 3:15). Tatỳ aoriana Andriamanitra dia nampanantena fa hisy fitahiana ho tonga amin’ny olombelona amin’ny alalan’io Taranaka io, dia taranak’i Abrahama. — Genesisy 22:15-18.
4. Fandaharana inona no nataon’i Jehovah mba hitahiana ny olombelona?
4 Voaporofo fa i Jesosy Kristy io Taranaka ho fitahiana nampanantenaina io. Nanoratra toy izao i Paoly, apostoly kristiana, momba ny anjara asan’i Jesosy ao amin’ny fandaharan’i Jehovah ho fitahiana ny olombelona: “Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.” (Romana 5:8). Hisy fitahiana ho azon’ireo olombelona mpanota ireo izay mankato an’Andriamanitra sy manararaotra ny vidin’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. (Asan’ny Apostoly 4:12). Hifidy ny fankatoavana sy ny fitahiana ve ianao? Hiteraka zavatra tena hafa noho izany ny tsy fankatoavana.
Ahoana ny amin’ireo fanozonana?
5. Inona no dikan’ilay teny hoe “fanozonana”?
5 Fanozonana no mifanohitra amin’ny fitahiana. Ilay teny hoe “fanozonana” dia midika hoe milaza zava-dratsy momba ny olona iray na manao teny firariana ratsy azy. Ilay teny hebreo hoe qela·lahʹ dia nalaina avy amin’ilay matoanteny fototeny hoe qa·lalʹ, izay midika ara-bakiteny hoe “maivana”. Rehefa ampiasaina amin’ny heviny ara-panoharana anefa izy io, dia midika hoe ‘miantso loza’ na ‘manao tsinontsinona’. — Levitikosy 20:9, NW; 2 Samoela 19:43.
6. Fisehoan-javatra inona nahatafiditra an’i Elisa no nitranga tany akaikin’i Betela fahiny?
6 Diniho ny ohatra nampihetsi-po lalina iray momba ny fanaovan-javatra haingana izay nahatafiditra fanozonana. Nitranga izany raha teo am-pandehanana avy tany Jeriko hankany Betela ny mpaminany Elisa. Milaza toy izao ilay fitantarana: “Ary nony niakatra teny an-dàlana izy, dia, indreo, nisy ankizilahy madinika nivoaka avy tao an-tanàna ka nanakora azy hoe: Miakara, ry ilay sola; miakara, ry ilay sola! Ary nitodika izy ka nahita azy, dia nanozona azy tamin’ny anaran’i Jehovah. Ary dia nisy beravavy roa avy tany an-ala namiravira roa amby efa-polo tamin’ireo ankizilahy madinika ireo.” (2 Mpanjaka 2:23, 24). Tsy voambara izay tena notenenin’i Elisa marina fony izy nilaza io fanozonana io tamin’ny fiantsoana loza ho an’ireo ankizy nanakora ireo. Na dia izany aza, dia nisy vokany ilay teny nambara, satria natao tamin’ny anaran’i Jehovah, tamin’ny alalan’ny mpaminanin’Andriamanitra iray izay nanao zavatra nifanaraka tamin’ny sitrapon’Andriamanitra.
7. Inona no nitranga tamin’ireo ankizy izay nanakora an’i Elisa, ary nahoana?
7 Ny antony lehibe indrindra nahatonga ilay fanakorana dia toa ny nanaovan’i Elisa ilay akanjon’i Elia ofisialy nahazatra, ary tsy naniry mpandimby na iza na iza an’io mpaminany io teny amin’ny manodidina teny ireo ankizy. (2 Mpanjaka 2:13). Mba hamaliana ilay fihaikana ny naha-mpandimby an’i Elia azy sy mba hampianarana an’ireny tanora ireny sy ireo ray aman-dreniny ny fanajana mety hatao amin’ny mpaminanin’i Jehovah, dia niantso loza ho an’ilay vahoaka romotra nanakora i Elisa, tamin’ny anaran’ilay Andriamanitr’i Elia. Nampiseho ny fanekeny an’i Elisa ho mpaminaniny i Jehovah tamin’ny fanaovana izay hivoahan’ny beravavy roa avy tany an’ala ka hamiravirany ny 42 tamin’ireo mpanaraby ireo. Nanao zavatra tamim-pahatapahan-kevitra i Jehovah noho ny tsy fanajan’izy ireo nibaribary an’ilay fitaovana fampitana hafatra izay nampiasainy teto an-tany tamin’izany fotoana izany.
8. Nanaiky hanao inona ny vahoakan’ny Isiraely, ka nanana fahatsinjovana inona?
8 Taona maro talohan’izay, ireo Isiraelita dia nampiseho tsy fanajana nitovy tamin’izany nahakasika ny fandaharan’Andriamanitra. Toy izao no nitrangan’izany: Tamin’ny 1513 al.f.i., i Jehovah dia naneho sitraka tamin’ny vahoakan’ny Isiraely tamin’ny fanafahana azy avy tamin’ny fanandevozana egyptiana, toy ny “tamin’ny elatry ny voromahery”. Fotoana fohy taorian’izay, dia nanome toky izy ireo fa hankato an’Andriamanitra. Mariho fa ny fankatoavana dia nifandray tsy azo nosarahina tamin’ny fahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra. Hoy i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy: “Raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa Ahy ny tany rehetra.” Taorian’izay, dia nanaiky ilay vahoaka tamin’ny filazana hoe: “Izay teny rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay.” (Eksodosy 19:4, 5, 8; 24:3). Nilaza ho tia an’i Jehovah sy nanolo-tena ho azy ary nivoady ny hankato ny feony, ireo Isiraelita. Hiteraka fitahiana lehibe ny fanaovana izany.
9, 10. Raha mbola tany amin’ny Tendrombohitra Sinay i Mosesy, dia inona no nataon’ireo Isiraelita, ary inona no vokatr’izany?
9 Talohan’ny nanoratan’ny “rantsan-tànan’Andriamanitra” teo amin’ny vato ireo fepetra fototra tamin’io fifanarahana io anefa, dia nanjary nilaina ny fanozonan’Andriamanitra. (Eksodosy 31:18). Nahoana no sahaza ny vokany mampalahelo toy izany? Fa angaha moa ireo Isiraelita tsy nampiseho faniriana hanao izay teny rehetra nolazain’i Jehovah? Eny, tamin’ny teny, dia nitady fitahiana izy ireo, saingy tamin’ny asany, dia nifidy lalam-pitondran-tena sahaza fanozonana izy ireo.
10 Nandritra ny fe-potoana naharitra 40 andro, fony tany amin’ny Tendrombohitra Sinay i Mosesy mba handray ireo Didy Folo, dia nivadika tamin’ilay fampanantenany taloha kokoa ny tsy hivadika tamin’i Jehovah, ireo Isiraelita. Hoy ilay fitantarana: “Rehefa hitan’ny olona fa efa ela ka tsy mbola nidina avy tao an-tendrombohitra ihany Mosesy, dia niangona ho eo amin’i Arona izy ka nanao taminy hoe: Mitsangàna, ka anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin’ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy.” (Eksodosy 32:1). Io dia ohatra hafa iray ny amin’ny fihetsika tsy mampiseho fanajana natao tamin’ilay masoivoho olombelona izay nampiasain’i Jehovah tamin’izay mba hitarihana sy hitantanana ny vahoakany. Voasintona haka tahaka ny fanompoan-tsampy egyptiana ireo Isiraelita ka nijinja vokany nahatsiravina rehefa nisy 3 000 teo ho eo tamin’izy ireo lavon-tsabatra tao anatin’ny iray andro. — Eksodosy 32:2-6, 25-29.
Fanononana fitahiana sy fanozonana
11. Toromarika inona avy momba ny fitahiana sy ny fanozonana no notanterahin’i Josoa?
11 Rehefa nadiva hifarana ilay dia sarotra naharitra 40 taona nataon’ny Isiraely tany an’efitra, dia notanisain’i Mosesy ireo fitahiana hojinjaina amin’ny fifidianana ny lalan’ny fankatoavana an’Andriamanitra. Notanisainy koa ireo fanozonana izay ho hitan’ny Isiraelita raha nifidy ny tsy hankato an’i Jehovah izy ireo. (Deoteronomia 27:11–28:10). Fotoana fohy taorian’ny nidiran’ny Isiraely tao amin’ny Tany Nampanantenaina, dia nanatanteraka ny toromarik’i Mosesy nahatafiditra ireo fitahiana sy fanozonana ireo, i Josoa. Nitsangana teo am-pototry ny Tendrombohitra Ebala ny fokon’ny Isiraely enina, ary ireo enina hafa dia naka toerana teo anoloan’ny Tendrombohitra Gerizima. Nitsangana teo amin’ilay lohasaha teo anelanelany ny Levita. Toa niteny hoe “Amena” tamin’ireo fanozonana izay novakina nanandrify azy, ireo foko izay nijanona teo anoloan’ny Tendrombohitra Ebala. Ireo hafa dia namaly ireo fitahiana izay novakin’ireo Levita nanandrify azy teo am-pototry ny Tendrombohitra Gerizima. — Josoa 8:30-35
12. Inona avy ny sasany tamin’ireo fanozonana izay notononin’ireo Levita?
12 Aoka hatao hoe renao ireo Levita miteny toy izao: “Hozonina ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra an-idina, izay fahavetavetana eo imason’i Jehovah, asan’ny tànan’ny mahay tao-zavatra, ka mametraka azy ao amin’ny takona. (...) Hozonina izay manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny. (...) Hozonina izay mamindra ny faritanin’ny namany. (...) Hozonina izay mampivily làlana ny jamba. (...) Hozonina izay manao fitsarana miangatra amin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena. (...) Hozonina izay mandry amin’ny vadin-drainy, fa mandry amin’izay nandrian-drainy izy. (...) Hozonina izay mandry amin’ny biby. (...) Hozonina izay mandry amin’ny anabaviny, dia ny zanakavavin-drainy, na ny zanakavavin-dreniny. (...) Hozonina izay mandry amin’ny rafozani-vavy. (...) Hozonina izay mamely ny namany ao amin’ny takona. (...) Hozonina izay mandray kolikoly hahafaty olo-marina. (...) Hozonina izay tsy mankatò ny tenin’ity lalàna ity.” Taorian’ny fanozonana tsirairay, dia nanao hoe: “Amena”, ireo foko teo anoloan’ny Tendrombohitra Ebala. — Deoteronomia 27:15-26.
13. Amin’ny fiteninao manokana, ahoana no hilazanao ireo fitahiana sasany notononin’ireo Levita?
13 Izao dia aoka hatao hoe renao ireo izay teo anoloan’ny Tendrombohitra Gerizima namaly tamin’ny feo avo ny fitahiana tsirairay arakaraka ny niantsoan’ireo Levita izany: “Hotahina hianao ao an-tanàna, ary hotahina hianao any an-tsaha. Hotahina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman-osinao. Hotahina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao. Hotahina hianao, raha miditra; ary hotahina hianao, raha mivoaka.” — Deoteronomia 28:3-6.
14. Nifototra tamin’inona no nahazoan’ireo Isiraelita fitahiana?
14 Mifototra amin’inona ny fahazoana ireo fitahiana ireo? Hoy ilay fitantarana: “Raha mihaino tsara ny feon’i Jehovah Andriamanitrao hianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr’i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin’ny firenena rehetra amin’ny tany hianao; ary ho tonga aminao sy ho azonao [“hahatratra anao”, NW ] izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao hianao”. (Deoteronomia 28:1, 2). Eny, ny fankatoavana an’Andriamanitra no fanalahidin’ny fahazoana ny fitahian’Andriamanitra. Ahoana anefa ny amintsika amin’izao andro izao? Moa ve isika isam-batan’olona hifidy ny fitahiana sy ny fiainana amin’ny fanohizana ‘mihaino ny feon’i Jehovah’? — Deoteronomia 30:19, 20.
Fijerena akaiky kokoa
15. Hevi-dehibe inona no naseho tao amin’ilay fitahiana voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Deoteronomia 28:3, ary ahoana no hahafahantsika handray soa avy amin’izany?
15 Aoka isika hieritreritra ny amin’ny fitahiana sasany azon’ny Isiraelita iray noraisina noho ny nankatoavany an’i Jehovah. Ohatra, hoy ny Deoteronomia 28:3: “Hotahina hianao ao an-tanàna, ary hotahina hianao any an-tsaha.” Tsy miankina amin’ny toerana na ny fanendrena ny fitahian’Andriamanitra ny tena. Ny sasany dia mety hahatsiaro tena ho voafandrika ao anatin’ny toe-javatra misy azy, angamba noho izy ireo miaina any amin’ny faritra tsy misy na inona na inona ara-nofo na any amin’ny tany rotidrotiky ny ady. Ny hafa mety haniry fatratra hanompo an’i Jehovah any amin’ny toerana hafa. Ny lehilahy kristiana sasany dia mety ho kivy noho izy ireo tsy voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana na ho loholona ao amin’ny kongregasiona. Indraindray ireo vehivavy kristiana dia mety hahatsiaro tena ho kivy noho izy ireo tsy afaka mirotsaka amin’ny fanompoana manontolo andro amin’ny maha-mpisava lalana na misionera. Na dia izany aza, dia hotahina dieny izao sy ho mandrakizay doria ny olona rehetra izay ‘mihaino ny feon’i Jehovah ka mitandrina hanao izay rehetra takiny’.
16. Amin’ny ahoana ilay fotopoto-pitsipika ao amin’ny Deoteronomia 28:4 no iainan’ny fandaminan’i Jehovah amin’izao andro izao?
16 Hoy ny Deoteronomia 28:4: “Hotahina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman-osinao.” Ny fampiasana ilay mpisolo anarana hebreo milaza tokana hoe “hianao” dia milaza fa ho fanandraman-javatra manokana ho hitan’ny Isiraelita nankato iray, izy io. Ahoana ny amin’ireo mpanompon’i Jehovah mankato amin’izao andro izao? Ny fitomboana sy ny fanitarana maneran-tany eo am-pitrangana ao amin’ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia vokatry ny fitahian’Andriamanitra ny ezaka amim-pahatsorana nataon’ireo mpitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana maherin’ny 5 000 000. (Marka 13:10). Ary miharihary ny mety ho fitomboana lehibe kokoa noho ireo olona maherin’ny 13 000 000 nanatrika ny fankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo, tamin’ny 1995. Manana ireo fitahiana momba ilay Fanjakana ve ianao?
Ny safidin’ny Isiraely no nahatonga ny fahasamihafana
17. Miankina amin’inona ny hoe ‘tratran’ny’ fitahiana na ny fanozonana?
17 Raha ny marina, ireo fitahiana dia hanaraka hatrany ny Isiraelita nankato iray. Izao no nampanantenaina: “Ho tonga aminao sy ho azonao [“hahatratra anao”, NW ] izao fitahiana rehetra izao”. (Deoteronomia 28:2). Mitovy amin’izany koa fa toy izao no voalaza momba ny fanozonana: “Ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao”. (Deoteronomia 28:15). Raha Isiraelita tamin’ny andro fahiny ianao, moa ve ianao ho ‘tratran’ny’ fitahiana sa ny fanozonana? Izany dia ho niankina tamin’ny nankatoavanao an’Andriamanitra na ny tsy nankatoavanao azy.
18. Ahoana no nety ho nahafahan’ny Isiraelita nanalavitra fanozonana?
18 Ao amin’ny Deoteronomia 28:15-68, dia nambara ho fanozonana ireo vokatra mampanaintaina avy amin’ny tsy fankatoavana. Ny sasany dia ny mifanohitra marina tsara amin’ireo fitahiana noho ny fankatoavana, izay voatanisa ao amin’ny Deoteronomia 28:3-14. Matetika ny vahoakan’ny Isiraely no nijinja ny vokatr’ireo fanozonana faran’izay mafy noho ny nifidianany hanao fanompoam-pivavahana diso. (Ezra 9:7; Jeremia 6:6-8; 44:2-6). Nampalahelo toy inona moa izany! Azo nohalavirina ny vokany toy izany tamin’ny fanaovana ilay safidy tsara, dia ny fankatoavana an’ireo lalàna sy fotopoto-pitsipik’i Jehovah mahasoa, izay mamaritra mazava ny atao hoe tsara sy ratsy. Maro amin’izao andro izao no mizaka fahoriana sy loza mahatsiravina noho izy ireo nifidy ny hanao zavatra mifanohitra amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly tamin’ny fanarahana fivavahan-diso, fanaovana fahalotoam-pitondran-tena, fampiasana zava-mahadomelina voarara, fanaranam-po amin’ny fisotro misy alkaola, sy ny toy izany. Toy ny tamin’ny Isiraely sy ny Joda fahiny, ny fanaovana safidy ratsy toy izany dia miteraka tsy fankasitrahan’Andriamanitra sy fahoriam-po tsy ilaina. — Isaia 65:12-14.
19. Lazalazao ny toe-piainana nankafizina fony nifidy ny hankato an’i Jehovah ny Joda sy ny Isiraely.
19 Tsy tondraka ny fitahiana ary tsy nanjaka ny filaminana raha tsy nankato an’i Jehovah ny Isiraely. Ohatra, izao no vakintsika momba ny andron’ny Mpanjaka Solomona: “Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly. (...) Ary ny Joda sy ny Isiraely nandry fahizay tamin’ny andron’i Solomona rehetra, samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.” (1 Mpanjaka 4:20–5:1-5). Na dia tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka izay voamariky ny fanoherana be avy tamin’ireo fahavalon’Andriamanitra aza, dia nahatsapa ny fanohanana sy ny fitahian’i Jehovah ilay firenena rehefa nifidy ny hankato an’ilay Andriamanitry ny fahamarinana. — 2 Samoela 7:28, 29; 8:1-15.
20. Matoky ny amin’inona momba ny olombelona Andriamanitra?
20 Hankato an’Andriamanitra ve ianao sa tsy hankato azy? Nanana safidy ireo Isiraelita. Na dia samy nandova fironana hanota avy amin’i Adama avokoa aza isika rehetra, dia nahazo koa ilay fanomezana hanao safidy malalaka. Afaka manao ny safidy tsara isika na dia eo aza i Satana sy itỳ tontolo ratsy itỳ ary ny tsy fahalavorariantsika. Ambonin’izany, dia matoky ny Mpamorona antsika fa eo anatrehan’ny fisedrana sy ny fakam-panahy rehetra, dia hisy olona izay hanao ny safidy tsara, tsy hoe amin’ny teny fotsiny fa amin’ny asa koa. (1 Petera 5:8-10). Ho anisan’izy ireny ve ianao?
21. Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
21 Ao amin’ny lahatsoratra manaraka isika dia ho afaka handinika amim-pitandremana ny fihetsitsika sy izay ataontsika raha jerena amin’ireo ohatra tamin’ny lasa. Enga anie ny tsirairay amintsika hamaly amim-pankasitrahana ireo tenin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy manao hoe: “Efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao”. — Deoteronomia 30:19.
Ahoana no Havalinao?
◻ Ahoana no nataon’i Jehovah mba hahatonga ny fitahiana hanjary hisy ho an’ny olombelona mpanota?
◻ Inona no atao hoe fanozonana?
◻ Ahoana no mety ho nahazoan’ireo Isiraelita fitahiana fa tsy fanozonana?
◻ Fitahiana inona avy no nananan’ny Isiraely noho ny nankatoavany an’Andriamanitra?
[Sary, pejy 15]
Niangona teo anoloan’ny Tendrombohitra Gerizima sy ny Tendrombohitra Ebala ireo Isiraelita
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.